Vote for Democracy, Vote No

Published on 11/10,2010

 

Efa betsaka ihany izay hevitra nivoaka mikasika ny fitsampan-kevi-bahoaka momba  ny lalam-panorenan'ny repoblika faha-4 izay.  Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany  fa dia ho voafitaka fotsiny eo hoe manaiky ny fifidianana ataony... Izaho kosa anefa mamporisika hoe mandehana mifidy ary fidio ny TSIA.

Fidio ny TSIA satria efa hiaraha-mahalala fa zavatra unilaterale ilay tetikasa. Tsy misy maharatsy ny fifidianana, ary tsy maintsy manana lalampanorenana rehefa hoe firenena mahaleotena fa hoe tokony mba hifanarahana izay zavatra atao. Efa fantatra fa ilay fanaovana di-doha otran'izao foana no mitondra krizy miverimberina. Dia ho otran'zao foana ve no fiainantsika? Ny HAT moa miteny hoe tsy unilaterale io fa efa vahoaka be sy antoko politika marobe no namorona azy. Dia hoy aho hoe tsotra fotsiny no hahafantarana fa unilaterale ny zavatra iray:  zavatra tokony evident sy hoe unequivocal  izany. Zany hoe rehefa mbola miezaka ny miteny hoe tsy unilaterale io na iza na iza izany dia unilaterale izy izay. Tsy tokony ho tenenina akory izany fa hita mivandravandra wazy eny ihany.

Fidio ny TSIA satria mbola lalampanorenana natao hanjakazakana  ny vahoaka fotsiny fa tsy natao hampandroso ny firenena akory. Ny conferansy nanaovana azy aloha dia efa tsy mety satria natao ampotomoto sy ankamehana fa dia maikamaika fotsiny hoe na hoany na tsy ho any. Eritrereto hoe firenena aiza no fantatra fa namorona ny lalam-panorenany izany tao anatin'ny herin'andro? Ny an'ny Amerikana izao tao anatin'ny 116 andro hono.  Tsy hoe fanoherana be fahatany ny HAT fa efa hita fa izao fanaovana petatoko izao foana no  tsy nampandroso hatrizay dia mbola izany foana ve no hatao?

Fidio ny TSIA satria ny zavatra hoe tapaka tao @ le conferansy aza mbola misy novain'ny filan-kevitry ny minisitra. Dia nataony @ itiavany azy tokoa moa izany. Natao saron-tava fotsiny ilay fake-conferansy. Mora tokoa moa no nanaovana izany satria conferansy petatoko tsy nanana fotoana handihana ny zavatra tena  manan-danja akory. Tsy nisy nahasamihafa an'ilay lalampanorenana vaovao noho ilay taloha akory avy eo, novaina fotsiny hoe mahazo mirotsaka ny DJ.

Fidio ny TSIA fa izany no fomba hilazana @ mpitondra (eny mpitondra izy, na iza faly na iza tsy faly, efa izay no izy)  hoe tsy ekenay ny fomba fitondranareo ny fivoahana @ krizy. Satria mety ho fivoahana temporaire toy nisy hatrizay fotsiny no hita fa avy eo ho krizy ihany. Dia tsy hisy masoandro mihiratra mitsy eto.  

MANDEHANA MIFIDY. Io foana no hadisoana fataon'ny mpanohitra hatrizay.  Ny tena mpandresy dia ny afaka mandresy @ lalaon'ny fahavalo. Tsy hiteny aho hoe fahavalo akory ny HAT fa izy no mitantana ny lalao aloha @ izao ka misy elegance kokoa ary tsy azo lavina intsony raha @ lalaony izy no resy... Ny hadisoan'ny mpanohitra hatrizay dia fanaovana hoe aza mifidy ity foana. Satria hoe sao dia ho voafandrika hoe holazainy hoe nareo anie nanao tsia ee. Mahaiza manaiky resy!!

Eny,  mety hoe fandrika ny fidirana @ lalaony fa ny tena hadisoana hatrizay dia ny fitadiavana vahaolana maimaika foana. Mieritreritreritra fingana sy fikafika tsisy mpahita dia ho mpandresy vetivety eo. Mitovy @ ilay fisainana hoe tsy hiasa fa hanan-karena wazy eo ihany izany. i Nelson Mandela nanoratra boky hoe "A long Walk to freedom"  mitantara ny niainy mandrapivoakany. Tsy mila mamaky ilay boky akory dia efa mahatsapa fa tsy tokony mieritreritra fa hoe haingana ny ady. Tokony mifidy foana ary mifidy TSIA. Izany no fampiarana ny demokrasia izay tena dradraina io. Na ho hangalariny aza ny vato  na hoe ho tsy manova zavatra akory aza na mandresy ny TSIA dia fomba fanehoana hevitra izany. Fomba firaisana @ hafa mba hatsapana hoe hay misy olona hafa mitovy hevitra amiko. 

Rehefa mahatsapa an'izay ny mpitarika ny tolona hoe hiady tokoa ho an'ny demokrasia sy ny fandrosoana ary ho ady maharitra izany dia izay no fanombohan'ny fandresena.  Rehefa maharitra ihany koa ny fijaliana dia mahatsapa ny tena lanjan'ny "fahafahana"  ireo niady @ izany. Tena olona vonona ny hitondra ny firenena tokoa raha afaka mahavita an'izany hoe sedra mandritra ny taona maro, eny mety ho 27 taona toa an'i Mandela aza. Fa tsy hoe olona taitaitra tao dia hoe hanao prezida an'ny repoblika aho, dia avy manakorontana etsy sy eroa. Dia 3 volana dia prezida, avy eo  sady efa ratsy saina no mbola tsy manana hevitra apoaka no sady lany andro mamono afo etsy sy eroa...

Ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe tokony raisina ho kolotsaina ny fandehanana mifidy. Eny,  tsy ho tonga lafatra izany fa rehefa miditra tsikelikely eo @ hoe fomba amam-panao dia miova tsikelikely wazy eo ihany toe-tsain'ny tsirairay. Ianao izany no mampianatra azy ny tena demokrasia @ fandraisanao anjara sy fanehoanao ny hevitrao. Mety hoe elabe izany fa izay no ady tokony himasoana hoe fisian'ny demokrasia aloha. Rehefa ao anatin'ny ra malagasy ny demokrasia, mitsangana moramora wazy eo ihany ny firenena. Mandrapahatonga an'zay dia mivonona @ tolona. Tsy tolona hoan'ny lalampanorenana, tsy tolona hoan'ny reconciliation sy amnistie, tsy tolona hanesorana ny HAT, tsy tolona hoan'ny fampandrosoana fa tolona hoan'ny demokrasia. Ny demokrasia no fototra an'ny olana rehetra. Izany no tolona tena izy, tolona horaikin-tampisaka ao anatin'ny toe-tsaina sy sotoavina malagasy ny demokrasia. Na ho ela na ho haingana.

Fidio ny TSIA. 


Hevitra

Leave a Reply