Friday 05 December 2008

Sarin-Dahy Tena Izy

 

hairy Lindsay

 

Renjekaky o!  misy manonofy ratsy mintsy zao mahita an'io sary io an Cool sary mix io fa tsy tena izy akory ka aza taitra...
Lasa ihany ny saina hoe,  eto @ ity tany ity,  azo eritreretina  hoe misy tokoa ve ny vehivavy manana volo eo @ tratrany?

Asa, a priori aloha misy ny vehivavy misy volon-tongotra (efa nahita ah), misy ihany koa ny vevavy misy volom-bava (efa nahita kou sady masera ny ankamaroany Surprised), saonjo iray lohasaha tokoa izy ity ka tsy ilaozan'izay mamarara.

Eny e, mety hoe normal izany satria tsy fidiny ilay izy ary izay no nanaovan'A/tra sy ny gene-n'ny RAD azy. Fa tsy hay ny tsy hilaza hoe misy vevavy manana vatan-dehilahy ihany kou izany!! Cool Tsy resaka macho ity fa za manokana aza tena tsisy volon-tratra an. Mandehana nge @ ireny forum-behivavy ireny fa ahita ny tsy fahita any e!


Hoy ity tovovavy iray:

Alisy o,

Manana olana, mahasadaikatra, be wa za e,... Tsy izany fa misy  volo eo @ tratrako kanefa za vehivavy! Izany hoe tsy tena matevina be ilay izy fa na izany aza tena hita be, tsy tiako mintsy! resaka problema @ hormona ve sa normal izao? mba ampio re. Marikoriko ahy manko ilay izy ary tiako esorina mafy dia mafy. Ny nataoko aloha dia solaiko  foana le izy,  fa andro vitsivitsy monja dia maniry indray. Mba ampio e!

Novalian' i Alisy moa izy fa resaka hormona tokoa @ ankapobeny no mahatonga ireny ary nolazainy ao ny fikafika vitsivitsy  (jereo eto).


Ie, ka inona moa zany fa dia mitombo iray indray ny antony hanaovana firaisana alohan'ny fanambadiana  Laughing. Oops, mahita azy miboridana manko e Tongue out.  Jerijereo ihany ry zala fa sao dia  yeti  ny ho vadiana...

Aleo averina @ zay Lindsay fa manjary simba ny image-ny any andohanareo any:  jereo eto


Hevitra

  1. 0lap 01/05,2008 | 00:40

    lol, Lindsay iza tsara ? :-P



  2. 1Sonia 01/05,2008 | 13:18

    Laingalainga fa ny image-ny lindsay aloha dia efa simba e! entin'ny toaka sy rongony ve koa:(

    fa io ve tsy afaka épiler-na?ohatry ny le be volotongotra reny ihany :)



  3. 2simp 01/05,2008 | 18:46

    lap, lol mba manahoana ary i Francia :P Sonia, tsy marary be ve ra epiler-na kle :) surtt ra betsaka... Lindsay alou manja fa zany we tsy atakaloko an'i Jessica Alba e ;-)


  4. 3simp 01/05,2008 | 18:49

    fa hono wa ry zala, in ny site misy manao paparazzi na mpanara-maso ny celebs gasy?

    merci



  5. 4lap 01/07,2008 | 11:22

    Toa tsy paparazzi no efikasy raha hitady an'i Francia kle. Tsy aleon'la tonga de style otran'le an'i Laure manaudou ? :-P



  6. 5Tokinao 01/14,2008 | 20:24

    Mahita tenenina miits ange raSimp e :-). Misaotra e




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS