Fialam-boly

Published on 08/02,2006

 
Tongasoa eto amin'ny fialam-boly. Blaogy iray, andraiketana ny tontoloko sy ny adalako,  anasana antsika  namana tsy ankanavaka. Misaotra anao be dia be nandalo sy nitsidika teto.  Tongasoa, ankafiizo  ary  Laughing

Hita etsy @ "menu" (karazan-tsakafo atolotra) etsy ankavanana ny rohy maromaro Isan-karazany. Singanina manokana amin'izany ny  lahatsoratra nampidirana farany:

"; echo " "; echo " "; echo " "; echo " "; echo " "; ?>
this is the first line
this is the second line

Mizara efatra  ny sokajin-dahatsoratra mahaliana hitanao ato. Ao amin'ny  Rediredy   no ahitana ireo lahatsoratra resabe, vinavina sy zava-mahaliana ary tsetsatsetsa tsy aritra. Diary no misy ireo zavatra manamarika ny andavan'androko ary iozifol no ametrahana ireo zavatra ilaina na mety misy ilana azy maika. Ao @ praivety kosa no asiana ireo zavatra ahy sy momba ahy manokana.

Ato izany ny toerana asiako ireo zavatra tsy tiako ho very mandritra ny fotoana maharitra, na hoe mandra-pahafatiko aza. Araky ny tenin'i Tsiky dia ampy hoe: angonina ato mba hovakiana sy hahatsiarovana ny andro lasa any aoriana any.

Maro ireo zavatra tonga ao an-tsaina tsy tiana ho very kanefa rehefa maro henjehana dia raha vao tsy voarakitra an-tsoratra (qlq part) ilay izy de hadino matetika. Misaotra betsaka an'ny mpikarakara namorona itony blaogy itony. Marina fa misy ny GooGle fa hafa ihany ilay label "Vita Gasy" e ary izy ireny misy risika ihany hoe mety ho voafafa. Eto @ serasera aloha toerana andalovako matetika sady mba bonne excuse hidirana ato sy tsy hanadinoina ny serasera zany, mety tsy ho voafafa haingana izany ny zavatra ato. Sady ilay blaogy koa bogosy kokoa, sa  ahoana ?

Mazava hoazy fa izay zavatra azoko lazaina @ be sy ny maro no apetrako ato. Izay mihintsy no tanjona, mety misy zavatra mahasoa na koa tsy mety apetrako ato, sns. Ankasitrahana ary raisina antanan-droa ny fanitsiana sy tsikera eny fa hevitra tsotra fotsiny aza. 

Amin'ny lafiny iray koa anefa za manokana tsy dia be resaka loatra.  Matetika dia zavatra perso perso no apetrako ato. Hita eny ihany rehefa zavatra perso ilay izy, mety hasiana passwd ny sasany Cool. Ny tena sistemako hatramin' izay dia manomboka manoratra kely dia avy eo editena mian-dalana isaky ny misy hevitra tonga ao an-tsaina. Aza gaga isika fa misy post tranainy miovaova foana nefa mety tsy ho hitranga eny @ nampidirina farany. enjoy

Farany, saika hadino, simplex ny anarako an.  xxx no tena tiako Laughing.  Bandy kely mitady ho bandy be. Kamolahy tsisy otran'zany. Io ny sariko ho an'izay mbola tsy nahita Wink. Azoko antoka fa Ity takelaka ity no ahalalanao bebe kokoa ny momba ahy. Ny ambiny  jereo eto. Ra misy hafatra moa dia alefaso eto na koa imailaka : simplex at serasera point org

 

Misaotra indrindra,

simplex 

 


Hevitra

Leave a Reply