Ny Fitiavako Azy
Nampidirin'i simplex :13 Febroary 2008
Hevitra (16) ¦
Verindrohy (trackback) (0) ¦
Rediredy
(Mba alefaso kely ilay hira hoe "what a wonderful world" rehefa eo ampamakiana ianao
).
Tadiom-pitiavana...
Mbola zaza aho dia efa nahalala azy. Tsy tsaroako tsara intsony ny nifankahalalanay voalohany fa toa fetim-pianakaviana ngamba, taom-baovao raha tsy diso aho. Ny raiko sy dadatoako moa no namporisika ahy hifandray taminy t@ izany. Tsy dia nafinaritra ahy loatra izy t@ izany kanefa moa izay no tian'ny rehetra ka dia nande tsy sazoka teny ny fiarahana...
Arakaraky ny nihalehibehazako anefa no nitomboan'ny fitiavako azy tsikelikely. Izy ihany koa moa tonga foana isaky ny misy fety. Mahatsiaro fahabangana aho raha toa ka misy fety ka tsy ao izy. Kanto tokoa izy ary tsy misy toa azy. Izy no nanampy ahy handravona ny disadisa nisy teo @ namako. Manome tsiotsio-drivotra rehefa mafana ny andro, manome hafanana rehefa mangatsiaka ny androko...
Tian'ny rehetra izy. Nahagaga tokoa fa na ny reniko aza dia tia azy. Ny anabaviko no nde hatao hoe tsy dia faly taminy loatra, narary ny lohany vao mifandray aminy. Taty aoriana anefa niova koa izy fa lasa nifandray, tsy toy taloha intsony izy roa. Tsy omby tratra ny hafaliako, raha misy ny fanahy anabavy, izy no ahy...
Indrisy anefa, sompatry ny tany sy ankaratsian'ny lanitra. Tsy maintsy nisaraka izahay. Eny, narary ny nandao azy, narary ny mieritreritra fa ny sasany no hiaraka aminy fa tsy ianao intsony. Sitrapo ary safidiko izaho samy irery fa tsy azy anefa. Tsy ampy hivelomana ony ny fitiavana ka dia naleo nitady aloha. Nieritreritra fa hiaraka ihany zahay raha izay no anjara sy lahatra...
Ny tena moa efa
nionona ka dia niezaka tsy nandefa saina tany aminy intsony. Indrisy
anefa, tsy laitra fa manina azy tsy ahoana tsy ahoana eo, indrindra moa
rehefa tafaraka @ namana. Tonga t@ tsy nampoizina ary ny efa nampoizina
fa hitranga. Indray hariva no nosoloiko an'i Rasoa izy
. Aza omena tsiny akia ry malala fa lehilahy mila fitiavana ny tena. Nanomboka teo no nanadinoko ny hanitrany, ny hakantony...
Sendra namaky gazety aho anio. Akory ny hagagako nahita anao tao. Niverina tao antsaiko doly ny fiarahantsika taloha. Tsy niova ny hahasoa, hakantonao, ry lasako. Gaga tena gaga aho, hay enao efa 50 taona. Tsy nampiova ny fijeriko anao anefa izany. Tena mahajamba ny fitiavana lahy. Tsy midika inona lesy izay taona any fa ny fitiavana no lehibe indrindra a...
Alefako ity taratasy anty tavoangy ity, atsipy anaty ranomasina. Raha toa ka hitan'ialahy, fantaro fa tsy adinoko ialahy. Mino aho fa ho manja be toy ny taloha indray ny fifankahitantsika. Aza manahy betsaka ny aminy, mpindrana ihany izy fa ialahy no tompon-toerana. Fitia ho doria ny antsika e. Fiarahana mandrakizay, toy ny taloha, migoka ny hasam-barana... what a wonderful world... Veloma akia ry malala, mandrapihaona....
Misaotra anao namaky, tratry ny fety doly, soa ny fiarahantsika
Atao ahoana l'ty izany mahalala (au sens biblique) tavoahangy???
Sao maratra na mi-coince amin'izany?
DotMG > Raha izao toa taova hafa mihitsy no ampiasain'i lery rehefa "mahalala" (au sens biblique) ko :-)
mahalala an'i "ialahy" io an! :-D
"rasoabedodosy" ve no nanoloana azy ? Tsy mahasolo azy lesy ireny a !
Mampibaradaka sy mampitrosina ireny raha entina mandra-maraina ; aleo ihany izy, mampi-résiste tsara.
He is always wonderfull.
hi!hi!hi!, iny njay no tsy hitako;
Ilay sosie-ny vaovao iny ny ahy no oh ny titiko zany
d mampamangy @"malalan"'ialahy ao androany zany e , izahay mbola @ w-e vo mety mihaona :-p
lap, dotmg,
niditra tato anatiko izy e :-D:-D
ikalamako,
yes, he (or she?) is wonderfull indeed :)
mino aho fa miandry ahy izy :P
pitou,
hafa ihany nge le voaloham-pitiavana e ;-)
mbola tsy novakiko le lahatsoratra fa vao nahita an'le what a wonderful world aho dia handefa Michael Buble aloha, lol
hi hi - izay vao voavaky !
milay be ilay article leisy ozy ... malalan'lah koa milay fa aza soloina zany ...
tokinao,
d efa nahita an'i Rasoa ela zany sa vao mikasa :-P
pissoa,
tady vita fato-maty ny anay k ;-)
simp > fafana amin'ny servieta ny vatany, dia ankafizina kely amin'ny maso aloha; avy eo dia raisina amin'ny tendany izy ka atsofoka ao am-bava ilay lohany misy lavaka; dia mandeha am'zay ilay ranony misy mandroatra fotsifotsy iny, misy fofona maherihery sy tsirony mangidingidy, misy alikaola :-P
Voie extra-veineuse :-D
Normal ela voan'ny aza manadino kle! :-)
pissoa > "milay be ilay article leisy ozy ..."
Iza tokoa moa no fahitako mpanao an'izao style fanoratana somary ankamantatra izao ? :-P Enti-milaza sy Fameno be daholo fa ampifilafilaina ery ilay Lazaina :-D
Tena voatery tsy fidiny ny olona hamaky hatramin'ny farany kle :evil:
oatran midobodoka b ny foko refa avy namaky ilay lahatsoratra! asa na naninona angaha?
ny tena mahafinaritra ahy aminy dia ny hoe tsara ny mifampatsiaro
lap,
tena mety miainga be ra io kozin'la io no anaovana pub an'ny THB an... Fresh manko e :)
THB ve ranga tsy azo anaovana pub tsony le tsssssssssssss
sazykely,
lol
sao d tokony manao osmose @ ilay "malalako" kely aloha enao ;-)
mampangatsitsiaka manko izy iny :)
lap > Iza tokoa moa ...
Tsy tadidiko, Jereo eto - hi hi hi !
hahaha tsy ratsy indray ity vetsovetsompon'i toi ity an! hafa raha samy hafa. Any aminareo anga tsy misy an'io malala io? Mety lafolafo fotsiny :D
hihihi
malalako kosa ve dia hovidiko ry ise a, manala baraka ny malalako zany, sao dia miady amiko @ zany :-P
Les nouvelles mampiseho ny hakantony: jereo eto
zeu de mots kou zany eto zany, nyan'i sasany mahita azy ho blaondy (neveriko fa iza ary?), ny eto ndray i malala, ny an-dry lap mou dia efa ihainana isan'andro sady tsy adino mbamin'ny fakana azy an_keriny mitsy