Skycars, retour vers le futur...

Published on 08/30,2007

 

vam @ futur :)

Asa raha efa hitanareo ity lahatsoratra ity izay milaza fa hanomboka hivarotra "Flying saucer", tomobilina manidina irony, ny Moller International Inc. 

Lasa ihany ny saiko hoe tena efa lasa andavitra ny fiainan'ny zanak'olombelona an? lasa hisy traffic eny @ lanitra indray zany zao afaka taona maromaro. Ny tena mapme ny mieritreritra ny bandy kely any @ tanana sahirana misafidy hoe raha hividy daba dia inona ny mafy nefa tsy lafo loatra Laughing  raha mba fantany manko fa efa tsy hisy ilavana azy tsony ireny "atsy ho atsy". 

Fa le vidiny @ zao koa aloha tena henjana kle. $90.000 ony, efa mahatsangana orinasa kely ny bandy @ zany Cool. Kanefa io "prestige", ilay fiara "hummer", izay amidy mihoatra ny 2 miliara Ariary aza  moa misy gasy mividy ihany. Azo heverina fa tsy maintsy hisy gasy hanana io afaka  taona maromaro. Enganie mba ho za Tongue out. Tsy hitanareo mitovy @ futur moi ve ny 1 @ reo bandy 2 eo @ io sary io reo? Wink

Ny zavatra iray singanina manokana eto koa, asa raha tsikaritr'isika fa, efa ela no nieritreretan'ny olona hoe hisy any @ futur any ity karazana daba manidina ity. Raha tsy ilaza ny t@ androndr'i Cruchot aza, jereo fotsiny ireny film Judge Dredd  sy ilay Zenon. Ireo moa no tena tadidiko fa otran'ny nahafinaritra ahy. Ka hoy aho hoe, tsindrimandry ve sa lalana tsy maintsy efa nizorana toy ny internet, ordinatera portable sy ny finday ihany ve?

ps:  resaka skycars en general, jereo eto, jereo eto.


Hevitra

  1. 08/30,2007 | 23:11

    sady hividy occasion an'izany vam manidina izany ve tsy ho risika ihany! Toa tsaratsara kokoa izy hovidiana vaovao foana.
    Ary raha manao akosodà koa fa mifandona amin'ny ambohitaiazy dia tonga dia vizana fa tsy azo amboarina intsony koh !
    Asa re raha ho intéressant ohatran'ny kdarana efatra izy ity, Ny parking mbola ho vinavinaina koa.
    Boh...

  2. 08/31,2007 | 13:40

    lol
    Ny assurance no mety hahazo tombony raha be loatra ny accident kle :D

    Fa ra zao no dinihana mety ho tonga @ tantaran'ny "star wars" ihany ny olombelona hu hu hu le resaka "Jedi" no tena tiako hatongavana.
    Alohan'zany i Arnold mety ho lasa prezidan'i Etazonia :)

Leave a Reply