Friday 05 December 2008

Madagasikara Manohana Ny Fanamelohana Ho Faty

 

Dago on BBCNanohana, araka ny fiheverany manokana, ny fanamelohana ho faty ny Minisitra ny fitsarana Malagasy, tao arinan'ny nanaovan'ny Firenena Mikambana drafitrasa hanaovana antso avo ny firenena hanajanona izany. 

 Andro maromaro tao arinan'ny nanamelohana ho faty olona 12, izay voaheloka ho namono olona sy nangana "rotaka" (fanoherana), no namoahany  ity heviny manokana ity.

Ny nahatonga ity tantara ity moa dia noho ny vonoan'olona avy @ adi-tany izay nisy ny fanoheran'ny mponina teo an-toerana ny fanalana azy ireo t@ ireo tany ireo. 

Ny mpanao gazety any an-toerana moa nilaza fa efa hatr@ fahaleovan-tena 1960 no tsy nisy ny famonoana (fanalana aina mivantana) intsony tany Madagasikara. 

Fanoheram-pokonolona 

Nilaza t@ BBC moa ny minisitry ny Fitsarana Malagasy, Bakolalao Ramanandraibe  fa heviny manokana no nolazainy momba ny fanamelohana ho faty io ary tsy tokony ho raisina toy ny firehin-kevitra officialy an'ny fanjakana Malagasy. 

Nampiany moa izany fa tsy vonona ny hitsikera/hanome ny heviny momba ilay adin-tany, izay nahatonga ny fanamelohana ho faty ireo olona 12, nosamborina ny Alarobia lasa teo izy. 

Ingahy Jonny Hogg, mpanao gazetin'ny BBC any Antananarivo, nilaza fa 92 olona no voarohirohy ao @ ity raharaha ity.

Ankoatry ireo olona voaheloka ho faty, ny sasany t@ izy ireo voafonja 5taona, ny sasany voaheloka hanao asa anterivozona, araka ny voalazany.

5 taona lasa izay, nisy mpandraharaha nividy ny tany manodidina  an'Analavory, tanana iray 90km andrefan'ny renivohitra, mba hanaovany sehatra hiantsoana ny mpizahan-tany ary teo  no niatombohan'ilay ady t@ fokonolona.

T@ volana Aogositra 2006 ary dia nisy polisy avy any andrenivohitra nalefa t@ io tanana io mba hanala ireo mponina teo @ ilay tany kinanjo nisy fifanoherana mafy izany.

Nitangorona ny fokonolona nanohitra ary nisy polisy 2, maty voatoraka t@ vato. Nisy olona 1,  mponina  teo antoerana ihany koa voatifitra ary maty teo.

Nilaza moa ireto fokonolona fa efa hatr@ razambeny ary nipetraka t@ io tany io. 

Ny fitsarana moa nanameloka ny fokonolona, nankatoa ny hevitry ny mpitory fa hetsika mitory famonoana olona sy fanaovana "rokataka" no nataon'izy ireo.

ndlr: Dikan-teny Malalaka, nalaina tao @ Lahatsoratry ny BBC News-Front, anio Zoma 16 Novambra 2007.


Hevitra

  1. 0Mahavariana 11/17,2007 | 01:05

    Hay izay no niafaran'iny resaka iny :-( Ohatran'ny henjana loatra kosa na dia izany aza. Ny fokonolona indray izany no vizana mialohan'ny andian-jiolahy mitampiadiana mampihorohoro etsy sy eroa. Mahita ny maizina indroa ohatran'ny tainomby natsetsi-davabary izany. Hiorina eo ambony ra mandriaka izany ilay biznesy isarihana tourista raha izay no fandehany. Mampalahelo.



  2. 1Mirana 11/17,2007 | 03:24

    Gravy be indray zany...



  3. 2ikalamako 11/17,2007 | 10:44

    oups !



  4. 3simp 11/17,2007 | 23:21

    zavatra 2 no tena tsikaritro:
    * mahalana be mintsy vao misy article momba an'i Madagasikara @ BBC, in marina no antony nanaovana an'io resaka fanamelohana ho faty io tao?
    => mety hoe le chiffre 12 ve no ngoza loatra sa in, satria apparament fait divers bannal mitranga @ firenena rehetra ilay izy.
    >> io ilay tsy milay @ media vazaha fa tsy mba mampiseho ny zavatra tsara mintsy fa tsy maintsy ny zavatra tsy poinsa foana no arantiranty...

    * le resaka litige foncier, manahirana be mintsiny satria ireo olona ireo zany efa elabe izy nipetraka teo. Legalement ngefany izy ni-squatte nakeo fa tsy tena tompony akory. Na enao tsy eo @ toeran'ny tompony aza, ra misy tany fantatrao fa tokony ho anao ve dia avelanao hanjakan'ny ol fotsiny eo nefa mba mety hampiditra revenu ho anao ihany kou :)
    Bon, le izy alou tsy fantatra na nisy nanao didy kofehy lehibe tao hoe mety hoe tena tanim-panjakana ilay izy dia nangatahiny hoazy, manao afera sy tsolitra sns... dia ireo olona nipetra teo efa elabe indray no miahaka e. Tsy idirana lalina izay fa anjaran'ny fitsarana sy ny avocat an'ireo olona ireo ngamba no mahita an'zay...

    Mahavariana,
    tokony hoe nafindra toerana ireo olona ireo o? na du moins mba nitady solution pacifika...
    zany hoe tsy misy tonga lafatra ozy, anio vahoaka (tsy manan-tsiny ve?) , rampitso mety hoe dahalo @ zay :)



  5. 4simp 11/18,2007 | 20:23

    Ity kou misy iray, sady nitranga eo @ ilay featuring ery ambany ery an :)
    Jereo eto

    interessant hehehehe :P



  6. 5lap 11/20,2007 | 11:33

    Raha mandalo any Ilakaka elah de tena otran'ireny @ lucky luke ireny mihitsy ilay tanàna. :-)

    Farafaharatsiny tokony mba misy koa izany ny fanamelohana amin'ny goudron sy volon'akoho :-p

    ps : Raha ohatra i Madagasikara ka manohana ny fanamelohana ho faty, dia za manohana an'i Madagasikara ! ;-)



  7. 6jentilisa 11/20,2007 | 11:54

    Mety ho tsy maharaka ny tantara i simp hoe efa nomena tany maimaipoana anie izy ireo satria ni-squat fa tsy nanaiky izy sady nanao hoe raha te-hanala anay dia ny fatinay ihany no mety ho afakareo eto...



  8. 7simp 11/20,2007 | 15:41

    lap,
    ny douane gasy ve no pasoara sa aiza ry zalah no mahita basy e. Sa ny an'ny fanjakana no misy grobaka

    mety efa azo hanaovana film zany any Ilakaka an, action commando gidra gidra :-P

    jentl,
    ah okay
    hay ry zareo mintsy zany no ratsy saina. Sao d heverin'zala fa tany tsisy fanjakana ngamba i Madagasikara :)
    zay le mahakamo @ le tso-piaina sy ilay systeme hoe gratuit ny service publiq. Lasa hararaotin'ny ol fotsiny fa tsy manatsara zavatra akory...




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS