Izany mihitsy
Misy rangahy iray izay zany,
Hoy izy momba an'ity toerana iray eto Antananarivo renivohitra:
“T@ 1973 aho niala teto, efa nisy olana fako be ohatran'izao teto @ ity toerana ity „
vinanto tsy vanona,
Misy rangahy iray izay zany,
Hoy izy momba an'ity toerana iray eto Antananarivo renivohitra:
“T@ 1973 aho niala teto, efa nisy olana fako be ohatran'izao teto @ ity toerana ity „
Asa raha misy mahatadidy fa t@ mbola tanora sy mbola nazoto niblaogy dia faly ery nankalaza an'ireny xxx Day ireny. Ohatra hoe ny blog action day... rehefa niha-antitra anefa dia tsy naharaka revy intsony sa hoe lasa niova revy nga ny tena marina. Dia lasa tsy raitra @ mahaliana ny be sy ny maro intsony na hoe manara-drenirano.
Anio kosa anefa dia andro manan-tantara izay anisan'ny hoe farany izay tiako indrindra... tsy inona izany fa ny andro natokana hoan'ny kamolahy otranah: World Sleep Day.
Koa tsy hay ny tsy hametraka teny kely, hirary soa sy hanasa anao @ ity raharaha tsy mialonjafy, fanomezan'Andriamanitra ary mampitovy ny mahantra sy ny manan-karena ity. Tsy inona izany fa ny: torimaso sy hakamoana.
Ity ny fitadiavako azy... rehefa ilay somary insomniaka kely ireny @ 3 maraina...
Mampatsiaro ahy ny hoe serenite sy calme... rehefa cyclone tany ambanivohitra, tany @ bebeanay... tsisy atao ary matahotra ho zakan'ny rivotra ny tafo-trano... dia matory sisa no azo atao: fahasambarana ao anatin'ny fihahihahiana 😄
Tratry ny taona aloha ee.
Indro omena anao ny fanambarana avy @ fanahy masina:
2020 -> work from home, zany hoe miasa any an-trano
2021 -> work from bed, miasa eo am-pandriana
2022 -> work from coffin, miasa ao @ vatam-paty
2023 -> Matrix
jereo eto
c'est la 😴😴😴😴
tafandria mandry oo
simpli simpla simplu
Teraka i Jesosy
migobaka ny sosy
Ry havana malala, indro fa tonga ny ora hitorian'ny mpanompon'A/tra ny teniny 😂😎
i Jesoa dia mpanjaka, fa tsy eto an-toerana hono ny fanjakany (mila toko sy andiny eto)
Raha ny fandihana ny fikafikan'i jesoa izany dia mba hoe ho lasa mpanjaka toa azy ihany koa ny mpanaradia azy. Mety tsy le eto an-toerana io fa mety le hoe any "an-dafy"... tsy hay anefa ny tsy hahita sy hampitaha @ ilay eto an-toerana ee.
Tsy dia i Jesoa loatra anefa ny tiako resahana,
fa kosa ilay resaka mpanjaka teo
Joyeux noel alou ee, na koa hoe Bon annif i Jesoa!
Rebelote kely an'le resaka coliseum eo anati-rova alou:
Naika hirediredy be ah t@ iny vao nitranga... eo anilany ny lafiny Rajoelina, izay fanatika bling bling sy hoe mpaka-tahaka ny any ivelany: mety hevitra tsara ihany aloha ilay hoe manao museum kely sy hoe fanarenana ny vakoka, fa ilay resaka tia seho-seho sy "fake" na hoe sans substance no otran'ny indrony hatr@ zay... eo anilany ihany koa ny mpanao "arovako ny rovako fa lovako" izay mandaha ankitsirano an'le coliseum, izay tsy hitabean'ny ihany ilay fond an'ny raisonement hoe illegal ve ilay izy sa hoe masina io tany io ka tsy tokony kasihana sa hoe manimba endrika ny la-haute sa hoe tsy ho patrimoine intsony raha vao atao knolinoly eo: mety misy fahamarinana daholo ireo voalaza ireo fa saingy hoe ny tsapa fa fond an'le resaka fotsiny dia otran'ny hoe fanaovana halako bika tsy tiako tarehy satria i Rajoelina no manao azy... mety mila mediation sy/na hoe fiaraha-miasa na hoe mamimaritra iraisana, dia mety nahavita zavatra ankasitrahan'ny maro ary lovain'ny zanaka aman-jafy...
Eo ihany koa ireo nieritreritra fa hoe "resaka mandany jiro" izy iny... satria ra misy ny vola hanaovana zavatra, coliseum ve ny tokony ho voalohan-draharaha ampiasana an'izany? eny e, ny olana aloha tsy maintsy misy foana e... ary ny tena marina, politika kolotoraly mifanahaka @ fijerin'izay voafidy no ho hataony... tsy dia misy firy azon'ny be sy maro atao @ izany, afa tsy ny hoe miwawawa eo @ facebook sy hoe manao fanairana angaha... tsy hay intsony ny tohiny.
Izao indray, iray sa 2 volana lasa,
Naverina ny satroka courone (sa inona no filaza azy?) dia avy eo ihany koa ny akanjon'ny mpanjaka Ranavalona faha-3. Satria hoe vakoka malagasy ary lova tokony hita/fantatry ny Malagasy. Otran'ny mba serieux ihany izany i Rajoelina... dia mipetraka indray ny fanotaniana. Hoe ahoana ny zavatra hafa mety manan-danja kokoa, tokony mba mahazo "focus" lehibe lavitra mihoatra an'itony bling bling itony ohatra hoe ny Plan emergence de Madagasikara? Efa 6 volana sisa dia mi-mandat, otran'ny mbola tsisy inon'inona hita na hoe manangasanga kely fotsiny aza.
Na io Rova/coliseum/courone/akanjo io aza sao dia mba adino ny tena antony lehibe dia ny hoe fiandrianam-pirenena, "identite nationale" sy hoe fitiavan-tanindrazana? sao dia variana madio ivelany fotsiny eo? Mbola eo ambon'izany ny hoe Rova an'i Madagasikara sa rovan'Antananarivo sa rova Manjakamiadana: sao dia mba identite Iarivo na hoe Imerina no voakasik'izany... aleo tsy tohizana lava.
Fa zao...
Business idea hoan'izay mamaky eto... na ny tanora, solofo dimbin'ny ala... hoe: maninona raha "democratiser"-na ny akanjon-dRanavalona mba ho lasa "mpanjaka" ny vahoaka. Eto sy eto sy eto misy sary maromaro. Hoan'ny mpanjaitra sy hoe "fashionista" no tiako hahatongavana... Hoe raha ireny ankanjony ireny (na koa ny an'i Radama hoan'ny lehilahy) no atao modely na hoe hangalana inspiraka... raha toa ka lasa izany no lasa "mainstream" hoe bedabe ny mpanao/mpanjaitra azy sy hoe olona miankanjo azy, dia tsy ho azo lazaina hoe: tafiditra ao anaty koltorantsika iainana isan'andro (na hoe fety) ny faha-mpanjaka? jereo ny malabary izao tao anatin'ny 10 taona dia lasa "mainstream" sy hoe lamody indray...
Atsipy ny teny ary hoan'izay miheno... mety mba ho mpanjaka eto an-toerana isika rehetra @ izay, ary ho mpanjak'i Madagasikara fa tsy Manjakamiadana irery akory!
Tsy otran'ny mifandraika @ izany ve ilay vavaka nampianarin'i Jesoa hoe: ho tonga anie ny fanjakanao, eto Madagasikara tahaka ny any an-danitra!! 😔ðŸ˜
izy tsisy sosy
nefa dia bogosy
Vita tompoko
Mba hiverenana @ revy fahiny izany, hoe manao lahatsoratra mihoatra ny 4/taona 😂 dia raiketiko indray ny fika fataoko taloha hoe 15min de blaogy challenge ee... zany hoe manoratsoratra eo dia ajanona refa tonga ny 15min. Izay vita @ zay no publier-na, na vita edit na tsia.
zao ary,
nareo ve tsy mahita hoe otran'ny efa akaiky ny farany? 😠genre, apokalipsy... na koa fantatra @ anarana hoe Maihol, for president! 😌😂
jereo ilay hain-tany gidraka be tany Aostralia teo iny... dia zao indray zara ra mangatsiaka sy hoe tsy ampy lanezy ny hemisfera avaratra. Eny e, ra zay fotsiny dia aloha dia mety hoe resaka climat sy hoe global warming fotsiny ngambany... fa zao ndray lasa misy an'itony corona virus itony
<ao anaty farango parantezy kely>
tsy mihomehy loza ah an na hoe manaraorao-paty fa... tsy mba azo asaina manao an'ireny maska tava ireny nga ny zone franche any amintsika. Otran'ny vetivety kely izy dia majifa an. Mety bizina mirongatra rapida be. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!!
</akatona ny farango parantezy>
tsy hay izay hiafarany fa otran'ny gidraka be ity corona virus ity...
dia zao koa maty koa i kobe bryant
dia tsy hay tsony ee... akaiky ny farany? c'est la fin!! c'est la mort!! c'est la vie!!
mbola tsisy zavatra milay nitranga izay t@ ity taona ity.
sa ve hoe le mbola misy olona tsy nahavita presentation de voeux no mahatonga an'zao?
satria misy firarian-tsoa mbola eny an-dalana, tsisy reseau 😂😂
otran'ny tena ratsy fiandohana ity rara ity.
asa ra misy ho azo antenaina
soa ihany fa nahazo minisitra vaovao isika
dia efa mirary soa avy hatrany ho an'ny firenena hoe
A/tra o, ataovy mahazo Miami na cote d'azure zahay @ ity taona ity
merci d'avance!!
bisou
naika tsy hiresaka 12 + 13 = 25 ihany kanefa otran'ny tsy mety fa tout chemin mene au rhum ony... ka aleo mba asiana rediredy kely... ny hevitro manokana @ hoe naninona no tsy tsisy natokona i hery rajao... ny antony tsotra dia hoe: tsy nahay nampiasa chiffre lery ee.
jereo hoe iza no isa tsy mety @ ireto: 3 volana lasa enim-bolana no lasa 3 taona no lasa 2030...
=> tsy tokony nasiana enim-bolana... sady tokony natao 30 taona
jereo koa fa ny chiffre d'affaire nande be mintsy tao tsimbazaza nandritra ny mandat... dia lasa nalaza ratsy hoe mpanao malette... kanefa ra zao zao nampiasa chiffre lasa hoe propangady tena izy!
eo koa mazava ho azy ny hoe 12 = 25 - 13. Efa voasoratra fa ze sisan'i kotofetsy sy mahaka no ho anjara sisa ho ani petit chaperon bleu
ny tena fahotana nahafaty dia tsy nanao hevitrakoho @ isa 12... kanefa bedabe ny azo resahana: ohatra hoe 12 ny isan'ny apostoly, @ 12 ora ny mitatao vovonana, 12 ny isan'ny volana... sao dia tokony jerena ny ao @ baiboly boky faha 12 toko 12 andiny faha 12 ka hatr@ faha 12
dia izay ee... izy ve no tena badraodra comptable tsy nahay nanisa sa mikoty moa ny filazana an'zany (avy @ verbe compter)?? sa hoe izy no tena fetsy nifainty nanao fifidianana kanefa te hiala tsisy maratra fotsiny? satria efa feno ny kibo... asa, mety hoe fahendrena koa izany, indrindra hoe izy mba nahalala nanaraka an'le didy hoe tsy maintsy mametra-pialana alohan'ny fifidianana ny filoha am-perinasa... mety ho betsaka ny hiarahaba azy ra hoe tsy be zizo sy manao be konetaka eo izy... asa izany
zany eo ihany fa ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe inona ary ny tsy nahalany an'i Maihol e??
satria ve 34 = 12 + 22 = 13 + 21 = 25 + 9 = 13 + 12 + 9 = 11 + 23 = 24 + 10 = 26 + 8 = 7 + 7 = 28 + 6 = ...
tsy zakan'ny saiko ee... mba omeo toko sy andininy momba ny 34 hoe?
@ 2023 indray ee, ra sitrapon'ny faminaniana
c'est la mort!!
Tsara fa tohizo!!
Tsy hihomehy loza ah fa ra zao no mitohy @ 2030 ngambany ny generaux no betsaka noho ny isan'ny mpampianatra eny @ oniversitE... sa izay ve le plan emergence?
C'est la vie!!
Tsy hihomehy loza a
C'est la mort!!
T@ zay mbola teny ambony dablio fahiny izany dia nisy an'izay razoky mpiara mianatra izay... dia isa-maraina izy mandefa an'ireny "citations" hoe tenin'olona malaza manome motivations... nafinatra le izy t@ voalohany fa refa nataon'lery isan'andro, dia farany tsy maintsy no-filter-ko atao spam @ izay... enfin, bref, anisan'ny teny nahafinaritra ahy nozarainy ny hoe: "the meaning of life is to give life meaning"
Fantatrao ve ny ironman?
Tony Stark mazava wazy fa misy ihany koa ny triathlon ironman: lomano eo @ 4km eo, dia mandeha beka eo @ 180km ary hazakazaka 42km, atao "tsy ankijanona"...
Vao mamaky an'le izy fotsiny ah dia efa kivy... kanefa misy namana iray nikotrana, nandray anjara ary mbola velona aina soa amantsara.
Dia lasa saina hoe vitan'lery ve dia tsy ho vitako? tadidiko ihany koa anefa fa isaky izay manao sport goavana ah hoe mianika tendrombohitra avo be, na mandeha miazakazaka marathon dia eny ampovoany ah mieritreritra foana hoe fa inona ary ny antony anaovako an'ity hadalana miaro tsinjaka ity?
Mazava hoazy fa ilay tsy ampy entrainement sy hoe manana an'ilay "esprit sportif" no tena olana. Kanefa refa tena dinihako dia misy rariny ihany ny hakamoako. Ilay namana nanao an'io ironman io zao dia izany no tena hoe tsy manao afa-tsy ny mikotrana izy... isaky izay hoe misy plan milailay na hoe mamosavy na otran'zany dia miala tsiny foana hoe tena tsy mety @ le rezima le izy na hoe mbola tsy maintsy hifoha vao maraina hikotrana radem...
Norma ihany alou le izy hoe mba tanjona tiana tratrarina dia tsy maintsy miafy ary hoe manao izay tokony atao. Ny mahasoa vao ny mafinaritra, sa ahoana ozy? mety hoe miaraka koa izy roa ireo sady mahasoa no mahafinaritra... saingy hoe: izany tokoa ve? satria anisan'ny tena mahakrizy anah manao sport ngoza dia ilay tsisy fotoana hoe tena mafinaritra izany fa mianika tendrombohitra enao dia mijanona adiny 1 fara faha betsany dia tsy maintsy midina satria iny koa mbola adiny 5 farafahakeliny... izany hoe mamono tena enao mba hahatratrarana ny tanjona, dia refa tratra ny tanjona dia aveo ahoana? le namana io izao dia hanao repos 1 volana hono dia avy eo raikitra indray... marina fa mahasoa ny hoe fanatanjahatena indrindra hoe ra tsy mpiasa tany sy mpanetsa toy ny tantsaha... kanefa hatraiza no refin'ny tena mahasoa? satria ho faty ihany anie ee :)
Dia tsy haiko hoe izany ve ilay fiainana? miafy mandrakizay mba ho an'ny fifaliana 1 minitra?? asa re fa dia mampa-filozofy be... hoe tsy mitovy @ film le izy, satria ils vecurent heureux pendant une semaine en totalitE, et galerent le restant de leur vies hahaha... meaning of life ony, eny wa eee
ouainnnnn be androany... Noho ny antony vary misy loaka izany dia antsasaky ny train ihany no tonga/hande... kanefa bedabe ny mpanao vakansy. Dia evidawazy fa feno be otran'ny any Inde ireny le izy...
Indro ary misy sipabeu somary sahirana mitady toerana. Manao azafady @ ireto tanora mpanao backpacking izay nivalapatra eraky ny tanana... dia mba hoe galant zany ah dia hoe tsy manin ra eto @ sezako enao mipetraka. Miezaka manazava sady mijery ny kibony... valiny: za nga bevohoka?
efa mpahazo anah taloha ity fahadisoana ara-teknika: hoe bevoka ary ve sa matavy fotsiny... neveriko fa efa sitrana kinanjo...
c'est la vie!!
Omaly hariva ah zany nijery komedia nataon'i Louis CK tao @ netflix... dia ozy hoe nandresy be ny kristianina ozy satria, io taona 2017 io zao dia ny kristianina no namorona azy ary na aiza na aiza dia mampiasa azy doly eny fa na ny sinoa izay manana ny taonany manokana aza.
Mampiomehy ny nanaovany azy fa ny tena nahalasa ny saiko hoe hatraiza marina moa ny tena vokatry ny rediredin'ny olona iray na roa/maroamaro ka lasa miparitaka @ tantara sy hoe zary ho iainan'ny taranaka fara-mandimby? ho avadiko @ teny hafa kokoa ilay fanotaniana hoe: hatraiza no azo lazaina fa fomban-drazana na hoe fomba Malagasy, na hoe hafatry ny razambe lolohavina antampon'ny loha? Marihina koa fa tsy gasy ihany io fa otran'ny maromaro ihany firenena somary manaja @ "tsinapa" ny RAD sy hoe "razambe"... Nahoana ary no ny tsy ny hafatry ny tany alohan'i Jesoa no arahana? na ny hafatry ny vazimba? sa ny hafatr'i lucy mintsy ee ^^
Eny e, azo lazaina hoe miova tsikelikely ny fisainana sy hoe fomba. Ohatra hoe talohan'i Ralambo izao tsika tsy nihinana omby (sa lambo?)... izay nanana an'io hevitra talohan'izay zao dia mety hoe "ouiiiiinnn" be. Any ambanivohitra-anay ary azo lazaina hoe mpandova sy mpiray ra aminay dia misy olona (ary tanana) fadi-kisoa, kanefa tsy adva zany an... ny tiako hahatongava dia ny hoe rehefa inona no azo lazaina fa mety ny fanovana ny tantara, sy tsy firaharahiana ny voalazan'ny razana... ary tsy ho raisina hoe: fanaovana tsinotsinona ny any am-pasana?
Sa ve dia hoe hotsorina izy ity ka omena an'ilay hoe: izay tiako ihany io ee!!
Dia aoka ny tantara no hitsara... raha tanti ka tsara fiafara :-)
kanefa ra nanaraka ny fomban-drazana izao... otran'zao mbola nisalaka kle ^^
C'est le "za hirara"!!!
Ity izany ilay tonga @ fitenenana hoe antitra vao be ny tanora ee. Efa fotoana vitsivitsy lavalava izay no nanapa-kevitra aho hoe efa ho matotra amizay fa aoka izay ny rediredy fahizay, fahizay fahizay, tena fahizay... kanefa dia tsy manaiky ny oniversa fa tsy maintsy mandefa virja aty amiko foana
Nisy sipa iray vaovao indray any @ bekitana nanao lavanty ny "fahadiovany". Tsy hiditra @ maha mety sy tsy maha-mety an'zany intsony ah fa efa betsaka ny rediredy voalaza .
Ny tena tiako horesahina dia ny hoe: kay le, ary tena lasa bizna normale ity kozy ity kle. Azo eritreretina ve hoe afaka 5-10 taona any dia ho lasa tolo-barotra na hoe service izy ity? raha atao jery todika tokoa moa ny hoe talohan'ny 19xx mbola tsy nisy ny hoe porn. Ary na dia nisy aza ny hoe kox, azo lazaina hoe "tabou" izany hoe mivarotra entana izany indrindra moa fa ny hoe manao film... kanefa @ izao, dia lasa norma be le izy. Dia mba ahoana ary ny hoe cadre legal azo hi-operer @ ity fivarotana virja ity? sao dia mba izany no tokony hilofosan'ny fanjakana
Tsy mahita statistika offisialy ah fa otran'ny betsabetsaka virja ihany any ambanivohitra any an. Sao dia ho lasa otran'ny fitrandrahana volamena sy harena akibon'ny tany eto koa ity ra tsisy regulations?
Iaraha mahalala ny filana tondro-dalana stratejika hoan'ny tanjona ekonomika eto amitsika. Mila havaozina ny lisitra hoan'ny varotra iraisam-pirenena. Raha resaka hoe avantazy comparatif no jerena dia ireto no tokony ho anisan'ny hilofosan'ny famokarana/fitrandrahana eto amitsika:
azo afangaro atao combo ireo, ohatra hoe: ody fitia + virja (sady miakatra ny vidiny no ho afa-po ny mpanjifa)...
@filoha hery rajao: atsipy ny vilia vaky!
Tadidiko tsara t@ le resaka je suis, tu es, vous etes t@ herin-taona tonga dia raikitra ny gidragidra an'ny gasin'andafy vs gasy daorizina... hoe nahoana no refa any @ eoropa no misy ny terrorisma dia avy "misolelaka" manao je suis je suis fa ra ny mahantra na ny mainty na ny arabo dia euh... dia hoe ah non, toe-tsaina mirefarefa izany fa faty olona ve dia ho avakavahana. Tsy soatoavina malagasy ny hoe tsy fanajana razana... dia nofaranana @ hoe ra eo malagasy ve moa no misy otran'zany dia hoe tsy iray fo sy saina ary fanahy hiara ory ary handa ankitsirano ny hetsika mahery toy izany... bla bla bli bli blo blo
Zao @ zay t@ vaintisisy, @ fahendrena malagasy izay tsy hita izay maharatsy azy, @ hoe fanaovana kopier-koller an'i frantsa dia lasa koa nanapoaka ry adala be isany... ny tena mahagaga anefa dia tsy nahita je suis mahamasina ah na iray aza. na hoe novana ny sary profil na otran'zany... dia gaga fotsiny enao hoe ee izao zany le tonga @ le fitenena hoe andrianiko ny an'ny hafa ary ny ahy tsy rarahiako ^^
Ny tena nahagaga anah manko dia otran'ny tsisy afatsy mananasy ny resaka eto @ tambazotra sosialy tato ho ato... dia hoy ah hoe resaka mandany jiro zany an. Eny e, tsara alou refa hoe mahasahy manakiana an'rafanja sy hoe mihamitombo ny hoe fiparitahan'ny vaovao sy hevitra... fa zany hoe tsara kokoa ra resaka mamokatra jiro no atao. diso ve ah mieritreritra hoe jiro no tena olana eto?
Atsipy ny vilia, vaky
ps: vitako tao anatin'ny 15 minitra ity lahatsoratra ity. Isaorana anie i A/tra!!
Tara train, mais bon... qd faut y aller, faux y aller
- Zavatra azo atao @ mananasy. Ny ankamaroan'ny sakafo mexikana tsara otran'ny misy mananasy.
- Sary misy mananasy. Interessant!
- Kay le, otran'ny mafinaritra ra manao an'ity i voahangy an. hevitra cadeau d'annif zany ra-prezi an... kiiii sold out ony ee too bad!
- Zany hoe ra tsy vadin'ny filoham-pirenena enao, dia aza kivy fa misy eny behoririka. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!
- Misy ao @ urban dictionary: euh ity sa ity hu hu hu
- Minana mananasy be loatra ve ny dragona, no mahatonga ny atodiny otran'ny mananasy? khaleeessi!!
- Tsy misy afa tsy mananasy ony any Costa-rica... poinsa mety hanao vacansa any ny filoha.
- Zavatra azo resahana kanefa tsy mananasy:
* Fahandriam-pahalemana, ohatra hoe bomba, dahalo... efa tratra ve i remenabila?
* Code de la communication... ahoana ihany le article 20
* sns sns ohatra hoe fahantrana: toe-karena, sosialy... in avy re ny zavatra tsy mande @ ze lahoriny eto @ firenena ee. Otran'ny tsy mahita ah an, sarotra be izy zany!!
Efa kely sisa dia hitovy @ bekitana isika satria ny akanjon'i Michelle koa misy mpanaraka be. Koa eto ampiandrasana ny hoe firenena mandroso akanjo-ho-anaovany-manaraka ary ny mpanoratra, dia mirary soa anao mpamaky.
Tsy misy fisaorana.
Refa nieritreritra ah dia somary gaga kely hoe otran'ny tsy dia "mahazatra" loatra ny hoe manomana ny hoe "rehefa maty aho", ny eo @ malagasy. Eny e, mazava be fa ny anisan'ny tena tanjon'ny hoe fihavanana dia ny hoe fitandrovana ny taranaka sy ny hoe miray hina... mba hamela lova, fahasoavana, soatoavina hoan'ny taranaka faramandimby... zany hoe tena mifantoka be @ hoe ho faty izany ny Ntaolo.
Iaraha mahalala ihany koa ny hoe miara-ory sy hoe fomba malagasy manerana ny nosy ny hoe mamangy @ fahoriana. Satria hoe fanajana ny maty ary indrindraindrindra hoe malahelo sy hoe lasa "olon-tiana"... Ny mahagaga anah anefa dia ny hoe nahoana ary no tsy dia mba misy kozy betsaka ny momba ny hoe "hafatra farany". Tsy hoe testamenta an fa otran'ny hoe hafatra kely hoe... rehefa maty aho dia
1. vomanga sy saonjo (sy ronono?) ny kaly
2. Alefaso ity hira ity:
Eto ampanoratana an'ity ah dia mieritreritra hoe ra misy mahita moa ity? ho ho ho
Laingako izany fa satria... isika tsy ho faty... ary tsy maintsy hipoaka ny tako-bilany!!
Now, let's dress prentetiously, while having a pretentious dinner and pretentiously listening to this.
ca va ca va, imhotep!
Tonga dia aleo potserina ny voamasony. Satria betsabetsaka ihany izay lahatsoratra sy hevitra nivoaka momba ny fanendrena ny praiminisitra vaovao t@ alahady. Tsy hary nahavaky azy rehetra aho aloha fa ny voamariko fotsiny sy hoe somary nisongadina tamiko dia hoe otran'ny tsy aninon-tsianinona ilay praminisitra vaovao. Na tsy voateny direkta aza dia "sous entendu" na hoe fosa-tian-ko-re.
Dia hoy aho hoe: aoka etsy!!
Tsy hoe manohana na mankasitraka na mahatoky an'ingahy PM vaovao ah akory fa araka ny fomba mahazatra izay hita fa tena ratsy dia hoe: "benefice du doute"... fa izay indrindra no tena tiako hahatongavana hoe: fa nahoana no tsisy manakihana mintsy ra-prezy?? satria amiko manokana i lery mihintsy no tena badraodra @ ity kozy ity.
Tsy hiditra @ antsipiriany a, b, c ah fa jereo tsara an. Nasiana sinema be ny fialan'ny PM teo aloha. Naninona no tsy noroasina fotsiny iny dia vita? pira, raha tena hoe "leader" na hoe RAD na hoe mpitondra tokony afaka niresaka taminy manginga hoe tena mila mamela an'le seza elah ry zandry fa tsy poinsa ity a. Naleon'lery nanao ady mangatsiaka t@ hoe "media interposE". Hadisoana be zany hoe passive agressiva ve nefany enao no sefo tsssssssssssssss. Badraodra wa, badraodra.
Ny tena hitako olana manko dia izao. I Ra-prezy izany sady tsy hoe "natural leader" izany hoe tonga dia afaka mitarika/mitondra, fa le karazana bandy hoe mila tohanana sy atosika kely... kanefa i lery lasa filoha, par hasard/par accident. Izany hoe tsy voaomana dia lasa hoe manandrakandrana sy mihanahana @ rehetraretra.
Firy volana lery vao nahatendry ny PM voalohany? dia avy eo afaka 1 taona nosoloina. Eny e, nanana olana ara-teknika lery tao @ parlemanta fa na zany aza, tsy afaka natao "en parallele" nga ny hoe fandaminana an'i Tsimbazaza sy ny hoe fitadiavana ny tena mety ho PM tsara? dia avy eo ndray refa nisolo an'ingah jereneraly, tsy dia niandry firy andro aloha fa niwawawa be ery hoe resultat rapide ee, 3 volana ee... afaka 1taona aty aoriana soloina ndray. Inona ndray ny antony? rhetorika io an... satria ny an'lery izany dia mazava: soloina isan-taona ny PM. Izany no vahaolana.
Mino marimarina ah fa t@ fanendrena an'ingah Mahafaly dia ny kritera nojerena dia hoe: azo esorina afaka 1 taona sa tsia? Tsy te hiteny betsaka ah fa ra ohatra ka manao jery todika vetivety raprezy: efa misasaka ny mandat inona ny zavatra vita teto? mba misy hoe fototra azo jerena ve na hoe fivoriana/congressy @ tsisy dikany azo hialana pas ve? evidawazy satria lany andro manolo olona sy manao passation de pouvoir (bonus: tsolotra sy aferafera)... izao le hoe fifandimbiasan-toerana hehe,, Dia ilay PM foana no mahazo loza kanefa ny le filoha no tena zero manatody. Ra izao no mitohy, kozy na i TGV aza tsy tsara lavitra no i toi?
Dia izay ee, haiko fa mbola manakery ny article 20... fa otran'ny tsy hay ny tsy hiteny an'le fomba fiteny t@ zay mbola kely hoe: shanana izany ra ol. Ny adala ny hafa moa no ihomehezana fa ny an'ny tena rakofan-damba ka dia homeko an'ity torohevitra ity hoe: dieny izao dia efa omany ny fika hanendrena ny @ heri-taona!!
izay ee, @ heri-taona ndray... mifanoratra eto ihany!!
A+