Pronostika Anio

Published on 02/16,2009

 

Fa nga tsy hamono olona androany letia e? 
Hatr@ zao mbola tsisy in in ihany any @ twitter!!
Kozy tsy handiso pronostika ry zalah ireto 

Miala tsiny aloha fa otran'ny hoe maniry olona ho faty aho ee. Tsy dia izany loatra ny any an-tsaiko sy ny any ampoko fa araka ilay efa nolazaiko iny ihany hoe: we're jungle. Tsy maintsy hitranga io, koa tsy tokony ho olana intsony ny firesahana azy mialoha.

Mampalahelo ihany aloha izany e. Fa araka ny efa nolazaiko hoe tsy misy hifanomezan-tsiny. Tsy omena tsiny i tgv satria ra tsy makeny @ ministera izy, na tsy izy fa ireo mpanaradia azy,  dia tsy ho tanteraka ny famonjena ny firenena araka ny fiheverany azy. Tsy omena tsiny koa i ra8 fa ra tsy mitifitra izay mitady hiditra ankeriny ny eny @ ministera izy dia naman'ny miala ampitoerana ihany... Koa matesa izay ho faty fa izany no lalan'ny fiainana.

Fady antsika tokoa manko izany miresaka izany. Na mireska aza, dia ny resaka resaka ihany fa ny atao atao ihany koa. Koa hoy aho hoe, aza mandiso ny pronostikako an.  Raha tsy misy ireny maty ireny dia tsy ho tafiditra ao @ tantara mintsy ity tolona ity. Mba fampafantarana an'izao tontolo izao fa misy i Madagasikara. Sady manjary very ny kolontsaintsika raha avela @ zao tsisy mpikarakara e.

Koa manentana antsika rehetra ary. Mba ho reharehan'ny tanindrazana. Aza avela irery i Madagasikara. Raiso ny adidinao, tsy anolon-dratsy tokoa izany.

 

ps: ahoana moa le fiteny anazy: rooootsksssss rooootsksssssssss  
      :b:b:b

 


Hevitra

Leave a Reply