Billionaire Wannabe
Nampidirin'i simplex :3 Febroary 2008
Hevitra (8) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
awesome
Iza avy no te ho mpanefoefo o?
Atsangano ny tanana haingana 
Somary tara ihany ngamba ity resako ity fa androany vao hitako ity kozy
milay be ity. Namoaka vola, sokafy tsara ny maso, 10.000.000 dollar ony
ny Banky Foiben'i Zimbabwe. Zany hoe vola taratasy iray
mitentina 10.000.000 Zimbabwe dollar. Eo aloha mbola tsy dia
manina loatra fa ity no tena milay, ohatrina ozy nareo io? eo @ $4
(USD) eo ho eo izy io, A7.200 na koa Fmg 36.000
Zany hoe ra manana eo ho eo @ Fmg 36m eo hoe eo dia "miliaridera" enao izay, milay an

Izay zany e, tsy mila nerd... and sexy
tampoka ra te hitsako an'i ra-Bill Gates. Ka ndao raha hiaraka
aminay, ho aiza ee, hiaraka hoany Zimbabwe, fifaliany fifaliana
Tandremo sao tonga dia faly be eo anefa an. Hamburger iray ihany no azon'io
vokatry ny fidanganan'ny vidim-piainana faran'ny izay tsy izy (~
50.000%) moa no mahatonga ny tarehimari-bola ngozabe nefa tsy
manan-danja toy io. Dia mba lasa ihany ny saiko hoe mananjara ihany
isika tsy tratran'ny fahoriana toy izao. Nieritreritra hoe firenena
fadiranovana, kay mbola misy firenena manana vola tsisy valera noho ny
Ariary... Gasy ka manja wa
Dia aleo faranana @ ity hiran'i lolo hoe Benoro ity e, miresaka tapaka sy Zimbabwe 
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro, aiz’i Benoro o!
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro mba handihy
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity...
Mahereza e,
Tsy mande le plugin audio fa alaharo dia henoy ao @ rvg ilay hira na koa jereo eto.
tsy ho any maputo njay za fa ho any zim refa te hanao vakansy, hi hi hi.
Ouuaay !!! Vola billet anakiray, feno zero be dia be !!
Koay koay koay !!
:-)
Aiza am'zay ary Ra-Francis am'zao ? :-)
pissoa,
hitady an'i Benoro nga? :)
tsyresy,
ra vao ny zero no betsaka dia tsy manjary izy zay hahaha
lap,
nde hiloka pmu, seloto, beloty, rami, dooomyyy
ndana mahaazooo
chin chin
Hi hi - tadidiko ilay prof tena Ankatso zay leisy mpiteny hoe : "Ny zerrro an, ratsy foana rehefa tsy ao anaty cheque" (tamin'ny resaka singularite izany, lol)
gaigy be izy izany.
Ny mpandray smig any amintsika ve multi millionnaire any koa :(.
Raha karama bebe any amintsika lasa mille milliard de mille sabord :D
pissoa,
kanefa le prof mpanome zero an :)
maintikely,
zay le hoe reveo manja ee ;-)