Kenya Vs Dago, Aia Ty Hombana
Nampidirin'i simplex :9 Janoary 2008
Hevitra (6) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
Dago
Asa ianareo fa mampatsiahy ahy be ny krizy 2002 tany amintsika ity gidragidra mitranga any Kenya ity. Ingahy Odinga moa izany no milalao ny toeran'i Ra8 t@ zany fotoana izany ary i Kibaki no manao Deba. Tena misy hitovizana be mintsy ny tantaran-tsika sy ry zareo kenyanina ary resa-dresaka ambanin'ny tany sy siosion-dresaka momba ny tena ao ambadik'ilay gidragidra, izay mifandraika amintsika no holazaiko eto.
Fantatrareo ve fa nisy prezida antsoina hoe Daniel Arap Moi (vakiana hoe môy) nanjaka tao Kenya nandritra 25 taona? tsy nisy krizy be (toy ny antsika) ny nanalana an'i Moi teo @ fitondrana fa nande nilamina raha izay no azo hilazana azy. T@ zany fifandaminana izany moa dia nifanarahana fa hirotsaka in-1 fotsiny ingahy Kibaki dia tsy hanao fanindroany intsony fa hitarika ny demokrasia fotsiny, hanao Nelson Mandela kenyanina e (ra8 tampoka izany i Kibaki eto). Ka nahoana aza no mbola nirotsaka ihany lery avy eo?
Fantatrareo ihany koa ve fa misy foko antsoina hoe Kikuyu, somary
mi-domine ara-kolotsaina ary indrindra ara-toe-karena ao Kenya? Ry
zareo anisan'ny hoe nianatra ary ny ankamaroan'ny bizna mande dia azy
avokoa, izy no deba ao @ ny tsenan'ny Stock Exchange... Mifamadika indray anefa eto fa i
Kibaki no avy @ io foko io ary i Odinga avy @ ilay foko ambiny (misy
maromaro izy ireo fa voaklasy ho 1 mifandanja @ kikuyu). Ny hevitra
mande izan
y dia hoe ny antony tena hikifiran'i Kibaki eo @ fitondrana
izany dia mba tsy hivadihan'ny fitantanan-draharaha eo @ firenena.
Mety
hoe fika noketriketrehan'lery tany aloha izay ary zony ny mirotsaka na dia hoe efa nifanarahana aza
satria izy mbola vao in-1 lany fotsiny e. Kanefa, kanefa nedala nge ka
efa 76 taona e? ary tena tsy tahotra tsy henatra lery nangala-bato eo
imasom-bahoaka. Io izany no tena nitarika ny adim-poko hoe efa misy
lonilony @ olona hoe ity foko ity ve izany no tena miseho ho role eto
no mbola vao mia nangalatra @ andro atoandro be nedala. Raikitra @ izay
ny filanjana antsibe (jereo le sary). i Kibaki moa izany tsy te halala
fa efa lany ony izy ary i Odinga koa tsy te halala fa hoe tsy lany i
lery fa izy no lany dia samy miziriziry @ heviny eo kanefa ny iray
vitsy an'isa fa manana miaramila, ny iray vahoaka be fa mampiasa
antsibe. Efa ho 250.000 mahery izao
no isan'ny olona tsy maintsy nandositra ary maherin'ny 600 be zao no
jokotra. Zany hoe @ ity lafiny iray ity dia toa i Deba ihany i Kibaki kle
.
Barack Obama, the Kenyan
Misy hevitra iray ihany koa hoe entina handatsahana an'i Obama @ fifidianana ambaratonga ambany (primaire) any @ Bekitana ity gidragidra any Kenya ity. Izany hoe misy olona manana interet, za tsy miteny hoe Hillary an, hampirehitra ny afo hampisy ny ady any Kenya, dia izay no mandoto an'i Obama.
Tsy hita mivantana aloha izay fifandraisan'i Obama @ ity resaka any Kenya ity e. Kanefa fantatsika rehetra ngambany fa ny Dadan'i Barack Obama dia Kenyanina, mainty izany mazava hoazy. Dia izao @ zay: io ady any Kenya io dia mandefa image negative an'ny mainty any @ mponina fotsy izay maro an'isa eo @ Bekitana. Hoe jereo tsara fa zao no mba hain'ny mainty, tsy manao afa tsy mifankahala iray trano. Te hifikitra mandra-maty eo @ fitondrana, izany ve no tinareo hatao eo @ Bekitana? Tsy dia hevitra manandanja mankaiza izany a priori fa rehefa mande a la une @ tele isan'andro dia misy fiantraikany ihany...
Ny Bekitana, tahaka ny Frantsay, aloha tsy hiditra mivantana @ ady any tany mahatra izany e. Mitady olona manana ambition, na be fankahalana na te hiady fotsiny izy dia ireny no amporisihany. Izay dia raikitra tokoa ry adala isany. Avy eo anefa ny Tourisme Kenyanina no potika voalohany indrindra. Fitiavan-tena izany sa tsy fandinihana sa tsy fahaizana politika mintsy?
Mon Dago a moi
Ny tiako havoitra ary ny antony hiresahako an'izao rehetra izao anefa dia hoe mety hivadika otr'zao ihany koa ny any amintsika raha tsy mitandrina dieny izao. i Ra8 moa izao efa nikozy hoe tsy hijanona ela eo @ fitondrana, dia efa betsaka mintsy no manatena fa tsy hirotsaka tsony lery @ 2012. Io zao dia efa mifandraika be @ le deal andr'i Moi hoe mirotsaka in-1. Tsy mino aho anefa fa tsy hilatsaka intsony i ra8 @ 2012.
Isika
ihany koa efa tena imminent be hoe hitrandraka solika @ manodidina
an'izany 2012 izany. Dia hoavy @ zay bekintana sy sina ary i reny
malala @ angady sy ny arona, hampirehitra ny afo. Ny raini-tete tsy
maintsy hisy foana, vola kosa io kle. Sanatria anie ka sanatria ka hifarana toy ny any Kenya isika, na hoe Darfur
Ny tokony ho izy izany dia na tsy milatsaka tsony ra8 @ 2012, auquel cas tokony manomana an'le handimby azy dieny zao, @ ity taona ity na @ herin-taona. Na raha toa ka hoe hilatsaka izy dia tsy maintsy ahitsy ny code electorale: bulletin unique sy financement de parti, reviser-na ny liste electorale, ireo rehetra ireo dia hita fa mbola misy ny tsy fahafaliana eo @ mpanao politika gasy. Hialana @ hoe tsy mangaraharaha @ fifidianana eto. Ary indrindra indrindra avoaka ny code de la communication, izay manapitra ny monopole an'ny TVM eo @ couverture nationale sy hoe malalaka kokoa ny mpanao gazety. Bref, tena demokrasia modely e.

aoka itsy re ! aza misy anie izany !!!
Ilay bileta onika ho'aho tsy mandeha lalana amin'ny tsy mahay mamaky teny matahotra taratasy mihoatra ny 50%.
Fa ny zavatra iray koa dia ity, mikarakara mpanomana tokoa ra8 raha ny fijery azy fa tsy ilay 2012 fa ilay any amin'ny 2017 satria mbola tsy ampy 40 taona avokoa na ny Ben'ny tanànan'Antananarivo na ny minisitry ny toekarena amin'ny 2011.
jentl,
efa no-proposer-ko t@ ilay lahatsoratr'ela iny ihany hoe azo atao bileta tokana fa misy ny sarin'ny kandida rehetra ao anatiny. @ izay tsy mila hoe mahay mamaky teny sy manoratra fa mahay manavaka ny sarin'izay ho vidiany dia mba asiana croix kely eo amboniny na otr'zany. na tsy croix aza fa asiana tampon manao croix manao an'zany ve dia ilana fahaizana?
Azo atao ihany koa ange ny mampianatra ny olona hifidy e atao mialoha na mandritra ny fampielezan-kevitra izany. Entanina ny vahoaka mba tsy hatahotra na hoe ho menatra... Mino mintsy ah fa vonona ny hamatsy vola an'zany ireo organisme internationaux ireo.
Le resaka mpandimby indray ra tsy mahavita zavatra tsara be (palpable) lery mandritra ity mandat ity, izay maha kely fanantenana ihany ny hahavitany azy, fa hoe chiffre fotsiny no mody arantiranty eo hoe taux de croissance a ee, fitombon'ny investissement a ee, ... dia tena mety tsy tafa lery. Mety tara loatra le hoe manomana mpandimby @ 2017... asa anefa, ny vahoaka koa mba hendry ihany ary ny mpanohitra tena hita fa KO tanteraka ra tsy misy olom-baovao hafa nga...
ny hamisavisana ny ratsy ony mba hiavian'ny soa ee :)
Ilay resaka monopole an'ny TVM @ couverture national, ok
Ilay bileta tokana ok ihany ny principe, saingy sarotsarotra amin'ny pratika. Ahoana manko zany raha misy kandida 13 ohatra, dia ny sarin'iza no miseho voalohany ary ny an'iza no miseho farany ? sarin'iza no mahazo afovoany, ary ny an'iza no mahazo sisiny ? dia ahoana koa raha ohatra misy diso, angalana gaoma kely sa soloina avy hatrany ? sns ...
Ilay resaka financement de parti indray tsy ok mihitsy kle ! Tsy misy hanaiky mihitsy izany vola zaraina amin'ny mpanao politika izany.
Izaho manko efa nahita ny sarin'ny bileta onika tany afrika fa manararaotra amin'iny avokoa manko ny tsy manambola hanaovana bileta ho azy ka misy izany nomerao 48 mbola azoazo ihany fa rehefa tonga any amin'ny 114 na 137 ianao dia hoe inona daholo ary ireto sarin'olona ireto.
Rehefa amin'io manko dia tsy ny anarana intsony no ampitadidiana olona na ny anaran'antoko fa ny laharana hoe izaho nomerao izao na izatsy. Izay vao hijery sarin'olona fotsiny... aza hitako anie.
Fa tsy hay koa hoe mitondra stylo hatrany an-tranony ve sa efa miantoka ny birao... fa mety ho vetivety dia lany koa iny an! Dia andramo ampandraiso stylo ho'aho ireny olona tsy mahay mamaky teny ireny dia asaivo manao x any amin'ny takotakona fa ho "kamo" izy. Asa anefa... iza no hiseho hoe tsy mahay manoratra eo? tsy aleo tsy tonga?
Lasa indray ilay adihevitra e!
lap,
le hoe financement de parti alou tsy hoe ho financer-n'i rafanja ny parti an. Izany hoe tsy mitovy ny chance an'ny candidat mpilatsaka noho ny hoe mety 1000 avo heny ny vola ampiasain'ny sasany mihoatra @ sasany. Dia hoe asiana limite hoe izao ihany no vola tokony ampiasaina. Somary manahirana ihany alou le izy e fa izany hoe tokony misy marimaritra iraisana, fa manjary lasa hoe ze mahavidy T-shirt sy caskety be indrindra no lany na otr'zany...
Mikasika an'le hoe candidat 13, refa tsy mahay manao propagandy ve izy tsy aleo tsy ho lany any :)
jentl,
Azo atao tsara ny mampandoa caution avoavo hi-eliminer-na ireo candidat tsy serieux, ra 250 millions Fmg ve zao ny caution dia hihoatra ny 10 ny candidat. Sady mba mampitombo ny vola hanotana ireo bileta ireo izay.
izany hoe mbola mila mahay manisa koa ny olona ra asaina hoe nomerao izao fa ra hoe ny sary asaina identifier-ny na otr'zany... refa tsy mahavoa manao propagandy wa dia aleo tsy ho lany any e :)
Raha mampiasa an'ilay tombo-kase (tampon) dia tsy mila mitondra stilo izany fa asiana tampon eo ambonin'ny sarin'izay olona fidinao. Dia mba asiana fampianarana ny olona mialoha hoe otr'zao ny fomba atao rehefa hifidy...
ra misy ny volonte ranga mety io a.