Friday 05 December 2008

Ladies First

 

Zany hono ee

Tsy haiko fa otran'ny lasa sauvage be zany ah... nisy razoky, malotoloto, tsy fantako zany mintsy omaly no otran'ny nibedy ahy hoe: "ny vevavy no omena toerana aloha"... Otran'ny tena hafatra avy @ A/tra mintsy ny filatsahan'le izy .

Marihina kosa fa tena tsy mahita ny tena dikantenin'io hoe "ladies first" na hoe "les femmes d'abord" io @ teny malagasy ah. Sao dia mba tsy manaja vevavy aza ny kolontsaintsika malagasy eee?  Auquel cas, aza omena tsiny ah fa tena gasy 100%:  ny foko sy ny saiko, ny fanahiko fa indrindraindra ny toetrako

Resaka fotsiny fa sao misy tezitra eo ry vehivavy malagasy an . Tsy hoe pure machisme akory  fa  ny bagazy galenterie-ko mintsy no nihena faran'ze kely. Zatran'le manala azy sy manao humour etsy sy eroa ity dia farany lasa tena jiolamboto tanteraka . Lasa ihany ny saiko hoe sao dia tokony hanao resa-dehilahy otran'le kozin'i ra-jentl atsy ary tsika, na debat national mintsy hahaha

Ladies first, manaiky aho 

 

 


Hevitra

  1. 0ikalamako 07/30,2008 | 01:41

    fa hoy ny mpikabary : tompokolahy sy tompokovavy ;
    raha hoy ny mpanao discours : mesdames et messieurs ;
    ary hoy ny manao speech : ladies and gentlemen.

    Société de patriarcat ny antsika zany e ; aza matahotra i simp fa raha tsisy ny andriambavilanitra tsy lasa lavitra ny firenena iray, satria "firenena" no fiteny fa tsy "firainena". Manjary midongy nareo dia tsy mikoràka lesy zahay a.
    Aleo hilamina fa hafa ny fametrahana ny vehivavy amin'ny laharana faharoa, fa manana ny lanjany izy na izany aza, dia hafa koa ny tsy fanajana sy fanivaivana azy amin'ny toetran-jiolahim-boto.
    Ny efa nananantsika mpanjakavavy dia efa milaza fa tst ambanin-javatra ny vehivavy eo amin'ny fiaraha-monina malagasy.
    Dia aoka izay fa tsy hovakian'i jogany indray ity avy eo :-P



  2. 1maintikely 07/30,2008 | 06:27

    marina io tenin'i ikalamako io. Efa ohatr'izay mihitsy ny fomba gasy hatrizay, ary ny vahiny nanjanaka antsika no somary nanova azy.

    Raha mandeha any ambanivohitra be izao dia tena mbola hoe ny lehilahy aloha izay vao ny vavy sy ny zaza. mitovy mihitsy aza ny vavy sy ny zaza eo @fm



  3. 2ikalamako 07/30,2008 | 10:03

    nisy hadino : hainareo ve ny tohin'io ladies first io ? = les femmes d'abord, les pédés après.
    :-D :-D :-D



  4. 3news2dago 07/30,2008 | 11:57

    Ny vehivahy fanaja hoy i Lola dia angamba mazava ny dikan'izay e!



  5. 4Tokinao 07/30,2008 | 12:46

    Rehefa miteny vazaha dia ny "vehivavy" tokoa no voatonona voalohany. Ny fijeriko an'io dia somary fiahatsarana ivelantsihy ihany. Eo amin'ny fiainana andavanandraty an-dafy (fitadiavan'asa, sehatra pôlitika, sns) dia misy fanavahana ny vehivavy. Eny fa na dia ireny galanterie irenyaza amiko dia fombafomba fotsiny ihany (c'est de la manière). (izaho akory tsy milaza ho e tsy ilaina a!).

    Ny malagasy indray dia manome lanja an'ireo vehivavy @ fomba hafa. hita taratra @ fomba fiteny : andriambavilanitra, haingon'ny tanàna raha mandeha, voninahitry ny tokantrano raha mitoetra, sns

    Amin'ny teny vazaha dia tsy ahitàna teny toy ireo mihitsy.

    Manaraka izany, ohatra iray koa, tsy fomba n'ny malagasy ny manao resaka "sexe" amin'ny vehivavy noho ny fanajàna azy ireo.

    Ny notenenin'Ikalamako dia marina mihitsy : ny nananantsika mpanjaka vavy maro be dia manambara fa tsy manao ankilabao ny vehivavy mihitsy ny malagasy. Ny tao Imerijna aza moa dia Vehivavy no fototry ny fitondràna fahiny (Rafohy&Rangita). Mba ohatra akory fa tsy sanatria manindraindra resa-poko :).

    Simplex> ny fahitako an'izany zava-miseho toy izany dia izao : heveriny ho tsy mahalala an'izany fanajàna vehivavy izany angamba isika. Heveriny ho tsy mahalala fomba koa. Nefa ny fomba samy manana ny azy.
    Ny frantsay dia betsaka no misaina toy izany, indrindra fa ireo mbola tsy nivoaka ivelan'i Lafrantsa mihitsy.



  6. 5pissoa 07/30,2008 | 20:31

    Hi hi hi - izany koa ka tsy bedesina :-P



  7. 6simp 07/30,2008 | 23:36

    kiiiiiiiiiiii
    dia tsy asiana debat national ndray zany :)
    za ngefa efa naika hanohana mafy dia mafy ny hoe aleo ovaina "firainena" ity kozy ity fa tssssssss 8)

    Tokinao,
    hay ve fanajana ny tsy firesahana sexe amin'ny vevavy malagasy ee?
    fa ra le vevavy no miresaka aloha, manaja izy sa tsia @ zay :roll:
    ouh la la



  8. 7sipagasy 08/02,2008 | 14:49

    tsarovy fa: firenena> fototeny: reny ann :)



  9. 8ikalamako 08/02,2008 | 14:56

    ary miova akanjo daholo nareo ato @ blaogy izany re ! Coco Chanel indry ity iray ity izao sa Dior ? :-P



  10. 9pissoa 08/02,2008 | 15:44

    Tena niova kata ra-simp marina ! bogosy ka hi hi.



  11. 10simp 08/02,2008 | 17:10

    tssssssssss

    ary misy misongona kou ato zany!!!

    zesta teknika @ le post refa avy eo io eee :b:b:b




Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS