Kitra, Nofinofy Malagasy

Published on 11/29,2007

 

Tsy vitsy, hoy aho, ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an'ny Malagasy ity. Siora aho fa raha anaovana sondage io tena poinsa 80% isan-jaton'ny Malagasy no tsy manisy sirany izay vokatra mitranga @ lalao hifanaovan-tsika any intsony fa samy miara mionona hoe tsy haka "lesona" indray ve e Laughing

Tato ho ato anefa  toa otran'ny netinety hafahafa izany ny fandehan-javatra. Lasa tafiditra @ dingana manaraka @ fifanina @ fandraisana anjara @ "coupe du monde" ny Barea. Eny e, ny nosy lekoma moa no tena resin-tsika (mba hizestiavana kosa aloha iny e Wink) fa na izany aza otran'ny mba metimety ny tantana e. 

Indrisy anefa fa raha notosaina t@ alahady teo moa ny atsapaka hizarazarana ireo ekipa hifanandrina @ dingana manaraka @ "coupe du monde" dia tafiaraka @ Botswana sy Mozambika ary i Cote d'ivoire ny ekipam-pirenena Malagasy. Ry zareo elefanta Ivorianina moa no tena mivoaka favy @ izao, ary mamela azy ho mpandresy malalaka @ ity vondrona faha-7 misy antsika ity. Isika moa, vao Jereo Dagohaingana no nihaona t@-ndrizareo ary tena mapme mampalahelo fa toy ny fihomezantsika an'ny lekoma no namotsanandrizareo antsika na taty amintsika na tany @ taniny. 

 Izany rehetra izany no mahatonga antsika hilofika indray. Sarotra ny mandainga fa tsy mora ny handresy an'i Drogba Laughing. i DotMG moa nanokatra dinika, adihevitra iray @ filaharan'ny mpilalao izay mety andresentsika ny Ivorianina. Za aloha tsy dia mahalala loatra ny mpilalao Malagasy ka izay no tena tsy nidirako betsaka t@ le resaka. Ny naika ho lazaiko fotsiny dia hoe tsy i Drogba irery no tokony hatahorana fa ireo ekipa rehetra ireo. Ny pozipoziny manko dia otran'ny tsika no gidany @ ireo firenena ireo... A court terme izany dia tsy misy fika fa ny eo no ampiadiana e, fa ny tiako mba resahina kely dia ny momba ny a moyen/long terme. 


* Ny Mpilalao: 

Tao @ dinika ihany no nisy namana nilaza ny momba ny hoe ecole de foot, jereo eto. Mety hoe hevitr'akoho an, fa inona moa no tena olana tsy hanganantsika centre d'excellence hanofanana mpilalao baolina kitra e. Revin-gadra tsotsotra an:

- bandy kely entre 16-18 ans, efa nahazo baka ihany no raisina.

- voafetra ny toerana, kely ny budget no ratsy ny qualite ra be loatra, disons, 15 isan-taona. Tsy atao mibahana be le equilibre regional fa ze olona sady lava ranjanana no bokona, ka  mba efa mahay milalao kely no raisina. Tokony asiana interviews, refa voafantina t@ CV.

- omena bourse toy ny mpianatra eny Ankatso ireo bandy ireo, na tsy manin mintsy aza atao presalaire otran'ny an'ny Agro e, 15 ve moa handany otrin eo.

- 3 taona ny curcus

- ny syllabus:  tonga dia resaka foot ranoray. Fanaovana corner, penalty, coup franc,... miainga @ basics, mintsy hoe fianarana mipasy bolina, in no tena asan'ny defense, demi, attaquant... anaovana analizy kely, izao no tokony atao refa otr'zao ny situation (tsy koi na asiana salle misy video-projecteur mintsy aza), manao analyze ana-lalao goavana ireny.  Ny fanazaran-tena isan'andro, isan'andro, fampiharana sy fanazarana @ lesona teorika... Ny fanampiny lesona anglais sy frantsay fotsiny mba ho bagazindry zalah refa halaza izy refa hivoaka.

- mandray mpianatra isaky ny 2-taona. Manomana ny mpandimby foana izany, @ izay manana talent foana tsika.

- asiana evaluation, tsotsotra match 5 na 6 otran'ny @ eseky, afindrafindra ny toerana hilalaovan'ny mpianatra. @ zay kou ahitana hoe eto no toerana mety @ ity mpianatra ity refa tena hilalao izy. Izay no soratana any @ recommendations-ny. 

- sous contrat ny mpianatra hoe mamerim-bola ze tsy mahavita hatr@ farany, ary tsy maintsy manao adidy @ firenena izay voaantso. 

Tena resaka serieux io an, raha ohatra hoe misy mpampianatra 5 ohatra ao, miampy ny staff adminstratives 2, 1 Directeur, 1 adjoint... mety mandany mihoatra ny 300 millions par an ve?

* Ny Mpanazatra:

Sarotra ny mandainga fa tsy misy firy ny mpanazatra gasy mahavoa e. Raha misy ny hoenti-manana, tsy aleo manafatra avy any ivelany? le efa mba manana experiansa kely ireny.

Dia mba omena defi otran'ny any andafy izy hoe raha tongan'la @ CAN ireo boay kely ireo dia soniavana mandritra ny 5 taona elah... Ny antsika manko otran'ny hoe ra vao resy in-1 le entraineur dia voatsoka le tsssssssssss Cool

* Ny Mpankafy:

 Tsy azo terena ngamba ny olona hankafy foot. Fa eritrereto otran'ny vevavy ihany io hoe, refa coupe du monde otran'ny mba mijery ihany ry zareo. Izany hoe arakaraky ny mampalaza an'le izy no hahatarika olona @ ilay izy. Ny fanombohana izany dia ny fandresena misesisesy.  

Tsy atao ambanin-javatra anefa ny fanetanana ny olona. Le resaka marketing mintsy izany no tsy ampy e. Tokony atao matanjaka be toy ireny pazzapa ireny mintsy ilay izy. Atao misy emission isan'andro, interviews an'ny mpilalao. Na hoe fifaninana nationaly aza (tsy efa misy ve io?).

Manaraka, ilay maillot antsika mila fiheverana fa sady ilay loko tsy dia mampiseho ny bogosite antsika, no sady otran'ny malalaka be le izy. Ilaina ny loko mirindra maty hanina sy mba somary manendrika le ankanjo. Ra sexy nge ry zalah mety hitarika sipa hijery zany e Tongue out  Raha manam-potoana aho hijerijery design metimety kokoa apetrako eto ihany. Faharoa, tokony mamorona hira faneva kely ry zalah na otr'zany e...

Farany, tsy tokony atao lafobe ny vidim-pidirana @ voalohany fa tsy aleo ve mba feno ny stadium nefa ny vola miditra mitovy ihany, sa ahoana? Wink


 

Tsy nanao kajy mintsy aho fa raha ohatra ka mahazo budget any @ FMG 1,5 Milliards/an any ve ny resaka kitra isan-taona tsy ho ampy @ zany ozy lisany? Sady raha vao lasa esprit national ange le izy dia lasa mamokatra vola hoazy e. Mety hahazo sponsor kou ny ekipa nationaly. Resaka advert doly izany. Adidas sa Orange sa Tiko ? Cool na ny vidim-pidirana aza mety azo atao lafo mitovy @ spectale ao @ palais des sports @ zay refa be ny mpankafy. Nofinofy ve ozy nareo? Ny sarin-tanin'i Madagasikara anefa mba mitranga tsara @ le trophee an'ny coupe du monde, jereo ilay sary io.

PS: site non officielle des Barea de Madagascar: jereo eto. Interessant fa mba jereo. 


Hevitra

  1. lap
    11/30,2007 | 09:12

    Mety ho tanteraka ihany ilay revin-gadran'la raha ohatra ka misy modely pérenne ilay resaka vola io. Ao amin'ilay resaka interêt ihany manko hoe, ampy mahatonga motivation ho an'ny mpilalao, organisateurs sns ve ny vola "en jeu" ao.

    Raha jerena amin'ny an'ny eoropeana izao dia orinasa mampidi-bola betsaka mihitsy ireny ekipam-baolina ireny. Tsy haiko hoe inona daholo ilay fidiram-bola, fa resaka sponsoring avy amina marika ohatra ny adidas, puma, nike sns ireny ihany no fantatro. Dokam-barotra izany e. Dia arakaraka ny médiatisation sy ny fikoloana ny valeur-n'ilay baolina koa satria arakaraka ny mahabe ny mpiditra stade sy ny mpanaraka baolina amin'ny tele no mampisy sandany an'ilay dokam-barotra. Tsy haiko na lasan'ny federasiona na misy lasan'ny ekipa ny vidin'ny tapakila fidirana stade ireny. Fa rehefa maheno ny an-tapitrisana euros amin'ny resaka baolina aloha dia hita fa tena manam-bola betsaka ry lerony.

    Ny an'ny breziliana indray tsy fantatro. Fa ny efa henoko dia hoe misy ecole de foot tokoa any amin-dry zalahy. Dia misy olona professionnel mihitsy spesialista "chasseurs de talents" mivezivezy mijery filalaon'ny bandy kely any anelakelan-trano rehetra any, dia mifandrombaka an'izay mahay indrindra. Ny an-dry zalahy moa efa tafiditra ao anatin'ny kolontsaina koa ny baolina, dia saika milalao daholo ny rehetra. Fa ankoatra an'izay, dia anisan'ny fomba mety hahatafavoahan'ny boay kely amin'ny fahantrana be mahazo azy koa ny baolina. Dia lasa misy concours permanent-na baolina izany iainana mandavan-taona, dia misongadina tokoa izay tena mahay. Tsy haiko hoe ohatra ny ahoana ny fidiram-bolan'ny klioba any aloha, fa raha ny hevitro bontolo dia ao amin'ny filokana no ahitan-dry zalahy vola.

    Tsy haiko hoe inona no modely mety hifanaraka amintsika aloha. Fa raha tiana ny hanamboatra an'ilay taranja hatramin'ny fotony, dia angamba tsara ny mi-organiser tournoi-na ekipa > privé < avy amin'ny faritra isan-karazany, dia atao izay hanohanan'ny vahoaka ny ekipa avy any aminy avy. Ezahana izany izay hanokafana débouché ho an'ilay ecole de foot, sady débouché afaka misponsa azy. Saingy mety tsy vita mandat iray anefa izany :p . Mety azo atao koa ny manao filokana ohatra ny PMU amin'ny tournoi foot angamba. Bof, revin-gadra koa :-)

  2. 11/30,2007 | 13:28
    Vita ao anatin'ny mandat 1 zany rakoto a. Nga ol hatory ampitoerana no asaina hanao zavatra? Le resaka vola ny fond hiaingana fotsiny no tena ilaina fa arak'ilay kozin'la hoe na dokambarotra fotsiny aza dia efa ahitana marge malalaka. Ny ecole de foot, 500 millions/an ve d tsy ho vitan'ny ministera an'ny fanatanjahatena ny mi-subventionne azy? et encore mety hahita spons le sekoly avy eo. Ra tafiditra CAN ve isika, na hoe mahazo CAN, na ny fidirana ao @ le sekoly aza mety handoha vola ndray ny ol @ zay :). Sady ny enjeu politika kou nge mba ngoza ihany e. Ra malaza @ resaka bolina kitra indray isika mety mitombo ny isan'ny mpifidy andrizareo :) Le resaka PMU kou mety ihany k. Ra jerena @ zao alou otran'ny tsy d mety tsara satria hoe ekipa 2 fotsiny ve. Fa ra misy tournoi na otran'zany, dia izay mandray ekipa mandray anjara ao no hilokana. Ohatra hoe 500A ny fandraisana anjara, ny loka 5000.000A hoan'ze naharesy sy tsara vitana. Olona 50000 fotsiny nge d efa mahaloa an'zay e. Ny ambiny zany mety ho tombony doly... tsy hay alou ze mety ho hetra sy fandaniana @ dokambarotra any e, fa hevitr'akoho an :)
  3. 12/03,2007 | 12:44

    Lé post ao @ forum serasera.org izany dia blagy no tena marina satria composition à 18 sa 19 joueurs izy iny, (2 ny mpiandry tsatokazo) kanefa dia iaraha-mahalala fa 11 ihany no azo hapetraka eny ambony kianja, ary goalkeeper 1.

  4. 12/03,2007 | 12:55

    Ny tena maha-sarotra ny mampandroso ny baolina kitra eto, raha oharina amin'ny any ampita, dia tsy mampidi-bola mihitsy ny foot eto fa mandany. Satria, vitsy ny mpijery mandoa vola afa-tsy @ match international, vitsy ny sponsor, tsy misy ny fandraisan'andraikitry ny fanjakana.

    Vahaolana: Atao aloha izay hitiavan'ny vahoaka ny ligue interne eto (isam-paritra). Alefa maimaim-poana @ fahitalavitra ny lalao sasany, tsindraindray. Ilay mba affiche tsaratsara ireny, atao tolo-barotra @ tele hoe izay sahy lafo no mandefa azy. (Pour commencer io an). Rehefa ampiainina ny foot ny vahoaka dia hitombo ny fankafizany ny foot.

    Momba ny international, dia tsy ny ho tafita @ CAN na mondial no banjinina fa ny classement FIFA. Amin'izay tsy dia betsaka loatra ny fahadisoam-panantenana. Ohatra: @ volana novambra 2008 dia manenjika ny ho laharana faha 100 i Madagasikara. Ny fomba hahatongavana amin'izany dia mety ho fantatra mialoha, ohatra hoe mila mahita fandresena 3 sy ady sahala 1 (ohatra ihany iny), dia ireo no tanjona kendrena amin'ny fifanintsanana fa tsy mbola ny ho meilleur deuxième aloha.

  5. 12/03,2007 | 22:08

    hay lalao sy hatsikana marina le izy. Za kou tsy nandinika tsara fa vao nahita ny anaran'ny mpilalao d efa tsy zavatra haiko :)

    Ny antony tsy hisian'ny vola @ le foot dia justement noho ny tsy fisian'ny mpankafy e. Izay no antony tsy mampisy ny sponsor sns... Fa tokony miezaka mamadika an'io ho kolotsaina aloha no imasoana voalohany. Le concept pazzapa zao no teneniko teo. Zavatra azo atao tsara izany. Ny vahoaka asaina miloka, manome "entertainment" azy hanaraka ny lalao izany, ny mpilalao omena loka goavana otran'ny hoe 100millions Fmg, asiana an'ireny karazana award ireny hoe mpilalao mendrika idnrindra, mpamono bolina be indrindra... otr'zany e. Izany hoe voalohany indrindra tokony miendrika spectale ilay izy fa en plus tokony ho excitant hoan'ny mpijery hoe tokony mandresy ny ekipanay...

Leave a Reply