Efa nidouble ve ise?
Nisy fotoana ah zany otran'ny hoe te hande nefa otran'ny tsy te hande izany. Rehefa tsy mande anefa dia vao mia otran'ny te hande be izany. Dia farany lasa nande ihany. Le tsy hande teo anefa mbola marina ihany avy eo dia lasa elabe izany eo ampandehanana.
Ilay toerana moa somary tony sy mangina dia mangina tokoa. Mahalasa eritreritra satria otran'ny toerana tsy misy A/tra... Indray andro ary t@ tsy nampoizina no nitondrana boky tany ampadehanana. Tena mora mampi-concentre be ary manamora ny fieritreretana ny fandehanana. Hany ka lasa fahazarana ny mamaky boky sarotra vakiana rehefa mande.
Nivoatra ny tantara. Taty aoriana dia lasa toerana nahafahana nieritreritra lalina tokoa ny fandehanana. Rehefa misy olana goavana dia eo ampandehanana foana no mahita valiny azo ekena. Any ampandehanana ihany koa no lasa mankahery tena, mitady vahaolana diplaomatika raha ilaina izany.
Nahafapo tokoa. Indraindray na efa tsy mande intsony aza dia mijanona ao an-toerana mba handinika na hoe mamaky boky. Indraindray aza moa dia mamonjy mande fotsiny na dia tsy te hande akory aza satria izany no ahafahana manao zavatra.
Asa lahy!
Toerana fandehanana, sao mahafantatra enao?
chuttt, aza miteniteny, aleo ho tsy ambara telo
hahaha, ao @ wc elah no maka fisainana :b:b:b
By pitou on 11/19,2009, at 22:39
tsss mitovy toerana fandehanana daholo tsika zany :P
Ny ahy na ny saka aza rehefa hariva toa zao efa mahalala hoe handeha hamaky boky sy haka saina i neny fa aleo harahana sitrany ahay mahazo safosafo sy angolangola eny ambony sorony.
By ikalamako on 11/19,2009, at 23:12
Ikalamako < tsy miady ve ireo saka lé ? :)) (po pour les âmes sensibles hein!)
By Kdaombaramita on 11/20,2009, at 05:26
Dia betsaka tokoa zany vitan'ise am-pandehanana izany !Mbola misy hafa ve ? Aza atao tsiambaratelo moa !Asio ampamoaka tsotra zao nama fa tsssss....hihi!
Za rehefa te ho irery sy te hangina sy te hiertreritra iny dia miheno rvg dia akipiko ny masoko !! hummmmm ! Tsy ambarako fa tena lasa lavitra be eeeeee !! Tsy mila mandeha na mivoaka na maninona lesy simplex a,vita eo an-toerana izay rehetra tiana atao .Mba andramo ange e ! :-)
By fahamarinana on 11/20,2009, at 09:56
hihiihih.Lazao moa e?aiza? mba hatao raha mahsoa;ao am WC ve.
Raha izany dia efa be no zv bita.
By tsambar3 on 11/20,2009, at 10:33
Lazao wa ny marina fa aza ahodikodina io resaka io! Mandeha nakaiza de ho aiza sady mande no mamaky boky sy ny sisa lol
Ny anay zao efa lasa we "ni bip a teo prezida radomelina" de efa lasa kôpy ny iray tanàna we iala voly lery lol
By news2dago on 11/20,2009, at 13:20
Any efitrano iray, mitokantokana irery
Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery
Efitrano iray mangina, efitrano mahonena
Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena
Misamonomonona ao, hirahira hafa kely
Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely
O! Ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana
Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana
Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra
Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra
Nefa, misikina hery, dia hidio ny varavarana
Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana
Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina
Aforiporitra hafahafa, toa
fiazina, fihinina
Mba hamantaranao kokoa, ny fiantombohan'ny tantara
sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara
Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra
Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra
Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana
Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana
Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina
Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina
Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka,
na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka
Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana
Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana
Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso
Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso
Mm Injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana
Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana
Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana
Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana
Vita izay, ô tsaroana afaka entana ka faly
Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly
Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny
Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny
Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo
Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo
Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany
Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany
By maeva74 on 11/20,2009, at 14:22
Fiadanana Hafa kely!Tonokalon-DRado io
By maeva74 on 11/20,2009, at 14:25
ary za wa toa tsy mba mety toa-teny mintsy ee :)
efa we aza miteniteny ka eeee
henoy izany ry azondamosiko :)
pitou,
aza manao HS azafady an
resaka fandehanana no atao eto
:b:b:b
ikalamako,
hahaha
za nanatena be hoe mamonjy maka fisainana koa ny saka :P
t@ film nisy saka mampiasa foseptika an
mba ampianaro an'zany ry negrita fa tsssssssssss
saka moderna ;-)
kdom,
mety hoe miady in le saka?
faha,
araka ny fangatahanjy dia ho entina any ampandehanana ny solosaina rahariva na rampitso.
Manatena fa hahazo fahafinaretana tokoa :-)
tsambara3,
ka efa hoe secret koa
(mi-rouler RRRRR refa mamaky an'io secRRRet io an)
:-P
n2d,
lol
ny anay ndray rehefa anondraka dia hoe 6945 :)
maeva,
hihihi
That's it, Rado is my personnal hero ;-)
By simp on 11/20,2009, at 14:46
saka vavy tsary miady lesy a - hihihi
Ka zareo efa nanao 101 any ankototany any dia mba tsy lany vola @ foseptika zah knou
By ikalamako on 11/20,2009, at 17:29
Simp, tsy mila entina mandende zany lesy ny data, jerijereo ao @ tahirintsariko ao fa hitan'lah ao ny trano fisainako sady birao hahaha (to tsy mety haiko fona kou le mametraka lien eto @ coms , doma kou zah ity ka hahaha )
By pitou on 11/20,2009, at 18:39
ikalamako,
ah oui
neveriko hoe manao maloto eraky ny trano (sy any ambany fandriana) anie izy ireny eee :lol:
pitou,
loooooooooooooolllll
http://pitoussy.blaogy.com/gallery/843/my%20desk.jpg
amen
By simp on 11/21,2009, at 13:13
tsetsetsa tsy aritra kely,
joincidence fa t@ alakamisy teo ny andro iraisam-pirenena an'ny toeram-pisainana:
http://www.wateraid.org/uk/get_involved/world_toilet_day/default.asp
http://worldtoiletday.com/
mazahoa fahafinaretana daholo
^:^
By simp on 11/21,2009, at 13:15
F'angaha io sorasoratra lavabe io le teneniko fa le atao fotsiny oe ''jereo eto '' :b:b:b
By pitou on 11/22,2009, at 00:06
jereo eto
By simp on 11/23,2009, at 17:18
ntsssss, eo d tsy mbo atoro le sipakely fa lozana migeste eo,
ratsy toetra zany ra ol :-P
By pitou on 11/25,2009, at 09:59
http://www.htmlcodetutorial.com/linking/_A_HREF.html
jereo eto
By simp on 11/25,2009, at 16:01