Friday 05 December 2008

Hetsika Anti-Cyclonique

 

Somary nalaza ny resaka cyclone  tao aorinan'ny nandalovan'i Ivan teo @ firenentsika iny. Betsaka tokoa izay lahatsoratra mikasika ny cyclone nandende izay.  Singaniko manokana ity lahatsoratra mahaliana be nosoratan'i Marie Sophie  mampifandray ny fitomboan'ny hafanan'ny planeta tany sy ny hery sy tanjaky ny cyclone ity.

Resaka teknika no nazavainy tao, fitinina @ hoe fitomboan'ny hafanan'ny ranomasina @ toerana iray no mamorona cyclone.  Dia mba lasa ny saiko hoe  ahoana aza ny aspect politika mifandraika @ izay? Mikasika indrindra ity laxisme an'ny firenen-drehetra mijery ny niharan-doza, otran'ny hoe tsisy in in nitranga akory.  Rediredy ve ozy nareo ra milaza aho fa manana adidy hamonjy na hanao izay hahakely ny degat vokatry ny cyclone ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany?

Nahoana tokoa moa ny resaka fitomboan'ny hafanan'ny tany izay hoe danger lointain hoan'ny taranaka any aoriana be (afaka 100 taona any) no anaovana resabe kanefa ny kozy voretran'ny tontolo iainana @ zao fotoana izao, sady mampahatra faran'izay haingana indrindra, no tsy asiana resaka.  Ra ny tena izy, tokony hisy theme  manokana mintsy  ketriketrehan'ny  Nations Unis ohatra  @ resaka cyclones  sy Loza voajanahary rehetra e. Tokony misy organe/programme manokana mintsy  mijery  ny fanampiana ireo firenena iharan-doza. Tsy UNDP na hoe FAO fa tena hoe resaka olana ara-voajanahary mintsy hoe mandoa cotisation ao doly ny firenena rehetra anampiana izay iharan'izay. Otran'ny hoe karazana assurance zany e...

  •  Iza no tompon'Andraikitra?

Raha jerena @ fo tsy miangatra tokoa moa, tena tsy fidiny ho antsika anie ilay cyclone, tsy tahotra tsy henatra, mitsotsotso toy ny vinanto tsy mahare fosa e. Isika izany no ratsy vitana hoe tafapetraka taty @ Oseana Indianina. Karazana racisme ihany ny tsy fanampiana antsika raha izany satria tsy maintsy misy voa foana eo na hoe tsy isika aza no teo @ toerana. 

Jereo tsara anie e, isika no tena manavotra an'i Afrika @ izao karazana cyclone angonitsika isan-taona izao. Zany hoe tokony manao subvention aty amintsika ry zareo isan-taona hoe ity ny vidin'ny fiarovana anay @ cyclone @ ity taona ity. 

Ra toa ka ny fitomboan'ny hafanan'ny ranomasina @ toerana iray no mamorona cyclone. Ny fitomboan'ny hafanana @ ankapobeny eto @ planeta tany no mahatonga ny cyclone tena mihamatanjaka isan-taona isan-taona. Iza no tena tompon'andraikitra, tsy ny firenen-dehibe  izay nampandroso ny fireneny nandritra ny 50 taona lasa ve no tena tompon'andraikitra ra izany. 

  •  Solidarite Humaine

Ra jerena ireo millenium developement goals, tonga dia ilay point voalohany mintsy no voatifitra.   @ fomba ahoana tokoa moa no handrosoan'ny tany mahantra ra toa ka sady efa misy olana maro no mbola lany andro manao brouillon izao izy isan-taona? ekena fa anjaran'ny tsirairay no manampy ny tenany mba hanampian'ny hafa azy kanefa misy ny mizaka ny tsieran'ny aina e. 

Amin'ny lafiny iray ihany koa, tombony ho an'ny rehetra ny fisian'ny fond natokana hamonjena voina na hiarovana @ voina  ateraky ny loza voajanahary. Tsy misy ny mahavita tena ary mety ho tratran'ny tampoka doly. Na ny Bekitana aza niteny irery mintsy tratran'i kala katrina kanou. Ny tsunami sy horohoron-tany moa tsy lazaina intsony...

Tsara ra misy ny ezaka ara-diplomatika isaky ny firenena @ fifampizarana ny fahaiza-manao manavotra aina, miaro @ loza ary mampitandrina. Ny fifanomezana fitaovana isan-karazany... Fa tena tsara lavitra raha asiana fond manokana mintsy, ekipa manokana (otran'ny casque bleue)  an'ny firenena mikambana, iarahan'ny firenena rehetra (na izay akaiky) miara mientana manavotra ny sompatry ny tany sy ny lanitra. Terrorista ny cyclone!!

Atsipy ny teny any ampon'ny mahalala, atsipy ny vilia vaky Wink

 


Hevitra

  1. 0lap 02/27,2008 | 20:07

    Mbola antony iray miampy koa izay tsy ankasitrahako an'ilay kyoto kyoto iny. Aleo ndeh hamaky kely an'ilay planetevivante indray hoe ...

    fa tokony nataon'la teny anglisy koa ity artikla iraisam-pirenena be ity an. :-P



  2. 1simp 02/27,2008 | 21:10

    :)
    Ra misy fika hampangatsiahana ny ranomasina manakaiky antsika zao no tena milay avily hoany Antarktika any na any Amerika latina, Australia... ze alehany any ny cyclone @ zay mahatsapa tsara ny tena lanjany ny sasany hahaha

    fa @ le kyoto iny, raikitra ihany ve le hoe azo amidy ilay part- ana emission an-gazy azo amidy refa tsy ampiasaina e?

    le adika teny anglisy mety mandika ny didy faha-11 kle :)
    kamo be za ny tena marina... ny global voice nga tsy mandika teny gasy avadika anglisy moa? :P



  3. 2DotMG 02/28,2008 | 08:55

    Nijery ny nanjo an-dry zalahy kenyanina aho tamin'ny fahitalavitra, mahita irony tranolay marobe mitandahatra an'ny mpitsoa-ponenana, dia hoy aho hoe: Ny an'ialahy isany mpiara-miaina no sompatra, mety ho voalamina amin'ny dinika ambony latabatra raha misy ny finiavana, fa ny anay toa sarotra be izany hifampiraharaha amin-dry Fame, Ivan na Geralda na Gamede izany. Sarotra be, kanefa azo atao ihany, satria izany tsy ilay rivo-doza no iresahana fa ireo olombelona mpanimba ny tontolo iainana, tsy ny malagasy ihany, fa indrindra indrindra ireo mody tsy mahalala ireo.



  4. 3simp 02/28,2008 | 13:07

    Indraindray mampte hiteny hoe enganie mba ho tratran'ny cyclone nareo ireo e :P

    Ary isika kosa aza sao d tsy nangatam-pamonjena t@ firenena hafa e, @ ambassadeur na ze representant officialy misy ao??



  5. 4DadaRAbe 02/29,2008 | 02:05

    Ilaina tokoa ny finomezan-tanana ry Simp



  6. 5lap 03/01,2008 | 17:00

    Ilay kyoto toa mbola tsy misy fampiharana bizina quota CO2 ko. Tsy haiko anefa.



  7. 6Rajiosy 03/06,2008 | 09:44

    ary Ra-simp toa tsy nanao an'ilay tagy-tagy ? miandry ny pokona !




Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS