Raha toa moa ka ... ampio aho Jesosy

Published on 04/08,2011

 

Nanokatra bizna iray vaovao izay aho, vao volana vitsivitsy izay. Dia naka assistante mba hanampy ahy amin'ilay izy fa ny asa fanao mahazatra mantsy tsy navela fa mba mitsikaraka manao asa roa mirazotra eo. Afa-po amin'ny fiasan'ity sipa iray ity aho fa tena sérieuse izy, sady tsy mihambahamba manontany mihitsy fa tena izay rehetra manjavozavo dia anontaniany ahy, ka tena tsy nisy olana mihitsy ny fiaraha-miasa. Na dia vehivavy koa aza izy dia tsy saro-tahotra sy kanosa fa nisy in-2 na in-3 sendra tratra harivariva noho ny fampianarana nomena azy dia tsy nametraka olana mihitsy nateriteriko kely tamin'ny moto. Rafotsy no nanao sangisangy zary tenany tamin'ny voalohany hoe sao diso manja hono io sipakely io ka tsy asa no hataonay mianadahy eo fa zavatra hafa, fa saingy rehefa nahita ny fahamatorany rafotsy dia resy lahatra ihany hoe milamina io.

Samy manana ny solosainanay moa izahay, ary samy misy ôparlera, ka dia mifandimbindimby mandefa izay hira tiany amin'ny ordinatera eo. Zavatra iray tiako aminy koa dia ny gout musical tsy mahasosotra, tsy ilay karazana sipa mpankafy Justin Bieber na Lorie ireny fa mba irony mozika cool mba tiako ihany koa irony.

Nisy hiran'i Enrique Iglesias ity, vao 2 herinandro teo no nandrenesako azy ary tena reveko ilay izy, ary rehefa sendra tsy eo kely ikala dia indraindray alefako in-2 in-3 tsy mety mankaleo ahy. Izaho moa ho an'izay mahafantatra dia mankafy itony tononkira mivantambantana itony.



Fa nanomboka tamin'ny alatsinainy, mba nisy hira iray naverimberiny koa, ary niniany rehefa eo aho vao tena alefa ilay hira. Vao nandeha voalohany anefa dia efa nirehitra menamena ny led sy temoin rehetra taty amiko hoe tena azoko ny hevitra ampitainao amiko amin'izay tononkira izany.



Ho anareo izay efa nahita ahy mivantana na nahita ny sariko dia mahalala fa bandy latsitalé kely aho, mahia kely be voamaso ranga sofina, ary olona faran'izay tsotra na fitafy na fihetsika (fa somary manitsaka kely zay kosa klou rehefa dokafana e). Tena tsy tao anaty eritreritro mihitsy hoe mety misy olona ankoatra an'i vadiko (izay nahalala ny toetrako efa hoe 4 taona vao nitia ahy, ary tsy noho ny physique no tena itiavany ahy fa ny toetrako hono) no mety hamaly an'iry hirako iry amin'ity hira iray ity. Koa na dia tsy mieritreritra ny hanitsakitsaka tokantrano velively aza aho, toa lasa tsapako mihena izany ny modestie ary lasa jejojejo, ary efa in-6 aho izao no namerina mamaky an'ity tantara ity hoe sao mihatra amiko ary izy amin'izao.

http://malagasymiray.net/2007/02/08/bandy-iray-sipa-iray/

-- Raha toa moa ka ... Misaotra an'i Simp nampiantrano sy nanaiky hivahinianana.

DotMG


Hevitra

  1. 04/08,2011 | 12:32

    To the window, to the wall... I gotta give my... all

    hu hu hu

  2. 04/08,2011 | 12:36

    le rohy "bandy iray sipa iray" koa no tena loooollllll

    un gars, une fille

  3. 04/08,2011 | 12:41

    Misaotra simp.

    Ary ny Gasy aza ve mba manao amin'itony version censurée itony? Ny Rap underground mba efa nandre aho fa tsy tiako satria natao hitenenana voambolana lazaina fa maloto ranofotsiny ilay izy. Fa raha mba ohatra hoe ilay mpihira hafa toa an-dry Bessa na Samoela na Jaojoby no mba manao version censurée, ahoana no mety ho fandraisan'ny Gasy azy?

  4. 04/08,2011 | 12:51

    fa nga tsy kobon'la le hoe "tablie manga" hono hira erotika...

  5. 04/08,2011 | 12:52

    and princio...

  6. 04/08,2011 | 15:01

    Tsy atokisako ity nalefa aty am blaogin'i simp ity... sa hoe tsy te ho hitan'i rafotsy?

    Fa milay ilay hira... azo atao morsa :-)

  7. 04/08,2011 | 15:26

    simp> ny erotika misy sy betsaka ka, fa ilay voambolana hardcore mihitsy no tsy sahin-dry zalahy lazaina mivantana. Le gasy zany spesialista amin'ny hevitra mifonofono sy resaka an-kolakolaka fa ilay voambolana tsy misy sahy mampiseho masoandro. Ilay Princio sy Jaojoby iny izao ohatra tokony nasiana version censored anankiray dia atao teny malagasy madio le hoe "Faisons l'amour ce soir". Sa mety gadrain'ny fitondram-panjakana raha sahy?

    Hery> Shut shut an... Raha asain-drafotsy licenciena eo io sipa sady tsara tarehy tsara bika no sérieuse amin'ny fomba fiasa io, sarotsarotra amiko ny hahita hasolo azy an.

    Hery> Over capacity ve ny MySQL sa mamofompofona attaque indray fa matetika mivoaka error MySQL le site hoe too much connexion an.

  8. 04/08,2011 | 15:26

    Tsy ratsy kosa izany an. Afaka mihaino hirahira izany rasipa ao am-piasana. Sao dia izy somary manja kosa ary no nahatonga azy nahazo alalana mihaino hirahira ao am-piasana :-)

  9. 04/08,2011 | 15:35

    Tonight I'm f*cking you...♫ Rahalina hol***ko ianao ♫

  10. 04/08,2011 | 15:56

    raprôsy> izaho manokana aloha dia tena tsy mahita olana velively amin'ny hoe mahazo mihaino hira ny olona iray ao amin'ny toeram-piasana. Kolotsaina malagasy tsy hita izay naharatsy azy rahateo ny hoe "Asa atao an-kira toa vita tsy natao". Raha resaka productivité no resahina, tena mampiakatra azy ny fihainoana hira fa ny mi-tchat @ facebook ireny no tena mampidina ny productivité, dia nefa matetika ny toeram-piasana tsy misy contrôle ny fahazoana mi-tchat fa ny mihaino hira kosa mahabedy na dia misy casque aza. Ilay izy rahateo izahay mianadahy ihany no eo satria bizna kely izany, dia izaho efa zatra mandefa hira dia izy kosa ve horarako hoe ianao tsy mahazo, tsy misy idiran'ny bogosité any izany.

  11. 04/08,2011 | 16:42

    hery,
    efa shhhhuuuuuttt wa
    secret crush... confession du siecle,, not be seen by rafotsy under any circumstances... respect the guy code!!

    ie za koa sendra an'le too many connexions io t@ ni-post an'ity!!

    doty,
    fa io hira io anie hoe tonight, i'm loving you fa tsy hoe i'm fucking you ny orizinaly ee... zany io ny version "tsotra sy tena izy"... dia mba otran'zay koa no tokony atao @ antsika... fa tsy haiko na misy hira mety atao an'izany ee...

    moa koa hoe ny tele eto amintsika mbola tsisy an'ilay mamono hoazy ny gros mot sy hoe parental control sy ny rating hoe PG na PG13 na otran'zany... asa ny code-n'ny communication raha mba azo asiana an'zany...

    raprosy,
    oui, ra vao manja ny sipa dia mety daholo ny ataony ee... c'est un principe universellement reconnu par la charte des droits humain de l'ONU ^:^

    igleziazy,
    ary ra hoe: hoasiako enao anio alina...
    ca sonne tolerable non?

  12. 04/09,2011 | 02:26

    simp > Vive l'ONU izany e ! hihi^^. Raprôsy koa dia manaiky an'io tanteraka. Lasa saina aho hoe mety handaitra ve io raha ohatra hoe "bandy bogosy" no miasa ao amina orinasa tarihina vehivavy?

    Dôty > Marina mihitsy ny voalazanao. Izaho koa dia mahita hoe ilaina ny fihainoana musique de fond mba tsy hahatonga ny mpiasa ho resin'ny torimaso ao am-piasana.
    Mba tiako mihitsy raha mba lasa mitovitovy amin'ny principes -n'i Dôty izany ny fomba fijerin'ny lehiben'orinasa.

  13. 04/09,2011 | 10:57

    raprosy,
    bandy bogosy?
    euh pas tellement...
    ny vevavy manko misy an'le hoe "zalozy factor" dia ra vao misy sipa iray ampiresahan'lery dia lasa romotra @ iny doly izy rehetra...
    fa ra hoe "bandy bokona" no mety mandaitra... charmant serait un atout haha

  14. 04/09,2011 | 13:07

    Doty> eritreretina kely fotsn oe ho zakan'tysipa ty @ tsis dikany ve aho ? De anjranao ny manome valiny. Tsy akanga tsara soratra akory izy ka andaozana ny akoho tamana an-trano.

    Tsy ratsy le tantara kely ary !

  15. 04/10,2011 | 17:49

    Tandremo ela mihodina lavitra fa mora mianjera ny moto an! LOL
    de ahn hoozy rafotsy alo rhf mody alina matetika e?

  16. 04/10,2011 | 19:02

    euh
    tsy dia inoako loatra hoe tena misy sy marina ilay tantara an... fa ilay teny sy tonon-kira mafinaritra sy tena mivantana ary ny hoe clip mifamaly no tena mety tian'ny lahatsoratra hahatongavana angambany...

    and of course, being the guest of honour at simp's most awesome palace!!

    ;-)

  17. 04/11,2011 | 06:34

    News> ato an-trano izahay no miasa ka, rakalakely no mody alina fa izaho efa ato an-trano foana rahateo.

    Kdomb> Tadidinao ve ilay hoe tara amin'ilay sipa midoladola mandihindihy ao amin'ny blaogin'i ...? Aza manahy fa iny fitiavana akoho taman-trano iny tsy hatakalo an'itony akanga tsara soratra itony ka.

    simp> You have a spyware on my mind. They should know that if this story had about only 30% of the truth, the guy would not talk about it on a public blog, or at least would have done it anonymously.

  18. 04/11,2011 | 13:32

    tsy aleo mba asiana part II kely ilay bandy iray, sipa iray ^:^

    le tantanra kely court metrage otran'ireny no tena milay... hoe tsy mila mamaky ny taloha fa na eo aza vao mamaky dia mbola mafinaritra ihany...

    ;-)

  19. 04/13,2011 | 05:28

    Dôty < tsy iny sipa mandihindihy iny no resahiko fa i rafotsy ka.

  20. 04/13,2011 | 09:52

    Hi hi hi, ary nivadika "Confessional" angaha ity blaogy ity izany ? Iza no vahiny manaraka, mopera ? *(^_^)*

  21. 04/13,2011 | 10:17

    Kdaomba> you know what I mean ...

    simp> Tamin'ny 2007 raha tsy diso no nosoratana io bandy iray sipa iray io. Tamin'ny 2008 nisy tohiny kely ny zavantioran'i Guss, fa tsy tena part II ilay izy satria contexte hafa mihitsy.

  22. 04/13,2011 | 10:30

    Tsy voatery hoe bandy iray sy sipa iray ka. Azo atao koa hoe: bandy iray, sipa vitsivitsy ^^. Sady izany rahateo no lalàn'ny natiora.

  23. 04/13,2011 | 12:19

    legonnnna naika fanina ny fan tany @ faran'ny tantara hoe fa ao amin'ny blaogin'iza aza leaza !!!!!!!!!!
    klou hijery télé handinika ireto hiranareo tanora ireto fa mba tsy hainay antitsa koa izy ireto zany

  24. 04/13,2011 | 14:08

    pissoa,
    @ izao karemy izao anaka dia mamporisika mafy tokoa ny mpino eto @ paroasy ny mopera kire mba hanatona sy hanao konfesy.
    koa inona ary ny fahotanao?
    ;-)

    Bandy1Sipa1partII,
    2007 part I
    2008 part II
    avoay ny part III, IV ary V
    ra tsy izany avereno ny volanay!!

    raprosy,
    yeah man
    zay mintsy
    ary elah ity letsy tena miha-cool sy awesome andro aman'alina mihintsy an!
    :)

    ikalamako,
    aza matahotra, minoa fotsiny ihany!!
    ^:^

Leave a Reply

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article

 This is the ReCaptcha Plugin for Lifetype