Tsara raha mampirafy ny lehilahy

Published on 12/19,2010

 

Yeah,  this is happening!!

Efa manakaiky moa ny fahatongavan'ny tompo ka nieritreritra ah hoe aleo mba  hafatra hoan'ny famonjena ihany koa no atolotro ho fanomezana antsika @ ity noely ity. Tsy inona izany fa ny hoe *tsara ry mampirafy*

Ny antony voalohany dia ny hoe  ny ara-boajanahary moa dia hoe tsisy partnera fiksa izany. Tsy haiko hoe iza no namorona an'zany hoe tokony mijanona @ olona  anakiray ihany ny olona iray mandrapahafatin'iny olona iray iarahany iny fa dia tena nandika ny lalana natoralin'ny zava-boary. Eny e, isika moa izany tsy biby fa manan-tsaina ka azo ekena ihany ny hoe olona iray miaraka @ olona iray satria mety hoe izany no atao hoe tena fitiavana angaha, asa, tsy haiko.  Ny tiako hahatongavana fotsiny dia ny hoe izay hoe safidy hiaraka @ olona iray izay no atao hoe exceptions sy safidin'olon-droa manokana fa tsy ilay hoe miaraka @ olona mihoatra ny iray akory.

Ny tena olana dia hoe teo anivon'ny fivoaran'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia lasa noraisiny ho soatoavina sy hoe tokony hoe izy eo anivon'ny fiaraha-monina ny hoe lehilahy iray miaraka @ vehivavy iray. Ny hoe A/tra sy ny fivavahana rahateo nanampy trotraka an'izany implicitement. Ilay teny mampirafy izany dia lasa ohatra ny hoe ratsy sy hoe fahotana. Kanefa ny tsy nino an'A/tra ny voajanahary fa tsy ny hoe nino tsy akory.  Ny ao @ didin'A/tra koa dia nolazainy mazava hoe aza mijangajanga na hoe aza mangala-badin'olona. Eto ary anefa dia efa misy vice de forme azo jerena sahady. Satria hoe inona marina moa izany no tena atao hoe mpivady ee? raha nivady tany @ katolika ve dia mpivady any @ protestant izay? eo mbola azo ekena satria hoe kato sy prostestant moa atsimo sy avaratra fa raha hoe silamo na hindu na budhist mbola hoe mpivady ihany ve?

Ny hoe mangalatra koa dia hoe maka zavatra iray tsy mahazo alalana avy @ tompony. Iza moa izany no tena tompon'ny olona, ny tenany ve? ny vadiny ve? sa A/tra? Zany hoe ra mahazo alalana @ ireo izany dia tsy tokony ho olana velively.  Tena azo antoka manko fa nahazo alalana @  ilay olona matoa ry zareo miaraka.   Ny fiaraha-monina izany tsy tokony hanaratsy an'ny hoe "mampirafy" raha tsy mahalala ny tena marina hoe nahazo alalana izy io... vokatry ny hevitry ny fiaraha-monina koa anefa dia lasa ny lalana @ firenena mihitsy no lasa nandrara ny hoe mampirafy.  Eto koa dia misy adihevitra iray indray hoe ny mpivady nisoratra tany @ firenena iray ve mbola mpivady ihany any @ firenena hafa? @ ankapobeny aloha dia marina io satria mitovy fijery ny fiarahamonina ka lasa miampita @ firenena 2 samihafa ihany koa izany... ny tiako hahatongavana anefa dia ny hoe ny natoraly dia ny tsy miampita, izany hoe tokony afaka manana zo ho tsy mpivady ny olona roa any @ firenena hafa na dia hoe mpivady aza any firenana hafa...

Somary vendrana ihany moa izany hevitra rehetra izany satria hoe rehefa niova ho izay ny firehan-kevitra eo @ fiaraha-monina dia efa izay izany no atao hoe tsara sy mety  ary tokony ho izy. Ny olana @ izay anefa dia ny hoe ety ivelany fotsiny ny fiaraha-monina no tsy tia ny hoe mampirafy fa ny tena marina dia zavatra mitranga ary ianana andavan'andro izany hoe olona iray miaraka @ olona mihoatra ny iray izany.  Marina fa betsaka tokoa ny tsy miodina ary mendri-piderana izy ireny fa betsaka ihany koa ny mpiodina. Tokony malalaka izany ny safidin'ny tsirairay hoe aiza ho aiza ao @ fiaraha-monina no misy azy.

Ny tena olana kosa anefa dia ny hoe ahoana kosa no toerana misy an'ilay vady/partnera raha hoe misafidy ny hampirafy ilay iray.  Hoe tokony mieritreritra ilay iray hoe ho zakanao ve raha ianao no atao an'izany. Eo ihany koa ny hoe efa nivoady sy nifanome toky, teo anatrehan'A/tra sy ny vahoaka.  Ny tokony tsy hadinoana anefa dia fitiavana no anisan'ny antony hivadian'ny mpivady ary i A/tra koa dia fitiavana. Tsy tiako ho tenenina ity kanefa zava-misy eo @ fiainana ka akory atao: ny lehilahy anie ka vitsy an'isa mihoatra @ vehivavy e. Izany hoe raha mijanona @ olona iray daholo ny tsirairay dia misy olona tsy mba misy mpitia izany. Manginy fotsiny ny hoe sipa tsy manja dia tsy poinsa hoe hanan-tsafidy be loatra ka raha toa ka misy lehilahy vonona ny hanome fitiavana azy ve dia ho tohaina izany? Eo koa ny hoe ny isan'ny masera betsaka lavitra noho ny mopera... 

Ndeha atao hevitra antehaka sy tsisy ilana azy daholo izany ee. Ny tena antony iray tena tokony hampirafesana hoy aho dia ny hoe satria misy ireo vehivavy tsy mety raha tsy miaraka @ lehilahy efa manam-bady. Misy tovovavy izay izany. Tena tafita ara-pianarana sy ara-bola ary manana ny ampy sy hoe mahaizy azy tokoa ary mbola tanora... kanefa dia miaraka @ lehilahy manambady aman-janaka... fatany tsara fa tsy tokony hanao izany izy fa mety handrava ny tokatranon'olona ary ihany koa tena marary ny fony rehefa makany @ vady aman-janany ilay rangah... dia nolazaiko hoe ka inona no mbola hiarahana aminy, bandy milay bedabe eraky ny tanana... dia hoy izy: satria tiko izy...  asa na za no fo vato na ahoana fa dia tena tsy azoko mihintsy... dia izay ee izany angaha no atao hoe tena fitiavana marina, mahazaka manao ny adalana rehetra... miaraka aminy no mahasambatra azy, tsy manana adidy tokony hampirafy  ve ilay rangah satria izay no mba anjara birikiny mitondra hazavana eo @ fianan'olona iray?

Mateti-pitranga ihany koa ny hoe fitiavana nitsiry taloha fa noho ny sompatry ny tany dia tsy tafaraka fa nivady t@ olon-kafa. Eo ihany koa ny hoe efa nivady vao tojo ny tena silaka fanahy...  Ny fitiavana anefa tsy hary ho tohaina fa arakaraka ny hanaovana izany vao mia mitroatra bebe kokoa. Ny fitiavana koa tsy mitovy hoe ny fitiavana an'i xxx  tsy hitovy @ fitiavana an'i yyy mihintsy na dia hoe samy fitiavana izao ihany aza. Tsy ho feno mihintsy ny fiainana rehefa hoe tojo ny fitiavana ianao kanefa hikipy sy hodian-tsy hita. Ny fizarana ny tena fitiavana dia zavatra tsara, tsy azo ampitovizina  @ hoe mpangalatra. Hoe satria ve misy mpangalatra eto @ fiaraha-monina, malalaka ny olona hisafidy ny misy azy @ hoe mpangalatra na tsia, dia azo lazaina fa tsara ny mpangalatra? tsia tsy mitovy satria ny fitiavana mamiratra kokoa rehefa zaraina.

Dia hoe hahazaka ve izy ra ny vadiny koa manao toy izany? atao tsinontsinona ve ny voady? Dia hoy aho hoe tsia an, mety manova ny dikany sy ny lanjan'ny mariazy izany kanefa kosa tsy tokony ho atao tsy hita ny zava-misy sy tena izy.  Tsara ny mampirafy, efa izany no voajanahary. Tsy ovaina  ihany koa ny  voady  sy  ny  fototra lehiben'ny mariazy dia ny fitiavana izany ary tena atao ny hoe manome toky aho fa tsy hiova ny fitiavako anao na inon-kidona na inon-kihantra. Fa kosa hoe vakiana @ tokony ho izy izany hoe azo ampidirana fizarana fitiavana hoan'ireo izay mila ihany koa. Hoe tsy hohahenako ary ho atao vaidohan-draraha foana ny fitiavako anao eny fa na dia mizara any @ hafa aza aho... Tsara ny mampirafy rehefa hoe tena fitiavana no zaraina sy hifanomezana @ hafa. Fitiavana, tena fitiavana fa tsy hoe filana na zavatra hafa... raha fitiavana avy @ hafa ihany koa no mety mahafeno ny fiainan'olona iray, tsy fanehoam-pitiavana azy ihany koa ve ny fanekena azy hameno ny fiainany?

Dia izay ee, tsara ny mampirafy!
Ndeha ary ho faranana @ ity hira hoe hanaraka anao ity, hiram-pitiavana,  hira fitoriana fitiavana ary hira an'ny mpamonjy ihany koa. Atolotra  ho firarian-tsoa an'ny noely antsika rehetra,

 

Joyeux Noel!!


Hevitra

Leave a Reply