TEDx Antananarivo [nohavaozina]

 

Mba ho fahafinaretan'ny mason'i  Andrytia, mpankafy, sy ho fanajana ny aza ampijaliana ny tenintsika dia indro ny  lahatsoratra TeDx Antananarivo nosoratana teny malagasy ranoray, tsy misy diso tsipelina


Mino aho fa efa hitan'ny be sy ny maro ity: Tedx Antananarivo.

Izy ity izany dia karazana fihaonana natao hiresahana momba ny tontolo iainana.   Eny, fantatro tsara hoe mety mivarina ao @  ilay talenta malagasy hoe lany andro manao fivoriana fotsiny  indray ity fa tsy misy zavatra vanona akory... Tsy dia izay anefa satria isika dia anisan'ny hoe firenena tsy mba manana  fijery  na hoe drafitr'asa mazava momba ny hoe fiarovana ny tontolo iainana. Eny e, mety misy ihany aloha izany fa  ny tena marina dia tsy fanta-bahoaka, tsy mba nampandraisana anjara ny vahoaka ary tsy raharahian'ny vahoaka ka ohatra ny hoe tsy misy ihany...  Ity  fihaonana ity  izany dia anisan'ny hoe dingana @ izay hoe mba atomboka ny firesahana ny tontolo iainana. Sady  somary mifantoka kokoa  @ resaka  fiovan'ny toetr'andro eto @ izao tontolo izao ilay izy. Izany hoe mety hivelatra @ iraisam-pirenena ihany ilay resaka... dia izay eee, tsara ny miresaka ary tokony miresaka sy mifampidinika aloha vao manao zavatra. Indraindray ihany koa ny firesahana dia anisan'ny hoe fanairana ny tompon'andraikitra hifoha sy hahatsapa hoe mila mandray andraikitra izy...  "Ny hevitra no mitondra sy mitarika an'izao tontolo izao"... araka ny voalazan'i Ernest Renan.

Tedx ny anaran'ilay izy satria  moa tohanan'ny TED izany ilay fihaonana. Efa hitako nivezivezy teo @ twitter ihany izy ity ka mino aho fa efa mahafantatra daholo isika hoe rahampitso @ 3 ora tolak'andro izany. Jereo ilay rohy ery ambony io raha mila fanazavana fanampiny... somary nitontona  tany @-na imailaka tsy tokony hahatongavany taty amiko ilay izy, asa na noho ilay hoe TED angaha,  fa dia gaga be mihitsy aho... hoe  zavatra matotra tsara ity izany!  Minoa ahy,  maty antoka ianao raha tsy manatrika... dia izay ee,  mba halalaho ny fandaharam-potoananao fa zavatra tsara sy manan-danja ity. Sady adin'ny efatra ora fotsiny farafahabetsany, mirava @  fito hariva. Izany hoe raha ohatra  ka mbola misy tokony haleha ianareo avy  eo dia   tena hoe mirava aram-potoana tsara ahafahana mamonjy izany... Misy olona  maromaro hanao  famelabelarana ihany koa @ io fihaonana io... izany hoe tsy ho mahamonamonaina be ny resaka :-)

Izay!


ps:

* Jereo eto ny lahatsoratra orijinaly.
* Vakio ilay hevitra eo ambanin'ny nataon'i Andrytia, mikasika ny politika fanaovana lahatsoratra eto @ fialamboly.


1 2 3 4  Manaraka»