Izany mihitsy

Misy rangahy iray izay zany,
Hoy izy momba an'ity toerana iray eto Antananarivo renivohitra:

T@ 1973 aho niala teto, efa nisy olana fako be ohatran'izao teto @ ity toerana ity



prehistorique

Lasalasa saina tampoka teto ah... nisy namana narotsoratra hoe efa folo taona lasa izay.
Dia gaga hoe kay le, izany tokoa moa izy ity 😂

Dia niezaka nitadidy sy hoe mitady arsiva hoe inona avy tokoa no mba malaza sy hoe tiako t@ folo taona lasa tany... hoe mba hanao retrospecitva tsotsotra... kinanjo, izay vao tena tonga saina sy marary fo fa otran'ny tsisy hoe zavatra malaza na hoe "d'actualitE" @ izao intsony izany... asa, tena efa antitra sy hoe Ntaolo tokoa angaha ny tena 😎

Dia izay ee... soa ihany fa mbola misy ny blaogy fa raha tsy izany tena mety hoe tsy hita trasy sy tsy fantatry ny oniversa akory hoe mbola velona any ihany...

Izay ee. Lahatsoratra secret chhuuuut, atolotra manokana hoan'ireo namana mahatsiaro ity. Soava tsaraha, ho tahian'Andriamanitra 🙏
Vao hitako vao teo fa mbola misy ny serie Grey's Anatomy => na dia niova daholo aza ny zava-drehetra, mbola misy ihany ny taloha, na dia efa hoe soara sy tsisy mpanaraka tsony aza 😄 asa re, mbola azo asiana revin-gadra sy rediredy fahizay indray va re? sa hoe souvenira souvenira no tena maha-manja azy...

C'est la vie!!


hum hum

Ahoana koa itony?
mba initiative tsara...
sao dia mba misy te hampiaraka any

 




tsy hoe mitoraka ah fa otran'ny hevitra metimety ihany izy ity...
Ra mba misy afaka mitantara na hoe manome hevitra momba an'le izy no vao mia koa manja!

simplo


Moa ka tsy izany va?

End of an era... mivalona ny tantara.
Tsy misy ambara na ho tantaraina. Mivavaka hoan'ny fanahiny.
Tadidiko fotsiny ity, somary nampitsiky ahy ny fahatsiarovana fa

Nanao paompy, petite serie de 12 izy refa nitontona teny Ivato 😂😂😎😌

¡Rombo rombo rombo!


bn

Asa raha misy mahatadidy fa t@ mbola tanora sy mbola nazoto niblaogy dia faly ery nankalaza an'ireny xxx Day ireny. Ohatra hoe ny blog action day... rehefa niha-antitra anefa dia tsy naharaka revy intsony sa hoe lasa niova revy nga ny tena marina. Dia lasa tsy raitra @ mahaliana ny be sy ny maro intsony na hoe manara-drenirano.

Anio kosa anefa dia andro manan-tantara izay anisan'ny hoe farany izay tiako indrindra... tsy inona izany fa ny andro natokana hoan'ny kamolahy otranah: World Sleep Day.

Koa tsy hay ny tsy hametraka teny kely, hirary soa sy hanasa anao @ ity raharaha tsy mialonjafy, fanomezan'Andriamanitra ary mampitovy ny mahantra sy ny manan-karena ity. Tsy inona izany fa ny: torimaso sy hakamoana.

Ity ny fitadiavako azy... rehefa ilay somary insomniaka kely ireny @ 3 maraina...

Mampatsiaro ahy ny hoe serenite sy calme... rehefa cyclone tany ambanivohitra, tany @ bebeanay... tsisy atao ary matahotra ho zakan'ny rivotra ny tafo-trano... dia matory sisa no azo atao: fahasambarana ao anatin'ny fihahihahiana 😄

Tratry ny taona aloha ee.
Indro omena anao ny fanambarana avy @ fanahy masina:
2020 -> work from home, zany hoe miasa any an-trano
2021 -> work from bed, miasa eo am-pandriana
2022 -> work from coffin, miasa ao @ vatam-paty
2023 -> Matrix
jereo eto

c'est la 😴😴😴😴
tafandria mandry oo
simpli simpla simplu


mpisorona manjaka, vahoaka navotana

Teraka i Jesosy
migobaka ny sosy

Ry havana malala, indro fa tonga ny ora hitorian'ny mpanompon'A/tra ny teniny 😂😎

i Jesoa dia mpanjaka, fa tsy eto an-toerana hono ny fanjakany (mila toko sy andiny eto)
Raha ny fandihana ny fikafikan'i jesoa izany dia mba hoe ho lasa mpanjaka toa azy ihany koa ny mpanaradia azy. Mety tsy le eto an-toerana io fa mety le hoe any "an-dafy"... tsy hay anefa ny tsy hahita sy hampitaha @ ilay eto an-toerana ee.

Tsy dia i Jesoa loatra anefa ny tiako resahana,
fa kosa ilay resaka mpanjaka teo
Joyeux noel alou ee, na koa hoe Bon annif i Jesoa!

Rebelote kely an'le resaka coliseum eo anati-rova alou:
Naika hirediredy be ah t@ iny vao nitranga... eo anilany ny lafiny Rajoelina, izay fanatika bling bling sy hoe mpaka-tahaka ny any ivelany: mety hevitra tsara ihany aloha ilay hoe manao museum kely sy hoe fanarenana ny vakoka, fa ilay resaka tia seho-seho sy "fake" na hoe sans substance no otran'ny indrony hatr@ zay... eo anilany ihany koa ny mpanao "arovako ny rovako fa lovako" izay mandaha ankitsirano an'le coliseum, izay tsy hitabean'ny ihany ilay fond an'ny raisonement hoe illegal ve ilay izy sa hoe masina io tany io ka tsy tokony kasihana sa hoe manimba endrika ny la-haute sa hoe tsy ho patrimoine intsony raha vao atao knolinoly eo: mety misy fahamarinana daholo ireo voalaza ireo fa saingy hoe ny tsapa fa fond an'le resaka fotsiny dia otran'ny hoe fanaovana halako bika tsy tiako tarehy satria i Rajoelina no manao azy... mety mila mediation sy/na hoe fiaraha-miasa na hoe mamimaritra iraisana, dia mety nahavita zavatra ankasitrahan'ny maro ary lovain'ny zanaka aman-jafy...

Eo ihany koa ireo nieritreritra fa hoe "resaka mandany jiro" izy iny... satria ra misy ny vola hanaovana zavatra, coliseum ve ny tokony ho voalohan-draharaha ampiasana an'izany? eny e, ny olana aloha tsy maintsy misy foana e... ary ny tena marina, politika kolotoraly mifanahaka @ fijerin'izay voafidy no ho hataony... tsy dia misy firy azon'ny be sy maro atao @ izany, afa tsy ny hoe miwawawa eo @ facebook sy hoe manao fanairana angaha... tsy hay intsony ny tohiny.

Izao indray, iray sa 2 volana lasa,
Naverina ny satroka courone (sa inona no filaza azy?) dia avy eo ihany koa ny akanjon'ny mpanjaka Ranavalona faha-3. Satria hoe vakoka malagasy ary lova tokony hita/fantatry ny Malagasy. Otran'ny mba serieux ihany izany i Rajoelina... dia mipetraka indray ny fanotaniana. Hoe ahoana ny zavatra hafa mety manan-danja kokoa, tokony mba mahazo "focus" lehibe lavitra mihoatra an'itony bling bling itony ohatra hoe ny Plan emergence de Madagasikara? Efa 6 volana sisa dia mi-mandat, otran'ny mbola tsisy inon'inona hita na hoe manangasanga kely fotsiny aza.
Na io Rova/coliseum/courone/akanjo io aza sao dia mba adino ny tena antony lehibe dia ny hoe fiandrianam-pirenena, "identite nationale" sy hoe fitiavan-tanindrazana? sao dia variana madio ivelany fotsiny eo? Mbola eo ambon'izany ny hoe Rova an'i Madagasikara sa rovan'Antananarivo sa rova Manjakamiadana: sao dia mba identite Iarivo na hoe Imerina no voakasik'izany... aleo tsy tohizana lava.

Fa zao...
Business idea hoan'izay mamaky eto... na ny tanora, solofo dimbin'ny ala... hoe: maninona raha "democratiser"-na ny akanjon-dRanavalona mba ho lasa "mpanjaka" ny vahoaka.  Eto sy eto sy eto misy sary maromaro. Hoan'ny mpanjaitra sy hoe "fashionista" no tiako hahatongavana... Hoe raha ireny ankanjony ireny (na koa ny an'i Radama hoan'ny lehilahy)  no atao modely na hoe hangalana inspiraka... raha toa ka lasa izany no lasa "mainstream" hoe bedabe ny mpanao/mpanjaitra azy sy hoe olona miankanjo azy, dia tsy ho azo lazaina hoe: tafiditra ao anaty koltorantsika iainana isan'andro (na hoe  fety) ny faha-mpanjaka? jereo ny malabary izao tao anatin'ny 10 taona dia lasa "mainstream" sy hoe lamody indray...
Atsipy ny teny ary hoan'izay miheno... mety mba ho mpanjaka eto an-toerana isika rehetra @ izay, ary ho mpanjak'i Madagasikara fa tsy Manjakamiadana irery akory!

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tsy otran'ny mifandraika @ izany ve ilay vavaka nampianarin'i Jesoa hoe:  ho tonga anie ny fanjakanao, eto Madagasikara tahaka ny any an-danitra!! 😔😁
 

izy tsisy sosy
nefa dia bogosy

Vita tompoko


TGIF decouverte

resaka tsisy dikany...
au boulot...
tantaraiko...
confinement, t@ 1ere session an'ny corona t@ avril no nahalalana (au sens biblique) ny rap sinoa:

2eme session, @ izay avy eo... isaky ny zoma... mufasa

et pour finir,
DJT jokes

😂😂😂😂😂

entre pa, lasa otran'ny roman ny fifidianana an'i Bekintana an.
Mbola tsy nanaraka ny fifidianana tany ohatry ny t@ ity taona ity ah. Na t@ Obama 2008 aza, marina fa niarin-tory niandry valiny... fa zao tena lasa manaraka mintsy hoe state aiza sy aiza no mila arahana... inona ny dikan'zany electoral votes... enfin bref, Donald doly no nahatonga an'zany ee 😀
Ny tena decouverte hitako anefa dia i Jo Jorgensen. Hoe iza koa ary itony mintan-jiro itony... sady tanora no vehivavy... tsy mba ohatran'ireto anti-dahy anaki-2 mila maka retirety ireto...
Asa, ny mba hany mety hahatsara fiafara an'ity tantara inty nga dia ny hoe: tonga i Joe, hanokatra ny lalana hoan'i kala Kamala yayyyy 😎

C'est la whaaaaat??

Bon weekend!


Continuité de l'Etat

Androany izany ny hoe 14 Oktobra… hankalazana sy hahatsiarovana ny 14 Oktobra 1958, izay nanombohan’ny Malagasy nitantana ny diany sy ny hoaviny. Tsy ho eo ambanin’ny fahefana sy fitantanana kolonialy Frantsay intsony.
 Naika hataon'i rafanja makotroka ny fankalazana hasolo ny hoe 26 Jona kanefa moa tsy tratra sy tsy vita indray… dia hoy ah hoe aleo mba hanoratsoratra kely indray @ ity vaninandro ity handinihana sy hanaovana retrospective kely.

 

Vao nanao kajikajy kely aho hoe raha 1896 no nanomboka ny fanjanahana ary azo lazaina hoe 14 Oktobra 1958 no niafarany, na hoe niverenan’ny Malagasy nandray andraikitra ny ho @ fitanana ny fireneny… dia @ izao 14 Oktobra 2020 izao izany dia mitovy ny fotoana nisian’ny fanjanahan-tany najakan’ny Vazaha Frantsay sy ny hoe fotoana nitantan’ny Malgasy an’ity nosintsika ity: samy 62 taona mikatroka: 1896- 1958 sy 1958-2020. Manomboka eto izany dia efa ny Malagasy indray no nitantana ela indrindra ity firenena ity ary tsy ho azo ampiasaina intsony ny ekskizy hoe: vokatry ny fanjahan-tany!

Raha atao tokoa mantsy ny bilan kely tsotsotra dia ahoana hoy ianao: nahavita zavatra ve isika nandritra an’izay 62 taona nitondrantsika izay?  sa hoe zero manatody?

Asa, diso ve aho raha miteny hoe ny ankamaroan’ny zavatra mbola azo raisina sy hoe mafonja dia zavatra vita t@ andron’ny fanjahan-tany avokoa eto amintsika? na ny infrastructure: lalana, batiments, planifications urbaine,… ny toekarena: mbola ny fambolena de base sy hoe exporations vanille/litchi efa t@ fanjahan-tany ihany no eo…  na ny systeme an’ny fahasalamana na ny hoe fampianarana aza… dia tsy nisy zavatra hoe tena nisongadina sy hoe nivoatra hita hoe tena nihatsara.

Tsy tia hanalava resaka aho fa fanairana kely fotsiny hoe: vitan’ny vazah ve dia tsy ho vitantsika? bedabe ny gasy makany an-dafy tonga dia mahay be ary tsy mena-mitaha @ hafa…
Ka nahoana ary no tsisy zavatra manjary mintsy eto? 
Ho feheziko @ ilay lohan-teny ny valiny: Continuite de l’Etat!
Betsaka ny antony kely sy lehibe, tsy nampivoatra sy tsy nampandroso teto... fa io ngamba no tena folaitra voalohany indrindra hoy aho.
 Satria ra ny coco aloha otran’ny manana ihany isika fa ilay fomba fandraisana ny politika hatr@ izay mihintsy no misy lesoka kely.
Ireto aza misy soso-kevitra vitsivitsy:

- Tsisy projet mba mitohy izany mihintsy eto fa isaky ny 7-12 taona misy krizy… dia izay mandresy dia mandrava sy mamerina @ voalohany manao halako bika tsy tiako tarehy izay nataon’ny teo aloha daholo… ka hoy aho hoe izay eo @ fitondrana @ izao… ireo izay mikasa ny hoe eo @ fitondrana rampitso… mba ezaho ho tohizana/ahitsy izay paika efa miainga fa tsy hoe depart a zero foana… mino aho fa raha notohizana tsizarizary teo aza rehefa 62 taona mety ho misy raisina ihany an.
- Mahatonga ny continuite ihany koa ny hoe fihereverana na hoe fitsinjovana ny mpanohitra, raha enao no eo @ fitondrana… ireo antoko politika na olona politika voadaka rehetra teto ireo dia tsy mba nitsinjo ny hoe indray andro any aho mba ho mpanohitra koa… tsara kokoa ny hoe mametraka rafitra (lalana sy hoe framework) ahafahan’ny mpanohitra mi-existe sy mi-contribuer @ resaka sy debat @ politika/stratejia handehanan’ny fiainam-pirenena… raha tsy izay dia izay hataonao @ mpanohitra androany ihany no ho ataon’izy ireo aminao rahampitso rehefa ianao no ho mpanohitra.
- Ny mpanohitra ihany koa sy ny antoko politika @ ankapobeny dia tokony mijoro @  hoe ideolojia na hoe “cause” anaki-1 na maromaro… fitambaran’olona mitovy tanjona izany na hoe mitovy fijery, tanjona ary fitondra-tena… tsy tokony hoe fanohanana olona iray ny antoko ary tsy tokony miodina @ olona anaki-1 ny fisiany… asa ra mazava fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe a la base, ozy ny tanora izay, tokony hoe misy antony any am-potony hiadivan’ny antoko ohatran’izany ireny hoe Democrat/Republican na hoe Labour/Conservative ireny… Tsy voatery manaraka ny an’ny vazaha akory isika fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe mifototra @ hevitra ny antoko fa tsy @ olona… Tokony mijery na hoe manana vision hoe ho antoko mihoatra ny 100 taona ity antokotsika ity…

- Mifandraika @ izay ihany koa ny hoe ra antoko mpanohitra tena izy dia ie mazava ny zavatra na hoe hevitra toherina… fa tokony atao mazava ihany koa ny hoe zavatra atosika, alternative hoe vahaolana atolotra hoe manohatra an’ity izay ary izao no tokony  hanaovana azy. Izao sy izao ny hevitra tohananay.

- Fitiavan-tanindrazana tokony mihoatra ny fitiavana tokan-trano, fitiavana fianakaviana. Ra tsy manana an’izany fahasahiana izany ny olona iray dia tokony tsy mandray andraikitra na inona io na inona. Io kian-trano antrano ary fihavanana @ maha mety azy io no mahatonga ny hoe tsy mitovy ny fanompo-mpirenena ary tsy mitovy ny lalana, fepetra mihatra @ tsirairay.
 Diso utopique loatra ve izany? Jereo ireo firenena Nordique ireo fa misongadina mihintsy izany hoe “service publique” izany.
Ny tiako hahatongavana dia ny hoe mila manana fahasahiana hoe na manda ny “fitakian’ny fianakaviana” na mametra-pialana.

Mazava hoazy misy ny dimension hoe stratejika toy ny fanana programa ohatra ny hoe MAP na IEM na tsy haiko… tsy hidirako lalina izay fa tsara fotsiny hoe zavatra mba realiste sy hoe azo tanterahina “baby steps”… fa tsy otran’ny manonofy atoandro ohatry ny hoe mirotsaka avy any an-danitra ny vola sy/na hoe manana competence @ zavatra rehetra i Madagasikara… mbola blaogy hafa koa ngamba izany.

Dia izay ee,
Raha ny zavatra hita hatr@ izao aloha dia tsy manakivy aho miteny hoe... tsy naleo ihany nijanona nisy mpanjanaka ve? asa,  mety mivadika sy hifoha ao ampasana ve ny mpitolon'ny fahaleovan-tena raha maheno an'izany?
Sa ve hoe mbola mitohy ny tolona? @ izao tsy efa samy isika ihany ve no sakana ho @ fampandrosoana? asa, mety tsy hahomby intsony ny 1947 fa mety paik'ady vaovao indray angaha.

Atsipy ny teny ampon'ny mahalala.

Samy ho tratry ny hoavy ee!
Miray soa ny mpiray tanin-drazana
🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬

 


Ny tolona, amin'ny anarany

Misavoritaka be ny eritreritro… mikasika ny zava-misy, asa na ilay hoe confinement manome faux-fahalalahana angaha. Bref, soratsoratana fotsiny eto izy… enganie mba hisy hamaky <= ianao io, futur moi ihany koa.

Raibe
Sarotra be ny mitsikera ny hoe ataon’i rafanja sy ny mpitondra satria krizy mafonja ary tena hoe tsisy hoe nateraka na hoe nohalehibiazina hiatrika zavatra toy izao.
 Raha tsisy confinement dia asa,  marina fa misy ny tsy ho faty fa tena mety ho aman’hetsiny no ho faty. Ny antsika hono kay azo isaina @ rantsa-tanana ny respiratoire artificiel.
Dia izay e, ankoatry ny hoe genocide sy hoe crime contre l’humanite… dia ny hoe raha ny RAD na havanao no lasa, ho vitanao ve ny hijery fotsiny?


Renibe
Raha asiana confinement anefa. Isika mazava fa firenena mahantra. Izay tsy vitan’ny corona, ho vitan’ny fahantrana. Marary ary ory ny fo maheno ny tantara hoe tantsaha mandeha an-tongotra adiny firy, hande hivarotra entana dia adiny 1 fara faha-betsany no afaka mivarotra. Sady reraka no maty antoka kanefa tsy afa manoatra. Mahatra ve moa ho aiza eo.
 Ra ianao tokoa moa no eo @ toerana: raha tsy mihinan-kanina siora fa ho faty, raha voan’ny corona mety misy chance tsy ho faty. Mazava ny lalana. Mety eo @ 2 na 3 volana eo ho eo @ fahatongavan’izany isika. Tsy maniry loza aho fa mety ady an-trano sy adim-poko no hiafaran’io. Dia miverina @ ilay aman'hetsiny teo ihany.

Diavolan-kolava
Asa ity raha hoe kobon’i rafanja fa aleo tenenina ihany ny hoe: mbola vao manomboka ny lalao eto amintsika.
 Mazava ve ny stratejia-antsika? Misy ireo manao hoe ekena fa tsy maintsy ho voa daholo ny rehetra fa atao ny confinement mba tsy hibosisika be loatra ny fidirana hopitaly dia mba hoe mahazo immunite tsikelikely ny firenena, mandra-pivoakan’ny vaksiny.  Ny antsika ve hoe ho fohanana tanteraka ny tsimo-karetina? dia ho hakatona firy volana izany ny aeroport? ho voatandrina ve izany? Asa, mila mivavaka ihany hoe tena mandaitra tokoa ilay covid-organics… mety gidragidra raha tsy izany.
Averiko indray: mety mbola volana maromaro no hiarahana miaina @ i corona. Ary mbola tsy manomboka akory ny vokatry ny tsy famokarana sy tsy fiodinan'ny toe-karena, nateraky ny confinement.

Audacity of hope
Diso mafinaritra ahy loatra ity kozin’ingahy  Obama ity. Ny hoe finoana, fanantenana amin'ny fiovana mafonja sy mavaitra… indrindra rehefa @ toetr’andro tsy manan-tsafidy toy izao ny mpiara-belona, mpiray tanin-drazana…
Apetraka eto ary ny fanotaniana sy resa-dresaka manitikitika. Ny tanjona dia ny hoe hanodinana an’ity krizy ity mba ho opportunitEs, sy tohatra hisian'ny tena fiaingana makany @ tany nampanantenaina

  • Mety misy opportunitE hanangonana donnees @ hoe baseline na hoe toerana farany ambany tiana ampiankarina @ politika ekonomika sy sosialy an’ny firenena ny fanomezana an’ilay hoe vatsy fanampiana ny tokatrano sahirana. Nahoana tokoa moa no tsy ho azo tohizana ireny na corona na tsy corona? tena hitako fa zavatra tsara be mihintsy ny nataon’ny Lula tany Brezily nanao zavatra hanampiana ny mahantra. Tsy voatery hoe vola na kaly fa na hoe asa na hoe trano na sanitaire na otran’zany…
    Eo ihany koa ny hoe mouvement an'ny vokatra/sakafo, ny habetsany sy ny hoe toerana hiaviany avy any ambanivohitra. Ny sektera informelle kely rehetra sy ireo izay mbola tsy voarefy hatr@ izay.
    Manomboka @ fananana donnees fiables, eny fa na dia hoe faritra vitsivitsy fotsiny aza... ny ahafaha manao zavatra lehibe kokoa, projections sy hoe cadrages macroekonomika.
  •  Tsy fotoan’ny hampifohazana ny hambom-po an’ny firenena ve izao? sady 60 taona no fahaleovan-tena.
 A la base (ozy ny tanora) tsy maintsy manomboka @ indostrialization foana ny fandrosoana.
 Nahoana isika no tsy mba afaka manosika hoe fambolena a grande echelle (bedabe ny hoe kere eto afaka 3 volana an — ary tsy afaka ny hividy/hanafatra any ivelany akory fa satria samy tsisy manana daholo). Misy firenena afrikana tena hoe izay tazaninao iray manotolo katsaka daholo. Na hoe akondro na vary na ovy na box… izany ve dia tsy vitan-tsika?

    Sektera segondera ireny. Manodina ankora ho zavatra ampiasaina eto @ tanana. 
Nahoana no tsy mba afaka mamorona zavatra eletronika? na hoe motera kely na fanamboarana machine fitotoam-bary aza tsy vita eto… nefa mino marimarina aho fa betsabetsaka ihany 
ny bandy/sipa avy any  @ polytech afaka mi-trav @ zany.
 Tsy ho vitan’ny gasy ve ny manamboatra hoe respiratoire vita gasy ohatra… Na tsy hoampiasaina zao aza mety ilaina foana izany any aoriana any.
  • Science and technology: izany koa ny hoe tsy maintsy atao fototry ny revolusiona.  Nareo ve tsy mba lasa saina na hoe mitsiriritra mahita an’ireny hoe  North Korea, na hoe Iran dia firenena faran’izay hoe voasazy sy hoe tsy afaka manao na inona na inona kanefa dia mbola lasa lavitra be mihoatra an’i Madagasikara ihany?

    Mila visionera ve vao hahita hoe mila manam-pahaizana, mpikaroka mifantoka @ zavatra eto an-toerana isika? ilaina ny teknisianina. Teknisianina liana @ fanaovana zavatra mifandraika @ ilain’ny firenena. Teknisianina tena izy. Ny antsika manko teknisianina mpanenjika boritra no tena betsaka.  Marina fa ilaina ny boritra fa ny zavatra atao sy ny vokatra no mbola ambony kokoa. Ilaina ho teknisianina ny teknisianina fa tsy ilaina ho atao sefo. Ny antsika ny hoe sefo sy deba foana no mahamaika.
  • Efa voamarika ve ny lalana sy hoe sektera stratejika antsika?
    Zavatra hifanarahana fa ho andrin’ny fandrosoana ka na iza mpitondra na iza mpanongam-panjakana ho avy eo dia hitandrina izany toy anakandria-maso avokoa.
    Aiza ho aiza ny hoe fahaleovan-tena ara-enerjia?

    Zao zao no mora ny solika… Mba misy fika hanosehana ny Jirama ve?
  • Na ho marina na ho diso ny visavisa fa ny manetsabe mbola hoavy @ corona, dia tokony miomana rafanja. 
sao dia tokony ampanjairina (a grande echelle) dieny izao ny fitaovana ho ilain’ny dokotera sy ny sage femme. Ho hilain’ny mpitandro filaminana.
    Ra vao ireo no tsy poinsa dia anarchie no mivoaka eo.
    Ny fanaovana test, tsy ho zakan’ny Institut pasteur irery io. Tena erreur goavana be mihintsy ny tsy fahampian’ny test. Tena mety tonga dia hirongatra be mihintsy io ra vao tsy ampy ny test. Nahoana no tsy aparitaka ny fahaiza-manao ny test? Mila fiofanana firy taona vao afaka manao an’zany? Tsy manana olona nga isika?
  • Decentralisation/Deconcentration
    tena  hitabe mihintsy ny difference rehefa hoe samy mandray an-draikitra ary omena fahefana/fahalalana hitantana ny diany ny any ampotony.
 Tsy ho zakan’ny di-doha sy baiko mihidina avy an-dapa io rehefa hiparitaka manerana ny nosy ny valan'aretina.
    Jereo fa misy firenena vitsivitsy somary miavaka @ ny nandraisany sy niantrehany an’ity corona ity. Dia mazava be fa tsy olona anakiray foana no omnipresent @ zao rehetra izao.

    Tsy ho @ corona ihany fa ny zava-drehetra ambiny, indrindra fa ny resaka sosialy sy ekonomika, izay hita fa tena ngoza lavitra.
  • Homme d’etat
    Marina alou fa nisy fivoarana ny fanarahan-dalana sy ny hoe minimum de semblance @ etat de droit eto amintsika… kanefa…
 somary mahagaga sy hoe mampa-tahotra ihany ny hoe otran’ny tsisy lalana na mba hoe loi de finance rectificative fotsiny aza navoaka fa tonga dia  “didy” daholo ny zava-drehetra.

    Tsy voatery manaraka ny tandrefana foana akory isika ary mety manana ny hoe fomba demokratika antsika isika fa zany hoe mitarika any @ diktatiora ny fikasokasohana lava loatra @ fahefana tsisy mpametra sy manara-maso.
    Tsy mba mahatalanjona anareo ve hoe na i Trump jiolamboto faran'ze zokiny iny aza ve tena tera-tsemboka mihintsy hanaovan'ny mpanao gazety azy. Aiza ho aiza @ izany isika?
    Rahoviana vao hisy minisitra ho tera-tsemboka sy ho toy ny boay kely miatrika mpanao lalana eny Tsimbazaza?
  • Fitiavan-tanindrazana
    Tsy fotoana tokony hanehoana ny tena hoe fitiavan-tanindrazana sy hoe fitiavana ny vahoaka tokoa ve izao?
 Ny role sy hoe asan’ny opposition no tiako hahatongavana eto.  
Ny ankamaroan’ny “mpi-adversaire” politika maneran-tany rehetra samy nikaon-doha ary miara-miasa @ fitondrana daholo satria hita fa tena latsaka lalina ny firenena. 
Mba aiza ho aiza isika? mbola ilay interet personnelle foana ve? asa…hevitra miady ve moa tsy hisy fa ny hoe mbola hifamingana ihany nefa efa loza mitatao be. Ny politika mivadika ady personnelle moa dia tsy lazaina intsony.
    Nareo ve tsy mba mitsiriritra mahita an’ireny hoe John McCain sy Joe Biden bandy akama be, nefa tena hoe sakay sy maso @ ideolojia ara-politika.
 Nahoana no mpinamana i Bush dadany sy i Bill Clinton kanefa ny iray no nanala ny iray teo @ fitondrana?

    Ra tsy misy stabilite politka eto tsisy zavatra vanona izany. Na IEM io na MAP na  emergence 2030… tsy rocket science izany ozy ny voanjo… Izay rehetra eo @ fitondrana tokony hahatsapa fa izy no ho mpanohitra rahampitso.
  • Nofy malagasy
    Asa ianareo raha mahatsikaritra ny hoe marketing sy hoe mythe any @ Bekitana ny @ hoe American dream.
 Izay averim-berina matetika hoe ity no tany hahafahan’ny tsirairay manan-tanteraka izay nofinofiny. Rehefa miasa mafy, milofo sy mikiry dia tsy maintsy tafita: arizato ampaosy no ho millionera. Dia lasa kolon-tsaina ary tena inoan’ny olona tokoa. Izany no mampiray hina sy hoe mampiara-mandroso ny rehetra.

    Tsy mba misy hoe Revy sy nofinofy Malagasy ve? 
Ny antsika manko dia ny hoe valala an-karona no mampalaza antsika. Izay mba tafiakatra sady tsy misitona ny hafa hiakatra fa mandetika aza. Ny hafa ihany koa tsy mba miezaka hiakatra fa ny hisitona ny tafiakatra hidina ihany koa…
    Misy teny malaza manao hoe vao mia mamiratra be ny trano raha misy labozia mamiratra mamindra afo hamiratan’ny labozia hafa. Tsy mampihena ny famiratanao ny famiratan’ny hafa. Vao mia aza mampitombo be ny famiratana miaraka.
    Asa mety hevitra tsara ihany ny manao “marketing” kely ny fampietanana ny fitiavan-tanindrazana. Izay manomboka @ fitiavana ny mpiara-belona. Miara-mientana, miaraka manova toe-tsaina, miaraka mandroso, miaraka samy tsy hanaiky ho resin’ny fahantrana, ho resin’ny corona.
    Ny mitabe tsy lanin'ny mamba hono. Tsy efa fotoana tokony hamerenana ny fihavanana tokoa ve izao. Ary raha refesinao @ fahafahanao manampy ny hafa ho tafita, ny hoe mahatafita anao? Raha tafita irery ianao dia tsy tafita izany. Raha mihoatra ny iray no miaraka tafita, noho ianao dia izay ianao vao tena tafita.

Atsipy ny teny, ampon’ny mahalala.
Mino marimarina aho fa tonga ny kihon-dalana izay hiarinan’ny firenena.
Hatr@ izay manko isika, isaky ny misy rotaka/krisy foana no hitrangan’ny mesia, na hoe faux-mesia manome faux-espoirs. Izay somary havanana @ fanonganam-panjakana fa resin-tory sy naka goka @ fitondrana makany any @ tombon-tsoa manokana avy eo. Dia miverina mivarilavo isaky ny 10 taona migrevy sy manongam-panjakana eto foana isika.
Amin'ity indray mitoraka ity kosa izany dia ny fiainana (sa hoe ny oniversa? na A/tra?) mihintsy no hitondra ny mesia. Na koa hoe mety hampa-lasa ho mesia antsika rehetra.
Eny, arahim-bavaka. Arahin’asa sy hoe fandavan-tena ary fahatokisana ihany koa.

*Soava tsaraha*

❤️ 🇲🇬 ❤️ 🇲🇬


Who run the world??

Refa ilay andro somary manokana na hoe manan-tantara otran'izao  dia miandrandra zavatra special foana ah. Eny, @ taona 2024 indray vao hisy 29 Febroary manaraka. Marina aloha fa minomino foana ah e. Na dia hoe tsy marina foana arany. T@ ilay hoe palindrome 2020 iny zao nijerijery "signe" avy any an-danitra @ oniversa kanefa otran'ny tsisy inoninona akory. Nieritreritra hoe otran'ny zoma faha-13 izy ity ka izay mino azy ihany no iharany... bref

Tsy izany mihintsy anefa no tiako resaha androany 😂🤣😎
Fa kosa dia ny hoe lesona teny anglisy. Izany hoe ireo teny tsara ho fantatra, fanazavana bebe kokoa, momba ny atao hoe "feminism" -- na hoe tolona ho an'ny fitovianjo hoan'ny vehivavy:

Jereo eto.

Amporisihako manokana, ho an'izay liana sy hoe te hiezaka. Za manokana, betsabetsaka ihany ny zavatra zay vao azoko tao. Singanina manokana, ny 

Manspreading: When men take up excess space by sitting with their legs far apart. This is such an actual thing that in 2014 New York's Metropolitan Transportation Authority launched a campaign to get guys to close their legs to make more room on the subway.

Tonga dia mea culpa be satria za anisan'ny bandy mibahana be ireny foana refa maka toerana. Mety mampihemotra ny vehivavy na hoe tsy mampa comfortable anazy izany.

Asa ra misy dikan-teny mitovy azo atao @ ireo @ teny malagasy.
Rahoviana moa ilay hoe iray volan'ny teny malagasy iny?

Zay ee,
joincidence be androany... fa nivaly ny finoanom-poana hoe hitako io article io androany. Sady te hanoratra sy hoe hanamarika ny 29 Febroary ah no koa hoe... @ 08 Marsa ny andron'ny vehivavy, izany hoe atomboka androany ny fankalazana 😌

Valiny: girls!!

😉
simply, simpla, simplo

 


c'est la 🥰🤬😂😎

Mba hiverenana @ revy fahiny izany, hoe manao lahatsoratra mihoatra ny 4/taona 😂 dia raiketiko indray ny fika fataoko taloha hoe 15min de blaogy challenge ee... zany hoe manoratsoratra eo dia ajanona refa tonga ny 15min. Izay vita @ zay no publier-na, na vita edit na tsia.

zao ary,
nareo ve tsy mahita hoe  otran'ny efa akaiky ny farany? 😁 genre, apokalipsy... na koa fantatra @ anarana hoe Maihol, for president! 😌😂
jereo ilay hain-tany gidraka be tany Aostralia teo iny... dia zao indray zara ra mangatsiaka sy hoe tsy ampy lanezy ny hemisfera avaratra. Eny e, ra zay fotsiny dia aloha dia mety hoe resaka climat sy hoe global warming fotsiny ngambany... fa zao ndray lasa misy an'itony corona virus itony

<ao anaty farango parantezy kely>
tsy mihomehy loza ah an na hoe manaraorao-paty fa... tsy mba azo asaina manao an'ireny maska tava ireny nga ny zone franche any amintsika. Otran'ny vetivety kely izy dia majifa an. Mety bizina mirongatra rapida be. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!!
</akatona ny farango parantezy>


tsy hay izay hiafarany fa otran'ny gidraka be ity corona virus ity...
dia zao koa maty koa i kobe bryant
dia tsy hay tsony ee... akaiky ny farany? c'est la fin!! c'est la mort!! c'est la vie!!
mbola tsisy zavatra milay nitranga izay t@ ity taona ity.
sa ve hoe le mbola misy olona tsy nahavita presentation de voeux no mahatonga an'zao?
satria misy firarian-tsoa mbola eny an-dalana, tsisy reseau 😂😂

otran'ny tena ratsy fiandohana ity rara ity.
asa ra misy ho azo antenaina
soa ihany fa nahazo minisitra vaovao isika
dia efa mirary soa avy hatrany ho an'ny firenena hoe
A/tra o, ataovy mahazo Miami na cote d'azure zahay @ ity taona ity
merci d'avance!!

bisou

 


mais ou est donc ornicar?

Somary tezitra be @ olona iray zay ah zany androany... tsy ho ny antony no ho tantaraiko fa ny hoe teo afovoan'izany rehetra izany no nahatsapako hoe ary lasa kalma be ah zany. Satria raha ny tany @ folo taona lasa tany mety misy lapa mianjera mihintsy rehefa mihetsika ny trombako...

Enfin bref, lasa ny saiko hoe mba inona koa ary ny niova. Mba hanoratsoratra kely fa efa ela izay. Eto ampiandrasana ny ora sy segondra hanamperana an'ity folon-taona ka hidirana ny folon-taona manaraka indray dia indro ary ny diam-penina ho tsaroina rahatrizay ary indrindra hoe hanaovam-beloma sy hanalana ny fo.

T@ ity folon-taona lasa 2010-2020 ity angambany ah no tena lasa nihalehibe hoazy tao. Na dia hoe tsy zaza aza taloha dia noteren'ny fiainana hiova fijery, hiova famindra ary hanaiky ny tsy maintsy. Tao ny nafinaritra: miovaova asa, miovaova toerana, mifandray indray @ namana sy havana ela tsy noresahana sy/na vaovao; joie de vivre. Tao ihany koa ny nampalahelo: nandaozana toerana, nandaozana namana ary ny namoizana havana tiana... sompatry ny tany ary lalan'ny fiainana. Tao ny hoe ekena mba tsy hifandirana toy raharaham-pirenena eto an-tanindrazana, Trump sy ankavanana extreme ary ny krizy sy korotana manerana ny tany, ny tontolo iainana. Lasa be resaka ara-bava indray  ah noho ny hoe nanoratra. Nihena be mintsy na ny fanaovana blaogy aza kanefa lasa afaka miblabla a l'improviste sy mbola misy miheno ihany. Asa fivoarana koa angamba izany. 

T@ ity taona 2019 manokana dia tena nampalahelo tokoa ny fandaozan'ny mpihira Fafah & Dadah ary Michou... tsy hitovy intsony ny mahaleo... Dia izay sisa ee. Tena nahafinaritra tokoa anefa niara nanohana ny Barea. Manao hi-five sy dabbing miaraka anireto zana-drahalahy sy anabavy majinika. Ary indrindraindrindra ny ady fanairana ho an'ny tontolo iainantsika sy ny zon'ny refugies. Mafinaritra ee.

Dia asa efa antitra tsy mahatadidy firy intsony nga fa tiako faranana @ zavatra mahaliana sy nampiomehy ity taona ity. Mba nisisika ery izany ande hijery le roi lion, hoe t@ zay mbola kely izany no tena malaza. Hoe hamerina ny fahiny sa inona... kay tena nitovy be t@ version dessin anime le izy, sady ankizy kely doly ny iray salle 😂😂

voili voilu
asa re raha mba ho ahoana indray ny folon-taona manaraka.
Lanja miakatra ka tsy maintsy hoe ho gidraka kokoa fa izany hoe irariana, antenaina ary hivavahana mba ho feno fitsikiana sy fifaliana ihany koa.

Mirary soa,
C'est la vie!

-simp


C'est sosotra + fo

Vao hitako vao teo tao @ fb ity... tsy haiko alou na fake news na ahoana fa mivoaka ao @ lexpress alou dia aleo resahana fa tena URGENT sy VENDRANA ary MAHAMENATRA be loatra:

Tsy mahazo mivoaka ny firenena hono ny vehivavy ra tsy miaraka @ lehilahy

 

Aiza ho aiza ao @ IEM ary no misy an'io... sa @ fomba ahoana @ io ny fahatongavana @ emergence? sao dia mba fefy diso toerana ary indrindraindrindra hoe c'est du n'importe koi!!

Dia tsy mba naheno debat na otran'zany na hoe fampilazana na fandaniana lalana mikasika an'ity  fa toa otran'tena tampoka sy surprise be kanefa tena ouiiiiiiiiiin be... ka hoy ah hoe aleo velesina ny tako-bilany fa otran'ny kozy voretra be ity fika ity an!!
Sahia mijoro, miady @ tsy rariny ary indrindraindrindra ny mitaky ny fitovian-jo ho an'ny vehivavy!!

Mila fanazavana io ary mila ahitsy sy fohanana avy hatrany!!
Mampandroso ny firenena ve io? inona ny zavatra mihatsara vokatr'io?

Atsipy ny vilia, vaky!


Global Climate Strike

Zay ndray ah vao tafaverina eto... betsaka ny tsy voalaza sy mbola ho lazaina fa zao alou

Fitokonana, fihaonambe, fiaraha-manotrona ny @ tontolo iainana
Amin'ity planetantsika ity
@ Zoma Sep 20, 2019

Eto amin'ny tanana:
https://act.350.org/event/globalclimatestrike/17483?

Manerana ny tany:
https://globalclimatestrike.net/

Aza variana na midonaka fa teto daholo ny olona no naka!!

simpli simplo


Ewa basy!!

Tara be an'ity ah omaly tontolo ny andro

Ny feonao no itiavako labiera
Sa ny labiera no tiakoa dia mody feonao!

Androany vao nifoha ndray, nahita an'ity

tonga dia ouii je le veux be
misy Andriamanitra!!

Tahirizina sao mahasoa... indrindra @ andro somary manjombona sy mahakamo, ilana tsikitsiky ireny

voili voilu


c'est le destin arithmetique

naika tsy hiresaka 12 + 13 = 25 ihany kanefa otran'ny tsy mety fa tout chemin mene au rhum ony...  ka aleo mba asiana rediredy kely... ny hevitro manokana @ hoe naninona no tsy tsisy natokona i hery rajao... ny antony tsotra dia hoe: tsy nahay nampiasa chiffre lery ee.

jereo hoe iza no isa tsy mety @ ireto: 3 volana lasa enim-bolana no lasa 3 taona no lasa 2030...
=> tsy tokony nasiana enim-bolana... sady tokony natao 30 taona

jereo koa fa ny chiffre d'affaire nande be mintsy tao tsimbazaza nandritra ny mandat... dia lasa nalaza ratsy hoe mpanao malette... kanefa ra zao zao nampiasa chiffre lasa hoe propangady tena izy!

eo koa mazava ho azy ny hoe 12 = 25 - 13. Efa voasoratra fa ze sisan'i kotofetsy sy mahaka no ho anjara sisa ho ani petit chaperon bleu

ny tena fahotana nahafaty dia  tsy nanao hevitrakoho @ isa 12... kanefa bedabe ny azo resahana: ohatra hoe 12 ny isan'ny apostoly, @ 12 ora ny mitatao vovonana, 12 ny isan'ny volana... sao dia tokony jerena ny ao @ baiboly boky faha 12 toko 12 andiny faha 12 ka hatr@ faha 12

dia izay ee... izy ve no tena badraodra comptable tsy nahay nanisa sa mikoty moa ny filazana an'zany (avy @ verbe compter)?? sa hoe izy no tena fetsy nifainty nanao fifidianana kanefa te hiala tsisy maratra fotsiny? satria efa feno ny kibo... asa, mety hoe fahendrena koa izany, indrindra hoe izy mba nahalala nanaraka an'le didy hoe tsy maintsy mametra-pialana alohan'ny fifidianana ny filoha am-perinasa... mety ho betsaka ny hiarahaba azy ra hoe tsy be zizo sy manao be konetaka eo izy... asa izany

zany eo ihany fa ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe inona ary ny tsy nahalany an'i Maihol e??

satria ve 34 = 12 + 22 = 13 + 21 = 25 + 9  = 13 + 12 + 9 = 11 + 23  = 24 + 10 = 26 + 8 = 7 + 7 = 28 + 6 = ...

tsy zakan'ny saiko ee... mba omeo toko sy andininy momba ny 34 hoe?
@ 2023 indray ee, ra sitrapon'ny faminaniana CryCry

c'est la mort!! Cool


c'est... resultament electionable

Lasa saina kely ah nahita an'le emission speciale an'i kala Oni tao @ TV plus t@ Alahady iny... euh non, tsy hoe manohana an'i rajao ah akory fa, tsy matiko lolo mintsy ee,,interessant be hoazy le izy ra vao le olona iny no miresaka,, hotness monster hahaha

Enfin bref, anisan'ny noresahany tao zany ny hoe, ny any andafy vetivety ny vokam-pifidianana dia tonga, fa aty amintsika mbola tsy tonga @ zany ny teknolojia... tao koa ny hoe sondage manahirana noho ny niveau an'ny education an'ny vahoaka sy ny hoe samihafa be mintsiny ny Andrenivohitra sy Ambanivohitra...

Dia lasa saina ah hoe fa nahoana tokoa ary... tsisy zavatra azo atao ve? misy ka,, ohatra:

Hevitra akoho 1: crowd-source ny vokam-pifidianana
manao app kely anakiray ahafahan'ny olona mi-report ny valim-pifidianana any @ biraom-pokotaniny... zavatra azo atao izao ny hoe manao USSD menu otran'ny mamahana kaonty ireny no ampisaina. Ohatra hoe taper *666# ra te hitatitra valim-pifidianana ^^ Sady tsy mila internet no mety @ finday foza. Refa misy reseau dia efa poinsa no sady hoe efa hain'ny olona ny manao azy... iny zany no anaovana collection an'le isam-bato, dia asiana site anakiray manambatra sy hoe mampiseho vokam-pifidianana... azo compliquer-na sy hoe hatsaraina araka ny fotoana sy budget ananana.
Ny tena tanjona eto dia hoe ze olona rehetra manatrika an'le fanisam-bato dia afaka mi-report doly ary azo anaovana statistika kely hoe ze mbe mpitatitra indrindra no rasina na hoe moyene... ahitana ny tendance izany na hoe ny valiny tena izy mintsy ary ee...  Mety hisy hi-abuser sy hoe automatiser na otr'zany fa misy fika techniquement sy hoe stratejia azo ketrehina hi-minimiser-na anzany

Hevitra akoho 2: app officielle ho fanangonana vokam-pifidianana
Tohiny sy hoe complement mifameno @ le hevitra 1 teo ihany ity. Tena manao app anaki-1 ahafahan'ny deleguE an'ny kandidat sy ny hoe biraom-pifidianana mi-login, mampiditra vokam-pifidianan sy/na mampiditra sary an'ny Proces verbaux... ity indray serieux kokoa ny securitE sy hoe mila internet...  mety hoe azo asiana android na otrn'zany ihany, afaka miandry tafiditra zone connectE vao mande wazy ny donnEes... mazava hoazy miaraka @ site fanaovana admin sy hoe hi-aggreger-na anazy rehetra ary ahafahana mahita ny valiny isam-pokotany azony vahoaka rehetra jerena sy hoe mora tadiavina.
Azo compliquer-na miankina @ budget sy hoe utilitEs an'le izy... Bref, ny tanjona dia hoe hanamorana sy hanafainganana ny fahatongavan'ny valim-pifidianana. Manome dispositif, alternatif ahafahana manamarina azy... ary indrindra indrindra afaka mijery ny valiny any @ toerana misy azy ny vahoaka rehetra...

Mazava hoazy misy vary misy latsaka ilay resaka fa mba hoe balise sy hoe step makany @ fisian'ny mangarahara ary koa mampiseho marina ny tena "safidim-bahoaka"... ary azo auditer-na :)

Tsy mba misy dolara kely ahafahana manao an'zany ve ao @ CENI ao? sa tokony mangataka?

Atsipy ny vilia, vaky!


65 generaux!!

Tsara fa tohizo!!

Tsy hihomehy loza ah fa ra zao no mitohy @ 2030 ngambany ny generaux no betsaka noho ny isan'ny mpampianatra eny @ oniversitE... sa izay ve le plan emergence?

C'est la vie!!


C'est le white people problem

Tsy hihomehy loza a

 

Not your typical graduation picture 🤷🏽‍♀️

Ein Beitrag geteilt von Makenzie Noland (@kenziealexis) am

nalaza tato ho ato...

C'est la mort!!


C'est toi, l'homme

Asa raha efa hitanareo ity. Ted talk nataon'i Justin Baldoni, momba ny hoe kely endaka ny lelah be endaka... d'actualitE, tsara tadidiniana, isan'andro isan'andro fa tsy @ 08 Martsa ihany. Tiako, zaraiko,

Azo jerena ao @ ted, ra mila dikan-teny soutitre eny ambany. Misy resaka maromaro mifandraika @ ilay lohahevitra koa.

voilu


C'est toi, l'homme

Asa raha efa hitanareo ity. Ted talk nataon'i Justin Baldoni, momba ny hoe kely endaka ny lelah be endaka... d'actualitE, tsara tadidiana, isan'andro isan'andro fa tsy @ 08 Martsa ihany. Tiako, zaraiko,

Azo jerena ao @ ted, ra mila dikan-teny soutitre eny ambany. Misy resaka maromaro mifandraika @ ilay lohahevitra koa.

voilu


teboka telo

tsiahy, an'i Dolores O'Riordan...

lanitra mangamanga... dia izay sisa ee

mandria ampiadanana!


Vacances de peste!

Io zany ny teny tena nampa-waaaaaaaaaaaaaaaa be anah t@ ity taona ity ee. vacances de peste. 2017. voila.

Eto ampamisavisana ny zavatra be dia be tiako ho nosoratana t@ ity taona ity fa tsy vita ah. Tsisy ekskizy io fa ekena tsotra fotsiny hoe c'est la vie!!

Dia nahatsiaro hoe ity ny nampitsiky anah indrindra

Aleo zaraina fa tena cover hafa kely mihintsy an'ity hira misy devoly ity hahaha

Miray soa antsika rehetra. Mety ho hafanafana ny raharaha politika eto @ firenena fa irariana mba ho soa sy fahasoavana ho an'ny rehetra izay mitranga. Indrindra mba tsy hisy epidemia na aretina hafa indray.

Samy ho tratry ny goavy ee!


la mort, c'est la vie!!

Aleo ho atao @ manaraka ny tena resaka reincarnation na fanahy na fiainana mandrakizay... fa ny masaka androany aloha dia...

Raha jerena akaiky dia misy karazany roa ny lalana. Eo ny lalana nataon'ny olombelona. Eo koa ny lalana tsy nataon'iza na iza fa tonga dia misy ho azy. Mety misy ihany koa ny lalana nataon'i A/tra fa tsy idirana fa aleo ho zokin'ny ny any aoriana ihany koa. Tsy haiko na misy dikany @ teny malagasy hafa manasaraka ireo lalana roa ireo. Tsy lalana arabe akory ny tiako tenenina fa ilay lalana dikany hafa. Hoe "loi" izany @ teny baiko.

Ny lalana nataon'ny olombelona izany dia mirindra hoe lalampanorenana > lalana iraisam-pirenena > lalana organika > lalana tsotra... lava be ra hanao resaka droit eto fa ny tiako hahatongana dia ny hoe nataon'olombelona/vahoaka/solotenan'ny vahoaka io. Natao ho arahin'ny rehetra, kanefa kosa tsy voatery hanaraka an'io ny tsirairay ary manana zo handika lalana. Mazava hoazy fa misy vokany araka ny voalaza ao @ ilay lalana ihany ny tsy fanarahana azy.

Ny lalana tonga dia marina kosa dia ireo azo vagoina tokana hoe lalan'ny siansa. Ohatra hoe ny lalan'ny fihetsehana nazavain'i Newton ohatra. Raha atsipy ny vilia, dia mianjera, mety ho vaky. Tsy manan-tsafidy eto ny olona fa na manaiky na tsy manaiky tsy maintsy ho izay no hitranga. Tsy resaka fizika/simia ihany akory io fa rehefa "siansa" dia mety. Ohatra hoe refa tapahana @ antsy ny tenda dia ho faty izy izay. Tsy misy debat hoe tan-dalana ee, etat de droit ee, fa tsy maintsy izay no izy.

Inty ary misy teoria, izay somary mikasika ireo lalana roa voalaza teo... ary azo lazaina hoe "statitiska-ment" efa marina. Zany hoe siansa latsaka fahefany.

Ny fanovana lalam-panorenana, eto Madagasikara, dia mitondra @ fialana eo @ fitondrana.

Tadidiko t@ za mbola kely nahita an'i bebeanay nitomany. Nisy fahoriana io a. Dia gaga be ah hoe hay ve mitomany koa ny olon-dehibe... nanotany hoe fa manin... dia ozy hoe izany no fiainana, tsy maintsy ho faty daholo. Mety ilay lalana faharoa angamba io... ny fahafatesana koa anefa mitondra fiovana sy hoe manome lalana (arabe) hoan'ny tanora solofo dimbin'ny ala, hanatsara sy hoe hanasoa... izany ihany koa ny fiainana.

Ny tiako hahatongavana dia ny hoe... ho anireo izay mikasa ny hanova lalam-panorenana: fantatrareo ve io lalana, tsy maintsy ekena voalaza io?  Bedabe ny antony hanovana na tsy hanovana ny lalam-panorenana tsy hiditra lalina ah fa na eny na tsia ny valiny, dia matoky aho fa handroso ihany ny tanindrazana satria na ianareo no tanora solofo dimbin'ny ala na ianareo ho soloin'ny tanora solofo dimbin'ny ala.

Atsipy ny tady, ampon'ny mahalala.


c'est le ironman!!

T@ zay mbola teny ambony dablio fahiny izany dia nisy an'izay razoky mpiara mianatra izay... dia isa-maraina izy mandefa an'ireny "citations" hoe tenin'olona malaza manome motivations... nafinatra le izy t@ voalohany fa refa nataon'lery isan'andro, dia farany tsy maintsy no-filter-ko atao spam @ izay... enfin, bref, anisan'ny teny nahafinaritra ahy nozarainy ny hoe: "the meaning of life is to give life meaning"

Fantatrao ve ny ironman?

Tony Stark mazava wazy fa misy ihany koa ny triathlon ironman: lomano eo @ 4km eo, dia mandeha beka eo @ 180km ary hazakazaka 42km,  atao "tsy ankijanona"...

Vao mamaky an'le izy fotsiny ah dia efa kivy... kanefa misy namana iray nikotrana, nandray anjara ary mbola velona aina soa amantsara.

Dia lasa saina hoe vitan'lery ve dia tsy ho vitako? tadidiko ihany koa anefa fa isaky izay manao sport goavana ah hoe mianika tendrombohitra avo be, na mandeha miazakazaka marathon dia eny ampovoany ah mieritreritra foana hoe fa inona ary ny antony anaovako an'ity hadalana miaro tsinjaka ity?

Mazava hoazy fa ilay tsy ampy entrainement sy hoe manana an'ilay "esprit sportif" no tena olana. Kanefa refa tena dinihako dia misy rariny ihany ny hakamoako. Ilay namana nanao an'io ironman io zao dia izany no tena hoe tsy manao afa-tsy ny mikotrana izy... isaky izay hoe misy plan milailay na hoe mamosavy na otran'zany dia miala tsiny foana hoe tena tsy mety @ le rezima le izy na hoe mbola tsy maintsy hifoha vao maraina hikotrana radem...

Norma ihany alou le izy hoe mba tanjona tiana tratrarina dia tsy maintsy miafy ary hoe manao izay tokony atao. Ny mahasoa vao ny mafinaritra, sa ahoana ozy? mety hoe miaraka koa izy roa ireo sady mahasoa no mahafinaritra... saingy hoe: izany tokoa ve? satria anisan'ny tena mahakrizy anah manao sport ngoza dia ilay tsisy fotoana hoe tena mafinaritra izany fa mianika tendrombohitra enao dia mijanona adiny 1 fara faha betsany dia tsy maintsy midina satria iny koa mbola adiny 5 farafahakeliny... izany hoe mamono tena enao mba hahatratrarana ny tanjona, dia refa tratra ny tanjona dia aveo ahoana? le namana io izao dia hanao repos 1 volana hono dia avy eo raikitra indray... marina fa mahasoa ny hoe fanatanjahatena indrindra hoe ra tsy mpiasa tany sy mpanetsa toy ny tantsaha... kanefa hatraiza no refin'ny tena mahasoa? satria ho faty ihany anie ee :)

Dia tsy haiko hoe izany ve ilay fiainana? miafy mandrakizay mba ho an'ny fifaliana 1 minitra?? asa re fa dia mampa-filozofy be... hoe  tsy mitovy @ film le izy, satria ils vecurent heureux pendant une semaine en totalitE, et galerent le restant de leur vies hahaha... meaning of life ony, eny wa eee


c'est le izay sisa ee

noheveriko foana hoe mba metimety ihany ny fiainako na dia tsy tonga lafatra aza... mandra-pivahinianako tao antranon'olona, misy vavahady roa mielanelana 1km ngambany ary mandeha helicoptera mande miasa.

noheveriko foana hoe sompatry ny tany ary niangaran'ny vitana i Afrika fa dia ady, famonoana olona, fametavetana ary fahantrana miompapana... mandra-pahitako firenena hafa izay manan-karena kanefa manana olona tena atao hoe faran'izay mahantra marobe an'arivony izay tsy manana na hoe rovitra "sachet" hatao trano boritra akory aza.

noheveriko foana hoe mba tsara kosa ary soa ihany fa misy an'itony hoe vondrona iraisam-pirenena mba mitsinjo ny mahantra ary miasa @ tany an'ady, andalam-pandrosoana hanampy tosika ny tsisy mpahita sy mpahare... mandra-pahitako fa lany @ biraokrasia fotsiny ny vola, ary tena manao fiainana eo ambon'ny fahantrana/fahorian'ny hafa mihitsy izy ireo.

noheveriko foana hoe dia tena mampalaeolo tokoa ireto "refugees" fa dia tena hoe tsisy toerana hoazy @ izao tontolo izao... mandra-pahitan'ny voamasoko fa lasa bizina ilay izy: manidina @ easy-jet mety hoe telonjato kanefa mande botra mety roaarivo na teloarivo any... voahitsakitsaka tanteraka ireo tena hoe fadiran'ovana sy hoe tena "refugees".

teo afovoan'izay rehetra izany anefa...  toerana mampiseho ny hoe ady an-trano @ ilany, tsy azo aleha. Kartie an'ny "UN" sy ny karazany eo ilany, izay ahitana divay tsy hitanao na @ tany mandroso aza, tsy azo aleha koa hoan'olontsotra... ary @ ilany ireo "refugees": ao ny very zanaka, ao ny tsisy ray aman-dreny, ao ny tsy manana na in na in tsony, ao ny voavetavetan'ny miaramila rebelles sy/na governemanta... @ilany ireo mponina eo an-toerana tsy mirara ary mankahala farak'izay zokiny ny mpivahiny rehetra tsy fotsy hoditra... eo afovoan'izany rehetra izany misy sipakely mihira an'ilay hiran'i beyonce hoe "listen", tsara feo sy mampitolagaga be ary nahatonga niheritreritra hoe na dia mangidy faraky ny inona ary, masoandro kely fotsiny dia efa mampitondra tsiky.

tsiky dia ampy! sa ahoana moa? izay sisa ee


C'est la mort!

ouainnnnn be androany... Noho ny antony vary misy loaka izany dia antsasaky ny train ihany no tonga/hande... kanefa bedabe ny mpanao vakansy. Dia evidawazy fa feno be otran'ny any Inde ireny le izy...

Indro ary misy sipabeu somary sahirana mitady toerana. Manao azafady @ ireto tanora mpanao backpacking izay nivalapatra eraky ny tanana... dia mba hoe galant zany ah dia hoe tsy manin ra eto @ sezako enao mipetraka. Miezaka manazava  sady mijery ny kibony... valiny: za nga bevohoka?

efa mpahazo anah taloha ity fahadisoana ara-teknika: hoe bevoka ary ve sa matavy fotsiny... neveriko fa efa sitrana kinanjo...

c'est la vie!!


c'est le aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa

Somary tara kely ah vao nakobo an'ity tao @ fb... na zany aza tiako ankalazaina satria... ity angamba ny zavatra faran'izay mafinaritra indrindra @ ity taona 2017 ity:

Tonga dia lasa patriotika tampoka be tato ah!!

... ny lesoka kely ozy ilay vary misy loaka dia... otran'ny tsisy mpivarotra akanjo "maillot" hoan'ny mpankafy/mpanaraka an? Sa tsy maintsy makeny behoririka vao hahita? sao dia mba bizina tokony atao ity kle?

Ary indrindra ihany koa hoe tokony hankalazaina sy hoe hamporisihana ny bandy kely mba hanohy an'izao dingana mafinaritra be izao... Tsara fa tohizo!!

Mirary ny soa sy tsara ary ho tonga @ ambony indrindra!

voilu voili voilo

 


C'est le "brilliant"

Nisy an'ity pub ana tele iray avy any Dänemark ity, maha-lasa fisainana

 

*one love*


C'est le tantara de la vie!!

Omaly hariva ah zany nijery komedia nataon'i Louis CK tao @ netflix... dia ozy hoe nandresy be ny kristianina ozy satria, io taona 2017 io zao dia ny kristianina no namorona azy ary na aiza na aiza dia mampiasa azy doly eny fa na ny sinoa izay manana ny taonany manokana aza.

Mampiomehy ny nanaovany azy fa ny tena nahalasa ny saiko hoe hatraiza marina moa ny tena vokatry ny rediredin'ny olona iray na roa/maroamaro ka lasa miparitaka @ tantara sy hoe zary ho iainan'ny taranaka fara-mandimby? ho avadiko @ teny hafa kokoa ilay fanotaniana hoe: hatraiza no azo lazaina fa fomban-drazana na hoe fomba Malagasy, na hoe hafatry ny razambe lolohavina antampon'ny loha? Marihina koa fa tsy gasy ihany io fa otran'ny maromaro ihany firenena somary manaja @ "tsinapa" ny RAD sy hoe "razambe"... Nahoana ary no ny tsy ny hafatry ny tany alohan'i Jesoa no arahana? na ny hafatry ny vazimba? sa ny hafatr'i lucy mintsy ee ^^

Eny e, azo lazaina hoe miova tsikelikely ny fisainana sy hoe fomba. Ohatra hoe talohan'i Ralambo izao tsika tsy nihinana omby (sa lambo?)... izay nanana an'io hevitra talohan'izay zao dia mety hoe "ouiiiiinnn" be. Any ambanivohitra-anay ary azo lazaina hoe mpandova sy mpiray ra aminay dia misy olona (ary tanana) fadi-kisoa, kanefa tsy adva zany an... ny tiako hahatongava dia ny hoe rehefa inona no azo lazaina fa mety ny fanovana ny tantara, sy tsy firaharahiana ny voalazan'ny razana... ary tsy ho raisina hoe: fanaovana tsinotsinona ny any am-pasana?

Sa ve dia hoe hotsorina izy ity ka omena an'ilay hoe: izay tiako ihany io ee!!

Dia aoka ny tantara no hitsara... raha tanti ka tsara fiafara :-)

kanefa ra nanaraka ny fomban-drazana izao... otran'zao mbola nisalaka kle ^^

C'est le "za hirara"!!!


c'est la galaxy!!

 

Tany @ folo taona maherihery tany... nahita telescope optika ngozangoza. Tao anatin'ny 1 segondra monja rehefa nijery dia nipotsaka tanteraka ny voamasoko. Izany hoe ni-zoom ngozabe ny lanitra le izy ary dia tena feno planeta sy kitana bedabe...  teo no nahatsapako fa tsisy dikany ary tena faran'izay rikiki indrindra ny fisiantsika, otran'ny hoe sila-pasika anaki-1 eny plazy ny tany...

Efa ela ihany ah no tia an'ireny resaka planeta ireny. Ary tena nanatrika cours-na kosmolojia kely mintsy aza moa. Ao anaty baiboly koa misy resaka hoe Abrahama nokozin' i A/tra hoe ataoko otran'ny isan'ny kitana eny an-danitra na koa isan'ny fasika eny amoron-dranomasina ny taranakao. Efa nisy izany ilay analojia fa tena teo ampijerena an'ilay izy aho vao tena tonga saina tanteraka hoe tsy misy zavatra ho ataoko na ho ataon'olona iray ka hampiova an'izao tontolo izao.

Taty aoriana ihany koa anefa izay hevitra izay ihany no nahalasa eritreritra hoe ra samy tsy misy dikany ihany ary, nahoana no mitaraina ny tany? raha fantatry ny be sy ny maro ve fa bitika faran'izay bitika izy dia tsy hieritreritra ny hifanohina sy hifankatia? sa izay ihany koa ny hoe: mihangatra lahy ny tany?

C'est la universe!!


c'est la vie!!

Misy resto italianina iray izay zany. Somary @ toerana  chelou chelou otran'ny hoe eny anosy eo akaikin'ny tsena zany. Tena tsy ampoizina hoe ho azo iafiana. Vitsivitsy olona ary Menu standard, tsy lafo. Fa ny tena nahagaga dia mandefa mozika somary retro retro tsy haiko na eros ramazotti zany na inona fa dia tena ambiance hafakely mampa a l'aise be.

Tao aorinan'ny mozika fanin-droany niova nefa mbola meme genre ihany, dia vaky vava ah hoe: kay le, ary reveko be kosa ilay feeling an'le mozika ato an. Dia misy couple antitra be etsy amin'ny ilany. Namaly ilay ranga hoe: ie tena mahafinaritra mihintsy. Efa 20 mahery zay no mankato noho ilay rythme mozika. Ra t@ taona sivy folo tany ianao no mankato dia mbola otr'izao ihany ny hira mande ato.

Fahendren'ny antitra ve ny tsy fitadiavana zava-baovao? izay no mahasalama azy?

 


Izy

aoka ny tantara no hitsara...

fa amiko dia mendrika kokoa noho i mandela izy... eny fa dia azo lazaina aza fa tsy tena mitovy ny tolona...

Ho tsaroina, ho tadidiana ary ho tsiahiana... amin'ny anaran'ny tolona.

¡viva!


Mitady sipa virjiny

Ity izany ilay tonga @ fitenenana hoe antitra vao be ny tanora ee. Efa fotoana vitsivitsy lavalava izay no nanapa-kevitra aho hoe efa ho matotra amizay fa aoka izay ny rediredy fahizay, fahizay fahizay, tena fahizay... kanefa dia tsy manaiky ny oniversa fa tsy maintsy mandefa virja aty amiko foana

Nisy sipa iray vaovao indray any @ bekitana nanao lavanty ny "fahadiovany". Tsy hiditra @ maha mety sy tsy maha-mety an'zany intsony ah fa efa betsaka ny rediredy voalaza .

Ny tena tiako horesahina dia ny hoe: kay le, ary tena lasa bizna normale ity kozy ity kle. Azo eritreretina ve hoe afaka 5-10 taona any dia ho lasa tolo-barotra na hoe service izy ity? raha atao jery todika tokoa moa ny hoe talohan'ny 19xx mbola tsy nisy ny hoe porn. Ary na dia nisy aza ny hoe kox, azo lazaina hoe "tabou" izany hoe mivarotra entana izany indrindra moa fa ny hoe manao film... kanefa @ izao, dia lasa norma be le izy. Dia mba ahoana ary ny hoe cadre legal azo hi-operer @ ity fivarotana virja ity? sao dia mba izany no tokony hilofosan'ny fanjakana

Tsy mahita statistika offisialy ah fa otran'ny betsabetsaka virja ihany any ambanivohitra any an. Sao dia ho lasa otran'ny fitrandrahana volamena sy harena akibon'ny tany eto koa ity ra tsisy regulations? 

Iaraha mahalala ny filana tondro-dalana stratejika hoan'ny tanjona ekonomika eto amitsika. Mila havaozina ny lisitra hoan'ny varotra iraisam-pirenena. Raha resaka hoe avantazy comparatif no jerena dia ireto no tokony ho anisan'ny hilofosan'ny famokarana/fitrandrahana eto amitsika:

  1. ody gasy
  2. mpamosavy
  3. virja

azo afangaro atao combo ireo, ohatra hoe: ody fitia + virja (sady miakatra ny vidiny no ho afa-po ny mpanjifa)...

@filoha hery rajao: atsipy ny vilia vaky!


Tsiky du jour

Vao nifoha ah dia nahita an'ity

 

 

 

asa ra mba misy afaka manao ny organigrame mifandraika... @ rafitra misy eto @ tanana

in re ny azo iantsoana ny filoham-pirenena -sarcatiskament- eee ?

sali sali

 

 

 


Syphilis

Laza adina I:

Fakafakao ny tian'ny Ntaolo ho ambara amin'ity ohabolana ity:

"ela notoratorahana ka nahavoa mason'angatra"


waaaaaaaaaaaaaaaa

Hitako tato vao teo... glita paolino bernabe M20

Zany hoe andramena anakiroa zany vao mahazo mananasy kle hehe

oops, Erratum: maika loatra ah niteny
Hay ny royal kay vaints kle...  aza omena tsiny ra mibizna ny kil,, izay tsy nitia vola taminareo no aoka hitoraka azy ireo!!

bla bla bli bli blo blo


je suis manana as de pika ve elah?

Tadidiko tsara t@ le resaka je suis, tu es, vous etes t@ herin-taona tonga dia raikitra ny gidragidra an'ny gasin'andafy vs gasy daorizina... hoe nahoana no refa any @ eoropa no misy ny terrorisma dia avy "misolelaka" manao je suis je suis fa ra ny mahantra na ny mainty na ny arabo dia euh... dia hoe ah non, toe-tsaina mirefarefa izany fa faty olona ve dia ho avakavahana. Tsy soatoavina malagasy ny hoe tsy fanajana razana... dia nofaranana @ hoe ra eo malagasy ve moa no misy otran'zany dia hoe tsy iray fo sy saina ary fanahy hiara ory ary handa ankitsirano ny hetsika mahery toy izany... bla bla bli bli blo blo

Zao @ zay t@ vaintisisy, @ fahendrena malagasy izay tsy hita izay maharatsy azy, @ hoe fanaovana kopier-koller an'i frantsa dia lasa koa nanapoaka ry adala be isany... ny tena mahagaga anefa dia tsy nahita je suis mahamasina ah na iray aza. na hoe novana ny sary profil na otran'zany... dia gaga fotsiny enao hoe ee izao zany le tonga @ le fitenena hoe andrianiko ny an'ny hafa ary ny ahy tsy rarahiako ^^

Ny tena nahagaga anah manko dia otran'ny tsisy afatsy mananasy ny resaka eto @ tambazotra sosialy tato ho ato... dia hoy ah hoe resaka mandany jiro zany an. Eny e, tsara alou refa hoe mahasahy manakiana an'rafanja sy hoe mihamitombo ny hoe fiparitahan'ny vaovao sy hevitra... fa zany hoe tsara kokoa ra resaka mamokatra jiro no atao. diso ve ah mieritreritra hoe jiro no tena olana eto?

Atsipy ny vilia, vaky

ps: vitako tao anatin'ny 15 minitra ity lahatsoratra ity. Isaorana anie i A/tra!!


Manana ass

Tara train, mais bon... qd faut y aller, faux y aller

- Zavatra azo atao @ mananasy. Ny ankamaroan'ny sakafo mexikana tsara otran'ny misy mananasy.

- Sary misy mananasy. Interessant!

- Kay le, otran'ny mafinaritra ra manao an'ity i voahangy an. hevitra cadeau d'annif zany ra-prezi an... kiiii sold out ony ee too bad!

- Zany hoe ra tsy vadin'ny filoham-pirenena enao, dia aza kivy fa misy eny behoririka. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!

- Misy ao @ urban dictionary: euh ity sa ity hu hu hu

- Minana mananasy be loatra ve ny dragona, no mahatonga ny atodiny otran'ny mananasy? khaleeessi!!

- Tsy misy afa tsy mananasy ony any Costa-rica... poinsa mety hanao vacansa any ny filoha.

- Zavatra azo resahana kanefa tsy mananasy:

* Fahandriam-pahalemana, ohatra hoe bomba, dahalo... efa tratra ve i remenabila?

* Code de la communication... ahoana ihany le article 20

* sns sns ohatra hoe fahantrana: toe-karena, sosialy... in avy re ny zavatra tsy mande @ ze lahoriny eto @ firenena ee. Otran'ny tsy mahita ah an, sarotra be izy zany!!

Efa kely sisa dia hitovy @ bekitana isika satria ny akanjon'i Michelle koa misy mpanaraka be. Koa eto ampiandrasana ny hoe firenena mandroso akanjo-ho-anaovany-manaraka ary ny mpanoratra, dia mirary soa anao mpamaky.

Tsy misy fisaorana.


To be played at my funeral

Refa nieritreritra ah dia somary gaga kely hoe otran'ny  tsy dia "mahazatra" loatra ny hoe manomana ny hoe "rehefa maty aho", ny eo @ malagasy. Eny e, mazava be fa ny anisan'ny tena tanjon'ny hoe fihavanana dia ny hoe fitandrovana ny taranaka sy ny hoe miray hina... mba hamela lova, fahasoavana, soatoavina hoan'ny taranaka faramandimby... zany hoe tena mifantoka be @ hoe ho faty izany ny Ntaolo.

Iaraha mahalala ihany koa ny hoe miara-ory sy hoe fomba malagasy manerana ny nosy ny hoe mamangy @ fahoriana. Satria hoe fanajana ny maty ary indrindraindrindra hoe malahelo sy hoe lasa "olon-tiana"... Ny mahagaga anah anefa dia ny hoe nahoana ary no tsy dia mba misy kozy betsaka ny momba ny hoe "hafatra farany". Tsy hoe testamenta an fa otran'ny hoe hafatra kely hoe... rehefa maty aho dia

1. vomanga sy saonjo (sy ronono?) ny kaly

2. Alefaso ity hira ity:

Eto ampanoratana an'ity ah dia mieritreritra hoe ra misy mahita moa ity? ho ho ho

Laingako izany fa satria... isika tsy ho faty... ary tsy maintsy hipoaka ny tako-bilany!!

Now, let's dress prentetiously, while having a pretentious dinner and pretentiously listening to this.

ca va ca va, imhotep!


parceque


Madagasikara, je t'aime

Otran'ny te hiblaogy be izany ah vao nifoha androany. Dia tapakevitra tsy tapakevitra elabe teo... dia farany hoe aleo hanatevin-daharana, hirediredy momba an'le gaboraraka eto @ tanana. Indrindra moa ny resaka fifamoivoizana...

Tsy hita izay ho tenenina satria efa bedabe ny voalaza na eto @ aterinaeto na @ aino aman-jery na fihetsiketsehana... @ hoe kitotoa, anjambany ary bordel tanteraka eto amitsika... fa dia asiko an'ilay hira, tonokalo an'i Mahaleo izay mahalaza tsara ny hetahetan'ny kely, madinika, tsy manan-tsiny... rafahafahana

Izahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra.
Hiandrasana, hitondra takaitra,
Izay ngamba ialahy vao taitra,
Sao dia mba tara loatra.

Dia mifarana @ hoe

Fa izaho sy ialahy,
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko.
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
Fahafahana no iriana,
Ho an’ny Taniko.

Amen


A+

Tonga dia aleo potserina ny voamasony. Satria betsabetsaka ihany izay lahatsoratra sy hevitra nivoaka momba ny fanendrena ny praiminisitra vaovao t@ alahady. Tsy hary nahavaky azy rehetra aho aloha fa ny voamariko fotsiny sy hoe somary nisongadina tamiko dia hoe otran'ny tsy aninon-tsianinona ilay praminisitra vaovao. Na tsy voateny direkta aza dia "sous entendu" na hoe fosa-tian-ko-re.

Dia hoy aho hoe: aoka etsy!!

Tsy hoe manohana na mankasitraka na mahatoky an'ingahy PM vaovao ah akory fa araka ny fomba mahazatra izay hita fa tena ratsy dia hoe: "benefice du doute"... fa izay indrindra no tena tiako hahatongavana hoe: fa nahoana no tsisy manakihana mintsy ra-prezy?? satria amiko manokana i lery mihintsy no tena badraodra @ ity kozy ity.

Tsy hiditra @ antsipiriany a, b, c ah fa jereo tsara an. Nasiana sinema be ny fialan'ny PM teo aloha. Naninona no tsy noroasina fotsiny iny dia vita? pira, raha tena hoe "leader" na hoe RAD na hoe mpitondra tokony afaka niresaka taminy manginga hoe tena mila mamela an'le seza elah ry zandry fa tsy poinsa ity a. Naleon'lery nanao ady mangatsiaka t@ hoe "media interposE". Hadisoana be zany hoe passive agressiva ve nefany enao no sefo tsssssssssssssss. Badraodra wa, badraodra.

Ny tena hitako olana manko dia izao. I Ra-prezy izany sady tsy hoe "natural leader" izany hoe tonga dia afaka mitarika/mitondra, fa le karazana bandy hoe mila tohanana sy atosika kely... kanefa i lery lasa filoha, par hasard/par accident. Izany hoe tsy voaomana dia lasa hoe manandrakandrana sy mihanahana @ rehetraretra.

Firy volana lery vao nahatendry ny PM voalohany? dia avy eo afaka 1 taona nosoloina. Eny e, nanana olana ara-teknika lery tao @ parlemanta fa na zany aza, tsy afaka natao "en parallele" nga ny hoe fandaminana an'i Tsimbazaza sy ny hoe fitadiavana ny tena mety ho PM tsara? dia avy eo ndray refa nisolo an'ingah jereneraly, tsy dia niandry firy andro aloha fa niwawawa be ery hoe resultat rapide ee, 3 volana ee... afaka 1taona aty aoriana soloina ndray. Inona ndray ny antony? rhetorika io an... satria ny an'lery izany dia mazava: soloina isan-taona ny PM. Izany no vahaolana.

Mino marimarina ah fa t@ fanendrena an'ingah Mahafaly dia ny kritera nojerena dia hoe: azo esorina afaka 1 taona sa tsia? Tsy te hiteny betsaka ah fa ra ohatra ka manao jery todika vetivety raprezy: efa misasaka ny mandat inona ny zavatra vita teto? mba misy hoe fototra azo jerena ve na hoe fivoriana/congressy @ tsisy dikany azo hialana pas ve? evidawazy satria lany andro manolo olona sy manao passation de pouvoir (bonus: tsolotra sy aferafera)... izao le hoe fifandimbiasan-toerana hehe,, Dia ilay PM foana no mahazo loza kanefa ny le filoha no tena zero manatody. Ra izao no mitohy, kozy na i TGV aza tsy tsara lavitra no i toi? 

Dia izay ee, haiko fa mbola manakery ny article 20... fa otran'ny tsy hay ny tsy hiteny an'le fomba fiteny t@ zay mbola kely hoe: shanana izany ra ol. Ny adala ny hafa moa no ihomehezana fa ny an'ny tena rakofan-damba ka dia homeko an'ity torohevitra ity hoe: dieny izao dia efa omany ny fika hanendrena ny @ heri-taona!!

izay ee, @ heri-taona ndray... mifanoratra eto ihany!!

A+

 


joyeux joyoux joyaux!!

entina hamaranana ny 2015

dia @ herin-taona ndray ee


je suis... euh... modelisation

hitako tany ho any...


Capitalism and Consumerism

Azo?
>> enjeo @ taxi!


Capitalism and Consumerism

Azo?
>> enjeo @ taxi!


Mbola manan-kery ve

ny
article 20
??

Ra misy solombavam-bahoaka 95 isa afaka manova an'io zao dia mety homeko... tsara fa tohizo!!


Varoty ny Air Mad!

Somary sadaikatra ihany ah mahita an'ity resaka Air Mad (Mad avy @ teny baiko hoe adala).
i hery tatsy niiteny hoe tokony lojika tsotsotra sy hoe leadership @ tokony ho izy no ampiasaina dia mazava ny lalana. Marina ary ekeko 150% ny zon'ny mpiasa hitokona ra misy tsy mahafaly azy. Ny tiako ho tsindriana @ izay dia ilay hoe "zon'ny mpiasa". Raha mandinika tsara isika @ ireny hoe syndicat sy hoe fivondronan'ny mpiasa ireny rehefa migrevy dia ny hoe hampiakarana karama ee na hoe tambi-karama isan-karazany na hoe tontolo ao ampiasana. Ity indray mitoraka ity kosa anefa dia hoe fanesorana ny mpitantana ny orinasa no takiana. Zany hoe otran'ny hoe fitakiana ny zon'ny mpampiasa ve izany sa ahoana?

Dia gaga fotsiny enao hoe euh fa ahoana koa ary izany? Voalohany indrindra aloha dia tokony mazava @ mpitokona fa dia izay manana antoka izany hoe ny aksionera ihany no manana zo hoe hanala ny mpitantana ny orinasa. Izany hoe ra tsy tompony ianao tsy tokony hitabataba @ fomba hitantanan'ny olona ny orinasany izany mihitsy. Eny e, tsara ny mitondra hoe "constructive criticism" fa tokony mahalala ny toerana misy anao ianao fa tsy hanao vinanto tsy mahare fosa any akory. Tsy haiko tsara ny hoe firafitry ny hoe Air Mad, asa mety aksionera koa nga ny syndicat an'ny mpiasa. Ra izay no izy dia tokony any @ hoe conseils d'administration izy izany no manova zavatra. Tsy mahagaga intsony moa ny eto amintsika fa efa izany ngamba ny norma ee. Fady antsika izany hoe miditra tribonaly na hoe miandry fifidianana izany, izay zavatra manara-dalana tokony ho izy fa ny antsika tonga dia ny migrevy sy manongam-panajakana ihany ny vahaolana tonga ao an-tsaina voalohany indrindra. Na le mpigrevy na ilay higreviavana samy tsy manana ny rariny doly.

Faharoa, tsy mazava tsara ihany koa ny takian'ny mpigrevy. Hoe esory ny mpitantana. Manana proposition ana olona tiany hitantana ve izy izany? sa hoe refa tsy ireo dia izay? mitovy @ le hoe Tout sauf Zafy, Ratsiraka, Ra8 et Andry Tgv? dia miverina @ le teneniko teo ihany hoe fa andrizareo nga ny orinasa? Eny ee, mazava fa orinasam-panjakana io. Izany hoe an'ny vahoaka. Solotenan'ny vahoaka ve izany ny mpiasan'ny Air Mad? Dia atao inona fotsiny zany ireo ao Antsibazaza ireo?? Tsia, tsy ny rajako ny tiako tenenina fa ilay olom-boafidy ao @ antenimiearam-pirenena. Satria ra misy olona tia mitabataba tsisy otran'ireo. Atao daholo izao decheance ee, motion de censure ee, tsisy tany iaianana iasana mintsy izany le mpitondra... kanefa dia nahoana ary izay no tsy re sy hoe mandrara an'ity resaka orisam-panjakana ity? sa rehefa tsy misy idiran'ny hoe tombotsoa sy hoe resaka seza dia tsy koi? aleo ho faty any fa misy miditra any ampaosiko nga izany?

Averiko indray fa tsy hoe tsy tia ny hetsiky ny mpiasa akory ah na hoe ny mpiasa mivondrona mitambatra hiady @ tsy rariny na koa hoe manohana an'ity fitondran'i Rajao ity. Tsia, tsy any velively ny tiako hahatongavana. Ny tena marina kokoa ary ra jerena @ saina tsy miangatra. Ra tena marina tokoa ny resaka "gabegie" @ fomba fitanana ny Air Mad izay voalazan'ny mpiasa azy. Tsy tokony hoe efa ela ve no voaroka ireo mpitantana ireo? Eny e, mety hoe lasa sosialisma koa ny antsika (@ le hevitra hoe elefanta fotsy fa tsy le hoe antoko ankavia eo @ fitondrana an) fa ra za no manana akoho tsy mety manatody izany efa ela no nataviziko an.

Dia zay ee. Mazava be le resaka hoe ny gaboraraka kay dia ny fanjakana iray manotolo mihintsy. Izany hoe le olona tokony sy hoe afaka mitondra ny fiovana mihintsy no tena gaboraraka. Eny, andriamatoa filoha hajaina Hery Rajao no tiako tenenina voalohany indrindra. Ny fanodikodinana ny Air Mad atao toy ny hoe fananan'ny filoha izany dia zavatra tena otran'ny hoe adalana miaro tsinjaka. Ary zavatra faran'ny izay hoe mora ny tsy manao an'zany. T@ nanala an'i ra8 izany dia hoe ee ee Air force I sy II mambotry vahoaka dia avy eo i tgv nivarotra an'ireo fa saingy ny Air Mad indray ny anazy no nahodiny hifanandrify @ itineraire-ny. Dia izao koa i Rajao tsisy fiovana fa dia izany ihany na hoe vao mia namafisina aza ilay adalana... Dia hoy ah hoe izao rehetra izao no mitaratra ny fahendrena, ny fitondra-tena ary ny etika an'ny mpanao politika Malagasy. Tsy misy na iray aza hoe olona tena hoe tonga hitondra @ hoe tokony ho izy. Eny e, na dia hoe minimum de bon sens sy hoe integritE fotsiny aza dia ee... tsy manakivy ah fa ra zao ny mitohy dia manahy mafy fa na afaka 55 taona manaraka aza dia ny omaly ihany no tsy hiova.

Raha ny vahaolana tiakoa tantaraina indray dia io lohateny io hoe: varoty any io Air Mad io. Tsy ny Air Mad ihany fa izay orinasam-panjakana rehetra ka natao hiodina toy ny orinasa tsy miankina rehetra. Ohatra ny hoe Ny Aro, Ny Havana, CNAPS,... manamora ny hoe "efficiency" @ ireny orinasa ireny ka hiodina ary hiezaka ny haka tombony araka ny hoe maha capitalista azy ny fanaovana an'izany. Eny e,  theoriquement izany tsara kokoa ra tsy ny fanjakana no mitantana an'ireny... Ny hoe modalitE anaovana an'izany no mila dinihana tsara satria tsy tokony hamerina ny hoe natao t@ ireny hoe privatisation gaboraraka t@ andron'ny ajustement structurel no-forcer-n'ny BM sy FMI ireny izany. Izay tsy nampitombo ny tombotsoan'ny mpanjifa araka ny hoe hisian'ny fifaninana malalaka fa plutot hoe nampatanjaka kokoa an'ny hoe neocolonialism. Izany hoe ny firenen-dehibe manao jadona @ alalan'ny orinasany sy ny volany miodina aty tany mahantra. Tokony hoe operateurs Malagasy ny mahazo ny hoe  actionera majoritera @ ireny orinasa ireny izany. Na fara faharatsiny hoe Maurisianina na hoe Afrikanina... mbola lahatsoratra hafa koa ny hoe actions tazomin'ny fanjakana sy ny hoe inona ny mahasamihafa ny Maurisianina sy Afrikanina @ hoe Frantsay na hoe Rainboto, Bekitana ary ny Sinoa??

Ny JIRAMA aloha tsy tokony voakasik'izany ary tokony manana control direct @ fitantanana sy ny hoe fanovana ny vidin'ny jiro sy rano ny fanjakana. Satria stratejika be io ary tonga dia misy fiantraikany avy hatrany @ fiainam-bahoaka sy ny hoe fiodinan'ny orinasa eto antoerana. Ny fitanana sy ny hoe fanesorana ny gaboraraka kosa anefa dia tokony hoe tantanan'ny hoe "consultant" nga sa inona ny filazana an'zany. Otran'ny efa nisy resaka otran'zany nisihosiho t@ andron'i ra8 fa avy eo le izy tonga dia nampiboridana tanteraka ny adalana miaro tsinjaka rehetra tao @ fitantanana ny JIRAMA dia tsy nety satria mazava hoazy fa nisy ny delestazy... Ny tiako hahatongavana dia ny hoe mila sarahina ny fitantanana taktika sy ny hoe stratejika... Ny taktika izany ilay hoe mamono afo sy manao izay hivelomana androany sy rampitso. Ny stratejika kosa dia mitsinjo ny hoe afaka 5-10 taona ah tokony milamina ny rara ary mandry saina ny vahoaka.

Izao rehetra izao no hitenenako hoe tsy dia mety loatra ny mametraka hoe comptable ho ministry ny vola, fitantanam-bola ary ny harena. Ary io no tena mety hoe defaut an'i Rajao satria ny olana eto amitsika tsy ho vitan'ny hoe fanadiovana (assainissement) fotsiny fa mila restructuration sy hoe reforma goavana hampitodihana ny ekonomia @ lalana anakiray hoe mety mitondra any @ fandrosoana. Ilay hoe "orientation" no tsy ampy na hoe tsy misy ny tena marina ee... Satria ra io resaka Air Mad io fotsiny dia efa hita taratra be hoe tsy fahamatorana ara-politika voalohany, tsy fahaizana mitantana faharoa ary tsy fananana stratejia hoe ahoana ny hampiodinana ny hoe economia malagasy.

Ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsy tokony ho hisy olana akory io Air Mad io. Mila mahatsapa tena fotsiny ny mpitondra hoe ajanony ny gaboraraka @ fanodonana ny fiaramanidina hanaraka ny itineraire-n'ny mpitondra. Soloy ny mpitantana, ovay ho consultants refa tsy mahita marimaritra iraisana @ mpigrevy. Mila hoe obligation de resultat izany e. Izay no tokony fepetra voalohany indrindra. Ary farany mila stratejia hivoahana @ itony orinasam-panjakana izay tokony hahomby sy hoe hahazo tombony itony kanefa miteraka olana sy matiantoka foana matetika. Izany no atao hoe "leadership".

Atsipy ny vilia vaky!

Tratry ny fety doly alou ee
Zanahary hoe tahio ny tanindrazanay. Mba omeo fahendrena ny mpitondra na ny eo @ fitondrana izany na ireo mpamingana ny eo @ fitondrana na ny mikasa ho eo @ fitondrana ary indrindraindrindra ireo olo-manga (<- Maihol ) tokony ho eo @ fitondrana.


Maty ah mama aaaaa

Marary be ny foko!!
noho ny antony mazava @ adilahy politika tsisy dikany eto @ tanana
dia hita fa ny vahoaka foana no lasa victime ary mijaly farazan'ze zokiny... mino marimarina ah fa ra hoe @ zao no hoe voaheloka ny hilanja hazofijaliana miakatra an'ny Golgota i jesoa, tena poinsa misy bandy kely hi-bizna hoe taty entiko fa omeo roan-jato ah

zany eo ihany fa ny tena mamparary ny foko indrindra dia ny hoavy politika an'i Onitiana Realy
fa nanin ary i onitiana no nidikizo nanao ministra eee @ izay minisitry rajao
bon, tena somary tara train kely alou ny bandy tsy kopy hoe hay lasa ministra i malala ra tsy efa elala
tena ouinnnnnn be mihena be ny chance  koi que lasa nihena be kou ny sexinessn'ikala vao nanao minisitra izy... hotness scale: 12 lasa 6 ngambany asa ra mbola mafiloha izy ao @ governemanta dia mba azomina 9 fa ra lasa manaiky baiko sy lasa toutou an'i rajao dia ee  veloma lava: -2

Dia izay ee, manao antso avo aho:
fa dia nahoana loatra lahy ry mpanao politika no miady lava toy izao. Vola bedabe azo zaraina eto @ tanana  ka tsy aleo ve mifanaraka ee... ny hasahiranan'ny vahoaka malagasy anie eo ihany ee, in tokoa ary moa no idiran'ny mpanao politika @ hoavin'ny firenena? voasoratra ao anaty lalampanorenana nga fa izany no asa sy tanjona hoan'ny mpanao politika??
fa dia ho vitanareo ve ny hanao tsinotsinona an'i Onitiana?? sa dia ny hampijaly ahy eto @ ity fiainana ity no tena tanjonareo?? za nge falibe ra vao miverina manao invitE du zoma izy ee

Hamarako azy, mba tsy hisian'ny hoe be kritika tsy mitondra vahaolana, hoe ee deba, ra8, tgv, and now rajao, foana ny tsisy ilana azy sy fototry ny olana eto @ firenena... dia indro averina eto ny vahaolana fara-tampony, avy any an-danitra,

*Fidio Maihol*

 

Dia izay eee, ny hendry ihany hono no anarina. Ka atsipy ny tady antandroky ny omby, atsipy ny vilia vaky

@anaran'i jesosy!!
rombo rombo rombo

 


soa fianatsa

Ampahatelon'ny billionaires ony dia tsy nande/nahavita teny Ankatso. Zany hoe bac ny diplaomany.

Tsetsetsa tsy aritra:

  • Aza mandany andro manao fianarana ambony: 32% tafita
  • Nahoana ary no mahantra i Madagasikara, i Afrika... Ny marina kokoa ngamba dia hoe: nahoana no tsy bedabe ny billionaire eto @ tanana?
  • Misy ny asa tena ilana fianarana ambony. Ohatra hoe: Chirurgien... otran'ny tsy tafiditra ao anatin'ny isan'ny billionera anefa ry zalah
  • Aiza ho aiza ny toerana misy ny: ody gasy, dadaRabe, maso be tsy mahita... ny mpams... sy ny fahaizana tena authentika Malagasy sy Afrikanina. Sao dia mba any ny vahaolana??

Ra ovaina hoe karazana toaka sotroana @ izay ary ireo karazam-pianarana voalaza ireo... dia mety ho ahoana re ny tohiny e? Maha-billionaire ve ny fisotroana THB?
Mampatsiahy an'ilay mpampianatra anay izay: momba ny statistika!

Zany eo ihany fa ra te hanan-karena, tsy aleo manao politika?

Ho ela velona anie i Madagasikara tsy mandohalika!


Kopy elah!


coupE decalE

Otran'zao ve ny fihainon'ny vazah ny gasy mihira mahaleo ohatra?

mila an'le hoe kolotsaina sa hoe in nga ny filazana an'izany, hoe ra tsy azonao ilay tiana lazaina @ le hira dia tsy afaka ny hi-connecte tanteraka @ ilay hira ianao...
norma ihany ve le hoe mividy tapakila ana hira @ toerana iray ra sendra hoe mandalo any?

Ity indray mix hira tandrefana sy indianina

@le oui
eny fa na dia tsy azo aza ny tian'ny mpanorata ho ambara

mba nanaitra ny sofiko fotsiny dia tiako zaraina ee
tsy voatery hoe fantatra ny dikany fa refa kanto dia kanto
Citizen of the world...


Charlie

Mba lasa saina kely mahita an'le hoe tena mavitrika be mintsy ny olona @ fihetsiketsehana manodidina an'le hoe "je suis charlie"
Satria hoe nisy olona 12 tsy manan-tsiny novonoin'ny terrorista tao Parisy noho ny antony a, b, c d...

Dia tsy hay ny tsy hanetsetra hoe t@ ity herin'andro ity ihany koa no nisy ny horohoro tsisy otran'zany tany Nigeria. Izay mety hoe mihoatra ny 2000 mahery no novonoin'ny boko haram. Tsia, tsy hoe mialona na hoe manakely an'ilay terrorisma tany Parisy fa kosa mba te hi-vetsovetso hoe fa dia tsisy dikany ve izany rehefa ny mainty no maty. Efa marina hatr@ fanjanahan-tany fa na izany aza dia mbola @ izao 2015 izao koa ve dia mbola ny omaly tsy miova ihany.

Tsy hoe hiady vitana @ akoho ihany koa. Satria loza ary tena tsy azo ekena tsotra izao ny terrorisma na aiza io na aiza. Ary ra hoe any @ tanin'ny tandrefana no nitrangany ka hoe manao fihetsehana mafonja izy dia rariny tokoa. Mampatsiahy an'ilay siklaonina/rivodoza katrina t@ 2005 izay namely mafy an'ny Bekitana. Dia miteny irery, mahatsiaro ao am-po hoe isan-taona anie otran'zao ny manjo ny Malagasy fa tsisy mahafantatra/miraika... dia izay ee,  mangana sy mafy ady eny foana ny zanaky ny mahantra.

Ny tena tsy rariny sy hoe manirikiry @ le toe-javatra otran'izao dia ilay toe-toetra imperialista ananan'ny tandrefana. Rehefa misy olona 12 maty tao Parisy dia lazaina fa tsy azo ekena ny terrorisma... kanefa ra olona 12 izany mety hoe isa-maraina  misy otran'zany any Afghanistan, Pakistan, Lybia, Yemen, Syria, Iraq,... vokatry ny fanafihan'ny tandrefana... dia izany ve no tsy otran'ny hoe mpitari-bato vilam-bava? Eny ee, mety hoe misy antony hanaovany izany (ankoatry ny hoe fanan-jahana pure porc) fa le fahasahiana sy fanaovana tsinotsinona ny hevitry ny tompo-tany, ny ain'ny mponina eo antoerana mihintsy no mampi-te hitroatra be... fahafahana toriana any Parisy iniana esorina any @ middle-east, tsy tahotra tsy henatra. Rehefa tsy tandrefana dia tsy rarahiana? mampalahelo... akory atao anefa... miandrandra ny andro hiposahan'ny masoandro sisa no azo atao. A/tra tsy andrin'ny hafa mety ho andriny ihany.

A luta continua

 


bevohoka aho mama aa

gne?
Tsiiiia an
Tsia, tsy otran'le film misy an'i arnold iny akory.

Secret santa indray @ ity taona ity no ho atao ao ampiasana. Za moa tsy dia tia an'itony resaka sorprizy itony mais bon, t@ nanao an'ity farany nahazo Amarula ah ka dia mba nitsinjatsinjaka be hoe yessss tonga dia tairo... Dia nitsabo anarana olona izany dia vita. Nieritreritra hoe inona ary no hovidiana hoan'ity olona ity @zay vao tena tantara. Dia nanotany namana hoe inona no mety. Tsotra be izany e, seza hoan'ny ankizy ao anaty fiara omena anazy. Vao teraka mantsy ny vadiny. Hevitra manja tokoa. Dia lasa nijery tany @ fivarotana. Tonga dia ouiinnn be hoe kay le, ary kay lafo be itony an... aleo ilam fa ny tany indram kle 

Nony tonga taty an-trano @zay. Nande nojereko tao @ amazon hoe mba otrin ary itony any @ bekitana... dia asa, vokatr'ilay ADD syndrome sa fahanterana nga fa dia nikliky klaky tao resaka entan-jaza be tao... dia tsy haiko hoe in nga no tafiditra tao anatin'ny "harona" hovidiana... tsy nividy in in akory ah anefa aveo satria hoe sady mbola misy fotoana no hoe afaka mitady fika hafa... fa nony avy eo @ zay mahazo an'zao promotion atsanga tsy aman'orana rehetra izao ilay adiresin'le olona fampiasaiko... dia niarahaba hoe ouh la la hisy zazakely hoavy nga?


Izao rehetra izao vokatry ny fandehanana tao @ amazon... dia mampametra-panotaniana ihany ity resaka hoe big data ee fantatry GooGle sy facebook doly ny fiainanao ee... tssssss odoie ee zavatra tsotra kely otran'zao fotsiny dia efa voafainty

zay fa dia zoaie noel sy bonane doly ze mamaky an'ity
asa anefa mety hanoratra eto ihany... lasa otran'ny ratsiana te hiblaogy be ndray ah...
aza omena tsiny fa bevohoka ee
en attendant, azonao alahatra ao @ rvg le hira.

 

 

 


BeyonceLogues

Tonga dia ouiinnnnnn be za nahita an'ity... Hiran'i Beyonce no novakiana ho toy ny hoe poezia, dia tena manome dimension hafa tanteraka mihintsy na dia hoe mitovy ihany aza ny hevitra fonosina

misy maromaro ao:

https://www.youtube.com/watch?v=pPke2oHoPV0
https://www.youtube.com/watch?v=MmARjBaHHSs
https://www.youtube.com/watch?v=zWLkwfDLYvA

mahalasa saina ihany ny hoe "fahorian'ny vehivavy" na ny hoe "haratsian-toetran'ny lelah" nga ny marimarina kokoa
Asa ra mba tokony ho omena trophee kely i Beyonce na otran'zany... role model na hoe feminism hero... za manokana aloha tsy mba nahalala hoe hay tena misy hevitra mafonja be otran'zao @ hirany...

dia zay ry zavavy ah, mba henoy i Beyonce,, na ilay hoe toe-tsaina sy attitude tsara  ananana na ilay hoe ho fanabeazana ny fanaka mafy


Adalana Miaro Tsinjaka

Nanokatra fb ah zany t@ zoma sa alakamisy teo dia nahita ny anaran'le namana iray izay, avy nanavao ny sariny izy. Dia mba nitsikitsiky ery hoe ah ela ny ela ka ela, hay mbola velona... dia nojerena ary ity sary, otran'zao ny fandehany:

Dia lasa saina teo hoe in ndray ary ity article 20 ity. Aleo hotadiavina fa ny tena koa moa efa antitra ka tsy maharaka film sy lamaody intsony...

Izy ity izany dia andininy faha-20 an'ilay lalana loi-n2014-006 izay manameloka ny fanopana sy/na fanalam-baraka ny fanjakana, andrim-pajakana ary ny mpitondra fanjakana amin'ny alalan'ny internety sy ny teknolojia vaovao.

Za moa efa elaela ihany ny tsy nivakl t@ ze zistoira miainga eto @ tanana sy indrindra ny hoe @ ntontolon'ny blaogasifera ary ny hoe malagasy eto @ internety... fa dia gaga ery nahita ny zavatra otran'zao:

1. Manana site web mande tsara ny anteminiera sy ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana... tena revolusiona be izany kle oe oe :-)
Somary mampanahy kely fotsiny kosa anefa ny hoe tsy mba misy dikan-teny malagasy @ site-ndrizareo... dia efa hainareo ihany ny maharatsy sy maharatsy an'zany.

2. Tsy dia niova firy ny blaogasifera sy ny hoe fiaraha-monina teknolojista malagasy... mety mila fanetanana mafonjafonja kely kokoa angambany hoe hampiasa ny serasera sy ny teknolojia vaovao mba hitondra @ fiovana, hamoahana ny feo sy hetaheta ary indrindra hifampitaiza sy hifampitondra @ fampandrosoana... satria ra za manokana otran'ny nahatsapa fa tena lasa bedabebe mintsiny ny isan'ny malagasy miserasera ao @ fb ohatra ra oharina t@ 2 taona lasa fotsiny aza... asa a, mety hoe izay koa angamba no nampikoropaka ny mpitondra ankehitriny hoe tena asivo lalana hameraperana azy ity fa sao dia ho loza eto!!

Ny hitako fa nafinaritra tokoa dia ny hoe tsy nisy nisalasala ny be sy ny maro nanameloka ilay lalana ary tena rapidapida be mintsiny ny hoe tweets sy ny blaogy ary lahatsoratra an-gazety nanambara izany... ary dia mbola mitohy tsy mijanona ny ady; eny fa na dia efa lany sy lasa lalana tanteraka aza le  tolo-dalana.

3. Ilay andininy faha-20 an'ilay lalana aloha dia tsisy iadian-kevitra fa dia izao no atao hoe adalana miaro tsinjaka. Tsy misy afa-tsy izay nanao azy ihany no tsy mahita hoe euh avereno ny visiny fa otran'ny tsy ampy kely izy zany.

Dia mba lasa saina ihany refa mandinika an'ilay sary etsy ambony io hoe "arovy ny demokrasia"... hoe tena mety ilay demokrasia mintsy no tsy mety amitsika ngambany e. Eritrereto hoe ny filoha voafidy, demokratika, izay niniana ny hanome hasina ny fanjakana ary indrindra ny vahoaka malagasy dia mahavita manolotra sy manasonia lalana toy izao.  Izy aloha tsy dia mahagaga fa satria torony izao ny manjaka sy manao diktatiora... fa ny tena mahatalanjona dia ry TGV sy ny MAPAR, ry zanak'i Dada sy ny extremista anti-TGV ary indrindraindrindra fa ireo atao hoe neutre sy hoe tena nantenaiko ho hitondra fanovana toan'i Sarah Georget ohatra... dia samy tsy nirara ary namela ny zavatra toy izao hitranga.


Dia gaga ve isika ra hiarina na ho aiza rahoviana ity firenena ity??
Tsy aleo ve foanana ny anteminiera dia tonga dia ny filoha daholo no manao izay tiany atao mandritra ny 5 taona? otran'ny mandany vola @ tsisy dikany fotsiny manome karama ny depiote handany lalana ra ohatra ka ny lalana nofidiany aza tsy fantany akory. Indrindra moa rehefa avy notenen'ny olona hoe adalana miaro tsinjaka ity dia mbola tsy mandray fe-petra ho anitsiana izany akory.

Tsy mety amitsika ny Demokrasia tandrefana. Tsy haiko ny Tantsinana na mety na tsia fa ra ohatra ka mbola @ ireo olona izay efa eo ireo ihany isika no hifidy dia hoy aho hoe... tsy manakivy ah fa dia ho herim-po very maina ee...  Ka asa ra mety mahita an'ity lahatsoratra ity i TGV na i ra8 na i Sarah Georget fa hoy ah hoe ra te hisongadina, te hampiseho marina fa tia-tanindrazana, te hampiseho hoe mpanohitra mendrika ary indrindra mieritretra ny hambabo ny fon'ny vahoaka afaka 5 taona... dia hoy ah hoe aza manara-drenindrano ary zavatra tsotra sy mora lanjalanjaina otran'zao no tokony tsy hisalasalana ny handavana ary hanitsiana azy avy hatrany... Tsy ity lalana ity ihany fa izay lalana rehetra hoavy, izay trangan-javatra rehetra hoavy dia tokony manana "position" sy hoe "alternative" mafonja afaka mifanandrina @ an'ny fitondrana.

atsipy ny vilia, vaky!!

simple simpla simplu simplo simply


happy lundi de valentine's day

 

Jereo eto

 

mila miandry kely ra slow ny conneksion an


One Billion Rising

Fantatrao ve ny hetsika One Billion Rising?
Io izany no hetsika vaovao aroson'ny Vday ho fanairana manezinezina ho ren'izao ntontolo izao ny fandavana ny fanambaniana, fikasihan-tanana, famonoana ary fametavetana ny vehivavy.


Mahatratra eo @ 1 tsitahisa eo ho ny vehivavy iharan'ny {fampijaliana} ka izay no nampitondraina ny anaran'ny ezaka hoe "1 tsitahisa mitraka".

Betsaka ny zavatra azo atao @ izany ary ny tanjona dia ny hoe ho fampitomboina be dia be ny hoe herin'ny fanairana ho manezinezina mba hisy fiantraikany fa tsy ho "passive" be loatra otran'ny efa natao hatrizay. Ny hetsika iray anisan'ny amporisihana dia ny hoe fanaovana dihi-tsy-ampoizina (flashmob) @ ilay hira: Break the chain  @ 14 Febroary izao @ toerana mety "misongadina/manaitra" ny olona. Ito ny fampianarana chore:

Mino sy manatena ah fa tonga dia hisy hampiely sy hitarika ity kozy ity an.
Somary gaga sy hoe oainina kely ah refa nahita fa kay ny ankamaroan'ny firenena hisy hetsika fa i Madagasikara dia tsy mba misy.
Asa re...  otran'ny nahavita zavatra sy hoe efa lasa lavitra isika t@ ity ezaka hoe fampihenana ny {fampijaliana} vehivavy ity. Tadidinareo ve le resaka Vday/vagina monologue taloha ireny?? izany no nofinofy sy rediredy fahizay. Mino ah fa mbola tsy maty ilay afo ao amintsika tsirairay avy. Otran'ny mafinaritra ra mba averina ndray ny tantara taloha an   oops, ze mazoto sy afaka sy tsara-sitrapo sy manaja-vehivavy no etanina mba handray hanjara sy hitarika

Ny adidy tsy an'olon-dratsy hono ry zalah a. Sady saint valentin an... ze tsy manana any @ le flashmob no manenjika moa ze efa manana dia tonga dia efa date vita wazy koa in moa. Tsinjatsinjaka @ dimy sy sasany eo Analakely ve dia tsy mba otran'ny tena romantika ihany an!

 


tena mety ho manja be ity 2013 ity an

 

T@ 2009, amina-million ny vidin'entana.

@ izao fotoana izao anefa:

Jereo eto.

Dia lazaivo fa mbola tsy mahomby ihany ny transition ee!!


@ herin-taona ndray ee

ny mba ho faniriana dia ny hoe hivadika pejy vaovao metimety kokoa hoan'ny tanindrazana 
na ho ni-ni izany na ho na-na na ho ne-ne na ho no-no 

 

manaova fety finaritra!


izay resy hobiana

 

Refa natao ny fandinihana dia anisan'ny maha-"demokratika" sy hoe kritera mampadroso ny firenena iray ny fisian'ny fifamindra-pahefana milamina, mirindra ary tsy misy rihoriho/krizy. Tsy voatery hoe demokrasia ara-tandrefana akory io fa na hoe i sina aza, na ny hoe ireny firenena misy mpanjaka mbola mitondra ireny dia manaraka an'io fitsipika tsotsotra io. Mora mandroso kokoa ny firenena rehefa tsy misy gidragidra ny fifandimbiasana na fiovana eo @ fitondrana.

Ny tena mampiavaka ny firenena fopla otran'i Madagasikara (sy ny maro) @ hoe firenena hoe demokratika (ara-tandrefana) indray dia tena tsotra fotsiny hoe ny mpanao politika @ ireo dia marina fa tia fitondrana (pouvoir) fa ihany koa tia ny fireneny ary manao izany ho ambony mihoatra ny tenany. Izany hoe tsy be ambo-po ary tsy dia mivakl hoe tena fahaverezana sy tsisy honeur intsony enao ra tsy tafiditra @ fitondrana. Ny tena soatoavina lehibe eto dia ny hoe na toy inona ny fifamaliana sy ny fifandramotana aloha/mandritra ny fifidianana dia manaiky resy izay voatondro fa resy eny fa na dia hoe 0.0001% aza ny elanelana... tsy mijanona eo ny tolona fa mbola misy fifidianana hafa azo hatrehina ary indrindraindrindra hoe mbola hiverina iny fifidianana iny afaka 5 taona.

Dia mba lasa ny saiko hoe... manina ra mba atao kritera @ antsika ny toy izany?? Satria efa hita fa tsy ho hitranga araka ny bonne volontE an'ny mpanao politika malagasy ihany dia aleo asiana fitsipika handridra azy. Izany hoe tsy afaka milatsaka (ineligible) ho filoha izay tsy mampiseho fa afaka manaiky fa resy izy. Zavatra verifiable io fa tsy hoe otran'le miteny hoe "tia tanindrazana" sy hoe "tombon-tsoam-bahoaka" ihany  an... sao dia lasa kobaka ambava fotsiny...  Ohatrohatra:

* Tsy mahazo mirotsaka izay mbola tsy nirotsaka t@ in na t@ in... izany hoe mirotsaha ho filoham-pokotany aloha vao mahazo mirotsaka ho filoham-pirenena.
* Izay efa nirotsaka ka mbola tsy nanaiky hoe resy t@ izay firotsahana nataony dia tsy mahazo mirotsaka ihany koa. Izany hoe olona efa nirotsaka ho fidiana ary efa resy fara faha-keliny in-1 no mahazo mirotsaka. 
*  Mila hoe fanekena ampilaminana ary tsy nisy rihoriho vao azo ekena... zany hoe ra nisy krizy t@ fifamin-drapahefana na nisy hoe fitokonana na otran'zany dia tsy poinsa.

* Mila hoe olona madiodio ara-pitondratena. Izany hoe olona tsy mbola nisy scandale (na marina na diso)... surtout hoe voarohirohy na voaheloka na efa hoe nomena amnistie...

Karazana certificate of good conduct kely zany ee...

Dia ra ireo no ampiharina dia... iza sisa no mahazo mirotsaka???

Valiny: aotra!!
na i Maihol aza tsy poinsa... ra tsy hoe mikaonty ny hoe filoham-piangonana  

Tsy manakivy ah!!


i have seen your underwear!!!

 

ra misy bandy anakiroa izao tafaraka... dia nande nividy cadeau sorprizy hoan'ny sipany le anakiray... dia ny cadeau novidiany anefany lingerie: silipo sy soutifs, nighty... dia le bandy anakiray manatrika an'le conversation miaraka @ mpivarotra eo otran'zao sy otran'zao ny hangozany ny tena sakafo sy entana...

fanotaniana: tokony nanatrika an'zany ve le bandy anakiray sa tsia?

satria, @ lafiny iray olona hitan'le bandy ankiray matetika ra-sipa donc efa kobon'lery ihany ny tena hoe a-peu-pres an'ny tena hoe mesure... kanefa @ lafiny iray otran'ny hoe zavatra intime be sy hoe privee be le izy...
sady refa mifankahita dia afaka miteny hoe... i have seen your panties!!! hohoho
sooo wrong!!! 

ny tena fototry ity resaka ity ihany koa dia ny hoe hatraiza ny halalin'ny zavatra azon'ny bandy mpiakama tantaraina ka hoe tsy mi-violer ny intimitE an'ny mpifankatia... ra mpivady alou otran'ny mbola tsy nahita hoe bandy miresaka an'ze tena ataony any ah... fa ra juste hoe mpisipa fotsiny, eee tsy manakivy ah... 
Poinsa hoe ny vevavy koa aloha mifampizara details, le @ film ireny izao ohatra tena standard be mintsiny... mety hoe niveau hafa no resahiny fa na zany aza... hatraiza ny fetra??

anosy, anareo!!


mpams inc.

Efa ela ity no noeritreretiko fa tsy tadidiko tsony hoe efa nosoratako sa mbola tsia... mamerina in-2 manana ny ampy ony ee

Tonga dia vatanako ny resaka hoe: inona no fika hampandrosoana an'ity firenentsika ity?
Mifandraika @ le resaka hoe ny maha-malagasy ihany izy ity fa hoe resaka bizina. Zany hoe inona no tena maha-havanana antsika. Ra tena atao ilay hoe integration regionale, globalization sy ny karazany aiza ny lalana tokony aleha hoe tena misy ny avantazy comparatifa tokony hilofosan'ny malagasy?

Valiny: resaka mpams!!

Hazavaiko: Tsy otran'ny tena mety hoe service mety ho ilain'ny olona rehetra ve ny hoe famosaviana/mazi-mazi?
Tsy voatery hoe zavatra ratsy ihany fa na zavatra tsara koa aza. Izany hoe ilain'ny be sy ny maro, ny ratsy saina -- olon-tsotra -- sy ny mopera sy masera.

Eritrereto hoe vitantsika ny mandatsaka havandra ohatra na hoe varatra... potentiel afaka mandatsaka orana koa zany tsika => foana ny hain-tany, misaotra anao ny vahoaka any Atsimo!! 

Sady tonga dia misy effet multiplicateur be io an... ohatra hoe alatsaka atao tondra-drano be mintsy dia avy eo  manao barazy sy hoe generation hydro-electricitE => sady mora no abondant ny jiro electrika =>  base de developpement  sy industrialisation!!

Dia in koa: mba hitazomana ny avantazintika, izany hoe ny "mpams-driven economy" dia mila supporter-na sy hoe ampitomboina be ny capacite an'ny mpams eto amitsika  => sokafana ny oniversitE sy ivon-toeram-piofanana momba ny mpams. Ampitomboina ny spesialitE: manomboka hatr@ fanaovana maso be tsy mahita, fandatsahana varatra... ka hatr@ hoe tsy tafaverina an-tanindrazana tsony (le vazah milliardera ireny no tiako hazomina any @ io an!!).

Satria: i Tokanono (mpanao ody gasy an'i remenabila) izao... ra ohatra ka mila ny service-ny ny fanjakana dia... ahoana re ee?? 

Bizina milay be ity lelika ee...  Tsy tokony ho menamenatra @ maha-malagasy antsika isika ary tokony hampiasa izany ho @ fampandrosoana ny firenena!! 
Ny olona rehetra eto ambonin'ny tany dia client potentiel doly... mety matsako ny coke sy fanta 

fehiny: aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!! 


Far west... Afghanistan 2.0

Nalaza be tampotampoka tao le resaka dahalo o?
efa betsaka ny voasoratra... en bref, president zero i tgv fa na ny resaka securitE zay hany mba nantenaina taminy aza tsy voa-maitriser-ny. Oops tsy i tgv manko e, ny tafika sy ny mpitandro filaminana malagasy... tena hoe mandany vola-mpanjakana fotsiny fa ra tsy grevy ihany tsy hain'zala ny mandamina sy miandraikitra azy... aza hitako ka ho hody maina i Lylison afaka 6 mois any an'ala!!! pire encore, mety lasa lery ndray no commandant an'ny dahalo any 

kamo be ah anoratra fa ny tiako ho atao t@ ity lahatsoratra ity dia ny cotE somary ironique, mahaliana ary mampiomehy @ le kozy...

1- Far west...
otran'ny le tena @ western ireny zao no fieritreretana ny zava-misy any atsimo an?? misy jiolahy mpandroba, mamaky trano (sy banky?) ary mangalatra omby... dia mampiasa an'le basy @ western ireny ve??
sao dia mba tokony atao mitovy @ ireny ihany koa ny solution?? hoe asiana valisoa izany, reward ra mahatratra an'le wanted?? 
Sheriff  Lylison, listen to me!!!

2- sa hoe Afghanistan?? 
ra ohatra ka mampiasa kalac ny dahalo sy mpitandro filaminana dia tena otran'ny mitovy @ Afghanistan sy Iraq indray izany, moins an'le hoe misy bomba mipoaka isak'ze mihetsika...
tsisy solution evidente, fa dia mifandona eo mandritra ny ela be dia avy eo mi-negocier @ Taliban @ farany satria lany ny saosy nefa tsy hita ze vokany...

3- Solution malagasy: vitsilia the shit out of remenabila!!!
tsy mety nga ra atao otran'le kilalao vitsilia ireny ity kozy ity... pousser-na re-pousser-na izy hiangona @ toerana ray... dia asiana barazy hisamborana an'ze mitady hiakatra na hiidina... otran'le tany Iraq ireny koa le hoe asiana "green zone" izany le toerana azo antoka fa tsy ho tafiditry ny dahalo... dia @ zay mba afaka miaina ny vahoaka...
Ny olana nasionaly anefa dia... tsisy makobo hoe iza no dahalo sy tsy dahalo ee... aiaiaaaaa casse-tete be izy zany!!

4. zany eo ihany fa...
rahoviana zao ny avoko productions sy scoop digital no hamoaka ny film remenabila?? tena mety atao film an 
tonga dia bizina tanteraka, marque deposEee ny remenabila: poster remenabila, fiankanjo sy T-shirt remenabila, boissons remenabila,... farany dia... candidat filoham-pirenena remenabila... ra tsy izany dia coup d'etat remenabila!!! 

ny iPhone 5 ve izao tsy efa tokony misy remenabila-app??


How is she??

Tsy haiko ity na phenome vaovao na ahoana fa t@ ity taona ity izany boky anaki-2 izay no hitako hoe tsy mampiasa hoe "lelah" intsony ny hoe filazana ny hoe olona iray @ toerana tsy hanaovana fanavahana @ lelah sy vevavy. Sarotra hazavaina @ teny gasy aloha satria hoe ny antsika dia hoe "izy" dia tonga dia neutral be fa hoan'ny teny vahiny zany dia ny hoe "il"  na hoe "he" foana no nahazatra hatr@ zay hoe refa tsy mila havahana le izy fa mety ho lelah na vevavy no eo @ toerana dia "lelah" no ampiasaina... dia manomboka izao izany dia "vevavy" indray no ampiasaina ve?? asa, tsy haiko.

Mety hoe izao anga no fiezahana hampitovy zo ny lelah sy vevavy.  Ny mpanoratra an'reo boky aloha tsy feminista ee satria somary teknika/siantifika ary hoe tena natao hampitana hevitra sy fahalalana le izy... Lasa sujet de conversation lava be moa le izy refa nolazaina t@ namana vevavy avy eo... tsy hiteny betsaka ah afatsy ny hoe: hita eny ihany le... fanaka malemy ee

Dia... joincidence...  za zany no nanao ny hoe "motivational speech" hoan'ny mpianatra any @ lycee ireny hoe carriere sy zavatra azo atao et avenir en general hoandrizareo ra mieritreritra ny hianatra an'zao sy zaroa ry zareo... dia nanazava be sy tena hoe niangaliko fatratra mintsy le izy.  Za @ io tena saina tonga be hoe an han, ary tena talentako ity izany an. Tena otran'ny inspirE be ny zaza... tampotampoka teo tonga dia nisy sipa kely nanitsy be hoe "she -- she" ... tsy haiko na ahoana fa za aloha tsy nieritritra hoe manambany vevavy na otran'zany fa efa hoe normal ny fampiasana hoe "he" izay otran'ny manondro hoe lelah le izy... tena nokihan'i ra-sipa ankitsirano be teo ah, nefa mbola vao kilasy de seconde na premiere zany an...

Dia zay ee... zay ah angamba teo @ fiainako vao nahatsiaro tena hoe wow!! tokony anongo tena kely hoe diso sexist loatra ve sa hoe ahoana... sy hoe tena saidakatra kely mitsiny, sady tsy mba azo nanaovana blagy akory le izy fa dia tena tsy maintsy niala tsiny... en tt cas, mameno fanatenana lehibe ny fahitana zavatra otran'zany @ le generation zandriny hoe tena efa tafita ny hafatra hoe tsy matahotra izy manakihana sy mampiseho ny "zo-any"...

Bref, mety ho sarotsarotra ny fiainana any @ futur... sarotra be ny hahitana soumise marina moa!!

voilu voilo

 


supercalifragilisticexpialidocious

za koa, za koa!!!!
hatr@ zao mbola tsy nahita na zavatra iray aza t@ olympika... dia mba nijery t@ youtube hoe mba nanahoana tokoa ary ny ouverture ve mba nilay??
ouh la la hay ve ny mary popins ka british ee?  supercalifragilisticexpialidocious!!
andramo vakiana mivadika ozy le ol zay ra favo enao dia hoy ah hoe... tsotra kely: suoicodilaipxecitsiligarfilacrepus!!
eo @ 1 segondra dia haiko,, moi intellizan 

naika hijery ah hoe mba firy aza ny lahatsoratra naricisita nataoko tato... kay tena gidraka be fa efa maromaro ihany ny voasoratra tato hoy ilay kamo hanisa!!
dia mba manetsetra kely hoe misaotra anao ry blaogy... fa betsaka ny resadresaka, vetsovetso ary rediredy natao teto nampiala voly tanteraka... betsaka ary tena hisaorana an'A/tra ny nahafantarana namana teto fa tena fahasoavana tokoa satria ra tsisy an'itony dia mety tsy ho impossible be...
otran'ny hoe kiss goodbye be zany le izy lol kanefa tsy dia izany loatra fa mba te hanoratsoratra fotsiny eee... tsin tsin fa vôknin... lahatsoratra atokana hoan'ny fialam-boly... no sady iza no mahita kle efa manakaiky ny 21 desambra fara andro...

Dia zay eee, cheers to you my baby fialam-boly,

siempre siempre,

-simp


Tu pues le chat, tu pues le chat, ce n'est pas ta faute!!

Otran'ny mijery film adolantsento  mitombo izany ny mahita an'le feuilleton ra8-tgv. Bon, miala tsiny aloha ra otran'ny hoe maka partie-pris @ ity teniko ity fa... lasa diso patetika loatra kosa i tgv kle!!

Tena kozy ee, i lalao ve ranga dia atahoran'lery ny fidirany tsssssssssssssssss sa dia tena hoe principe tsisy dikany hoe halako bika tsy tiako tarehy tsotra izao. Dia mody hoe tena hita maso ny olona tena misakana ny fahamahana krizy kanefa hitamaso be koa ny fikoropahana ra vao mihetsika kely i dada... dia ny hiafaran'ity kozy moa izany dia hoe lasa hoe tsy hifarana tsony ny krizy satria... a chaque fois mieritreritra fa en paix i tgv dia... tsotra fotsiny ny adin'i dada, mody mi-book ticket @ flysaa

dia tena hoe totozy sy saka no fetra!!

au moins aloha mba nampiseho ny tena foto-pisainan'ny roa tonta iny kozy iny ee. i ra8, tsy manaiky lembenana ary tsy maintsy hanao di-doha sy hoe deux pas en avant foana ny mouvement an'lery hoe hafa ny hasehony dia efa 3 na 4 moves any aoarinan'ny zay no tena misy azy... i tgv indray dia hoe tsy manana intentions velively ny hoe handamina an'ity kozy ity fa tena echec et mat tsotra izao ny azy ny tanjona dia tsy inona izany fa fifidianana izy irery...

zavatra lehibe anakiray nisongadina ihany koa dia ny hoe... tena tsisy dikany ilay hoe gouvernement d'union nationale sy ny hoe fiaraha-mitantana... fa na ry botozaza pierrot, vpm na ry omer beriziky, pm, dia samy tsisy mahabaiko ny olona eny @ douane... theoriquement anefa dia ny PM no tompon'andraikitra ny administration sy ny hoe securitE eo @ firenena fa ny filoha dia ny hoe ra misy famoahana tafika ihany vao tompon'andraikitra... bref, izao le hoe fanjakan'ny baroa ee. Gasy tonga eto antoerana aza moa expluser-n'zala koa, tout est permis izany. Aiza no hisy an'zany eto ambonin'ny tany? gadrao izy ra tokony gadraina fa  sinon tena "anticonstitutionelle" be zany... mais bon, ny lalana mihatra mitsy no efa tsy hay tsony hoe ze revirevin'zala ihany no atao hoe lalana. Ka na hitory aza i lalao izao dia tsy fantatra tsony hoe i tgv ve no toriana sa i beriziky sa ny minisitry ny interieur sa douane sa iza???

aiza moa no tsy hatahotra mafy an'i dada, zao ve no atao dia ahoana ary i lery no tsy hamaly faty refa azony ny fahefana?? dia zay ee, tsisy dikany ary tsisy azo antenaina ny fihaonana sy ho fihaonana rehetra mbola hoavy araka ny efa nolazaiko...
ny tena marina koa anie ra hoe nisy fifanarahana aza dia... vao tonga eny Ivato i tgv dia hiova hevitra hoe tsy rarahako ze nosoniavina tany eee
satria ny an'lery anie mbola tsy miainga makany akory izy dia efa manombana ny kabariny sy ny hoe resaka PR rehetra ny ekipa teknikany ee... hoe mody makany tsika fa efa reto no position sy hoe zavatra tiantsika ho azo. Ka ra tsy azo ireo dia efa izao no replique officielle omena... ka ina ary no antenaina @ izany... sady tsy azo forcer-na koa izy ee, efa nolazaiko hoe mbola izy zao no role, avelao ho entiny ny bolina mandra-paha lavo azy @ torony

Dia ahoana ny tohiny?

Ny sadc moa efa mafiloha tsy laitra atoro... nefa mba efa fika milay be no nomeko.

Zao dia *fika iray* sisa no azo antenaina... hoe mety hampitony sy hampilamina an'ity tetezamita ity:

rehefa @ fihaonana manaraka, dia mbola mitombona ihany le kozy hoe aza avela misy mody ra tsy efa vita ny fifidianana... fa ra ohatra moa ka tsy mety @ sadc izany dia... tsotra fotsiny, ireto no tokony atao:

* fihaonana tete a tete ra8 sy tgv: miboridana mandritra ny fivoriana iray manotolo
misy an'le kozy hoe refa matahotra olona enao manao kabary na hoe presentation/public speech dia eritrereto hoe miboridana ny mpihaino... @ izay izany dia tena sincere tanteraka ny resaka.
optional: Jacob zuma miboridana!!

* tsy misy mahazo manoka-bava mandritra ny negociation fa geste an'ny moana sy hoe persuasion @ maso sy ratsam-batana ary telepatika no ampiasaina... @ izay ra tsy mifankahazo tsara tsy azo ekena... tena hoe forme faran'izay basic indrindra @ communication izany no ampiasaina...
Dia omena propositions hifidianana izy mitsam hoe izao sy izao no options azon'lisany fidiana... fa le fika hoe izy ihany no mandamina an'ze hodinihana tena tsy poinsa mihintsy. Sady mandany andro be no efa hita fa tsy hifanaraka mintsy...

* tsy avela mody izy mitsam ra tsy efa vita voasoratra ny hoe joint communiquE hitambarana: izany hoe izy mitsam sy ny sadc dia samy manaiky an'le izy... na in na in zavatra mitranga ao hoe ra misy accords moa dia soniavina iny dia tena tsara izay. Ra tsisy accord dia mba hoe io joint communiquE io izany atao...
Dia refa tonga eny Ivato i tgv dia iny communiquE iny no lazainy ary referer-na @ iny doly ze be fanotaniana. Refa manao appel ao @ magro na manao interview any i dada dia iny ihany koa no azony lazaina...

Ny tena hoe vahaolana tena hoe *neutre sy centriste* dia tsotra fotsiny hoe:
Tsy mahazo mody i dada, mametra-pialana zao dia izao i tgv ary omena an'i beriziky ny baolina.
Atao ny legislative dia ry zareo no mandinika hoe ahitsy ny constitution sy hoe anao amnistie vaovao ve sa tsia. Dia ireo zany no mandinika ny hoe mahazo mirotsaka ve i tgv sy i ra8 (oui, i tgv koa mila amnistie -- ra tsy izany dia ho wain be eo refa tsy izy tsony ny prezida...)... ny tena tsara dia hoe 2ans apres an'ny fifidianana legislative vao atao ny fifidianana filoha, mba hoe atsangana doly aloha ny institutions rehetra (ohatra hoe haute court de justice), @ zay mba misy balise sy hoe tsy manao ze tiany hatao tsony ny filoha, no koa hoe mba mi-alterne tsara ny hoe saison electorale -- mahazo early warning ny mpitondra hoe heverin'ny vahoaka fa tsy mahavoa nareo ra resy @ fifidiana legislative izay 2taona mialohan'ny fifidianana azy (mety mampihena krizy izany)...

atsipy ny vilia vaky


Remenabilisons urgently plizy!!

Nahita an'ny carricature an'ny Lagazette-dgi androany ah zany dia nieritreritra hoe manina tokoa moa??
Ca peut pas etre pire... sa ahoana ozy nareo?
Tena hoe tsy avela mody tsony i ra8 sy tgv ra tsy mifanaraka... en fait tokony faciliter-na mihintsy ny haha-mpinamana azy... alefa any  @ jungle misy bibydia dia tsy maintsy mifanaraka ra tsy te ho faty... na tena hoe nosy kely  tsy afaka hilomanosana ee... dia manao robinson crusoe ao izy mitsam

En fait, efa ho jiolamboto ihany koa manina moa ra tena atao otran'ny le @ film ireny mintsy ee? tena kidnapper-na i ra8 sy i tgv... satria ra ho tsy avela mody fotsiny izy manko dia tena ho incident diplomatika goavana ary mety tsy sahy hi-riska i Seychelles. Fa ra-kidnapper-na izy dia mba mody manao victimes koa ry zalah. Tena atao operations CIA covert milay tsara izany... ny torohevitro eto hoe angalarina izy mitsamy dia tonga dia atao an'ireny "coma induced" ireny, izany hoe toranina dia tsy velomina ra tsy efa milamina ny kozy eto @ tanana hoe efa voafidy ny filoha vaovao eee, constitution milay sy eken'ny rehetra ary efa mipetraka doly ny institutions rehetra... refa taitra izy mitsam vao hoe oay lelenke, are we in the future?? 

refa namaky ny ambin'ny gazety anefa ah dia  niova hevitra tampoka refa nahita an'le hoe lasa nanao conference de presse ry Voninahitra mibabo ankahibemaso tandremo ny manger-ko fa tsy azo ovaivaina any an?? dia hoy ah hoe eeee tsy manakivy ah fa ra tsy ho eo intsony i tgv sy/na ra8 dia vao mia koa ho pira ity kozy ity. Dia tena tsy mba misy olona afaka mitondra/mitarika ka mba azo ianteherana intsony ve eto @ ity firenena ity?? Tsy aleo averina @ izay i deba?? 

Dans tout les cas, araka ny efa nolazaiko dia ny hoe tourisma fotsiny no alehan'i ra8 sy tgv any Seychelles fa tsy hisy zavatra hivoaka any... En fait, ny tena antony tsy mampilamina an'ity kozy ity hatr@ voalohany dia tsotra fotsiny hoe: tsy mba neutre ny miaramila sy hoe tsy mba mitandro ny fiandrianam-pirenena ee... fa dia matahotra ny valifatin'i ra8 mangorohoro mafy mitnsy dia voatery tsy maintsy miaritra sy manopo an'i tgv... tsy mba otran'ny hoe any Ejypta, tena hoe manao di-doha sy tsy mandrara ze kozin'ny politisianina fa tena hoe ny repoblika sy ny fitsarana/lalana no ataony... dia lasa indray ny saiko nahita an'ilay sary mandende eraky ny facebook ito:

Are you f.ckin kiddin me??
miaramila vaotany be otran'zao ve dia mampikatso ny zava-drehetra eto??
Ze tsy mihomehy @ izao kosa dia efa tsy norma tsony ee... tena hoe miaramila vaotany, vendra-po 

Dia izay no mahatonga ny lohatenin'ny lahatsoratra hoe sao dia tokony mba antsoina aza i Remenabila ho hanavotra an'ity firenena ity?? i lery manko no tena role ny fahitako azy satria nalefa doly izao cemgam e, etat major ee, ministra defense sy zandarmaria eee... voafainty ary nody maina doly...  nefa  ze nanao coup rehetra teto toa namboarin'zala tao anatin'ny 1 andro doly. Na combo: coutiti-rasarla-kotonandra aza nanao sali fotsiny dia nirava...

En fait, tsy efa hero national mintsy ve i Remenabila zao ozy nareo?? Tokony alefa manao entrainement any @ lery doly ny miaramila gasy  mba mahita kombaka tena izy. Lany vola fotsin mandefa andry lerony any Frantsa anao ecole de guerre a ecole de guerre. Tsssssssss tena oul tssssssssss...  @ i Remenabila cours gratuit, mianatra ny fikafika sy fomba fiady, camouflage sy ny karazany... bandy milay lery ee. Kozy iny tsy ho lany ra mirotsaka?? OMG: nahita fika milay be ah, tokony manangana antoko antsoina hoe Remenabila i Maihol (ra te ho lany)... ny teny hoe remenabila izao dia efa lasa synonyme an'ny hoe bandy favori. Ohatra: lery koa tena remenabila an... remenabilesque, remenabilisime: midika hoe awesome, mampiseho tarehy sy endrika remenabila izany tena milay... misaotra anao ry remenabila!!! 

Dia izay ee, soit ndao karamaina i Remenabila hanao coup tena izy... soit ndao karamaina i Remenabila ho atao lehibehan'ny tafika... fa tena any @ i lery ny lakle an'ny fivoahana @ izao krizy izao... Manina moa ra i Remenabila mintsy no atao prezida eee... mino ah fa hisy fivoarana goavana eto ra lery no mitondra...  dia hisy hiteny nareo hoe le adala be ity, dahalo ve no asaina hitondra? Dia hoy ah hoe, voalohany ndrindra iza no tsy nisam teto ze nitondra teto sy ny hoe tsapako fa tena manana potentiel be i Remenabila ary ra omena azy ny responsabilite hoe hitarika ny firenena ary izy no rola, mino marimarina ah fa hahavita zavatra izy... averiko indray: ca peut pas etre pire!!! 

koa manetana antsika ary... Remenabilisons
SADC, hear me out!!

rombo rombo rombo


botrabotraness

Ny hoe lalan'ny fahamatorana hono dia hoe tsy maintsy mandalo phase tsy hay azavaina ny olona fa dia ekena fotsiny hoe izany no izy mba hahatonga azy @ tena hoe izy -- true self -- satria na ho ela na ho haingana dia hiseho eny ihany ny tena izy aminy araka ny efa voasoratra (@ soratra masina)  lol lava be sady lalina be zany fehezateny izany an... parler pour ne rien dire ozy le olona izay

Tsy izany fa tonga @ lesona inevitable ah hoe ny botrabotra no toe-batana tian'ny olona kokoa. Asa, mety hoe misy hifandraisana @ hoe fahaterana izy io -- tena efa matotra ah zao   taloha ah zany hoe tena categorika hoe **no fat chics** ireny tena hoe top model ireny no tena @ le oui!! [akatony kely ny maso dia ampiasao ny imagination ]
dia tsy hay tsony fa tampotampoka tao lasa otran'ny hoe skil be sy tsisy jerena wazy tao ny top model... mety hoe le standard andrizareo koa no niezaka ho skil ee... fa dia lasa hoe tsy milay ndray ny model kle... sa hoe za no lasa hendry sy matotra  metimety kokoa ny hoe botrabotra

Eo  @ kolotsaina malagasy aloha dia efa nozarina mihintsy hoe ny "taviny sy volony" no idealy ra mbola sipa mpitovo enao izany... refa manambady indray enao ka hoe skil dia efa eee lazain'ny olona hoe mijaly ampanambadiana. Izany hoe tsy misy mitsiriritra ny fiainanao fa vao mia ara misy mitsetra hoe ee dia mijaly ity zanako vavy  donc, ra gasy enao ka hoe eto madagasikara dia... mitotoa koba hatavy!!

dia  mipetraka ary ny fanotaniana hoe tsara tokoa ve ny botrabotra ee?? d'abord in aloha no atao hoe botrabotra ee?? aiza ny seuil ilazana hoe obese ity olona ity sa botrabotra?? sa hoe ze sipa manitona fotsiny dia botrabotra par definition
Misy ny hoe body mass index... io izany dia karazana mesure kely handrefesana ny hoe sahan'ny tavy @ olona iray... izay miankina @ hoe halava, lanja, taona ary ihany koa hoe lelah sa vevavy... Ny fetra dia hoe ra latsaky ny 18.5 ny score-nao dia skil enao izay. Manelanelana ny 18.5 sy 25 ny atao hoe sipa milay. Manelanelana ny 25 sy 30 ny botrabotra ary mihoatra ny 30 dia hoe aorony ny entana

Tsindrio eto ra handrefy ny tenanao ianao.

Dia samia mandini-tena @ izay hoe manin ary no tsy mba faly amiko sy miferin'aina foana vao mahita anah ity vadiko ity... na hoe manina no mihena andro aman'alina ny isan'ny tsssssssssssss tssssssssstttt azoko tato ho ato.
Ny valiny dia tsotra:
* soit enao skil, latsaky ny 18.5
* soit enao obese, mihoatra ny 30
* soit enao diso soira loatra

ary superficial be za zany an... efa hoe ny beaute interieure no mi-compte naaaaaannn mba ho fahasambaranareo mpamaky (araka ny mahazatra) no hanolorako an'ity lahatsoratra ity
za alou score 26, i'm safe
ze mihoatra ny 30 ny score tsy mahazo mamaly eto *censored* za hirara: jereo eto.
vazivazy irain-dalana fa tena serieux io an, ndana manao regime sy mijery dokotera ra mihoatra ny 30... sao dia mahazo lahatsoratra RIP eto vao hoe ahoana sy ahoana ny  @ ahoana.


Huge crush!!

ho ampidiriko ao anaty list ve ny fianarana an'itony??

milay be!!

yes-no-maybe???


Shut the front door!!

Vao mahita an'le resaka ra8-tgv  @ gazety ah dia manopa any antsaina hoe aza manakotaba orinasa an!!
hita fa resaka mandany jiro fotsiny le kozy??
tsy hitako mintsy izay anaovana safary be  @ le izy... zavatra efa hita hoe tsy hisy zava-tsoa hivoaka akoriny ao... ampahafirin'ny fivoriana sy fihaonana efa natao io??
Tsy ilana hoe mpaminany na hoe mpahay resaka politika akoriny dia efa fantatra ny valin'ny fihaonana:

* soit, samy manao marchandazy be dia tsisy resaka vanona fa lasa mody i tgv miteny hoe tsy afaka mifanaraka @ olona tsy mijery ny tombotsoam-bahoaka... i ra8 mody maina sady mikabary hoe tsy hilefitra @ putsista ary tena i tgv no fototry ny olana misy eto @ firenena... dia ny sadc mody miteny hoe betsaka ny zavatra nifaneken'ny roa tonta ary hoe hotohizana @ manaraka ny fandrafetana ny fifanarahana farany.

* soit, misy faux accords  izay mody eken'ny roa tonta izay hosoniavina @ 2 maraina. Ny votoatin'io fifanarahana dia miteny hoe an'i tgv daholo ny fahefahana rehetra ary tsy lavina ny fodian'i dada rehefa milamina ny tanana... somary saromana fehezanteny diplomatika sy teknika compliquE tsy azon'ny vahoaka... fa ny tena votoatiny dia hoe i tgv no rola ary izay tian'i tgv ihany io na hody dada na tsia.

voila!!
tsy ilaina io fihaonana io... Efa noteniko hatrany ity hoe na i ra8 manaiky ny terme an'i tgv dia mi-pezy azy sy mandresy  azy @ lalaony... na i ra8 maka tslem, mamela malalaka an'i tgv, miandry an'lery hanitsaka  ary handrendrika ny tenany wazy eo. Ra mahatsiaro tena vulnerable lery wa dia tsy maintsy hitandrina be foana, fa refa mieritreritra izy fa hoe "en paix" izay vao tena hivoaka ny tena natiorany...

Ny tena anton'izao rehetra izao moa dia tsotra fotsiny hoe i tgv no rola eto @ tanana ary efa tena kely dia kely ny "bargaining chips" an'i ra8. @ izao ora izao dia tsisy afatsy zavatra iray ihany no tena antony mahatonga an'i tgv hi-negocier. Tsy inona izany fa ny hoe nanome avantazy bedabe anazy ny tondrozotra ary mitondra any @ ilay faux elections kendrehan'lery mafy ka manao izay azony atao izy mba tsy hialana @ io tondrozotra io sy hoe mahazo ny caution an'ny firenena lehibe ivelany...

Ny soso-kevitro aloha dia hoan'ny sadc mintsy hoe ny fomba nanaovandrizalah an'le mediation mihintsy no tsy nety hatr@ voalohany. Tokony natao hoe "package deal" no omena ny roa tonta @ le negociations. Izany hoe tena ampahafantarina ny roa tonta mihintsy hoe tsy maintsy manao concession doly eto. Ka apetrao par ordre de priorite ny zavatra tena tinareo indrindra ary ihany koa ny zavatra tsy tinareo indrindra. Tsy maintsy misafidy fa tsy hoe samy midongy otran'ny zazakely eo... Ohatra:

* tgv:

zavatra tiana indrindra:
- ho filohan'ny hat, ary ekena sy antsoin'ny filoham-pirenena rehetra hoe Mr le president
- ho filohan'ny repoblika ao arinan'ny transition
- ho faty ra8
- ao arinan'ny fifidianana i ra8 vao mody
-  @ 2012 ny fifidianana

zavatra tsy tiana: 
- ho i ra8 no filoha voafidy eo
- ho tafody ao anatin'ny 1 volana i ra8
- hisy leader iray hisongadina  vaovao ary lasa greve general ireo greve antsisimbala rehetra ireo 
- ho resy @ fifidianana

* ra8:

zavatra tiana indrindra:
- ho lasa filoha ao arinan'ny transition
- ho tafody, na hoe mametraka tongotra ao Tana ASAP
- ho amnistiE/afaka mirotsaka @ fifidianana
- ho zaraina misasaka fa tsy 11 mouvansa izany ny fahefahana @ transition
- ho afaka hamory vahoaka eo @ 13mai
- ho rembourser-na doly ny fananany nosombaina sy nogejaina

zavatra tsy tiana:
- tsy afaka hirotsaka  ho fidiana
- ho gadraina ra vao tafatotona any @ tanana
- mbola i tgv ihany no lany filoha manaraka
- tsy afaka manao politika tsony

Dia rehefa manao negociation izany tsy atao direkta fa antonona tsirairay hoe ahoana manao concession @ point voalohany tianareo indrindra nareo en contrepartie  i ra8 manaiky ny hanatanterahana ny point voalohany tsy tiany indrindra. Izany hoe i tgv manaiky tsy ho filohan'ny hat ary i ra8 manaiky ny tsy afaka hirotsaka ho filoha intsony... dia io zany no negocier-na ohatra hoe atao filoham-boninahitra i tgv ohatra  fa tsisy pouvoir, PM neutre  ifanarahan'ny roa tonta dia samy manana ny VPM avy ohatra. i Ra-8 ndray tsy mahazo mirotsaka fa mahazo manohana candidat na hoe tsy mahazo mirotsaka @ ity fifidianana ity fa afaka mirotsaka @ fifidianana manaraka... otran'zany eee... 

Ny tena cle eto izany dia samy aseho @ roa tonta ny zavatra tena sarobidy @ roa tonta dia avela izy reo no miketriktra an'ze combo tiany eo... otran'ny hoe any @ hotely hicomandy kaly ee... fa zany hoe tsy maintsy mifidy fotsiny...

Ny element iray tena tsy ampy @ zavatra ataon'ny SADC ihany koa dia ilay resaka hoe "penalty"  @ tsy fanatanterahana ny izay nifanarahana. Io izany dia tokony tena atao clause mazava ao @ ilay contrat  mihintsy hoe ra vao tsy tafody ao anatin'ny nifanarahana i dada ohatra dia automatiquement voaroaka iray isan'andro ny ministra tgv ary mivadika quotas an'i dada avy hatrany mandra-pitoton'lery eto... ohatra fotsiny io fa negocier-na, basEe @ ilay lisitra-ny tiana sy tiana teo ihany, dia asiana negociations... Na hoe ra vao tsy manaiky ny tsy hiala ho filohan'ny hat i tgv dia voafafa automatiquement ny peine an'i dada ary afaka mody sy mirotsaka avy hatrany izy... Ze minisitra absent @ conseil de ministra na hoe manao insubordination in-2 misesy dia tonga dia voaroaka avy hatrany ary mivadika quotas an'i tgv... otran'zany ee... ra vao manangona olona hirotaka na manao propos hita fa atteinte a la surete de l'Etat ra8 tonga dia mivadika quotas an'i tgv avy hatrany ny antsasaky ny representant an'i ra8 ao @ CENIT...

Ny tena point important be dia ny hoe tsy maintsy ratifier-na eny @ parlement io fifanarahana vaovao io ary tena atao lalana mihintsy. Izany hoe tsy azon'ny policy, miaramila, mpitsara anaovana beloha...

zay eee,
ny ankoatran'zay dia hoe aza mandany andro manao fivoriana sy sommet mandany andro sy vola eo fa aleo i tgv ho lany... dia mba ny krizy manaraka ndray no tonga dia preparer-na tsara ny fomba handravonana azy... Tena ol tssssssss tsisy atoriana!!

atsipy ny vilia vaky!!

 


sense of malagasiness

mahita an'le fandaharana tele-realite hoe masterchef ah izany dia tadidiko tampoka hoe ity ny favorite show an'ny malagasy ary hoe size iraisana nifampiresahan'le rahaliko maromaro refa mba tafiaraka... hoe ra @ masterchef izao ity kalin'la ity dia tonga dia tsy poinsa... dia mba lasa nijery hoe in marina ary ity masterchef eee... dia refa nijery ah dia tena interessant be sy hoe addictive be le kozy fa ny tena nahatonga saina anah dia hoe misy resaka identitE be @ le kozy... hoe ny taranaka italianina dia tonga dia havanana @  resaka pasta ohatra. Otran'zany koa ny karana dia resaka spice, dia zay ee sinoa ee meksikana sy ny karazany... 

dia mba lasa ny saiko hoe ary ny gasy moa izany mba ahoana??? nieritreritra ela be teto ah fa tsy hitako mihintsy hoe inona kay ny hoe kaly hoe tena azo lazaina hoe mamaritra ny gasy ee?? hiteny nareo hoe vary... tsia an... refa atao ny fandinihana dia minam-bary doly ny ol rehetra eto ambonin'ny tany. Sady resaka kaly koa no tena tiako fantatra e, ny vary tsin otran'ny hoe resistance zany sa in no filaza azy... dia in ozy nareo ny valiny: TSISY!!! nieritreritra ah hoe ravi-toto sy henan-kisoa ve?? tsy marina satria ny congolese ( sy cameroon??) koa dia mihinana ravi-toto tsara mintsiny... dia gaga fotsiny ah hoe aaah isika izany anisan'le firenena tsy malaza na @ in na in afa tsy ny coup d'etat!!

Efa noresahako ihany io hoe tsy fananan-tsika identitE io sy hoe ilay resaka patriotisma mihintsy no tsy mba misy sy tsy nampianarina antsika ny hoe hirehareha fa malagasy ary ihany koa hoe tsy misy voninahitra lehibe indrindra mihoatra ny hoe ho faty hoan'ny tanindrazana sy mpiray tanindrazana... bon, marina aloha fa za tsy  expert @ malagasiness et encore moins @ resaka nahandro malagasy fa mba nieritreritra ah hoe @ izao vanin'andron'ny vaintisisy zoain izao dia tena joincidence milay hampidirana resaka ny hoe inona no hitako fa mampihavaka ny malagasy. Naika hataoko tagy tagy ity fa saingy hoe noho antony tsotra hoe efa tsisy mpiblaogy intsony izao dia raiketiko za rery nenah  somary ironika sy hoe miampanga tena ihany koa fa dia tsikitsiky doly sy tsisy tezitra an!!

izao ary, ny malagasy an, dia:

*  tia mitanisa ny razambe-any, 4 na 5 generations fara-fahakeliny io an. Ary rehefa miresaka dia tsy maintsy mampiditra ny fihavanana @ olona iray ra misy idirany ny resaka. Raha mandalo tanana moa ianao dia mazava hoazy fa tsy maintsy ampatsiahivina anao ny hoe i an sy i an no havantsika ato... asa, io ve ilay atao hoe fihavanana malagasy sa inona fa dia ny arabo ihany no hitako mpanao an'ity hoe tsy maintsy fantararina ny zafipaladian'ny cousin du cousin du cousin du cousin du cousin an'ny bebean'ny dadabean'ny zafin'ny mpirahalahy... isaorana manokana eto aloha ny findaymaranitsaina fantatra @ anarana hoe Smartphone fa dia azo apetaka tsara @ nedala  ny tetiarana ary dia tonga afaka jerena rapidapida refa sendra ny laza adina tsy ampoizina 

bizina vaovao hoan'i sefo: alefaso ny familytree.com malagasy!! 

* tia manaja ny razana enao. Manala satroka eo anatrehan'ny faty. Raisinao ho toy ny tenin'A/tra mihintsy ny hafatry ny maty. Ohatry ny hoe tsy mba diso ary tena tonga lafatra izy ireny fahavelony. Ary ra misy zavatra mampiady sy hoe tsotsoro mamba isarahana dia matetika misy hifandraisana @ maty izany sy ny hoe "fanaovana tsinontsinona ny any ampasana".

*  vary vary vary... minam-bary in-3 isan'andro... efa noteneniko teo io fa tsy dia tena malagasy be mankaiza... fa ny tena malagasy?? izay zavatra tsy vary rehetra (ankoatran'ny hanikotrana) dia lazaina fa loaka daholo eny fa na hoe pie azany  na hoe ovy frity na ordeuvre, lasopy...  fantatrao fa mbola tsy vita ny kaly ra tsy efa nivoaka ny vary...

*  tia mamerina ny fehezan-teny vao avy nisy niteny ianao
> mandreraka mianika tendrombohitra
>> hitako, mandreraka mihintsy ny mianika tendrombohitra
ny niveau de sarcasm anao dia -3,, tsy manana humour fa dia raisina serieux be sy attaques personnelles doly izay zavatra lazain'ny olona. 

* ra any ambanivohitra ianao dia tia mandray olona be ary raisinao ho toy ny "offense" ra ohatra ka tsy mihinan-kanina na hoe misotro kafe ao aminao ny vahiny eny fa na dia hoe vao avy nikaly tao @ havanao izay mipetraka ao @ trano 5 metatra miala ny tranonao aza izy...

* ra any andrenivohitra enao dia ny loisir sy passe-tps favori anao dia ny mijery dvd film karana sy ireny serie telenovela ireny, izay nofaina avy eny @ sisin'ny arabe...

*  boundaries, privacy: those words mean nothing to you!! 

*  passive be enao ary manaiky ny zava-misy toy ny hoe izany ny sitrapon'Atra... tsy olana aminao izany hoe delestazy mandritra ny 3 andro tsy akijanona izany. "Tapaka ny jiro" izay no mba reaction-anao.
ra kilasy moyenne na riche moa ianao dia manana groupe electrogene kely. izay alefanao  refa tapaka mihoatra ny iray andro ny jirama. Tsy hoe handefasana jiro anefa izany fa hoe hamahanana finday ary indrindraindrindra hijerenao ny dvd-anao izay tsy azo tapahina!!! 

* tia "entertainment" ny malagasy.
tia mihirahitra sy mandihy... ra vao misy olona 2 na telo tafavory @ anaran'ny ray ka misy gitara eo anivony, dia tsy maintsy mirevirevy izy izay...
Any ambanivohitra, mety misy trano tsy dia zarizary loatra ary tena ilaina fandokoana maika dia maika, tafi-trano poinsa mety ho passoira be... fa na izany aza dia misy satellite-tv izay hitanao avy eny ivelany!! 

* raisinao ho toy ny harena/fanana ny zanaka. voalohany indrindra dia ny obeissance coute que coute. Izany hoe tsy azonao atao ny manana hevitra tsy mitovy @ RAD. Dieny mbola kely ny zanakao dia efa omenao ny lavage de cerveau ary tsy hanana hevitra hoe independant sy hi-questioner ny fahendren'ny RAD!!
ny zafikely no tena harena ambony indrindra ary tsy lehilahy ianao ra mbola tsy nampitombo ny isan'ny zafikely!!! 
ra mbola tsy manambady moa ianao ka sendra tafaresaka @ ol iray ka hoe hitan'ny RAD-nao... dia avy hatrany izy miantso ny inspection generale de l'etat!! hanadihady an'le ol, tsy hoe hahafantatra na virja izy na tsia an na hoe mahay  manotra... hanadihady ny familytree.com-ny sy hoe secta sa tsy secta!!! 

* stereotypes politika:  ra ohatra enao ka tgv dia fatampoko fantam-pirenena izany. Soit enao foza, izany hoe tsy manana lojika @ in in fa tonga dia drindrangilo be fotsiny ary mety maivava indraindray. Soit manana villa milay be izay nitsangana tao anatin'ny fotoana fohy.
ra ohatra enao ka zanak'i dada dia... miezaka manadihady sy mitsapa hoe zanak'i dada ve sa tgv ity miresaka amiko ity!!
ra ohatra enao ka olp dia miteny any ampo hoe: i kotozafy ihany no lexus!! 

* tsy maintsy tara ianao, indrindra fa ny makany ampiangonana.
tsy olana anefa izany fa  ra tara 5minitra ianao dia mbola tara noho ianao ny antsasaky ny fiangonana!!
ianao kosa anefa dia tsy maintsy mande mivavaka indrindra fa ny any ambanivohitra izay mety ho diantongotra adiny 1 vao tonga any ampiangonana.

* a l'ouest be enao ra ohatra ka manao short sy kapa miditra biraom-panjakana. Eny fa na dia fahavaratra sy mafana tsara aza ny andro.

*...

izay eee
mety mbola misy adino... 
isaky ny tonga ah dia tsy maintsy culture shock  be foana hoe: what am i doin here!!... dia isaky ny hande indray dia malahelo be foana hoe: veloma ry tanana!!

 

 

bonne fety daholo oooo

East or west, home is best!!

 


till death do us apart

 

Misy an'izay film hoe Guzaarish izay, mitantara ny fiadin'rangah anakiray izay malemy sy hoe tsy manana fiainana tsony izany mba ho vonoina... Resaka euthanasia izany eee...

io kozy io moa efa nisy dinika lavabe tao @ forum tany aloha be tany, tsy tadidiko tsony... hoe ny katolika sy ny conservativa dia tsy manaiky hoe tsy azo atao ny mamono olona na inona na inona antony. Dia ny liberal sy coool people  indray manao hoe tsy jerena @ le angle hoe mamono olona le izy fa jerena @ le hoe efa ho faty rahateo ihany le olona, zany hoe  fatale le izy, fa mba te hivoaka @ dignitE sy hoe mendrika no fanirian'ilay olona, dia ianao no iza no tsy hanome azy an'izany fangatahana izany... mba faniriana ny hoe ny cotE tsara amiko no tiako hahatsiarovana ahy ohatra, dia ahoana sy ahoana ny @ ahoana... adihevitra lava be...

Izy ity moa anisan'le kozy hoe refa resahina fotsiny dia otran'ny mamelona adihevitra fotsiny sy hoe mora tenenina... hoe oui azo legaliser-na mba hampisy an'le options fa anjaran'ny fianakams no mandresy lahatra azy tsy hanao an'zany ee hoe ny fiangonana natao ho be morale mintsiny @ zay tsy manjary hoe ny hadalana indray no lasa norma,,, morale fotsiny anefa izany fa tsy manakana ny bon sens sy ny hoe safidin'ny tsirairay eee, ka nahoana no tsy tokony hatao legale... tokony asiana arofanina tsara fotsiny hoe misy conditions mazava tsara ary tsy azo araraotina, tena sarotra be tratrarina vao azo atao le izy sy otran'zany...

Rehefa hoe tonga tokoa ny tokoa anefa otran'ny izay vao tena "real" le kozy... eritrereto anie hoe Rayamandreninareo na hoe vady amanan-janakareo no hoe sanatria tratran'ny aretina tsisy fanafana ary hoe tsy mihoatra ny 3volana dia jokotra. Ao anatin'io telo volana io anefa dia mety hoe hoe masiso be izy na hoe tsy mahatsiaro tena na iza na iza tsony izy fa opainy sy ataony tsinotsinona ny fianakaviany ohatra... na tsy haiko ze attrocitE noforin'i A/tra any eee: mibotsona be ny tarehiny dia avy lasa mahia kely tsisy hahafantarana azy intsony --Zavatra mampalahelo be ary mahatonga anao hi-considerer an'le kozy ny tiako hahatongavana eto--
Ra enao no havany/tompon'Andraikitra aminy ka mangataka aminao izy hoe vonoy aho, izy efa physiquement tsy afaka manao an'zany, inona ho hataonao?

yes-no-maybe-idon'tknow

le t@ le film io zao nanda doly izy rehetra nefa nanampy anazy tany @ tribonaly ihany ary eventuellement nanaiky ny safidin'lery hamono antsokosoko refa tsy poinsa ny tribonaly...

Dia nieritreritra aho hoe... nareo refa mieritreritra hoe tia-anah-marina-ve-ity-sipa-ity  hoe hi-propose izany na tsy haiko, tonga @ tsotsoro-mamba hisarahana,, na hoe mangataka profo-mpitiavana tsotra izao ee... dia hoy hoe, anotanio izy hoe, vonona ve ianao ny hamono ahy refa tsy mahavita an'izany tsony ah ary angatahiko ianao ny hanao izany, indray andro any???

ny an'ny zanak'Andriamanitra zokinay zao dia ozy hoe "tsy misy olona manam-pitiavana noho izy mahafoy ny ainy hoan'ny sipany/vadiny"... dia hoy aho, zanak'Andrimanitra zandriny hoe: tsy misy manam-pitiavana noho izay vonona ny hamoy ilay tiany indrindra, hamono azy satria izany no fara-fangatahiny...


Minan'tainy

Fa manina wa ny olona no tsy tia olona ee??

Tsy azoko mintsy hoe inona no tena motivations sy hoe antony tsy hitiavan'ny olona tain'olona.

Ny hoe hanina aloha, euh... azoko ihany hoe zavatra efa dechet iny dia mazava hoazy fa tsisy lanjany hoe nutritionelle intsony donc, tsy dia lojika sy tsy benefika loatra ny fihinana tay. Fa ny mahagaga anah dia ny hoe manin ny olona no mampiasa tain'omby na kisoa na soavaly atao zezika fa ny tain'ol dia tsy azo atao fa tena hoe beurk be mintsiny... Kanefa anie dia samy tay ary mety atao zezika izao ihany eee?? 
meme chose @ tain'alika, inona no antony hoe tsy anaovana zezika ny tain'alika ary otran'ny tena tonga dia mani-tsa-tay izany refa manitsaka tain'alika? 

Ny tonga tany an-tsaiko izao dia hoe satria tsy mihinana olona sy alika isika dia par extension tsy mampiasa zezik'olona sy zezik'alika. Kanefa ny tay anie zavatra efa navoaka tao anatin'le olona/alika ee? donc efa tsy olona/alika tsony izany. Otran'ny tsy dia rationelle loatra an??

Sady inona loatra moa no antony tsy hinana olona sy alika ee?? ankoatran'ny cas hoe misy aretina no nahafaty an'le olona/alika, tsy hitako mihintsy izay tsy hinana ny nofo ra ohatra ka hoe olona/alika tsy nanana aretina mifindra amin'ny nofo fony fahavelony. Ohatra hoe olona antitra na hoe voan'ny accident na hoe tapaka lalandra na tsy haiko ee ze mety mahafaty any... ny hany raison ampiasaina tsin dia hoe olona ve dia ho hanina?? satria nisy fanahy ve taloha, refa maty ra nisy fanahy tao dia efa lasa izy. Satria hoe nisy mpitia fony fahavelony, toy ny alika ohatra, dia tsy vita ny hanome authorization hihinana ny nofony?? azoko ary ekeko.

io indrindra no antony hanaovako an'ity lahatsoratra ity hoe tokony asiana system nasionaly mandrindra ny fikarakarana ny henan'olona sy alika. Hoe atao anonyme ny hena ary amidy @ olon-drehetra tsy ankanavaka. Tsisy makobo izany hoe nofon'iza ity na iza an. Ny havan'ny maty moa dia azo omena vovokoa efa mifono lamba mba ho aleviny. Satria efa ho vovoka ihany anie iny ee, dia mba @ iny izy ireo no mionona. Na a defaut dia ny taolana no averina any @ tompony..

Tsy hitanareo tena optimale ve izany?? eritrereto hoe firy ny olona kere sy tsy minan-kena eto @ tanana? tsy eritreretinareo hoe fahasoavan'A/tra ve izany ny fihinana olona sy alika? tsy otran'ny mamono olona ve isika ra ohatra ka tsy vonona ny hanome ny vatantsika hopean'ny hafa refa jokotra isika?? asa, tandremo sao dia ho any @ afobe eo an!!

ie, efa eo ihany isika, dia manina moa ra angonina ny tain'olona ee? ireny gabone ireny izany tonga dia efa mety avy hatrany ary afangaro @ zezika hafa... Otran'le teo ihany hoe zezika fotsiny no anarany avy eo. Tsy koi koa na preciser-na aza hoe misy tain'ol ee. Ze tsy te hividy mibotsina... ok ok

Satria refa atao anie ny fandihana dia araka ny hafatry ny zanak'Andriamanitra, i jesoa zokinay izany an sao dia misy mieritreritra anah eo mahita an'ny feako tres appetissant, dia ozy hoe: ity no vatako, ity no rako, manaova izao ho fahatsiarovana ahy... Asa ra azonareo ny tian'lery hambara fa tena hafatra mazava mintsy ny an'lery hoe azo hanina ny olombelona ary tokony hanao izany isika mpanara-dia azy...

Ny katolika moa izay tena mamerina an'ilay eksperiansa @ fankamasianana dia tena hoe vatan'i jesoa sy ran'i jesoa mihintsy no pehana any ampiangonana isak'alahady fa tsy hoe fahatsiarovana fotsiny...  ilay silaka mofo iny izany dia silaky ny vatan'i jesoa iny... dia hoy aho hoe ny tainareo izao izay mbola ao anaty tsinay ao dia mbola vatanareo izany iny, marina sa tsy marina??  Ka ra ohatra izany mahazo ny tain'i jesoa mbola ao anatin'i jesoa ve dia tsy miaina mivantana an'le hoe:

>> tain'i jesoa!!
> amen

>> pipi an'i jesoa!!
> amen

 


#ivegotissues

iaraha-mahalala fa hilahatra ny masoandro sy ny venus (in ny anaran'io  @ teny gasy?? johary ve??) androany alina

iaraha-mahalala ny fitiavako ny resaka astronomy planeta masoandro galaksia sy extra-terrestra...

dia tsy maintsy hanentana ah hoe...

afaka 105 taona ndray vao hisy otran'zany ka mety poinsa mety hoe moment mazika izany... ary ny zanaka mbola tsy teraka tsy hahita an'zany...

ambonin'zany dia ny hoe azo raisina hoe "fotoana iombonana hiarahana miaina" le izy hoe... hafa mintsy le feeling hoe @ izao ora sy minintra sy segondra izao dia fantako fa misy olona -- tsy fantako ary total stranger-- eto ambonin'ny tany manao zavatra mitovy amiko ary mety mitovy passion na hoe eritreritra fotsiny ary...

hoantsika mafy ady tsy manana telescope dia afaka mijery en ligne:

jereo eto

dia tonga wazy tato ny fisalasalana fantatra @ anarana hoe dotmg-effect

scenario,, conversation avec moi-meme:

> misalasala be hoe milay be izany fa aleo hiari-tory kely mba hijery...
>> tampoka eo,, fako daty,,  ny olona ambanivohitra, ry dadabeanay sy probablement ny 98% an'ny ol eto ambonin'ny tany aza tsy hijery tsy koi ka in no hiaretako an'zany eo...
> mais justement, mba privilezy kely sy hoe hafa ihany le nahita eee...
>> ssssssssss ka tsy mahita akoriny anie fa en-ligne otran'ny hoe mampiasa preservatif-- kapaoty-- ihany ee...
> ie fa hafa mintsy le hoe manao, eny fa na misy kapaoty aza,, sy ny hoe maheno olona mitantara hoe nanao...
>> ie fa ra mande en ligne le izy, dia poinsa tsy maintsy hisy ametraka @ youtube,, dia azo jerena radem,,, tsy mila miari-tory...
> non, tu comprends pas,, mitovy ve ny manao androany alina sy ny hoe mijery porn radem??...
>> did i just turn this conversation into porn??
>yep, irrecuperable

*hande atory*


Blow job

 

latsaka be ah nahita an'ity le...
hoe telegraph ve dia hanao article milay be eto...
nanatena be... kay nitsako tsy misy eo  

jereo eto 

made my day!!


Ain't about the ka-ching ka-ching...

Indraindray ah mieritreritra hoe na faran'ze ratsy tahaka ny inona aza ny andronao dia rehefa miezaka mi-positiver azy enao hoe misy antony doly ny zava-drehetra: ny a no mahatonga ny b no mahatonga ny c,, ra tsisy ny b dia mety tsy tonga t@ c... 

tsy manova in in izany fa mampatsara an'le "mood" fotsiny ary refa ela ny ela dia mifarana ihany ny andro, herin'andro ary dia mitsiky wazy hoe... hay tsy tena nofa be sy sarotra araka ny noeritreretina... tsy mifarana eo koa anefa fa mbola mitohy ny ady fa fotsiny hoe: tomorrow koa day... ary isaorana i A/tra ni-inventer ny weekend...

resabe doly zany fa tiako be fotsiny io hira io ary dia natao drindrangilo tato 

atolotra hoan'zay nanana herin'andro henjana, mila faran'ny herin'andro hakana souffle kely na juste hoe mila tsikitsiky 

... ain't about the ba-bling ba-bling...

bon weekend,


Unspoken connection

Asa ra efa hitan'lisany ilay film hoe the artist (2011).
Tantara an-tsary, tsisy feo kanefa dia mahatafita hafatra ary tena mafinaritra mihintsy ny mijery azy... 
Ny tena mahatsara azy ambon'izay dia ny... azon'ny lelah sy vevavy jerena miaraka tsara izy io. Tsy hevitra sexist io fa iaraha-mahalala ihany ny hoe ny fanaka malemy dia tsy mahavita manakombona vava izany mihintsy refa mijery film fa dia tsy maintsy mampiditra resaka tsisy ilavana azy foana, indrindra moa ra efa hitany izany ilay film jerena dia ee veloma lava... 

Ny tena nahalasaina anah t@ nijery an'ity film ity izany dia sady mijery an'le film ah no miresaka @ telefona ary dia tena  gaga tanteraka hoe wow!! izany ka tena multi-tasking @ le oui an!!!
dia lasa sady mijery an'le film no mihaino mozika... mijery film no mihaino hatsikana francis turbo sy gothlieb @ youtube ouh la la...

Ny extension manaraka ary dia hoe: an han, ary manin moa ra atao @ film hafa ity kozy ity ee?? 
ohatra hoe film misy feo no vonoina ny feo dia mandefa mozika hafa ao ambadika?? mety milay an??
oops, tena milay manko ee... andramo anie ee film horera no misy mozika tsy mitovy @ le @ horera ireny fa mozika mafinaritra ohatra na hoe rokaroka be,, tena ambiansa hafa mintsy... ny indro keliny fotsiny dia tsy maintsy film efa hita no anaovana an'le izy hoe efa fantatrao ny mitranga @ le scene fa ratsy izany dia mety ho ennuyeux be le kozy satria mety tsy azo ny zavatra mande... ny ankamaroan'ny film blu-ray rehetra aloha misy subtitle miaraka aminy foana azo alefa fa zany hoe mandreraka maso be le izy indraindray ee...

Dia izy eee,

andramo kely fa mety mafinaritra...
asa nareo ra efa niantso namana hijery film faran'ze ratsy indrindra any antrano,, milay
miaraka mijery film mampiomehy,,, dia maoro ze mihomehy voalohany, tena milay
mijery film esorina ny feo dia soloina compil hafa,, tena tena milay
atomboy @ film (efa hita) mampiomehy, tena tena tena milay,,, indraindray te ho haverina ny feo... resist the temptation!!

soa fianatsa!!

 

 


why am i surprised

Nivoaka tao @ lagazette DGI androany:

jereo eto

dia mbola mametra-panotaniana ihany ve isika hoe manin ny pokona no leo politika??

hoe naka mpanao ody gasy ny minisitra iray mba hamonoana an'i tgv dia tratran'ny tena DST??
paranoiaka tanteraka ve ny DST/tgv??

dia ilay dementi nataon'i Voninahitra avy eo vao omay koa pira: naka mpanao ody izy mba hihazomana seza fa tadiavin'i Zafy hiala izy!!!
rendrekaky ooo efa tsy tahotra tsy henatra tsony izany fa aseho ho hitam-poko hitam-pirenena ny fitiavan-tseza ooo??

hita mintsy hoe vahoaka vendrana ny gasy... ra ny tena izy manko dia poinsa tsy tokony ho lany na @ in na in tsony ilay minisitra sy i Voninahitra ary probablement tgv (satria diso patetika loatra)...

marina aloha fa ny lagazette dia anti-ra8, pro-pierrot plus que pro-tgv fa na zany aza ataoko fa tsy dia nisy novaina na hoe nanaovana analizy mitongilana io lahatsoratra io ee...

dia izay eee,
izao rehetra izao no profo fa tena tsisy fanatenana intsony isika...
na mamaky an'le vaovao aza dia mampanongo tena mihintsy hoe izao ve no tena mba lanja/hasin'ny mpanao politika malagasy ee???
soa ihany fa tsisy mamaky any ivelany fa ra tsy izany dia eee baraka tanteraka...

mampalahelo, tena mampalahelo!!

c'est la vie wa c'est la vie!!


Tips for Maihol

 

Tadidinareo le hoe tsy te ahita an'le tiako ho hita ah???
atao ahoana fa izany no sitrapon'A/tra eee... ho tonga ary ny 2013, poinsa fa tsy maintsy @ zay ny fifidianana prezida no atao... ary dia inona moa izany fa tsy maintsy ho lany ny mpaminan'i A/tra, tsy iza izany fa ingah Maihol

Ao anatin'ny volana maromaro ho avy ary dia hanolotra fikafika vitsivitsy ny zanak'A/tra mba ho fananterahana ny sitrapon'A/tra... satria izay mahasoa ataon'A/tra ary hitondra anjara biriky ny zanak'A/tra, ny fahasoavan'A/tra no haha-filoha azy

voalohany indrindra aloha dia mazava hoazy fa ze mikasa ny hirotsaka ho filoha rehetra, ka mieritreritra ny ho lany dia tokony efa manomboka ny fanomanana @ izany ary mety efa tara aza izany hoan'ny olona tsy dia manana base politika loatra toan'i Maihol...  jereo tsara ny fifidianana frantsay fa efa t@ herin-taona ny saosy hollandaise no nikonona moramora tao,, ny bekitana dia efa eri-taona sahady ny repoblikana no nitabataba nefa mbola @ novambra ny fifidianana... donc, aza variana miesona ao!!

Ny tip voalohany omena androany ary dia ny hoe:

Mila manana ekipa teknika, azo atokisana

io izany no zavatra faran'izay basic sy fundamental indrindra ra te ho filoha...  na hiketrika ny fanaovana propagandy izany na ny hoe hanao lobbying hitadiavana vola hanaovana an'zany na hoe ny handrafitra programa an'asa... io izany no tena hoe test lehibe voalohany indrindra @ leadership skills ilaina, afaka manangana ekipa sy mitantana izany, manampy be dia be koa io refa lany avy eo... io no tena tsy mampandroso ny firenena hoe avy @ coup d'etat satria tsy mahay afa tsy manongam-panjakana le bandy fa refa tonga eo izy avyeo  izay vao mamorona ekipa, dia kitotoa sy tandra-metaka no hiafarana... eo izany ny fanotaniana lehibe hoe ahoana marina i tgv ity refa ho tapitra ny krizy,  ho fanjakan'ny baroa tanteraka ve?? jereo fa i ra8 nanana ny tiko boys,  i deba nanana ny cadre an'ny AREMA izay tena nalefany nianatra tany ivelany doly... i Zafy dia tsy nanana na olona iray aza, dia ireny no navoakany...

dia izay ee, mila dieny izao dia mandrafitra ekipa teknisianina sy mpanao politika mifangaro. Ny mpanao politika no manao calcul politika sy stratejia ampiasaina fa ny teknisianina no mandrafitra ny fikafika/taktika ampiadiana avy eo... fa ny tena ilaina voalohany indrindra  dia ny hoe olona azo antokisana atao homme de main izany, chief of staff izany sa in no filazana anazy... ilaina manakaraka dia olona afaka miketrika ny resaka public relations izany hoe miketrika ny resaka communications rehetra, bandy manana traikefa ara-politika nefa manana background marketinina no tena tsara eo... ireo no manampy  @ fanagezana tsikelikely an'ilay circle... avy eo au fur et a mesure miha-matanjaka ny propagandy dia lasa bedabe wazy ny olona te hihiditra...

@ anaran'i jesosy!!


Na ankasoavana na ankasoavana

 

Efa miresaka film ihany...
asa ra tadidinareo le t@ Grey's anatomy  episode vao haingana,, tsy tadidiko hoe firy...
fa ny vadin'ny chief zany voan'ny alzaheimer dia lasa tia ranga hafa... eo aloha mbola sa va ihany fa izy namonjy niaraka sy nanao t@ le bandy @ izay vao tena hoe lozaaaaaaaaaaaaaaaaaa!!!

mazava hoazy fa mipetraka ny fanotaniana hoe fahotana ve izany sa tsia?
Hoan'le ramatoa aloha,, satria izy tsy mahatsapa hoe mijangajanga satria efa very saina tsin ka __ dia tsy azo ampangaina hoe mampirafy izy zany?? non?
fa le rangah vadiny ara-pengonana (i chief io) @ izay hoe sady efa lany vola lery handefasana an'le ramatoa any @ le centre no mbola mahita hoe niaraka t@ bandy hafa ny vadiko... tsy azo lazaina ve izany hoe rava hoazy ilay voady,, satria otran'ny hoe efa tsy mpivady intsony zany ry zareo... dia zoan'lery avy hatrany no miaraka @ maman'i jackson na ze sipa reveny  any ee...  oui ou non??

eny fa na non aza ee,, catholics i know what u thinkin!!!
fa ra ny  lozika an'le vadiny voan'ny alzheimer fotsiny no halalinina/hitarina kely hoe refa tsy mahatsiaro tena ho mampirafy izany kay dia azo lazaina hoe tsy mampirafy an??
zany hoe ra ohatra ka hoe mamo enao na droguE na hoe tena sondriana tanteraka @ tena hamanjan'le sipa dia hadino hatr@ hoe manambady ange za ity 

efa fantatrareo ihany ny tohian'ity ee 
mbola mila azavaina ve??
jereo eto

  


Jhay sia

@ izao fikasako ho lasa Andriamanitra  izao moa...
dia mba nijerijery sarin'i jesoa tao @ Google ah...
dia lasa nijery resaka momba an'i  jesoa mintsy no niafarany eee...
dia nahita laharan-dahatsoratra  mampifandray an'i jesoa sy ny finoana hafa... karazana temoinage an'ol le izy fa afaka jerena @ Google tsirairay avy eo, ny fahamarinany sy otran'zany...

asa nareo ra mba efa nandefa fisainana momba ny Andriamanitry ny hafa fa dia gaga be ah nahita an'ilay izy... kay le, ary betsaka mintsy ny zavatra momba an'i jesoa tsy fantatro...

lava be fa tanisaiko fotsiny... fantatrareo ve fa:

* ny jiosy (jodaisma) dia manaiky fa nisy i jesoa fa zany hoe tsy A/tra izy ary ry zareo dia mbola miandry ny tena mesia ho alefan'i A/tra dadany (Yahweh/Jehovah), mesia tena izy hatr@ izao...

* ny silamo dia manaiky fa nisy i jesoa fa zany hoe mpaminany fotsiny izy fa tsy A/tra...

* ny hindu dia mandray an'i jesoa ho toy ny olomasina... satria nanao fahagagana sy niaina en bon hindu izy...

* ny budhista dia mandray an'i jesoa ho toy an'i budha ihany hoe karazana mampianatra nga sa hoe facilitateur manoro lalana @ le fiainana budhisma ee...

* ny sikh (le olona be volombava manao sarin-doha hafahafa avy inde ireny) dia tsy misy hifandraisana betsaka @ i jesoa fa juste hoe azo comparer-na hoe karazana mpanaza lalana i jesoa raha oharina @ ilay hoe guru nanak  (otran'ny budhism ihany). 

ity koa misy rohy milaza ny hoe toerana mety nitsahan'i jesoa... mety honohono fa juste hoe interessant be fotsiny...

dia in koa re ee??
jesoa sy maria magdalena -- hot stuff 

mazotoa mamaky ee,

 


Elegance is refusal

Efa hitanareo ve ity article ity?
tafita kokoa @ fiainana ony ny olona mahafehy tena.

Resaka will power sy self-control izany ee... hoe azo enarana ony ny hoe lasa maha-fehy tena ny olona iray @ zavatra tena mampaka-fanahy be an'ny olombelona... ohatra hoe misy mofogasy ao antranonao ka noana sy hoe te hihinana mofogasy be enao dia poinsa tsy maintsy hihinana an'ilay mofo gasy enao...

Resaka lava le izy fa hoe ny teoria izany dia hoe azo ianarana tsikelikely, izany hoe cultiver-na @ olona ny fifehezan-tena. @ zavatra tsotsotra toy ny hoe fampiasana tanana havia @ zavatra andavan'andro ohatra ra kavanana enao. Andramo anie ee, ra zatra mampiasa antsy @ tanana havanana enao dia ataovy tanana havia manomboka izao. Izy aloha dia kombaka be e ary mety hihihanana nofon'olombelona mihintsy indraindray ... fa refa mizatra enao dia mety hoazy.

Dia ny teoria iray ihany koa hoe ny glucose ony manampy anao manana an'izay hoe hery hifehezan-tena izay. Izany hoe zavatra mamy izany ee. Mbola misy debat io fa tsy hoe fahamarinana ara-tsiantifika akory an...

Dia lasa ny eritreritro hoe... manina ra asiana extension alavidavitra kokoa... zavatra hitanao fa tsy tokony atao kanefa dia mbola hiniana atao ihany, mba hanaporofoana ny will power anananao. Ohatra:

* Mandoro vola. Andramo anie ee, tena hafa mintsy ny satisfaction anao avy eo hoe za no nahavita an'zany. Tandremo sao dia arizato eo no dorana an, fara faharatsiny mba vaintsa  ohatra...

* Manasa tanana @ zava-pisotro... whisky mahery sy lafolafo ireny mintsy atao...

* Manatsatoka antsy @ coussins sy mamaky vilia bakoly kanefa tsy tezitra akory...

* Mamono tena mba ho famonjena an'zao ntontolo izao (-- ohatra hoe i jesoa )

* ...

Le izy zany otran'ny hoe kondrakondranina kanefa tsy tena kondrakondranina satria fanahy iniana ary tsy hoe hatsaram-panahy hoe manome vola @ charity na otran'zany fa tena hoe fanaovana an'izay tiana hatao tsotra izao.

"to prove the existence of free will, a person must do a thing he does not want to do" -- t@ film iray izay...

fika milay be sa... adalana miaro tsinjaka?


Happy Easter

juste remarka kely hoe oay zany oay ee

fa manin wa tsika no tsy mba misy manao lahatsoratra manao joyeuse paka mintsy eee?
jereo tsara anie fa refa krismasy na hoe faran'ny taona dia tsy maintsy manoratsoratra  joyeuse fete sy ny karazany doly eee? fa refa paka dia desert be eto?? satria lavalava ve ny weekend? sa manin??

Marina aloha fa communautE kely balitika kely ny blogasifera @ zao fa na zany aza, otran'ny ouinnnnnnnnnn be zany le hoe le fety manan-danja indrindra @ kristianina indray no tsy mba misy manao souhait kely... sa faux kristianina tsika? i knew it!!

sa za ve ny antitra, kizitina and uncool??

joyeuse paka en retard doly alou eee
mino sy manatena fa nafinaritra sy nanao izay nety doly tsika rehetra
dia  @ erintaona mba andefaso atody de paka ireny i simp 

 


awkwaaaaaaaard

mikrosy miditra ny trano
efa ela no nandondona ny kaompania
hoe misy asa maika ato
number two sady mavesatra tsara
aaaaaaaaaaaaaaaaaa
mahazo aina ery refa vita ny natao
kinanjo 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

hay tsisy taratasy le 

 


That chic from glee

Nisy an'izay razoky izay, namana, mpandefa quote, citation kely isan'andro mba hanome hery sy angovo nga sa in no ilazana an'zany, daily inspirational message ozy... t@ voalohany aloha le izy nafinaritra fa refa kelikely dia eee tsy maintsy ho no filtrer-na ihany ny niafarany... iray @ izay message nalefany izay no manao hoe:

The meaning of life, is to give life meaning.

Ny tena dikan'ny fiaianana, tanjon'ny fiainana ozy dia ny mba hampisy dikany ny fiainana, mba tsy ho very maina izany ny fandalovana ety eee... dia mba lasa ny saiko hoe... ahoana tokoa moa izany ity kozy ity ee... teraka, zaza, adolantsento, dia tanora, dia manambady, dia miteraka, dia miferon'aina mitaiza, dia miady @ zanaka adolatsento, dia mitady hisaraka @ vady, dia mahazo fahafinaretana mijery ny ankizy lehibe ihany ny farany, dia mitaiza zafikely, dia... retirety, dia kizitina, dia maty...

Izay ve no lalan'ny fiainana?
tsy mba misy zavatra hafa hoe... surprise na mba hoe tena tsy ampoizina tokoa... ohatra hoe attaque extra-terrestre ohatra na hoe ady nokleary dia ringana ny zanak'olombelona afatsy vitsivitsy... rahoviana vao hisy occasion hanaovana adama sy eva? chance hanombohana vaovao indray... tena hoe clean slate tanteraka hoe adinoina toy tsy misy daholo ny teo aloha rehetra ary manorina hoavy vaovao indray...

Dia ho foana izao rehetra izao ary korotana sy sisan-tany sy fatin-trano sisa no tavela eto.
Dia ho lasa koa ny havana sy namana  sy izay rehetra nanana fifandraisana na kely na lehibe...
an an an aoka ihany aloha ka

Ny namana anefa dia azo lazaina hoe temporaire...
rehefa tsy eo @ fiainanao intsony izy dia lasa tsy namana intsony ihany koa
ny tena mahagaga dia ilay olona tena hoheverina hoe namana be sy hoe keep in touch ireny mihintsy no tena mora tsy hita trasy wazy eny fa ireo namana tsy nanao promesse sy hoe tsy handrandraina indray no tena mahatsiaro... ireny no tena namana? sa hoe tsisy categories fa juste hoe fiainana samy manana ny azy fotsiny...
Dia nanotaniako le namako iray izay hoe ahoana sy ahoana ny amin'ny ahoana? dia hoy izy hoe tsy misy zavatra maharitra mandrakizay izany fa misy fanombohana sy fiafarana daholo ary ra tsy manao afatsy ny mibanjina ny fiafarana dia tsy hi-haina mihintsy... na miresaka aza anio dia tsy misy mahalala ny any @ 5 taona ho avy any... mino sy manatena ah fa na tsy ho mpinamana tsony aza isika any @ 5 taona any dia mbola ho tsaroako ny hisaotra an'A/tra fa mpinamana isika tany aloha tany. Izany no zava-dehibe, mankafy ny zava-misy ary miaina araka ny mahamety azy.

Izany ve no fiainana? tsy misy zavatra maharitra sy azo ianteherana? ny fahaizana mankafy sy misaotra an'A/tra @ izay mamy sy soa azo... dia izay no zava-dehibe... tsy aleo adama sy eva, tsisy taranaka fa tena fiainana mandrakizay??

bon jovi sy ilay sipa iny - have a little faith in me --Tao @ ilay film hoe new year's eve... tsara


Alicia, I'm leaving you, we're done!!

Resa-pitiavana indray ity ee...
mozika de fond: Aerosmith - Amazing!! 

Nareo ve efa sendran'le hoe nafinaritra ny fiarahana... tsy maintsy nisaraka anefa, sompatry ny tany... dia avy eo manimanimanina... au fur et a mesure mande ny fotoana dia vao mia mihatsara be le souvenira hoe any enao izay ee... dia na miodina any an-kafa aza dia mbola mandefa fiasainana kely hoe ity izao izy sa ahoana...

Dia avy eo @ izay refa tafahona manaraka... tonga dia oui je le veux be... kanefa vao indray manandrana fotsiny dia efa... booooooooooooooooom!!! 
otran'ny baomba avy any andanitra ny fahadisoam-panatenana hoe: koi???? za ve no niova sa otran'ny tsy dia milay araka ny niheverako azy enao ity??? dia mametra-panotaniana hoe dia in loatra ara no tena ni-idealiser-ko an'ity ee?? sa hoe mamo marina nga tsy mahalala ny tsara sy ny okay sy ny hoe sa va sa va fotsiny...

Dia izay ee, tsy maintsy faranana ny tantara fa sarotra be le miaina @ zavatra tsy mahafapo... oui tena diso banale loatra enao ee, soa ihany fa gasy enao fa ra tsy izany dia ho jereko tsony... sans rancune sa ahoana moa? it's not you, it's me... refa manimanina miverina ihany, i mean let's be friends 

Tsy izany fa androany ony ny andro natokana hoan'ilay tiako vaovao ee

Tsy hoe vaovao moa izany fa efa hatry ny ela izy no tiako fa juste hoe tena matotra sy tena hoe classe be ka hoe tsy ho zakako... tena henjana loatra ka hoe tsy mahavita mihoatra ny indray mande aminy nefa @ alicia na in-3 in-4 aza mbola tsy miotsona akory...

Izao anefa dia tena hitako ny hakantony sy ny hatsarany... asa, efa mihaantitra ka mahita ny tsiron'ny zavatra tena hoe hiangaliana hahazoana fahafaham-po fa dia izy indray izao no tena tiako...

Dia izay ee, ambarako ampahibe-maso fa tiako izy

Dia aleo tsy asiana jusq'a ce que la mort nous separe kosa fa... i'm too young to settle down... sady tsy maintsy mandroso sy miverina @ alicia eo ihany ee... lelah tsy maintsy mampirafy 

Androany 27 Martsa ny andron'ny whisky eee:

 **Happy world whisky day**

Dia manasa anao hankalaza izany...
izay mahatsiaro ahy androany, ra mba misy ny fitiavanao ahy na dia kely fotsiny aza...
dia mba mandrotsaha kely na dia goty roa monja aza...
lazao hoe, araka ny hafatr'i simp manao hoe: manaova izao ho fahatsiarovana ahy...

Tsy voatery glenfiddich akory na hoe tsy maintsy single malt  fa na jack daniels aza na ireny green label ireny dia efa... faly aho tena faly 

voila!!

chin chin


God, I missed you

Invite du zoma i tgv

C'est moi ou est ce que... otran'ny calme, relax sy... bon politicien izany i lery? tres tres presidentiable, ra ohatra ka hoe resaka debat tokoa no mety mahalany filoha eto @ tanana 

hum hum
guerre de communication avec dada ve zany ny phase manaraka zao???
tokony mba andefasany billet kely i onitiana an!!

ra za nefany izy tsy miditra @ zany ah... ra tsy efa kely sisa dia hody satria... aleo ihany le image hoe alahelovan'ny vahoaka fa anaovana toetra tsy zaka sy kely tsy mba mamindro ee... sady mety resy koa izy ra hoe ady communication... for obvious reason,, alavitra loatra...

ps: ie, ny titra dia hafatra hoan'i... onitiana... queen of my heart 
narary be mintsy ny foko t@ le vao hoe nijanona le kaonty tao @ blip.tv... kay nifindra tao @ youtube le izy... vao mia koa milay.... yayyyyy 


KUDeTA

 

Misy an'zay resto izay eto @ tanana hoe kudeta ny anarany...
otran'ny mba mafinaritra... 
somary lafolafo alou e... fa tena bien bien
first date material be mintsy  

sady manao pub gratuit ihany lol
tsisy idirany amiko io an... juste tany antsaiko fotsiny...

Satria tsy izany mitsy no resaka tiako hahatongavana eto 

fa resaka:

koodeta
coup de t'as
coo de ta
ko de tas
koa dia tahy 

taiza ary no nahitan'zala an'io anarana io ee?? 

Tsy zany fa lasa ny saiko @ le resaka coup tsisy farany eto afrika ee...
tsy mety ve ra mba atao obligatoire manao finihanana ny officier refa promus ireny dia asaina minihiana @ baiboly hoe tsy hanao koa dia tahy aho @ anaran'ny ray sy ny zanaka sy ny fanahy masina!!
dia mba alaina video tsirairay ary atao hitan'ny be sy ny maro @ youtube hoe sharing sharing sharing 

@ zay refa manao coup izy any aoriana any dia mody miteny hoe ho famerenana ny demokrasia ee fanavotana ny firenena eee sy ny karazany...
dia mba afaka pointer-na any @ le rohy youtube @ le fihanianana ... hoe gain elah!! 

dia manin moa ra mba atao an'zany doly ny resaka politika rehetra... atao lalana mihintsy hoe izay miditra antoko politika rehetra dia tsy maintsy mihiniana. Izay lany voafidy rehetra eny fa na independant aza, dia tsy maintsy manao an'izay...

hevitr'akoho 
sady faisable tsara, tsy ilana in in afa tsy volontE politika sy video camera... le blackberry an'i mialy iny izao dia efa afaka anaovana video... m just sayin 

bon Friday 


Agent of secret stuff


Mahita an'le film misy resaka spy sy hoe sleeper cell ireny ah izany... hoe misy olona tena hoe ni-s'integre tanteraka ary tena hoe nivadika ho olom-pirenena an'ilay firenena tsikolovina dia tsy kobo intsony hoe tena espion russe ange ity olona ity... dia otran'ny zay @ ankapobeny ny tena fandehan'ny tantara hoe any @ farany vao kobo hoe anhan kay tena mpamadika ity olona ity... Dia faly ery mijery an'le film (ohatra hoe salt) hoe nilay iny an!! 

Tsy @ film ihany fa vao haingana. T@ herin-taona ngamba no hoe nifanakalo spy maromaro ny bekitana sy ny rosia. Singanina manokana @ izany i Anna Chapman... izay tena nampi-tsiriritra ny vahoaka hoe kay le manja otran'zao doly ve ny spy russe sa ahoana? 

Dia mba lasa ny saiko hoe tsika koa ve mba manana otran'ireny? 
@ izao fanaovana dika petaka an'ze zava-misy rehetra any andafy  (indrindra fa i Frantsa) izao, fa manin no tsy manana tsika?

Tsy lainga lainga kosa aloha fa ny departemanta an'ny  fandriampahalemana eto amintsika mihintsy no natao ho faran'ze hoe "confusing" sy hoe tsisy organisation mazava fa otran'ny hoe ze anjambany be sy ze alehany any alehany...
Ny an'ny olona misy hoe CIA ee NSA, homeland security, US marshals, FBI, Police sy sheriff...
bref, misy juridiction mazava ary samy manana ny andraikiny... fa ny antsika dia hoe police nationale point barre!!
dia refa polisy dia afaka manao an'zao retra izao na dia hoe police de la route ary dia afaka managadra  mampitahotra olona kanefa mety hoe resaka homicide le izy ohatra... bon, tsy hidirako lalina zay fa sady tsy expert @ polisy ah no tsy mpahay lalana... fa tsikaritro fotsiny hoe le systeme antsika mihintsy no tena mahatonga abus sy hoe vao mia mampitombo ny tsy fahandriam-pahalemana (ambonin'ny hoe dahalo sy otran'zany misy). 

ie,
fa le resaka spy teo...
tena hevitra milay nge io ee... tsy hoe resaka securite fotsiny, izay azo lazaina hoe minime aloha izany hoe attaque avy any ivelany ho antsika izany fa tena hoe national interest eee... Tsy hoe DGIDE sy CIS akory an, ireny otran'ny natao hoe fi-espionavana mpanohitra eto antoerana ihany... fa tena hoe espionazy any ivelany mihintsy...


Nahoana ary isika ra mba mamboly spleeper agent, deep cover  any Frantsa ohatra atsofoka ao @ tena ministeran'ny raram-bahindrizareo na otran'zany? otran'ny mety mahasoa ihany an... @ izay na ny coup d'Etat sy ny planina neocolonialisma-ny mety mba voaresy ara-potoana? 

tonga dia efa mba aodony tsikelikely ny sain'le zanakareo (you know who you are ) teraka tany ireny ary aloha... ho tombotsoan'ny tanindrazana!!! 

eny e, plan a long terme izany ary mety mila 30-40ans any vao tena mety miasa (hum hum simp for president @ 2040-ish an, je vois loin moi  )
a court terme izany tokony mba hoe ny ambassadin-tsika no manao an'zay par interim... 
zavatra tena standard izany. Jereo ireny hoe wikileaks ireny... otran'ny hoe tsy manana asa afatsy ny mi-espionner sy manao rapport ny ambassady/ambassadera an'ny Bekitana le

zao zao ra mba nanome rapport milay ny ambassadintsika momba ny sentimaka sy hoe politika raram-bahiny an'ireo firenen-dehibe nandritra an'zay krizy izay, poinsa mety tsy ho oanina be impiry otran'reny ny DJ (yes, le tany @ UN no tiako tenenina...)

dia izay eee,
soa fianatra!! 

sady izay, tsy tsapanareo otran'ny mba tena james bond-esque ihany ve za ity? 
fa tsy mety amiko aloha ra vao tsy misy akitifitra, kombaka sy mampiasa charme hidirana any @ ennemi an 

voila!

tonga dia ampidiro any @ programa an'asa io hoan'ze hirotsaka ho filoha eo 


feel it baby feel it!!

ampiakaro kely ny volume... dia ataovy stereo ny fanenony

Na le fidobodoboka na le tonony... luv it!!! 

 Otran'ny hoe zoma sahady le

enjoy,

 


Chill God, chill!!

 

Nieritreritra ah hoe... fa manin wa i A/tra no midongy hoe ho tompoina ee?
mankamasina ny andro alahady ee
aza manana A/tra hafa afa tsy za eee...

asa, otran'ny hoe  zaza mitady attention  izany lery
hoe tsy mahatsiaro tena ho "sambatra"  ra tsy mba reconnaissiavana fa izy no tout puissant...

kanefa otran'ny mifanohitra @ le hoe tout puissant izay
satria otran'ny hoe manana fahalemena kely ihany
hoe manana doute nga sa in no mila hoe valider-n'ny vahoaka 
dia hoe insecure ve i A/tra? 

Le izy hoe manafay sy otran'zany tany @ testamenta taloha mihintsy no tsy azoko
hoe tezitra i A/tra??
manana sentiment izy zany??

euh...
sa hoe tena marina fa mila ny fitiavan'ny vahoaka izy
ra tsy izany dia mihena ny pouvoir-ny...
sinon, mety ho satan take over the world...

tena kozy ee 
ra hoe A/tra cool izao tsy koi aminy izay tsy mirara anazy any
fa hoe ho latsain'ny karatra eo izay tsy manisy sirany...

encore mieux, ny olona hoe tsy mampiditra A/tra eo @ fiainany
manana vie descente sy hoe "humaine" 
tsy vita batemy et autres rituels d'eglise
in no tokony ho blem an'i A/tra @ izany??

Oh my GOD, i just realized
God can't be God without people
ra tsisy ny olombelona dia... tsy ilaina i A/tra
dia izay no mody hi-brandisser-ny an'le fara andro a tt bout de champ
kay lery no matahotra fa tsy hisy mpitia 

i'm just sayin


for you... ah la la!!

 

mirary soa ho anareo vehivavy rehetra 

avy @ simp,
mpankafy vehivavy  

hafatro kely: jereo eto


Dit ma poule?!


Mba inona wa ny hifandraisan'ny sipa sy ny akoho ee?
Jereo anie fa isaky izay tenim-pirenena dia matetika ny slang hoan'ny vevavy dia ny anakiray @ ireny tsy maintsy misy hifandraisany @ akoho foana ee? ohatra hoe poussin, chic, chica... ra tonga any @ firenena iray enao ka te hahafantatra ny hoe fomba filazan'ny tanora ny sipa milay dia fantaro fotsiny ny filazana ny akoho vavy na akoho kely fa tsy maintsy marina iny ary na tsy marina aza dia kopy wazy ze resahanao eo, ary manomboka eo dia izay ndray no ho fiantsoana azy... ny an'ny gasy moa tsy dia misy miantso laotra hoe akoho fa hoe refa mampiaraka enao izao dia misy miteny hoe "mitarika",, kanefa inona no mitarika fa tsy ny akoho ve? 

Ny lelah ve izany akoholahy ee? 

Tsy izany mintsy anefa no nahatonga anah hanoratra eto 
fa nahita an'ity sarina vola diman-polo ity ah izany,, dia hoe an han, itony izao mbola mahazo mofo gasy,, mokary taloha fa zao mofo gasy sy ramanonaka sisa... dia nojereko ilay vidiny tao @ e-bay,, atao lavanty moa le izy fa ny fanombohana ozy nareo?  $7 (vakiana hoe seven F.cking dollars!!!!!)
izao ve no atao hoe capitalism sa in??? ra ohatra ka 2arivo ariary ny dollar iray dia  14000ariary izany ny vidin'io fara fahakeliny!! vola dit-ma-poule io an, firy pourcent izany ny marge beneficiare??

inona no antony mampahantra antsika?

???

bon weekend,

-s.


Leap Day... c'est la vie!!

Otran'ny ho tapitra ihany ilay 29 Febroary fa otran'ny tsy dia nisy zavatra mba nanamarika azy... dia nieritreritra ah hoe aleo asiana zavatra special eto, tsy atao ra tsy isaky ny 04 taona... karazana journal kely hitantarana ny zavatra tena nisy ary efa noekeko fa izay no izy... mihalehibe ony izany... sa hoe  learned it the hard way...

Za moa izany le mody hoe manoratsoratra ny resaka lesbienne teto sangisangy zary tena... fa tena secretement niandrandra mafy mihintsy ny hahazaka lesbienne (who doesn't anyway lol)... dia t@ vao nahita sipa anakiroa nifanoroka aloha za dia otran'ny nitanaka vava fotsiny hoe kay tsy rumeur ity kozy ity sady sahiran-tsaina ihany hoe tokony mametraka "tips" ve za sa misaotra ambava dia ampy    Dia t@ 2011 @ izay nahafantatra hafa indray dia tonga dia  "game on" hoe avy @ angady sy harona... ny vokany?  lavitry ny afo ny kitay   ity no zavatra tena tsy mba nisy nieritreritra mihintsy ary tena mi-choquer be mihintsy refa tratrany enao fa en fait ny lesbienne izany dia vehivavy tsy tia lelah eee!! izay ny tena conclusion notsoahako... enfin, mety hoe za koa no tena tsy nahay nampiresaka mais bon, i'm hot and the universe knows it  
izy anefa miresaka tsara fa tsy mba hoe miavonavona na mampifilafila hoe mila travailler-na kely na otran'zany an... dia izay ee... c'est la vie!!

Ny faharoa dia ny hoe miova daholo ny zava-drehetra, refa mande ny fotoana dia tsy maintsy miova ny zavatra. Indrindra fa ny olombelona izany, mihaantitra, miova toetra sy hoe fifandraisana ihany koa... za zany nanana karazana hoe souvenir ideal nga sa in no filazana an'zany hoe izay no reference tao andohako hoe ny otran'zao dia otran'zao ary i xxx otran'zao, ireto otran'zao sy izao... dia miezaka ny mijanona sy hoe mi-forcer ny fandehan-javatra sy hoe ny fiainan'ny olona hipetraka @ izay reference-ko izay foana no tena masaka tany antsaiko hoe ra mbola misy fofon'aina koa mivoaka ny vavako dia tsy hanaiky an'izany ah ary  tsy maintsy hahitsiko sy averiko @ tokony ho izy ny zava-drehetra... somary vague be le resaka fa ny tiako hahatongavana fotsiny dia hoe refa niodina havia sy havanana sy nankarary fo tena dia nisokatra ihany ny voamaso nahita hoe tsy maintsy misy ny fiovana na androany izany na rahampitso, na tiana na tsy tiana,  ary tsy ny fanoherana ny fiovana no fahendrena fa ny fanekena fa izany no fiainana. Ny fandraisana ny fiovana no zava-dehibe kokoa hoe ho toy ny fahafatesana ve izany ka mijanona hatreo ny tantarany sa kosa hoe fahaterahana vaovao indray. Eny @ henitra vaovao izay mety tsy ho mafinaritra sy manendrika kokoa noho ilay teo aloha izany kanefa kosa dia mbola fiainana mitohy ary tsara lavitra noho ny hoe tsy ekena ny fiovana fa dia aleo tsy misy ra hiova... mankarary fo ary mampalahelo kanefa efa noekeko fa izay no izy ary izany no lalan'ny fiainana... c'est la vie!!

voila!

Atolotra manokana hoan'le namako izay, my secret friend whom btw i know u read my blog
accept the things you cannot change and have the courage to change what you can...
oui, manafaka ny fanoratsoratana zavatra matetika...  mahereza xxxxx...m free freee freee

@ 29 Feb, 2016 indray


Mitady sipa mpanao karate

Nande nanavao ny fikambanana @ lomano izany ah androany... dia nitotona t@ ora fikaliana nga na tsy haiko fa tsisy olona tao @ le birao dia niandriandry teo ivelany teo ah... dia mba nitazatazana an'ireo olona mpanao karate eo @ ilay gymnase eo ambany. Akory ny hagagako fa tena sipa milay be doly ny sipa tao @ ilay izy tao.

GnE? 

Niezaka nitady t@ GooGle ihany ah hoe efa misy science ve na farafaharatsiny mba hoe article @ blaogy mba miresaka ny fifandraisan'ny hoe sipa manja sy ny hoe art martiaux... fa eee, tsisy eee... ny tany an-tsaiko hatrizay manko dia hoe soit sipa nofa be tsy manan-katao no manao an'reny soit sipa misy jerena ihany fa juste hoe mahia sy tsisy nono mihintsy fa tena hoe matin'ny kotrana dieny mbola kely  dia nipotsaka fotsiny hoa ny voamasoko androany hoe kay le! Mbola vao fanombohana koa angamba androany fa nisy vitsivitsy tsy nanao kimono fa tena mbola le akanjo somary milailay ireny dia tena woooooooo hoooooo be!! eny fa na le manao kimono aza dia tena afaka mampandefa fisainana be hoe tena milay be ny ao anati'nity kimono ity izany 

Dia izay ee, lasa misangojy be mihintsy le kozy satria enao mieritreritra hoe any @ gym no tokony misy sipa milay kanefa tonga any enao le sipa bota be miezaka manary kilao ireny no any sy hoe sipa tera-tsemboka ary faran'izay tsy sexy indrindra no mameno tanana... fa any @ tena art-martiaux indray no tena misy ny milay... 

Dia mipetraka ny fanotaniana hoe, tokony miditra manao karate ve za? 
naaaaaaaaaaaaaannn  hanenjika sipa fotsiny ve no handrerahako tena @ izany, too much work!! 
kanefa mba manome  perspective ihany le hoe "fait moi mal!!" 
dia lasa ndray ny saina hoe inona marina ary moa izany no azo leferina hoe azo atao hanenjehana sipa sy tsy azo atao... toa mila post vaovao izany le loooooolllll

izay alou fa siora siora doly ee 
inona avy izao ny hoe qualitE tsara @ sipa mpanao karate?
ankoatry ny hoe tsy ho soumise mandrakizay sady mety mamono vady...
poinsa mety hoe  mafiloha be sy hoe rebelle be koa an 


hu hu hu

 

Refa le miandry ora farany otran'zao dia manala azy ao @ youtube...
indro atolotra anareo ary i Gothlieb manao impression politisianina:

 

Jereo eto.

Santionany @ izany:

Bon Friday!!


Ntaolo, you mysoginistic bastard: I love you!!

Noentin'ny hafanampo avy ao @ tena fesse moa ny bandy ka hoe nda hitadiavako quote avy ao @ baiboly mihintsy ity hoe ny lelah ny zavatra milay indrindra eto ambonin'ny tany...

Dia niditra tao @ ohabolana ary mba hoe inona ary no hevitry ny Ntaolo @ ity kozy ity??
akory ny hagagana fa tena milay be ary tena hoe fandokafana tsisy otran'zany ny ny zavatra rehetra momba ny lelah voasoratra ao. Mila taper-na hoe lelah eo @ ilay fitadiavana ny teny hoe "lehilahy" fa tsisy rohy...

Tsy hoe manambony lelahy ihany an fa tena misy hoe ambony noho ny ambony ee. Jereo izany  nosoratan'ingah jentl:

"Lehilahy miloloha tantely, mibaby akondro, misekelika fary, izay rehetra nentiny mamy avokoa"

Rehefa jerena anefa ny mikasika ny vehivavy dia eee... fopla be daholo ny ankamaroany...  Ny tena nilay ndrindra tao izao dia hoe:

"ny lasopy may dia noho ny tsy fitandreman'ny vehivavy"

Dia lasa ny saiko hoe ary kay ny Ntaolo izany otran'ny efa karazana sexist manambony lelah mintsy hatr@ izay an?
dia aza gaga ra milay wazy ny lelah satria... fomban'ny Ntaolo izay tsy hita izay maharatsy azy  

Eee tsy manakivy ah aloha eee. 

Rahoviana vao 8 Martsa?

ps: Jereo eto.


Can we date?

 

Ho fanomanana ny st-val @ erin-taona:

fitadiavan-taolan-tehezanolojia  loooooooollll
aza kivy ra tsy siora enao hoe tokony miaraka @ ity olona ity ve za?
c'est tro compliquE  

enjoy,

-s.

ps: tsindrio ny sary dia hihangoza 


Mitady sipa masseuse

Tadidinareo ve le episodeS nitady sipa virjiny ??
ouh *good time* 
nisy narary fo be mintsy
miracle mon ami!!
efa niova ny foko, izany no vokatry ny 2012 efa tsy superficial intsony -- hono --

dia efa mametra-panotaniana nareo hoe inona ary no milay noho ny sipa virja?
valiny: *sipa masseuse*

taloha ah izany nanabatibaty mafy mintsy hoe mba in ary ny hitiavan'ny vevavy an'reny hoe spa ireny ee dia faly handany vola @ tsisy dikany fotsiny?? indro nitranga tamiko ny famonjena avy any andanitra:

nanao dihantongotra adiny fito, sady nilanja kaly mavesatra *awesome* nirevy be mpahavin'ny 2maraina *awesome* nifoha @5maraina (note torimaso=adiny 3), nirevy, niangona, nirevy more and more *triple awesome* nande dihantongotra nandritra ny adiny 3 @ andro avy orana, une bonne partie an'le lalana tany tsisy A/tra *awesomest ever*

resultat1: marary doly ny vatana iray manotolo: faladia, ratsan-tongotra, felan-tongotra, ranjo, fe, lamosina...

resultat2: tsy afaka namindra intsony ny ampitso maraina refa tafafoha

> aleo horina kely fa mety hoazy io ee
>> okay, at this point i don't see how can it get any worse

5min later:

>>aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa
> mbola vao manafana fotsiny izany
>> avelao ah hoa ho faty fa ajanony any izany
>> si je meurts, je te legue rien rien riiiiiiieeeeenn
> iareto fa mahazo aina be refa avy eo eee
>> &*((&(;"?/><$%  #@!~~@#%()?<
>> <(>^?$"@?!:%  ^&@!~+_}:"*&^

1h30min later:

>> ouh ca fait du bien
> on dit quoi?
>> misaotra anao @ fampijaliana!!
>> mandaitra kosany an sady afaka mamindra tsara
> je te l'ai dis ;-)
>> ary mahazo aina mihintsy izany ra mahazo an'itony isan'andro o?!
> itony ange letia le toetra tsy fampiseho vady eee
> mijaly ampanambadiana elah ra vao fantany hoe mahay manotra
>> interesting ^^ or should i say, challenge accepted!!

hitady *masseuse* ah


Tafandria mandry

Ity ony ny hira faran'izay mampa-relax indrindra... tsy le hiran'i ambondrona an, na dia hoe tsy mena mitaha aza an 
 

nandramana fa tena otran'ny mandraitra... tsy nisy rara vanona androany tontolo loooolllll

refa le mbo tsy mahita tory ireny izany nareo... be ahiahy na mieritreritra an'i xxx na tsy salama... dia mba azo alefa io eee

ankafizo ooo

bonne nuit,


fako america!!!

kiiiiiiiiiiiii
nakaton'zala ve ranga i megaupload le tsssssssssssss
marary be ny foko loooollll

aaaaaaaaaaaaaaaaaaa

 


Avy any ankoatra

Maro amitsika ny mieritreritra hoe ny gasy koa dia minomino foana sy be fady sy tsy azo atao amin'ny tsisy dikanyyyyy. Satria ny ankamaroan'le izy dia hoe zavatra nitranga tany aloha be tany. Mbola t@ hoe age de pierre ireny mihintsy  hoe tsy nisy siansa fa dia finoanoam-poana no betsaka no koa hoe efa lovan-tsofina be no hifindran'le tantara dia miova isaky izay misy mitantara hany ka lasa hoe tsisy antony intsony fa dia hoe fady dia izay dia tsy azo atao... dia izay le hoe rehefa aty aoriana dia notsofina rano ary nofoanana daholo ohatra ny hoe tsy minana an'zao sy tsy minana an'zao... ohatra fotsiny iny an.

Dia @ lafiny iray hafa indray dia misy ireo zavatra tena mampatahotra be eny fa na dia hoe tantara taloha aza le izy dia mbola hoe tsy sahy miriska @ izao. Indrindra moa fa misy karazana hoe episode superflux ana hery supernatural @ famosaviana sy fanaovana zavatra tsy hay azavaina @ malagasy. Mbola tsy nahita ah alou fa misy mitantara ireny hoe misy olona afaka mandatsaka varatra ee havandra ee  ody fitia ee...  Ny  dadabeanay sy bebeanay @ lafiny roa izao samy mitantara zavatra otran'zany doly... izany rehetra izany miteraka finoanoam-poana amboniny...  Dia mbola afaka manda (na dia matahotra ihany aza) hoe ra tena misy izany dia manina no tsy izy no lasa rola eto @ tanana sy otran'zany...

Fa eo  @ le avy any ankoatra no tena mampalasa saina sy tsy tena mampino hoe ahoana marina. Ny gasy aloha dia efa mpanaja razana hatrizay ee. Anisan'ny antony dia hoe mbola mitahy sy manana presence, hery afaka mi-influer ny fiainana eto antany ry zareo.  Finoanoam-poana ve zany? indrindra hoe hoantsika kristianina?  ny tena atahorana ihany koa dia ny hoe ny razana miantso ho razana ra tsy manaja azy. Ary dia miteraka finoanoam-poana rainzeloza le izy.

Ohatra: ny fasana hono tsy azo kitihana ra tsy misy famadihana (fanomezam-boninahitra ny razana)  na koa misy fahafatesana ka handevenana, fa ra tsy izany dia miantso.  Izany no mahatonga ny olona tsy manadio toko-tanim-pasana na lalana makany @ fasana na dia hita fa bordel tanteraka, otran'ny tany tsy misy olona aza.  N'importe koi ve??
Dia mivoaka ny tantara hoe misy an'zao sy izao dia i ann no lasa, nisy an'zao dia i ann no lasa dia nisy an'zao dia izao... mivoaka ny litania.

Ohatra: misy fasana iray izay ndray izy dia tena special fa tena tsisy zavatra azo atao ao afatsy ny mandevina ihany. Tsy azo atao na ny manatitra vonin-kazo aza indrindra moa fa izany hoe mamadika izany.  Ity indray moa dia efa nisy nanao di-doha mihintsy hoe tsisy an'izany ary dia nanaovana essai teknika essai mekanika mihintsy nanaterana vonin-kazo ary dia naka tokoa (hono) izy. Tsy nino fa hoe iray ve no taille an'ny echantillon dia haka conclusion ary dia mbola nampiana mba hi-valider-na azy tsara. Ary dia no-valider-ny tsara tokoa moa izany.  Rehefa misy zavatra mitranga moa eny antoerana hoe misy jiro mirehitra na otran'zany dia efa kopy ny pokona hoe hisy ho lasa indray izany. Na ny mandalo eny @ le toerana aza mampatahotra...

Dia mba lasa mintsy ny saiko hoe joincidence ve izany sa tena marina? dia ahoana ny fomba fifandraisan'ny maty/razana @ le izy. Hoe nanamboatra porte manokana ve ry zalah hahitany an'ze mitranga @ io fasana io sa ahoana?  soa ihany fa hoe izay milevona ao ihany no azony antsoina. Tiako mba ho-experimenter koa kanefa toa otran'ny mampatahotra ihany an, surtout hoe sao dia tonga dia za mintsy no ho antsoin'zala avy hatrany. Kanefa za tsy milevina ao akory an, mety hisy extension le theoria manko. Je vas-y ou je vas-y pas??

Izany rehetra izany moa no nitranga/henoko dia noho ny hoe nangataka karazana procedure kely, contingency plan kely ah hoe ra misy maty @ situation an'zao dia tokony misy protocole atao dieny zao dia @ izay tsisy chaos fa efa mazava ny lalana arahina. Valiny: koi?? tsy azo atao izany fa miantso fahafatesana!!

ento aho re tongotro, tsy maintsy miverina any @ civilisation izao dieny zao


Feeeel it!!!

reveko be 

Tsy haiko mintsy hoe in ary no manaitra anah @ ity sipa ity ee 

botrabotra 


Boooooooooyaaah!!!!

 

Efa niezaka mafy mihintsy ah @ ity internet-addiction-cure new year resolution ity fa tena eeee
otran'ny hoe ny internet mintsy no miantso ah hoe ilaina enao fa ra tsy izany maty ah

Dia io ary eee:

 Jereo eto

ps: to all women, i told u so!!

 

 

 


Samy ho tratry ny goavy ee


sary nalaina tao @ hot!

 

*Mirary soa antsika rehetra*


Triathlon

Avy tao @ hot:

 

ho ho ho

 


Il en faut peu pour etre heureux

Nareo efa mba nandefa fisainana hoe misy ve ny karma?
na hoe tsara fanah @ tsara fanah ve i A/tra?? alt

T@ za mbola tany @ lycee izany dia misy ranga antitra izay, somary malotoloto sy mampatahotra, mampadositra izany ny paoziny @ lalako mande mianatra. Izy io anefa tsy dia hoe mpamono olona sy voyou na otran'zany fa juste le prejudice @ akanjony fotsiny angambany dia izay... dia  mangataka @ olona izay mahavita mijery anazy no ataony.  Za alou tsy natahotra anazy ee. Fa ny tena tadidiko tsara mintsiny dia rehefa nangataka izy dia nomeko vola, tsy tadidiko tsony fa tsy betsaka alou ee, dia  avy eo  otran'ny netinety ny interro science-ko, izay marihiko fa tsy dia ni-bosy firy ah. Lasa saina fotsiny ah teo,  an han!! hoe karma ve izany sa in??  rehefa tonga ny occasion manaraka dia no-experimenter-na @ izay hoe tena ho-tsolorako ity razoky ity ra mandaitra haha akory ny anao fa tena nivoaka tsara mintsy le izy... ny indro kely fotsiny dia tsy hita tsony razoky avy eo rehefa tena hoe mila famonjena ny bandy!! alt

Fastforward folotaona mahery... T@ herin'andro vitsivitsy izay, dia misy an'ireny olona tsy manana asa/mangataka eny @ lalana ireny izany dia za moa efa fanaoko mintsy ny mi-ignorer an'ireny satria za mandalo eo foana ve dia lasa otran'ny abonnement be sy lasa hoe charity organization ny bandy ra vao manome... t@ ity indray mitoraka ity anefa dia asa izay nahazo ah fa dia nomeko vola le olona... dia akory ny hagagako ozy nareo fa ngambany afaka atsasak'adiny tao arinan'izay dia nahita vola teny andalana  ah ary dia nitovy t@ le montant nomeko an'le olona le izy... lasa ny saiko hoe, izany ve no atao hoe redistribution avy any andanitra le alt

Androany indray, nisy ankizy izay nitety birao mangataka vola hoan'ny "zaza manan-kilema" amina fiangonana iray hono. Io koa dia efa manana policy mazava ah hoe tsy manome satria dia be laotra ny olona manao an'le izy hoe zaza voan'ny AIDS ee, kamboty eee, marenina eee dia mitondra taratasy kely ahafahana anoratana anarana dia manao sonia dia otran'ny hoe tena legit le izy... tsy haiko aloha na arnaque doly ireny fa refa be loatra dia tsy mety amiko ee... androany anefa tonga le ankizy dia za moa niresaka tamina olona izay dia aaaaa wa mantsy an'le ankizy dia nizizo be teo le olona namangy anah hoe andray, tena tsy mba manana fo mihantra mintsy enao. Dia, asa tsy haiko peer pressure sa hoe fanahy masina mirotsaka fa dia nandrotsaka ah. Somary ngozangoza le izy fa tsisy vola kelikely taty... 
T@ antoandro @ izay avy eo, dia nifanena t@ bandy akama izay dia lasa nande niaraka nikaly tany... dia nalohany lery moa izany nenah nefa somary fancy le izy an... dia inona ozy nareo?? mihoatra be an'le vola narotsako an'le ankizy ny vidin'ilay kaly... Dia saina tonga be ah hoe waaaaaaaa toy izay afoy izany otran'ny miverina wazy foana eee??  alt

Dia izay eee,
misy ve ny hoe karma sa hoe za no superstitieux sy minomino foana??
en tt cas, nampatonga tsikitsiky lava nandritra ny aprem iray manotolo izany rehetra izany
ary dia otran'ny mande jolie wazy be doly zany fotsiny ny zava-dehetra alt

 

voili voilu
tiako zaraina fotsiny...
C'est la vie!!

alt


Ca veut dire ce que ca veut dire

Eo @ in-2 isan-taona eo ho eo aho no mandefa fisainana hoe ary za ity dia tena diso cariera mihintsy fa tokony izao na zao no ataoko eo @ fiainana... androany ary dia ny diso fianarana no mba ho visavisaiko aminareo. Tsy asiana ho kabary be fa indro ny laza adina t@ fanadinana iray:

alt

Tena eo ampadikana an'le izy ah vao tonga saina hoe kay le ary tena sarotra be fa sady otran'ny tsy ampy ny izany ny voambolana no hoe otran'le koltora malagasy mihintsy no somary pudique kely @ le Resaka Sakafo (RS) dia na za aza sadaikatra mandika an'le izy...

Dika tsotsotra:

Ampahany A:

1. Inona avy ny mahasamihafa ny fanoavana RS @ olona sy ny an'ny biby? inona @ fombafomba fihetsika sy fanaovana no mampiavaka manokana ny an'ny olona azo ilazana azy hoe fiarahamonina olombelona ?

2. Farito ny hoe fanapahana fivaviana araka ny fomba fanao any Sudan sy ny manodidina azy? lazalazao ny koltora sy fomba amampanao any antoerana mamaritra ny antony hanaovana izany ary ampitahao @ lalana zon'olombelona iraisam-pirenena izay miampanga izany? inona no mety ho azo ampitahaina izany @ famorana ny lehilahy?

3. Hoy i Michel Foucalt (1979): "Tsy maintsy avela ny fiheverana fa ny fiarahamonina moderna sy indostrialy no nitondra ny fiantombohan'ny famoretana ara-tseksoaly ". Lanjalanjao ny heviny  @ mifanohitra aminy izay milaza fa "nitombo kokoa ny fahazoana fafinaretana hafakely sy ny nihamaro ny resaka ara-tseksa tsy mitovy sy tsy dia azo ampitahaina laotra"

Ampahany B:

4. Azavao ny hoe kaly, RS ary lamaody dia mifandray araka ny nambaran'i Liechty 2005 t@ famelabelarana nataony momba ny fivoaran'ny kolotsaina @ fihinanana any ivelany , ny fitomboan'ny fivarotan'entana ary toekarena tantanan'ny tsena any Kathmandu, Nepal.

5. Azavao ny fomba fanaovana iray "kisoa" araka ny namaritan'i Roger Lancaster azy t@ 1998, t@ boky hoe : " andevo sy voninahitra ary fitaovana mahamenatra: ny nihandohan'ny fiarahamonina pelaka sy ny fijalian'izy ireo any Nicaragua".

6. Hoy i Marc Epprecht: hadisoana ny fiheverana fa  "iray ihany fiainana ara-tseksa Afrikanina" ary indrindra fa hoe "tsy misy ny pelaka sy bi-seksa eo anivon'ny fiarahamonina afrikanina, ary koa hoe efa hatrizay no nirona tany @ TDM (tonga dia manao) hetero izy ireo".  Inona avy ny antony mahatonga an'ity "hevitra diso sy jamba"  ary koa "marimaritra iraisana hafakely" ity.


Dia izay ee,

samia mamaly,
ary indrindra mieritreritra hoe hoe isaorana anie i A/tra fa tsy teraka tany Sudan ah

alt


Deba, my maaan!!

Gaga be ah fa toa tsisy miresaka firy ny fiverenan'i deba... kanefa dia tena nomen'lery ny petite serie de 36 pompes ve ranga. Quelle classe ce mec!!! alt

le karazana sarma hafahafa otran'zao mintsy no tena mampa-special an'i deba. Tena kozy e, tsisy manana creativitE sy hoe "balls" otran'lery iny.  Ny indro keliny fotsiny dia lery  efa antitra sy somary mahia, mijaly ampanambadiana alt lanin'ny celine doly ny kalyalt. Sinon ra somary bogosy otran'i dada lery tena mety mandravarava mintsy an -- read: mihetsiketsika enao dada a, soa fianatsa alt

Dia tena mahavariana hoe fa ahoana no tsy mba misy mikomantera sy manao lahatsoratra manokana ity kozy ity na dia hoe anaovana jokes sy ny karazany fotsiny aza. Za nefa tonga dia nitsiky avy hatrany nahita an'le izy hoe tena ity indray ny moment hahatsiarovana an'i deba le...  Ny gazety internasionaly koa saika niresaka an'le izy doly an. T@ nivoaka ny faux-governemanta an'i Beriziky tsisy afatsy ny rfi ireny no mba nitatitra fa refa hoe i deba no nody dia lasa nitantara doly babay sy lohovohitra... izany hoe mety malaza/important ihany lery alt

Zany eo ihany fa ahoana sao dia tokony hatao rituel vaovao iny fikan'lery iny ee? atao @ koltora malagasy, ze tonga rehetra dia manoroka tany no sady manisy paompy vitsivitsy alt
zany no atao lamody vaovao, a new thing!! sa ahoana?
aparitao ampitampitao

*high five*

alt


Mesia sy mpamonjy

Dia nivoaka iny ny governemanta tsy masaka lazaina fa iraisana sy iombonana... tsy asiako kihana sy kabary be na dia hita ihany aza hoe somary nanana ny tombony i tgv satria ny ministera nilainy rehetra @ ankapobeny nazominy doly. Tsy azo anoharana izany hatr@ nanasoniavana ny tondro-zotra dia tsy maintsy izay no lalan-kombana. Averiko indray ho an'i dada sy opposition le hoe: see the big picture and don't focus on the wrong thing... Tsy dia any loatra no tena tiako resahina eto fa ny hoe ny movansa an'i deba izay tsy nifandrirotra t@ izao adiseza izao fa mbola miandry an'i lery. Efa noresahiko taloha teto io fa ny fanotaniana izao dia ny hoe miala maina sy diso taktika ve i deba teto?

Marina alou fa hevitra tsara ihany le hoe tsy niditra be t@ le melee fitadiavana seza fa juste hoe ni-representer ny alternative kanefa refa diso moloina be sy hoe tsy flexible t@ le mijanona ivelany dia lasa hoe anjorom-bala tanteraka.  Satria ny communautE internationale efa leo sy hoe ni-s'engager serieusement @ le procecus dia tsy afaka ny hiala intsony.    @ lafiny iray ihany koa anefa caractere tsara hananana ny hoe sur de soi sy hoe tsy miady seza mamba be otran'ny sasany... ny olana kely fotsiny dia ilay somary nanome impression be hoe nikropaka rehefa hoe ho-annoncer-na le governemanta. Tsisy fika afa tsy izay alou ee mais bon, le plan fotsiny no otrna'ny tsy voahevitra tsara hatrany amboalohany.

Ny lafy tsarany an'le hoe no-annoncer-na fa hody izy anefa dia lasa nikropaka koa ny HAT namoaka ny governemantany. Satria ra tsisy an'iny dia poinsa mbola no notaritina lava be teo ny adiseza. Enfin, lafy ratsiny hoan'i deba alou izay ee. Satria @ izao ra hoe tena ankatoavan'ny communautE internationale le governemanta knolinoly io dia tena hoe tavela any ivelany tanteraka izy.

C'est pas evident anefany izay... satria ny Zafy sy i dada koa izao efa hoe tsy manaiky dia mbola manome an'le hoe uncertainete izany ahafahany mi-presenter ny projet-ny... ny communautE internationale anefany tsy hiverin-dalana intsony raha tsy hoe misy fait majeure goavana be tsy azo iolanana izany. Izany hoe tsy maintsy mahavita mi-creer fait majeur izy ra te hanova ny donne misy @ izao. Dia eo izany le hoe effet an'le retour annoncEee hoe deba ilay mesia, revient en force. Otran'ny t@ 1996 hoe tena lasa andrandrain'ny vahoaka indray izy malgrE ses adalana sy famonoana olona nataony.

Eto aloha dia azo lazaina fa misy ary betsaka ny similaritE izany hoe mampitovy ny situation @ izao, sy ny t@ 1996 ee. Voalohany indrindra dia ny hoe ny olona nitabataba sy nantenaina fa hitondra fiovana no vao mia nandetika ankaterena ny fanjakana, iray izay. Avy eo koa le hoe effet nostalzika hoe na teo aza ny zavatra ratsy nataon'i deba dia otran'ny hoe tsara lavitra le deba no mitantana noho ny hoe lasa gaboraraka ny fanjakana.  Ary fahatelo farany, izy ilay manao fihetsika otran'ny hoe niova sy hoe tena mitondra ny tena izy sy fanantenana tena izy @ izay... Ao daholo ireo izany hoe tena possible mahavita an'ilay hoe deba magic averina indray izy...

Ny tsy mampitovy azy kosany anefa @ izao dia ny hoe i ra8 no noesorina fa izy karazan'ny hoe indirecte ny fidirany @ le krizy izao. Izany hoe ny nostalizika mety hoe ra8 no be kokoa noho izy. Faharoa, efa somary nanantsaina ny olona ka mety ho sarotsarotra ny hivarotra saka be loha fanindroany amin'izy ireo. Ary farany ilay effet hoe mpamonjy otran'ny tsy dia voa-incarnee loatra @ izao. T@ 1996 izy efa nasiana propagandy ankolaka sy voaomana tsara ny fiaviany. @ izao na i Rossy aza otran'ny tsy mba namoaka hira na iray akory aza hoe hankalazana azy sy hi-denigrer-na ny HAT sy ny mpanao politika eto an-toerana... fara faharatsiny tokony mba naverina ilay hira hoe "lera" iny...

Dia izay ee, ra lasa makotroka be ny fiverenany dia mety lasa ho izy indray aza no hitarika ny grevy general. Tsy inoako loatra aloha izay ee, satria izy tonga hi-presenter ny solution-ny @ fomba mihaja fa tsy hoe hanongam-panjakana (tsy talentany loatra io no il est tro vieux pour ca). Hoe indirectement hampatonga saina ny vahoaka hoe misy ny vahaolana mazava fa ny HAT sy ny mpanao politika mihintsy no tsy mirara, dia lasa karazana hero kely indray izy... mazava ho azy fa misy ny AREMA iringiriny izay tonga dia acquis @ cause-ny fa ireo izay misalasala sy mitady ny alternative no tena tanjony eto...

Dans tout les cas, mbola tsy miravona ny krizy ra tsy efa ny mpilalao goavana rehetra no manaiky handray anjara @ fitantanana hahatongavana any @ fifidianana... dia miandry kely izany isika izay ho havoakany, ho mesia tokoa ve izy? ra eny, afaka hanova zavatra ve? sa efa hoe izay no nataony??

tsy te hahita an'le tiako ho hita ah


alt


T'as de beaux yeux tu sais

Iaraha mahalala moa fa efa hatrizay no sarotra be ny mi-decrypter ny hafatra avy any @ venus tonga aty @ marsa hoe poinsa azo bataina ve sa tsia... fa t@ ity taona 2011 vao tena raraka mintsy ny iviko hoe tena efa ela tokoa izany ny hoe tssssssssssssss tssssssssssstttt nandaitra t@ taona 90 izany. Asa noho ny fivoaran'ny teknolojia ve? sa hoe lasa nanantsaina kokoa ny sipa @ ity taonjato faha-21 ity?

Ny teknolojia ony manampy kokoa ny olona hifanantona sy hoe ra olona tsy nanana chance taloha dia lasa possible be @ teknolojia... odoie, aza mandany andro @ online dating izany fa sady tsisy sipa milay ao no koa hoe ra misy dia tsy ho poinsa foana enao. Ny antony?? jereo eto.  Dia izay no manazava an'le hoe ra vao hoe mitady olo-tiana ny profil anao @ serasera alt dia tsy mazaka wazy alt

Faharoa an'zany, eny fa na hoe tsy hiresaka teknolojia enao fa anaraka ny fomban-drazana tsy hita izay maharatsy azy: ahoana enao amiko fa amidiko ny taniko... dia ny  lalan'ny fiarahana sy fikotiana mihintsy no efa niova vokatry ny teknolojia. Aiza ve ranga ka alohan'ny hiarahana @ olona iray hoe "date" izany fa tsy mbola hoe tena mpisipa akory an, dia tsy maintsy jerena en ligne aloha ny profil an'le bandy tssssssssssssssssssss... tena marina io an. Misy namako izay dia hoe no-GooGliavana hono le ol dia tsisy in in hita dia hoe an han!!! adaboy fa chelou chelou be... akoholahy mpiady ony ny tsy manana profil na hoe mi-laisser trace @ web izany ny olona iray alt

Bon, sipa milay no resahiko eto an. Ny sipa tonga dia zaka na tsy bataina akory aza tsy maintsy misy foana. Ny tena mahatsikaiky dia lasa misy niveau ana-flirt tsy ampoizina hitranga mihintsy tany @ 10 taona lasa tany kanefa lasa courante be @ izao.  Ohatra hoe le olona tsy fantatra fa sendra tafaresaka aminao @ telefona dia eo dia lasa alavitra be mintsiny ny resaka. Mafinaritra alou ny ankamaroany dans la mesure hoe flirt innocent sy manala azy  fa ny sasany lasa spam calls @ alina no tena grrrrrrrrrrrrrrrrrr be. Indrindra moa refa le misy an'le hoe afaka miantso manomboka @ 12 alina mpahatongan'ny @ 5maraina ireny. Enao matory maty tsara iny no maneno le fika,  mapte amono olona mintsy alt

Dia izay ee, ny omaly tsy miova toa vao mia aza nihasarotra... soa ihany fa le fanenjehana no tena mafinaritra @ le taranja noho le hoe tanjona iriana alt

Aleo faranana @ ity hira fikotiana sipa t@ 2001 ity

mbola azo ampiasaina ve io ry zalah?? 
na le tonony fotsiny aza  alt

alt


hot

asa ra efa kobon'lisany ity fa diso milay loatra dia tsy maintsy tantaraiko rapidapida eto...

tsy tadidiko tsony hoe iza moa le nanao fampitahana g+ sy fb teto fa ity ny hoe feature tena mampilay an'ny g+...

fantatrao ve ny: g+/hot ??

io izany ny mitatitra ny resaka be mpanaraka/mpitia indrindra ao @ g+... otran'ny trends  @ twitter izany fa juste hoe mille fois plus genial fotsiny ee...
rehefa le somary "bored"  iny enao dia io no famalifaliana ny fo... tsy maintsy misy zavatra awesome foana ao isan'andro...

androany izao:

zazakely commando alt

saka sy saka... hoan'ikala rondro alt

tsiky dia ampy  alt

veritE de la Palice alt

ouh la la  in moa le tiako tenenina teo altaltalt

 

ankafizo ooooo,

alt


¡viva la revolución!

Ny tena mampitovy ny tolona hoan'ny fahafahana rehetra na ny lohataona arabo izany na ny tolona rehetra nifanesisesy teto @ tanana dia ny hoe voalohany indrindra dia hoe ny vahoaka no nitroatra nitokona tsy nanaiky ny didy jadona intsony. Faharoa, tsy maintsy nisy mpitarika, leader, ny tolona ary fahatelo farany dia ny hoe tsy maintsy misy olona mamoy ny ainy ao... Io fahatelo farany io ny tena tiako resahina eto.

Voalohany indrindra aloha dia hoe azo lazaina hoe "hero" izy ireny,  olo-manga sa inona ny filazana izany. Hoe mamoy ny ainy hoan'ny tolona sy ho fahafahan'ny mpiara-belona. Eny e, tsy maintsy controversial ny fandraisan'ny tsirairay an'ilay izy miankina @ hoe aiza ny lafiny misy anao. Ny sasany hiteny hoe martiry sy hero moa ny sasany hiteny hoe vahoaka vendra-po manaiky hambakain'ny mpanongam-panjakana...

Tsy dia izay loatra anefa no tena tiako hahatongavana fa hoe @ resaka aram-pinoana. Manota ve ireny olona sa ahoana ozy nareo? Satria raha hoe minia mande any @ toerana hahafaty azy ny olona iray eny fa na dia hoe manam-pinoana sy hoe mieritreritra ny manana ny rariny tahaka ny inona aza dia mbola karazan'ny hoe indirectement mamono tena ihany izany... Ohatra hoe ny t@ 10Aout izao efa fantatra fa nasian'i deba mines teny Iavoloha ka ra mbola milingilingy makany ianao dia efa karazan'ny hoe mamono tena ihany izany ee, eny fa na dia nandositra aza refa notifirin'lery t@ helicoptera... Misy koa ny cas tonga dia tsy azo asiana fieritreretana akory, toy ny an'ilay bandy tany Tonizia iny hoe kivy sy leo tanteraka lery dia nodorany ny tenany hoe tena aleoko maty toy izay hoe andevozinareo sy anaovanareo ny kely tsy mba mamindro eto lava izao.

Amin'ny lafiny iray ihany koa anefa, ny tolona dia fihetsehana ampilaminana ary natao hiadiana @ tsy rariny. Hilazana hoe ampy izay fa misy fetra ny zava-drehetra. Fanaikezana ny hamoizana ny aina hoan'ny fahafahan'ny mpiara-belona izany io. Ozy hoe tsy misy manam-pitiavana, toy izay mahafoy ny ainy hoan'ny namany... Eo rahateo koa ny hoe misy ny ohatra ao @ baiboly hoe t@ jiosy nandevozina tany Ejypta ary nohirahina i  Moizy hanafaka azy ireo, poinsa bobaka ihany ny jokotra t@ izany. Izany hoe azo ekena ihany ny fahatesana @ finoana @ zavatra na hoe cause iray.

Ny tena mampieritreritra kely @ ity kozy ity manko dia hoe raha misy ny fitokonana sy tolona iray izay ekenao sy iombonanao ny tanjona aminy, tokony handray ve enao sa tsia?  Mazava fa ra mandray anjara enao dia efa karazan'ny mamono tena ihany. Enfin, tsy ny olona rehetra akory noho ho faty fa tsy maintsy misy ho faty foana ao aloha ee... Sa hoe tsy handray anjara? dia @ izay anefa mitohy ny fahoriana sy hoe mampahory ny mpiara-belona ihany koa ary indrindra hoe mamitaka sy mandainga @  ny tenanao ihany enao raha zavatra hitanao fa tokony hiadiana no odinao fanina fa kely endaka...

Mampatsiaro an'ilay fiten'i Martin Niemöller malaza iny  hoe t@ adilehibe faharoa t@ androny fanenjehana nataon'i Hitler dia hoy izy:

Voalohany aloha, tonga izy haka ny kaoministra dia tsy niteny ah satria tsy kaominista tsin.
Dia avy eo izy tonga haka ny syndicalista dia tsy niteny ah satria tsy mpikambana @ syndicats.
Dia avy eo izy tonga haka ny jiosy, dia mbola tsy niteny ihany aho fa satria za tsy jiosy.
Farany izy tonga haka ahy, dia tsisy olona tavela intsony tao afaka ny mba hiteny ho ahy

aia ty hombagna!!

alt

 


Asian chic!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!1

altalt


tag: Movember!!


Ny movember dia fanakambanana ny teny hoe volom-bava sy novambra hiaraka.  Izy ity moa izany dia hetsika natao hanairana sy hampafantarana ny cancer @ lehilahy manokana dia ny cancer an'ny prostate sy ny cancer an'ny voaplosy. 

Izy ity izany dia otran'ny hoe mifanohitra @ hoe cancer an'ny nono hoan'ny vevavy ee. Dia izay no nahatonga an'le hetsika hoe mandritra ny volana novambra iray manotolo dia manisy moustasy ny lelah izay hoe zavatra iray mampiavaka azy @ vevavy izany ee... Tsy hoe midongy attention akory fa juste hoe: we matter!! sy hoe mba hanetanana ny vevavy koa, otran'ny hoe ra vao miresaka nono enao dia liana wazy ny lelah alt asa, ra miresaka volom-bava ve dia tsy mba ho liana koa ny vevavy? altalt

@ firenena francophone moa otran'ny tsy dia misy an'io fa zavatra tena fundraising sy hoe karazana kilalao kely mafinaritra (misy prizes) hanohanana an'le cause hoe an'le cancer hoan'lelah ilay izy @ firenena sasan-tsasany hafa... izay mbola tsy tonga eto amintsika alou... asa, mba firy izao ny olona mahafantatra fa mety voan'ny cancer ny voaplosy?? 

Ka izao ary, ity misy challenge kely hoan'ny lelah malagasy rehetra eto @ blaogasifera:

Asongadino ny zavatra iray mampiavaka anao @ vevavy @ vatanao 

Dia izao ny sarotra @ le challenge: asehoy sary eto @ blaogy izany zavatra izany, miaraka @ lahatsoratra kely fanetanana momba ny fanatsarana ny fahasalaman'ny lelah indrindra @ lafiny cancer**... karazana tagy kely hoan'ny lelah io izany hoe defi kely: raha ohatra ka mampaniry volom-bava enao dia manaova post mampiseho an'le volom-bava... ra ohatra ka hoe tena volon-tongotra dia asehoy ihany koa... ra tena hoe ny entana dia ie, asio boxer fotsiny dia asehoy ny mahalelah anao altaltalt

Avoakako @ faran'ny volana novambra nenah... possibly volom-bava, miankina @ hoe maniry tsara sa tsia... en attendant, amparitao: misy ny cancer hoan'lelah manokana ary mila mahafantatra an'izany ny tsirairay (eo @ le rohy ambony io misy fanazavana bedabe rehefa mifidy firenena iray misy an'le contest enao -- misy pejy facebook ihany koa)...

Ka ahoana, sahy sa tsy sahy??
alao hery fa ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo alt 

alt

ps: hoan'ny vevavy: jereo eto
     Change the face of man's health!! alt

(**) in moa ny dikan'ny cancer @ teny gasy ee??


#ThatTimeOfTheMonth


Taloha izany ilay banky fampiasako mi-text isaky ny misy "fihetsehana" vola ao @ kaontiko. Nataoko hira (ringtone) hafa mihintsy moa rehefa text avy @ banky no tonga @ finday. Dia rehefa manakaiky ny faran'ny volana dia tena anisan'ny hoe tena fahafinaretana kely ho ahy mihintsy ny maheno an'ilay "Rainay oh" an'i tselatra iny dia efa kopy hoe tonga ny famonjena avy any an-danitra: time to manatavi-tena and get drunk!!

Indrisy anefa fa novainy ho isaky ny misy vola mivoaka sy hoe fidirana en ligne @ internet sisa le izy no mi-text izy @ izao. Enfin, tsy gratuit intsony zany le option taloha eee... dia voatery maminavina foana hoe efa misy sosy mitotona ve ary ao zay sa ahoana... Tsy dia hoe hakamoana loatra @ le hoe jerena impolo kely fa hoe tena hafa ihany le feeling enao variana miresaka serieux be iny no maneno le hira dia mitsiky wazy... indrindra moa fa ilay hoe mauvaise journee iny no maneno izy dia tena mivadika bonne humeur wazy...

Eto ampanoratana an'ity ah vao saina tonga be hoe ary za koa bandy kahidy an...  tsy aleo mandoa an'le optiona iray dia milamina ny rara?? kanefa en fait tsy dia ilaina akoriny le izy  en fin de compte  kanefa be taraina ery looooooooooolllll c'est moi!! c'est la vie!!

voili voilou!!


Willl you marry me??

roses are red
violets are blue
ity ilay rediredy
tsy manam-paharoa

alt

Kivy tanteraka ah nahita an'ilay proposal tao anaty voromby iny... hoe tena tsssssssssssssssss otran'ny havadiky ny fanatontoloana ve ny fieritreritry ny olona sa  hoe ahoana... za mahita hoe pathetika moa ny vahoaka mitehaka hoe romantika (sy orizinale)... jereo fotsiny ilay hoe best marriage proposal (19 million viewers) hoe tena nampiady coco be mintsiny lery mba hangataka an'le sipa izay marihina fa poinsa na tsy nangatahana aza efa siora fa azo.

Voalohany indrindra aloha, iza no bandy vendrana nanova ny fombafomba t@ vady atolotra?? sady tsotra no tsy mandany vola sy andro no tonga dia poinsa. Eny e, ny vady atolotra kosa alou tsy ho poinsa mintsy fa le procedure no tiako tenenina hoe tonga dia miresaka ny RAD dia hoe siora siora ee...  @ izao anefa dia voatery mandohalika ny bandy ary atao @ fomba romantika arahina fihetsika orijinaly izany... zavatra tokony vita tslem any sisiny tsisy mpahita lasa voatery hanaovana rehearsal sy entrainnement goavana. Dia io le efa teneniko hoe izay foana no mahatsara ny fanasiana fitsipika eo @ fiainana fa ra ohatra ka avelanao hande ny zavatra iray dia lasa iny indray no norma vaovao... minoa aho fa @ taona 2100 mety ho haharitra 3 andro ny marriage proposal.

Faharoa, zavatra tena tsisy dikany sy hoe "pointless" le izy satria ra ohatra ka hoe niaraka ny olona roa ka hoe tsy mba nieritreritra ny hivady izany dia poinsa fa tsy maintsy hisaraka izany. Noho izany ra mbola miaraka ny olona roa dia mazava hoazy fa efa misy ny tanjona. Izany hoe tsy ilaina intsony ny fangatahana satria efa nifanarahana le izy hoe indray andro any tsy maintsy asiana peratra ity kozy ity... Eny ee, ekeko hoe mety izay no mafinaritra an'le sipa dia manao an'zay le bandy sns kanefa tsy tokony atao norma le izy hoe tsy maintsy hi-propose doly ny bandy rehetra eran'ny tanana.

Ny hany hitako fa tena hoe bon cotE an'le kozy kosany anefa noho le izy hoe tena mapisento ny vahoaka rehetra dia hoy aho hoe afaka hi-tirer-na avantazy kely izany... ohatra hoe t@ le tao anaty roplanina iny izao refa avy ni-propozy lery dia nanaiky le sipa dia ozy ny pokona hoe: oooooooooo so romantic... dia tokony manohy kely le bandy hoe: misaotra eee, hono wa tsy mba azonay ampiasaina kely ve ny toilet mba hi-celebrer-na an'ity kozy ity??

Dia izay eee, aza gaga ianareo ra ohatra ka misy bandy hi-propose ao rez de chausee dia avy eo izy hangataka hampiasa ny fanonga... na hoe ao @ salony an'ny hotely malaza be tsy takatry ny vola, salle de conference internationale Ivato... eny @ rova izao no tena milay oo?? mbola ao ve ny fandrian'ny mpanjaka? ho ho ho

Fa @ izao andron'ny fanatontoloana izao ihany sy hoe lasa digital daholo ny zava-drehetra dia hoy aho hoe...  tsy mba azo eritreretina ve hoe indray andro any mety ho hivadika en ligne ny fanambadiana?? ny proposal izany dia alefa par email na hoe youtube ary ny peratra tonga dia Amazon gift cards na hoe voucher @ magazay firavaka... ny fisehoana moa dia azo atao teleconference na hoe misy agence mandray ny CV an'ny fianakams roa tonta dia mandamina ny rara... ny vodiondry dia ao @ twitter ny mpikabary no mifanindry ary @ site web: get a wife, two for a price of one no mandoa vodiondry razazalahy: io izany le hoe "add to cart", you've got one wife in your cart ho ho ho
ny soratra sy mariazy dia azo atao video conference na hoe conference call @ iphone... efa any @ lune de miel vao mila presence physique!! 

moa ka tsy izany va??
@ anaran'i jesosy!!

altalt


J'ai pas vingt ans

altalt


C'est la movie!!

Mino ah fa mpankafy mijery sarimihetsika daholo isika rehetra an. Na tantara indray miseho io na hoe tantara mitohy (seria) dia samy manana ny favoriany daholo.  Ny sarimihetsika no anisan'ny hoe zavatra azo resahina @ olon-drehetra eny fa na dia hoe tsy mpifankafantatra akoriny aza.  Ie, ny resaka toetr'andro no be mpampiasa indrindra fa ny resaka sarimihetsika no anisan'ny mampifandray vetivety indrindra.

Ny azo resahina voalohany alou dia ny hoe milay ve ilay film sa tsy milay. Hoe ny momba an'ilay tantara, mampiasa saina sa mampisento sns... ny montage sy ny effet ary ny fahaizan'ny mpilalao... Fa ny tena hoe mampifandray indrindra dia rehefa hoe mitovitovy  ny fomba andraisana sy "iainana"  an'ilay tantara @ le sarimihetsika.

Nanatrika karazana seminera kely momba ny hoe "emotional intelligence" ah izany t@ herin'andro. Resaka hoe fahatsapanao ny emotion sy sentima anao @ fiainana andavan'andro ary ny fahaizana mihefy izany. Dia lasa ny saiko hoe: an han!! ary izany kay no mampamora mi-connect be @ olona @ alalan'ny resaka hoe mozika sy sarimihetsika hoe tsy vitan'ny hoe fitovian'ny tadin-dokanga @ resaka gout fa @ hoe fomba mety hifandraisan'izany @ fiainanao le izy...

Rehefa mpijery sarimihetsika be loatra moa enao dia lasa hoe tsy voatery zavatra niainana intsony le izy fa lasa nivadika hoe maka tahaka ny sarimihetsika jerenao indray ny toetoetranao. Firifiry izao no maka "line" sy hoe "catchphrase" avy @ film?? @ voalou le izy otran'ny hoe mi-citer film enao fa au fur et a mesure mampiasa an'le izy dia lasa otran'ny hoe partie integrale an'ny toetoetranao sy momba anao.

Ny tena loza dia rehefa lasa mivadika hoe tsapanao hoe @ film izao @ izao le misy mozika mande any ambadika... hoe rehefa manina olona enao na otran'zany dia misy karazana mozika rocka rocka slow mande any ambadika. Rehefa miditra toerana maizimaizina somary maty-mirehitra ny jiro dia mande le mozika @ horera ireny. Rehefa mifamaly @ namana ka tsy mifampiresaka dia mande ny mozika otran'ny hoe samy tsy te hanao premier pas kanefa samy mahatsapa guilty kely...

Dia arak'ilay blagin'i RaFrancis Turbo iny mihintsy hoe rehefa avy mijery action dia tena otran'ny hoe za no tena mafibe. Za zao isaky ny miditra fanonga dia mieritreritra foana hoe mety misy camera sy mahita ny zavatra ataonao. Isaky ny miditra banky dia mijery hoe ra ho tafiako ity dia aiza ny fika... Ny tena loza le film tsy dia tena hoe horera be fa le karazana horera realista ireny, genre final destination... lasa kaodikaody be foana hoe mifandray daholo ny zava-drehetra ary zavatra kely balitika iray no diso toerana dia mety jokotra eto ah...

Dia izay ee
Raha ohatra ka tsy mba misy influence aminao na kely akoriny aza ny sarimihetsika jerenao dia... atsangano ny tanana alt

Fa misy karazana sarimihetsika iray izay tsy dia mi-influencer ny toetoetranao loatra... noho ny antony hoe tena tsy mety mitranga @ fiainana andavan'andro le izy... inona ary izany? altalt

alt


Open you eyes, see the light!!

 

Otran'ny tsy dia nisy resaka firy teto @ media malagasy ny momba an'ny loka Mo Ibrahim. Nozaraina t@ alatsinainy io ary azon'ny ï»¿ï»¿filohan'ny Cape Verde teo aloha Pedro Pires. 

Ny loka Mo Ibrahim moa dia atolotra an'ny mpitondra fanjakana Afrikanina izay voafidy ara-demokratika, nampiseho fomba fitondrana mendri-piderana ary indrindraindrindra nijanona t@ isa nomen'ny lalam-panorenana azy hahafahany milatsaka ho fidiana. Ny loka izany dia $5millions omena ao anatin'ny folo taona ary ihany koa $200.000 isan-taona mandra-pahafatiny. Afaka mangataka $200.000 isan-taona mandritra ny 10 taona ihany koa izy hoan'ny asa fanasoavana izay nofidiany hotohanana.

Dia hoy aho hoe tsara ampahafantarina ny mpanao politika malagasy angambany io. Satria tokoa ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy dia ny hoe hitadiavam-bola ny antony hanaovany politika. Dia io izany ny hoe safidy omena azy hoe ataovy tena mention tres bien ny fitondrana ny firenena ary aza manahy ny @ hoavinao fa io ny garanti fa tsy ho hahantra ianao.  

Mazava hoazy fa fomba fitondrana tena exemplaire no mila tratrarina eto fa tsy ny ala safay, fomba malagasy tsy hita izay maharatsy azy akory. Raisiko ho ohatra hoe ny filoha Botswanais teo aloha: Festus Gontebanye Mogae. Betsaka ny zavatra azo handokafana azy fa ny tena nahakirana ahy indrindra dia ny hoe ny azy tena nataony mihintsy izay hanasoavana ny vahoaka avy @ vokatra ara-mineralin'ny fireneny. Maro ny firenena Afrikanina hoe manana harena ankibon'ny tany fa ny ankamaroan'izy ireny dia ny mpitondra ihany no mahazo tombony. Ny azy kosa tena nataony mangarahara mihintsy hoe ny vahoaka no mahatsapa ny tena vokany...

Dia izay ee, ambava homana ampo mieritreritra. @ izao hoe fotoana hanombohan'ny hoe fifidianana sy hoe fotoana hanombohan'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany massive eto amintsika izao, asa ra mba tsapan'izay hirotsaka rehetra ny tena vokatsoa rehefa hoe ny vahoaka no mahatsapa ny fandrosoana. Izany no atao hoe fitiavana tanindrazana. Za aloha efa ela mihintsy no nametra-panotaniana hoe fa mba ahoana marina aza ny raisonnement an'ny mpitondra malagasy/afrikanina hoe tsy ngeza lavitra dia lavitra ve ny voninahitra sy rehareha raha ohatra ka hoe ho tsaroana @ hoe nitondra fandrosoana sy fivoarana @ firenena iray ianao noho ny hoe mambotry firenena, mahazo harena manokana goavana fa ho tsaroana @ fampahantrana ny vahoaka sy ny hoe voaongana... asa, tsy safidy tsotra sy mora ve izany? 

alt


Steve Jobs


Efa fantam-poko fantam-pirenena moa fa hoe lasa omaly i steve jobs, mpamorina ny orinasa paoma.  Efa betsaka ny hoe tribute sy hoe fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra bedabe eraky ny aterineto ho anazy. Tena olo-manga tokoa  ny lehilahy.  Za moa tsy manana hoe vokatra paoma na iray aza (hitako lafo be @ tsinapa le izy), izany hoe tsy dia fanclub be otran'ny hoe ankamaroan'ny be sy ny maro, fa na izany aza mba mijery izay voasoratra momba azy. Otran'ny hoe Michael Jackson ihany ee. Tsy te ho tavela ivelan'ny resaka enao refa mifankahita @ namana hoe tena lasa i lery dia mba mahita ho tenenina... 

Akory ary ny hagagako nahita an'ity kabarin'lery ity tao @ Stanford. Otran'ny hoe nanana talenta hoe "motivational speaker" koa lery an. Lava be le izy fa samia mamaky ze liana (azo adika @ GooGle ra ohatra ka...) fa ireto ny isan'ny mba nanohina kely ah hoe... tena marina tokoa.

Voalohany ary dia ny hoe:

Again, you can't connect the dots looking forward; you can only connect them looking backwards. So you have to trust that the dots will somehow connect in your future. You have to trust in something — your gut, destiny, life, karma, whatever. This approach has never let me down, and it has made all the difference in my life.

Hoe, tsy ho hitanao mihintsy ny fifandraisan'ny lalana nizoranao eo @ fiainana raha tsy efa any aoriana any. Hoe ra tsy nisy an'izao mety tsy ho izao ny fiainako. Noho izany dia manana finoana @ zavatra ataonao fa indray andro any hitondra zava-tsoa eny fa na dia tsy mazava aza @ izao fotoana izao.

Faharoa,

Sometimes life hits you in the head with a brick. Don't lose faith. I'm convinced that the only thing that kept me going was that I loved what I did. You've got to find what you love. And that is as true for your work as it is for your lovers. Your work is going to fill a large part of your life, and the only way to be truly satisfied is to do what you believe is great work. And the only way to do great work is to love what you do. If you haven't found it yet, keep looking. Don't settle. As with all matters of the heart, you'll know when you find it. And, like any great relationship, it just gets better and better as the years roll on. So keep looking until you find it. Don't settle.

Indraindray mety mitoraka briky eo @ lohanao ny fiainana. Aza kivy. Inoako marimarina fa ny hany zavatra tsy nampijanona ahy teo @ asako dia noho izaho tena tia ny zavatra nataoko. Mila mitady ny zavatra tiana eo @ fiainana, na eo @ asa io na eo fiainana aram-pitiavana. Ny asanao no hameno ny ankabeazan'ny fiainanao.  Ny hany lalana hampasambatra/faly anao dia ny finoana fa ny zavatra ataonao dia asa manezinezina, tsara tsy misy toy izany. Ary hany hahafahanao manao asa manezinezina dia ny fitiavana ilay asanao. Raha ohatra ka mbola tsy hitanao ilay tinao hatao dia aza mora mionona. Mitadiava. Toy ny zavatra hidiran'ny fo rehetra, ho fantatrao eo ihany rehefa hitanao ilay tena izy. Ary toy ny fifankatiavana rehetra dia mitombo sy mihatsara araka ny mahaela azy. Noho izany, aza mionona fa tadiavo foana mandra-pahitanao azy.

Fahatelo,

Remembering that I'll be dead soon is the most important tool I've ever encountered to help me make the big choices in life. Because almost everything — all external expectations, all pride, all fear of embarrassment or failure - these things just fall away in the face of death, leaving only what is truly important. Remembering that you are going to die is the best way I know to avoid the trap of thinking you have something to lose. You are already naked. There is no reason not to follow your heart.

Ny fahalalako fa ho faty tsy ho ela aho no zavatra nanampy ahy be indrindra t@ fandraisako fanampahankevitra lehibe eo @ fiainako. Satria, ny zavatra hatahorana toy ny hoe hambo-po, fahafaham-baraka, fanatenan'ny olona amiko, faharesena, ireny rehetra ireny dia zava-poana ary kely dia kely mihoatra @ fahafatesana. Tsy misy zavatra ambony noho ny miaina. Ny fahafantarana sy fahatsiahivana fa ho faty ianao no hery lehibe indrindra hampatsiaro anao fa tsy misy zavatra hafa ratsy kokoa noho izany mety hitranga aminao ka anjaranao ny mandray an-tanana ny hoe hanaraka izay tinao, izay tondroin'ny fonao hatao.

Farany,

Your time is limited, so don't waste it living someone else's life. Don't be trapped by dogma — which is living with the results of other people's thinking. Don't let the noise of others' opinions drown out your own inner voice. And most important, have the courage to follow your heart and intuition. They somehow already know what you truly want to become. Everything else is secondary.

Voafetra ny fotoana ananao koa aza mandany andro miaina ny fiainan'ny hafa. Aza manaiky ho voafingan'ny dogma, izany hoe miaina @ vokatry ny hoe fieritreretan'ny hafa ny hoe tokony ho fomba fiainana. Aza manaiky ho totofan'ny hafa @ feony sy ny heviny ny feonao sy hevitrao. Ary ny tena ambony indrindra dia ny heo manana korazy sy ambom-po hanaraka ny ao amponao sy ny tsindrimandry ananao. Ireo no mahafantatra ny tena mety ho anjara sy lahatra ho anao. Ny ambiny manaraka ho azy.

Dia izay ee,
olon'ny fo izy ary fatany izay ataony.

RIP


Femme parfaite

J'ai encore reve d'elle
c'est bete, elle n'a rien fait pour ca
elle n'est pas vraiment belle
c'est mieux, elle est faite pour moi.

Samy manana ny sipa tonga lafatra ho azy moa ny tsirairay ka indro ary androany mba havoako ny ahy tsiambarateloko, oui oui je confesse tout aujourd'hui alt tandremo sao misy zalozy eo an alt

altaltaltaltaltaltalt

Fa tena serieux io an. i Nigella Lawson dia anisan'ny azo lazaina hoe vehivavy tonga lafatra. Nareo mieritreritra hoe i Oprah no tena rola hoe riche, epanouie sy manome torohevitra matotra sy mahafatrapo... kanefa i Nigella dia tena hoe specialista an'ny fandrahoana kaly. Tsy ny fitiavana no lehibe indrindra fa ny kaly niangaliana ho mafilotra. Na tsy tia tahaka ny inona aza ianao dia refa matsiro ny kaly dia mitsiky ho azy foana... Misy mieritreritra hoe "demeaning/sexist" otran'ny hoe manambany ony ny fieritreretana hoe tokony havanana @ fandrahoana kaly ny sipa kanefa hoy aho hoe tsy hisy olona hahavita hanambany ny sipa mahay mahandro izany satria vao maheno ny fofony fotsiny dia efa tara alt za manokana manana teoria kely hoe ny fahaizana mahandro tsaramaso no hahitana hoe sipa milay sa tsia ny olona iray altalt

Faharoa manarakaraka an'izany, fantatrao ve fa efa 51 taona i Nigella? kanefa dia tena hoe she's sooooooooooooooooooooo hot and hot!!! Tsy vitan'ny sipa mahandro kaly sy manao fandaharana momba ny kaly @ tele ny asany, izay marihana fa tena mampatavy ra tsy mitandrina fa en plus hoe efa 51 taona izy dia mbola otran'zao ihany... sady otran'ny sexy be le british accent...  izy no tonga lafatra eee, izay no mahalaza azy.

Dia izay ry tovovavy isany a, ra ohatra ianareo ka mbola mitana be otran'i Nigella @ 51 taona dia tsarovy fa mahazo ny fankatoavana offisialy avy aty @ simp  alt

Mba ho otran'ny ahoana aza i onitiana realy rehefa 50 taona le alt 
ouh la la lasalasa ambiroa  alt

bon weekend,

 

ps: ny lehilahy tonga lafatra ve?
      jereo eto  altalt


An han!!

Ity herin'andro ity otran'ny hoe herin'andro feno decouverte goavana mandravarava ny fahalalana noheverina ho marina hatrizay... jereo fotsiny ity sary ity:

alt

Hatr@ izay ah nieritreritra foana hoe tsy manana zavatra afatsy fotsifotsy ny papa. Hay nedala manana kiraro menamena. Dia azo alefa ve ny eritreritra hoe mety tsy fotsifotsy ny silipon'ny papa fa menamena? na du moins mety tsy fotsifotsy daholo ny silipony??  Ary mba iza ary no manjaitra ny silipon'ny papa ee? sa hoe vidiana efa vita? mety eo @ firy eo ho eo izay taille/pointure an'lery?? manao silipo ve ny papa? hitako tena tsy maintsy ho tentE ihany manko lery hoe tena refa tsy maintsy manao robe isan'andro otran'ny mety poinsa ihany ny mande commando... dia tonga wazy @ le fanotaniana inevitable hoe: inona ny loko preferE an'ny silipon'i jesoa... sa nande commando koa i lery alt

tag: if i don't become the president of the world by 2050, i'll join the priesthood... to become pope altaltalt

zay indray ary fa dia aleo ho faranana @ rohy youtube:

zay ah vao nahita hoe "hot girl" @ hira otran'itony... stephanie ony ny anarany... bougez bougez bougez!!!  ouh la la 

enjoy,

 


Deba a? He's no fool!!!

 

Ny fika hampanaovana olona zavatra iray izay tsy tiany hatao mihintsy dia ny hoe endrasana ho desesperE izy dia tsy manana safidy hafa intsony. Ohatra hoe ra tsy tia voatavo enao ary aleonao tsy mikaly toy izay hoe voatavo ny kaly... ie, tena tsy hikaly enao ra mbola mahavita, fa refa le enao tena ramaka be iny ary tsy misy inoninona azo pehana afatsy voatavo, dia tsy maintsy hihinana ihany enao...

Io izany no fika nampiadin'ny SADC hoe samy desesperee be doly na i tgv, mila reconesansa. Hoe tena kobon'lery fa tsy mandaitra le be mokony  fa na ny coalition an'lery aza mety hianjera wazy eo ra mi-style mande irery eo foana... i ra8 indray dia tsy haiko, namaky an'ity blaogiko ity ve lery?? azon'lery ihany ve ny fahendren'le hoe "reculer pour mieux sauter", hoe ny essentiel no ilaina atao acquis fa tsy babay sy lohovohitra akory dia indray alaina daholo nefa tsy efa kely dia kely ny tanjaka.

Ny movansa Zafy indray dia hitako hoe nandefitra sy hoe te hanome sansa an'le processus ahitana hoe hatraiza no mety ho vitany. Mbola hanao lahatsoratra momba an'i Zafy ah fa atreto aloha dia izy irery no hitako hoe tena "genuinely"  raisonnable sy plus ou moins democratika ary tia tanindrazana @ ity krizy ity. Mety hoe tsy tena methodique sy hoe tsy manana stratege/tactitianina izy fa c'est un bon mec... Ny groupuscule hafa rehetra indray dia mazava wazy fa  ra fivondronana tsisy lanjany fa natao hahabe chiffre fotsiny dia manaraka ny ataon'ny hafa foana. Ireo groupuscule ireo moa izany no tena mahazo tombony indrindra @ izao crizy izao satria refa ho tonga ny fifidianana dia hanjavona tsirairay ireo ary ra tsy mikambana ho antoko/groupement/coalition iray dia mety ho hahazo depiote 5 isan'antoko fara-fahabetsany, ankoatry ny MDM, Monima, UDR izay mety ho 10 depiote isan'isany eo ho eo (fahitako azy tsotsotra an).

Ny fipetraky i deba izany no tena nahatalanjona ny pokona. Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe "tampis pour lui". Satria hoe tsisy retour intsony io feuille de route io fa refa tsy manasonia dia tsy mandray anjara izany. Dia hoy aho hoe: izany an?

Voalohany indrindra alou dia kobon'i deba hoe tena nampiasana forceps mihintsy vao tafiditra t@ le fanaovana sonia ny tondro-zotra ny sadc. Izany hoe tsy maintsy mbola hisy gidraka be ny fanatanterahana an'io. Eto izany dia manana ny fahendrena izy hoe: I told you so!!  mais en plus, tsy maintsy hisy karazana fihaonana ihany ho handravonana an'izay hoe differend  @ fanatanterahana ny feuille de route izay. Mety hoe tsy fihaonan'ny chef de file alou izay satria na ny SADC aza mety ho reticent @ izany satria lafobe nefa tsy dia mahomby akory. Sady efa hoe asiana bureau de liaison dia io no manatanteraka ny arbitrage sy izay mediation tsy maintsy ho atao. Tjrs est il que afaka  miditra @ izay negociation izay i deba ary @ izay vao manasonia... manome an'le image/portrait hoe deba c'est un homme d'etat serieux, il reflechit avant de signer... Sady izao izy mahazo headline be... no refa hi-signer koa dia mbola hahazo headline fanindroany... pub vita hoazy...

Faharoa, ny Arema an'i Vaovao Benjamin izay nanasonia ny feuille de route dia tsy manana poids politika ampahafolon'i deba akory. Jereo tsara anie fa une fois deba mis les pieds a Mada, tout les faux-vrai AREMA vont disparaitre satria ny tena AREMA dia manana allegiance any @ i deba daholo ary izay tohanan'i deba ihany no tena AREMA @ fifidianana. Ny olona mahatsiaro ny AREMA dia olona mahatsiaro ny 2eme republika sy 3eme republika sous deba daholo... Ny tiako hahatongavana dia ny hoe na tsy mandray anjara @ io transition io aza i deba ka hoe tena fifidianana "democratic, free and fair" no atao dia poinsa mandravarava foana izy. Sady @ izay izy tsy maloto @ izay malversation sy hoe faux-pas izay ho betsaka tokoa ho ataon'io transition io... io izany ny plan B-ny izay mandaitra foana na tsisy sommet chef de file aza.

Fahatelo farany,  dia tena stratejika be mihintsy ilay fika hoe manaiky ny hanasonia izy fa mila sommet chef de file hiketrika ny details.  Bon, tsy haiko alou na combine miaraka @ i ra8/zafy io fa tena ingenieux be mihintsy hoe ilay feuille de route anie ka manome avantazy 70% fara-fahakeliny an'i tgv ee. Pratiquement, tena hoe i tgv daholo no manendry sy mi-valider an'ny transition iray manotolo.  Dia ny adin'lery izany dia hoe avelao soniavin'zala le fika fa za fotsiny manome objection pertinente, manome doute  sy manasokatra ny negociation mba tsy hoe hifarana eo. Hoe vita aloha izay ny resaka fodiana sy amnistia, ahoana @ izay ny fomba fizarana seza? aiza ve dia ho i tgv irery no tena ho rola eto??   @ izao izany dia no-recentrer-n'lery any @ tena hoe  i deba indray izao ny kozy fa teo aloha teo manko otran'ny hoe ra8/tgv izany foana. Izao indray lasa hoe  deba vs le reste... Eny e, somary aleatoire ihany alou izay satria ny SADC tsy voatery handray ny suggestion napetrany . Saingy araka ilay noteneniko teo hoe tsy maintsy mbola ho kombaka be ny adiseza, ary io fikan'lery io ny varavarana nosokafany hisian'izay kombaka izay... Dia miditra moramora fotsiny izy avy eo. Izy indray tsy hampiasa coco be izany izy fa ny azy ny praiministtra no ilainy, plus an'izay ministera tsisy mpitia rehetra. Il est comme ca, simple... tres simple.

Moa ka tsy izany va??

alt

Izany eo ihany fa ity ny rohy youtube-friday ee... tsy hoe adinoko fa somary dizna kely fotsiny t@ zoma eee...

mba asivo chin-chin kely fa voasonia ihany le tondro-zotra eee... enganie mba ho tafavoaka @ krizy tokotrany ity tanindrazana ity... za alou dia tena sceptika be hoe tena tsy maintsy hoe maihol ihany no prezida @ 2013 le... tsy te ahita an'le tiko ho hita ah  alt
Ny tena loza dia mety ho i tgv ihany no tsy hirara an'le sonia izao... araka ny fomba, hoe zaza-saina,  izay tsy hita izay maharatsy azy...   il est comme ca, fier et libre!!!

Cheers,

alt


Misia ny mazava

 

Mahita an'ny fankalazana ny fahatsiarovana ny 9/11 ah dia gaga sy talanjona mihintsy hoe tena miray hina ny olona ary hoe tena hita taratra hoe mahatsapa ny maha-firenena iray an'i Amerika ry zareo. Dia lasa ny saiko hoe mety izay mihintsy no tsy ampy amintsika malagasy hoe tsy mba misy an'izany hoe sens ana-hoe "fifandraisana" na hoe firaisan-kina izany ny malagasy. Ie tanisaina daholo izao hoe fihavanana ee, fahendren'ny Ntaolo eee, firaisan-kina malagasy ee fa en fait ny realite dia tsy misy ny fahatsapana fa hoe malagasy.

alt

Rehefa manangana saina dia toy hoe fombafomba fotsiny ihany. Tsy nozarina hitia tanindrazana fa plutot hoe nampitahorina sy nobedesina hoe rehefa manangan-tsaina dia tsy maintsy manala satroka ohatra... Tena gaga sy kirana tanteraka mihintsy enao rehefa mahita ny olona mihira ny hiram-pirenenany. Ny antsika anefa dia zary hoe devoara sy hoe tsy maintsy atao fotsiny fa tsy mba hoe @ fo sy hoe fireharehana fa mahaleo tena... Misy ary tsy azo lavina anefa ny atao hoe "sense  of malagasiness" izay hoe fifandraisana tsy hay lazaina izay fa na aiza na aiza ianao dia misy zavatra misintona anao foana hoe "Gasikarako"... Ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsy mba ao amin'ny kolontsaintsika izany hoe soa hoan'ny tanindrazana mandeha alohan'ny soa an'iza na iza izany. 

Tao arinan'ny 9/11 dia nande nanafika an'ny Afghanistan ny bekitana... bedabe mihintsy ny amerikana nirotsaka sy hoe ni-volontera ho amin'izany... kanefa efa fantatra fa tsy maintsy hisy ho faty ary tena hoe zavatra probable le izy fa tsy hoe possible fotsiny... Raha ny eto amintsika anefa no misy toy izany hoy ianareo dia inoako marimarina fa ny hiala-zigla no tena hoe betsaka hoe oay letia eee, mamy ny miaina... Marina fa hoe tsy mitovy ny zava-misy sy iainan'ny miaramila amerikana sy gasy kanefa ilay firotsahana sy fanomezana ny aina ho an'ny tanindrazana mihintsy no tsy misy eto amintsika. 

Ny an'ny olona manko rehefa hoe hoan'ny tanindrazana izany dia tena hoe afoiko ny momba ahy manotolo ary hanao izay tratra ny heriko aho mba ho fanavotana sy hiarovana ny voninahitry ny tanindrazana.  Tsy voatery hoe ady @ firenena hafa ihany fa rehefa misy hifandraisana @ firenena dia tena hoe tsy asiana alaharo alaharo. "Do it for your queen" hoy ity mpi-tweet iray mantsy ny mpilalao welsh @ fiadiana ny amboara eran-tany @ rugby atsy NZ. Asa, mety hoe isika miady @ samy malagasy ihany ve no mahatonga antsika ho toy izao?  Tsy mba manana hoe zavatra iray (cause) hiadiana na hoe zavatra iray mamiratra ho tohanana.

Efa tany @ 50 taona mahery lasa tokoa ny hoe tolona hoan'ny fahaleovan-tena ka asa, adino ve?  satria efa tsy misy velona intsony ireo nitolona t@ izany?  Tsy mba samy manana ny nofinofy iray ve isika hoe hampandroso an'i Gasikara, hanasambatra ny malagasy? dia mba izay no nofy ikambanana maha-malagasy? izay no ho hiadiana hoe "hoan'ny tanindrazana", tsy asiana andraso andraso ary hanaovana izay fara-tratry ny aina. Raha misy malagasy na iza izy na iza, tokony hanongo-tena raha tsy mahatsapa ny tena dikan'ny fitiavan-tanindrazana. Satria adidin'ny tsirairay ny miady hoan'ny tanindrazany. Io no tena folaitra an'ny tolona rehetra nisy teto tao arinan'ny fahaleovan-tena. Tsy mba nitolona hoan'ilay nofinofy niraisana isika fa nitolona fotsiny ny hanesorana olona iray eo @ fitondrana. Otran'ny hoe ilay olona irery no tena fototry ny olana... indrisy anefa fa ny tantara no nanambara fa ra lasa ny mamba dia nisosoka ny voay... Najary  herim-po very maina ny tolona... 

Izany rehetra izany no ilazako hoe diso be ny fomba nitondrana ny mediation hatr@ izay krizy rehetra izay. Tokony ho mediation no-orienter-na any @ tolona hoan'ny tanindrazana fa tsy mediation hivoahana @ krizy no nimasoina. Mediation hoan'ilay nofinofy iraisan'ny malagasy.  Tsy ho azo kihanina ny hevitra iray raha tokoa ka hita sy mazava fa mitarika hoan'ny nofinofy iraisana izany. Raha toa izany ka misy hevitra tsy eken'ny sasany (na andaniny io na ny ankilany) dia mbola tsy mazava ny fifandraisany sy ny hoe fitondran'izany hevitra izany @ ilay nofinofy iraisana ka tokony adaboka avy hatrany refa tsy maharesy lahatra... Ny tokony hanombohana ny mediation izany dia ny hoe famaritana an'ilay nofinofy malagasy eken'ny rehetra. Ary miainga @ izay ny negociations ambiny rehetra...

Manonofy atoandro ve ah??

alt


Foursome... pleasure guaranteed!!!

Tsy efa mitovy daholo ve izao ny eritreritra?  altalt
tsy hitako intsony izay lazaina ankoatry ny hoe lafatra, tsy misy toy izany alt
marina moa oooooooo
disclaimer: iangaviko enao mba tsy hijery ny sary mihetsika etsy ambany raha matahotra fa tsy ho zakanao ny ho hitanao ao... satria dia tena mahatalanjona tokoa hoe mahavita an'izao ny olombelona...
marina moa oooooo
otran'ny maheno mozika mafinaritra izany enao rehefa mijery an'ilay izy...
marina moa oooooo
le izy olona efatra mihintsy no  tena mahatalanjona, tsy mampino 
marina moa oooooo
tsy efa miraraka daholo ve ny ivinareo??  alt

Jereo eto

ankafizo ooooo

ps: jereo eto

 

 


Didy folon'ny fampirafesana

Yeah, that's right, this is happening!!

Otran'ny mirongatra indray ny fanaovana lisitra eto @ blaogasifera ka mba hitondra ny anjara brikiko ah... Efa ela ity no saika ho soratako fa izao vao otran'ny nidina tato amiko ny fanahy masina dia  mba hoe hirediredy kely... mba ho famonjena ny zanak'olombelona alt Ireto ary ny zavatra tsara tokony fantarina alohan'ny hampirafesana. Natao hoan'ny lelah fa azo avadika hoan'ny vevavy ihany koa, miampy fanovana sasan-tsasany alt

alt

1- Know your "femme de ma vie"
Ny prerequisite an'ny fampirafesana dia mila manana vady. Izany hoe olona  "tiana"sy hoe tena siora fa refa antitra sy tsy manenjika intsony ah dia io no hiaraka amiko, renin-janaka ary hilevina any @ fasan-drazana... Noho ny antony tsotra hoe ra tsy manana "vady" enao dia techniquement mahazo mampirafy alt

Fidio tsara hoe sipa tena tia anao, le tena tia tsy asiana hoe nahoana ireny mintsy an no safidiana ho femme de ma vie... Ny antony dia tsotra fotsiny hoe: Tsy afaka manao DSK enao raha ohatra ka tsy manana Anne Sinclair... hoe na traingo aza dia mbola poinsa ihany avy eo, izay no tena dikan'le hoe femme de ma vie...

Raha tsy maintsy asiana safidy dia ny femme de ma vie no prioritaire kokoa mihoatra @ maitresse rehetra... sous-didy tena important be io ary mila tandremana toy ny anakandriamaso eny fa na dia misy ara ny fotoana hoe tena tia kokoa an'ilay maitresse enao... Never maka divorce izany noho ny sipa any ivelany, mbola bedabe ny sipa hafa mety milay noho io ka mety hidivorce in-100 toi vao ho antitra... io no mahatonga ny hoe  femme de ma vie izany dia hanome AAA rating an'i toi hoe tsy hi-default izany izy na dia sipa bomba tahaka ny inona aza no miaraka aminy any...

2- Know your 2eme burreau:
Samy manana ny type-ny moa ny tsirairay fa ny didy tsy maintsy arahina dia ny hoe:

Aza miaraka @ sipa mitady vady izany, sipa mihoatra ny 26ans rehetra io. Oui, vulnerable sy mora baboina fa tena source de zistoira goavana be mihintsiny... donc, na sipa kely 2eme annee eny Ankatso le mbola tsy mivakl fa te hanandrana fiainana ireny na ramatoa efa manambady (scrupuleusement miezaka ny tsy ho tratra), izay ihany.

Don't crap where you eat, don't eat where you crap. Raiso ho toy ny anabavy, izany hoe fady ny olona manodidina anao rehetra: mpiara-miasa akaiky (iray departement), namana/vadin'ny namana (ny anao sy ny an'ny femme de ma vie),   ny zao-bavy, voisin immediat... tsy maintsy tratra foana io ary dia zistoira be foana eny fa na dia tany @ 10 taona lasa aza nareo no niaraka farany...

3-  Thou shalt not lie:
Ity angamba ny lalana faran'izay archaique indrindra @ fampirafesana dia ny hoe  rehefa mampiresaka sipa dia aza esorina ny peratra ary lazaina azy mihintsy fa efa manam-bady, tsy sambatra ary efa mikarakara ny fisarahana... avertie le sipa @ izay hoe mila mitandrina fa mbola misy tompon-toerana ary ihany koa hoe tsy koi na tratran'i ra-sipa miaraka @ sipa hafa aza i toi, mihevitra izy fa iny no vadin'i toi... ary indrindra indrindra hoe tsy afaka ny hisisika ny hifankahita @ namana/RAD sy ny izay manodidina an'i toi izy satria  "mbola" tsy tompon-toerana...

4- Mankamasina ny andro alahady:
Otran'ny biby ihany ny olona. Rehefa nozarina @ zavatra iray dia sarotra be ny miova @ izany.  Izay no mahatonga ny hoe rehefa misy zavatra fanaonareo ao antokatrano miaraka dia tsy mahazo mi-devier an'iny plan iny. Ohatra hoe date night na hoe anniversaire fatao isan-taona na hoe week-end miaraka... rehefa routine rehetra dia tokony disponible foana ary tsy tokony manao plan goavana hoe tsy ahafahana mitsoriaka...

5- Thou shalt not be emotional:
Tsara raha tsy mi-s'attacher emotionellement be loatra @ olona iray fa lasa tsy mahatandrina ny tokony ho tandremana rehetra. Ny regle d'or eto dia ny fiovana sipa ao anatin'ny 6 volana fara faha elany. Raha vao mifankazatra ny olona roa dia lasa tsy mahatandrina wazy ary dia hita wazy eny ny nafenina.

Mila mampiseho, mi-pretendre, hoe emotionellement faible @ le sipa ihany koa anefa. Satria dia @ izay izy no hiezaka hiaro/hanavotra/hitandrina ho anao au lieu de hoe enao no hibaiko/handrara/handidy azy @ tsy tokony hataony... manipulations tsotsotra fotsiny io izany hoe rehefa mahatsapa izy fa izy no matanjaka kokoa eo @ le fiarahana dia izy no hiezaka hiaro an'ilay fiarahana, instinct maternelle...

6- Prepare, live and practice your alibi:
Manana zavatra fataonao regulierement kanefa tsy dia misy temoins firy fantatry rafotsy, ohatra hoe gym na hoe jogging na hoe lalana misy emboutaillage be ny fodiana ohatra... efa zaro dieny mialoha i rafotsy hoe ra tsy tara mihoatra ny adiny 1 enao mody vao miantso hoe tara kely ah... 

Ny tena important eto dia ny hoe omanina tsara ny alibi fa izany hoe tsy exposer-na dieny mialoha ireny akory fa atao reserve fotsiny hoe au cas ou... en general, mi-react otran'ny hoe tsisy in in na hoe tsy blem le izy fa "innocent"  enao no mety kokoa... ny fika mandaitra ihany koa ra mitady ho tratra dia ny hoe lie to cover another lie, izany hoe mi-avouer nandainga noho ny antony iray  izay tiany kokoa fa zavatra stupid fotsiny...

7- Get the bills:
Izay zavatra ataonao rehetra ka tsy miaraka @ rafotsy dia non seulement mila ariana enao personnellement no manary azy (voire dorana) ny factures mety mitranga rehetra fa en plus, mila aloha cash izany... Fady tena fady izany mampiasa carte izany,... 

Tsy tokony lazaina an'i rafotsy izany ny tena hoe karamanao exacte fa le voisinage-n'iny fotsiny no tokony omena sopapa anazy (ra manotany izy)... Mila manao fake-joint-account ra ohatra ka hoe miaraka ny kaonty bankeranareo. Ny vevavy ankehitrio aloha dia tsy dia mazoto manao kaonty bankera mikambana eee fa ra tafiditra @ izay dia na atao mi-transit @ kaonty hafa ny kandra alou izay vao alefa any izay montant (mahazatra)  tiana alefa... na hoe alefa directa any ny kandra fa ny hoe suppl/bonus no alefa any @ kaonty hafa... anotanio tsara ny HR sy ny finance hoe possible ve izany alohan'ny hidirana hiasa @ toeram-piasana iray...

Mila manao budget en bonne et due forme an... mandany vola be ny mampirafy... mais bon averiko indray ny didy voalohany hoe tsy tokony manao zavatra hoan'ny maitresse ka tsy ho hataonao @ vadinao, ohatra hoe mividy  collier lafo be o o o aoka etsy...

 8- No phone at table:
Ny finday moa izany dia teknolojia faran'izay hoe ilaina ra te hahazaka sipa kanefa dia anisan'ny hoe mora mampa-tratra indrindra.  Ny voalohany @ izany dia ny text tonga sy ny caller-id niantso anao. Ny text dia mila systematiquement fafana rehefa avy nojerena, eny fa na dia text tsy compromettant aza, ra mamaly dia aza adino ny mamafa ny sent/outbox. Ny tracer-na antso voaray/natao/missed calls ihany koa dia mila fafana. Ny caller-id dia mila ovaina anarana tsy suspect, izany hoe anaram-behivavy (oui mety ho raikitra ny fiantsona azy ra misy gidragidra)  miaraka @ famatarana manokana ohatra hoe alicia2 ohatra na otran'zany... 

Dia mody asivo lalana ao an-trano hoe tsy misy mahazo mandray telefona eo ampisakafoanana... manomboka @ 8 ora alina dia efa vonoy ny finday... indraindray mety mi-depressive ny maitresse na hoe hormone na otran'zany mety ho avy @ ora tsy ampoizina ny text tsy afaka hazavaina dia aleo tonga dia tsorina @ vahoaka rehetra hoe manomboka @ 8 alina tsy maintsy maty ny phone... mila manana phone ao an-trano kosa anefa an hoan'ny urgence fa zany hoe tsy omena an'ny maitresse io... 

Ra ohatra ka tsy pre-paid ny finday fa sur contract dia @ publiphone miantso azy... urgence ihany vao ampiasaina ny phone ao ampiasana...

9- Fake your life online and offline:
Oui, mila manana fake-fake email/facebook/twitter sy ny karazany... Ra possible dia fake-anarana koa omena azy...  ny password tsy tokony omena an'iza na iza izany, mi-logout systematiquement ary tsy maitnsy atao an'le tsy azo tadidiana io ao @ ze navigateur ampiasaina... ra ohatra ka midongy sy hoe mitaky ny hanana apercu an'ny kaontinao i rafotsy dia aza manaiky fa asio adybe manadala aloha izay vao omeo (tout en sachant hoe any @ fake-account no misy ny maitresse nefany)...
Ra sanatria moa ka tsy poinsa ireo dia akatony ny rindrina fara-faharatsiny... et eventuellement akatony ny akaonty.

Meme chose ny mikasika ny mailaka.

10- Thou shalt use protection:
ity moa izany dia otran'ny hoe filazana ny zavatra trivial kanefa dia didy lehibe tsy maintsy arahina. Ny protection voalohany dia ny fampiasana preservatif, hiarovana ny IST fa indrindra ny hoe tsy hamindra an'zany any @ rafotsy... Ny protection faharoa dia ny hoe fidiovana hoe mandro sy manisy ny fofona mahazatra (ranomanitra na tsy haiko ze fampiasanao...).  Ra manaraka ny didy 9 rehetra aza ka tsy manaraka an'ireo dia eee veloma lava.

Dia izay eee...
Misy olona izay niteny hoe ny fampirafesana dia sady spaoro no kanto, otran'ny hoe gymanstika artistika. Ilaina ny hakingana (skills) mba hilalaovana tsara. Ilaina ny fanazaran-tena mba ho matihanina. Ilaina ny discipline mba hitandrina sy tsy ho sendaotra. Ilaina ny talenta mba ho mpandresy...  fa ny tena regle ambony indrindra alohan'ireo dia ny hoe: aza tia kely!!  rehefa zavatra somary aleatoire ohatra hoe ny fiainana na hoe miloka dia rehefa nahazo nihoatra an'ny nantenaina dia "get out"!!

Tsara jerena: Vicky Cristina Barcelona.

voila!

alt


Malala aa, za anie tsy niova fa mbola jiolamboto

 

Sendra nahita an'ity hiran'i Tovo Jhay ity ah izany-- waaaaaaaaaaaaattt ie indraindray ah mihaino an'ireny oui oui 2hours mahaleo session now to save my soul-- t@ izay mbola teny @ julf io no nalaza... 

Dia lasa nostalzika tampoka ah hoe ny sentiment-ko t@ izany dia hoe mampalahelo le sipa nisy nametraka t@ andro avy orana...

Dia izay ah vao mihomehy irery hoe kiiiiiiiiiiii iza koa ary izany sipa vendrana miaritra orana ho ana bandy  izany tssssssssssssss soa ihany fa manja fa ra tsy izany dia eeee...

Dia voa mia koa lasa saina hoe kay le lasa otran'zany ve ny niveau an'ny machisme-ko?? otran'ny tadidiko hoe "nivoady" kely mintsy ah t@ izany hoe "I'll never be that  kind of guy"... mbola diso naive/innocent loatra ve t@ izany sa hoe za @ izao no tsy ampy  taoka?? altalt

Otran'ny makamo be le mahatsapa hoe mihaantitra ee?? manemo mafy be loatra le tic toc tic toc altalt

c'est la vie!!


tgv aaa learn from deba

 

Lava be... le paragrafy farany vakiana ra... leo alt

Na dia samy manana ny fomba fijeriny sy fironany ara-politika aza isika rehetra dia inoako fa raha apetraka ny fanotaniana hoe inona ny zavatra hahatsiarovanao an'i deba? dia tsy maintsy ho tafiditra ao anatin'ny valiteny ny hoe nitondra ela teto @ tanana izy. Ie, tsy mbola nisy otranazy... mety hoe mpanao didy jadona sy diktatera ary mpamono olona, tsy hary ho tanisaina sy tsy hay ny tena marina izay tena nataony fa kosa hoy aho hoe mba misy coco ihany lery iny izay nampiavaka azy @ hafa. Ireto ary lesona vitsivitsy azon'ny DJ tsoahina avy aminy.

Voalohany indrindra aloha dia True leader ny deba. Mahay mitarika izy, tsy vitan'ny hoe mitarika vahoaka fa indrindra indrindra ireo olona manodidina azy. Izany hoe "ouvert" @ hafa izy ary hainy tsara ny manodina ny hafa ho faly @ zavatra ataony. Io no tena mahasamihafa be an'i ra8 sy i deba. I deba dia tena mpanao politika, izany hoe olona afaka mamaly sy manome valin-teny mahafapo ny rehetra sans pour autant hoe tena manome valiteny mazava sy hoe tsotra araka ilay fanotaniana na olana mipetraka eo anoloany. Tsy dia tena hoe mivarotra saka beloha fa juste zavatra misy minimum de raison fa aodina fotsiny @ interet an'ny olona dia lasa tsy mahita afa-tsy iny hoe y a pas le choix... mila ouverture hoe miara-miasa @ olona hoe tendance hafa  hoe na manao coalition aza  dia mbola tsapa hoe i deba no rola mitondra ny baolina... ary farany ny tena important indrindra ifampizarana ny "manger" fa tsy manao tenda-kanina irery hoe tsisy afa-tsy ny tiko boys no mahazo laka.  Io tena fahasamihafana goavana @ i deba sy ra8 tanteraka io.  I  deba izany ze bandy misy potentiel dia kolokoloin'lery hoe hiditra hiara-hikaly ato fa tsy ho lasa competition any @ sisiny otran'ny hoe karazana takeover izany ee, lasa AREMA doly ze olona misy coco rehetra ary indrindra hoe ni-former hoe cadre ho @ AREMA izy. Contrairement @ i ra8 hoe tsy mahita afa-tsy expert vazaha sy hoe  olona opportuniste daholy no lasa nakao @ TIM... ny tena vokatr'ireo rehetra ireo dia hoe misy ny tena atao hoe AREMA iringiriny,  na ny hoe base-n'ny AREMA na ny hoe homme de main azony hitokisana tanteraka izany... mba misy ve ny TIM iringiriny mihoatra izao? azo isa @ ratsan-tanana??... mba azo lazaina fa antoko ve ny TGV? iza no hoe tena TGV iringiriny, toa ry Edgard indray aza no ilana ady nefa tokony mba alliE matanjaka...

Faharoa, i deba dia nahafehy tsara ny hoe armee... asa na noho hoe izy miaramila ihany koa hoe i ra8 sivily ka tsy dia nahavita nitandrina sy nitrondra ny miaramila araka ny tokony ho izy... i tgv aloha otran'ny metimety ihany fa na izany aza hita be mihintsiny hoe mikorapaka be sy hoe matahotra be foana lery ee... i deba tsy mila ampahafantarina izany akory hoe mihaona @ sefo miaramila izy, otran'ny hoe miera @ miaramila izany i tgv au lieu de hoe izy no sefo suprema mibaiko azy ireo... otran'izany koa ireo conseiller-ny ry asterix sy ny hoe UDR-C izany otran'ny hoe saribakoly misy mibaiko ao ambadika i lery... asa tsara kokoa raha manana karazana autoritE kely sy hoe na misy aza fifampiresahana dia tokony hoe tsapa hoe izy no sefo. i Obama izao tsy maintsy mahazo security briefings isan'andro, sao dia mba tsara alaina tahaka izany... Ny tiako tenenina dia hoe rehefa tsy hita eny ivelany hoe sefo enao fa otran'ny hoe boay kely miezaka ny ho sefo dia lasa tsy mahavita zavatra no tsy mba raisin'ny olona serieux izany mintsiny...

Farany ary ity no tena lehibe indrindra, i deba dia tena stratege be mihintsiny. Tsy olana aminy mihintsy izany manao exile izany fa tena vitany ny miaritra sy hoe miandry ny moment oppurtun ary tsy maimaika izy manao declaration fa zavatra tena voadinika sy efa voaplanina daholo ny zavatra ataony rehetra. Eto aloha dia tena mahazo naoty 0/20 tanteraka ny DJ satria dia ra8 latsaka fefany no fetra.  Tsy mba mandinika tsara fa dia zavatra impulsive daholo no atao ary matetika dia hoe taktika hialana @ maimaika foana no ampiadiana.

Ohatra hoe ny fanaovana hopitaly? franchement, tena hevitra dondrona tsisy otran'zany. Satria nahoana? voalohany indrindra aloha tsy misy vola anaovana an'izany, na misy vola aza tsy ao anaty budget izany. Faharoa, tsy ho vita alohan'ny fifidianana izany mihintsy io ra tsy hoe hopitaly ho zakan'ny cyclone angah. Fahatelo, firy ny isan'ireo? sady toa @ toerana tsy ilana hanaovana propagandy be akory no nasiana azy??  Ny olona andrenivohitra sy tanan-dehibe anie ka tsy mora ambakaina ee... azoko tsara le sentiment hoe mihoatra @ kandida potentiel hafa rehetra lery no tsy manana CV aseho indrindra hoe inona no mba vitan'la ankoatry ny manongam-panjakana? kanefa tsy naleo ve ilay hevitra hoe "nationalisme" sy hoe "independance" no natao masaka tsara. Hoe noporofoina fa na tsisy mpamatsivola aza dia mande tsara ny admnistration fa tsy izao grevy etsy sy eroa rehetra izao foana no tsy maintsy mamono afo... oui, ilaina ny mamono afo fa raha ohatra ka tsy nande nanao projet elefanta fotsy @ resaka hopitaly tsisy ilana azy fa ny efa eo no atao mande tsara sy hoe tena exemplaire kanefa tsisy fanampiana avy any ivelany dia tena propagandy vita wazy sy hoe manambaka ny hafa rehetra hoe vitantsika io rehefa mahaleo tena sy miara-mientana isika.

Ny resaka trano mora, entana mora sy ny subvention isan-karazany ary ihany koa ny hoe atao tsy mandoa vola izao rehetra izao... jereo tsara fa otran'zao mintsy ilay impulsion an'i ra8 t@ le resaka detaxation iny... misy antony matoa nirodana ny socialisma sovietika, tsy inona izany fa rehefa tsy misy ny concurence dia lasa kamo sy tsy mamokatra wazy ny vahoaka... et encore, tsisy vola hanaovana an'zany rehetra izany eo... marina fa adidin'ny fanjakana ny hoe manohana ny secteur tsy mande sy hoe mi-reguler ny imperfections @ tsena ary mety mitondra @ hoe subvention izany indraindray kanefa rehefa hoe ny vahoaka malagasy iray manotolo no mila-subventioner-na dia lasa socialisma sovietika tanteraka izany... ny @ izao mbola mety hiety ihany fa le fanjakana miditra manaraka eo no hinan'izay tsy fihinany mihintsy rehefa avy eo... ka asa mety tsy ho izy angamba izany no hitondra manaraka eo no matoa mandrora mitsilany...  Fara-faharatsiny mba tokony asiana analizy kely ekonomika @ impact an'ze politika tiana hampiarina hoe a court terme sy moyen terme fa tsy tonga dia atao maimaika be fotsiny @ izao... ary indrindra indrindra hoe tokony valider-na any @ parlemanta ny zavata atao fa tsy didididina fotsiny @ izao ny vola ampiasaina @ izany...

Ny ohatra farany, dia ny famahana ny krizy, ity dia aloha dia tsisy teoria na hoe manual azo ampiasaina fa en tt cas, tokony efa hoe ni-lead hatr@ voalohany fa tsy mandroso mihemotra lava izao. Rehefa tsy hoe nanao mokondoha hatr@ voalohany dia tokony tsy manao mokondoha @ izao intsony. Ny tiako tenenina hoe omena ultimatum ny sadc hoe rehefa tsy izao na izao dia tsy rarainay intsony... voalohany indrindra aloha dia tsy tokony manao ultimatum izany fa tokony tonga dia ny nanao mokon-doha fotsiny tsotra izao, ny feuille de route anie azo nampiharina na tsy nosoniavina aza ee, donc tsisy dikany ny hoe ultimatum.  Io le noteneniko teo hoe otran'ny saribakoly sy miera nedala fa tsy mitrondra sy hoe sefo mitarika... Faharoa, ny sadc akory tsy anadahin-dreny ka hoe azo anaovana caprice sy otran'zany, tsy manova inoninona ny ultimatum fa vao mia aza manasaro-javatra indray... farany raha tena hoe important ny fanasoniavana ny feuille de route dia tokony no-orienter-na tany ny hoe politika etrangere. Izany hoe tokony nampanaovina mission tany @ sadc ny minisitra raharahambahiny na izy mihintsy aza, na hoe no-convoquer-na ny ambasadaoron-drizareo  fa tsy hoe mipitrapitra eny anjorom-bala miandry valina taratasy, izany no atao hoe mitarika, tokony hoe matoky tena  sur de soi sy tsy menamenatra...
Bref, ny tiako notenenina dia ny hoe tokony tonga dia natao ny amnistie dia naroso ny fifidianana kaominaly sy rezionaly na tsisy fanasoniavana feuille de route aza... ireo olona mimenomenona @ feuille de route rehetra ireo anie zavatra olona miandry amnistie doly fotsiny ee... ny fifidianana dia fait majeur tsy azo anakipiana maso eny fa na ny sadc aza... juste hoe ny legislative sy presidentielle no tena tsy maintsy ilana mpanara-maso... satria tena ironika sy tena ridicule be le hoe mitaky fanasoniavana feuille de route kanefa ny Maputo sy Addis-abeba nosoniavina tsita akory ze napoaka tao... tsy ny sonia noho inona fa ny zavatra atao...

Dia izay ee,
Tokony mieritreritra ny DJ hoe ampahafirin'ny deba izy:
* Afaka milomano ao anatin'ny fifasamihafana @ tanjona sy fomba handrobana ny firenena miaraka @ bande des 6 ve izy?

* Olona mitarika sy mandray fanam-pahankevitra ve sa saribakoly??

* Mba olona mandinika sy mandajalanja ve?
efa impiry izay i ra8 no niteny hoe hody, dia efa impiry koa i tgv no niteny hoe asiana fifidianana, niteny hoe tapitra @ ity taona ity ny transition, niteny hoe tsy hirotsaka ho fidiana ah?

altaltalt


Man, Socialism rocks!!

 

Mety hoe tsy ampy sakafo sy mahantra fadiran'ovana izy fa jereo kosa ny zava-bitany... indro atolotra anao ny zaza avy any Korea Avaratra:

 

Lasa ny eritreritro hoe sao dia mba misy hifandraisany aza ny hoe rezima sosialista sy hoe fivoahan'ny zava-kanto misongadina sy hoe milay... jereo anie fa ny mpihira milay rehetra eto @ tanana dia tao @ tena repoblika faha-2 doly no tena nivoaka ny tena sangan'asany ee? Mahaleo, lsnt, solika, bodo, poopy, njila, njakatiana, rossy, rebika... jereo anefa ny mpihira ankehitriny... toa tsisy ilana azy doly... asa, vokatr'le hoe tsy ampy kaly sy fadiranovana @ sosialisma ve dia miainga wazy ny inspiraka sy hoe lasa mahay zavatra tsy tokony ho hay ra misy atao??

Resaka tsisy ifandraisany,
teoria-ko dia hoe rehefa zarina hianatra sy hanao zavatra tsy tiany dieny mbola kely ny ankizy dia lasa mahay be wazy @ iny zavatra iny... Ny tiako tenenina hoe tokony tsisy olona  dondrona na hoe tsy mahavita fianarana izany fa mila hoe ny RAD-ny no mi-forcer azy dieny mbola kely fotsiny dia mande jolie doly wazy ny zava-drehetra... marina sa tsy diso??

alt


Mafy be ny coco

Rehefa ho avy ilay andro ka ho lasa diktatera ah any aoriana any dia mba ampatsahivo ahy kely hoe izao ilay nolazaiko hoe: andramo ny maty fa tsy hita ny torana eee!! sokafy ny sofina rehefa ny miteny ny vahoaka hoe: aoka izay... rehefa ny olona tsy vahoaka no manampy miteny hoe aoka izay dia tena efa tara loatra izy izay. Ny nenina ao ariana hananatra fa tsy ao aloha handatsa.

Rehefa manao negociations dia izay ialana mazava sy ny hoe manaja tena no tokony hilofosana fa tsy ny hoe fanodikodinana resaka mandra-pahita fika hanapotehana ny fitokonana sy revolution ataon'ny olona. Ny olombelona tsy maintsy misy ambom-po fa ra toa ka hoe tena fitiavan-tanindrazana marina no hitondrana firenena dia tokony manaiky sy manaja tena raha ny firenena no tsy manaiky ny ho entina... satria izany no fahendrena fa ihany koa ny tantara no maneho fa tsy misy mpitondra miady amin'ny tolom-bahoaka  ka nandresy izany, indrindra moa fa hoe miady @ fianakavimbe iraisam-pirenena izany.

Jereo tsara ingahy Laurent Gbagbo, mbola nanana hery matanjaka teo @ negociations izy no nomen'ny tandrefana hoe issue mazava, i obama mihintsy no niteny hoe mahazo mialokaloka ao @ bekitana izy ary itadiavana fika milay ra manaiky miala... fa eee mafiloha sy nieritreritra fa tsy maintsy handresy ary nivoady ny tsy hiala raha tsy ny aina no afaka... inona akory no izany eo, efa eo ambody trano ny vava-basy vao mitady hi-negocier, tara loatra eee

Io koa ingahy Gaddafi... rehefa t@ mbola natanjaka sy hoe tena lahilahy dia mafilohabe otran'ireny tsy mande ra ireny.  Izao anefa efa manisa andro sy mitady firenena hialokalofana... Ra misy henjana anefa hoy aho, hisy henjana noho i Gaddafi ve?  ka hoy aho hoe anatra hoan'ny apprenti diktatera rehetra izao, i Alassad izao ny next-in line... Sady ny vahoaka no efa tsy tia azy no koa ny firenena ivelany rehetra efa miantso azy hande. Raha hoe firenena "tsisy dikany" izany hoe tsy stratejika na tsisy harena akibon'ny tany firy otran'ny Zimbabwe no afaka hoe miziriziry eo dia mihenoheno fotsiny ny tandrefana fa rehefa ny olona no miantso hoe na eo enao na tsy eo dia mande foana ny rara dia mihevera vatana fa efa tara loatra izy izay.

Tsia an, tsy miteny aho hoe tsy maintsy milefitra @ fanjanahana na fanjakazakana ataon'ny Bekitana sy ny tandrefana foana akory fa raha ohatra ka misy na dia ampahany fotsiny aza @ vahoakanao no mitolona sy tsy mankasitraka ny fomba fitondranao dia tokony ho tonga saina ianao. Hoe voalohany indrindra hoe tsy hampiasa hery  ary faharoa hoe avelao ny olona hitokona fa zony izany. Ra ny adolantsento no rarana tsy hanao sipa ve dia tsy vao misy hanaonao foana any izy ka efa misy zafikely vao ho saina tonga? tsy vitan'izany ihany fa mila ny hoe henoina ny lazain'ny mpitolona, eny fa na dia misy ny hoe fanararaotana sy ny hoe hihevitra ny hanongam-panjakana fotsiny aza no tena betsaka. Mora kokoa ny mifandamina sy ny hoe maka marimaritra iraisana noho ny hoe ho lasa fahavalom-pirenena. Eny, mila mandefitra be izany, eny fa na dia mahatsapa tena ho tsy diso aza enao. Araka ny efa voalaza hoe fahasoavana sy hoe hatsaram-panahy ny fitondrana firenena ka rehefa izy no tsy te ho entina intsony dia tokony manaja tena @ izay.

Tsy tokony miandry ho efa alohalika ny ranombary vao ho tonga saina ihany koa. Na i Mubarak na ny filohan'ny Yemen dia mizaka ny havesatr'izany daholo  @ izao fa hoe vao hita fotsiny hoe tsy voantandrina ny fitsinjovana ny zon'olombelona dia efa tara loatra izay... ny mametra-pialana no tsotra indrindra ary mivavaka mba tsy ho hisy hanala hatr@ aina.

Tsy ho an'i dada irery ihany akory io, fa ho an'izay rehetra mieritreritra ny mbola hitondra ny firenena indray andro any... ary indrindra indrindra hoan'ny DJ, izay zavatra tena siora fa tsy maintsy ho handalovany raha tsy hoe hilatsahan'ny fanahy masina angaha izy.

Dia izay ee, ny vy tsy mikitrana irery... ra tsy hoe mianjera @ tany angah...

Atsipy ny teny eny antandroky ny omby, atsipy ny vilia vaky

alt


Que sera sera

 

Tsy andriko mintsy ny hanoratana an'ity eto... t@ vao hitako voalohany dia ny tonga tany antsaiko pre waaaaaaaaaaaaaaaaaaaa serasera is so great... they wrote a song for it alt

Cover milay fa tsy mahita clip orizinale ah...

Fantatrao ve ny dikan'ny serasera?
>> fifandraisana...
> an an: will be, hoavy izay ho avy satria izay no efa voasoratra

sao dia mba io no tsara atao devizin'ny serasera,  sexy catchphrase hoe: serasera... will be ! sady teny italiana an alt

sefo re

alt

 

 

 


Manja an!!

 

ity sipa ity izany joincidence be sendrasendra hitako androany... tonga dia coup de foudre be alt altalt

Mandray anjara @ le Alicia Keys remix contest izy... ra ao aminao le feeling dia mba tsindritsindrio ilay hoe vote.

Tsia, tsy hoe no-payer-ny ah hanao pub kely eto na otran'zany fa juste tiako fotsiny ny kantony, tiako izy eealt ... sy hoe mba gasy no sady voalohany @ le classement  dia tsara tohanana... sy hoe ny lalampanorenana eto @ firenena simpland dia mamaritra mazava fa: hot girls get free stuff... izay, sarotra be ny itondrana sadc eto ra ohatra ka hoe anticonstititionelle be eto haha...  

Ity izao d'actualite be:

voila!

alt

 


Friends with benefits

Na le film na le serie, asa ra efa hitanareo fa dia otran'ny diso clichE be loatra....

Hoe bandy mahita sipa, lasa mpinamana, samy manana ny sipany izy roa fa nisaraka noho ny antony tsisy dikany... dia decu(e) be... dia hoe ndao hanao ee, resaka spaoro malefaka pur et simple fa tsy asiana resa-pitiavana izany na ny kely aza... afaka kelikely tsy maintsy misy manjary mitady mihoatra ny resaka ara-batana foany ny iray @ izy roa... dia manda be ilay iray na dia hoe implicitement hoe efa tia an'le iray koa aza... mifarana @ hoe ils vecurent heureux!!!

Dia izay foana no averimberina eo... tsy azoko hoe ahoana no mampalaza an'le izy (surtt hoe kay mampiasa body double ony i mila kunis kiiiii alt)... tantara tsara le izy alou @ voalou fa ra izany foana no film averina ve tsy otran'ny tsisy fiany intsony oo? sa hoe mety tena marina sy zava-mitranga le izy?

Ary sao dia mba izany ary ny fika ry tovovavy mitady vady isany?? tena kozy ee, ra mitady silaka fanahy nareo dia izay ny algorithm tsotsotra:  drokidrokio ny bandy akama hoe tena omeko anao ny entana tsisy sentimaka... any @ farany tena poinsa hoe mariazy grand A altalt

so, who wants to marry me? alt


 alt


5 years baby, 5 years!!

Feno dimy taona ny zanako re olona aaa yayyy!!!!

Tsy tsaroana akory ny hoe nandady sy ny bekonetaka sy ny fiaretan-tory alt toa lehibe sahady izy ity  alt

Betsaka ihany izay adalana vita teto izay... ny bilan ve? awesoooome!!
Ny mandritra ny 5taona manaraka? vinavina fantatra fa tsy ho atao: ahena ny rediredy dia mba balancer-na ireo sokajy mbola vitsy kely ny lahatsoratra ao anatiny... 

Ny vinavina ho atao: tsy ovaina ny zotra editorialy: miresaka an'izao rehetra izao, sauf resaka asa... dia ho atao lahatsoratra 2 isak'erinandro izany, ny zoma/sabotsy resaka rapida, maivana, juste bon weekend moa ny alahady/alatsinainy resaka mavesatra kokoa... efa nandramana essai teknika otran'ny metimety ihany ka asa ra ho araka alt

dinner's on me!! alt
manja be ny revy teto tao anatin'izay 5 taona izay, mankasitraka mankatelina antsika rehetra niara-nandihy sy nifanala teto... dia manatena, miandrandra, mirary ary manasa antsika rehetra hankafy ny 5 taona manaraka... simplex simplax simplux simplox simplix alt 

Ny gateau, hira tiako be tany @ 5 taona lasa tany: ï»¿Nickelback - Far Away

Always,

alt alt

-simp


++++++++++

 

Rehefa le zoma otran'zao izany dia  le mandany andro, miandry mafy sy mimenomenona hoe elabe vao tonga ny weekend... dia ny ataoko mijerijery  hatsikana @ youtube... sy site izay efa tiako ho jerena nandritra ny herin'andro fa mbola tsy nanam-potoana... ireto ary ny blaogy izay tena nafinaritra tokoa ny namaky azy androany:

  • Randy do it: Le PIB d'un pays serait lié... à la taille du pénis
    Vao ny titre fotsiny dia hoe... @ le oui alt indrindra fa ireo rohy sy rohy nivoaka avy ao... dia miangavy anareo tovolahy mba ho any toilette miaraka @ tena fitsipika handrefy ra tena mitotona ao @ tena ecart-type sa tsia ho ho ho alt
    mampatsiaro an'le kozy teto taloha iny hoe iza/manin no ngoza zizi  alt

Otran'ny somary miverina @ le tena blaogy blaogy, au bon vieux tps indray ny vahoaka izao... miala @ le fahanginana/politika dridrangilo... mafinaritra mihintsy... hatsaran'ny fahatanorana sa inona ilazana izany alt

You made my day!!

alt

ps: naika ho ataoko hoe "taille du penis... encules de pickpockets... liE au PIB..." ny titra... fa hoe aleo hilamina fa sao dia hoe tay amin'amany eo indray alt


Tay amin'amany

 

Sendra mba lasa ny saiko izany nieritreritra hoe inona kay ny dikan'ny hoe "awesome" @ teny gasy e? ny tonga any antsaiko voalohany alou dia hoe "milay" ohatra hoe: milay izany ee... azo adika koa hoe "masaka"-- masaka be izany ee... izany hoe iresahana zavatra io izany an. Fa raha hoe iresahana hoe olona ilay izy dia otran'ny tsy dia maneno tsara no sady otran'ny hoe sens pejoratif an'ny awesome ny hoe milay. Tsy mahalaza azy tsara fa somary mihena kokoa ny lanjany ra vao hoe milay no tenenina... 

Dia misy koa ny hoe "favo" avy @ hoe "favori". Tsy haiko io na efa teny gasy offisialy na mbola teny eny anjorony fa io izao no manakaiky kokoa. Ohatra hoe: za koa favo an -- hilazana: i'm awesome... Ny hoe kinga sy havanana aloha dia tena haoro size tanteraka na dia hoe mifandraika ihany aza. Fa ny tena hoe teny gasy offisialy azo ampiasaina nga dia ny hoe: hikohizana. Izany hoe tsy misy ny toa azy fa izy no tsara/milay/kinga/havanana/favo indrindra... Mbola tsy ao @ rakibolana sy diksionera anefa io ka asa na offisialy na tsia. 

Rehefa adika @ teny frantsay @ GooGle translate indray dia lazainy hoe: impressionnant/imposant/terrifiant... eee toa diso vendrana loatra ny google kle. Ireo teny ireo aloha dia mety @ ilay hoe hikohizana daholo ee... fa izany hoe tsy dia ireo loatra no tena dikany -- amiko manokana.

Dia rehefa hoe samy teny gasy eny @ arabe sy tsy offisialy ihany ve tsy ny hoe: tay amin'amany no tena mahalaza azy? ohatra: tay amin'amany koa iny bandy iny an  alt

Nareo ve mba mieritreritra hoe inona ary ny hoe antony nahatonga ny teny iray hilazana zavatra/hevitra/toetra iray eo @ malagasy ee?  iza no namorona ny tay amin'amany voalohany? satria ny tay sy ny amany izao dia zavatra tena hoe tsy dia tsara loatra... mitovy @ izay ihany ny hoe: "Tay be"  alt

Ary sao dia mba izay ary ny fomba nanaovana ny teny malagasy e? hoe ny mifanohitra aminy no niatombohany.  Sa tsy izany mihintsy ny efa koltora antsika hatr@ izay... @ le itenenan'i Ra-francis azy hoe: tsy hoe hanapaka teny ah an (kanefa sady manapaka ihany)... tsy hoe izao sy izao na dia hita izao fa izao no atao...

Eritrereto @ izay hoe... mety ho zavatra mampiasa coco be izany ny iray @ hoe dondrona/doma/vendrana/nandra taloha... sady afaka maminavina ny heviny taloha izany isika no sady afaka maminavina ny ho heviny teny efa misy any @ hoavy...

Mba inona re ny mety ho dikan'ny hoe "kilaoty" any @ futur ee? alt

alt


You know i'm no good

Hirany mba fihenoko matetika...

ilay esprit somary rebelle sy tsy mivakl no tena nitondra an'le tena sarma...

RIP


GTFOH !!!!!

 

Namaky gazety izany androany dia nahita an'le gros titre hoe  a la une alt

Dia lasa ny saiko hoe fa nga mbola en cash no hi-payer-na ny Congresy ny Transition lelika ee???

Aza manalatsaka wa!!


altaltaltaltaltaltaltaltalt


Ultimatum game

Lava be fa le paragrafy farany vakiana ra kamo enao...

Dia ahoana ihany ny tohiny tantaran'ny krizy ee? toa mangingina be? sa vokatr'ilay resaka bois de rose ve? Ny vaovao henoko dia hoe ny UA tsy manaiky ony ra tsy mody i dada... dia miverina @ le dilemne voalohany ihany isika... dia hoe relancer-o ny negociation malagasy-malagasy fa tsy nahomby ny SADC... dia hoy aho hoe ra tsy misy zavatra ovaina, mentalite sy volonte na dia hiova mediateur injato amberivo eto ary dia mbola ho krizy ihany isika hatr@ 2013 (au quel cas, fidio i Maihol alt)... ity lahatsoratra ity izay dia natao ho fananarana sy fikafika tokony mba jeren'ny mpifanaraka sy ny mediatera ihany koa (to some extent)...

Ny ultimatum game moa dia karazana lalao (teorika) izay ianaran'ny olona any @ teoria an'ny lalao izany, @ taranja toe-karena. Izy dia tsotra fotsiny hoe misy vola arizato ohatra ho zaraina @ olona mpilalao anaki-2. Dia ilay mpilalao voalohany no mifidy voalohany ny hoe ho anjarany fa izany hoe tsy mahazo na in na in izy ra tsy manaiky an'ze deal atolony eo ilay mpilalao faharoa. Ilay mpilalo faha-2 izany dia tsy manao afatsy ny hoe manaiky na tsia izay deal atolotry ilay voalohany... dia izay ee, ra tsy mifanaraka izy mitsam dia samy mody maina...

Tsy hitanareo otran'ny mitovitovy @ resaka krizy eto amintsika ve io? satria ra tena tsoritsorina ny rara dia i ra-8 sy tgv no mpilalao izany. Dia i ra8 manolotra moa i tgv mandidy... Asa ra mba tsapan'izy mitsam ireo fa ra ohatra ka tsy mifanaraka izy ireo dia samy mody maina.

i ra8 alou voalohany indrindra, na tiana na tsy tiana ra tsy tafody eo dia miala maina... enfin, mandritra ny 3 taona manaraka izany ee, farafaha-aingana... asa i leiry io na ahoana ny tena hoe conseiller an'lery na hoe izy mintsy no tena manao di-doha be... fa tena hita fa folaitra sur folaitra foana ny decision noraisina... Tany @ Maputo izany izay hoe tena somary kely ny herin'i tgv, vis a vis an'ny communautE internationale dia tena nanindry be mintsy i ra8. Azoko ihany le stratejia hoe viser haut pour avoir le moyen izany... kanefa refa niderapy le izy, lasa nisy hoe Maputo II sy Addis-abeba ve dia mbola mijanona @ taktika efa hita fa nilaozan'ny toetr'andro?

Ny tiako hahatongavana dia ny hoe "you are focusing on the wrong thing"... tsy ny hoe Praminisitra na hoe Co-president na hoe tgv putchiste ka tsy avela hanjaka irery no tena zava-dehibe fa plutot hoe ny fifidianana. Satria ra @ fifidianana izy no resy na hoe misy floue kely ahafahana mi-re-edit an'le tsy maintsy mipoaka ny takobilany fotsiny aza dia efa poinsa tafa i toi... Ka efa izay hoe diso mitifitra ambony loatra izay foana no probleme hatr@ voalohany kanefa ra hoe tsy nangataka afatsy ny hoe amnistie ohatra tany Maputo mety  efa poinsa @ izao. Oui mila manana minisitra ao @ governemanta, mila olona ao @ congres sy ny karazany fa tsy any @ izany no tokony hoe tsy andeferana fa plutot any @ hoe "tsy maintsy mahazo mirotsaka ho filoha indray"... dia izay ee, ra mbola misy negociations dia io no fika central hoe tokony haingoina sy anaovana diversion... asa, azo atao ohatra hoe tsy asiana fifidianana filoha ra tsy efa voa-traiter-n'ny parlemanta vaovao voafidim-bahoaka ny resaka amnistie... ohatrohatra fotsiny io fa tsy voatery ho izay akory... ny hoe bottom line dia hoe: omeo deal ankafiziny i tgv fa aza avela fotsiny ny essentiel... aiza no point faible an'i tgv? ny hoe ho antsoina hoe Mr. le president ve? alt 

i tgv indray,
Efa noteneniko imbetsaka fa asa na mafi-be ny coco andrizareo na tsisy mamaky ny zavatra resahiko fa averiko indray hoe: ny trait commun an'ny diktatera sy mpanapatra fahefana rehetra dia ny tsy mba niheverany mintsy ny fisian'ny hoe vali-fingika, fingaka... hoe mitsinjo ny vody andro merika hoe rehefa za no opposant dia ahoana ny fika...

i tgv izany ra hande fifidianana tsisy an'i ra8 alou dia probablement tsy maintsy hihafara ohatran'i ra8 ihany e. Et encore, efa nolazaiko koa ity hoe ra tsy tena sophistiquEe tsara ny fangalarana ho ataon'lery dia mety hoe ho amboarin'i pierrot na na i tantely na i monja na i edgard lery @ fifidianana... bref, mety hoe 10 mois na hoe 3ans ny fotoana hahatongavany  fa ny vokany alou dia mety ho tsy maintsy anisan'ny voaenjika ihany lery.

Ny tombony a long terme izany ny hoe manao deal @ i ra8 ee. Izany hoe miaraka milatsaka @ i ra8 izy @ izay eliminee d'office ireo mitady ho candidat serieux manodidina azy fa izany hoe mila  fika hangalarana vato tsy mora kobo fotsiny dia mety tafa. Ny tena tombony ho azy dia izy efa eo @ fitondrana ary mazava hoazy fa mora kokoa ny mi-teleguider ny fika avy eo... misy riska ihany alou izany satria ny olona manodidina an'lery rehetra mpamadika palitao daholo ee... fa ny tena deal hoe tena ideal hoan'i tgv dia ny hoe fifanarahana @ i ra8 hoe mahazo mody izy fa tsy mahazo milatsaka izy mitsam fa i tgv miandry ny fifidianana manaraka moa i ra8 miandry ny amnistie izay mety ho ataon'ny parlementa voafidy... @  izay mba hoe tena hero lery no sady hoe voatery mifanaraka ireo mpamadika palitao manodidina azy hahazo seza betsaka ao @ parlemanta mba tsy hahazoan'i ra8 amnistie... 

Dia izay ee, 
ny tena tiako nolazaina t@ ity lahatsoratra ity dia ny hoe: probable samy perdant i ra8 sy i tgv raha ohatra ka tsy afaka mifanaraka... i ra8 ra hanao be fandraofana dia tsy hanaiky i tgv... i tgv ra hanao tsindrio fa lavo sy ny hoe tsy mande ra dia... ho latsain'ny karatra....
Izany hoe avelao ho ze avy alou ee... mety izany tokoa no mahasoa ny firenena... iza no mahita? ataoko fa tsy za irery no mieritreritra fa mety manja kokoa ra sady tsy tgv no tsy ra8 no mitondra... @ ity 5 taona manaraka...

alt


Devoir ComposE

Laza adina 1:  fakafakao sy fariparito ny voalaza ao @ sarimihetsika eto ambany
Sopapa: ra niana-desona dia tonga dia mahay alt

 

Laza adina 2: Asio vanitika party kely alt

bon weekend,

alt


Mpinana bozaka

Misy an'izay sipa izay izany vegetarian izy. Dia niaraka nikaly izany ny mpinamana maromaro dia ny sipany koa naka "bozaka" otranazy... Nareo ve tsy mba misento kely sy marary aina rehefa mahita an'le bandy "jamba" tanteraka vokatry ny tena hoe "tsara ranjo" ? hoe juste mba hi-plaire an'le sipa dia lasa lery minana bozaka... le sipa anefa @ io tsy manery anazy akory an, enfin ny any @ tsy hita alou tsy hary horesahina mais bon... otran'ny  ouinnnnnnnnnn be le bandy in anga ny filaza an'zany hoe zakan'le sipa @ sangany??

Tsy izany mihitsy anefa no tiako ho resahina eto alt fa voalohany indrindra alou dia ny hoe inona no manakana anao tsy hiblaogy rehefa minamana @ mpinana bozaka?  tena kozy  ee ra ohatra ka misy namana  somary tsy "ordinaire" dia tsy maintsy mahita zavatra horesahana foana hoe tsy mi-causer offense kanefa tena lasa conversation matotra be mihoatra an'le fotoana hoe tokony tapitra ny kaly atoandro...

Ka manina ary enao no tsy minana afa-tsy bozaka ee? entre omby sy ny tigra ve tsy aleo tigra ?  na hoe T-rex altalt sady bogosy no  manjakazaka eran'ny tanana? raha hoe antony aram-pinoana ilay izy hoe silamo sy adva tsy minana kisoa sy karazan-javatra na hoe hindu tsy minana omby, dia mbola azo leferina ary tena hoe mila fandeferana goavana be mintsiny ary izany... fa ra hoe enao mintsy no misafidy ny tsy hinana afa tsy bozaka sy ahitra  dia tena hoe adalana miaro tsinjaka. Eritrereto hoe ny olona kere efa tsy mahita ho hanina ka enao hi-style @ bozaka, izay marihana fa lafo be mihoatra @ hena an. Tsy otran'ny mi-insulte ny kere any Atsimo ve izany?

ah non, tsy azonao le resaka... efa teraka tao ary lehibe tao ary ny RAD ka hatr@ dadabe sy bebe efa otran'zany doly... mahasalama sy mahaela velona... no sady azo lazaina hoe finoana manokana ihany koa... efa voasokajy iraisam-pirenena ihany koa... hoe rehefa misy fety na hoe @ fiaramanidina na otran'zany dia tsy maintsy asiana kaly natokana hoan'ny vezatarianina foana...

ekena mba tsy hifandirana na dia inoako marimarina aza fa resaka marketinina no tena betsaka @ antony hisian'ny fanomezan-danja ny mpinana bozaka... fa raha ohatra ka mitranga ny scenario hoe ao @ ile deserte enao ka tsy misy afa tsy trondro sy biby dia no azo pehana, dia hamono tena ve? 
ile deserte ah? ouhhh exotika, enganie... fa ra ny cas extreme no eritreretina dia tsisy azo anoharana izany... eritrereto koa hoe ra tsy misy afa tsy olona eo @ io nosy dezera io... dia ho hinana olona ve izany?

Mazava hoazy fa ho hinana olona. Efa nitranga izany t@ le film hoe  Alive... izay avy @ tantara tena nisy... hoe nianjera tany @ pole nord ny fiaramanidina dia tsy tonga ny secoro dia niafara @ tena fihinana ny tsy maintsy nohanina... Ny tena drama dia tsy mba natono sy nasiana sira akoriny le izy fa dia fe sy transfinina nodidiana dia nopehana manta sy mandara alt
youuuuu grosssssss, tsy mahinan-kanina tsony ah... 
otaty izany anamboarako azy  alt

alt


Ankamantatra

... baby if you give it to me, I'll give it to you, I know what you want, you know i got it...

???


We need more women... Damn it!!

 

Invite du zoma an'ny TV+ t@ 24 Jona 2011:

Ra ohatra ka vevavy doly no rola eto @ tanana mety efa ela no  nilamina ity kozy ity lelika eee... tena kozy ee!!

Tsy mba mirehareha kosa ve nareo fa misy vehivavy malagasy mahavita mi-tenir debat hoe tena norma tsara... intellectuellement sy hoe politiquement correcte otran'zao...

and yes, Onitiana aaaa, mbola potika be foana ny bandy ee alt alt
Marry meeeee altalt


Aza vakiana ity

 

Ary Aza tsindrina ity

 


Gain enao!!

 

alt


Malagasy anie ianao

Rehefa @ fotoanan'ny krizy otran'zao izany no tena ahenoina tsisy farany hoe tombon-tsoambahoaka sy ny hoe fitiavan-tanindrazana... izany hoe kabary politika sy fanaovana hevitra petatoko hanerena sy hanohanana ny adalana miaro tsinjaka ataon'ny mpanao politika na ny andaniny na ny ankilany... tena hoe tsy misy zavatra hifandraisany @ tolona nataon'ny ireo niaritra ny mafy hoan'ny fahaleovan-tena hialana @ fampijaliana nataon'ny mpanjanaka...

Dia hoy aho hoe sao dia mba ilay sens an'ny hoe maha-Malagasy mihintsy aza no efa very tanteraka ee... inona moa izany no tena maha-Malagasy antsika ee? eny e, apart ny hoe evidawazy mazavament ny RAD malagasy, ny tany Madagasikara ary ny fiteny malagasy? tsy mba misy zavatra mampiray antsika ka hoe an han  hafa ihany ny Malagasy.

Tsy te hiresaka ny hoe fihavanana ah an. En fait, zavatra utopika be sy mitovy @ le fitiavan-tanindrazana ihany io hoe ideologie nisy tany @ taonjato faha18 tany hoany dia roritina @ izao fotoana kanefa efa nilaozan'ny toetr'andro be... efa tsy zavatra ihainana intsony ee, otran'ny FFKM ihany. Tsisy ilana azy altalt

Dia izay ee, iangaviko mba samy hieritreritra isika hoe inona no tena mba maha-Malagasy. Rehefa mitovy ny valin'io sy samy mahatsapa izany angamba dia mety hivavaha hoazy ny krizy...

Ny tonga any antsaiko voalou izao dia ny hoe ny gasy dia... tia mahaleo... tsy mbola nahita malagasy ka hoe tsy mirevy mahaleo izany mihintsy ah... en fait, ny hoe citizenship test of Madagasikara na hoe fanadinana hizakana ny zom-pirenana malagasy tokony   ho simplifier-na fotsiny @ fanotaniana roa hoe:
* Fantatrao ve mahaleo?
* Hirao ny mimoza?
-> arabaina, fa voaray ho Malagasy ianao alt

happy vaintisisy alt

 


I love my dad!!

Dia tsy mba nisy nanao lahatsoratra na dia iray aza ve  mirary soa ny Ray???
sooooooooo unfair!!!

Ho ela velona anie i dadanay
sy izay dada rehetra mamaky an'ity!!

Ny zanaka lahy moa izany matetika dia leo be ny dadany sy hoe "give me a break" ary indrindraindrindra mieritreritra hoe:  za tsy mba ho otran'i dadanay izany rehefa lehibe... kanefa au fur et a mesure enao mihaantitra dia mahita fa mihamanahaka ny dadanao sy hoe le zavatra tena tsy tinao aminy ireny mintsy no lasa ataonao ary saina tonga be hoe tena sarotra be ny tsy manao an'le izy...

Dia ny tena "click" dia rehefa marary be any @ hopitaly izy vao matahotra be hoe "please don't die"  dia refa mivoaka dia hoe "Thank  God"... dia refa maheno ny namana hoe lasa ny dadany vao tena mahatsapa fa  tsy tokony ho raisina hoe "granted" na hoe ho eo foana ny dadanao...

Dia izay eee, ny dada no mampianatra sy mampatsiahy anao hoe iza enao... na iza enao na iza enao dia farafahakeliny 50% an'izany dia noho ny dadanao izay...  mankasitra, mankatelina, mirary soa, soava tsaraha, ho tahian'A/tra.

Hoan'ny dada rehetra,

simp,  19 Jona 2011.

 


Leeloo Dallas Multipass... Multipass

Tompo o efa  noekenao ho nirotsaka t@ mpanomponao ny fanahinao masina omaly koa mamela azy hiteny @ teny tsy fantany... adama sy eva...

Tu me gonfles!!

Firifiry moa ny bandy manotany tena hoe fa in kay no tena ilain'ny vevavy e? araka ny fiteny hoe: "if you haven't ask yourself what do women want, you ain't been in love"... rehefa atao fitadiavana @ i google dia manome valiny eo @ 79millions eo ho eo izy.  Bonne chance ze te hamaky alou fa tonga dia omeko ny valin'le fanotaniana:

Te ho hampijalian'lelah ny vevavy!!

Misy namako izany dia hoe ande hisaraka @ sipany ony izy fa "diso tsara fanah loatra" izy ka otran'ny vavivavy toetra.
Dia vehivavy anakiray hafa miteny hoe ampianaro mafiloha izy fa izany ve dia raisons...
Dia ozy ah hoe manin tsara an? dia valiny a uninamite: women want men, no less, no more... mba jereo kely le hoe i love the way you lie, mihoatra ny 300millions views... sady tsara le hira no marina ny voalaza:

Dia izay ee, tsy hoe ampijaliana hoe vonoina akory fa dans le sens hoe "tsy raraina" sy anaovana be loha... @ izay izy be taraina,  dia izay no mahasambatra azy... voila!

Airbags and Chassis...

Dia ny lelah indray ary, inona no tadiavin'lelah? valiny, tsotra ihany:

femme parfaite: Leeloo Minai Lekarariba-Laminai-Tchai Ekbat De Sebat.

Samy manana ny femme parfaite-ny** moa, c'est peut etre meme une rumeur fa zany hoe reveko be fotsiny io film io: 5eme element. Vao im-8 nojerena fotsiny izao alt Ireny no tena hoe tsy tontan'ny ela ee, efa 14 taona aty aoriana mbola milay be foana satria sady action be no misy sipa sarmanty no misy vaisseau spatiale sy extra-terrestre alt na @ teny hafa aza mbola 5x5 be foana woooooooooo hooooooooooo

C'est pas vraiiiiiiii

Bedabe ny efa nanoratra ana'izao  fikafika sy  atsanga tsy aman'orana  rehetra izao. Fa indro kosa ny fahasoavan'A/tra dia ny  formula ara-tsiantifika tena mahomby:

* Mila zandriny 5 taona farafahakeliny ilay sipa.

* Mila mahay (intellizanty) kokoa,  27% mihoatra an'le bandy le sipa.

Mampiakatra 20% ny probabilite hampande tsara ny tokatrano ony io.

Dia hoy ah hoe: kozy ve le? hitako no bedabe ny divorsa sy ny mijaly ampanambadiana... satria 27% hoe ee? sao dia mba kabary feminista kosa izany kle.
Ary mba misy fika hanadondronana olona ve? sa zay le hoe love is blind, dondrona wazy refa tia... izany hoe ra ohatra ka somary coco le bandy dia tokony tara/miaraka @ sipa tsy tia azy alt

Dia izay ee, hamaranako azy dia ny hoe: 1-1 ve ny baolina? sa hoe ra8 sa i tgv no nandresy t@ valim-panadianana nozarain'ny sadc?? 

alt

ps: yes it's  a crime to hit Megan Fox, she sooooooo hot!! alt

** zazavavin-drano @ pirates of caribbean na preity zinta altalt


what if... clean slate

Raha izao moa no misy olona hilatsahan'ny fanahy masina dia manao operation alqaeda any @ Gaborone... asaina mody any @ ray doly ireto mpanao politika manirikiry sy "good for nothing" ireto

Tena kozy eee, misy occasion otran'izao ve hoe tafaraka @ toerana iray ny mpambotry firenena rehetra?  tsy mino ve enao fa mety ho tsaratsara kokoa ny raharaham-pirenena sy ny hoe hoavin'ny taranaka raha manjavona ry zareo ireo? 

Tsy misy an'izay lonilony hoe iza no nanongana an'iza. Iza no tsy tia an'iza. Iza no hatahorana @ fifidianana. Iza no mpiady seza sy mpangoro-karena. Iza no mpamadika palitao... tena hoe atomboka madiodio hatr@ voalohany mihintsy ee... directoira militaire egyptian style no manangana ny firenena...  en tt cas, olom-baovao sy tsy dia manana passE negative loatra no miaraka manorina ny firenena vaovao...

Tena marina ee y en a marre an'le fivoriana tsisy dikany sy famahana krizy tsy hivaha... ovaina ny equation dia miravona ny tantara... clean slate...

Reveko be ity hira ity... ary in-3,25 fotsiny io no nande dia voasoratra ity rediredy ity...  tsisy edit... kely sisa an dia ho tratra ny tanjona an... awesoome!!

tadidiny ianao eyiii ayyy ho tadidiny ianao eee
taaadidiny enao io ndray way leanaa ho tadidiny enao ee
tadidiny enao ooooooo ooooo tadidiny enao eee
taaaaadidiny enao ie ie eeee  humm hum huuuummm

ps: !doty

 

 


Tu es la seule qui m’aille je te le dis sans faille reste cool bebe sinon je te dirais bye bye

 

Tsy haiko fa manana terrible envy hitoratoraka eto ah @ izao ora sy minitra izao.  Dia nijerijery hoe il y a quoi ho soratana?? resaka moov de merde ve? pfffffff mila mieritreritra be aaa eee resaka sipa virjiny ve? ouh ca fait un bail kanefa otran'ny pas d'inspiraka... sa resaka an'le secta tiako hatsangana? non, tro tot pour ca sady mbola tsy ampy ny argument ho avoaka... resaka DSK izao no tena manja, zany hoe tsisy ifandraisany @ afo Guy Willy Razanamasy izany... hummm interesting... eo ampanoratana an'ity ah izany dia mahavita lahatsoratra tsisy dikany kanefa otran'ny hoe bande annonce an'ny futur eto ve... coming soon, only on... here!!

 

Lasa mankafy rap frantsay be ah androany... mihainohaino hira... too much work... te hanoratra kanefa tsy mahita ho soratana... dia mba nandramako ny hoe manoratra lahatsoratra ao anatin'ny hira iray. ze lalany any lalany... efa niverina in-3 le hira mbola tsy vita ihany... overachiever ony za. c'est pas vraiiii titra lava be yaaayyy... tsisy edit

engaged i kim k hoe e? change rien, fantasma is fantasma haha

c'est tout!!


Get the fako out of here!!!

 

io no teny fitenin'ny ramatoa @ rangahy rehefa @ maraina hoe: seria a, mba avoay kely ange ny zaordira azafady eee alt

tsy izany fa mihomehy irery aho mahita an'le resaka hoe judgement day. Hoe @ sabotsy ony ny tena fara andro alt

tsy te hiteny ah satria finoan'olona moa le izy tsy tokony hitsara sy otran'zany... misy ny olona mino fa manana "fahamasinana" sy "divine" ny omby alt

dia rehefa niheritreritra kely ah vao saina tonga hoe kay manja be le sipa mino ny omby... ka hoy ah hoe @ sabotsy ny fara andro? aza mba vendrana fo ihany wa alt

dia vao mia saina tonga ah hoe ary ra tena @ sabotsy tokotrany moa? omg, bedabe ny zavatra tiako natao fa tsy ho tratra intsony... ohatra: french kiss onitiana realy alt

on ne sait jamais an, na dia kely aza ny probabilite mety tena @ sabotsy tokoa ny farany... eritrereto kely anie hoe in avy izao ny plan noeritreretinareo hatao @ sabotsy?... c foutu alt

tsy manakivy ny sasany ah... @ le efa manomana rekonesansa party... zoma hariva falibe, sabotsy maraina: good things never last ozy i A/tra in your face!!  alt

izay vao azoko ny nataon'i DSK... t'as raison mec!! alt

dia izay ee... kopy doly ny tanjon'ity lahatsoratra tsika an: akipio ny maso mandritra ny elaela dia tadidio ny hoe nofinofintsika faran'izay nofy hatrizay sy hoe tena faniriana lafatra indrindra,  tanteraho izay radem alt

oui, fantasma no tiako tenenina alt

ny anah moa ny faniriako hatrizay dia ny mba ho prezida an'ny planeta tany (sy oniversa) sy ho olo-malaza indrindra eto ambonin'ny tany  alt

ny tena tanjon'ity lahatsoratra ity izany dia ny hoe: rehefa avy mamaky an'ity enao, yes enao you, enao wa, enaaaaooo dia mba mikikiaka kely ny anarako alt

siiiiiiiiiiiiimp!!

 


rekonesansa hoe ee

Ela ny ela ka tanteraka ihany ny nofinofin'ny tgv hatrizay hoe ho afaka hivoaka ny tanana ary ho hantsoina hoe Mr. le president. Tehaka ho azy kosa alou @ izay hoe ny faharetana sy ny fikirizana @ tanjona iriana matetika mivaly sy mitondra "zava-tsoa" foana. Mbola tsy ilay tena izy anefa io fa otran'ny hoe "plaquE or" izany ra hoe misy ny tena volamena dia mbola ilay sarin-tsariny no azony. Satria marina fa hoe nahazo dinner ampanjakana tany @ tena vorontsiloza lery dia tena voninahitra tokoa izany kanefa koa tsy izoviana amintsika fa any @ tany vorontsiloza dia ny praiminisitra no tena mitondra ny baolina fa tsy ny filoha akory. Tsara ary azo lazaina fa fandresena ihany koa ny hoe noraisin'ingah Alain Juppe izy satria nandritra an'zay hoe 2 taona nitondran'lery izay zara raha hoe nahazo varavarana any ambadika sy tsisy mpahita foana tao @ renimalala, izao anefa mba miditra eo @ tena varavaram-be offisialy sy manetriketrika. Raha oharina @ hafa kosa anefa dia somary mbola latsaka fahefany ihany zany satria ny mpanongam-panjakana tany Lybia izao ohatra noraisin'i sarko tao @ tena lapa...  Izany rehetra izany no mampanotany tena hoe aiza ho aiza marina moa izany no tena fao-pa ataon'i tgv  e? (ankoatran'le mitomany ho antsoina presida a tt prix!!). 

Voalohany indrindra alou ny hadisoan'ny hat sy ry asterix hatr@ voalohany dia ny hoe fanaovana copier-coller ny fika t@ 2002 @ izao. Hoe misozy an'ny lanjan'ny afrika ary ny tandrefana no tsy omena safidy afa-tsy ny hanaiky. Eto anefa dia tsy ny hoe union afrikanina loatra no tena mitarika ny rara fa ny sadc, izay tsy hoe tena manan-danja be mankaiza fa azo lazaina kosa fa hoe matotra sy havanana kokoa @ hoe fiezahana ny ho manan-danja @ fifandraisana iraisam-pirenena. Ny tena mahasamihafa azy dia ny sadc alou anglofonina voalohany indrindra  izany hoe tsy dia misy influence an'ny frantsay loatra no koa hoe  faritra azo lazaina fa anisan'ny hoe demokratika indrindra eo @ kontinanta. Izany hoe tsy dia misy diktatera firy (ankoatra an'ny hoe zimbabwe, congo, swaziland)  ary ny mpitondra eo antoerana dia mpitondra miezaka ny manatsara ny fireneny daholo fa tsy hoe miezaka ny hijanona hitondra mandra-maty. Ireo rehetra ireo no mahatonga ny hoe "national interests" izany hoe tombon-tsoa an'ny firenena no mitondra ny diplomasia an'ireo firenena ao @ sadc,  hany ka tsy voatery hanao oui monsieur @ tandrefana foana izy. 

Manaraka izany t@ 2002 dia ny lanjan'ny bekitana nanaraka an'i ra8 no tena hoe nampandaitra an'le forcing be nataondrizareo. Eto anefa izao dia mazava fa tsy manohana an'i tgv velively ny bekitana. I sina ihany koa izay antenaina hoe ho hery backup niodina nanohana ny ezaky ny sadc. Ny antony dia tsotra fotsiny hoe satria tsy dia misy interets amerikana/sinoa atahorana maika dia maika eto madagasikara sy ny hoe hita fa folaitra ny nataon'zareo t@ 2002 hoe ra mbola hanao forcing hi-imposer otran'iny dia tsy maintsy miafara @ krizy hafa indray. Tsy hoe mijery ny tombotsoan'ny malagasy izy akory an, fa hoe sarotra be ny mi-exploiter/mangalatra @ fomba mihaja ny zavatra mahaliana azy eto amintsika raha hisolo mpitondra arahina krizy  indray isika afaka taona vitsivitsy... ny eoropeana moa dia ny frantsay no tena mitantana ny hoe politikany eto. Marina fa manohana an'i tgv ny frantsay fa na izany aza mitandrina be izy @ fifandraisany @ firenena hafa sy hoe miezaka ny hoe tsy mampiseho en public hoe tsy manohana an'iza na iza, dia izay no tena mahatonga azy miafina ambadiky ny sadc ihany koa... Izany rehetra izany no tokony hoe nahatonga saina an'ny tgv hoe ny sadc izany no tokony nokandranina hatr@ voalohany fa tsy niavonavonana hoe satria hoe tokotanin'i ra8.  

Araka ny efa nolazaiko teo hoe "national interests" no tena mitondra ny diplomasia an'ny firenena @ sadc fa tsy "personnal interests" akory.  Jereo tsara ny nanaovan'i Jacob Zuma an'ny cote d'ivoire. T@ voalohany izy niwawa be hoe avereno isaina ny vato t@ fifidianana fa vao niresaka nocleary sy hoe seza permanent ao @ tena UN lery sy ra-sarko dia niravona wazy ny resaka, ouatarra ny presida ozy. Sarotsarotra noho izany alou ny mikasika an'ny madagasikara satria tena miezaka ny hisian'ny instabilite ao @ firenena sadc ny sadc fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsy i ra8 velively no hoe tena manandanja aminy fa ny tanjony sy ny hoe tombotsoan'ny fireneny/sadc. Tsy hahamenatra azy mihintsy ny tsy hirara an'i ra8 ra any tombotsoany... Zany hoe tena dingana lehibe sy ezaka tsara nataon'i tgv ny hoe miezaka ny miditra antsehatra  mandresy lahatra ny firenena ao @ sadc... saingy  hoe ny fomba fanaovana izany no tsy dia mety loatra hoy aho.

Inona moa no tena hoe zavatra fondamentale sy hoe tena kandrahan'ny sadc sy ny vondrona iraisam-pirenena? voafintina @ teny roa hoe: consensuelle, inclusive! ny avantazin'i tgv eto dia ny hoe izy nanaiky ny feuille de route-n'ny sadc fa eo @ fanatanterahana an'zay no tsy dia mandresy lahatra loatra.  Ny sadc anie tsy hoe hi-renier an'ny feuille de route-ny izany mihintsy ee, fa ny hoe ny execution na hoe fanatanterahana an'ilay izy no tsy maintsy hokihaniny. Ny tena votoatin'ilay feuille de route izany dia ny hoe tantanan'ny tgv ny firenena satria efa hita fa voafehin'lery tsara ny tanana/miaramila kanefa kosa mba tsy hisian'ny hoe disadisa @ fifidianana sy hoe eken'ny rehetra dia tokony mandray anjara ny firehana rehetra ary indrindraindrindra asiana olona miaro ny tombontsoa/hevitry ny ankolafy hafa ao @ fitondrana. Dia eo izany i tgv no manana safidy hoe soit izy manao hoe homme d'etat izany. Hoe miaro ny tombontsoam-pirenena (sy ny azy) dia tena hoe mi-negocier @ ra8/3mouvances satria na tiany na tsy tiany ra mi-style mande irery eo izy dia tsy maintsy ho voadaka otran'i ra8 ihany koa afaka taona vitsivitsy...

Ny vahaolana faharoa dia ny hoe... manohy ny dihany izy fa kosa mila mifainty ny sadc hoe mandresy lahatra fa tena efa ity ilay consensuelle/inclusive fa ry ra8 no tena ratsy loha... ny fika fanaovana izany dia tsotra fotsiny hoe ireo olona natao ho quotas an'ny tim/arema/zafy ao @ governemanta sy ny parlemanta dia mila manangana ady @ mpanohana an'i tgv... izany hoe tena aseho tokoa fa manohana ny tombotsoan'ny ra8/3mouvansa izy ireo, eny fa na dia hoe mise en scene fotsiny ary izany... asa ra mba azon'i tgv izany fa hoe tsy hisy olona hino azy izany fa d'union nationale/consuelle/inclusive io kozy io ra ohatra ka olona manohana ny hevitr'lery sy manohana azy doly no ao @ governemanta/parlemanta eny fa na dia avy @ antokon'i ra8/deba/zafy aza ireo olona ireo... ny tiako tenenina dia hoe tsy adala ny olona akory fa hita be hoe ankatso sy ambodepona...

ka hoy ah hoe na negocier-o i ra8 na mody ampiadio ny ankizy!!

... na ra tsy izany dia mila manao "allegiance personnelle" any pretoria fotsiny i tgv dia miravona wazy io... tsy dia tena manao an'le solika loatra izy fa le vatovato sy mineraly ireny no tena tiany... soa fianatra ozy, anotanio anie i mugabe sy i kabila ee alt

alt


With my body I thee honour

 

rehefa misy mariazy ireny moa dia ozy foana ilay mpivady vao ho an'ny pokona celibany hoe: soa fianatra ee... manaraha ny dianay ee...

Dia rehefa avy nijery mariazin-dra-william sy kate ah dia ity no mba tena notadidiko ,ilay teny nataony t@ izy nampiditra an'le peratra hoe: "With my body I thee honour" alt

hay, saika adinoko... tadidiko koa hoe tsy nanao peratra ingahy rainy...

soa fianatra moa izy teo alt

 alt


ny lanitra... mazika!!

Ny lantira no zava-boary faran'izay mahafinaritra indrindra... otran'ny hoe ny lanitra no mampifandray an'izao ntontolo izao... na lavitra be tahaka ny inona aza ny toerana dia rehefa mijery ny lanitra enao dia lasa eritreritra hoe any ho any @ faran'ny lanitra any i simp mety mandinika lanitra koa... na iza na iza olona na fantatrao na tsy fantatrao dia mifandray @ lanitra daholo... tsy voatery hoe fifandraisana telepatika @ olombelona ihany fa na hoe any @ oniversa any ambony be any aza rehefa mijery ny lanitra dia mandefa dedicace kely na eritreritra mangina hoe chin chin... 

ankafizo ooo,

 

ps: video an'i TSO Photography, tsy haiko na misy copyright fa apetrako ity ny rohy http://www.facebook.com/TSOPhotography

resolution tsara: http://player.vimeo.com/video/22439234


Thank you Jodasy... et al

Tsy hitanareo otran'ny injuste ve ny hoe fomba nitantarana an'ny evanjely? eny e, marina sy ekeko hoe i jesoa izany no tena hoe rola ao ary ny tantarany no tena hoe ifotoran'ny hoe finoana kristianina... kanefa hoy aho hoe misy ihany ny zavatra/olona somary no-diaboliser-na na hoe tsy nomena toerana araka tokony ho izy hoy aho... eo ihany koa ireo nomena toerana be laotra kanefa azo nokihanina hoy aho.

Voalohany @ izany dia i Jodasy. I lery moa izany 1 t@ ireo apostoly nalaza t@ hoe mpianatra namadika an'i jesoa. Ny fahitan'ny olona sy ny hoe tacitement nampianarin'ny fiangonana izany dia hoe i lery no tena bandy fopla sy tsy fanao enao. Kanefa ny lafiny tsy mba notenenina dia hoe ra tsy namadika an'i jesoa anie i lery ka tena mety lasa zavatra hafa mintsy ny tantara ee. Eny e, ekeko tsara hoe tsy noterena izy ary safidy malalaka ny azy ny hamadika ary heloka be izany hoe mamadika izany indrindra hoe tsy hita izay fahotana nataon'i jesoa... na izany na tsy izany anefa dia efa izay no zava-nitranga hoe noho ny famadihany no nahavoafantsika an'i jesoa. Dia izay ee, ra tsy maty teo i jesoa dia mazava hoazy fa tsy afaka nitsangana t@ maty koa... kozy ra mba nisy nino tao lery ra ohatra ka nivazavaza eran'ny tanana hoe za no tena zanak'A/tra kanefa matin'ny aretina ohatra? enfin, tsy maintsy hisy foana moa ny vendrana sy ny minomino foana... fa hoy aho hoe element essentiel teo @ tantaran'i jesoa izy ary tokony omena toerana ambony toy ny an'i Piera hoe nitantana ny fiangonana voalohany... i jodasy no anisan'ny fototra lehibe nampisy ny finoana an'i kristy.

Dia eto @ izay no tena hoe mampa-nandra sy dondrona tanteraka ny apostoly ambiny: jereo eto. Zany hoe i jesoa alou izany efa kopy hoe i lery no hamadika fa ozy hoe tsy koi fa satria izay no efa voasoratra. Izany hoe manaiky ihany zany lery hoe misy ilana azy ihany i jodasy na dia somary nomeny fampitahorana kely ihany aza hoe ataoko maneman elah refa mitsanga na ah.  Fa ny tena hoe gne? be @ le kozy dia i jesoa efa nilaza ampahibemaso hoe "voalazanao" dia mbola tsy ni-reagir ihany ny apostoly vendrana.  Tsy haiko alou fa ra misy hoe olona hajainao be ve sady heverinao hoe mesia sy zanak'A/tra no efa hita hoe nanao fagagana bedabe no miteny hoe i simp no hamadika ahy, dia mbola avela handende eraky ny tanana ihany i simp fa tsy mba afatotra @ vatakazo na hoe anio alina fotsiny aza?? ka hoy aho hoe ny apostoly no bandy fopla miaraka @ i jodasy tao!!

Faharoa manarakaraka an'izany, dia i Pilato. Ity indray alou tsy dia tena fiampangana be ataon'ny fiangonana fa hitako somary awesome fotsiny lery ee.  Hoe tena kobon'lery fa tsy meloka akoriny i jesoa fa zalozy ny mpiampanga kanefa refa nolanjaina ny hoe hisy rotaka sy ny hoe hamantsika an'i jesoa dia hoe miala tsiny miala fondro miala satroka fa ianareo izany no manameloka azy. Tena mpanao politika kinga sy taktisiana mahery lery. Ny tiako tenenina hoe tsy tokony jerena @ lafiny hoe ratsy toetra sy otran'zany izy satria ra olona normale tsy maintsy nanao otranazy daholo... sady izay ah, ny tena milay @ lery, ny katolika rehetra eto ambonin'ny tany dia mahatadidy an'lery doly sady tsy maintsy manonona ny anarany isank'alahady... ary na dia ho ovaina tahaka ny inona ny hoe faneke-pinoana an'ny katolika dia tsy ho esorina ao mihintsy ny anarany satria tsy maintsy tenenina ny hoe maty i jesoa...  dia izay ee,  eo ho eo @ 1.147 lavitrisa eo ho eo mahalala sy manonona ny anarany isank'alahady ... pilat, you're awesome!! alt

Farany, ary ity no tena hitako fa tena hoe tsy milay indrindra dia ny momba an'ilay razoky hoe Simona. Ny fototra lehibe an'ny hoe fanajana sy hoe fanekena an'i jesoa izany dia hoe satria izy nitondra ny hazofijaliana noho ny otantsika. Maty noho ny otantsika ary nitsangokovelona mba ho famonjena antsika tsirairay avy... or, i simona koa mba nanampy an'lery tao ihany... donc, sao dia mba tokony omena voninahitra sy hoe "credit" kely lery fa iza no mahita an'ze fijaliana nozakain'lery tao. Eritrereto hoe bandy avy niasa tanimbary milanja angady ande hody efa reraka mafy iny no forcer-na hilanja hazofijaliana hiakatra tendrombohitra. I jesoa @ io sady efa kely endaka (mpandrafitra fa tsy hoe mpanao body building) no sady efa maty lako nandritra ny adiny iray. Mazava hoazy fa i simona no tena nilanja ny tena lakroa...  ny tiako tenenina hoe tokony mba atao jesoa sy simona le tantara, otran'ny hoe batman et robin (fa tsy hoe batman tout court)... dia izay ee, misaotra anao ry simona nanampy an'lery fa ra tsisy anao mety maty teny antenatenany izy alt

alt


Raha toa moa ka ... ampio aho Jesosy

 

Nanokatra bizna iray vaovao izay aho, vao volana vitsivitsy izay. Dia naka assistante mba hanampy ahy amin'ilay izy fa ny asa fanao mahazatra mantsy tsy navela fa mba mitsikaraka manao asa roa mirazotra eo. Afa-po amin'ny fiasan'ity sipa iray ity aho fa tena sérieuse izy, sady tsy mihambahamba manontany mihitsy fa tena izay rehetra manjavozavo dia anontaniany ahy, ka tena tsy nisy olana mihitsy ny fiaraha-miasa. Na dia vehivavy koa aza izy dia tsy saro-tahotra sy kanosa fa nisy in-2 na in-3 sendra tratra harivariva noho ny fampianarana nomena azy dia tsy nametraka olana mihitsy nateriteriko kely tamin'ny moto. Rafotsy no nanao sangisangy zary tenany tamin'ny voalohany hoe sao diso manja hono io sipakely io ka tsy asa no hataonay mianadahy eo fa zavatra hafa, fa saingy rehefa nahita ny fahamatorany rafotsy dia resy lahatra ihany hoe milamina io.

Samy manana ny solosainanay moa izahay, ary samy misy ôparlera, ka dia mifandimbindimby mandefa izay hira tiany amin'ny ordinatera eo. Zavatra iray tiako aminy koa dia ny gout musical tsy mahasosotra, tsy ilay karazana sipa mpankafy Justin Bieber na Lorie ireny fa mba irony mozika cool mba tiako ihany koa irony.

Nisy hiran'i Enrique Iglesias ity, vao 2 herinandro teo no nandrenesako azy ary tena reveko ilay izy, ary rehefa sendra tsy eo kely ikala dia indraindray alefako in-2 in-3 tsy mety mankaleo ahy. Izaho moa ho an'izay mahafantatra dia mankafy itony tononkira mivantambantana itony.



Fa nanomboka tamin'ny alatsinainy, mba nisy hira iray naverimberiny koa, ary niniany rehefa eo aho vao tena alefa ilay hira. Vao nandeha voalohany anefa dia efa nirehitra menamena ny led sy temoin rehetra taty amiko hoe tena azoko ny hevitra ampitainao amiko amin'izay tononkira izany.



Ho anareo izay efa nahita ahy mivantana na nahita ny sariko dia mahalala fa bandy latsitalé kely aho, mahia kely be voamaso ranga sofina, ary olona faran'izay tsotra na fitafy na fihetsika (fa somary manitsaka kely zay kosa klou rehefa dokafana e). Tena tsy tao anaty eritreritro mihitsy hoe mety misy olona ankoatra an'i vadiko (izay nahalala ny toetrako efa hoe 4 taona vao nitia ahy, ary tsy noho ny physique no tena itiavany ahy fa ny toetrako hono) no mety hamaly an'iry hirako iry amin'ity hira iray ity. Koa na dia tsy mieritreritra ny hanitsakitsaka tokantrano velively aza aho, toa lasa tsapako mihena izany ny modestie ary lasa jejojejo, ary efa in-6 aho izao no namerina mamaky an'ity tantara ity hoe sao mihatra amiko ary izy amin'izao.

http://malagasymiray.net/2007/02/08/bandy-iray-sipa-iray/

-- Raha toa moa ka ... Misaotra an'i Simp nampiantrano sy nanaiky hivahinianana.

DotMG


Femme, Like You!!

Asa ra efa hitanareo ny interview an'ilay vehivavy Libiana, novetavetain'ny miaramila an'i Gadhafi, nataon'i Anderson Cooper an'ny CNN:

Jereo eto ny rakitra antsoratra ny zavatra voalaza... azo adika @ teny frantsay ao @ GooGle.

Mampalahelo, marikiriko, mampangitakitaka ary mampatahotra be ny mihaino ny zavatra lazainy... dia hoy aho hoe tena vehivavy mahery fo tokoa izy ity.  Vehivavy otran'izao mihintsy no ilaina @ izao taon-jato faha 21 izao. Vehivavy miaro ny zony ary indrindra tsy mihemotra na  inona na inona misakana eny fa na dia mety hiafara hatr@ fanalana ny ainy aza... Deraina manokana ary tena miala satroka tanteraka aho. alt

Eman al-Obeidy, you are my hero!!
mirary soa ho tahian'A/tra,
hahazo ny rariny sy ny hitsiny.

altalt

 


Tsssssssssssssss tssssssssssssssttttt

Ho antsika somary tsy havanana @ fampandriana adrisa sy fampiresahana ny andriambavilanitra... indro ny hira fikotiana sipa 100% mahomby:

altalt

tena tsy maintsy ho zakako ihany i onitiana realy letia ee
za manana malabary famadihana jojopil bogosy be alt

tssssssssssssssssss tsssssssssssttttttt
alt


Ndao Ho Fenoina ny Voambolana Malagasy ee!!

Efa fantatrareo ve ilay herin'andro ny teny malagasy ao @ fb?
@ 28 volana Martsa  ka hatr@ faha-4 volana Aprily hono dia mba asio teny malagasy tena malagasy eo @ rindrina. Hoe ohabolana na tonon-kalo na lahatsoratra na otran'izany ee ka hoe manasongadina ny kanto @ teny malagasy izany na tsy voatery kanto fa hoe tianao fotsiny izany ee...

Asa, tsy haiko na hampivoatra ny teny malagasy ilay hetsika  na hoe hamporisika antsika hitia ny teny malagasy fa za moa dia mankasitra foana izay mety hoe hetsika atao mikasika ny fitiavana ny teny malagasy izany. Faly sy tena hoe mirehareha kely ery aho nahita  an'ilay hoe "rango-pohy" hoe teny gasy vao noforonin'ny troupy gasy mpampita vaovao sy mpitafatafa tao @ twitter hilazana ny hoe"paraphe". Noraisin'ny gazety ilay izy. Jereo gazetiko androany 18 Martsa 2011. Tsy asiko rohy satria eo @ pejy fandraisana le izy dia mety miova hoazy rampitso... ny tiako hahatongavana dia ny hoe mety ho tena lasa teny offisialy tokotrany an!!

Dia lasa ny saiko hoe, dia manina tokoa moa ra asiana adihevitra mikasika ny hoe fananganana sy famoronana teny malagasy @ ireo zavatra misy any ivelany sy eto antoerana kanefa mbola tsy misy ny hoe teny malagasy iray hoe voambolana iray azo ilazana azy. Anisan'ny hoe problematika izay lasa hoe fialana bala ampiasantsika @ hoe tsy fampiasana teny gasy isak'izay mihetsika izao manko ilay hoe tsy ampy ny voambolana... ka hoy aho hoe ndao foronina ny voambolana ee... tsy vaotery hiandry krizy eto @ firenana sy hoe zavatra hitranga ka ho resahina any @ twitter (mba misy anarana gasy an'io ve?) vao hoafaka hanana voambolana malagasy isika...

i jentl moa izany efa mpanao an'izy ity hoe mamorona teny rehefa tsy misy fa izany hoe tonga dia lazainy sy ampiasainy ilay izy fa tsisy adihevitra ary hoe zara raha fehezan-teny iray na roa no mikasika an'izay fa hoe lahatsotra miresaka zavatra hafa no tena ifantohana. Dia mba izay no tiako lazaina eto hoe resa-dresaho rankizy an. Tena hoe manokana lahatsoratra iray mihintsy hoe ity no sosokevitra momba an'ity. @ izay mba tena mifantoka @ ilay voambolana ny lahatsoratra sy ny hoe mifantoka any ny saintsika ee...


Ka ho atomboko @  "ascenceur" ary izany, na koa hoe "elevator" na "lift" hoan'ny anglisy. Araka ny efa fantatsika moa dia izy ity dia karazana trano kely miaka-midina ampiasain'ny olona rehefa hoe avobe ny trano ka tsy vita antongotra ny dia fiakarana. Na koa vita fa kamo be tsotra izao ee...  Ny tonga tany an-tsaiko voalohany dia ny hoe "solotohatra" izao kandida azo raisina. Kanefa refa nandika dia otran'ny tsy mety indray satria ny zavatra hoe "solo" rehetra dia hoe solona ratsam-batana izany na hoe misy ifandraisana @ vatan'olombelona ee. Ohatra hoe solomaso, izany  manampy ny maso. Solosofina, manampy ny sofina hoe hihainoina. Solonify, manolo ny nify. Solosaina, dia manampy ny saina... ny tohatra anefa tsy @ vatana fa efa hoe zavatra namboarin'olombelona ka izay no tsy mampety azy.

Dia nieritreritra indray hoe "fiaramiakatra" na hoe  "fiaramiakamidina" satria ny fiara izany dia ilay fitaovana vy mampiasa motera ary manampy ny olona hifindra. Otran'ny hoe fiarakodia na koa hoe fiaramanidina na hoe fiaran-dalamby. Otran'ny tsy dia mety loatra anefa ny fanenony any antsofiko fa asa ny fahenonareo azy. Satria fanenon'ilay izy otran'ilay fiara any @ futur ireny hoe miakatra ny building mande mafibe.  Otran'ny tomobila ny endriny no tiako tenenina...

Ka inona no mety ary ee?
refa tsy mahita manko dia mety hoatao hanaraka honomatope izy ity... lasa hoe asanisera na hoe elevatora na lifitra

alt


Say whaaaaaaaaaaaaat!

 

Mahita an'ilay trano bedabe zakan'ny rano any @ tena Japana ah izany dia lasa ny saiko hoe sao dia mba tokony ho atao afaka mitsingevana aza ny design an'ny trano any @ futur... indrindra misy an'le prospect an'le hoe ho ratsy toetra indray i A/tra miaraka @ le Noah Syndrome izany... hoe tondra-drano, part II...

Hevitr'akoho fotsiny ah. Atao beton armE ny faladian'ny trano. dia asiana karazana bouee ngozabe ao ambanin'izay. Atao otran'le karazana, hitanareo ilay cannoe aforitra anaty torosy ireny? vao sokafana le torosy dia mibrioka sy mibotsina wazy le cannoe. Ny tiako tenenina hoe tsy mila popiana izany. Eny fa na mila popiana aza. Asiana karazana hoe sensor fotsiny izany mekanisima kely hahafantarana fa misy tondra-drano eo an-toerana dia tonga misy paompy eletrika mipaompy rivotra rapidapida alohan'ny hoe tapaka ny jirama... dia mitsingevana wazy ny trano refa tonga ny tondra-drano... mety ho voafainty ihany i A/tra an... tsotra nefa otran'ny hoe tsy dia mandany vola mankaiza? government of Japan, hear me out!!

Siora siora alou fa toraka rapidapida fotsiny iny fa nda hiverina hifidy praiminisitra ny bandy eee... za mi-parie fa miala ny vital dia misosoka ny vital...  ny tena tiako izao le sipa hoe Dina Jeanne Fotomanantena (manja sa tsy manja? pics pls),  sady mba diplomatika kokoa no hoe aleo mba vevavy indray no mitarika refa hita fa fiasco doly ny lelah nandritra ny 50 taona lasa ee... en tt cas, i Vital alou tsy maintsy lasa Vpm en charge ny defense na tsy lasa praiministra aza ee...
la nana aux yeux bleus dit: vital, il est vi-tal vi-a son image vi-rtuellement vi-ril remplace vi-brateur a vi-e. avec lui vi-lains et vi-oleurs vi-rent aux vi-naigres et tgv peut vi-sualiser vi-guoureusement la vi-ctoire de vi-va tres vi-te aux vi-llages vi-ctimes de Gadda-vi

alt

ps: btw, what's up with the olona avy any atsimo doly no praiministrable? sao dia tokony manenjika sipa vezo  ny bandy? haha


Absurde

 

Taloha ela izay... vehivavy...

Alahady hariva ny andro izany dia nibata seza ity tovolahy hipetrapetraka eo an-davarangana hankafy ny hakanton'ny tanana sy zava-boary. Vao nanomboka nijery izy anefa dia ireto kirarom-behivavy avy nosasaina eo @ lavarangan'ny mpifanolo-bodo-rindrina no hitany. Maro dia maro dia maro tokoa izy ireo eo ho eo @ 14 isa ny hoe kiraro roa miaraka (pair of shoes). Ny mipetraka ao anefa dia  tanora lehilahy iray sy vehivavy iray... dia lasa ny saina hoe mpivarotra kiraro ary ve izy ireto sa ahoana? nanotaniana ramatoa: kiraroko ireo ka... ra 14 no nosasana, mety firy eo ho eo izany ny isan'ny kirarony miaraka @ ireo tsy nosasana?  eisy eee... vehivavy...

Nisy fotoana izany nisy vehivavy iray izay niangavy ilay namany lehilahy mba hamita vetivety ny asany fa misy fotoana tsy maintsy vonjeny. Ilay asa atao tsy nampoizina ho haka fotoana elabe... mba ho setrin'izany famonjena lehibe nataon'lery izany aza dia hoe alohany ny kaly. Dia hoe tsy koi izany e... refa nande nikaly @ izay ary dia samy nikomandy izay tiany teo... Dia refa hiala @ izay dia tonga dia nalainy ny faktira fa ho alohany satria izy no misaotra @ fanampiana. Dia hoe aleo alohako fa otran'ny hafahafa be sady manawain be le mampadoa vehivavy... odoie, tsy nanaiky mihintsy izy fa tsy maintsy nalohany... ny vola no maharangah hoy ianao? eisy eee... vehivavy...

Tao @ koloara iray, hoy ity lehilahy iray t@ ity ramatoa iray: kay le, hay ve enao ity manana ranjo e?  otran'ny tsy mbola nahatadidy anao nanao zipo izany mihintsy ah. Dia raikitra teo ny fifanazavana nandritra ny adiny iray ary voatery niantsona olon-kafa mihintsy moa izany ary lasa debat nasionaly. Vokany noeken'ny be sy ny maro, decision inclusive et consuelle, fa t@ enim-bolana (6mois) lasa izy no nanao zipo farany... eisy eee... vehivavy...

Ankehitrio... lehilahy... 


Zenga Zenga

Indraindray ah izany mieritreritra hoe tsy tokony ny diktatera sy ny hoe apprenti-diktatera no omena tsiny fa ireto vahoaka vendra-po ireto.  Marina ihany alou le hoe izy no manao ny ataony ka ahoana ny vahoaka tsy manan-tsiny no endrikendrehana. Rehefa atao anefa ny fandihana dia otran'ny hoe ny vahoaka mintsy no mila an'ilay olona hitondra azy any ankady. Ao anatin'ny hoe filana eo @ fiainany izany io.

Sendra hitako t@ tele ity, asa ra fa fantatrareo ny hoe nanombohan'ny fiangonana advantista. Nisy razoky  niketriketrika ny hoe daty hiverenan'i jesoa ony hoe t@ 1843 lery no hiverina. Dia nahazo kil bobaka be lery t@ izany satria tena kajy matotra be hoan'ny atidohan'ny olona t@ izany moa le izy sady otran'ny orijinaly be.  Evidawazy fa tsy tonga i jesoa.  Dia nikozy ndray razoky hoe: ah non, diso ny kajy satria tsisy taona 0, @ 1844 izany lery no ho avy. Dia mbola tonga indray ry vendrana hiandry an'ny tena jesoa.  Mbola nomeny  jesoa ny endraso eo Paoly fa eee in ozy nareo? tsy ny hoe nanawain an'razoky no nataon'zala fa vao mia izy nanangana secta dia io fiangonana adva hitantsika @ izao io no niafarany.

Tsy ny hoe fanasongadinana ny havendranana ny vahoaka nanomboka ny advantista akory no tiako hahatongavana eto an. En fait manja doly ny sipa adva ny tena marina, azo jerena doly ny hitako alou fa asa lisany...  Fa ny tiako lazaina fotsiny hoe tena ao anatin'ny hoe besoins fondamentaux an'ny olona mitovitovy tadin-dokanga mihintsy ny hoe mino ny atsanga tsy aman'orana. Marina tena marina fa mila olona hoe manana leadership skills vao afaka mahavangona olona betsaka fa au fond izany ireny olona ireny dia efa otran'ny hoe niandry "mpamonjy" mihintsy.  Jereo tsara anie fa na tsy lany prezida aza i Maihol @ 2013 dia mbola hiroborobo fatratratra ny secta an'lery e?

Eritrereto hoe i Gaddafi izany efa tena tsy ankinafinafina mihintsy fa atao fanta-poko fanta-pirenena ny hoe famonoany ny mpiray tanindrazana aminy. Dia enao mieritreritra hoe hoe tsy hivoaka velona ity. Kanefa jerena, hay tena misy olona mbola tena hoe mankafy sy fanclub an'lery ihany.  Dia aleo tsorina ny marina fa na hisy ra mandriaka tahaka ny inona aza eo dia poinsa mety mbola hotafiditra 2eme toro ihany i Gaddafi ra asiana fifidianana hoe faran'izay mangarahara aza any Lybia ee. Tsy hoe tsy ratsy toetra i Gaddafi na otran'zany fa ny vahoaka mihintsy no mila azy ho ratsy toetra.

Idem eto amintsika.  i Deba alou voalohany indrindra tsy mila tantaraina intsony angamba ny hoe  havendranana tapitrohatra an'ny vahoaka izay tia azy, tena bobaka tokoa anefany io an. i ra8 indray,  eritrereto anie ny hoe fivarotana sakabelou nataon'i lery e.  Tsy hiditra @ le resaka hoe fampandrosoana haingana sy ny hoe resaka fitifirana teny @ Ambotsorohatra ah fa satria debatable be ireny. Fa ilay fikan'lery hatra@ voalohany hoe fahamasinana, fahamarinana ee, mangarahara ee, ireo zavatra tena azo lazaina hoe azo atao sy hoe faisable izany kanefa dia oppose an'zay no  tena nataony... dia mbola misy mino ihany hoe tena "mpamonjy" nedala... i tgv moa dia tsy lazaina intsony. Vao manomboka @ hoe radio akatona no ahitana raison hanonganam-panjakana dia efa mampiaky ny razana ny hoe @ fomba ahoana no ahatokisana sy hoe hinoana bandy otran'zany.  Ny filaza matetika moa hoe ny foza, tsy dia nianatra loatra sy hoe mitrongy vao homana dia mora manipuler-na. Kanefa hoy aho hoe,  ny vahoaka mintsy no mila ny fampandriana adrisa sy fivarotana sakabelou eo @ fiainany.

Ny tena fototr'izany rehetra izany hoy aho hoan'ny Afrika manokana dia tsy hoe noho ny fanjanahatany loatra. Fa noho ny hoe t@ fanjanahan-tany isika dia nanaiky ny fitoriana an'A/tra. Otra'ny hoe be loatra ny fidiran'ny resaka A/tra eo @ fiainantsika. Jereo tsara anie fa ny hoe Eoropeana sy ny Amerikana ary ihany koa ny hoe sinoa dia tsy dia mirara an'zavatra otran'zany e. Hoe zavatra lojika sy hoe misy dikany ihany no tena miteny. Tsy hoe ny fisian'A/tra eo @ fiainana akory no mahatonga antsika hoe naive sy hoe vendrana fa  ny tiako tenenina hoe izay no lasa nanamboatra ny kolontsaintsika le hoe mora matoky sy hoe minomino foana ee. Lasa otran'ny hoe olon'ny fo be loatra... lasa tsy misaina be intsony fa ny fo no mibaiko ze atao rehetra, indrindra moa fa ra misy olona maromaro mitovy fo otran'zany koa...

dia izay ee, vendra-po: vendrana + fo

Ny tena tanjon'ity lahatsoratra ity moa dia ny hamohahako an'ity faminaniana iray ity: mbola hoe diktatera ihany ny filohantsika manaraka!!
Izay mino ahy, aoka izy hanaraka ny teniko

ny mesia, mpamonjinareo,
-simp

 

 

 

 


Living the dream

Tompo o hitako maso,
ilay famonjena,
avy aminao, nomaninao
ho an'ny vahoaka
eran'izao tontolo izao.

Tadidinareo ve za le niteny hoe hiezaka ny ho matotra sy hihalehibe ah @ ity taona ity? Mifalia sy miravoa fa tonga ilay fotoana nandrasana, hitako ny lalana tokony hizorako eo @ fiainana.

Jereo eto.

Any Inde ony misy bandy manam-bady 39, izay niterahany 94 isa. Miray trano daholo izany an. Misy efitra 100 ony ny tranon'lery ary ao doly izy rehetra. Miaraka @ zafikely 33. Ny efitr'lery no mitokana fa sipa anaki-7 eo ho eo no miaraka matory aminy ao (isan-k'alina an)...
Tsy asiko resaka betsaka fa aleo isika rehetra no samy hahatsapa sy hiala satroka fa  cet homme est un hero ary indrindra indrindra hoe azo tanterahina  ety an-tany ny paradisa. Izy no profo velona fa tsy misy tsy hain'ny tompo tanterahina rehefa manam-pinoana enao.

Eny ry havako malala ao @ tompo.
chana no anaran'ilay secta notadiaviko: miteraha, mamenoa ny tany.

@ anaran'i Jesosy!!!
amen
alt


My Name is Khan

Mba nieritreritra ah izany hoe nda hijery bollywood kely alou mba hahazoana an'le hoe esprit an'le hoe andron'ny mpifankatia izany. Iarahamalala moa fa somary miavaka kely ry zala karana @ resaka tantaram-pitiavana sy romantika ireny... dia raikitra nijery an'io hoe My name is khan io. 

T@ 2010 izy io no nivoaka ary nalazalaza kely hoe mafinaritra fa za moa tsy dia tena mpijery an'le film ambevavy ireny ra tsy misy mi-recommend hoe jereo fa milay no sady hoe kamo be ah mijery an'le film mila mamaky an'le dikan-teny soratra eny ambany ireny... mais bon, aleo mba jerena izany sady mba maharaka ny resaky ny olona ra otran'zany ee. Refa nojerena tao @ imdb io izany dia hoe Shahrukh Khan sy Kajol no milalao an'le izy dia hoe tena milay ihany izany... misy an'zay hoe kuch kuch hota hai izay nolalaovin'zareo niaraka otran'ny nafinaritra ihany sady mba hoe 7.2 ny rating dia hoe tairo ary ee

Akory ny hagagana anefa fa kay tena film milay le izy. Enfin, tsy araka ny nieritreretako azy izany ee. I lery izany Rizwan Khan, bandy autista. Ilay olona otran'ny hafahafa ireny ee. Musulman izy ary naondran'ny zandriny any @ bekintana... nahita sipa manja efa manan-janaka izay, tara t@ le sipa dia nivady ry zareo... typical bollywood izany ee... ny zava-baovao anefa dia tsy hoe tsy mitovy harena/foko/firazanana ry zareo fa voalohany indrindra alou dia ilay bandy silamo moa ilay sipa hindu. Teo ah dia efa nanomboka nankafy kely hoe tena mety otran'le hoe partition ity.  Refa tena nojerena @ izay vao tena hita fa tsy dia ilay resam-pitiavana loatra no tena focus an'le tantara fa resaka hoe fanavakavahana ny silamo eo @ fiaraha-monina  tao arinan'ny 9/11 iny...

Izany hoe novonoin'ny jiolamboto ilay zanaky ry zareo dia niady izy sy ilay sipa dia nobetroan'le sipa lery hoe ndana teneno ny prezida hoe tsy terrorista ah. Refa tanteraka izany, zay vao mahazo mody... dia lasa tokoa ny adala lahy...

Ra manam-potoana sy patience nareo, jereo fa mahaliana... tantara contexte hoe karana ilay izy fa tsisy an'ireny hoe mandihindihy sy mihirahira manao clip eny ampovoany ireny... sady tena mety tsara mihintsy ny acting an'ilay hoe autista lery... ny somary tsy dia nety loatra fotsiny dia tsy maty lery any @ farany... nefa nety tena titanika ra ohatra ka .... tsssssssssss... 

mety tsy dia st valentin material loatra alou ra hoe hitondra sipa any @ sinema ny planina ee. Asa, miankina @ tsirairay ngambany... 

fa zao alou eee: tsy tokony ho andro tsy fiasana ve radem?
ka efa ny lalam-panorenana aza efa natao resam-pitiavana kou
alt 

 


Izaho tsy miova fa tia azy

fa sao lazainao vazivazy, tsy anio ihany, ho doria...

@ zao fanankaikaizan'ny andron'ny mpifankatia fantatra @ anarana hoe masindahy valentin izao moa dia.... mba saika hiteny kely aho hoe:

i ra8 sy ny 3mouvances izany efa hoe "fucked" a court terme e... ka tsy aleo ve aodina @ izay situation hoe optimale na dia hoe tsy ideal aza ny fandehan-drara. Cela va de soi hoe tgv falibe @ le proposition an'i simao. Ny  reaction an'ny 3 mouvances sy i monja izany tokony mba hoe construcitves fa tsy atao sauvazy be hoe za tsy hanao dia izay.  Satria na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mandroso ny raram-pirenena ka sao dia ilazaon'ny omby miahaka eto... eny e, mety mbola discutable alou izay fa hoy ah hoe raha ohatra ka mba manana an'zay esprit izay hoe hampandroso ny rara, dia in ny fika?

Efa noteneniko foana hoe ny bandy tena mpandresy ambonin'ny mpandresy dia ireo tsy mifidy terrain fa afaka mijijy sy milalao indrindra fa any @ tanin'ny adva. Ka hoy aho hoe tsy aleo ny fikan'zala no somary aodina kely @ amendments ho-proposer-na. Ny ady kle eto izany dia ny hoe tsisy lavina ny proposition-ny fa omena interpretations hafa fotsiny.

* voalohany indrindra alou dia mazava be fa mikatsaka ny demokrasia isika ary tsy tokony asiana an'zany resaka movansa izany intsony fa tena atao hoe inclusive sy consensuelle tanteraka. @ izay maha demokrasia azy izay anefa dia misy ny atao mpanohana ary misy koa ny mpanohitra. Ireo olona rehetra mandray anjara @ endriky ny HAT @ izao fotoana izao izany dia ireo no atao hoe mpanohana azy io @ izao ary ireo izay tsy mandray anjara kosa dia mpanohitra izy izay. A savoir, 3 mouvansa + monja et qlq partis tsisy lanjany...

Bref, mba hahatongavana @ hoe consensuelle sy inclusive, d'union nationale izany et en plus hoe equitable dia tokony ho-matcher-n'ny mpanohitra ny mpanohina eo @ andrim-panjakana tetezamita rehetra. Tokony atao isa mitovy ireo satria izay no atao equitable, tsy miangatra. Ce qui fait que:

* Tsy lavina ilay hoe tsy soloina intsony ireo izay efa ao @ CT sy CST fa hoe ampiana ny quotas an'ny mpanohitra en nombre egale. Izany hoe ho atao 2fois plus ny angozan'reo. Ny mpanohana efa voatendry, fa ny mpanohitra no tokony mifandamina ny @ azy. Vraisemblablement tsy maintsy ho atao equitable koa izay hoe 1/4 isaky ny mouvansa dia 1/4 Monja.

Mba hilazana fa tena hoe fitiavan-tanindrazana no hanaovana izany sy hoe efa mahantra rahateo ny firenena dia tsy misy mandray karama izay miditra @ CT sy CST ireo fa hoe indemnites @ hoe frais de sejours no omena azy ireo: transports, hebergements sy kaly... izay tsy mazaka an'zany dia afaka mametra-pialana... tsy koi izany na hoe lasa 500 na 600 mahery ny isan'izy ireo...

Tsy lavina ihany koa ny hoe i tgv no manendry ny mambra quotas an'ny mpanohitra fa kosa hoe ny mpanohitra no mi-suggerer azy @ lery. Adalan'ny mpanohitra ra hi-suggerer olona tsy azony atokisana izy.

Ny hoe birao sy ny commission isakan-karazany dia tena asiana fifidianana indray (demokratika). Izany hoe tsy mila negocier-na hoe raharinaivo ve sa i mamy no atao speaker fa ataovy ny fifidianana dia izay lany eo lany...

Tena milay kokoa ra hoe tsy mahazo miditra ary ra efa ao dia tsy maintsy miala  @ ireo CT sy CST ireo izay mikatsaka ny hilatsaka hofidiana depiote. Satria efa @ volana mey ve dia anina ao indray aza.

* Meme choses,  @ gouvernemanta ikambanana, i tgv no manendry ny minisitra fa izany hoe ny antsasany an'ny mpanohitra moa ny antsasany an'ny mpanohana azy. Ny praminisitra tsy koi izay ataon'lery eo na Camille Vital aza. Efa hoe ze 3 volana kely mandra-pahavitan'ny fifidianana depiote kosa ve dia tsy ho aritra sy anaovana polemika be eo... reiterer-na le hoe tsy maintsy mametra-pialana izay mikatsaka ny hilatsaka... encore mieux, tsy mahazo miditra ao @ governemanta  mihintsy ee.

* Meme choses @ CENI, tokony doubler-na ny isan'ny mpikambana hamenoana ny quotas an'ny mpanohitra.

* Ny amnistie moa efa mazava hoe omena ny olona rehetra iny, eny fa na ny 2009 koa aza. Ny hoe fodian'i ra8 indray tokony mandefitra lery hoe tsy mody ra tsy vita daholo ny fifidianana rehetra. Fa juste hoe asiana conditions koa hoe tsy mahazo mirotsaka koa ny anciens chef d'Etat rehetra, y compris i tgv.(encore une fois, equitable sy hoe juste izany)... Ataoko fa zavatra tsara izany satria soyons realiste, tsy hanaiky ny ankoantr'izay mintsy i tgv sy ny hoe i ra8 dia mila fotoana, mila mahatsapa fa "he messed up"... ra maimaika miverina @ fitondrana izy dia tsy mba hahatsapa ilay lesona nomen'ny vahoaka akory fa dia ny eo ihany no eo. Tsara kokoa izany hoe maka fotoana handinihana ny hoe inona no tsy hataoko intsony sy hoe ovaiko  @ fomba fitondrako @ manaraka. Encore mieux, tena mamorona programa an'asa tena izy sy hoe politika hampandrosoana ny firenena... afaka 5 taona indray afaka mirotsaka.

Meme choses pour tgv et les autres...

...
aza tantarainao ny adalany
ny toetrany tsy tantinao
tsy mampaninona ahy izany
tiako izy, ampy izay ooooo


J'ai un petit probleme dans mon pantalon... pourkoi sa pousse pas??

 

moi j'ai plantE magro
magro ca pousse pas
moi j'ai plantE 3 mouvances
mouvances ca pousse pas

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

alors, moi j'ai plante maputo
maputo ca pousse pas
j'y ai mis tout mon coco
coco ca pousse pas

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

moi j'ai plante mangalaza
mmm mangalaza toujours pas poussE
moi j'ai plante fetison
fetison toujours pas poussE

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

moi j'ai plante addis-abeba
abeba sa pousse pas
alors moi j'ai plante pretoria
pretoria ca pousse tjrs pas

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

moi j'ai plantE FIGN
FIGN toujours pas poussE
moi j'ai plantE BANI
BANI toujours pas poussE

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

j'ai plantE ra-charles
charles ca pousse pas
moi j'ai plantE simao
simao sa pousse pas

j'ai des petits problemes dans mon pantalon
pourkoi ca pousse pas

moi j'ai plantE CI
CI ca pousse... 

... pas!!

 


Pope, t'es malade ou koi??

 

Nivoaka  t@ alatsinainy moa izany ny hafatry ny papa Benedictus XVII momba ny fifandraisana ara-tsosialy eto @ aterineto: Jereo eto sy eto, voalaza hoe ho omeny ny tanora @ andron'ny fifandraisana  @ volana Jona ony....  Vao nahita an'le izy ah alou dia kivikivy ihany hoe tena ratsina ny mamaky baiboly koa ry benedictus ka tsy maintsy atao lava be doly izay zavatra lazaina rehetra. Saina tonga tampoka anefa ah hoe kay lean  a ary mba mahita ho lazaina ihany izany lery @ momba ny aterineto. Lery moa iaraha malala fa ela nietezana ka fotsy volo. i Bebeanay aza mbola tanora noho izy, manadino mi-charge ny finday-ny, tsy mahalala izay BEABA an'izany aterineto izany akoriny... zany hoe tena miracle mon ami be ra ingahy benedictus (aza omena tsiny ra miverimberina fa tiako be ny manonona an'le -tus ^:^) no mahavita paragrafy bedabe...

Ny tena marina alou dia hoe c'est un mec bien fa zany hoe... diso naive loatra sy idealista ary tena misaraka be @ zava-misy ny hevitry lery... lavitry ny afo ny kitay eee... diso masina loatra, refa namaky an'le izy ah dia hoe: what are you, the pope?? haha

Hoy izy:

Entering cyberspace can be a sign of an authentic search for personal encounters with others, provided that attention is paid to avoiding dangers such as enclosing oneself in a sort of parallel existence, or excessive exposure to the virtual world
Dikan-teny tsotsotra:
Ny fiidirana eo @ tontolon'ny aterineto dia midika ho mariky ny fitadiavana @ tokony ho izy ny fifandraisana manokana @ hafa, raha toa ka voatandrina tsara ny loza toy ny hoe fikantonana manirery @ fiainana anakiray hafa eo ambonin'ny fiainana tena izy na koa ny hoe fifantohana be loatra @ fiainana virtoaly.

Ka justement anie ry benedictus, noho ny hoe ahafahana manana fiainana iray amboniny no tena mampa manja ny fiaianana en ligne ee.  Ra toa ka matsiro kokoa ny fiainana virtoaly dia mety any no bebe kokoa. Ka tsy ny hahasambatra ve no tanjona moa?
Eny e, marina ihany aloha izany hoe refa atao be loatra ny zavatra iray dia lasa ratsy indray  fa ity no tena tsy itovizako hevitra:

Hoy izy:

In the search for sharing, for 'friends', there is the challenge to be authentic and faithful, and not give in to the illusion of constructing an artificial public profile for oneself.
 Dikan-teny:
Eo @ fitadiavana ny fizarana @ hafa, ny fitadiavana namana,  tokony ho atao @ tena izy izany sy ny mifantoka @ marina  fa tsy ho tafalatsaka @ nofinofy tsy tena izy, fananganana momba anao araka ny itiavanao azy.
gne?
ny fisian'ny aterineto sy ny fifandraisana sosialy @ aterineto no mba manone chance ho anao hanana mombamomba madio sy virjiny. Manome chance anao ho enao @ itiavanao azy. Tsy izany va no atao hoe paradisa? Izay no tena hoe faran'izay mahafinaritra indrindra aminy. Ra tsy nisy an'itony blaogy itony izao tsy mba afaka niteny ireo rediredy aman-polony voalaza teto ah... dia izay ee, otran'ny tele ihany io ee. Misy ny hoe zavatra tsara azo raisina ao ohatra hoe vaovao na fianarana na tsy haiko documentaire... fa ra tsisy film gidragidra sy sex intsony ny tele, dia mbola hisy hijery ihany ve??
 
Hoy izy:
There exists a Christian way of communication which is honest and open, responsible and respectful of others
Pleeease!
Tsy izao ve no atao hoe illusion any @ fiainana virtoaly vao mety hitranga
 
Asa,  hevitr'akoho ity fa hoe: sao dia ny fiainana tena izy heverin'i benedictus aza no tena virtoaly fa tsy misy akoriny... joke's on you haha
 
Avy ao ilay rohy faharoa:
He told bloggers and Facebook and YouTube writers not to see their ultimate goal as getting as many online hits as possible.
hoy izy mantsy ny mpitoraka sy ny mpi-fesse ary mpi-youtube: aza atao hoe mba hahazo mpitsidika faran'ze betsaka indrindra no tanjona faratampony
tsssssssssssssssssssssssssss
hita mintsy hoe tsy mpitoraka bolongana lery
koa ra tsy za mamporisika ny olona hiverina hiblaogy izy ity koa lol
une fois enao mafantatra fa misy mamaky ny zavatra soratanao, tsy maintsy ho tinao hisy hamaky foana ny ambiny rehetra... ary tena manome fahafinaretana avo dia avo tokoa rehefa misy famatarana kely fa betsaka tokoa ny tia ny voasoratra. Izany no atao hoe olombelona: tia, mitia, tia hotiavina.
 
Farany:
We must be aware that the truth which we long to share does not derive its worth from its 'popularity' or from the amount of attention it receives
Tokony hoe fantatsika fa  ny lanjan'ny  fahamarinana tiantsika ho zaraina  dia tsy avy @ hoe 'mampalaza' azy na ny hoe ny habetsan'ny olona liana amin'izany.
euh
fahamarinana inona koa izany, vaovao mahafaly ao @ testamenta vaovao ve?
euh
tsy dia tia mitantara an'zany loatra ah. En fait, ny zavatra tsy dia marina loatra ao arany no tena mety tiako zaraina  haha ny tena tanjona dia hoe mba hampitombo bebe kokoa ny fisian'ny fifampiresahana sy adihevitra mba tsy hoe hino izay lazaina fotsiny ny olona fa mandray anjara @ fanamarinana izany...
Ny tena marina koa dia ny hanala azy ny tanjona, rediredy, resaka tsisy dikany, izay no mahamanja azy.
 
Sinon tsy aleo ve tonga dia atao hoe tsisy zavatra marina eto @ aterineto... satria ny marina mety tsy ho marina... ny lazaina fa tsy marina mety ho marina... otran'ny fiainana andavan'andro ihany ee.
 
Tsy misy marina izay voalaza eto.


Lasa Superman ah ^:^

 


 

Omaly maraina ah izany nampiasa antsy natao tourne vis.  Kamo be ande hitady tourne vis dia tonga dia natao adina-ninja be tao... tsy nisy probleme fa vita tsara ny brikolazy... zavatra normale doly ee...

Nony @ hariva @ izay ah izany refa nde hatory iny  @ izay vao koboko hoe kay misy voadidy ny tanako le... tsy dia lalina be alou le izy fa lalindalina kely, teo vao nangirifiry kely izany... dia gaga be ah hoe toa tsy nande ra ary tsy mba henoko akory t@ maraina...

Androany maraina @ izay nikatona le izy, efa kely sisa dia ho sitrana tanteraka... dia lasa ny saiko hoe lasa superman wazy tato ve za? mba inona aza no nahazo anah tato... tadidiko tsara t@ mbola kely ah rehefa maratra dia mande ra be... tena  miracle mon ami be...  Miezaka mitadidy anefa ah hoe sao dia mba nisy foniala  nanaikitra ary ah... kanefa toa tsy tsaroako... dia inona moa izany fa dia aleo ekena ny zava-misy sy tena marina: extraterrestra avy any Krypton aho...

sa va re kely sisa dia ho faty ah dia mikorotana ambony ambany ny taovako... iangaviana izay dokotera hanome hevitra... tena serieux io an... save moi, save the world!!
en tt cas, ra tsy manoratra intsony ah dia maty ah izay...  my last will: atolotra hoan'i loray ity baby fialamboly ity, tsapako fa tena tian'i toi mitsy ity. Aiza ve ranga ka tena spam mivariraraka be miintsy tato ho ato... fa ra mbola miverina manoratra dia... fantaro fa superman ah... mila matahotra sy manao reverence hoe: Sir na hoe votre majeste refa miresaka amiko!!

 


Glee is gay!! come ooooon!!


Efa hitanareo ve ity resa-bitro ity?
Tsy ilay resa-bitro loatra no tena tiako tantaraina eto fa ilay commantera faha-4 nosoratan'i Doty eo ambaniny... asa na ny taona vaovao fa tena lasa maranitra sy feno fandalinana tokoa ny tovolahy.  Averiko kely eto mihitsy izany ho an'ny fahafinaretan'ny masonareo:

Ilay hoe vitaina raim ny fifidianana tsy voatery ho compatible amin’ilay hoe “raha te haharitra tsy hangozohozo eo amin’ny fitondrana”. Alohan’ny hanatanterahana fifidianana mbola mila fainty kely mba tsy handraisan’ny ankolafy telo anjara. Raha ilay valin’ny fitsapankevibahoaka teo mantsy no atao projection, mety afaka manantena vato hatramin’ny 2 tapitrisa sy sasany izy. Kanefa raha ny tena marina, ho vitsy kokoa noho ny tamin’ny teo ny vato tokony ho azony satria mbola hizara kely ho an’ireo mpiara-mitolona izay ho lasa mpifanandrina. Koa raha tsy manao boycott ny ankolafy telo dia ho resy amin’ny fifidianana izy. Dia ny taktika karohina izao aloha dia ny mody manome kely ny ankolafy telo amin’ny fifanarahana, dia avy eo apoaka kely indray ry zareo mba hitsoaka an-daharana indray fa hoe misy tsy rariny, dia manjaka tokana amin’ny fifidianana, dia lany amin’ny fomba “demokratika”, dia ny ankolafy telo mbola hitabataba indray hoe unilatéral, ny fianakaviambe iraisam-pirenena efa leo mampihavana dia hanao hoe “Aleo ho entin’ilehiry aloha ny baolina fa oainina be koa isika ohatry ny hoe tsy manao afa-tsy izay hamerenana an’i Dada sy Dadabe fotsiny”. Dia tonga tsikelikely ny fankatoavana iraisam-pirenena, ny menasofina koa efa manaintaina ihany hoe lanin’ny kelimaso sy ny frantsay ny mamy k’lé. Dia tanteraka ilay resako tany alohabe tany hoe “Mission impossible”.
http://dotmg.net/what-if/2009/03/23/et-si-mission-impossible

Tsy hoe noho i lery tena awesome fa otran'ny tena marina tsy azo kihanina an. En gros izany  sans issue ny trois mouvances, indrindra moa fa i ra8. Soit izy tsy midi-kizo @ hoe governemant iaraha-manana (mody miala-bala toy ny fanao hoe unilaterale i tgv ee,  sain-jaza sy tsy matotra fa manao di-doha ee...) dia mi-gagner wazy i tgv (na dia hoe mety ho elaela aza)... soit miditra @ governemanta izy, auquel cas mampiasa ny algorithme Doty i tgv... echec et mat.

Ny hany hoe tampoka tsy mahalelah sisa azo antenaina izany dia... asa, lasa miady an-trano alohan'ny fifidianana ny mpanohana an'i tgv dia afaka manararaotra an'zay i ra8 .. na hoe  tafiditra 2eme toro i Monja na i Pierrot na otran'zany dia raikitra indray ny grevy avy eo... na hoe tsy haiko, tena mody i deba ary manakorotana ambony ambany ny tanana...

Izany rehetra izany no hilazako hoe tsy tokony efa fotoana hiatrehana ny realitE @ izay ve izao hoe manaiky ny fandehan-javatra... tsy aleo ny remake apres 2 ans na 3 ans no omanina tsara a... ra izao  politika ekonomika peta-toko sy tandra-metaka  atao rehetra izao manko no hotohizana mety tsy dia ho sarotra loatra ny hoe krizy vaovao afaka 3 taona... refa mahatsiaro tena ho milamina sy tsy misy ahiana anie  ny olona vao tena manao folaitra ary tena hahitana ny zavatra haiiny atao noho ny hoe  tsy omena  tany hiainana mihintsy izy ee... asa anefa...  ity taona vaovao ity alou otran'ny tsy feno fanatenana tampoka!!

Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako horesahina teto fa ny hoe kiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii glee ve ranga dia mahazo golden globes  le tsssssssssssssssssss  vao nahita an'io ah dia kopy hoe eee ity no fambara loza fa tsy hilay tampoka ity taona ity... eritrereto hoe enao manatena fa i tgv na i ra8 na deba na monja na pierrot na tantely no ho filoha... kanefa refa  mivoaka avy any ny valim-pifidianana:  Norbert Ratsirahonana no lany!!

gne?? 


There is no charge for awesomeness... or attractiveness!!

 

 

Tonga indray ary ilay ora farany... hanaovana an'ity devoira mafinaritra ity hihi
ilay post fanaovana flashback @ faran'ny taona otran'zao no tena anisan'ny faran'izay mahafinaritra ahy ny manoratra azy... otran'ny hoe misy pejy mivadika izany... c'est la vie!!

2010 ve?
Bedabe ny zavatra azo lazaina fa ny hamitinana azy angamba dia ny hoe  ny ankamaroan'ny zavatra tian'ny olona dia otran'ny hoe "overrated" hoe tsy tena milay akoriny amiko...  hatr@ zay ah izany niezaka ny hoe ho normale manaraka ny be sy ny maro foana  fa  otran'ny hoe  2010 no nahitako fa aleo za ihany za fa tsy za hafa ^:^
Zavatra tsotra sy milamina ary voaplanina no mety amiko, zavatra tsy be mpankafy ihany koa... fa ra vao tsy izany dia tsy mety...  Tsy hary ho hazavaina be eto moa izany le izy fa  atao diary fotsiny hoe nafinaritra ny 2010... kanefa tsy dia nahafinaritra be araka ny nantenaina...

Ny blaogy moa dia manja be foana toy ny isan-taona. Na dia hoe somary mampalahelo ihany ny hoe somary matory ny ankamaroan'ny mpitoraka rehetra. Tsy atao mahakivy izany, samy sahirana rahateo. Za manokana anisan'ny zavatra tena manala stress sy hoe mitondra tsikitsiky mitafotafo nandritra ny 2010 ny fanoratsoratana teto... Ny lahatsoratra nataoko tiako indrindra: rano miboiboika. Ny lahatsoratra teto @ blaogasifera nafinaritra indrindra: rajakom-bazaha.

Bedabe ihany koa ny fikasana sy hoe fanatenana tsy tanteraka  fa ny tena nampalahelo indrindrindra dia ilay tena tiako naleha indray no tsy tongako... sa va, sa va... i will be back to love you again...

2011?
Mino sy manatena fa mba ho matotra @ izay aho, asa, tsy haiko... mety ho ampaniriko ny volom-bavako @ erin-taona ^:^

Miandrandra mafy ny fivoahan'ny hangover II ihany koa... sy ny hoe malokila, sa inona moa?

Mino sy manatena fa hivaha @ izay ny krizy eto @ firenentsika. Faly ery aho nahita an'ity lahatsoratra ity hoe mba tsy adilahy politika kosa no mivoaka momba antsika androany fa zava-boary mampiseho ny hakanto sy mahatokana an'i Madagasikara eto @ izao ntontolo izao.

Mirary dia mirary ihany koa ny taona zina, feno fahombiazana hoantsika mpamaky sy mpitoraka rehetra eto @ blaogasifera.

Manaova fety milay daholo ee

@ erin-taona indray

xoxo,

-simp


kiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii

 

Teraka jesosy
gobaka ny sosy
izy tsisy sosy
nefa dia bogosy
matosy
voaplosy

araka ny fomba mahazatra hoe rehefa kamo be hamaly ny joyeux noel an'ny olona  rehetra @ blaoginy dia aleo manoratra lahatsoratra  manokana miteny hoe: *joyeux noel*

za moa efa tena tsara fikasana  mihintsy hoe niezaka ny namonjy lamesa omaly hariva hoe @ ity taona ity kosa aleo mba hihaino ny tena tenin'A/tra dridrangilo...  kanefa dia teo ampiomanana mihintsy no nisy devoly niantso... eee fikasana moa an'olombelona fa A/tra no tompon'ny teny farany ka akory atao... voatery nande nirevy tampoka sady hoe tomorrow koa krisimasy ee... kay tena tssssss ny tampoka tsy mahalelah... waaaaaaaaaaaaaaaaaaasted... tsy nigobs kosany alou za ee sady mbola navita nibrosy nify sy nisolo akanjo... ny olana kely fotsiny t@ 11 sy sasany vao taitra le... sady tena vazomboany tain'alika be... tsy koi anefa fa tena matoky fa kopy i A/tra hoe ny hevitra sy hetaheta   no tena zava-dehibe, fo manolotra eee... sady efa manaiky tanteraka ny punitions rahateo ny foko sy fanahiko... na dia nanao headphone sy solomaso masoandro ao an-trano aza dia tena tsisy effet-ny mihintsy... ekeko ry tompo maheryyyy.... @ herin-taona indray eee

Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako ho tenenina teto fa ny hoe yayyy nivavaka hoan'i Madagasikara ny papa benedict XVI. Dikan-teny tsotsotra, hoy izy:

"enganie ny fahaterahan'ny mpamonjy hitondra ny filaminana ara-politika sy sosialy eto Madagasikara"

dia io no hitenenako hoe kiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii  tsy hoe te hanakivy ny papa ah alou an, satria otran'ny antitra be ihany lery iny fa hoe ny fahitako sy ny fahatsapako ny zava-misy dia rehefa misy zavatra hivavahan'ny papa izay dia tsy ho tanteraka mihintsy izy izay. Asa na i lery no tsy tian'i A/tra loatra na hoe zavatra tsisy fanatenana daholo no mba hany hivavan'lery fa dia efa izay no zava-misy alou.... ka hoy ah hoe eeee veloma lava letsy ry Gasikarako aaa... atao ahoana fa dia ny papa mihintsy no efa tsy tia antsika eee...  ka inona moa izany fa dia mivavaka sy manatena isika hoe enganie mba tsy ho ny tavan'iny olona nanao an'iny vavaka iny no ho jeren'i A/tra fa mba hoe ilay vavaka nataony. Sady mba hanaporofoana koa fa indraindray mety manatanteraka ihany izy... ra za izy alou tanterahiko iny ee 

 zay fa dia bona bona doly eee

;-)


Tsara raha mampirafy ny lehilahy

 

Yeah,  this is happening!!

Efa manakaiky moa ny fahatongavan'ny tompo ka nieritreritra ah hoe aleo mba  hafatra hoan'ny famonjena ihany koa no atolotro ho fanomezana antsika @ ity noely ity. Tsy inona izany fa ny hoe *tsara ry mampirafy*

Ny antony voalohany dia ny hoe  ny ara-boajanahary moa dia hoe tsisy partnera fiksa izany. Tsy haiko hoe iza no namorona an'zany hoe tokony mijanona @ olona  anakiray ihany ny olona iray mandrapahafatin'iny olona iray iarahany iny fa dia tena nandika ny lalana natoralin'ny zava-boary. Eny e, isika moa izany tsy biby fa manan-tsaina ka azo ekena ihany ny hoe olona iray miaraka @ olona iray satria mety hoe izany no atao hoe tena fitiavana angaha, asa, tsy haiko.  Ny tiako hahatongavana fotsiny dia ny hoe izay hoe safidy hiaraka @ olona iray izay no atao hoe exceptions sy safidin'olon-droa manokana fa tsy ilay hoe miaraka @ olona mihoatra ny iray akory.

Ny tena olana dia hoe teo anivon'ny fivoaran'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia lasa noraisiny ho soatoavina sy hoe tokony hoe izy eo anivon'ny fiaraha-monina ny hoe lehilahy iray miaraka @ vehivavy iray. Ny hoe A/tra sy ny fivavahana rahateo nanampy trotraka an'izany implicitement. Ilay teny mampirafy izany dia lasa ohatra ny hoe ratsy sy hoe fahotana. Kanefa ny tsy nino an'A/tra ny voajanahary fa tsy ny hoe nino tsy akory.  Ny ao @ didin'A/tra koa dia nolazainy mazava hoe aza mijangajanga na hoe aza mangala-badin'olona. Eto ary anefa dia efa misy vice de forme azo jerena sahady. Satria hoe inona marina moa izany no tena atao hoe mpivady ee? raha nivady tany @ katolika ve dia mpivady any @ protestant izay? eo mbola azo ekena satria hoe kato sy prostestant moa atsimo sy avaratra fa raha hoe silamo na hindu na budhist mbola hoe mpivady ihany ve?

Ny hoe mangalatra koa dia hoe maka zavatra iray tsy mahazo alalana avy @ tompony. Iza moa izany no tena tompon'ny olona, ny tenany ve? ny vadiny ve? sa A/tra? Zany hoe ra mahazo alalana @ ireo izany dia tsy tokony ho olana velively.  Tena azo antoka manko fa nahazo alalana @  ilay olona matoa ry zareo miaraka.   Ny fiaraha-monina izany tsy tokony hanaratsy an'ny hoe "mampirafy" raha tsy mahalala ny tena marina hoe nahazo alalana izy io... vokatry ny hevitry ny fiaraha-monina koa anefa dia lasa ny lalana @ firenena mihitsy no lasa nandrara ny hoe mampirafy.  Eto koa dia misy adihevitra iray indray hoe ny mpivady nisoratra tany @ firenena iray ve mbola mpivady ihany any @ firenena hafa? @ ankapobeny aloha dia marina io satria mitovy fijery ny fiarahamonina ka lasa miampita @ firenena 2 samihafa ihany koa izany... ny tiako hahatongavana anefa dia ny hoe ny natoraly dia ny tsy miampita, izany hoe tokony afaka manana zo ho tsy mpivady ny olona roa any @ firenena hafa na dia hoe mpivady aza any firenana hafa...

Somary vendrana ihany moa izany hevitra rehetra izany satria hoe rehefa niova ho izay ny firehan-kevitra eo @ fiaraha-monina dia efa izay izany no atao hoe tsara sy mety  ary tokony ho izy. Ny olana @ izay anefa dia ny hoe ety ivelany fotsiny ny fiaraha-monina no tsy tia ny hoe mampirafy fa ny tena marina dia zavatra mitranga ary ianana andavan'andro izany hoe olona iray miaraka @ olona mihoatra ny iray izany.  Marina fa betsaka tokoa ny tsy miodina ary mendri-piderana izy ireny fa betsaka ihany koa ny mpiodina. Tokony malalaka izany ny safidin'ny tsirairay hoe aiza ho aiza ao @ fiaraha-monina no misy azy.

Ny tena olana kosa anefa dia ny hoe ahoana kosa no toerana misy an'ilay vady/partnera raha hoe misafidy ny hampirafy ilay iray.  Hoe tokony mieritreritra ilay iray hoe ho zakanao ve raha ianao no atao an'izany. Eo ihany koa ny hoe efa nivoady sy nifanome toky, teo anatrehan'A/tra sy ny vahoaka.  Ny tokony tsy hadinoana anefa dia fitiavana no anisan'ny antony hivadian'ny mpivady ary i A/tra koa dia fitiavana. Tsy tiako ho tenenina ity kanefa zava-misy eo @ fiainana ka akory atao: ny lehilahy anie ka vitsy an'isa mihoatra @ vehivavy e. Izany hoe raha mijanona @ olona iray daholo ny tsirairay dia misy olona tsy mba misy mpitia izany. Manginy fotsiny ny hoe sipa tsy manja dia tsy poinsa hoe hanan-tsafidy be loatra ka raha toa ka misy lehilahy vonona ny hanome fitiavana azy ve dia ho tohaina izany? Eo koa ny hoe ny isan'ny masera betsaka lavitra noho ny mopera... 

Ndeha atao hevitra antehaka sy tsisy ilana azy daholo izany ee. Ny tena antony iray tena tokony hampirafesana hoy aho dia ny hoe satria misy ireo vehivavy tsy mety raha tsy miaraka @ lehilahy efa manam-bady. Misy tovovavy izay izany. Tena tafita ara-pianarana sy ara-bola ary manana ny ampy sy hoe mahaizy azy tokoa ary mbola tanora... kanefa dia miaraka @ lehilahy manambady aman-janaka... fatany tsara fa tsy tokony hanao izany izy fa mety handrava ny tokatranon'olona ary ihany koa tena marary ny fony rehefa makany @ vady aman-janany ilay rangah... dia nolazaiko hoe ka inona no mbola hiarahana aminy, bandy milay bedabe eraky ny tanana... dia hoy izy: satria tiko izy...  asa na za no fo vato na ahoana fa dia tena tsy azoko mihintsy... dia izay ee izany angaha no atao hoe tena fitiavana marina, mahazaka manao ny adalana rehetra... miaraka aminy no mahasambatra azy, tsy manana adidy tokony hampirafy  ve ilay rangah satria izay no mba anjara birikiny mitondra hazavana eo @ fianan'olona iray?

Mateti-pitranga ihany koa ny hoe fitiavana nitsiry taloha fa noho ny sompatry ny tany dia tsy tafaraka fa nivady t@ olon-kafa. Eo ihany koa ny hoe efa nivady vao tojo ny tena silaka fanahy...  Ny fitiavana anefa tsy hary ho tohaina fa arakaraka ny hanaovana izany vao mia mitroatra bebe kokoa. Ny fitiavana koa tsy mitovy hoe ny fitiavana an'i xxx  tsy hitovy @ fitiavana an'i yyy mihintsy na dia hoe samy fitiavana izao ihany aza. Tsy ho feno mihintsy ny fiainana rehefa hoe tojo ny fitiavana ianao kanefa hikipy sy hodian-tsy hita. Ny fizarana ny tena fitiavana dia zavatra tsara, tsy azo ampitovizina  @ hoe mpangalatra. Hoe satria ve misy mpangalatra eto @ fiaraha-monina, malalaka ny olona hisafidy ny misy azy @ hoe mpangalatra na tsia, dia azo lazaina fa tsara ny mpangalatra? tsia tsy mitovy satria ny fitiavana mamiratra kokoa rehefa zaraina.

Dia hoe hahazaka ve izy ra ny vadiny koa manao toy izany? atao tsinontsinona ve ny voady? Dia hoy aho hoe tsia an, mety manova ny dikany sy ny lanjan'ny mariazy izany kanefa kosa tsy tokony ho atao tsy hita ny zava-misy sy tena izy.  Tsara ny mampirafy, efa izany no voajanahary. Tsy ovaina  ihany koa ny  voady  sy  ny  fototra lehiben'ny mariazy dia ny fitiavana izany ary tena atao ny hoe manome toky aho fa tsy hiova ny fitiavako anao na inon-kidona na inon-kihantra. Fa kosa hoe vakiana @ tokony ho izy izany hoe azo ampidirana fizarana fitiavana hoan'ireo izay mila ihany koa. Hoe tsy hohahenako ary ho atao vaidohan-draraha foana ny fitiavako anao eny fa na dia mizara any @ hafa aza aho... Tsara ny mampirafy rehefa hoe tena fitiavana no zaraina sy hifanomezana @ hafa. Fitiavana, tena fitiavana fa tsy hoe filana na zavatra hafa... raha fitiavana avy @ hafa ihany koa no mety mahafeno ny fiainan'olona iray, tsy fanehoam-pitiavana azy ihany koa ve ny fanekena azy hameno ny fiainany?

Dia izay ee, tsara ny mampirafy!
Ndeha ary ho faranana @ ity hira hoe hanaraka anao ity, hiram-pitiavana,  hira fitoriana fitiavana ary hira an'ny mpamonjy ihany koa. Atolotra  ho firarian-tsoa an'ny noely antsika rehetra,

 

Joyeux Noel!!


Sh!t

 

Te hiteny ratsy be tampotampoka tato ah 

Otran'ny hoe herin'andro feno fahadisoam-panantenana be izany iny herin'andro iny. Satria dia lany tanteraka izany ilay lalampanorenana. Za anefa tena mba maniry mafy dia mafy ny hoe lalam-panorenana mitovitovy @ an'ny britanika no ampiasaintsika. Izany hoe asiana kabinetra an'ny mpanohitra ihany koa. "Governemanta" tsy manana fahefana mpanatanteraka kanefa misy @ fomba offisialy, miandraikitra ny fanakihanana (sy fanomezana soso-kevitra) @ ny fitantanana ataon'ny governemanta tena izy. Lalam-panorenana atao mitovitovy @ an'ny amerikana ihany koa. Hoe tena atao misy dikany sy manan-danja be ny Lohaolona. Izany hoe azon'ny Loholona hametrahana fanotaniana sy bedesina izay olona mitana andraikitra ambony ao @ Governemanta sy Komisiona isan'isany... ary indrindraindrindra hoe mahazo fankatoavana avy any amin'izy ireo vao mahazo mandray an'izay toerana ambony izany. Hialana @ hoe didin'ny filoha ny manendry an'zao olona rehetra izao...

Lany ilay lalam-panorenana hoy aho satria eo @ lafiny ara-pifidianana aloha voalohany indrindra dia tena lany ilay izy. Satria sady lany ny Eny, no mbola nihoatra ny 50% ny tahan'ny isan'ny tonga nifidy. Ra mba latsaka manko io dia mbola afaka niady hevitra hoe ny TSIA sy ny WHATEVER no mitambatra tsy mampalany azy kanefa moa dia samy nandresy daholo ireo. Ny hoe fangalarana sy ny sisa, rehefa tsy nisy profo moa dia naman'ny tsisy ihany izany na dia fantatra ny zava-misy... Eny e, mety hiteny isika hoe mbola mitohy ny krizy fa tsy mbola izao no farany ka aza kivy... kanefa minoa ah marimarina fa tsy hiova io. Tsy noho ny hoe handresy i tgv na ny otran'izany fa ny tena marina tia an'io lalam-panorenana io daholo ireto mpanao politika antsika. Satria aleo tsorina ny marina, tia seza sy apprenti diktatera daholo. Na ny 3 mouvances izany na i Monja na ny HAT  sy izay manana ambitions hirotsaka ho prezida rehetra eto @ tsika dia tsy mihevitra ny hoe tena hampandroso izany fa dia ny hanjaka tokana sy maso-mandidy no tena tanjona. Izay no antony hoe tena mana avy any an-danitra hoan'izay ho lasa filoha eo io lalam-panorenana io. Dia izay eee...

Inona moa izany fa dia miandry ny krizy manaraka indray... homba antsika A/tra!!

Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako horesahina eto fa ny hoe: kiiiiiiiiiiiiiiiii tsy lesbian ve ranga i Oprah le tsssssssssssssssss. Tsy hoe noho ny fitiavako manokana ny lesbians akory fa noho ny hoe tena mba nieritreritra ah hoe izy no anisan'ny olona hoe tena tafita eo @ fiainana kay tssssssssssssssss manamarina an'ilay teoriako (mbola holazaiko eto) ihany izany hoe ny vehivavy manana ny mahaizy azy, tafita ara-bola/fianarana/social status,  ny ankamaroany dia diso safidy be daholo @ resam-pitiavana... 

Dia andeha ary ho faranana @ F. U, hira nalaza be t@ herin-taona hoe fiadiana ny zon'ny lesbians... Fako io... 

 


Pork Burger

 

Mitondra ny mafilotra aho androany.

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatra ny tsy misy manao ny hoe henan-kisoa no atao @ borgera. Na tsy haiko, mety izaho koa no vendrana sy tsy maharaka... kanefa @ teorana sasany tsy eto Madagasikara dia ny henan-kisoa no mora kokoa noho ny henan'omby... ka hoy aho hoe, sao dia bizina ity haha...  Androany ary dia atolotra antsika  ny henan-kisoa borgera tsotsotra, vita simp,  azonao atao any an-trano. Mazava ho azy fa azo soloina henan'omby na akoho ilay hena fa ireny moa efa misy efa vita diska boribory tsara , mety kokoa raha tonga dia ireny no vidiana toy izay mbola hanao zymnastika ohatra an'ity. Indro ary:

* Voalohany aloha dia mila mividy henan-kisoa ianao, ilay mikambana (chops) fatao anaty lafaoro ireny fa tsy ilay voatetika an. Dia ilay manifinify ireny no tena tsara fa mety ela vao masaka sady mety mafy be manaikitra anazy avy eo ka mandrovita mofo no mandoto tanana...


* Esorina ny taviny sy ny taolana dia asiana sira sy antsakavironkazo (na izay episy tianao) ary atono anaty lafaoro avy eo.


 

* Mandritra an' iny ao am-patana dia alaina ny mofo (azo atao mofodipaina raha tsy mahita mofo boribory fanaovana borgera). Raha ohatra moa ka noana be ianao na koa tenda-kanina ohatra ahy dia tsy didiana eo ampovoany ny mofo fa tonga dia mofo anakiroa no ampiasana. Izany hoe atao ambony ambany ireo.  Tsara kokoa ity satria afaka atao bedabe ny ampiarahina aminy noho ilay didiana (teritery ny toerana). Somary polesina kely @ tanana ahafahany mipetraka tsara. Dia asiana mayonezy @ iray ary voatabia masaka @ iray.


 

* Avy eo asiana salady laittue. Raha ohatra ka bitrobitro toetra ianao dia izy anakiroa indray asiana daholo.  Aza adino ny mamadika an'ilay hena an (na raha hoe grill dia ilay afo any ambany indray no atao). Ilay mofo teo izany asiana voatabia manta eo amboniny. 


* Dia asiana fromazy manify eo ambonin'ilay voatabia teo. Izay vao asiana an'ilay hena efa masaka. Ilay mbola somary mamay iny izy no tsara, @ izay somary mitsonika kely ilay fromazy...

 



* Raha ohatra ka tendan-kanina dia mbola asiana fromazy iray eo amboniny. Apetraka eo ambon'izany rehetra izany ilay mofo anakiray. Ary dia vita ny henan-kisoa borgera.

 


 
**miam miam**

Tsara raha aroso dia ny mbola mafana.
Tsara ampiarahana @ rafivavin'i alicia ihany koa.

Mazotoa homana ooo


TEDx Antananarivo [nohavaozina]

 

Mba ho fahafinaretan'ny mason'i  Andrytia, mpankafy, sy ho fanajana ny aza ampijaliana ny tenintsika dia indro ny  lahatsoratra TeDx Antananarivo nosoratana teny malagasy ranoray, tsy misy diso tsipelina


Mino aho fa efa hitan'ny be sy ny maro ity: Tedx Antananarivo.

Izy ity izany dia karazana fihaonana natao hiresahana momba ny tontolo iainana.   Eny, fantatro tsara hoe mety mivarina ao @  ilay talenta malagasy hoe lany andro manao fivoriana fotsiny  indray ity fa tsy misy zavatra vanona akory... Tsy dia izay anefa satria isika dia anisan'ny hoe firenena tsy mba manana  fijery  na hoe drafitr'asa mazava momba ny hoe fiarovana ny tontolo iainana. Eny e, mety misy ihany aloha izany fa  ny tena marina dia tsy fanta-bahoaka, tsy mba nampandraisana anjara ny vahoaka ary tsy raharahian'ny vahoaka ka ohatra ny hoe tsy misy ihany...  Ity  fihaonana ity  izany dia anisan'ny hoe dingana @ izay hoe mba atomboka ny firesahana ny tontolo iainana. Sady  somary mifantoka kokoa  @ resaka  fiovan'ny toetr'andro eto @ izao tontolo izao ilay izy. Izany hoe mety hivelatra @ iraisam-pirenena ihany ilay resaka... dia izay eee, tsara ny miresaka ary tokony miresaka sy mifampidinika aloha vao manao zavatra. Indraindray ihany koa ny firesahana dia anisan'ny hoe fanairana ny tompon'andraikitra hifoha sy hahatsapa hoe mila mandray andraikitra izy...  "Ny hevitra no mitondra sy mitarika an'izao tontolo izao"... araka ny voalazan'i Ernest Renan.

Tedx ny anaran'ilay izy satria  moa tohanan'ny TED izany ilay fihaonana. Efa hitako nivezivezy teo @ twitter ihany izy ity ka mino aho fa efa mahafantatra daholo isika hoe rahampitso @ 3 ora tolak'andro izany. Jereo ilay rohy ery ambony io raha mila fanazavana fanampiny... somary nitontona  tany @-na imailaka tsy tokony hahatongavany taty amiko ilay izy, asa na noho ilay hoe TED angaha,  fa dia gaga be mihitsy aho... hoe  zavatra matotra tsara ity izany!  Minoa ahy,  maty antoka ianao raha tsy manatrika... dia izay ee,  mba halalaho ny fandaharam-potoananao fa zavatra tsara sy manan-danja ity. Sady adin'ny efatra ora fotsiny farafahabetsany, mirava @  fito hariva. Izany hoe raha ohatra  ka mbola misy tokony haleha ianareo avy  eo dia   tena hoe mirava aram-potoana tsara ahafahana mamonjy izany... Misy olona  maromaro hanao  famelabelarana ihany koa @ io fihaonana io... izany hoe tsy ho mahamonamonaina be ny resaka :-)

Izay!


ps:

* Jereo eto ny lahatsoratra orijinaly.
* Vakio ilay hevitra eo ambanin'ny nataon'i Andrytia, mikasika ny politika fanaovana lahatsoratra eto @ fialamboly.


TEDx Antananarivo

 

Mino aho fa efa hitan'ny be sy ny maro ity: Tedx Antananarivo.

Izy ity izany dia karazana kaonferansy natao hiresahana momba ny tontolo iainana.   Oui, je sais, hoe mety mivarina ao @  ilay talenta malagasy hoe lany andro manao fivoriana fotsiny  indray ity fa tsisy zavatra vanona akoriny... Tsy dia izay anefa satria isika dia anisan'ny hoe firenena tsy mba manana vision na hoe politika nasionaly mazava momba ny hoe fiarovana ny tontolo iainana. Eny e, mety misy ihany alou izany fa en tt cas, tsy fanta-bahoaka ary tsy mba nampandraisana anjara ny vahoaka ary tsy rarahian'ny vahoaka ka otran'ny hoe tsy misy ihany... bref, ity izany anisan'ny hoe dingana @ izay hoe mba atomboka firesahana ny tontolo iainana. Sady otran'ny plus orientEe @ resaka climate change ilay izy, zany hoe mety global ihany ilay resaka... dia izay eee, tsara ny miresaka ary tokony miresaka sy mifampidinika aloha vao manao zavatra. Indraindray ihany koa ny firesahana dia anisan'ny hoe fanairana ny tompon'andraikitra hifoha sy hahatsapa hoe mila mandray andraikitra izy... Ce sont les  idees qui menent le monde...

Tedx ny anaran'ilay izy satria hoe endorsed by TED izany. Efa hitako nivezivezy teo @ twitter ihany izy ity ka mino aho fa efa kopy doly isika hoe radem @ 3 ora tolak'andro, jereo ilay rohy ery ambony io pour plus d'infos... somary ni-bounce tany @-na imailaka tsy tokony hahatongavany taty amiko le izy, asa na noho ilay hoe TED angah,  gaga be mintsiny ah... hoe c'est du serieux!! you don't wanna miss it... dia izay ee, make time, it's important. Sady adiny 4 fotsiny farafahabetsany, mirava @ 7hariva, raha ohatra hoe mbola misy plan lisany avy eo, tena hoe a temps tsara mintsiny... sady misy olona hanao presentations maromaro... zany hoe tsy ho boring :-)

voila!


Rarana ny Manao Maloto Eto

Toa lany hono ny TSIA? dia ahoana izany no tohiny? Dia tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra tonga nifidy. Soava tsarahy, ho tahian'i A/tra. Hoan'izay resy moa dia aza kivy ee, @ manaraka indray. Manomboka izao aloha izany dia fahamarinana sy fahamasinana no hiainana. Iaraha mahalala ihany ny zava-misy tsy azo anoharana. Samy nanetsetra daholo isika, ny printsy William hoe nanatitra vody ondry ny  an'i ramatoa Kate. Ny sipakely vaky fo fa tsy mba izy no nalainy.  Ny bandy kely lasa saina hoe kay le 7 taona ve zany lery tsy nanabady kanefa sipa iray fotsiny no niarahany... avy eo mbola iny ihany ho vadiana? may his soul rest in peace!!  Dia aleo asiana tsiky fotsiny rehefa mahita ny fahasoavan'A/tra toy  izany.

Indraindray ah izany mba lasa ihany ny saiko hoe mba iza ary no nitondra ny alika teto Madagasikara e?  Ny dinaozoro manko fantako fa tamintsika mbola nikambana t@ Gondwana dia afaka niampita taty ry zalah. Fa rehefa nisaraka ka hoe nisy ranomasina dia hoe afaka nilomano ny ranomasina ve ny alika? sa hoe efa hatr@ fotoanan'ny ziorasika ry zalah ireny. Mety ho marina ihany alou ee. Indrindra fa misy an'ilay anganon'ny ntaolo hoe ny voay no nampianatra ny alika hilomano moa ny alika no nampianatra ny voay hande tongotra. Ny voay manko no anisan'ny biby faran'ze antitra indrindra mbola velona eto.  Kanefa otran'ny sarotra inoana ihany satria poinsa kaly marainan'ny dinaozaoro izy ra zany. Dia mpanjanaka ve izany no nitondra ny alika?  tsy azo inoana satria toa tsy nalaina avy @ teny frantsay na angalisy ny teny hoe alika. Dia hoe ny razambe ve izany no nitondra alika? an an an sarotra inoana, ny lakana kely avy any afrika sy malaysia  tsy ho atonona ny olona tokony entina akory aza ka izay fatina alika any no itonatonana hidongy strapotin eto.... azafady an... dia tsy hay intsony ee angamba ny vazimba no tsara anotaniana... ny gidro sy rajako ary babakoto moa dia mbola fanotaniana mitovy ary tena mety sarotra dia sarotra ny hamaly azy.

Fa lisany ve adala ee? tsy azoko mintsy? izao indray ve vao ovaina sarimihetsika nankafizina fahiny ny sarin-tava? mandritra ny 2 taona aho  namporisika ny sarimihetsika tsy nisy nirara fa zao vao mody hoe inona ah inona an an an za tsy manaiky tsony efa nifina dinaozoro indray izao. Lalimena no tena notadiaviko fa somary niasa saina ihany fa otran'ny hoe efa lany tamingana hono izy ireny ka asa. Mety ho dadabenoely indray no haverina rehefa lany safidy, sady efa kely sisa dia krismasy... eny e, toa efa ela ihany izay niandrasana ny tranobongo vary amin'ny ronono asiana tantely izay ka tsy hay intsony. Mety hoe araka ilay fitenenana hoe iandraso iray minitra monja hoy i A/tra...  kay ny  fotoana tsy mitovy akoriny, iray minitra otran'ny 100 taona... na izany aza anefa Andriamanitra tsy andrin'ny hafa anefa andriko ihany ka. Satria fa momba antsika A/tra, moa ka tsy izany va?

You will never be my... will never be my... you will never be my fool... you will never be my foool


Vote for Democracy, Vote No

 

Efa betsaka ihany izay hevitra nivoaka mikasika ny fitsampan-kevi-bahoaka momba  ny lalam-panorenan'ny repoblika faha-4 izay.  Ny ankamaroan'ny olona moa dia hoe tsy misy dikany ilay fifidianana satria na eny na tsia no lany dia tsy mampiova inona izany  fa dia ho voafitaka fotsiny eo hoe manaiky ny fifidianana ataony... Izaho kosa anefa mamporisika hoe mandehana mifidy ary fidio ny TSIA.

Fidio ny TSIA satria efa hiaraha-mahalala fa zavatra unilaterale ilay tetikasa. Tsy misy maharatsy ny fifidianana, ary tsy maintsy manana lalampanorenana rehefa hoe firenena mahaleotena fa hoe tokony mba hifanarahana izay zavatra atao. Efa fantatra fa ilay fanaovana di-doha otran'izao foana no mitondra krizy miverimberina. Dia ho otran'zao foana ve no fiainantsika? Ny HAT moa miteny hoe tsy unilaterale io fa efa vahoaka be sy antoko politika marobe no namorona azy. Dia hoy aho hoe tsotra fotsiny no hahafantarana fa unilaterale ny zavatra iray:  zavatra tokony evident sy hoe unequivocal  izany. Zany hoe rehefa mbola miezaka ny miteny hoe tsy unilaterale io na iza na iza izany dia unilaterale izy izay. Tsy tokony ho tenenina akory izany fa hita mivandravandra wazy eny ihany.

Fidio ny TSIA satria mbola lalampanorenana natao hanjakazakana  ny vahoaka fotsiny fa tsy natao hampandroso ny firenena akory. Ny conferansy nanaovana azy aloha dia efa tsy mety satria natao ampotomoto sy ankamehana fa dia maikamaika fotsiny hoe na hoany na tsy ho any. Eritrereto hoe firenena aiza no fantatra fa namorona ny lalam-panorenany izany tao anatin'ny herin'andro? Ny an'ny Amerikana izao tao anatin'ny 116 andro hono.  Tsy hoe fanoherana be fahatany ny HAT fa efa hita fa izao fanaovana petatoko izao foana no  tsy nampandroso hatrizay dia mbola izany foana ve no hatao?

Fidio ny TSIA satria ny zavatra hoe tapaka tao @ le conferansy aza mbola misy novain'ny filan-kevitry ny minisitra. Dia nataony @ itiavany azy tokoa moa izany. Natao saron-tava fotsiny ilay fake-conferansy. Mora tokoa moa no nanaovana izany satria conferansy petatoko tsy nanana fotoana handihana ny zavatra tena  manan-danja akory. Tsy nisy nahasamihafa an'ilay lalampanorenana vaovao noho ilay taloha akory avy eo, novaina fotsiny hoe mahazo mirotsaka ny DJ.

Fidio ny TSIA fa izany no fomba hilazana @ mpitondra (eny mpitondra izy, na iza faly na iza tsy faly, efa izay no izy)  hoe tsy ekenay ny fomba fitondranareo ny fivoahana @ krizy. Satria mety ho fivoahana temporaire toy nisy hatrizay fotsiny no hita fa avy eo ho krizy ihany. Dia tsy hisy masoandro mihiratra mitsy eto.  

MANDEHANA MIFIDY. Io foana no hadisoana fataon'ny mpanohitra hatrizay.  Ny tena mpandresy dia ny afaka mandresy @ lalaon'ny fahavalo. Tsy hiteny aho hoe fahavalo akory ny HAT fa izy no mitantana ny lalao aloha @ izao ka misy elegance kokoa ary tsy azo lavina intsony raha @ lalaony izy no resy... Ny hadisoan'ny mpanohitra hatrizay dia fanaovana hoe aza mifidy ity foana. Satria hoe sao dia ho voafandrika hoe holazainy hoe nareo anie nanao tsia ee. Mahaiza manaiky resy!!

Eny,  mety hoe fandrika ny fidirana @ lalaony fa ny tena hadisoana hatrizay dia ny fitadiavana vahaolana maimaika foana. Mieritreritreritra fingana sy fikafika tsisy mpahita dia ho mpandresy vetivety eo. Mitovy @ ilay fisainana hoe tsy hiasa fa hanan-karena wazy eo ihany izany. i Nelson Mandela nanoratra boky hoe "A long Walk to freedom"  mitantara ny niainy mandrapivoakany. Tsy mila mamaky ilay boky akory dia efa mahatsapa fa tsy tokony mieritreritra fa hoe haingana ny ady. Tokony mifidy foana ary mifidy TSIA. Izany no fampiarana ny demokrasia izay tena dradraina io. Na ho hangalariny aza ny vato  na hoe ho tsy manova zavatra akory aza na mandresy ny TSIA dia fomba fanehoana hevitra izany. Fomba firaisana @ hafa mba hatsapana hoe hay misy olona hafa mitovy hevitra amiko. 

Rehefa mahatsapa an'izay ny mpitarika ny tolona hoe hiady tokoa ho an'ny demokrasia sy ny fandrosoana ary ho ady maharitra izany dia izay no fanombohan'ny fandresena.  Rehefa maharitra ihany koa ny fijaliana dia mahatsapa ny tena lanjan'ny "fahafahana"  ireo niady @ izany. Tena olona vonona ny hitondra ny firenena tokoa raha afaka mahavita an'izany hoe sedra mandritra ny taona maro, eny mety ho 27 taona toa an'i Mandela aza. Fa tsy hoe olona taitaitra tao dia hoe hanao prezida an'ny repoblika aho, dia avy manakorontana etsy sy eroa. Dia 3 volana dia prezida, avy eo  sady efa ratsy saina no mbola tsy manana hevitra apoaka no sady lany andro mamono afo etsy sy eroa...

Ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe tokony raisina ho kolotsaina ny fandehanana mifidy. Eny,  tsy ho tonga lafatra izany fa rehefa miditra tsikelikely eo @ hoe fomba amam-panao dia miova tsikelikely wazy eo ihany toe-tsain'ny tsirairay. Ianao izany no mampianatra azy ny tena demokrasia @ fandraisanao anjara sy fanehoanao ny hevitrao. Mety hoe elabe izany fa izay no ady tokony himasoana hoe fisian'ny demokrasia aloha. Rehefa ao anatin'ny ra malagasy ny demokrasia, mitsangana moramora wazy eo ihany ny firenena. Mandrapahatonga an'zay dia mivonona @ tolona. Tsy tolona hoan'ny lalampanorenana, tsy tolona hoan'ny reconciliation sy amnistie, tsy tolona hanesorana ny HAT, tsy tolona hoan'ny fampandrosoana fa tolona hoan'ny demokrasia. Ny demokrasia no fototra an'ny olana rehetra. Izany no tolona tena izy, tolona horaikin-tampisaka ao anatin'ny toe-tsaina sy sotoavina malagasy ny demokrasia. Na ho ela na ho haingana.

Fidio ny TSIA. 


Sup

 

Hey,

elaela tsy hita an
inona ny vaovao?

an3, omaly tsy miova ee, tsy misy ho lazaina...
misy ho lazaina manko ee:

 Jereo eto*

Mahatonga saina hoe  a tt moment misy zavatra mitranga foana eto ambonin'ny tany. Enao variana mamaky blaogy ny olona mandinika sy mitady vahaolana, miezaka ny ho sambatra,  miezaka manatsara ny fiainany, ny fianakaviany, ny fireneny... za zao miblaogy, mi-relax, mirediredy.... ary enao? inona no ataonao izao?? mety firy ny isan'ny manao izao ataonao izao @ izao ora izao?

betsaka ny tiana ho lazaina fa ny manan-danja indrindra dia ny hoe: firy izao ny isan'ny olona manao RS, mandritra anao mamaky an'ity? androany? t@ ity taona ity?

Anosy anareo!!

* endraso elaela kely raha ohatra ka tsy tonga dia mivoaka ireo chiffre miova isan-tsegondra


Ranoooo miboiboiiiiika

 

Rano tsy mety ritraaaaa...

Isaky mahatsiaro an'io ah dia  hoe ity indray le t@ Jesoa nikoty sipa 

T@ mbola kely ah izany dia faly ery mihira an'io. En fait, bebeanay izany tena le very very very katolika ireny dia @ hariva mamerin-kira dia io hira io anisan'ny tena nampianariny anay, ny tonony sy andininy ho hay tsianjery... nony efa lehibe @ zay ah maheno an'le vakiteny any ampiangonana vao kopy hoe waaaaaaaaaaa ary mampiresaka i Jesoa klelika eee 

Relax tsara dia diniho tsara @ saina tsy miangatra, araka ny voalazan'ny soratra masina vakiana @ anaran'i jesosy manao hoe:

Dia inty nisy vehivavy Samaritana anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy Jeso taminy: Mba omeo kely aho hosotroiko

Tsy izany ve  no approche faran'ze tsotra sy mazava indrindra?  sa misy zavatra hafa azo hi-interpreter-na an'zany ve?  misy mahasamifa an'zao @ le manotany caissiere hoe "@ firy ity magazay ity no mikatona" ve izao? asa alou fa mety t@ zany mety mbola hoe fotoanan'ny arranged marriage sy lova tsy mifindra dia tsy  nalaza loatra ny hoe pick up lines, hoe fehezanteny clichE fikotiana sipa...  ra izay anefa  dia lasa hoe i Jesoa izany no tena namorona ny fika fikotiana sipa voalohany??? c'est homme est un hero!! 

Ilay sipa moa izany mody fanina sy hoe manao sarotra kotiana (efa mpiady izy, 5 ny bandy miaraka aminy @ io fotoana io) fa tena tsy nitsoahan'i lery, au contraire tena niangalian'lery mintsy aza: 

Izay rehetra misotro amin'ity rano ity mbola hangetaheta ihany; fa izay hisotro amin'ny rano homeko azy no tsy hangetaheta mandrakizay,  satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin'ny fiainana mandrakizay

kay letia ee, quelle classe ce mec!!
Tena tsy mahatsako an'zao kosa ny hiran'lola sy izay fampandriana adrisa, fambaboana fo hoe omeko ny volana... dia tsy maintsy hoe babo le sipa  no farany e

Ka hoy ravehivavy taminy: Omeo amin'izany rano izany re aho, Tompoko, mba tsy hangetaheta intsony, dia tsy hankaty hantsaka koa. 

Dia izay ee... naika hiteny ah hoe nampianatra nikoty i Jesoa teto kanefa nisy nanoratra hoe tsy teo ny mpianany fa nitady kaly... mazava izany ny resaka fa Jesus, you're the man!!  Efa mahafantatra ny tokony hatao daholo angambany isika kristianina rehetra an!!


Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako horesahina eto** fa ny resaka momba ny rano. Androany 15 Octobra moa no andron'ny blog action day araka ny mahazatra. @ ity indray mitoraka ity dia resaka rano no foto-dresaka iarahan'izao tontolo izao (mamporisika antsika handray anjara). 

Efa fantam-poko fantam-pirenena moa izany fa ny firenena mahatra no tena mijaly @ ity resaka rano ity.  i Achille atsy ambadika atsy dia efa mamaritra tsara dia tsara tokoa ny toe-drara sy zava-misy  eto amintsika.  Izaho manokana dia mahita fa  nanomboka t@ nisian'itony rano @ tavoangy itony no mampa krizy ny rano eto ambonin'ny tany. Tena kozy ee, rano ve dia vidiana?  Lasa otran'ny hoe associE @ WC ny hoe rano @ robinet hoe maloto sa in??

Sady izay koa rehefa samy hividy ihany tsy aleo mba manaradia ny tompo?
Misy namako izay ny azy dia notsoriny mintsy hoe zavatra roa ihany no tokony ampiasana ny rano: fidiovana sy fandrahoana kaly. Ny rano tsy tokony ho zava-pisotro izany fa zavatra hafa mitsy ny  zava-pisotro, tsy inona izany fa ny zava-pisotro. Ka mba hiadiana @ kere dia amporisihana ny firenana manerana ny tany mba hianatra ny soa efa vitan'ny hafa.
Ra tsy izany, dia mazotoa koa mande matsaka ee... sady mahazo rano no mety afaka  mba manaradia ny tompo

 

Koa manentana antsika ary, ny adidy tsy anolon-dratsy!!

 

 

 

** ca y est, on remet ca... jentl re


Amin'ny anaran'i Jesosy!!

 

Tolak'andro,  eto @ tanana tsy dia malaza loatra, injao heno ny feon'olona mikorana sy mandihy: sommary mijanona kely kalou... aoriranana mitodika ny loha, alamindamino... izany no afindrafindraooo... fifaliana, mariazy, tretrika sy revo ny fianakaviana, ny olona nasaina... ny sakafo hanim-pitoloha, cuisse de poulet sofin-kosoa,,  zava-pisotro, divay, @ izany midina ihany... Indro tazana tovolahy mety ho bogosy ra noesorina ny volom-bava taliban-ny mipetraka, variana mijery mankafy mangina eo ampisotroana ny divay-ny... kelikely teo,  nanantona azy ity ramatoa somary manja ihany fa efa antitra fotsiny  mibitsibitsika taminy...  hoe lany ilay zava-pisotro favori... namaly ilay tovolahy, relax, aleo karakaraiko azy...

Nobaikony ny bandy akamany, lasa lisany matsaka, fenoy ireto barika ireto... gaga be ry zalah, euh, dizna letia le... novaliany tsotra fotsiny: minoa fotsiny ihany wa... feno ary ny barika, dia ahoana @ izay?... ssssshhhhh tonga dia rofy @ zay fa efa miandry ny pokona, manomboka mamonamonaina ny fety... ny bandy akama @ zany efa manona plan mody fanina refa kobo hoe rano... akory ny hagagana fa vao mia mitohy ny fety, sady nisy nandoka hoe "zany ahay ka dovay" ... zay vao miasa saina be hoe danza be koa iny bandy iny an, fa in ny fikan'la t@ iny? shuuuuutt, secret de famille, nampenarin'i dadanay anah  teneniko  an'lisany rehefa ande ah... sady mitsiky sy mihomehy any ampo ilay tovolahy mahalala fa ilay barika misy logo "Maromby" ao ambadika tsisy mpahita, no tena mitondra ny majika... miraraka ihany ny ao anaty vera...


 

Asa ianareo fa zah dia mahazo hery sy fahatokisana lehibe, mino sy mirehareha fa i Jesoa no toky sy zoky manome modely tokony ho harahintsika eo @'ny fiainana.  Mafinaritra ahy sy mampitsiky ahy ny mahala hoe i  leiry tokoa moa izany no hoe alohan'ny hanombohany ny asa nanakaramain'ny dadany azy dia lasa izy nanao fety lehibe ary tena nataony mitobaka mihitsy ny dovay t@ izay...  Rehefa ho vita indray ny asany ka ande izy dia mbola nanao fety farany, going away party, izy niaraka t@ bandy akamany... niaraka nikaly sy nisotro... tena hoe dinner mafinaritra miaraka @ namana akaiky... sady nofaranany t@ hoe manaova izao ho fahatsiarovana ahy... Jesus, you rock man!! 

Tokony ho tsapantsika kristianina mpanara-dia azy ary fa isaky ny hanao zavatra goavana isika dia tokony atomboka, ary ihany koa faranana, @ fetifety sy fisotroana izany... satria izany no hafatry ny Jesoa krity tompotsika... izaho manokana dia isaky ny miantso ny hoe @ anaran'i Jesosy ah dia mandrotsaka kalisy iray foana... ho fahatsiarovana azy...

 


Arivariva, bandy akama maromaro (mety misy sipa koa, tsy ferana) miaraka mikaly,  fanaovam-beloma an'ity tovolahy nahavita ny stage-ny teto andrenivohitra... somary malahelo ny rehetra hoe tena ande le bandy milay mahay mampiresaka le... iza indray izao no atao wing-man rehefa hanejika sipa? faly ihany koa anefa fa hoe tena hahazo contrat de duree indeterminee @ izay lery any @ orinasany, sady poinsa revy be refa mifankahita indray... dia manao toast hoe tena six doly ry bandy akama aa... misaotra @ revy retra teto... mino sy manatena ah fa mbola hitohy izao refa lasa ah... en fait, mba hitohizan'zao dia mandidy an'lisany ah manaova izao ho fahatsiarovana ahy...  araraka avy ao anaty tavoangy ny dovay, chin-chin...  tavoangy "lazan'ny betsileo"

 

ps: ireo soratra en italique dia sombitsombiny @  lettre de motivation-ko @ fangatahana asa marketinina any @ Maromby/lazan'ny betsileo... do not hesistate to  contact me if you wish to discuss my resume 

pps: 


Onitiana Realy, I love you

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nieritreritra fa tsy hiaraka @ sipa celebrity izany. Androany anefa dia nirotsaka tamiko ny fahasoavan'A/tra, nahita an'ity interview an'i Onitiana Realy sy ny pasitera Ramino Paul ity aho:

Za alou mbola tsy nanao declaration teto mintsy  fa t@ ity tena potika tanteraka ka tsy aritro intsony. Kay letia eee... Na ny anarany fotsiny aza dia efa manja. Oni moa dia oni, tiana dia tiana, Realy otran'ny hoe Real y   Ny fomba firesany, ouh la la, ilay fomba tsy misalasala fa tonga dia droit au but sy mi-insiste be, just the crazy girl i need. Ny fihetsika, omg, ny bika aman'endrika, oh la la yes, mampte hanoroka be mitnsy ny tanany aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa. Jaloux be mintsy ah @ i Pasteur Ramino Paul, nataony mijalijaly mintsy lery, torture me instead, fait moi mal

Dia izay e, sao dia mba misy makobo anazy lisany. Mba lazalazao azy hoe ahoana enao amiko fa amidiko ny taniko

 

 

 

 


Stereotypes

 

Asa ity ra efa hitanareo fa tena tpt be ah nahita an'le izy, ka hoy aho hoe  tsy maintsy torahiko ity!!

Tsy inona izany fa ity tranokala nanao saritany Eoropeana, mamaritra ny hoe "fitsarana" sy hoe zavatra tonga any an-doha voalohany mikasika ny firenena ao Eoropa izany: Jereo eto.

*mihomehy anakapo* 

Ny tena nanaitra anah indrindra?

* Allemagne: universellement reconnu @ dirty porn (i did not know that ^:^)
* Finland: cellphone makers
* Dutch: toerana fifohana rongony
* Romania: vampira haha... zany hoe t@ Juin 2009 ireo sary ireo fa ra @ zao angamba mety ny hoe Roma gypsies metimety kokoa
* Ny tena lol indrindra: ny Italianina mijery an'i Italia, misy hoe Ethopia sy Somalia ny faritra atsimo:: wtf???

...

Dia mba lasa ny saiko hoe ary ra mba atao i Madagasikara, selon moi zany an... nientanentana mintsy ah nitady saritany an'i Madagasikara. Afaka kelikely teo @ izay vao tonga saina hoe inona marina moa izany no azo lazaina. Toa vitsy kely ny mba zavatra fantako: Jereo eto. Lasa coupable be hoe faux malagasy haha... rehefa dinihana kosa anefa ny tena olana dia ny malagasy tsy mba dia mandende loatra ka lasa hoe tsy mifankahita be ny mponina. Ahoana moa no ahalalako an'ze hoe zavatra mampiavaka ny olona any Betroka ohatra raha tsy mba hoe samy mandende. Eny e, tokony noenarana t@ Jeografia ihany izany alou fa zany hoe tsy tadidy tsony... atao ahoana fa efa antitra ny tena ee hahaha...  sady mba hoe zavatra stereotype izany tsy mila tadidiana fa tonga dia ao an-tsaina wazy...

 

Soa ihany fa misy ny aterineto, mba afaka mifampitantara izay mba fantany ny tsirairay...
Efa nandende/nahita/naheno/mahalala ny avy @ faritra maro eto Madagasikara ve enao? Mba lazalazao kely... tsy voatery asiana sarin-tany an.

 

 

 


Killing me softly

 

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nanoratra fa misy ny gazety vendrana  dia gaga dia gaga tokoa aho fa misy ny gazety na dia vendrana aza dia tsy vendrana. Namaky ny gazety Gazetiko aho androany, tsy dia tena fan club ah fa zany hoe mba @ teny malagasy izy io dia izay no hamakiako azy matetika. Akory ny hagagako androany,  nahita ity lahatsoratra mikasika ny fika fikotiana sipa ity. One thing to say: gazetiko you rock!! 

Tatitra avy @ tatitra moa ilay izy ka tsy ho averiko eto intsony fa raha fitinina dia ny hoe mora mazaka sipa kokoa raha miondana mozika somary malefadefaka. Voaporofo ara-tsiantifika izany an... Moa ka tsy izany va no fahasoavan'A/tra lehibe?

Dia mihomehy irery ah mieritreritra  ny adalana tao @ rvg... hoe  kay le  mozika malefadefaka ve ry  "Tsy hahita" sy ny karazany?  indrindra moa fa ilay hiran'i ambondrona iny...  tadidiko tsara, t@ izahay mbola tanora dia ilay hiran'i lola hoe "fa tena tia" iny no hira offisialy fikotiana sipa. Tsy dia hoe ilay hira loatra an, fa ilay tonon-kira hahaha... kanefa otran'ny tsy mahaleo an'i Bon Jovi oo?  simply romantic ony...  Aza variana na midonaka fa teto daholo ny olona no naka ee... la jeunesse, ouh la la

Tsy izany rehetra izany anefa no tena important  fa ilay volazan'ny fehezan-teny tao @ le lahatsoratra, vakiana @ anaran'i jesosy, manao hoe: "miankina amin'ny haben'ny nonon’ny vehivavy no hijanonan'ny fiara"

Fakafakao ny tian'ny mpanoratra ambara?


Gazety Vendrana

 

Alohan'ny hiresahina conferansy nasionaly alou (na koa tsy hiresahina satria tsy mahita ho lazaina momba an'io ah) dia aleo mba hametraka fitairainana/fanakianana/daroky ny vava kely:

Gazety vendrana ny lexpress de Madagasikara!!

Miala tsiny indrindra ra otran'ny mifosa na otran'zany fa dia tena tsy azoko mihintsy ny hoe efa ho iray volana ve ranga dia mbola en maintenance foana le...
Za alou anisan'ny tena mpamaky an'io talou ee. Otran'ny mba somary objective ihany ry zareo @ ankapobeny na dia hoe fanan'ingah mera aza... sady ny tena mahatsara anazy ilay hoe manao "early editions" izany hoe mbola tsy rampitso akory dia efa afaka jerena enligne ny vaovao ho avoakany...

Ka hoy aho hoe fanahiniana ve sa tena gazety vendrana tanteraka? tena kozy na dia maintenance faran'ze tena korotanina ambony ambany tahaka ny inona aza ve dia ho 1 volana tsy vita ihany kle? tokony mametra-pialana ny ekipa teknika... na ra hoe politika vaovaon'ny gazety dia tokony tonga dia tsorina hoe tsy tinay intsony ny mpamaky @ aterineto!!

le zavatra otran'izao mihintsy no ilazana hoe na hiova mpitondra/hanao krizy zato ambiarivo eto ary isika dia rehefa ny toetsaina sy hoe profesionnalisma sy ny exellentisma mihintsy no tsy miraikitra ao andohan'ny malagasy dia eeee herim-po very maina...tsy handroso mihintsy i Madagasikara.

aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa


Raoul


Ny hirany tena ataon'ny fianakavianay foana rehefa misy fihaonana dia ilay hoe: Ny rivotra mandalo ve ... dia mikiaka ery manao voix tenor, indrindra moa fa t@ nijery mahaleo... otran'ny hoe tsy ety an-tany ireny...


 

Veloma i Raoul.
You will be missed!

Mandria ampiadanana,

-simp, mpankafy


Blaogy simply

 

 

Androany 31 Aogosotra moa izany ny andron'ny blaogy, dia araka ny mahazatra, andro anetanana ny mpitoraka bolongana rehetra mba hampafantatra blaogy anaki-5  @ mpamaky... tsy dia hanao an'izay loatra ah, araka ny mahazatra ihany koa,  fa hitohy hanentana antsika hiblaogy. Tsy hoe bezizo ah fa tena mihena otran'ny fean'antitra ny mpitoraka activa eto @ blaogasifera. Marary be mintsy ny foko  

Blog Day 2010

 

Haiko koa anefa fa misy olona maromaro vitsivitsy, vaovao sy taloha,  te hanoratra mafy mahita ny lahatsoratra ataon'ireo akanga sisa nanamborana mamelona ny afo hidonaka eto @ blaogy.com, fa hoe misalasala noho ny antony marosamihafa... dia mba hoe ande ah hanao lahatsoratra mitantara ny mikasika ny antony sy fombafomba fataoko eto @ i baby fialam-boly. Ho famporisihana sy fankaherezana hamelona indray ilay afo mitsilopilopy ao amintsika ary koa mety fanazavana misimisy kokoa ho an'izay misalasala. Atolotra ho antsika rehetra ee... lavalava  fa zarazarao ny fotoana hamakiana azy!

Is blogging cool?
Asa, efa naheno daholo angambany isika an'le kozy hoe ny blaogy anie zavatra mba nalaza kely fotsiny tany @ 5taona lasa tany fa zao otran'ny hoe bandy vendrana sy tsy maharaka film izay variana @ zany e. Tsy haiko, mety marina izany, ny lamody miovaova araka ny toetr'andro. Kanefa hoy aho hoe tsy tokony ho raisina ho lamaody na hoe zavatra hatao mba hampalaza ny blaogy. Hoe hampitombo ny niveau an'ny "coolness" ao aminao izany. Ny tena marina tsisy afa-tsy i jentl** irery (sy soanja) no nazaka sipa teto. Noho izany tsy azo ampiharina eto angamba ilay hoe "aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka" an. Mba tsy hisian'ny fahadisoam-panatenana no tena tiako hahatongavana hoe ho lasa role ra miblaogy. Tsia an!

Blog for a cause, blog for a reason
Ie, aza miblaogy raha tsy mahita antony manosika anao hiblaogy, raha tsy mahita hoe zavatra iray manokana misongadina aminao tianao ho zaraina @ hafa. Tsy hanjary ny dia raha ohatra ka hoe "impulsion" fotsiny no itondrana an'izany satria vetivety dia lefy raha hoe fahatairana tampotampoka tsy ampiheverana fotsiny no nanosika anao hitoraka. Izany koa anefa tsy midika fa hoe mila antony tena goavana be ary mila tena resy lahatra vao tokony mitoraka enao. Indraindray eo ampandrasana vao tena mahita ny atiny ary lasa hoe tia wazy an'le izy. Ny tiako tenenina hoe tsy voatery antony goavana be hoe hanampy ny kilema  na hoe  fanoherana  na ho any na tsy hoany na'i Ra8/tgv akory fa na hoe fitiavana manjaitra na hoe manao tantara (coucou maeva ) na hoe resaka fiainana andavan'andro fa misy challenge kely tsy mitovy @ hafa, na tsisy koa aza tsy manin fa manome torohevitra mety mahasoa ny hafa... @ ilay film julie and julia iny zao resaka kaly ny anazy... tsy haiko ee, ny anah izao dia hoe resaka manala azy sy hoe tsy tiako ho faty ny blaogasifera.

You don't need to be talented
Ito koa zavatra tena mandiso hevitra be ny olona matetika. Tsy voatery hoe mpanao gazety na hoe mpanoratra boky na hoe poeta sy mpandalina haisoratra vao afaka miblaogy. Tsia an!
Rehefa manana antony hanoratana enao, araka ny efa voalaza etsy ambony, dia afaka manoratra. Aza matahotra fa mivoatra ary mihatsara tsikelikely au fur et a mesure manao an'zany enao. Otran'ny le mianatra mande ihany io ee. Misy hoe mandady alou zay vao mande izay vao afaka miazakazaka izay voa manao jeux olympika.

Be committed
Ny tena olana, amiko aloha an, @ blaogy dia ny fandrindrana ny fotoana. Satria matetika enao kamo, rehefa mazoto anefa tsisy inspiraka... dia lasa hoe maty wazy le blaogy avy eo... ny vahaolana tsotsotra dia otran'ny projet atao rehetra ihany ee. Mila organization tsotsotra. Hoe rehefa tonga ny inspiraka dia soratana avy hatrany anaty bloc notes kely ilay hevitra idee general io izany... dia rehefa misy fotoana dia soratana @ izay ilay lahatsoratra. Tsy tonga dia avoaka fa tahirizina atao en stock, hoe itsinjovana ny vody andro merika refa tsisy inspiraka enao dia iny no avoaka... ra misy inspiraka moa dia jerena kely fotsiny hoe iza no mety kokoa sy hoe manaraka ny vanin'andro. Ny resaka bonne annee izao tsy dia mety loatra ra avoaka 26 juin ohatra...

You don't have to be original
ie, tsy nisy conseil de ministre na conference national nandidy hoe rehefa manao  blaogy resaka sakafo i ketaka dia tsy mahazo manao resaka sakafo intsony i peta. Averina indray fa tsy ny hoe ho malaza no tanjona fa plutot hoe ilay sens an'ilay hoe mifandray sy mifampizara @ olon-kafa. 

Still
Mety hoe marina daholo izany rehetra izany kanefa mety manampy sy mamporisika kosa ra mba misy signe hoe mba misy mamaky sy mba "malaza" ny zavatra soratana ee. Marina izany, olombelona daholo isika ary taitra sy miraika @ fihetsika asehon'ny mpiara-belona sy olona ivelany. Ireto ary misy tips vitsivitsy nosoratan'i By Brenna Ehrlich and Andrea Bartz tao @ section blogging an'ny CNN -- nofitiniko fa ataovy translate @ GooGle ra mila dikan-teny malalaka:


* Ataovy specific ny lohahevitra global:
Tsy dia mety loatra ilay blaogy hoe general be hoe resahina daholo i babay sy lohavohitra ee. Ny resaka tsy voatery hoe ferana fa zany hoe tokony ho orienter-na @ lohahevitra  na hoe  "devise" anakiray izany. Rehefa resaka hatsikana dia ataovy hatsikana fa aza atao vary amin'anana hoe asiana resaka tena serieux be momba ny krizy politika. Ra hiresaka krizy politika dia ataovy hatsikana ihany koa izany... mora manana identite kokoa enao raha mijanona  @ zavatra anakiray. Ohatra hoe ra vao misy miteny hoe what if izany zao dia tonga dia izany doty doty izany no any antsaina pre 

* Socialize
Tsy ho "malaza" mihintsy enao raha ohatra ka mijanona @ tenanao irery. Otran'ilay hoe tsy hahazo asa eo mihintsy enao na dia faran'izay tena competent azany raha ohatra ka tsy mi-postuler @ offre izay misy. Tsy voatery hoe manatrika Tana miblaogy (tsara be ra afaka manao an'zany) fa hoe mba mamela hafatra any @ blaogin'olona  na hoe miditra group sasan-tsasany any @ facebook na hoe toerana iray fihaonan'ny mpiblaogy ee. Ohatra hoe eto @ blaogy.com izao ra eto enao no miblaogy dia tsy maintsy hitan'ny olona rehetra satria mivoaka eo @ page d'acceuil... afaka atao status update @ facebook koa ny rohy @ lahatsoratrao dia mba itan'ny namana ohatra...

* look good
Mba fidifidio izay template ampiasaina sy ny lokon'ny  soratra mifandraika aminy. Mba ho azo jerena ilay blaogy. Amiko manokana rehefa tsy bordel hoe mikorotana sy feno be loatra ilay pejy dia sa va sa va izay. Ny loko fotsiny no ampiadiana dia efa bonne. Eto @ blaogy.com manokana dia afaka ovaina araka izay hitiavanao azy mihintsy ny endrika. Mila mi-google css kely fotsiny...

* Don't be shy
Avoay ary asehoy ny talentanao. Asiana sary kely na hoe video kely raha ohatra ka azo atao izany. Ny hoe manasongadina an'ny zavatra ataonao izany ee. Ohatra hoe manao gateau ohatra dia mba asiana sary kely. Manjaitra dia otran'zany koa. Resaka fitaterana krizy politika dia otran'zany koa...

* Be controversial
Ny fanana hevitra mifanohitra @ be sy ny maro indrindra no tena mampalaza ny blaogy.  Aza matahotra izany fa tonga dia potsero ny voamasony. Ohatra hoe: "any andakozia ny toerana sahaza ny vehivavy?" mba eritrereto anie ee, iza no tsy hamoaka hevitra @ izany?


 

Ka inona no manakana anao tsy hiblaogy?

Amen 

 

 

** tairo mba anao cours any @ i toi any ny bandy, mety sa tsy mety? 


How hard could that be?

 

** Don't make a sex tape!! **

Mba variana ihany ah mamaky an'le resaka celebrite ireny hoe refa tsy mifanaraka ry zalah dia avoaka ny horonan-tsary mamoafady nataony. Tsy in-1 tsy in-2 fa rehefa olona malazalaza dia tsy maintsy ho tratran'zay daholo... dia mba lasa ny saiko hoe za ve no tena dondrona tanteraka sa hoe tena sarotra be ve izany hoe tsy hanao sex-tape izany?

Tsy tokony hoe ny manao sex-tape ve no sarotra kokoa noho ny tsy manao? asa aloha ee... efa miezaka mafy mihintsy ah mitady sipa gasy hanao an'zany fa eee... sex-tsisy-tape aza dia efa mila negociation sy fandresen-dahatra be any Maputo sy Addis-Abeba vao mety ho raikitra... asa ra ho asiana antso avo eto ngambany hoe ny an'ny ol aza hizestiavana ny sex-tape koa aza misalasala ry vehivavy malagasy 

misy raha la terra!!

 siora eee


Now what?

Mahagaga ahy fa otran'ny tsy dia nisy niresaka firy teto @ blaogasifera sy tontolon'ny aterineto ilay fifanarahan'ny mpanao politika izay nosoniavina omaly iny. Otran'ny hoe mba miendrika ho fiovan-javatra ihany manko izy iny kanefa dia toa tsy mampihontsona ny ankamaroan'ny olona akory. Asa nga na vokatr'ilay hoe bordel tanteraka sy tsisy zavatra serieux eto @ tanana ary hoe tena very fanatenana tanteraka ny olona.

Inona tokoa moa izany no tena nosoniavina sy nifanekena tao e? Misy fiovana @ taloha ve? inona no mahasamihafa azy? efa betsaka ihany izay zavatra nosoniavana izay fa toa tsy hita izay manjary. Za manokana dia tena mahatsapa hoe manan-talenta @ negociations isika malagasy, na izay trai-kefa azo t@ ity krizy ity fotsiny aza dia hahitana fa tena henjana isika... 

Ny tiako hahatongavana dia ny hoe efa tsy no-forcer-na tsony ny hoe hivory sy hifandamina, ka ra hoe hosoniavana fotsiny hialana bala otran'ny taloha ihany tsy naleo tsy nosoniavina fotsiny dia vita?  Satria za manokana, miala tsiny indrindra fa, tsy mahita  zavatra hafa @ efa voaresaka taloha @ ity kozy ity ee. Afa tsy ny hoe taloha 4mouvansa moa izao antoko politika 90. Ka asa na hoe halako bika tsy tiako tarehy ve sa hoe inona marina no tena tanjona... 

Ndeha ary atao hoe ho tanterahina ny (ankamaroan'ny) zavatra nosoniavina tao e. Dia ahoana izany? tsy rarahiana intsony ve izany ny movansa 3 ambiny sa hoe mbola hisy negociations @ ireo indray avy eo?  ny fodiana fanina hoe tsisy olana manko matetika tsy mamaha olana fa vao mia mampangoza an'le olana aza... Dia mbola hisy fanasoniavana indray?  miverimberina be izy zany kle...

Eny e, mbola hisy an'ilay conference nationale moa  izany, izay hanapaka farany ny tena tokony ho izy ka hirariana ny mba hoe hiravonan'ny olana rehetra @ io... ny tena mba soso-kevitro fotsiny dia ny hoe raha tsy maintsy ho antsangana ireo anteminiera sy loholona sy ny komity isan-karazany, ny firenena anefa mahantra dia mahantra ary na ny vola hanaovana fifidianana aza tsy ampy, tsy aleo mba atao asa tsy andraisan-karama io hoan'izay tafiditra @ izany?? satria efa hoe fitiavan-tanindrazana no tena tanjona fa tsy ny hoe hangoron-karena @ tetezamita akory... ny minisitra sy ingahy prezida koa torak'izany. Tokony tsy mandray na ariary aza izay mandray anjara rehetra @ io tetezamita io? Rehefa tsy sahy @ izay dia aza miditra fotsiny...

Mety sa tsy mety? 


simp of persia

 

zavatra...  marina
zavatra...  misy
zavatra...  mantatrao

firy moa androany?


Amour... quand tu nous tiens!!

 

Tadidinareo ve ilay tantaran'i Rabeniomby sy Ravolahanta iny?
Tantara indray miseho, Romeo et juliette nosoran'ny ntaolo malagasy. Nifankatia ry zalah, kanefa tsy noeken'ny RAD (sa fiaraha-monina?) dia farany namono tena tao tritriva (mangamaso re). Dia hoe misy hazo maniry ao ho mariky ny hoe fitiavan'zareo tsy ho maty mandrakizay. Rehefa tsongoina ony io hazo io dia mande ra...

T@ za naheno an'i tantara io voalohany dia honena kely ny foko hoe wow tena mendrika omena "hero"  kosa izany hoe miady hoan'ny fahasambarany sy ny fitiavany izy ireo... rehefa avy nahita an'le tena Romeo et juliet t@ tele @ zay ah dia ozy ah hoe bandy vendrana tsisy otran'la... tsssssssssssssss mamy ny miaina klelika ee. Tsy haiko alou ee,  mety hoe maditra ah fa ny minimum ve tsy tokony mba hoe mandositra alavitra be any @ tsisy mpahita any,, mba manao Robinson Crusoe kely

Ny tena lojika dia ny hoe tokony cool fotsiny lery, sipa bedabe rofina @ sobika eraky ny tanana ity ve dia ho anaovana zistoira ra iray no tsy mety... tena tsy norma kosa izany ee. Ilay hoe "ny fitiavana no lehibe indrindra"  alou tsy haiko ee, otran'le hoe "il n'y a que la beaute interieure qui compte"... utopika be,, natokana ho an'ny vehivavy. Tsy dia mety loatra @ taranaky i adama.

Tsy izany fa sendra namaky gazetiko ah dia nahita an'ity lahatsotra ity. Hoe nisy bandy niaraka t@ zandrin'ny vadiny, dia bikina le sipa dia avy eo namono tena ry zalah. Seriouslyyyy??? Tsy hiomehy fahoriana ah fa le kozy otran'zao mintsy no tena manimba revy ee. Fitiavana ve izao sa hoe fahakelezana endaka/fitiavan-tena?...  Ny fiainana kosa tsy film kle, tena marina ee... mampatsiaro be an'le hiran'i levelo hoe rasoanantenaina... dia nasiany soratra teo andohan'ny farafara...

Sarotra be ny ho eo @ toeran'ny le olona fa dia hoe "love is blind" ve no ilazana azy?

C'est la vie!!

 

ps: Ho asiako lahatsoratra mikasika ny fomba fampirafesana tena mahomby eto.  Ho antsika ningitrika an'ireny kilasy ireny, ka mahatonga an'le tantara mampalahelo otran'zao.


No Sir, I Do Not Need Viagra

 

Efa mitovy daholo izao ny any an'eritreritra an
Ankoatran'le hoe inona indray ary izao no rediredin'lety ato, inona no any an-tsainao? Mety fantako manko... teneniko an?  ok ok aleo atao secret ary ee, @ zay nareo mba mamaky an'ze voasoratra eo ambany.

Niandry imailaka avy @ olona iray zay ah izany efa hatr@ alatsinainy fa tsy mety tonga le izy. Otran'ny le hoe irinko faty vao ela velona ee... za anefa tsy mitsahatra ny mijery fa isaky ny 5 minitra dia forcer-na hanao refresh ny gmail... ny hany zavatra mba hitako dia mitombo hatrany hatrany ny... viagra

Mahagaga ny fivoaran'ny teknaolojia an?
Raha t@ 10 taona lasa tany enao no mahita an'io lohateny io dia tonga dia hitsiky avy hatrany fa hoe hummmmm ao tsara izany ny basin'lery... na hoe kely endaka matahotra effet secondaire i leity.  Ankehitriny anefa raha vao mahita izany teny hoe viagra*  izany dia  resaka spam, hafatra tonga tsy nantsoina fa nasesiky ny razana,  no any antsain'ny maro.

Tsy tena misy fitsipika mazava ny momba azy ity fa ny ao @ boatiko aloha dia eo @ spam 2 isaky ny 5 minitra eo ho eo no tonga. Asa na misy olona tsy manao afa tsy mandefa spam na hoe misy masinina mizara azy io  de facon aleatoire any ho any fa na dia asiana filtre aza ny kaontinao dia mbola io ihany ry letonaka... ary izany no tena systematika mintsy ah. Otran'ny hoe ny fanokafana ny boaty no mandefa signal any @ mpandefa spam hoe alefaso ilay comandy.

Leo be ah no farany moa fa tsy nety tonga mintsy ilay imailaka, ny viagra mitombo isan-tsegondra. Farany navelako tao fa hoy aho hoe ssssssssssssshhhh ity koa dia atao mankarary andoha eto... dia niangona tao lery... miova indray ny pozipoziny rehefa tsy sokafana matetika izy. Eo @ 60 ka hatr@ 100 eo ho eo no azo raha ohatra ka hoe mihoatra ny adiny 2 na 3 eo ho eo ianao tsy mijery. Mihena tsikelikely io sahan'ny fiovana io arakaraky ny hahaelan'ny tsy fijerena. Ra indray andro (24 ora)  dia mety eo @ 150- 200 eo ho eo... raha arahina izany dia ny fanafodiny dia ny hoe tsy jerena elabe ny mailaka fa avela hiangona be ny viagra hoe mihoatra ny arivo mahery any izay dia mety hoe tsy hihetsika firy intsony...

Honnetement aloha tsy haiko fa raha izay no izy dia hoy ah hoe izay no marina dia ny hoe tsy mahazo mijery imailaka intsony zany raha tsy te hampitombo ny viagra... zany hoe ra jerena @ lafiny iray dia hoe fanafody hamerana ny olona tsy ho accro sy addict @ fijerena imailaka ny viagra... fahasoavan'A/tra.

Tonga ihany ilay imailaka androany maraina... tsy dia araky ny noeritreretiko ny voalaza tao. Tsy nahafapo izany e, nandiso fanantenana. Ny hany mba tena nampitsiky ahy dia ny fahitana an'ny isan'ny viagra  tsy dia mihetsika firy na dia efa betsabetsaka ihany aza ny isany. Zary lasa namako sy mitondra tsiky eo fiainako indray i viagra.

Dia nisalasala teo aho hoe fafako elah ry viagra sa tsy fafako. Ny saiko manao hoe fafao, ny foko tsy manaiky fa zary lasa zatra ny mahita azy  mavesabesatra an'isa, isan'andro.  sssssshhhhhh aleo ampiana tosika elah ry bandy akama a. Natao forward directa any @ gmail ny mailaka yahoo. Satria sady efa tsy mandalo any tsony ah kanefa misy olona sasany mbola manoratra any ihany... ny any an-tsaiko anefa secretement manatena fa hampitombo an'ingahy viagra izany kirakira izany...  eny nampitombo tokoa fa tsy dia mankaiza loatra ny fandehany... voabaikon'ny efa tao @ gmail angamba hoe aleo hilamina fa ny tany indramina.

Dia izay indray ary aloha ny anio. Hariva ny andro, efa miantso ireo voron-dolo. Ny fasana efa miandry. Nda hiosotra menaka raim alou. Avelako ialahy ry viagra. Rahampitso indray hitohy ny tantaram-pitiavantsika... sy ny fikarakarana lasopy voalavo ary mofo concombre. Stay tuned!

Miara mirona ry ikala alikaaaaaaaaaaaa

 

 


Retour Vers le Futur

 

Tadidinareo ve ity?

Tsy haiko fa tato ho ato ah otran'ny mahatsiarotsiaro na hoe miverina ato andohako be ny tany @ 10 taona lasa tany...  eee antitra ihany letia ee looooollll

Bolongana rapida ity fa hamaranako azy dia ity ary misy tagy kely  ze te hanao. Samia milaza ny hira tena tsaroany na hoe tsy afaka ambava na hoe nanamarika be anao,  t@  10 taona mahery tany... dia mba tantaraina ra misy azo tantaraina na hoe anecdote kely tsy tena personelle be... Tsy voatery fa ze mazoto ee (remember, bloggin is about narcisism if u're the blogger and gettin to know what they don't want you to know if u're the reader  )

Nena bedabe fa hosinganiko manokana le hoe Truly madly deeply an'i Savage Garden. Mpandeha t@ OTV moa sa TVPlus t@ izany andro izany... indray alahady hariva nande talohan'le dessin anime hoe Mulan (funny part misy an'le hoe: une fille m'attend depuis bientot 40 ans,, >>depuis tt ce tps elle n'a surement plus de dents ) ... dia nisy nanotany tany ampianarana ny ampitso...

Ny antony nitenenako azy dia nohainoko io zany dia nisy nanotany hoe in ny henoin'la ?... eo mba henoiko... afaka fotoana fohy: soooooooooooo 1999!!
Saina tonga... hay tokoa moa... voatoraka hoazy ity bolongana ity ^:^

C'est la vie!!


Viewer discretion is advised

 

Gazety tribune de madagascar anio,

 

Izay vao tena resy lahatra aho fa tsy ao anatin'ny Matrix isika!


Il etait une fois... Madagasikara

 

T@ i neninay feno 50 taona izany dia nirary soa aho. J'ai fait un voeux no tena tiako tenenina fa tsy haiko ny tena dikany @ malagasy... !doty

T@ i dadanay feno 50 taona koa dia mbola nirary soa ho azy ihany koa aho...

Rahampitso ny fetim-pirenentsika, hahatratra 50 taona ny repoblikan'i Madagasikara. Dia mba te hirary soa ho azy, ho antsika zanany ihany koa aho. Tsy azo teni-tenenina fa sao dia tsy tanteraka an!

Eto aho dia manainga antsika izay mahatsapa tena fa hoe Malagasy, taranaka malagasy na mahay miteny gasy na tsia mba hirary soa ho azy. Ny zavatra tsapako  manko rehefa nojerena ny zavatra voalazantsika tao @ ilay hoe  il etait une fois Madagascar iny dia somary "sceptique" hoe tsy ampy finoana ny @ ho avy mamirapiratra an'i Gasikara isika. Ka hoy aho hoe tsy aleo mba izay no ataontsika fanomezana kadoa ho azy rahampitso ny hoe firariantsoa ho an'ny tanintsika.

Eny e, 
somary maizina ary manjavona dia manjavona ny hoaviny noho ireo krizy sy ny olana isan-karazany mianjady aminy, amin'ny vahoaka sy mponina ao aminy. Fa ny fanombohana dia ny fanana finoana fa indray andro any tsy maintsy mbola ho avy ilay maraina hiposahan'ny masoandro, hanazava ny androntsika. Mazava ho azy fa raha tsy asiana fiovana sy hoe arahin'asa ny firariantsoa dia ho zava-poana ihany. Mbola dingana hafa ihany koa izay fa ny androany aloha dia ny hoe: tiako ny taniko ary mirary fiadanana ho an'ny mponina ao aminy aho...

Dia manainga anao ary hanao "voeux", dia tahirizo ao am-po izay. Tsara kokoa ra soratana @ taratasy na hoe tahirizina @ solosaina. Alefa email mintsy aza e (GooGle calendar milay be fa afaka handefasana email any @ futur) ... ho vakiana rehefa afaka 50 taona indray, raha mbola velon'aina... hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa izahay...

Il etait une fois Madagasikara...
... manaova fety finaritra daholo.

 

 ps: lol be le hira... i know, right?


Bonne Fete A Nous Meme

 

Marary be mitnsy ny foko!!
Tsisy afatsy i kdom irery (bisou ndry) no ni-souhaiter bonne fete papa teto @ blaogy...
Kanefa coup double hoe fetin'ny ray sy fetinny lelah androany... COME ON!!!

Ka mba ho fanomezana fifaliana antsika lehilahy ary, indrindra moa rehefa tsy mande @ ze lahoriny intsony ny resaka baolina, dia indro ny miss RTA ampafantarina ho antsika izay tsy nahita mivantana/fahita lavitra:

* rohy 1
* rohy 2

 

Ery ambany ambany ery @ le rohy no misy ny sary... misy mister koa mais bon, tsy dia ilaina loatra satria ny lehilay tsy mba ratsy

Amiko manokana alou le sipa Vakina (lapino re) no tena mavoa indrindra. Tsy dia hitako loatra ze holazaina @  le sipa Tana, asa otran'ny tsara tsara ranjo ve?  kanefa tsisy valahana...
Otran'ny hoe niangarana be ony le sipa Fianar... tsy dia mifankaiza rahateo ny hoe difference @ hoe manja... fa izy kosa alou mi-charme be ny masony... resa-behivavy  be le izy ee...

Bref, gasy ka manja doly ee... also, we really need to improve on the boobs department...
Izao rehetra izao no mahatonga ahy hiteny hoe... tsisy matsako an'i... roche 

**bonne fete a nous meme**

Cheerio!

 


Etsetra... Etsetra

 

Etc... Etc...
Otran'ny atao ampotomototra be ilay dialogue national. Eritrereto hoe  mahavita mamaky soso-kevitra lalampanorenana anaki-2 isan'andro ve komity natokana ho an'izany? Raha tsy  ohatra  nga ka atao hoe  misy pejy 20 ohatra, tena minumum be izany fa tsy misy constitution fohy kely otran'zany, proposition anaki-1 dia ie mety mahavita mamaky sy mamakafaka anaki-2 isan'andro ny komity... fa na izany aza, poinsa mihoatra ny 30 ny volavolan-dalalampanorenana efa voaray any hoy aho, fara faha keliny izany (jereo ny gazety t@ Talata)... ny Dialogue national anefa efa @ 14 Jona ony ka asa sao dia angonina fotsiny fa tsy vakiana akory azany ireny zavatra nangatahina t@ olona ireny?

Ny soso-kevitro aloha efa ela no noteneniko teto ee. Ampiako kely hoe ny PCA sy ny Directera Jeneralin'ny RNM sy TVM dia tokony confirmer-n'ny senat ihany koa ary afaka antsoina manao temoinage any raha misy ny fitairanana na zavatra tsy mazava @ fitantana ny onjapeo sy fahitalavitra nasionaly... mba hialana @ le hoe mpanohitra tsy mahazo antenina mihintsy izany...

Etc... Etc...
Bevohoka indray hono ikala Celine Dion, kambana ony... ankoatra ny hoe fahasoavana ny fiterahana, kozy izany ve tsy havendranana tapitr'ohatra klelikee. Ny olona rehefa 42 taona izany efa manomboka mieritreritra retirety... za alou rehefa feno dia hanangana restaurant kely eny @ plazy, dia asiana bara @ alina... tena kozy ee... le zanany voalohany anie efa 9 taona ee. Dia tsy azoko mintsy, nanina ra niandry hoe 2 na 3 na 4 taona dia nanao zaza manaraka indray fa tsy miandry hoe mitady ho lany atody menaopaozy vao hoe may ah endim-boanjoko... Sady izay le vadiny efa 68 taona ony... tsy manakivy ah alou fa minimum mety haniratsira be le ankizy, maximum mety tsy hahatratra ny anniversera faha 20 taona lery eee....

mais bon, in koa moa ny idirako @ zany e? in ny idiran'i kotiti @ zany? c'est la vie!!

Etc... Etc...

Mahagaga ahy ihany ireto Amerikana ireto. Malaza amin'ny resaka teknolojia na madinika na goavana. Teny amin'ny volana sy te ho atsy sy ho aroa. Kanefa ilay lavaka amin'ilay sambo rendrika mitondra petrole tsy mety voatsentsina efa ho firy andro zao?
Sao dia mba fikafika kosa io? Ilay accident aloha nitranga fa avy eo ny tohiny sao dia mba misy zavatra maloto?

Gaga ihany aho mantsy... 
Lavaka ve dia tsy voatsentsina?

Etc... Etc...
Nametra-pialana ony ny praminisitra japs fa tsy nahatanteraka ny toky  anakiray nomeny t@ praopangady... rehefa valo volana nitondrana fotsiny... za ve no tsy ampy saina sa lery no tena bandy dondrona tanteraka? satria raha @ saina tsy miangatra tokoa moa raha toa ka hita fa misy zavatra diso no natao, tsy ny hoe fiezahana hanintsy an'izany ve no tsara kokoa hatao, indrindra raha hoe mbola malalaka ny fotoana ahafahana manao izany?   Hafa tokoa ny toe-tsaina Japaonay @ ity resaka honeur honeur  ity... marina moa...

Dia... marary indray ny foko rehefa mieritreritra hoe ry ra8 tsy mahalala mametra-pialana raha tsy efa nodorana ny radio sy tele-any... ra tsy efa nalaina ankeriny ny Ambotsirohitra... ry tgv moa angamba raha izay fanomezan-toky sy fampanan-tenana nomena tetsy @ 13 mai sy ny efa teny an-dapa no isaina dia eee efa in-50 tokony nametra-pialana ngamba lery... e e e fa dia nahoana loatra lahy ry taniko no tsy mba mahay maka tahaka ny tsara vita avy any japana ianao? mba samy nosy ihany anie isika ee

Sns, sns... etsetra, etsetra


Bonne Fete Maman

 

Efa koboko teto @ blaogy sy hoe tany @ tena fb hoe androany kay ny fetin'ny reny eto amin'ny tanana... naika odiako fanina fotsiny hoe sssssssssss efa mahafantatra doly ny olona rehetra fa je vous souhaite une joyeuse fete... kay za naharay imailaka avy any @ google calendar, izay nalefako t@ herin-taona hoe tokony manao lahatsoratra momba ny fetin'ny reny ah @ ity taona ity.

Rehefa nataoko anefa ny tena fandinihana dia hoy ah hoe ny fetin'ny reny angamba no anisan'ny zavatra hoe tsy dia misy zavatra azo lazaina loatra. Eny e, afaka miresaka ny hoe hankafy ny sarin'i Mialy Rajoelina* ndray zao radem. Izy moa izany no hoe mother of 3 and smoking hot fantatra @ anarana hoe MILF fa ny ankoatry izay dia tsy lany match @ categorie "tsisy dikany" eto @ ity tena fialam-boly ity ny fetin'ny reny.

Dia hoy aho hoe aleo mba asiana paragrafy iray misy dikany izany ee:
Ny reny an, dia olona faran'izay tsara fanahy indrindra eto ambonin'ny tany. Na dia hoe ratsy fanahy sy ratsy toetra be faran'izay loza aza izy any @ olon-kafa any dia @ zanany tsy maintsy tsara fanah foana.  Ny zanaka lahy manokana dia tsy maintsy tia ny reniny  foana ary tsy afa-manoatra aminy mihintsy  fa na dia maditra tahaka ny inona aza dia tsy maintsy manao izay mety foana hoan'ny reniny. Ka ny antony hitenenako an'zany rehetra izany dia zao: ho anareo vehivavy isany hoe ny lelah no tena faly rehefa miteraka lahy kely hoe misy  mandova, au minimum misy mitondra ny anarany  fa ny vevavy no tokony ho sambatra kokoa satria ho hisy mpitia mandrakizay. Misy valisoa lehibe noho izany ve?

Dia izay ee,
Mirary soa antsika reny rehetra.
Ho tahian'A/tra, ho ela velona.

Mirary soa ny future reny ihany koa,
mba hahazo zanaka lahy
ary hankafy izany fitiavana mandrakizay izany

gros bisoux n gros calins

 

ps: iangaviana ny zanaka vavy tsy hiady fitiavan-dreny eto

(*) I will vote  for you if you decide to run in anything 


Mitady Sipa Virjiny :-) IV :b:b:b

 

Klouklou ho an'ze efa mieritreritra sahady hoe ity bandy ity dia tena tsy avotra tsony, irrecuperable, fa dia tena obsede tanteraka. Tsy za no misisika fa ny sipa virjiny mintsy no tsy mahafoy ah... sady zay koa sipa virjiny, come on, iza no tsy mitady??

Nisy ni-importer eto antanindrazana ary ilay bizina naika hataonay sy rajiosy t@ herin-taona an. Tena tsssssssssssssssss takizay no enregistrer-ko tany @ OMDA mba hahazoana royalties farafaratsiny haha. Mbola eo ampanaovana appel d'offre moa izy ka noho ny hoe izaho ambasadaorin'ny sipa virjiny eto @ blaogasifera (my title is Honouralbe Exellency Ambassador simp) dia aleo averiko orijinaly eto ny advert-ny:

Je suis une belle jeune fille de 18 ans et encore vierge. Voilà, je suis dans le grand besoin, mon père est melé dans une sale affaire et je dois trouver une très grosse somme pour la sortir de là au plus tard pour le 1 Juin 2010 mais je ne sais pas comment faire ni où la trouver, j'ai donc décidé de vendre ma virginité aux enchères, c'est tout ce que j'ai de précieux, plus que les prunelles de mes yeux. J'offre ma virginité à celui qui me propose une très grosse somme, càd au mieux offrant.

Please, je ne cherche pas à être critiquée donc les critiques faciles et posts insultants, SVP, gardez-les pour vous, je suis vraiment dans le besoin, c'est pour çà que je fais çà et surtout pour l'amour que j'ai pour mon père, l'amour d'une jeune fille pour son père.

Prière donc de laîsser votre e-mail, je vous contacterai dès que possible.

ok ok. Tsy hoe hikritika anazy @ lavanty akory aho fa kosa mba hanome hevitra sy hamakafaka an'ity fahasoavana lehibe mirotsaka eo @ fiainan'ny lehilahy eto antanana ity.

Voalohany indrindra alou dia tsy dia mety loatra ity bizna ity raha ho an'ny malagasy. Tsy hoe tsy tia virja ny gasy, ay ay ay aoka etsy, mpankafy virja ny gasy fa kosa raha dinihana grossomodo (read: foronoko fotsiny fa tsy haiko ny tena marina)  dia mety hoe  une chance sur trois eto madagasikara mahita sipa virja kanefa efa ampy taona.  Zany hoe ra manenjika sipa telo ah zany dia mety hahazaka virja. Ce qui fait que, raha hoe lelah tsy maika be mety tsy dia ho liana @ ilay lavanty.  Ny tena torohevitro eto izany dia tokony hoe mi-cibler olona vahiny izany ikala volahanta (le mpanao lavanty).  Efa tsara alou le hoe natao t@ teny frantsay ilay izy fa zany hoe le toerana moov no diso mikatona hoan'ny malagasy loatra hoy aho.

Faharoa manaraka izany, ny fotoana napetrany dia  diso  fohy loatra.  Tena Errera marketing  be io. Eny e, mety ilaina maika le vola fa na izany aza lasa tsisy dikany le izy raha hoe very maina fotsiny ny virjinite raha hoe tsy mba mahazo tombony akory i kala (plus an'le vola tokony aloha izany an).   Ny tena olana ambonin'zay ihany koa dia izy tokony maka certificat de virginite (izay ve no anarany?) any @ radoko. Moa le bandy nahazo an'ilay amboara tokony maka certificat hoe tsisy MST.
Ny 1er juin anefa @ herin'andro. Ce qui fait que tsy maintsy hoe @ week-end no atao le izy. (consumer-na). Dia raha hoe 2 jours vao mahazo certificat, dia tsy maintsy hoe @ alarobia izany hoe fantatra izay nahazo ny tontona. Zany hoe ze taran'ny rampitso izany dia tsy poinsa... c'est pas evident!

Eto alou dia tsisy vahaolana atolotra  loatra. Asa, raha ohatra afaka maka pret any @ banky dia izay no tsara kokoa hoe hahazoana fotoana betsaka kokoa.  Na koa hoe negocier-na ny fandoavana an'le trosa an'i baina hoe ahemotra ny daty na hoe atao aloha tsikelikely. Sinon, dia tsy maintsy hoe mitsolotra ny HJRA izany hanome certificat eo no ho eo e.

Fahatelo farany,  tokony lazaina mazava tsara any anaty contrat ny hoe indray alina miaraka amiko ihany fa tsisy mihoatra an'zay. Avereno vakiana tsara alou ny an'le sipa t@ herintaona an.  Eny e, mety hoe mampiakatra ny enchere alou ra hoe somary ambigu kely le izy hoe mety misy tohiny ve sy otr'zany kanefa hoy ah hoe aleo mailo kle. Ra sendra ny bandy milay alou tsy dia koi loatra fa ra bandy fopla sao dia manahirana be.

Farany tena farany, ary sao dia mba intox ary ity kozy ity kle?  not cool!!!
mino aho fa tsy hisy tovovavy sahy hisangisangy ny @ zao zavatra izao. Maromaro mintsy anie ny lehilah ho tapaka lalandra eto e. Genocide izany crime izany fa tandremo an. Tsisy indrafo @ amnistie @ heloka toy izao an.
Sinon, dia misaotra azy izany nitondra izao fivoarana eto @ firenena izao. Azoko antoka fa handroso @ fampandrosoana haingana sy maharitra isika ra manaradia azy ny vahoaka malagasy. Raha toa moa ka misy mitady fanampiana na otran'zany dia present!! eto, vonona lalandava ny mpanomponareo.

Ambasadaoro simp

 

ps:
- ry tovolahy sy lesbian* isany, aza variana na midonaka fa teto doly ny olona ny naka...
- mbola tsisy edit ihany koa miala-tsiny @ hadisoana rehetra.

* afaka mametraka nomerao ianareo ^:^


Desperate for a True Leader

 

Bon, ataoko fa mazava ny voalazan'ny lohateny. Mila mpitondra, mahay mitondra ary tena tia tanin-drazana (ny vahoaka indrindra indrindra). Samy nanaraka an-tsisiny ny zava-nitranga teto @ tanana   doly  angamba isika rehetra androany. Fitiavan-tena sy fitiavan-tseza daholo no antony izany ary tsy misy ny hoe manana ny tena rariny rehefa atao ny fandinihana.

Kotozafy ihany no Lexus:
Ndeha hatao hoe "mauvais leader" i ra8. Amiko manokana, tsy ilana adihevitra be izany fa na maro aza ny zavatra tsara nataony teto @ firenena dia betsaka ihany koa ny lesoka  nataony. Ary azo ilazana hoe raha mbola i lery no miverina eo dia betsaka ihany sansa hoe hiverina @ zavatra efa nampitroatra ny vahoaka t@ herin-taona ihany isika. Eny nisy vahoaka nitroatra t@ erin-taona, tsy nankasitraka ny fitondran'i ra8. Mety hoe voafitak'ireo mpanao politika izy ireo,  maro anisa tokoa, fa tsy manova ny zava-nitranga izany izay hoe nisy olona nitroatra teto. 

i tgv moa izany no nampanatena fa hitondra ny fiovana. Akory ny hagagana anefa rehefa nampiseho ny taleta @ fifaintiavana i lery. Izay zavatra tsara nataon'i ra8 nodiana tsy fantatra ary izay zavatra ratsy nataon'i ra8 rehetra dia a peu pres naverina natao daholo. Tsy mila manao litania be eto angamba aho fa jereo ny lagazette DGI* matetika mandefa ny malversation sy ny abus ataon'ny  HAT...

Somary gaga ihany moa ah ny @ le hoe manakihana sy manaratsy an'i ra8 no tena asan'ny  HAT (etre par in kay no tena fonction officielle an'izy io ee??). i tgv moa tsy  atao mahagaga  ra mankahala azy. Or, ny zavatra mitranga anefany an, i tgv dia otran'ny hoe copier-coller an'i ra8 mihintsy. Jereo fa namonjy nanendry jeneraly koa lery atao praminisitra (izay mihazona ministera iray ankoatran'io portefeuille io). Dia avy eo samy mody manao geste symbolique hoe hamahana krizy kanefa tsy manova in in akory... dia samy manimba radio/mpanao gazety... dia samy misy miaramila mikomy... dia avy eo misy faty olona...  par extrapolation: hisy  radio prive 1 sy rnm/tvm ho dorana ato ho ato (quoi que mety hoe specificite an'ny foza iny mais bon on sait jamais) dia mety hifarana @ hoe hisy filoha hametra-pelana/hamindra fahefana @ olon-kafa...

Are we the new Congo?
Niverina en force indray moa ny #fvtm (re dotmg!)... hitako mafinaritra kosa alou ny ambiansa tao @ twitter**  ee... enfin, nitazatazana fotsiny ah zany  satria tsy mahavita miasa mintsy ra variana manara-baovao be eo... Ny tena nahavariana ahy fotsiny dia fomba fitantaran'ny gazety vahiny ny zavatra mitranga.

Lazain'zala fa hoe "force loyaliste"  ny Emmo-reg sy FIS dia hoe "force rebelle" ny FIGN. Tena otran'ny any Congo ve tsika izany letia eee... rehefa dinihana tokoa moa izany raha tsy anneantie ato ho ato ity "gidraka II: revenge of the fallen" ity dia mety hiafara @ situation any Congo isika. Hoe na ny fanjakana na ny rebelle dia  mametaveta ny vahoaka daholo... ka tsy efa izany ve moa no iainana izao, na dia hoe mbola litterale le hoe "mametaveta"...

Better yet, Ruanda in the 90s
(!doty) ary raha toa moa ka... izao ra8 no mamonjy mody tampoka?  Possible be mintsiny izany izao. Asaina manao diversion fanonganam-panjakana ny miaramila sasany (izay betsaka tokoa ny miandry top sy organisation matotra fotsiny ny ankamaroany) dia lasa hamono afo any ry lehiben'ny tafiky tgv... miditra antsokosoko i ra8 iantsoana vahoaka rapidapida dia izay no nataony.

scenario 2 no mety hitranga. Na hamono olona marobe i tgv (situation 7Feb no miverina)  dia voagadra i ra8. Na hanongam-panjakana indray i ra8, dia raikitra wazy ny adi an-trano: foza Vs. zanak'i dada. Aza hitako, aza mahita ahy...

Good leader
Ny hamisavina an'zao rehetra izao moa dia mba hamelomana ny hoe sens ana-fitiavan-tanindrazana eo @ ireto mpitarika antsika isan'isany. Ny tena idealy moa izany dia raha hoe misy olom-baovao tena manana an'io hoe fitiavan-tanindrazana io,  modely @ fanarahan-dalana, tsy hangoron-karena ary mintsinjo ny antoko mpanohitra dia izay no tena tsara indrindra.

Indrisy anefa fa lavitry ny afo ny kitay. Tsy maintsy miaina @ zava-misy isika. Izany hoe ireo efa mpitarika eo no aoka ho tairina, ho tonga saina fa tsy mahasoa ny tanindrazana izao rehetra izao. Tsy misy afa tsy ny fikatsahana ny marimaritra iraisana ihany no vahaolana. Tokony hajanona ny fianteherana @ hoe fahefana an'olon-tokana fa ny herin'ny hoe andrim-panjakana no tokony ho hilomafisana hijoro sy hande @ ara-dalana aorianan'izao tetezamita izao.

Ny tiako hahatongavana eto dia ny hoe tokony apetra tsara daholo ny andrim-panjakana rehetra vao azo lazaina hoe tapitra ny tetezamita. @ izay fotoana izay dia ho voaaron'ny lalana daholo ny tsirairay ary tsy hisy olona afaka hihaom-pefy @ fahefana ananany. Ny tena olana manko dia samy matahotra ny hoe "represailles"  ao arinan'ny tetezamita daholo ny ankolafy rehetra. Ka hoy ah hoe tsy aleo miara miasa miara-manomana ny repoblika faha-4 dia atao ny tsy hisian'izany hoe filohan'ny repoblika/praminisitra manao izay tiany hatao izany?

Mba hisian'ny filaminana eto an-tanana dia tsy maintsy manao amnisitia isika. Miala tsiny @ mpomba an'i tgv alou fa izany no marina, tsy hilamina mintsy io kozy io raha tsy asiana amnistie sy reconciliation eto. Marina fa hoe mametraka kolon-tsaina ana-impunite izay fa araka ny efa voalaza hoe tokony iaraha-mametraka daholo ny andrim-panjakana rehetra vao atsahatra ny tetezamita. Singanina manokana eto ny hoe Haute court de justice afaka mitsara ny mpitondra fanjakana. Raha misy izany dia mazava loatra fa tsy hisy intsony ny hoe impunite izany.

Izany akory tsy midika hoe tsy maintsy soniavina any pretoria ny amnistie fa azo atao mihintsy araka ny nolazaina hoe aleo izay depiote voafidy no hanao azy. Fa kosa hoe tokony afaka mody ampilaminana ireo exile miatrika ny fifidianana, justement handresy lahatra ny vahoaka hoe raha tinareo ny hanaovana amnistie an'i ran sy ran dia fidio ny antoko ran. @ zay manko dia hita tokoa hoe safidim-bahoaka ny hamela ny helony...  Tsy marimaritra iraisana ve izany ozy nareo? tsy mila ezaka be akory izany fa zavatra efa hataon'ny HAT rahateo. Ry Pierrot, ry Voninahitra sy ry Pety zao mi-roule eraky ny tanana anefa olona voapanga ka hoy ah hoe volonte politika fotsiny no ilaina dia miravona ny zava-drehetra.

Fahendrena ny hoe tsy hilatsahana @ fifidianana mba hampisehoana ny tsy fiandaniana fa fahendrena lehibe lavitra ny hoe tena mitondra @ fiovana milamina sy maharitra hoan'ny tombotsoan'ny firenena. Satria tokoa manko raha mbola misy foana  ny exile,  sy vahoaka manana alahelo mafy @ fitondrana  dia tsy maintsy mbola hisy foana ny krizy, na ho ela na ho aingana.  Raha tena hoe "bon leader" tokony mba afaka hitsinjo ny vodiandromerika hoe  raha mba izaho tokoa moa izao no  lasa mpanohitra dia ahoana? Ambava homana, ampo mieritreritra.

-simp

ps: Lava loatra ka miala tsiny ra misy diso tsipelina na teny voatelina... tsy afaka atao edit koa noho ny antony ara-teknika...

* Lagazette DGI no gazety hitako somary objective @ lahatsoratra sasany.
** averiko indray: tsy dia ilaina loatra le "RT" a tt bout de champ re olona o!


So you think you can sing

 

mijereva fitaratra... declaration d'amour...

 

bird, baby, bird... bird for life

 


Eseky e maty?

 

Kalou hangalatra audimat kely manararaotra ny tsy maha-eto an'ingah jentl fa tssssssss. Efa henotsika/hitantsika/novakiantsika rehetra ngamba fa ny coup farany nataon'i tgv dia hoe tsy hirotsaka ho filoha lery @ fifidianana hoavy izao. Eto kosa aho alou dia hidera tanteraka ny ingeniositE an'lery/mpanolo-tsaina-ny e. Tena kozy ee, mandohalika fa tena tsisy nakobo iny.

TGV is the man, isn't he?
Eritrereto hoe raha tsy mirotsaka tokoa lery dia madio tanteraka ny passipaoriny satria lasa otran'ny hoe tsisy interet personelle tsony ao zany.  Voalohany indrindra alou dia afaka mitaky ny tsy hilatsahan'izay efa nitondra teo aloha izy, tout en sachant hoe tsy hanaiky ry zalah. Du coup, il passe pour le messie. Hoe tena izy irery no mahatsapa ny atao hoe interet superieur de la nation, tena izy. Et franchement, on peut pas lui en vouloir.

Manaraka izany, mitombona tanteraka ny hoe tsy izy no hanome amnistie fa ny solombavambahoaka izay ho voafidy. Normale be izany satria izy anie mpitantana ny tetezamita fotsiny ee.  Du coup, afaka miteny mintsy izy hoe ande hoany Pretoria ah ra izany no mahasoa ny firenena, kanefa aoka tsy ho raisina hoe mpiova hevitra fa miniana eto imasonareo ah fa tsy hirotsaka izany. Noho ny tombotsoam-pirenena no andehanako any. Fainty doly zany satria ny point tokony azominy any fotsiny dia ny hoe tsy manome amnistie izy, ra8 tsin garanti 100% fa tsy hanaiky an'zany mintsy. Dia afaka adidy izy avy hoe za nge tonga ee, nareo no tsy azo anaovana rara.

Encore mieux, rehefa tsy manao amnistie izy, voafainty doly ry deba sy ry pierrot sy ireo voapanga 2002  rehetra. Pierrot no tena probleme eto satria lery efa any @ tanana. Zao izy tsy afaka mirotsaka wazy. Cerise sur le gateaux: Voninahitra sy Pety, tsy afaka mirotsaka koa satria nomena grace fotsiny fa tsisy amnistie mikasika andrizareo. Tsy dia tena hoe olana be moa izy mitsam ireto fa le apres tetezamita izy no olana satria somary lomboto sy manao izay saim-patany be izany ka mandoto ny fitondrana matetika au lieu de hoe manampy. Izao izy disqualifier en bonne et due forme sady tsy afaka migiaka fa izay adin'ny parlement vaovao eo izany.

Calcul politika:
Ny adin'lery izany zao dia ny hoe ovaina rezima parlmantera ny eto amintsika. Izaho manokana alou tia an'zay kokoa noho ilay hoe rezima prezidansiela e. Ny tena lesoka t@ andron'i Zafy dia ilay homme fort (zafy)   natao teo @ prezidansa izay tsy manana pouvoir akoriny. Ka ra ohatra ka hoe i TGV (homme fort) no atao praiministra dia tsy koi na hoe rezima parlemantera ary isika. Ny tiako tenenina hoe mety hande tokoa, qui sait? En plus-n'izay an, tapona doly ny vavan'ze te hianakihana rehetra hoe tsy ampy taona. Satria Ny praminisitra normalement rehefa ampy taona ho hirotsaka depiote dia afaka atao praminisitra wazy... ingenieux an?
Ny prezida izany tsy koi ze lany eo satria efa tsy hanana pouvoir rahateo. Na i Ratsirahonana an  na Lahiniriko na iza, eny fa na i Zafy aza tsy mampiova zavatra betsaka izany.

Tokony mande zoli zoli doly ny zavatra rehetra du moment hoe manao geste ala asa fay lery hoe manao ouverture. Efa notenoko teo moa le hoe mody mande makany Pretoria ohatra, sachant tsisy zavatra vanona any. Ra misy zavatra vanona moa, encore mieux. Tena hoe tena lery no mpamonjy... Sinon, afaka manangana governemanta @ izay izy satria hoe efa tsisy interet personnelle tsony ao fa ry zala mouvance 3 ambiny no manao fitiavan-tena be diso tafahoatra... azony atao ihany koa ny miverina miantso ny miaramila indray satria efa  miova izao ny donnes hoe tena fitiavan-tanindrazana ity lehiretsy eee...

i Reny malala moa efa manome toky hoe tsy maintsy hanohana... ny tena important eto dia atao mitranga tsara ny caractere hoe niezaka mafy nanao ouverture sy ni-inclure ny olon-drehetra... raha vao misy firenen-dehibe manaiky anakiray dia mivadika wazy doly ny zava-drehetra. Jereo fotsiny ireny tany Honduras ireny nanao ala asa fay kely ry zalah, dia aveo noeken'ny bekintana satria ny lakana efa mby andalana dia naleony nanaiky sao dia ho very interets. Vao nanaiky ny bekitana dia niravona wazy ny zava-drehetra. Na dia hoe nanao be mokona aza ny Brazil sy ry Argentina  dia voan'ny lehibe noho izy dia mangina wazy... Eto koa dia izay effet izay no endrasana, ra vao azo fotsiny i Frantsa sy i China na hoe Bekitana dia rava hoazy ny tsena na dia hoe tsy hanaiky aza ny Afrika Atsimo sy ny Sadc... eritrereto le t@ 2002 ireny hoe vao nanaiky i betina dia tsy afaka nidrikina intsony i Frantsa ee... zavatra otran'zany. I bekitana @ zao tsy dia be teny firy fa mi-observe fotsiny hoe tena free and fair le election ho avy eo. Ra izay no izy dia bye bye wazy ny mouvance 3 ambiny satria izy koa mila miaro ny interets-ny ka...

Really?
Milay be doly izany hevitra izany satria lasa hoe eo @ AVI, ry Lahiniriko, Leader Fanilo, ry Rolland Ratsiraka ary i Monja Roindefo izany ny baolina sisa... Ny AVI sy ry lahiniriko poinsa hanao alliance @ i tgv. Ny tena fanotaniana dia ny hoe hahazo majorite ve i lery ao @ parlemanta sa tsia?

Ny tena defaut an'i tgv hatr@ zao izany dia ny tsy mba nandanian'lery fotoana kely na dia hoe kely fotsiny aza niezaka nanaparitaka ny antoko tgv. Ny olana t@ andron'i Zafy manko dia noho izy tsy mba nanana antoko matanjaka fa dia niantehatra @ alliance @ antoko hafa foana. Ny eto amitsika anefa tsy misy mpanao politika hoe tena tia tanindrazana izany, fa mpamadika palitao no tena betsaka... mety tsy haharitra 3 taona eo akory izany i tgv raha tsy mahay mi-jongle tsara...

Mazava angamba fa raha vao milamina ny tanana dia tsy maintsy hoe samy maka ho azy doly @ izay ee. Matsiro be anie le fitondrana ee. Samy te ho lohany daholo. Ka raha tsy manana ampahany betsaka hoe minimum afaka manohitra motion de censure i lery dia herim-po very maina... Na dia hoe ny resaka cause cotiere fotsiny aza dia efa voa be lery. 

What if... (!doty)
ary raha ohatra ka mifainty indray moa lery ity ee? Efa nolazaiko hatrany amboalohany moa ity fa tsisy nihaino ah hoe ny tena fikan'i tgv dia ny mifainty. Hatr@ nanombohan'lery teo @ 13mai ka hatr@ zao dia mifainty foana lery. Hoe mitaky ny fanokanana ny onjapeo viva... tampotampoka lasa hoe mametra-pialana ny fitondram-panjakana... zavatra innocent foana no anombohany azy... jereo mody manasonia Maputo sy ny sisa izy, avy  eoavoakany @ zay le tena kozy hoe: za hirara??
Tany Pretoria mody hoe hiverina @ le 15 Mai, dia faly ery ny pokona. Tonga aty @ tanana @ izay vao omen'ny lery ny tena hafatra... mitaraina hatr@ deba. Mbola aiza no hanaovany an'i toi anefa ee haha

Nareo ve dia hino hoe na ny be mokon-dohan'lery fotsiny aza dia hoe tena tsy hilatsaka izy fa hoe hiala maimaim-poana fotsiny @ zao? ra izay manko tena vao mia ingenieux azany mais bon somary aleatoire alou izay, indrindra fa mety hoe ho lasa dictateur koa izay mandimby azy  eo e...

Ka hoy aho hoe,  bandy mahery lery fa tsy arakaraky ny fisoziavan'ny maro azy. Ny atahorako fotsiny dia ny hoe ho lany andro manao diversion fa avy eo ho lanin'ny saka ihany ny trondro. En tt cas, tena coup tsara be ilay androany iny. Asa raha manana avaly izany ny mouvansa 3 ambiny. 

Ra hendry i ra8 izao dia mamonjy tonga dia miroso @ hoe tsy mametraka condition tsony ah raha izany fa raiketo ny gouvernemanta consensuel sy inclusif. Aleo hilamina hoan'ny parlemanta izay resaka amnistia any... raha vao tsy izay fa ny mbola hi-korotana sy hizizo ny hoe aministia ihany dia eee veloma lava... asa anefa... wait and see.

simp, anio May 13 2010--  ho ho ho


Love is Love

 

Teo ampanombohana lahatsoratra mikasika ny Pretoria II  ah zany (a ne pas rater,, prochainement,, only on Fialamboly ) dia nibitsibitsika tamiko indray i Aphrodita, toy efa fanaony araka ny mahazatra. Tadidinareo ve le za hoe anandrana hanao annualism hanenjika ramatoa 51taona mandritra ny erin-taona. Dia hoe tsy rarahako na hoe grosssssssssss aza satria love is love... ny fitia tsy misy frontiera... androany aza dia ambarako aminareo fa nisy nanatanteraka ny redirediko.  Encore mieux, tena ampisehoany tanteraka fa tsy misy fetra ny fitiavana.

Love and affection:
Araka ny voalazan'ny soratra masina, Daily Telegraph, dia misy bandy kely 26 taona miaraka @ ramatoa be 72 taona. Aoka alou an, sao dia misy mitroatra sahady. The messed up part, out of control, more than the messed up part already is... drum roll...  wait for it... zafikelin'le ramatoa le bandy. Ie, zanaky ny zanak'ilay ramatoa be le bandy kely   Ndana alou midegoba doly ze te hidegoba rehetra   Satria mbola tsy dia izay loatra no tena marikoriko. Kalou averina kely sao dia mbola misy tsy kopy eto: ramatoa be manao RS @ zafikeliny (in-3 isan-kerin'andro io an)... ao ve?   midegoba kely indray ary alou e   Marikoriko ambonin'zay dia... asio doboka amponga sy langraony kely hoe... endraso kely an... endraso wa... endrasoooooo... mikasa ny hiteraka ry zala 

Boys will always be boys?
Bon, tsy secret tsony angamba ity fa efa fantam-poko fatam-pirenena hoe ra misy bandy mpinamana maromaro miaraka ka mahita vevavy  metimety dia tsy maintsy hoe mankafy an'eritreritra an'le vevavy zay ry zalah ary probablement iny sipa iny foana no resahana mandrapahita sipa hafa ndray... mba lasa ihany ny saiko hoe in aza no tena hitan'le razoky refa mijery an'le rafotsy be izy?  za manokana alou na hoe cougar fotsiny aza ka hoe tsy tsara entana tena tsy mahavita mi-undress mentalement ah. Tonga dia error code: access denied mazava be no mivoaka avy any... dia eritrereto hoe rafotsy be ve no eo anoloana, tsy tokony mba hoe omeo toerana voatokana fa dead woman walkin...  sady izay bebeany  marina fa hoe tsy nifankafantatra ry zareo fa zao vao nifankahita fa quand meme refa fantatra kosa ve dia mbola in ihany, eritrereto hoe bebeanareo  burrrrrrrk nda midegoba ndray alou fa tsssssssssss   okay  double degoba, triple degoba 

Dia hoe hiteraka a? bon efa menopause rafotsy alou fa hoe atao surrogate zany hoe maka atody any @ banky dia feconder-na @ sperma an'le bandy dia apetraka ao anatina kibon'olona...  mampalahelo be le zazakely... satria sady ho zanaky le bandy no RAD-ny koa satria zanaky ny bebeany...  indrindra moa rehefa ho jokotra le rafotsy... ngamba dia ho amboarin'le razoky ao koa ngambany aza hitako aza mahita ahy 

Love is love:
Dia hanameloka azy ireo ve isika? izy alou tena tsy mirara eee, dikan-teny malalaka, avy @ rafotsy:

Tena mafinaritra tanteraka ny miaraka mipetraka aminy toy ny vadibe. Mahandro izy, manadio trano izy, ary manao RS  in-3 isan-kerinandro zahay. Tena tsy mifankafoy mihintsy izahay roa.
Ho Ray mahafatra-po tokoa izy. Tsy mba nieritreritra izany mihintsy aho hoe ho "bevohoka"  a 72 ans sy ho raiki-pitia @ zafikeliko. Tsy hiala-tsiny na @ iza na @ iza aho ary mino marimarina fa i A/tra no nanome anjara ahy fanindroany

ny any antsaiko voalou nefa dia hoe u f.ckin animals (!doty)... avy lesy aty hitadiavako sipa ela ra tena maina be fa aza dia rafotsy be no anaovana saovazy ao a 

Rehefa atao ny fandinihana anefa dia hoy aho hoe ny fitiavana mihintsy no tsy manam-petra e. Ary didy faran'izay lehibe indrindra nomen'i Jesosy antsika izany . Satria nahoana tokoa moa izy no tsy hanana zo hikatsaka ny fahasambarana sy hanana taranaka? satria tsy tian'ny fiaraha-monina ve? fiainany izany fa tsy an'ny fiaraha-monina tsy akory. Sady na otran'ny hoe incest aza rehefa misy consentement sy hoe samy olon-dehibe, inona ny olana. Ny fitiavana no lehibe indrindra ka tsy tokony misy hidiran'ny pokona eo rehefa izy roa no mifanaraka.  Efa izay no destin-ny sy nanaovan'Atra azy. Indray andro any izao mety hisy olona hitia robot, dia hanameloka azy ireo ve isika? love is love, moa ka tsy izany va?

loray,
re

 

ps: isaky ny miteny ah hoe tsy hanao lahatsoratra sexista sy hoe nimportekoi otran'itony tsony ah no misy signe avy an-danitra foana hoe io ndray letia aa... koa aza gaga ianareo ra hitranga afaka 6mois ny hoe... mitady sipa virjiny  IV


loray's tiffany jewelry blog

 

 

 

 

 

???

 

 

 

 

 


Joburg I

 

Tonga dia asiana laharana moa ity kozy ity satria poinsa mety hisy ny II sy ny III zandriny avy eo... mba tsy hisian'zay mintsy no tena tanjona @ ity lahatsoratra ity. Hoe inona no fomba tsotsotra tokony hataon'ny mediateurs lesoka hita t@ Maputo sy ny Adis Abeba teo aloha.

* Voalohany @ izany ary dia ny fandrindrana ny fotoana. Marina fa tsy mora ny manao zavatra ary matetika ny vondrona 4 no samy mafiloha ka mampikatso ny dinika. Vokany lany andro be @ zavatra iray, avy eo tsisy fotoana handinihana ny rara ambiny tsony. 

Marina daholo izany fa zany hoe ny programa mihintsy no tokony efa au prealable nasiana negociation tany an-toerana hoe aiza ny position an'ny atsy sy aroa mikasika ny andinin-kevitra iray. Rehefa hita fa hoe tsy mifanaraka mihintsy dia tokony efa atomboka dieny any an-toerana ny fifampidinihana. Ataoko fa izany no antony nandehanan'ny GIC matetika teto Dago kanefa otran'ny manao torisma fotsiny zala fa tsisy rara vanona mintsiny. 

Manaraka izany, rehefa hita fa hafana ny dinika mikasika ny hevitra iray tokony tonga dia omena fotoana malalaka avy hatrany ao @ programa. Izany no atao dia mba hahafahana mampiditra ny resaka hafa sy ny fotoana hanaovana ny pitsopitsony rehetra. 

Anisan'ny tena lesoka goavana t@ fifanarahana teo aloha manko ilay asiana vary mangatsiaka kely foana hoe atao any @ tanana ity fa tsy vita eto. Kanefa vao tsy eo ny GIC dia samy manao ze saim-patany doly avy eo... TSIA, TSY MANJARY INTSONY ZANY RY GIC a. Tsy mety ra tsy tantanana toy ny zazakely ny malagasy, yes offense!

** Ny tena tiako tenenina eto dia ny hoe tokony vitaina doly ny fifanarahana rehetra fa tsy asiana an'zany hoe atao any antoerana izany.  Imperatif be izay, aleo vitaina na hoe reraka tahaka ny inona aza... tsy koi na asiana pause 1 andro aza.

Tsy tokony ho radin mihintsy ny GIC ny @ hoe fijanonan'ny delegationina. Fivoriana tokony vita in-1 lasa atao in-15. Efa otrin'zay no lany t@ fivoriana izay?
Asa ra mbola ny GIC ihany no miantoka @ ity na ny governemanta Afrika Atsimo fa hoy aho hoe aza kahidy loatra ee. Tokony fivoriana iray ihany dia ampy, iafio na hoe ho lasa erinandro aza.

* Faharoa manarakaraka an'izany dia ny mikasika ny votoatin'ny fifanarahana. Tokony samy mitondra ny mpahay lalanany avy ny vondrona isan'isany. Ary izy ireo no miaraka manoratra ny andininy isan-karazany @ fifanarahana, atrehin'ny mpahay lalanan'y GIC. Tena soratana mazava ao daholo ny fifanarahana rehetra. Mazava hoe tsy afaka hanaovana "interpretation" 20 fa rehefa izao no voasoratra dia izao izany.

Ny tena loza manko dia ireo extremiste @ vondrona isan'isany avy tsy maintsy hitady andininy tsy mazava hahafahany manova ny fifanarahana foana. Tokony soratana tsara io zany ary tsy atao an-kamaizana ny fanoratana azy.

* Fahatelo, tokony asiana komity mpanara-maso ny fizotran'ny fifanarahana ihany koa. Avy ao @ vondrona 4, societe sivily, antoko ambiny  no mpikambana ao ary  indrindraindrindra asiana mpisolo-tena ny GIC ao @ izany. Eny mety hoe ingerence izany kanefa ny gasy mintsy no tsy afa-miaraka ra tsy atao an'zany. Tsy vaovao koa izany fa any Afghanistan ohatra ny CENI nisy avy @ UN... 

Io komity io irery izany no tokony mivory sy manao fanambarana offisialy ny @ hoe izao no voalazan'ny fifanarahana. Mba hialana @ hoe interpretation ataon'ny tsirairay izany.

* Farany, tokony asaina  manao fianianana na hoe manoratra garant personnelle ny mpanasonia rehetra fa tsy hiova hevitra na hiala @ fifanarahana nosoniavany... Mazava hoazy fa tsy hanakana ny be mokondoa hiala @ teny nomena izany fa mba au moins hoe manome lanja ny fanasoniavana ny fianianana sy fanomezana toky fa tsy hivadi-belirano... le otran'ny manala baraka-effect kely izany hoe miniana anefa miova hevitra no mety, asa, hanova zavatra kely eee...

* Tsy haiko, mety misy hafa adino,... ampiana miandalana eto ihany.

Tsy voatery ho fopla akory io fivoriana io fa ny hamisavisana ny ratsy ony mba hiavin'ny soa ka hoy aho hoe atsipy ny teny eny antandroky ny GIC, atsipy ny vilia vaky.

**Hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa izahay**

Amen

 


manenjika alika

 

* mifoha,

* miverina matory 

* mijery mail, tsisy mail

* mi-fesse, mi-rvg, mi-net eee

* mandro

* mikaly

* mamaky boky

* matory, tsy mahita tory

* re-net

* re-re-net

* mamaky boky,

* mijery serie @ net,

* leo be

* mamaky boky indray ve? 

* kill me now

* an han blaogy is your friend

 


Sariko... Miboridana

 

Satria moa tsy maintsy hivoaka ihany iny "sex-tape" nataoko iny  dia aleo avoaka  @ fomba offisialy eto @ fialam-boly izany. Iangaviako ianareo mba tsy hitsara satria, mbola tanora sy tsy nahalala izay tsara sy ratsy aho t@ ireny. Aza omena tsiny fa voabaikon'ny fo ee.

Izay tsy ampy 18 taona, akipio ny maso:

 

Raha toa ka tsy mahita ianao dia jereo eto.

 

 


Earth Hour

 

Sucks!!!!

 

 

Ny ora ho an'ny tany moa dia ilay hoe mamono jiro doly ny kil mandritra ny adiny iray... mba ho fiaraha-mientana  sy fanairana @ Global warmin izany...

Otran'ny nahafinaritra le izy t@ herin-taona... fa ra atao abonnement isan-taona kosa otran'ny tsisy fiany tsony kle... tena kozy eee... tokony mba hoe 10 min na otran'zany fa  adiny 1 be zao ve... ny mpangalatra izao efa miandry tohana fotsiny hoe tonga indray ilay ora natokana ho antsika...

Sady izay otran'ny mitady ho "bulllshit"  le resaka global warmin satria ze aleha rehetra t@ ity taona ity otran'ny frizy be tsisy otran'zany doly... sao dia mba global freezing aza no tokony ho izy... 

Manginy fotsiny ny hoe iza marina moa izany no tena cibler-na @ ity kozy ity ee?  ny G20 ve? tsy efa mazava ve ny teniny hoe: ecoutez ca ma colomne vertebrale??  sa isika no tena dondrona tanteraka ka tsy mahalala ny hoe efa tsy tiana?

asa izany... 

 

Ps: tsy natao hankarary fo an'zay mandray anjara @ ity kozy ity moa ity lahatsarotra ity fa mba hilazako fotsiny hoe tsisy dikany sy cause perdue  le izy eee... tsy tia zavatra monotone ah sy ny hoe olona mandefa sms hoe vonoy ny jiro...  sa va pas la tety??  :b:b:b


Femme, Like YoU

 

Teny Ifampierana, Ivato

 

Do I have to explain?


Ary raha ohatra ka atao hoe

 

* Mandat 2 ihany fa tsy azao atao successifs ( tsy maintsy elanelanina 5 taona) ary azo empecher-na ny prezida. Bedabe ny firenena Latino manao an'zany... Soratana explicitement hoe raha misy ny fanavaozana ny lalampanorenana dia ity tsy azo ovaina.

* Tsy asiana praiminisitra fa tonga dia ny prezida ihany no lehiben'ny governemanta... otran'ny USA

* Ny parlemanta no mifidy ny prezida, izany hoe izay mahavita coalition mahazona 1/2 ny depiote no mahazo ny prezidansa. Ra mirava ny coalition dia tsy maintsy asiana fifidianana vaovao.

* Asiana fonction officielle hoe Opposition leader mikritika ny asan'ny fanjakana. Izay antoko lehibe  faharoa avy ao @ parlemanta raha ohatra ka tsy niditra tao @ coalition.

* Dia asiana "shadow cabinet/secretary" izany hoe pseudo-minisitra misahana manokana ny fikritikiavana ny asan'ny ministera/fiasan'ny governemanta isan'isany...@ organisation officiel an'ny oppostion.

* CENI, HCC sy Haute cours de justice:  50-50 ny prezida sy ny opposition leader no manendry azy... ary ny CENI no misahana manotolo ny resaka fifidianana, afaka manampy ny fanjakana raha ilaina fa ny CENI no manapaka izay aide tokony ho entiny.

*  Asiana Senat, suffrage indirect otran'ny mahazatra: Maires, conseils municipales, conseils regionaux. Tsy asiana quotas an'ny prezida... Ny filohan'ny senat no 2nd in line, ra miala/maty/empechE ny prezida, ary tsy mahazo mirotsaka ho fidiana izy.

* Mila confirmation an'ny Senat ny fanendrena Haut fonctionaires rehetra. Na dia hoe prerogative an'ny prezida aza, dia tsy validE raha tsy ankatoavin'ny Senat. Ohatra hoe ny Minisitra , Governora ny banky foibe ary ihany koa ny mambra an'ny CENI/HCC/Haute courts de Justice.

 * Afindra any ivelan'i Tana ny Senate, parlemanta ary ny foibe fitsarana. Ohatra hoe Senat any Jangill, Assemblee nasionaly any Toliary, ny HCC/Haute courts de Justice any Diego ary, eventuellement any Tamatavy ny Foiben'ny Banky foibe sy ny tsenan'ny stocks.

Mba hivoahana @ krizy:

*  Atsangana ny CENI provisoire: 1/5 avy isaky ny mouvances ary 1/5 hoan'ny Societes Civiles no mandrafitra ny executive comitee sy ihany koa ny Conseil d'administrations. 

* Tsy mandray anjara @ fikarakarana fifidianana mintsy ny fanjakana na ny kely aza.

* Atsangana koa ny HCC provisoire: 1/5 isan'isany ihany koa.

* Atsangana ny organe de controle an'ny HAT sy ny governemanta: afaka officiellement manantona (zany hoe mampijanona avec effet immediate) ny didy  sy baiko ( zany hoe arretEs, na decrets, na lalana) avoakandrizareo raha misy ny tsy mazava, mandrapaha hisian'ny concensus. Azo gadraina ny HAT sy ny governemanta. Mouvansa 3 ambiny no ao ary ny societe civile... mi-jouer an'le "shadow cabinet" etsy ambony io zany fa zany hoe manana pouvoir executive hanajanona ny didin'ny HAT/gouvernemanta fotsiny... zany hoe tsy misy zavatra atao tsy en concensus mintsy na ny iray aza.

* Ny fifidianana  depiote no atao farany.

 

hevitr'akoho,

An?!


Tonga Soa

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 


Qui Maçon?

 

Mihomehy irery ah eto ampanoratana an'ity hoe kiiiiiiiiii izany ve no ataoko titra  eto lelike? Toa tsisy fiovana mintsy, efa 2010 anie zao ee?? dia misy feo kely mibitsibitsika (devoly sa anjely??) ao anaty lohako ao manao hoe "et alors?" ka hoe nisy nirary soa hoe hitombo fahendrena... "an? za hirara" 

Tsy izany fa nianjera fanindroany iBema ee. Efa notantaraiko moa t@ izy nenjera voalohany? hoe ambony ambany mintsy lery fa mbola velona tsara sy mande doly. T@ lahady ary nianjera fanindroany lery, hatr@ zao aloha mbola tsy fantako ze tena antony nampianjera an'lery tao fa tena kdooooo doooooooo doooooo be  le izy. Tena tsy nahateny ah, hoe tena izay no nataony lelika eee. Efa nanomboka nidobodoboka be ny foko, veloma lesy baby, t'etais un mec bien...

Kinanjo, kinanjo wa, kinanjoooo... miracle mon ami... (fahanginana kely)
mbola velona soamantsara lery sady mande daholo ny zava-drehetra... na dia hoe misy vaky kely eo @ lohany... ouh lala, zao vao tsapako fa bonne investissment kosa iny an woooooooooooo hooooooooooooo!!

Diso anefa aho. Aza maika ny hisioka refa mbola tsy tafavoaka ny ala. Nisy zavatra very ary  tsy tafaverina t@ laoniny. Tena diso fananatenana tanteraka aho fa tsy mbola nisy loza otran'ity. Eny, na ho tondraky ny tsunami aza  i  Madagasikara ka ho faty ato daholo isika mianakavy dia mbola tsisy loza otran'ity ihany. Anikeo maraina ah zany,  akory ny hagagana fa toa tsy tao intsony ny JAMES BOND Collection-ko? fa loza inona ity re ry lanitro o???
klou klou e, haiko fa hisy hiteny hoe "n'importe quoi" ndray eo zao... zao: collection manomboka hatr@ Dr No ka hatr@ Quantum of Solace anie izany ee... dia tsy haiko mintsy hoe iza no nikitikitika tato na in no adalana nataoko  t@ ity fa dia eee marary be ny foko... tena miangatra kosa i A/tra kle... Ny tena loza dia mety za ihany no namafa an'le izy ouiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiin  je veux ma mamaaaaaaaaaaaaaaaaaaaan!!!

Relax, hijery backup aloha. Poinsa misy bandy akama manana tsin... sinon, heavy download @ alahady ...  @ st valentin ony, you should spend time with your loved ones   chuuuutttttt  

Zay aloha fa mikatona indray ity cyber ity. Misy soratra hoe rarana ny mirediredy mihoatra ny adiny 1.  Tssssssss tsy rariny mintsy, tsisy zavatra mande @ ze lahoriny @ ity taona ity.  Bonne annee doly aloha ze mbola tsy voalaza e.

Siora siora an,

 

ps: androany moa no nanomboka ny Buzz an'ny GooGle,, hifaninana @ twit sy fb zany... dia toy izao ny status an'olona hitako voalohany indrindra:

Hi, My name is xxx, ........and....... Google is stoopid
(sorry Google, dont wanna hurt your feelings....but first Wave,..... and now this.......get a real job)

hu hu hu


Wind of Change

 

Bonjour Bonsoir
Tonga indray ary ilay fotoana hanaovana litania ny taona eto. Lainga lainga fa ny post faran'ny taona ihany ngambany ny lahatsoratra mba tena hoe "honnest" ataoko eto. Koa dia manasa anao ary hiaraka hivetsovetso kely iray minitra.

T@ erin-taona ah zany efa be taraina be dia mba hoe aleo mba ze zavatra tsara no asongadina kosa @ ity. Fa eeeee, ra misy ny taona faran'ze hoe mahazo sahalan'isa 8/20  dia ity taona 2009 ity. Bon, Efa kobo ihany fa hoe fiasco be ity fa tsy noeritreretiko velively hoe rehefa natao ny fandihina toa tena tsisy raha manjary mintsy. Eny e, namokatra ny vahoaka, fahasoavana lehibe tokoa izany ary mamerina ny firariantsoa hoan'ny nahazo vahiny  rehetra. Fa ankoatr'izay, ho ahy manokana dia tsisy zavatra mamiratra na ny kely aza.

Voalohany @ izany ary dia ny krizy eto @ firenena. Ny hany zavatra iombonan'ny mpanohana an'i tgv sy ny mpanohitra azy ary ihany koa ireo olom-pirenena tsy ankanavaka ngambany dia hoe zava-dratsy ho an'ny firenena ny fisian'ny korontana sy ny krizy. Tsy misy iadian-kevitra hoy ah fa notre DJ national est l'homme de l'annee 2009, eto amintsika. Nanova zavatra izy, tsy haiko fotsiny hoe nihatsara sa niharatsy fa en tt cas, mijaly ny vahoaka...

Faharoa, otran'ny bedabe ny star jokotra nandritra ny 2009 iny. Tsy fan club  be an'izy rehetra aloha za fa nampalahelo ihany ny toa andr'i Michael Jackson,  Patrick Swayze, Britanny Murphy...  Levelo hoan'ny malagasy. Jacques Sylla koa, tsy mpihira fa azo lazaina hoe olo-manga ihany koa na dia hoe mpamadika aza no tena otran'ny mampalaza azy bebe kokoa @ izao... Dia nisy namako izay koa lasa t@ 2009... sy ireo maro tsy voatanisa... lalan'ny  fiainana  moa izany ary tombon-dalana ny azy fa zany hoe mba  le 2009 mintsy no ratsy vitana ee.

T@ ity 2009 ity koa no tena nahatsapako fahadisoam-panatenana be indrindra hatr@ zay andro niainako, t@ olona neveriko hoe namana. Tsy nampoiziko mihintsy hoe misy olona tena ampianao izao kanefa dia otran'ny hoe ny hanao ratsy anao no eritreretiny voalohany ra vao mifoha izy @ maraina... resaka perso moa le izy, mety hoe za koa no tena naif be,  ary efa nifamela zahay fa mba lazaiko fotsiny hoe tsy ho adinoko mandrakizay...

Ny tanjona tsy tratra moa dia efa mahazatra toy ny isan-taona. Otran'ny hoe "on maitrise tout" foana  ny pozipozin'le izy rehefa mande ny taona kanefa @ farany tsy hita akoriny zay tena hoe zao no fandrosoana rehefa atao ny bilan... ozy le namako zay hoe elah ngambany efa voaozona. Na hoe mijinja ny ratsy nataoko tany @ "fianana taloha" na hoe izay mety ho ataoko atsy ho atsy... Dia izany ony ry A/tra a: Eloi, Eloi, Lama Sabachtani...

Na izany na tsy izany aza anefa tsy atao mahakivy izany. I'm thankful. Mety hoe ratsy kokoa noho izao aza. I mean, a lot worse. Ny taona vaovao mitondra fanatenana vaovao. Ary mino marimarina aho fa betsaka ny zava-tsoa ho avy @ 2010. Na hoan'ny firenena, na ho antsika tsirairay mpamaky ary indrindrindra hoy ahy ihany koa. Enganie mba ho version zavatra tsara @ izay no tantaraina @ erin-taona... Indraindray koa moa le izy feno zava-tsoa fa isika/za no minia tsy mijery afa tsy ny zava-dratsy. Ny ratsy koa mety ho soa. Asa, miankina @ tsirairay...

Hamaranako azy ary dia aleo asiana an'ity hira ity:  What's up an'i 4 non-blondes. Tiako be izy io tany @ 10 taona lasa tany. T@ izany tsy mba nieritreritra hoe ahoana re za ity afaka 10 taoana ee. Hitako fa tsy niova firy aloha ary ra possible ny hoe time travelling,  na afaka mamaky an'ity i teen simp dia lazaiko hoe: you got it right since then,  you will still like this song ten years from now... dia aleo tahirizina ny playlist @ ity taona ity, sa ahoana? mba ho jerena afaka folo taona hoe eee t@ izany andro izany ah  le niezaka ho mamo kanefa tsy nety tafa mintsy hihihi

... And I try, oh my God do I try
I try all the time
In this institution
And I pray, oh my God do I pray
I pray every single day
For a revolution...

Tonony feno: Jereo eto

Zay ary fa dia @ erin-taona ndray ary ry namana isany. Na afaka folo taona koa ry future  simp... Mirary soa antsika rehetra. Enganie mba ho taona zina tokoa ny taona 2010.
Manaova fety finaritra daholo.

Yours truly,


Noely Noely Noely

 

Eritrereto hoe @ zao ora zao  zany Razozy no mitarika ampondra mitady tranon'omby eran'ny tanana. Rehefa avy nanao dihan-tongotra direkta avy any Ejypta sa avy aiza moa... Mafy ihany rehefa lehilahy klelike.

Ny tena marina i razozy mintsy no tena bandy bien sy hoe ikoizana e.  Eritrereto hoe @ izao no misy an'zany? poinsa sady tezitra be le bandy no mipitsika. Ry zareo anie mbola tsy niaraka akory fa mbola vao nifampi-tsssssss tssssssst teny ambody tamboho fotsiny. Tonga dia miala avy any i Maria: "bevohoka ah"

Ra za aloha no mahazo an'zany tena hummmmm aleo atao hoe hiantso fanahy masina kely mintsiny aloha  convocation urgente hoe tena namboarin'i toi tokoa le  joba iny? ok ok mba ataovy manahaka an'ny reniny aza le zaza fa manjary wain le bandy eee.  Zay le hoe mba fantaro (au sens biblique )  ihany alou le sipa vao mikasakasa ny hanambady azy zany.

Lery koa aloha mety hoe jiolahy be talohan'ny nilatsahan'ny tena fanahy masina taminy e. Dia tonga dia tezitra be ny dadan'i Maria hoe tena namboarin'letia ny zanako. Tapahako ny zizi an'lah ra tsy vadian'lah io. Razozy @ zany: "je le savais, aleo ihany tsy mikoty sipa diso masina loatra fa tsssssssss feno surprizy"... eee ka atao ahoana moa fa zay no nataony e,  bikina ny zanak'ol... mihira mangina any ampo sisa hoe: nos rendez-vous manquaient d'amour

Rehefa krizy be aza lery dia te hamaly faty be.  Ozy mantsy an'i Maria: "tsy omeko enao na inon-kidona na inon-kihantra"... asa lery na niafy tao na nankafy t@ @ sisiny fa ny an'i Maria izany aloha dia efa veloma lava enao ry MMS... dia zay ee, virja mandrakity ny androany i Maria. 

Itony no anisan'ny hoe effet secondaire an'ny hoe voantson'A/tra @ asa masina. Tsy maintsy misy sakrifisy be foana. Mais bon, tsy fika moa fa rehefa mamely ny fanahy masina dia tsy afa miala fa tsy maintsy ho lasa olo-masina. Te hiteny ah hoe, enganie mba hanahaka an'i razozy doly ny lehilahy hanambady rehetra. Bandy milay lery, dans le sens hoe tsy nipitsika izy refa bikina le sipa. Kanefa otran'ny tsy dia mety loatra ny tantana raha hoe platonika mandritra ny 50 taona le mariazy avy eo hahaha
ze mahasoa ataon'A/tra ee.

Ny tena morale de l'histoire ngamba dia hoe: manangona sosy aloha vao mikoty sipa ary ataovy izay hanana bandy akama any ivelan'ny tanana au cas ou mitady ho ratsy toetra ry Heroda... @ zay mba afaka mitahotsy ny hoe hiskoaty. Danza be le tranon'omby tsisy infirmiera kle... ny morale @ zao fotoan'andro izao kosa dia ny hoe: use protection, au cas ou mitady ho jiolahy ny fanahy masina

Zany eo ihany fa ny tena naika hoteneniko androany dia ny hoe fa nahoana hoah no atao hoe joyeux noel e? tsy tokony hoe joyeux anniversaire jesus ve? tsy tokony ny pokona no mahazo cadeau fa manolotra hoan'lery. Et encore, mbola questionable be le izy satria ny any @ middle east mbola @ janoary vao noely... any anie ny tena tanindrazany ee. Tsika ndray no mistyle, maimaika hifety eto... tsy olana aloha zay fa tsara mintsy aza ra asiana fanampahana gateau arahana ran'i zezo kely fa hoe sao dia tokony ankalazaina koa le @  janoary. Ra za manokana alou tena tsy poinsa amiko ra celebrer-na ny non-annif-ko fa tsy celebrer-na ny tena izy ee.

ok ok
tapitra ny rediredy.
Joyeux noel doly tsika rehetra.
Bonne fety ooo

 

ps: hoan'ny zaza hendry, jereo eto


Tu fainty?

 

Dia ahoana?
toa otran'ny efa mamofona be le farany kanefa za mbola te hijanona 2009 be. Eny fa na dia fopla tanteraka aza ity taona ity, tsy tiako be le miovaova...

Dia mba hoe aleo hanararaotra kely aloha fa mbola misy andro maromaro hanaovana zavatra  mafinaritra  sao dia mba afaka hanao an'le hoe eeeee dia lasa tokoa izy...

Dia hoe aleo ranga ilamina fa tsy koi zany a... sady otran'ny tsisy fika tsony fa aleo @ herin-taona ndray ee...

Dia, asa, nibitsibitsika angamba  i satana (sa i A/tra, tsy haiko) hoe ande hanao ny tsy fanao eee...

Dia hoe nde hanao velon-drirana, asisika ny lobaka, soro-bilana, kitro matotra... fiakanjo supercorrect @ tsisy antony...

Dia hoe mody tsy miteny mintsy mandritra ny 2 andro... oui, alefa email andro mialoha hoe tsy mahazo manokatra vava ony za ozy ny dokotera...

Dia, indraindray, tsitampotampoka eo mamonjy mivoaka @ tsisy antony. Indrindra moa raha toa ka misy olona miresaka aminao eo... sady tsy miteny in in hoe hoany @ toilet na otr'zany an...

Dia ra misy misolatsolana any antranonao dia vao eo ambaravarana izy dia tonga dia tenenina hoe esory ny kiraro... Dia ra vao miady varotra hoe tongotra mpanjaka ny tongotro dia mamonjy tezitra**  be serieusement... 

Dia mi-pimaso ramatoa antitra... de preference ao anaty ascenceur... ramatoa ngozabe fantatro, mpanadio birao, zany a...  fihomehezana tsisy otr'zany...

Dia in koa re e? rehefa miresaka na mitantara zavatra na hoe mandresy lahatra olona, dia rehefa manatena be iny izy hoe hiteny zavatra matotra be sy interessant enao dia mamonjy mangina tampoka, na mande mivoaka mintsy aza...

Dia izay...

oops, adino kely,
Dia nisy niteny hoe fa in l'tia no mahazo an'la? nidiran'ny devoly?

Dia hoe, sao dia tsy namaky ny fampitandremana aza i toi... ho tsy ampy kely ah @ ity herin'andro ity...

viva 2009, viva!!

Ianao, sao dia mbola tsy nanao zavatra adaladala t@ ity taona ity??

 

 

 

--
**matoa ah zay mbola miresaka dia tsy tezitra ah zay... autrement...


Efa nidouble ve ise?

 

Nisy fotoana ah zany otran'ny hoe te hande nefa otran'ny tsy te hande izany. Rehefa tsy mande anefa dia vao mia otran'ny te hande be izany. Dia farany lasa nande ihany. Le tsy hande teo anefa mbola marina ihany avy eo dia lasa elabe izany eo ampandehanana.

Ilay toerana moa somary tony sy mangina dia mangina tokoa. Mahalasa eritreritra satria otran'ny toerana tsy misy A/tra... Indray andro ary t@ tsy nampoizina no nitondrana boky tany ampadehanana. Tena mora mampi-concentre be ary manamora ny fieritreretana ny fandehanana.  Hany ka lasa fahazarana ny mamaky boky sarotra vakiana rehefa mande.

Nivoatra ny tantara. Taty aoriana  dia lasa toerana nahafahana nieritreritra lalina tokoa ny fandehanana. Rehefa misy olana goavana dia eo ampandehanana foana no mahita valiny azo ekena. Any ampandehanana ihany koa no lasa mankahery tena, mitady vahaolana diplaomatika raha ilaina izany.

Nahafapo tokoa. Indraindray na efa tsy mande intsony aza dia mijanona ao an-toerana mba handinika na hoe mamaky boky. Indraindray aza moa dia mamonjy mande fotsiny na dia tsy te hande akory aza satria izany no ahafahana manao zavatra. 

Asa lahy!

Toerana fandehanana,  sao mahafantatra enao?
chuttt, aza miteniteny, aleo ho tsy ambara telo  

 


Maeva74... Ndimby A... Yes, Vote

 

T@ volana Aogositra ah zany rehefa nieritreritra ny hoe hanao blog day dia hoe aleo ireo blaogy famakiko manokana kanefa tsy dia hametrahako comms firy no ho hataoko @ ity taona ity. Tsy vitako moa ilay izy satria somary nisy contraintes kely. Efa natomboko t@ vakiraoka ihany fa nihemotra nihemotra foana dia farany najanoko satria lasa ilay daty... Moa koa hoy ah hoe mba misy dikany ve ity kozy ity satria t@ herintaona ah tsin nanao antso avo hoan'ireo blaogy maty mangingina tao... ny vokany? vao  mia nitombo jokotra tsikelikely ireo izay mba namelo maso ny anaran'ny blaogasifera

Dia soa fa nisy ny atao  hoe BOMBS, sao dia mbola tsy nifidy ianao? ireto misy blaogy anakiroa izay azonao  safidiana. Blaogy famakiko matetika na dia tsy hita mivantana aza fa fanclub ah.

i Ndimby A

Mpanao editorial resaka politika ao @ Tribune i leiry. Zany hoe eo @ 2 ou 3 posts isan-kerin'andro eo ho eo.  Midika moa izany fa efa mandalo mason'olona 2 fara fahakeliny ny zavatra avoakany, na dia hoe @ editorial aza. Mba hilazana fotsiny hoe somary professionel izy, ary manana support mediatique matanjaka kokoa noho isika vahoaka majinika.

Dia hanotany nareo hoe dia inona aza no aton'ny mbola hanaovan'le adala be ity pub hoan'io tary io?
Ny valiny dia tsotra fotsiny satria tiako izy tsy hitanareo manamora zavatra be ve io valinteny io... izay tsy nitia taminareo, no aoka hitoraka azy ireo ooo fitiavana blaogy fa sao dia hisy hiteny hoe niova taranja eo ndray ah an 
Ny tena antony dia hoe, mafana fo be lery. Izy izany no otran'ny hoe equivalent an'i Jentl fa zany hoe OLP somary objectif.  i Jentl moa tsy hizoviana @ tsika intsony. Zany hoe  tsy azo fidiana fotsiny  izy @ ity taona ity araka ny voalazan'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana. Fa ra misy ny olona tokony ho hajaina sy handohalihana eto @ blaogasifera dia mino marimarina aho fa tsy maintsy tafiditra ao ny lehilahy. i Ndimby indray dia somary mitovitovy @ izay, zany hoe tena resy lahatra sy mafana fo, fa izy @ teny faran'ny tsy hay fotsiny. No izy ihany koa dia miady manokana ny @ hoe tetezamita ikambanana, tsy an'ny atsy tsy an'ny aroa. Tsy misalasala manakihana an'iza na iza refa misy antony mazava, na i tgv io, na i ra8  na ry zafy sy deba aza... Efa manomboka mivoaka ny krizy moa isika izao fa azonareo jerena ny lahatsorany. Hoe efa hatr@ volana Janoary tany lery no hoe somary "mahitsy filaza" sy consitant @ position neutre noraisiny teo @ krizy.


i Maeva74

Izy indray no mpampiala voly manan-talenta eto @ blaogy.com. Efa tsy hizoviana @ tsika  tsony tokoa ngamba ny momba an'i rado, ilay fitiavako fahiny o?
Eto angamba dia tsy mila manao pub intsony ah fa fantako fa ny ankamaroantsika izay mpandalo eto @ blaogy.com dia mamaky, secretement, ny blaoginy daholo.

Ny antony tena hanohanako azy dia satria mpankafy tantara aho.  Ny tantara moa dia anisan'ny hoe fanalana voly sy hoe fampitana soatoavina eo @ taranaka fara mandimby. Otran'ny hoe angano ihany izany fa somary realista kokoa no hoe mahaliana sy mampangitakitaka ee.
Tena hitako hoe fahabangana be eto @ blaogasifera ny hoe olona iray ihany no tena mba manao tantara eto kanefa dia mahaliana tokoa izy ireny. Asa ra tadidinareo ilay hoe tadiom-pitiavana  iny, efa elaela ihany izay. Lainga lainga fa tena tsy nisy izay tsy nankafy an'iny kosa ngambany ee. Dia avy eo nisy  ilay tantaran'i Soanja iny koa. Efa tsy ao intsony moa ilay izy fa nogidrain'zala i kala soanja... mampatsiaro ny ambiansa teto fahiny ee... good old days... mba aiza doly nareo ireny ee... miverena re olona o.

Soa aloha fa misy an'i kdom izay manomboka manatevin-daharana an'i maeva74.  Izy moa tsy dia tena mi-se specializer @ hoe tantara ary efa nambarany fa tsy ny tantara irery no mamaritra ny blaoginy kanefa dia mamporisika tanteraka aho hoe tsara fa tohizo. Deraina tokoa ny ezaka hitondra fahafinaretana sy zava-tsoa hoantsika mpamaky.

Eto aloha dia somary asiana basy atifitra an'i maeva kely ihany. Eny efa niresaka isika momba an'lay mise en forme kanefa mbola tsy ampy le izy an... anisan'ny mampazoto ny olona mamaky ny blaogy ny mise en forme hoe madio sy manitona ary mora vakiana. Ka aza kivy ndriko fa mba jerijereo ihany ny momba an'izay.

Ampiko kely hoe tiako kokoa ra somary atao lavalava, hitanao otran'ny @ serie ireny hoe misy saison 6 na 7 eo ho eo, episodes 20 na 24 isaky ny saisons ny tantara iray vao tapitra. Fangatahana sy fitiavana manokana ny ahy fa ndry no mahita izay mety any.  Ho antsika mpamaky kosa dia ankafizo fa tena manan-talenta tokoa izy. Mbola vao nanomboka tsy ela akory ny hoe fitia antsokosoko, ka ndana haingana enjeo fa sao dia tara train eo ka tsy maharaka 


Dia aza adino ny mi-BOMBs an. Nominer-o ny blaoginareo, na izay blaogy tinareo.
Misy miteny hoe za ve dia hifaninana @ blaogy efa fanta-daza. Eny, mila misy mifidy betsaka ny blaoginao, izany hoe mila ezaka kely mampafantatra ny blaoginao ianao. Tsia, ihany koa satria ny antony iray anasiana ny hoe mpitsara dia ny mba hoe hi-balancer-na an'zay hoe blaogy malaza sy be mpamaky, versus hoe ny contenu an'ilay blaogy marina... ka hoy ah hoe aza manaiky resy tsy miady izany... VOTE VOTE VOTE!!


Havendranana ao @ Baiboly

 

Nande nisotro kafe izany zahay mpinamana vitsivitsy, t@ zoma. Ka le izy toerana somary avoavo,  otran'ny hoe tribune izany,  dia mahatazana ny tanora mpandalo rehetra ery ambany... dia misy zavatra bedabe momba ny vehivavy eto fa tsy tantaraiko... tsy tampotampoka eo tonga any @ resaka mpanjaka davida nitsiriritra vadin'ol nandro teo @ renirano ny resaka... CUT

Tonga dia efa misy mandefa fisainana sahady izao hoe  in indray ny rediredin'letia eto??
Non, tsy any ny tiako hahatongavana ka. ( Na dia efa haiko ary fa misy manotany hoe tsy ny eritreretinao anie ny eritreretiko e,  humm sao dia mitovy aza ny eritreritsika ).   Gaga fotsiny aho hoe misy karazana olona ra vao tafiditra ny resaka fivavahana/baiboly dia na dia resaka faran'zay mahaliana indrindra aza dia vitany @ fomba tsotsotra ny manimba an'izany ho lasa resaka fahasoavan'A/tra... otran'ny hoe niandrasany mintsy ny hahatongavan'izay dia avy izy hitory teny... Amen, Alleluia!!

Bon, tsy manameloka ny olona @ finoany ah aloha ary tena hitako fa fahasoavan'Atra tokoa izany. Satria nahoana?? Nandritra izay elabe izay za ni-casse tety be hoe ahoana ary ny hatao mba hifaintiavana an'le olona mankafy ny rediredy eto... hoe operation anti-seduction izany, resaka otran'ny hoe mahaliana kanefa mahamonamonaina en fin de compte... tsotra fotsiny, hitory teny aho ry havana malala ao @ tompo... koa dia miomana dieny zao fa mety hisy fanalana devoly eto... somary asiana *simp flavour* fotsiny angamba... toy ny karazana dialogue izy ity ka mandray anjara ianareo mpamaky,, nataoko miloko laoranjy anaty parenthese izany ny anareo)

ROLL CAMERA:

Voalohany aloha ry havana ao @ tompo dia tsy resaka theorie an'i Darwin na hoe kosmolojia izy ity (Amen!)
Hamelabetraka ny finoana nisy teo @ zanak'israely ny mpanomponareo anio. Tsy inona izany fa ny hadisoana goavana ao @ baiboly momba ny fitantarana ny nandosiran'ny zala an'i Ejypta... (Alleluia!!)

Mety ho lavalava ity kozy ity ka raha toa ka efa monamonaina sahady ianao dia tonga dia aleo afoheziko ny rara hoe: Bandy vendrana i Moizy (Mosesy hoan'ny FJ)... izay e, Moses is an idiot...  na tsy nisy nidiran'i A/tra mintsy iny kozy iny...  na diso ny fitantarana ny baiboly... (Isaorana anie A/tra!!)

Ny antony??

Ndeha hatao hoe tena nisy ireo loza folo sa firy izy zay nataon'i A/tra t@ Ejyptianina. Bon, tsy te hiteny ah hoe racista i A/tra mais bon... t@ zany koa moa i A/tra mbola ratsy toetra ka tsy aleo ve tonga dia hitambatra lamba sy akanjo ihany ee. Ndeha hatao hoe nahavita an'izay fahagagana sy fampisehoana tanjaka i Moizy teo imason'ny Farao... Fa ny tena mahagaga anah dia ny hoe nanina no tsy tonga dia nampiasaina ireo pouvoir ireo mba ho tsy afaka mampijaly ny zanak'israely intsony ny Ejyptiana?? (Amen!)

Eny e, nde hatao hoe @ maha tsara fanah an' i A/tra dia nanome safidy an'ny Farao izy... kanefa efa kobony ihany fa tsy maintsy hipa ny taranaka voafidy... dia tsy maintsy no ampijaliana ve ny taranaky i Ejypta e? masochista nga i A/tra?? ... na koa hoe sao dia doma be aza i Moizy tsy mahay mandray baiko...  CUT

karazan'ny tag kely ity: anisan'ny faran'ze tiako ny tantara misy an'i Ejypta sy ny hoe pyramida ireny... asa nga, fa dia mahaliana tokoa otran'ny hoe momie na hoe scorpion, le misy piege sns any anatiny any... manokatra curiosite be ny ingeniosite andrizareo... supernatural...

ROLL CAMERA:

Eto @ izay ny tena maha nandra an'i Moizy:  (Alleluia!!)
Rehefa jerena ny saritany dia mifanila ny Ejypta sy ny hoe Israely... Mety hoe t@ izany mbola tsy nifanila fa ny tena tsy  azoko mintsy dia ny hoe tsy maintsy nitonatonana nistyle nande teo @ ilay ranomasina mena ve i lery kanefa afaka nande tany @ suez??


Eny e, mety hoe fikan'i A/tra izany mba ho hamonoana an'ny tafika Ejyptianina ao anatin'ilay rano avy eo...  kanefa ra izay no tanjona tsy naleo tonga dia novonoina tany antoerana fa tsy niandrasana hoe  entina any anaty rano le olona... sadisma be nge zany re ol e (Amen!)

Manaraka izany, i A/tra ve no diso fanoro sa ahoana, lery no tena dondrona tanteraka,  fa very tany dezera i lery. @ fomba ahoana no nanaovana ny trajet Ejypta-Israel ka hoe 40 taona? na dia hoe 10 metatra isan'andro aza no hatao ve dia ho 40 taona kosa lelika ee.  (Amen!)

Bon,  mety diso ah aloha e, mety tsy ilay Israel @ izao ilay tany nampanantenaina t@ izany (auquel cas, in no antony hidiavandry lerony @ palestinianina ao @ zao?? )... Niezaka nijery ny tena lalana nozorandrizalah moa ah fa tena teny sinoa be le izy klelika e... En tt cas, tena poinsa very lery aloha ee. T@ lery najavona izany, le mody hoe niakatra velona any an-danitra iny, kay lery very dia tsy tafaverina tsony... mbo kozy ee (Isaorana anie A/tra!!)

Eritrereto hoe:

 i A/trarehefa tonga ao @ dezera (le fasika bedabe izany sao dia tsy hain'le badolah ity indray) elah dia miantsinanana foana ny lalana...

Moizy>>  tsy afaka maka racourcii ve za @ le toerana haiko ireny?

A/tratsisy in in hain'la zany ao ry ilay bado a

Moizy>> tsika aza mifamendrofendro an!

A/tra> ka elah ve no A/tra sa za e?

Moizy>> ok ary e, ze tinao ihany io (kay lery mieritreritra any ampo hoe raisiko le racourci hanaporofoiko an'lery fa tsy bado aho)

Dia izay no nataony ee, matin'ny hanoanana tany anaty fasika tany... avy eo ny mpanoratra baiboly no nokoziana hoe aleo atao rara ampianakaviana izy ity... niakatra any an-danitra i lery...  (Amen!)

Farany, tsy mba azo natao anga ny fahagagana hoe fou fou mazia, tonga dia tafalatsaka tany @ ilay tany nampanatenaina ry zareo... teleportation fotsiny anie izany ry A/tra e!!  (Alleluia!!)

CUT

@ anaran'i Jesosy, mandehana ry rahalahy sy anabavy torio ny vaovao mahafaly!
aza adino: miteraha, mamenoa ny tany!!

 

 


BOMBS'09... Nominate Tritriva!!


Efa fantatry tsika rehetra angamba ny fisian'ny BOMBS 2009 ity. Fifaninana momba ny blaogy mendrika indrindra eto @ blaogasifera. Ny voalohan-teny ngamba dia ny hoe faly aho, tena faly. Zavatra tsara mintsy ny fisian'ny fifaninana toy izao mba hamporisihana antsika tsirairay avy hamahana bolongana.Tena hita fa kamokamo tokoa manko isika t@ ity taona ity. Asa na noho ny krizy politika sy ekonomika eto @ firenena nga. En tt cas, tena mahavelombolo tokoa ny fahitana fa manomboka nifoha ary miverina mitoraka tsikelikely ireo resin-tory elabe...

Ny teny hoe bombs koa dia tena manaitra avy hatrany.  Evidawazy fa tsy baomba, baomba raisina litteralement ilay izy fa ny hevitra ambadika hoe mipoaka be ee. Otran'ilay fiteny hoe bomba be koa iny sipa iny izany an. Na dia otran'ny sarina baomba hipoaka izany aza ny @ ilay logo dia izay hevitra izay no tiana hiantsampy any antsaintsika. Amiko manokana aloha tsy bomba mihintsy io fa zavatra boribory be misy zavatra boribory kely, hidiran'ny zavatra lavalava, izay manjelanjelatra tokoa. 

Eto aho dia mamporisika antsika tsirairay avy handray anjara. Mba ampidiro "nominations"  ny blaoginareo. Izy ity moa dia lalao sy fifaninana ka tsy maintsy misy mandresy sy hoe resy. Kanefa kosa hoy aho hoe mahazo loka daholo izay mandray anjara rehetra. Satria nahoana ozy  nareo? rehefa "nominE" ao ny blaoginareo dia mba hitan'ny olona. Misy blaogy mbola tsy hitako mintsy izao tao, lasa hitako tampoka, ary mety ho harahiko mintsy aza ny rss-ny... ka hoy aho hoe, ho antsika izay nanahy mafy t@ ilay hoe inona no manakana anao tsy hiblaogy, dia hoe  ka tsy misy mamaky akory aza ka.  Tonga izao ny andro fanararaotana, iza no mahita, mety mampitombo ny audiences ny fandraisanao anjara. Jereo eto ny lisitry ny efa voa-nominE, araho isaky ny sokajiny...

Dia izao koa e, na tsy ho nomine-nareo aza ny blaoginareo, dia nominer-o izay hitanareo fa tsara. Mba ho firaisan-kina @  blaogasifera iray manotolo ee. Azo atao tsara mihintsy ny manao propagandy kely hoan'ny blaogin'ny olon-kafa. Mbola eo ampikarakarana ny dikan-teny malagasy ny fitsipi-dalao moa ny mpiandraikitra fa  hoy aho hoe ny tena zava-dehibe tsara fantatry isika angamba dia ny hoe ireo 5 voalohany mahazo nominations betsaka indrindra no miditra ny any @ dingana famaranana, ho tsarain'ny mpitsara. Mazotoa mi-nominer izay tena tianareo satria mampitombo ny sansa-ny izany. Manana zo hifidy in-5 ny olona iray (IP + email no marimarina kokoa). Ka lanjalanjao tsara. Ny ahy izao hataoko hifidianana olona 5 be zao. Izay ho atolotro tsikelikely eto. Otran'izao:

** allo, allo, nominer-o i Tritriva re ol o o o **

http://tritriva.unblog.fr

Ny nifidianako azy?
mamirapiratra be ny blaoginy. Hitanareo, otran'le hoe sahan'i Edena e. Vao miditra ao enao dia faly avy hatrany... happy place...
Tandremo sao dia misy hanao zalozy indray eto an... tsara doly ny blaogintsika rehetra fa rehefa tsy maintsy asiana safidy kely dia mba safidiko izy ee... en plus, izy tena  cool be mintsiny. Tsy maintsy manome bisou sy lullaby isaky alohan'ny hatory isan'andro isan'andro.  

Tsy dia hitako loatra anefa ny sokajy tokony ampidirana azy... ilay hoe coup de coeur no tena mety aminy kanefa tsy tafiditra @ iny moa raha tsy miditra sokajy @ efa voalaza aloha.  Nisalasala ah @ hoe  tanora gasy ve sa vita gasy no mety kokoa dia farany nataoko ao @ ilay vita gasy izy. Io dia mikasika an'ireo blaogy misy ny resaka kolotoraly sy sosialy mikasika an'i Madagasikara.  Ny blaoginy moa rehefa jerena dia misy tonokalo, fialam-boly, torohevitra pratika, hirahira sy sarisary (misy mifandraika @ Madagasikara ny sasany), manakaiky kokoa noho ilay hoe tanora malagasy ee.

http://tritriva.unblog.fr

Mbola misy olona efatra ho nominer-ko izay ho lazaina tsirairay eto @ manaraka. Tsy ao anatin'izany aloha i baby fialam-boly na dia nisy nanolotra tao aza.  Satria za moa tsy dia tena hoe hifaninana serieux be, ary efa hoe tsy handray anjara mintsy aza aho mais bon... tsy azoko ferana ny zo an'ny olona ( quoi que  aza tratrako any ankodimirana an  )  sady  araka ny efa voalazako teo hoe mety mba hitombo ny mpitsidika  no sady hoe  lalaontsika  rehetra  izy ity e.

bon weekend doly,

-simp

ps: miala tsiny raha toa ka somary lavalava ny resaka fa miezaka ny manatratra  an'ilay tanjona 2009 iray izay ah hoe hitsako an'i jentl @ halavan'ny lahatsoratra ... vakio miadana. Paragraphy iray isan'andro 

 


I Wanna Have Some Sex on the Beach...

 

Yeah, this is happening!!
Sambatra enao mamaky anio fa tonga dia ho aposaka ampahibemaso eto ny faniriana tsiambarateloko... confession totale, tantaraiko doly izy rehetra.  Tsisy mahamenatra eto aloha satria hoy aho hoe ny 90% an'ny lelah eto ambonin'ny tany mifantasima an'zany daholo. Fa ny tena heveriko koa aza dia ny vevavy no tena mitsiriritra mafy an'io hoe tena mba ahoana tokoa aza ra izany revy izany no miainga...

Asa raha mahatadidy nareo t@ 1997-2000 tany ho any, t@ izany mbola nalaza be ny rythme techno. Singanina manokana eto ny vengaboys, nalaza be mintsy  le hoe braziiiiiilll, nampisokatra ny mason'ny taranaky adama rehetra hoe ity tokoa no tany nampanantenaina.   Ry zareo izany no ni-interpreter an'ilay hoe sex on the beach nataon'ny T-spoon iny. Ny tena tiako hahatongavana eto dia ny hoe vevavy no tena mihira mavitrika @ ilay hira an. Mazava ngamba ny resaka.

Koa mamela ahy ary ianareo raha mba hilazako ny fomba hitiavako azy manokana, ary hitako tena mahomby hahatongavana @ tanjona ilaina. Vonona doly ve? (assume the position). Toy izao ary:

Afangaro ao anaty tavoangy ny glacons sy ny ranom-boasary, vodka kely ary jus de paiso (na izay tinao). Dia ahotsakotsana tsara an, atao anaty vera dia vita. Aza adino ny silaka voasary kely atao haingony... mazotoa ooo

Ato ny fanazavana fanampiny sy ny horonan-tsary mamelabelatra ny tena fandehany.

Ao doly ve? 

Mitsikitsiky daholo @ izay ary eee 

Za tena gaga be mintsy vao naheno an'io voalohany... in a??... Ny tena marina tena sarotra be mintsy itony resam-pitiavana itony... Ny ankizy ankehitrio efa tsy misalasala intsony, misy mametraka fanotaniana @ forum hoe tokony manao premier pas ve ny vehivavy? dia hoe: oadray, efa taonjato faha21 izao... dia niomehezana koa ilay bandy miteny hoe sarotra be ny mikoty sipa @ teny gasy... ka eritrereto hoe ilay sipa no manatona an'ilay bandy, izany hoe hanolotra zava-pisotro izany, fika tsotsotra tsy dia "open" loatra:
> inona no mety aminao?
>> ie, firaisana ara-nofo eny amoron-dranomasina raha azo atao.

Misy raha laterra


New Seat Belt Law

 

Voaray tao anaty imailaka izy ity. Mila aparitaka maika dia maika... ery ambany ny dikan-teny malalaka:

New Seat Belt law

This becomes effective
October 1st, 2009 in ALL Countries.
The National Highway Safety Council has done extensive testing on a newly Designed seat belt.
Results show that accidents can be reduced by as much as 95%
when the belt is properly installed.
Correct Installation is illustrated below.......
Please pass on to family and friends.
THIS MAY HELP SAVE A LIFE!

 

Dikan-teny:

Lalana vaovao momba ny fehikibo fiarovana ao anaty fiara.

Manan-kery izy ity manomboka ny 01 Octobra, @ firenena rehetra eto ambonin'tany.
Nanao fanadihadiana sy fanandramana @ fehikibo fiarovana vaovao ny ao @ vondrom-pahefana misahana ny fifamoivoizana. Hita t@ izany aza fa mety hihena hatr@ 95% ny sahan'ny lozam-piarakodia raha toa ka voapetraka araka ny tokony ho izy ilay fehikibo. Miseho eo @ ilay sary io ambony io ny toromarika. Ampitampitao @ fianakaviana, namana aman-tsakaiza ary olom-pantatra. SAHIA FA VONJY AINA NO ATAO.

 


Andriamanitra [edit]

 

Par definition, izy no ilay misy, tsy olombelona i Andriamanitra ary tsy avy eto ambonin'ny tany velively izy. Zany hoe extra-terrestre i A/tra izany. Ra izay aza no zohiana, azo eritreretina ve fa etre, zany hoe "misy" avy any @ galaxia/planeta hafa any izy?

Efa ela ihany no nieritreretako an'io. Efa hatr@ ireny resaka fanahy an'i lapino hoe dimension 10 , @ String theory no mety ahafahana manasokajy ny fanahy  kay izay no mahasarotra azy ny mi-concevoir physiquement @ maso hoe ahoana ny poziny... Mifandraika @ izay ihany, sao dia mba "misy"  extra-terrestre ary i A/tra. Aza misy misafoaka aloha an.

Jereo anie e, fantatra/inoana fa misy izy fa tsy mbola nisy nahita azy teto ambonin'ny tany. Moa ka tsy mitovy @ izany ihany koa va ny extra-terrestre? Mahalala zavatra maro, mba tsy hilazana hoe ny rehetra izy, ary manana hery ( mety hoe teknolojika??) avo lavitra noho ny fahaizana sy fahafahana an'ny olombelona. Dia extra-terrestre napetraka ee.

Efa elaela izay,  nanokatra dinika  momba ny fisian'ny aina ivelan'ny tany aho. Tsy dia nisy zavatra mivaingana firy hitako avy tao hoe aiza ho aiza ao @ baiboly ny milaza ny fisian'ny zavatra na misy eny ambony/ambany eny... Zany hoe na ny publication an'i A/tra aza tsy nilaza ny mikasika ny eny. Tsy efa suspect be ve izany? 

Ny hany mba hita tao dia ny hoe nisy olona niakatra velona any an-danitra, ilay planeta misy an'i A/tra io.  Pouvoir mazika miampy teleportation hoy ah. Misy ny  hoe nalefa t@ soavaly vy, fusee fa mbola tsy kobon'zala fotsiny.   ka aza taitra ra mahare an'ireny hoe OVNI na otr'zany ireny fa nisy anjely diso lalana... le hoe latsaka an-tany ee  

Mahazo misafoaka @ izay
Ny tena tsapako t@ ilay film hoe anjely sy demony iny, dia ny hoe miezaka mi-etouffer ny fikarohana ara-tsiantifika somary tsy nahazatra ny fiangonana (katolika io fa  ny secta tsy haiko an). Asa na matahotra nga na hoe sao dia mampivadi-pinoana ny zanakondry be loatra ... fa hoy aho hoe sao dia mba marina ary ity rediredy ity... manakambana ny teoria siantifika sy ny fotom-pinoana kristianina tanteraka anie ity e...

Zany hoe misy ny A/tra izay "misy" any @ planeta hafa any izay tena tompo mahery tokoa mihoatra @ olona ety an-tany. Ndeha hatao hoe mety manana hery @ galaxia antsika koa aza izy. Tsy manova ny teoria izany. Otran'ny hoe isika manana pouvoir mazika @ galaxia an'ny vitsika ohatra...

Ny hany mila ahitsy fotsiny dia hoe misy diso ny boky ny Jenezy (Genesisy). Tsy izao tontolo izao no izao tontolo izao ao fa ny izao tontolo izao @ ilay A/tra manjaka @ izao tontolo izao antsika... eny e, mety diso koa aloha izany fa mety misy hoe tena A/tra @ izao tontolo izao an'ny izao tontolo izao fa en tt cas ny subalterne sy aides ohatra hoe anjely/demony dia any @ planeta hafa fotsiny no mipetraka. Ireo dia "misy" ambonimbony kokoa noho ny olona fa amban'i A/tra ary voaprograma hiaro/hanakorotana ny fiainan'ny ol...

Teoria fanampiny:
Ilay lazaina fa hoe afobe sy hoe paradisa iny dia  planeta na kitana hafa. Ny olona izany dia mizara roa ny momba azy dia ny composante vatana sy ny fanahy. Rehefa maty ny olona dia miala ny vatana fa ny fanahy no "miampita" makany @ le planeta tokony handehanany.  Mety hoe teleporation koa io fa zany hoe techniquement izany dia hoe fampitana ny matiere "fanahy" (@ le dimension 10 io an). Ny afobe izany dia planeta mamaivay, ohatra hoe masoandro. Ozy hoe afo tsy mety maty ozy, otran'ny masoandro izay inoana fa mbola misy milliard taona vao ho lany ny angovo ao... Ny paradisa kosa ny planeta hiainan'i A/tra. Araka ny efa volaza ihany hoe hiara hiaina amiko ozy... efa afaka manao presumption kely sahady eto hoe etat "fanahy" izany i A/tra, na du moins izay mipetraka any @ planetany. Ohatra hoe ny anjely...

Tsy haiko eee,,, rediredy,,, tsy zakan'ny saiko... aleo alou hidaina kely
sniff sniff chouff chouff 

 

 


Finding True Love

Fa ny lelah ve dia tsy maintsy mampirafy e?
In a? Raha tsy miss vehivavy manaiky miaraka @ lelah efa manam-bady tsy hisy lehilahy hampirafy izany e. Misy vehivavy mampirafy koa anie ee, sahala ihany isika @ io lafiny io.

Fa manin kay ny vehivavy no mampirafy e?
Matoa izy izay mampirafy dia misy zavatra tsy ampy ao aminy ao. Na tambitamby io na fitiavana na hoe fahafahana tsotra izao. Ny ara-bola moa tsy lazaina intsony. Tsy eo aminareo ny toerana dia may vava ianareo.

Love is wicked...
Mba misy firy eo ho eo izao ny isan'ny olona miaraka @ olona tena @ 100%  nonofinofisany ary mahafapo azy? misy ve ny hoe destin? anjara sy safidy hono izy io. Raha misy olona mifidy ny destin an'ny sasany izany dia mifandiso daholo ny destin an'ny olona rehetra... Mety ho izay angamba satria vitsy ny tojo ilay anjara... ao ny efa manambady vao nahita ny tena tiany. Ao ny nahita ny tiany fa tsy mitovy saranga/volon-koditra/finoana. Betsaka ny nieritreritra ny hoe nahazo ny niriako ah, refa tafiditra vao tonga saina hoe tsy izy tampoka ity. Ny ankamaroany moa dia miezaka ny mankafy ny efa azo.  Tsy misy ny tonga lafatra ary ho aiza rahateo intsony koa moa ee.

An an an ka
Tena misy ny tena atao hoe fitiavana marina. Mino aho fa bedabe ny afaka hanao vavolombelona eto. Hitako t@ fotoana tsy nampoizina toy ny kotrobaratra avy any andanitra toy ny nisy voromailala nanao hoe inty ny zanako malalako henoy izy. Indray andro rehefa nahita ny mombamomba an'i Ellen Degeneres ah. Eritrereto hoe i Portia de Rossi vehivavy 36 taona, manja, manana ny ampy ary mahazaka izay ol tiany no nanambady an'i Ellen Degeneres izay ramatoa efa 51 taona.

Dia ahoana ary?
Sao dia mba tsy @ ireny fitiavana clichE ireny aza ny anjarantsika e. Mba marina e, aoka isika tsy hiteniteny foana sy hitsara avy hatrany ny tovovavy malagasy manambady vazah  somary efa mahazo taona. Mety ho fitiavana marina anie ny azy ee. Raha ohatra moa tsy zakan'ny fiaraha-monina malagasy mihintsy izay dia hoy ah hoe dia aleo izany vehivavy vazah somary mahazo taona no iarahan'ny vehivavy malagasy. Soa fianatra io rankizy a

Annualism...
Zavatra nalaza t@ ity taonjato faha21 ity izy ity. Izany hoe olona iray no miezaka manao zavatra "extreme" mandritra erin-taona dia mamoaka boky momba izany. Nisy olona iray izao dia hoe tsy nanao firaisana ara-nofo mandritra ny erin-taona hono izy. Ny iray hafa hoe hanao isan'andro isan'andro. Bedabe fa jereo le rohy io.

Dia manin?
Dia mba lasa ny eritreritro hoe sao dia mba tokony hanao ny tsy fanao aza. Sarotra be anie ny mahita ny hoe tena fitiavana marina e. Ka iza no mahita kle. Taloha ah zao nieritreritra foana hoe tsy misy kaly matsiro noho ny tsaramaso sosy... mandrapahitako ny akoho gasy sy sakamalao atao rony. Modely tokony halain-tahaka i Ellen Degeneres sy Portia de Rossi.

Don't say it...
Tsy mety ve raha miaraka @ ramatoa 51 taona ah mandritra ny erin-taona. Tsy voatery 51 taona fa hoe olona manana zanaka antitra noho izaho e. Sao dia mba any ny tena fitiavana manko. Sady afaka manangana blaogy vaovao mety ho be mpanaraka, mahatsako ny "rado ilay fitiavako fahiny" ah

Elah ve adala e... and GROSS!!
Efa hatr@ izay no fantako fa tsy maintsy ho tena supermegahyperexceptionelle ny fitiavako tena marina e. Vazimba sy mikea ary pigmee aloha no noeritreretiko voalohany kanefa rehefa natao ny fandinihana dia tena otran'ny tsy ampy metatra be ry zalah ka otran'ny tonga dia tsy miady @ piesiko. Nieritreritra indray ah avy eo hoe tena poinsa fa vampira ra zany lelika e. Indrisy fa nosimbain'ny twilight ny nofinofiko (tsy haiko mintsy hoe in no mampatsara an'iny horonan-tsary iny aloha e ). Ny hany faraheriko izany dia hoy  ah hoe extraterrestre izany izy. Efa vonona mintsy ny hanagana agence intergalactical dating services... hatr@ zao anefa toa mbola tsisy namaly ny antso avo.

Teo ah vao saina tonga hoe sao dia mba efa eto aza le izy fa za fotsiny no tsy mahita... ramatoa 51 taona, lesbienne, manana sipa/vady 36 taona (ladies?).

Mety sa tsy mety?

The end.

 


zzzzzzzzzzzzzzzzzzzz

 

ouh lala
Nahita tagy vaovao indray ah
Efa manomboka leo ve nareo?  Tsy aleo ve tagy toy izay resaka politika tsisy farany sady mandreran-tsaina ity ee. Tsy hoe ratsy ny politika ary amporisihana mintsy ny firesahina azy @ itony sehatra itony fa mba hoe maka souffle kely aloha fa hoavy indray ny gidragidra adiseza ato ho ato.

Za aza mieritreritra fa tokony atao tradition @ blaogy @ izay itony resaka tagy tagy itony. Ohatra hoe isam-bolana asiana tagy vaovao foana. Na isan-telo volana fara faharatsiny. Mafinaritra ny milalao, sa ahoana?  Rehefa lalao ahafahan'ny olona maro mandray anjara dia tagy izay.

Androany hariva sisa, ny ilay ora niandrasany ilay tagy milay be mikasika ny mombamomba  anao. Efa bedabe izay tagy fampafantarana ny momba ny tsirairay izay ary  mbola tsy vita aza ny sasany. Fa hoy aho hoe ity tagy iray ity angamba  mba anisan'ny mamintina azy, hoe mahalaza zavatra betsaka.

Toy izao ary: mandehana ao @ http://www.mypersonality.info/  dia ataovy ilay  personality-type test sy multi-intelligence test(*). Misy fanotaniana bedabe, mihoatra ny 70 ra tsy diso ah, valiana dia manome karazana diagnostika kely momba anao izy.  Tena manampy bedabe hoy aho hahafantaranao ny momba anao. Genre hoe mahita an'ilay fanotaniana enao vao mieritreritra hoe ahoana tokoa moa izaho ity mikasika an'izao sy izao. Tsy mitsara izy an, hoe ratsy izao na tsara izao. Tsy manome torohevitra koa izy. Fa manampy hoy aho. Ka hoy aho hoe ataovy ilay test ee. Tsy manin na tsy atranganao @ blog aza ny valiny fa izay no maha tagy mahafinaritra azy. Tsy voatery, fa ze tinao ihany io.

Click to view my Personality Profile page

Za manokana moa dia sendrasendra no nandehanako tao fa hitako milay. Ny antony tena nametrahako an'le izy eto (plus an'le hoe tagy mafinaritra izany)  dia mba hampifalifaliana an'ilay olona (sa ireo olona maromaro?) milaza fa "fake" be ny valiny nataoko t@ ilay quizz tao @ fesse iny hoe How well do you know xxx?? dia izay, io ny valiny ny test. Tandremo soa mbola 10% eo ihany @ quizz manaraka 

Qui m'aime, me suive 

 

(*) mila misoratra anarana vao afaka manao an'le test. Azo adika @ GooGle translate, jereo eto, ho teny frantsay raha ilaina.

ps: tsy nahita titra ah dia feo ana telefona vibrera no lasa titra  zzzzzzzzzzzzzzzzz


simplexology

Birds flying high, you know how I feel...
Fish in the sea, you know how I feel...
Stars when you shine, you know how I feel...

Feno telo taona androany i baby fialam-boly ka dia manasa antsika  hitsikitsiky sy mi-chin-chin (moralement) eto doly.   Akanjo vaovao indray ny cadeau d'anniversaire-ny. Mbola tsy vita tsara. Ohatra ny fanaovana komantera sy ny titra sasany otran'ny mbola tsy mety. Naika asiako "motto" kely koa eo ambanin'ilay hoe "Fialam-boly" ngoza be io fa otran'ny mbola acrobatie be ny manao an'le izy ka aleo @ manaraka ngambany. Sady mbola tsy fantatra ilay fehezan-teny kely atao eo...

Bedabe mintsy ny zavatra saika ho lazaiko ny mikasika ny reforme izay atao @ ity blaogy ity fa saingy hoe tena nandany andro be ny nanolo akanjo an'lery dia tsisy tadidiko tsony ny  ankamaroany. Lazaina @ manaraka ngamba izay adino na avela ho @ erin-taona indray.

Ny voalohany izany dia somary atao blaogy misy dikany @ izay ity zazakely ity. Efa telo taona tsin, tokony alefa mianatra any @ Jardin d'enfant @ izay   Zany hoe mety tsisy dikany ihany aloha fa mba hoe misy dikany @ mpanoratra ngambany. Nisy olona niresaka tamiko izay izay dia ozy hoe raha tsy manao zavatra "crazy",  sy hoe "huge mistake" mintsy enao dia lasa "boring" (zany hoe ennuyeux, tsy cool) wazy. Raha mbola tsy ni-sentir hoe misedra ny mafy (overwhelmed) @ zavatra mitranga enao dia mbola tsy niaina izay... noho izany rehetra izany ary dia aza omena tsiny raha misy gidragidra mitranga eto... I'm giving a meaning to my life... 

Mbola projet doly izany fa sao dia misy manatena be eo an. Cela va de soi hoe "censored" ny zavatra perso be   @ izao aloha dia fanaperana ny vary mangatsiaka no ezahina.  Ny posts rehetra efa noeritreretina hatao... ireny tagy tagy mbola tsy vita ireny koa (quoi que mety mitohy hatr@ erin-taona ngamba ny sasany noho ny antony tsy haiko)... bref, ny tiako tenenina hoe ny tsisy dikany ngambany no misy dikany amiko  zany hoe tsy hisy fiovana firy eto afatsy ny hoe mety hiezaka ny andefa fisainana lavitra @ izay ny mpamaky rehefa manao tsisy dikany ah... satria...

Satria... tsy haiko... tsy hitanareo hoe ilay zavatra kely hiomehezana  ireny ve no tena mampilay an'le blaogy. Genre ny style an'jentl hoe zavatra tsisy hifandraisany anaki2 no indray tantaraina... na le mifainty otran'i DotMg sy imaintikely... na le resaka tsisy introduction, tsy fantampiaviana an'i ikalakely... titra tsy misy ifandraisany...  yeah, we rock like that, u know  u like it! 

Farany, ny komantera dia ezahintsika atao araka ilay hevitra milay be iny.  Zany hoe lasa tsisy an'ilay nomerao kely tsony ity template ampiasaiko ity. Ka dia ovaina kely hoe raha ps iray ihany no ampiasaina fa asiana nomerao kely any @ farany. Ohatra hoe raha i simp no manoratra voalohany dia manao hoe simp1. Izay tonga faharoa dia simp2... Flexible ilay izy fa tsy voatery manao an'zay akory isika fa ze mety aminao te hametraka hevitra atao... ny message tiako ampitaina fotsiny dia ny hoe indraindray tsara kokoa raha ny hevitra no ampiadiana fa tsy ny ps... sinon, tsy manin koa ra samy mampiasa ny ps-ny aby.

Dia izao ary,  tadidinareo ve ilay hiran'i Ny ainga le hoe Ankadifotsy iny? le hoe avy eny Ampandrana lery nanatitra sipa nakeny Ambohipo. Kay ho any Tamatave le sipa ny ampitso... dia tsy nifankahita intsony ry zareo... tsy haiko hoe inona ny hidiran'zany eto aloha fa vao henoko vao eo fotsiny... oooooo oooooo ooooo le fond otran'ny hoe Joe Dassin, na hira 60's ireny eee... sssssssssssss lasa ah kan... siora doly eee

peace out,

 


Tsy Mirehareha fa Malagasy

 

T@ asabotsy heriny lasa teo ny fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'i Nelson Mandela, izay nanakoako tokoa satria niditra antsehatra hatr@ i ramatoa Carla Bruni-Sarkozy(*) mihintsy nanafana ny lanonana. i Nelson Mandela moa dia tsy izoviana amintsika fa anisan'ireo olo-manga vitsy Afrikanina.  Izy no niaritra ny mafy hiadiana ny Apartheid, hanome zo ireo  mainty Afrikanina Tantsimo (jereo ato)... lasalasa fotsiny  ny eritreritro hoe mba  hoe rahoviana aza  isika no mba hanana "Nelson Mandela" malagasy?

Rehefa natao ny fandinihana mantsy dia toe-tsaina sy herim-po toy ny nataon'i Mandela,  rehefa tafavoaka ny fonja izy, no ilaina mba hiravonan'ny disadisa  misy eto @ firenena; ary tsy hiverenan'iny krizy toy izao intsony.

Ny tena olana lehibe eo @ fisian'ny fitondrana tetezamita iaraha-manana @ izao fotoana izao manko dia ny resaka famelan-keloka (amnistie).  Hoe tsy mety, ary tsy manaiky ny famelan-keloka fahobe @ olona namono "vahoaka", sy nanao heloka be vava. Tsy hoe manambany ny ain'ny malagasy mpiray tanindrazana aho fa an'arivony maro ny aina nahafoy nandritra ny Apartheid. Tsy vitan'izany fa ny mainty rehetra dia niharan'ny harantsian-toetra faran'izay azo heverina. i Mandela nigadra nandritra ny 27 taona. Fa rehefa nivoaka izy dia ozy hoe aoka hifamela isika, ny lasa omba ny lasa fa ny hoavin'ny firenena no ndeha hojerena... ka hoy aho hoe sao dia mba soa fihanatra izany ry tgv sy ny hat isany.

Raha izao fiantombohan'ny raharaha izao manko, izany hoe ny HAT/tgv irery no hitondra an'io tetezamita io, dia sarotra inoana ihany ny tsy hisian'ny krizy ao anatin'ny 5 taona manaraka. Mazava anie fa samy te hitondra daholo e, eny fa na ireo izay mikambana ao @ HAT aza dia efa samy mitily ilay seza daholo.  Ireo mpiara-dia ao @ HAT ireo izany dia mazava fa ho mpifahavalo rehefa tapitra ny tetezamita. Toy ny t@ andron'i ra8 ihany io ee. 

Eny e, midradradra hoe demokratika sy mitondra ny revolusiona manitsy izay tsy nety nataon'i ra8 izy. Fa hatr@ izao aloha mbola tsy nanao zavatra misongadina izy hoe tsy mitovy @ nataon'i ra8 e. Atahorako ho vao mia koa pira noho ny ataon'i ra8 aza ny mitranga satria otran'ny tsy voafehin'i tgv daholo ny element-ny. Ity politika ekonomika somary sosialiste (sovietika) ity hoy aho  no tena hampianjera azy, na izay mitondra ao arinan'ny tetezamita eo raha tsy izy.

Tsy azo forcer-na ny vidin'entana sy ny famokarana re tompoko oo. Tonga dia miakatra be faran'ze loza ny vidim-piainana rehefa mitsahatra ny fanangejana izany. Otran'ny t@ andron'i Zafy Albert rehefa no-liberaliser-na  ny ekonomia ihany io. Ny JIRAMA aloha dia tsy manakivy ah fa dia efa miomana @ delestazy indray rehefa no-forcer-na hahidina ny vidin-jiro ee. Marina fa hoe te hampafaly vahoaka nareo kanefa mety tonga dia ho raikitra indray ny gidra refa tsy afaka manoatra tsony ny mpitondra afaka taona vitsivitsy... Tsy manakivy ah fa mety hitovy sort @ i ra8 ihany izany.

Ry ra8 sy deba sy Zafy indray moa  dia tsy hitako intsony izay ambara afa tsy ny hoe  anisan'ny mampiseho  ny fitiavanareo tanindrazana ny tsy fidiranareo intsony @ resaka politika. i Mandela afaka nanao mandat anaki2 fa anaki1 ihany no nataony, ary noteniny mintsy hoe fahendrena ary fampisehoana modely hoan'i Afrika izao. Tsara ny miala dieny mbola tsara ny tantara ahafahana mitsara anao. Eny e, matsiro ny fitondrana ary  tena fahafaham-baraka be izany hoe dakain'ny  olona, indrindra fa hoe boay kely, eo @ fiandrihanana izany.  Kanefa matoa voadaka teo dia nisy zavatra tsy mandeha @ ze lahoriny tao izay (ohatra hoe nandositra tany ivelany na koa nametra-pialana...). 

Ireo rehetra ireo no itenenako indray hoe tsy aleo ve miverina @ ilay soso-kevitra taloha hoe tsy aleo atao mahazo miverina eto Madagasikara i ra8 sy i deba.  Aleo Amnistier-na daholo ny resaka ara-politika, fa tsy maintsy atao mandoha izay nangalariny sy naodikodiny izay nanao izany. Ary indrindra indrindra dia ny hoe tsy mahazo mirotsaka ho filoha ireo filoham-pirenena teo aloha sy i tgv ary izay manana andraikitra rehetra ao @ fitondrana teteza-mita. Adinoy ireo ambitions politika manokana (personelle) fa olon-kafa tohanana. Tsy ny olona afaka hitondra anie no tsy misy ee... dia mba ho tonga @ le hoe: hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa izahay.

voila!

ps: 

1-  efa ela ity no naika ho soratako fa na izany aza azo sokajiana hoe mitohy @ tagin'i N2D ity

2- samihafa ny hoe "Tsy mirehareha" sy ny hoe "menatra" an

3- atomboka tsika eto ilay hoe ps iray daholo no ampiasain'ny olona rehetra. Tsy dia mino aho hoe hisy hi-comms aloha ity satria politika mais bon raha misy te hametraka hevitra dia izay indray no kozy vaovao. Izay mametraka voalohany no manolotra ny ps, ary izay mametraka manaraka an'izay dia tokony mampiasa an'ilay ps iny doly. Raha hamaly ny hevitry ny ps iray dia afaka asiana an'ilay nomerao menamena manamarika ny laharan'ny hevitra iny... 

 

(*) mbola tsy azoko mintsy hatr@ zao hoe ahoana ary no nahazakan'i ra-sarko an'iny ee 


Zazavavin-drano

 

euh...

euh...

euh...

hatr@ zao ve mbola tsy misy mitsikera ihany ilay honoris causa nozaraina omaly iny?  (tohiny)


Inona ary izany?

 

Misy tomobilina izany,  kamio io an.
Dia mitatitra trondro izy io.
Ny nomerao an'ilay fiara  dia: 9090

 

Inona aza ny tsonjo entiny?

 


7 pounds

 

Nanatrika ny fandevenana ny olona iray izay (tsy Michael Jackson ka) aho omaly. Tsy dia hoe hanao resaka perso na hoe "tribute" hoazy loatra no tena tiako atao eto na dia hoe asiako kely an'izay ihany aza.  (tohiny)


Tsisy Saina...

 

Tsy manan-tsaina aho... ka eto no atsangako...

 




Atolotra hoan'ny Ray rehetra, tanora fa indrindra ny antitra

 

Somary NSFW, tsy tsara jerena any ampiasana , @ maridrefy eo @ fiaraha-monina malagasy...  (tohiny)


Mitady Olon-tiana

 

Eritrereto hoe tena eo ampanoratana an'ity lahatsoratra mikasika ny fetin'ny reny ity aho no niserana teo @ masoko ny fahasoavan'A/tra. Tsy izany fa mody atao interressant ny fehezan-teny voalohany satria iny no mitranga eo @ famitinana @ pejy fandraisan'ny blaogy.com. Siora mintsy ah fa tonga dia liana be doly zao lisany haha :b:b:b

Toy izao ary ilay tantara, niditra tao @ serasera ah ary indro hitako teo @ pejy fandraisana ity zavatra nanitona ny masoko. Alohan'ny hanohizako azy dia efa lazaiko sahady fa diso hevitra ianao. Tsy sarin'olona akory izany. Sady manampy teny ihany ah  fa otran'ny fohikely tsy mahatsako an'i jentl mihintsy ny lahatsoratro (manaja anao sefo). Ny zavatra hitako sy nanaitra ny masoko izany dia ity filazana  izay eo @ zoron-trano natokana hoan'ny bizina.serasera.org. Mbola tsisy rohy aloha fa izao vao ho lazaiko ilay izy: mitady olon-tiana!!

Inona koa ary zany rediredin'letia izany? 
Tsy izany manko fa ny takelaka bizina dia natao hoan'ny resaka asa sy ra hoe te hibizina enao ee. Gaga fotsiny aho hoe tena otran'ny bizina mihintsy izany ny resaka fitiavana? Rehefa tafiditra tao @ ilay rohy aho manko dia mbola nahita teo @ sisiny ankavia rohy hafa anakiray hoe: olontiana.  gné??(**)

Ny namana serasera manko raha ny fiheverako azy dia tena natokana hoe hitadiavana namana na hoe sipa na hoe vady araka izay hilain'ilay mpikambana. Ka mahagaga ihany raha mbola misy olona tena manao "annonce" bizina manokana mihintsy hoe mitady olon-tiana. Asa, otran'ny tsy dia mety loatra angaha ny ao @ namana na hoe manan-danja kokoa raha bizina no atao. Ny zavatra hitako nampitovy azy roa ireo rahateo koa moa dia ny hoe mila olona "serieux" izy.

Nahoana tokoa moa no tsy raisina ho toy ny bizina ny resam-pitiavana ee? Sarotra tokoa ny fitadiavana taolan-tehezana. Na ny isan'ny divorce hita etsy sy eroa fotsiny aza, aleo tena atao matihanina sy manara-penitra tsara ny fifidiana an'ilay "the one". Ka rehefa @ izao taon-jato faha 21 izao dia aleo ampiasaina ny teknolojia ary apetraka @ maha bizina azy ny fikatsahana ny "fasahambarana".

Tsy tokony mitovy @ tolotr'asa tokoa ve ozy nareo ny fitadiavana olon-tiana/vady? Rehefa manao "embauche"  ilay mpanolotra no mifidy azy tsara hoe tena tsara kokoa ny CV anao. Mifandefa "correspondances" vitsivitsy aloha ary avy eo dia tonga @ "interviews" maromaro zay voafantina. Refa voafidy ny kandidah irary dia omena "contrat provisoire", atao probation izany hoe tsapaina raha mahay ny asa tsara ve enao. Matetika io 2 taona eo ho eo,  zany hoe mampiaraka, ka rehefa mamokatra ary mety tsara @ asa ilay olona dia omena contrat lava lava kokoa... tsy izany ve no atao hoe misoratra??

Eo @ bizina anefa rehefa voaray permanent ianao dia matetika eo @ 5 taona eo ny contrat voalohany. Ka hoy aho hoe sao dia izay ary no tsy nety t@ fomba amam-panao hatrizay teo @ fanambadiana.  Tokony ho 5taona, azo avaozina ny soratra fa tsy hoe mandra-paha divorce. Raha tsy mifanaraka afaka 5 taona dia tsy tohizana tsony fotsiny... Mino marimarina aho fa hihena tanteraka ny isan'ny divorce. Ny ankamaroan'ireo mitady hi-divorce alohan'ny 5 taona aza hiteny hoe aleo hiafiana eto fa izay taona vitsivitsy io ve sisa... moa raha tsy mieritreritra ny hi-divorce moa enao dia tohizana fotsiny ny contrat...

Tena optimale io satria tsy izoviana amintsika kosa angamba fa betsaka ny diso fanatenana t@ fanambadiany e. Ao ny lasa mamolava le razoky, ao ny kamolahy... ao no tsy nahazo fyany araka ny nieritreretana azy, ao ny lasa matavy be rain'ze loza... ao ny hoe efa nanambady vao tena nahita olona tiany... ka dia omena 2nde chance izy ireny.  Mety hihena koa izany taux an'ny fiodinana raha ovaina an'zay le izy.  Plus, mivoatra tanteraka ny fitovian-jo hoan'ny lahy sy ny vavy fa tsy hisy hoe fanaka malemy intsony... Isaorana anie A/tra!

Ka hoy aho hoe @ izao isika mieritreritra ny hanova lalam-panorenana izao  aleo tonga dia ampidirina any ireto fanitsiana anaki-2 ireto:

* ny sipa manja (hot girls) dia mahazo zavatra maimaim-poana (free stuff)!!
* 5ans renouvelable ny contrat de mariage.

En fait, miangavy ny GIC mba hampiditra an'io @  negociations eny @ Carlton mihintsy ee. Tsy mivaha io krizy io raha tsy tafiditra ao ireo fangatahan'ny vahoaka ireo.

Ho ela velona anie Madagasikara tsy mandohalika!
Homba antsika A/tra!

amen

 

(**) raha tsy hainao ny dikany dia anotanio an'ny namana booboo 

 

ps: misaotra anao namaky an'ity 


Proudly Malagasy: tag

 

Matoa ianao mahazo an'ity zavatra holazaiko ity dia na ianao malagasy na ianao tia an'i madagasikara, nianatra teny malagasy. Tsy izany hoaho fa asa ianareo raha toa ahy fa dia tonga saina tanteraka t@ namaky an'ilay lahatsoratr'i sitl iny.  Mety hoe onjam-piainana nga sa inona loatra fa dia otran'ny iraisan'ny be sy ny maro ny hevitra hoe midika inona moa izay malagasy?  (tohiny)


Deja Vous

 

Asa raha misy joincidence na ahoana fa tato ho ato izany dia lasa otran'ny manana tendance suicidaire izany doly ny film hitako.  Ka lasa ihany ny saiko hoe ra zao tokoa moa? toa miodina ihany ny tany kanefa dia toa tsy mirotsona akory izaho/isika. Mino aho fa efa manana an'ilay lisitra doly. Satria araka ny @ film hoe refa ho faty enao dia mandalo en flash eo @ masonao doly ny fiainanao iray manotolo. Zany hoe ra mbola tsy maty dia aleo ezahina tsipihana tsirairay aloha ny tanjona ao @ lisitra sitrany ahay. Mba ho fatsiarovana fa nandalo teto antany ny anarako.  (tohiny)


Aza Misy Miteninteny

 

Vao henoko vao eo... mahalaza zavatra tokoa:

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin'omby amin'ny andro migaina,
Omaly nijaly, anio mitaraina...
Manao azafady amin'ireo manan-tsaina
F'ilay Gasikara no saika holazaina...

Aza misy miteniteny ! (1n-3)

Saretin'omby mandady mihisatra,
Lasana foana izy na tsy mandrifatra...
Tratry ny mafy ny emperialisita,
Voahozongozona ka nibolisatra...
Fa tsy hiala izy na hankasitraka
Ary ny gadra no mody nafitsaka
Fa dia soloiny kofehy fisapisaka,
Sarintsaromany lainga sy fitaka,
Izy eo ihany fa mody mikisaka
Indray andro any izy mbola ho voakipaka...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)


Aza misy miteniteny ! (in-3)

 

Andininy 2 fotsiny io fa jereo eto izy iray manotolo. Ngamba mpaminany i Tarika fa kobony hoe ho ampiasaina imbetsaka ity hira ity haha

c trop d'actualité! Cool 


Is r8 Cool??

 

Raha mbola mitavozavoza @ fanaovana absurdite  politika ny tgv dia tsapan-dra8 kosa ny lakile an'ny fandresena @ tolona.  Tsy inona izany fa ny fanaovana ho bandy milay.  (tohiny)


Are We There Yet?

 

Eny Ankatso izany no misy ny mamba...

* fampihasana hery miaramila  @ "vahoaka": check!

* famonoana olona: check!

* fanakatonana (an-keriny) radio privee: check!

* monopole ny RNM, TVM: check!

* fanagadrana sy famingampinganana ara-politika: check!

* fanitsakitsahana lalam-panorenana: check!

* fanaparitahana tsaho: check!

* fiziriziriana @ heviny: check!

* famelomana parasite, mpamadika palitao: check!

* sns: coming soon! (tohiny)


Namana...

 

Efa ela ihany no nanitikitika ahy ity fanotaniana ity hoe inona marina moa no atao hoe namana? (tohiny)


Say What You Want

 

Maro ny namoy ny aina ary efa arivo mahery izao ny tra-boina vokatry ny fandalovan'ikala Jade. Asa na mba manahoana ny fanampiana  (tohiny)


Parceque...

 

It's  32 bit color now...  (tohiny)


Soooooo Screwed Yet?

 

Mbola tsy nisy fotoana naha-tena "hopeless"  ny firenentsika toy izao angamba raha ny fahitako azy. Eny e, mbola tsy teraka aho na hoe mbola kely t@ izany hoe krizy tsisy in in azo vidiana/ampiasaina izany teto, tany @ taona 80 tany hono, tsy mikaonty. Fa izao ora izao no azo lazaina fa tsisy olona azo antenaina intsony hanavotra antsika. Iza no mba hianteherana, asa aleo fitinina kely aloha hoe hazava tsara:  (tohiny)


Breathe, Just Breathe

 

               Aoka aho,
               Mba ho tompon-tsafidy,
               Mba tsy havela hihidy,
               Ty vavako miteny
               Ampy ho ahy izay,
               Nitondra mangidy,
               Tsy tiako ho tadidy,
               Reny rehetra ireny...
      
               F'izaho sy ialahy,
               Hamafy hafaliana,
               Hanome fanampiana,
               Ny mitovy amiko,
               Raha eo ialahy,
               Hiteny ireo nangiana
               FAHAFAHANA no iriana,
               Ho an'ny Taniko..........

 Sombiny avy @  "rafahafahana", Mahaleo


Masoandro...

 


I Will Always Remember...

 

Nodimandry anio Mar 19, 2009, i Kamba.

Nitondra tsiky sy hafanam-po teto @ aterineto nandritra ny taona 2008...

Mandria ampiadanana...


Define "Vahoaka"

Vahoaka:

Ny atao hoe vahoaka dia olona maromaro mitangorona, manohana olona/hevitra/toe-javatra iray.

 (tohiny)


I Am a Woman, Hear Me!!

 

Tahak'izay aho mba lelah 
picoti, picota
Dia mba nirotsaka ho soldat
picoti, picota
Rehefa tonga ny @ folo
dia efa miantso ireo voron-dolo

 (tohiny)


Resa-Poza... orana ;-)

 

Nareo ve tsy mahatsapa hoe misy olona manao aferafera maizina ato? aiza ve ranga ka misy olona mamorona tagy tsy fantam-piaviana tampotampoka eo. Mila manao demande officielle any @ sekretera anie e. Ny sasany moa efa lazaina hoe mba avelao ho depressif kely aho fa tiako ny tanindrazako ka eee. Na hiala aina eto aza dia tsy mba omena zo hoan'ny fara-hafatry ny maty mintsy. Ny God-father-n'ny tagy moa dia tsy omena tsiny fa miasa any @ maloka, tsy hita izay niantombohany fa efa eny @ tarehinao ny totondry tagy vao saina tonga. Ny sasany dia hita mazava hoe kolikoly, na tagy iray aza tsy nataony kanefa dia tsy tahotra tsy henatra mitagy ny vahoaka tsy manan-tsiny. Mazava ny didi-jadona. Tsy manaiky aho raha tsy misy transition eto. Greve generale manomboka rampitso.  (tohiny)


Leo Be

Nareo ve tsy leo be an'le resaka krizy?

Efa ela ihany aho no nikasa ny hanoratra ny hevitra tena  tohanako @ ity krizy mitranga eto @ firenentsika ity. Somary tsy dia nety foana anefa ny fotoana fa na otran'ny mitady hiravona ilay krizy na tena mamaivay be ny krizy. Ra tapitra moa ny krizy dia tsy ilaina intsony ny be resaka momba izany. Ra mbola mangotraka be indray dia tsy tsara ihany koa satria tsy hisy hahazo ny zavatra lazaina fa dia ny hevitra efa any antsain'ny mpamaky foana no hiezahany tandrovina ra mamaky ny hevitrao izy...  Angamba fotoana tsara kosa izao ny hilazana izany hoy aho.

Ra ny hevitro manokana aloha dia samy tsy manana ny rariny na i tgv na i ra8 e. Ny teny hoe "rariny" mintsy ihany koa no tsy tokony horesahina akory @ ity resaka ity ny fahitako azy. Na inona antony na iza no diso dia  mazava fa misy krizy eto @ tanana. Ny tokony hatao sy ny zavatra tsara azo tsoahina @  ity krizy ity no manan-danja amintsika @ izao. 

Efa noteneniko ihany ity hoe isika dia lany andro manao brouillon foana fa tsy mba mahavita manao zavatra hoe serieux izany. Tsy mba mandray anatra @ tantara fa dia mamerin-desona lava. Izay tolona rehetra natao teto @ firenena dia mba ho fanatsarana ny firenena ny tanjona kanefa dia miafara @ tolona foana ihany koa izany.  Sady ny tena mampiomehy dia misy olona natao hitolona mandra-maty...  rahoviana indray zao ny tolona manaraka rehefa tapitra ny @ ity? Ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsy aleo ve ity no atao tolona farany e? 

Ny tena fototry olana manko dia adino ny tolona rehefa miravona ilay disadisa nampisy ny tolona. Hany ka adino hatr@ ilay firehin-kevitra nitolomana.  Na tsy aisiana resaka toe-karena aza fa hoe ny resaka demokrasia, fototry ny fandriam-pahalemana ara-politika. Jereo anie e, i ra8 otran'ny mesia ery t@ 2002, ary izany "liberte de presse"  izany dia tena niadiana mafy ery t@ izany. Jereo anefa ny nataony refa tonga teo izy.  Dia eritrereto toy izany koa ny mety hitranga rehefa afaka fotoana fohy @ i tgv, ra i lery irery indray no ho tompon'ny tanana.  

Asa ianareo fa anisan'ny zavatra mba tiako t@ propagandin'ny baraka  dia lery miteny hoe ao anatin'ny zao andro/volana/taona dia tsy maintsy vitako ity. Akatona ny Gitmo ohatra. Izay manko no tena olana be @ i ra8, lery tsy manda an'ny zavatra nitolomana t@ 2002 ireny fa ozy fotsiny hoe mbola tsy fotoanany izao... en attendant izy manao didin'ny be sandry eraky ny tanana.  Tokony atao mangarahara izany ny tanjona @ tolona eo @ 13mai fa tsy atao  hoe  transition ny tanjona dia izay. Tsy fantatra mintsy hoe transition @ in?  Tokony asiana planina mazava hoe in no hatao @ liberte de presse, miaraka @ fandaharam-potoana hoe alohan'ny faran'ny taona ity tsy maintsy vita fa ra tsy izany dia mametra-pialana aho...

Bon, tsy hoe manohana an'i tgv ah ra miteny an'zany aloha fa na iza na iza mitondra eo aorinan'ny tolona no tiako tenenina. Ny tena tiako aza ra za manokana dia tokony samy eo @ fitondrana i r8 sy tgv eny fa na  ireo mpanohitra dinaozoro aza.  Enfin, solo-tena zany satria be loatra ry zalah e. Rehefa olona mpi-fahavalo no miaraka mitondra manko dia poinsa tsy misy afaka maka tombony ary manjaka manokana @'ny firenena. Eny e, mety tsy hisy rara vanona ary poinsa tsy hande ny resaka toe-karena @ izany. Fa ny tena tanjona dia ny hametrahana ny rafitra matotra mifandraika @ ilay hevi-dehibe niadiana t@ tolona. Ohatra hoe "liberte de presse", comission electorale independante, haute court de justice, agence anti-corruption tsy miankina @ executif, plafond @ financement campagne electorale, ny reforme ny antoko politika (tsy tokony asiana an'izany hoe antoko politika otran'ny fananam-pianakaviana izany.. tim and-ra8, tgv an'i tgv tssssssssssss)... apetraka ary atao matotra tsara ao anatin'ny fotoana voafetra  ireo dia izay @ izay vao asiana fifidianana.

Soratako ity satria tsy hiresaka krizy intsony aho manomboka anio. Tena marina kosa fa mankaleo be le izy kle. Mandritra ny 1 volana ve ranga tsy mahita afa-tsy resaka krizy lelika e .  Dia tsy mahita zavatra ho torahana ankoatry ny resaka krizy ve isika? mifohaza ry mpitoraka blaogy isany oo. Tonga dia mazoto be ah mamaky ra misy manao resaka tsy krizy eo, sady hitehaka mintsy ah ny tena marina ee :b:b:b

 

 


Pronostika Anio

 

Fa nga tsy hamono olona androany letia e? 
Hatr@ zao mbola tsisy in in ihany any @ twitter!!
Kozy tsy handiso pronostika ry zalah ireto 

 (tohiny)


Let It Be

 

Hahery va re ilay ankasooooooooo
Ry fo mitaraina hoe andrasoooooo
Ny didin'ilay fitsaranaaaaaaa
Ny herin'ilay fitondrana

Ry rariny o
Ampio
Fa hafarany e
Anio
Anton'izao
Fa miandrandra anao

Ny ranomasina manonja o
Moa ve dia tsy hitony
Sa vetivety monja
Dia tsy hitoby intsony

--  solika


Vetsovetsoko

Ny hamisavisana ny ratsy hono mba hiavian'ny soa... Mivazivazy foana aho matetika t@ ny mikasika ity krizy eto @ firenentsika ity. Misy tena izy ary scenario marina mety hitranga ihany anefa izy ireny. Manahy mafy aho fa mety @ sabotsy tokoa ny fotoana hanombohan'ilay redirediko iny. Aza hitako, aza mahita ahy... Toa tsy hita be an'ny ihany anefa izay ho lazaina  (tohiny)


Wazaaaaaaaaaup!!!!

 

Mihomehy Tany Vaky!!

*true story*

 (tohiny)


Deba: The Return II

 

Film action
gidragidra
masaka be

 (tohiny)


I Told You So

 

 

Tsy mihomehy loza aho aloha mba tsy hisy hiteny hoe ratsy toetra koa ity simp ity an. Manaraka ny fandehan-javatra ara voajanahary isika, araka ny efa voalaza.  Koa izao ary, araka ny maha tsara fanahy sy olona faran'izay tia tanindrazana ary tia mpiray tanindrazana amiko dia atolotro anareo en eklozivite ny vahaolana mahomby @ izao setrasetran'ny tany izao. 

 (tohiny)


Jungle Country

 

Dedicated to those who came before us,
To those who walk this journey with us,
And to those who will follow.
May we learn from the successes and failures of our ancestors
as we try to lead the way for generations to come...

  (tohiny)


Tantsaha Wannabe

 

Asa ianareo raha mba toa ahy fa izaho dia mieritreritra lava hoe diso kariera. Zany hoe tsy mahatombotsiraka no tena marina e. Ze ataoko rehetra otran'ny tsy tiako doly...  te ho kosmolojista hanadihady ny niforonan'izao tontonlo izao ee... hianatra ny fiforonan'ny olona  sy ny dinaozoro ee... toa efa lany andro @ zavatra hafa ny hatanorana vao tonga saina hoe diso lalana ah letia ee. (tohiny)


... Mitady Sipa Virjiny...

 

Tonga dia misy sonnE be ndray zao eo an.
Efa hoe tsy hiresaka virjiny intsony aho @ ity taona ity. Tsy manaja vehivavy hono izany. Ny tena marina efa niezaka ny tsy handefa bolongana mihintsy aho hoe @ ity volana ity. Toa herim-po very maina anefa izany, tena tsy vitako ee. I can't help it, you're close to my heart! (tohiny)


A Nos Actes ManquEs

 

Dia efa manakaiky sahady ilay ora farany... Faly sahirana satria tonga ny fety kanefa toa mandindona ao antsaina sahady ny hoe mihaantitra ihany ah letia e...  (tohiny)


Happy Festive Season

 

The Lord is My Shepherd...

 (tohiny)


Dralako avao

Nahita vola teny an-dalana ah!!
En fait, efa t@ larobia zany fa hatr@ zao mbola j'en reviens pas.  Tsy dia be resaka perso eto ah ny tena marina fa tena otran'ny miracle kely le izy dia mba tahirizina; vakiana rehefa sendra ny misy ilana azy any aoriana any hihi

 (tohiny)


United States of Africa

 

 

...random thoughts ambiance magique vetsovetso plead for Congo Lucy Kere ah Baba a neo-colonialisme safari v extreme poverty leasing Schgeumland  democratie harena mugabe piramids fihavanana enfant soldat tsy hiala ah blood diamond solidarite nationale t cry for Darfur looting raping killing SIDA genocide matiere premiere *jungle* pirates  Oil h tiako i afrika hunger conflict d'interet dictature tribal wars efa  voasoratra  sagesse africaine  heroes dunes  endemique voajanaharys natural beauty alicianess yes we can mpandresy ce reve bleu i barea aiza ianao pour toujours taranaka voafidy I have a dream, nice dream...

 

io izy fa aza avela ny taninao
io izy fa... mahereza ee... rotidrotika 

 

 

--
tagevana:
* lalasoa: mbola velona ve enao?
* pakysse: mes reverences sir
* ariniaina: tohizo kely ilay efa voalaza ao @ jogany e
* sipakv: it's a country, not a continent, I'm sure of that 
* pissoa: there's a rumour that u need to be tagged three or 4 times to get  moovin' :b:b
* pitou: tiako tagevana fotsiny hi!hi!hi!
* you and you and you, izay mamaky eto ka mbola tsy nanao   


aaaaaaaaaaaaaaaaa

 

Tompoko lahy sy tompoko vavy,

Mpitoraka  sy mpamaky bolongana sy mpametraka hevitra,

 (tohiny)


Yes, We Can

 THE MAN for the job

 

Source: Image du jour, les-nouvelles.
 (tohiny)


O O O O ry Sarah... Saraaaah!!!

 

Efa manakaiky moa ny ora farany @ ity fifidianana an'ny Be kintana ity ka mba hiteny kely aho, haneho ny alaheloko.  Tsy izany manko fa izao vao tena tsapako ny antony hitiavan'i rajiosy an'i Obama. Tsy inona izany fa ny fanohanana ny vehivavy @ fitovian-jo @ lehilahy sy ny hoe fanomezana fahefana (woman empowerment)   azy ireo. Ekeko tanteraka.

 (tohiny)


What's Up Bro?

 

Nareo vehivavy ireto tena tsssssssssssss... sady efa mahazo safosafo no... mahazo coup double 

 (tohiny)


Bretton Woods

 

Vao niainga aloha ra-Wolfowitz dia hoe olombelo-tsy akoho sy olombelo akoho, to be or not to be...

Nanara dia @ zay ra-Strauss-Khan vao kopy ny pokona. Hay izay no tena tanjona goavana ao @ ireto toeram-pamonjena ireto...

Miangavy anao ry feminista hanome fanazavana fanampiny. Mamy ny miaina sa manakaiky ny fara andro? Tsy misy resa-bola izany fa fahasoavan'A/tra, love is business...

Dia hoe hikarakara fikaonandoha ony raZaorza sy raSarikao @ ity olana nationaly ity. Asa fanatsarana ny tanjona ho "olona telo" mintsy angamba no tetikasa hitodiana...

Izay tsy nitia taminareo, no aoka hitoraka azy ireo... Zoellick o, mihetsiketsika enao baina a!

Tanindrazana, Tolo- piavotana, Fahafahana... moa ka tsy izany va?


Crazy in Love

 

Indraindray rehefa misy antony lehibe  (hoan'ny lehilahy hi-propose) na antony lehikely (hoan'ny vevavy mila voatsihary ) dia mitranga ny fanotaniana hoe maninona no tinao aho?, pourkoi tu m'aimes?, why do you love me? saro-baliana tokoa izy io, kanefa rehefa ilay F no eo anoloanao dia toy tsy misy izany rehetra izany fa mivoaka hoazy ny any ampo.

 (tohiny)


Urban Terror

 

Araka ny efa fantatsika moa (jereo gazety sy  Maharesaka.VETO ) dia tena mirongatra tokoa ny vono olona sy  fandrobana teto @ tanana tato ho ato.

 (tohiny)


Rado

 

"Tsy Maintsy mipoaka ny tako-bilany"  (tohiny)


We give, We share, We care

 

Resy lahatra tanteraka aho fa tsy misy afa tsy ny fifanomezan-tanana ihany no tena vahaolana hampandrosoana ny firenentsika, sy izao tontolo mintsy e. Iza tokoa moa no hahavita tena irery ka hoe tsy mila ny hafa e. Izaho mila anao, ianao koa mety mba misy ilanao ahy ihany na tsy androany sy izao aza, indray andro any tsy fantatra. Iza tokoa no mahita, aza atositosika ny ondry botry ozy  fa tsy fantatra izay hanao kambana.

 (tohiny)


Raha toa moa ka... Andron'ny blaogy-- UPDATED

Blog Day 2008
 (tohiny)


n++

 

 

 (tohiny)


Ladies First

 

Zany hono ee

 (tohiny)


Odd One Out

 

Tsy te ho eo @ toeran'ity boay kely ity ah kle 

 

  (tohiny)


Lesbian Pride

 

 (tohiny)


Olive Riley

 

was.

 (tohiny)


Note A Moi Meme

 

"jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana"... (tohiny)


/join #cyberfety

 

Ity zany ny rapport (firaisana) offisialy avy amiko ny fankalazana ny cyberfety. Tantara, fihetsem-po, vetsovetso apetraka ho fahatsiarovana sy mba hiainan'ny tsy nanatrika ny fotoana.

Manja be ny fiarahana,
toa tsisy fiarahana tampoka
nahafinaritra ihany ka.
tapitra 

 (tohiny)


Mitady Sipa Virjiny, ...

 

... part II

 (tohiny)


Linux is Hot

 

Coup de gueule hoan'i tsaramaso


Tantara indray miseho, mitondra ny lohateny hoe "bone sansa ela ry Tsak" (en, fr) ... 

Starring Jessica Alba,

 

Zoom ra tsy mahita tsara: jereo eto 

Avoay ny zindows ra mahavita  

Amen

ps:
* sary .gif  io ka endraso elaela kely ra tsy mi-load...
* ra mbola misy manana sary penguin sexy any dia iangaviana antanandroa havoaka eto  


Ankamatatra

 

Inona ary izany: (tohiny)


Happy Feet

 

Ity indray ny dessin animees 3d manja indrindra tao arinan'ilay Ice age 2 e. (tohiny)


Kanto, Teny Malagasy

 

Efa tsy hizoviana amintsika intsony angamba ny  hetsika aza ampijaliana ny tenintsika. Betsaka tokoa ny lahatsoratra fandraisana anjara, hampa-sambatra, hanandratana ilay tenintsika. Araka ny tenin'i lapino moa dia karazan-desona sy torolalana mba tsy hanaovana hadisoana be loatra intsony @ fanoratana teny malagasy no niezahana avoaka bolongana. Ny mahafinaritra eo @ teny malagasy indray no entina eto anio. Mba hamporisihana antsika Malagasy hoe hay mba kanto ihany ange ity tenintsika ity ry ireto e. 

 (tohiny)


BuBlE Fever

 

Vetsovetsoko (tohiny)


Kamo Be

 

 

  (tohiny)


Vohikala 101...

 

... mety ilaina indrindra.

 (tohiny)


Declaration D'Amour

 

Nandamina sy nanadio ny boaty imailaka aho androany ary nahita an'itony imailaka nampitaina (forwarded) itony. Efa elaela ihany no nahazoako azy ity,  ka nampitsiky ahy finaritra, mba ampitaiko aminareo. Mba ahoana rehefa matematisianina no mitory fitiavana?

 (tohiny)


Anatomy Scramble


Ame sensible s'abstenir.
Ikalamako s'abstenir Cool
Ity vao tena film visa A, Orera. 

 (tohiny)


Roa no ho Iray

 

Tagy-Tagy, The Return
gidragidra, Visa A
Tsy misy vidim-pidirana

 (tohiny)


Tojo anao: Alicia Supremacy

 

Mbola ao anatin'ilay effet an'ilay sekre faharoan'i DotMG ihany koa. What if...  inspirE  toan'i lapino aho. Cool Alicia, ilay tiako, tojo anao aho.

 (tohiny)


Tagy- Tagy

 

Otran'ny misy mandondona varavarana izany ny fanenon'ilay titra Laughing (tohiny)


Hetsika Anti-Cyclonique

 

Somary nalaza ny resaka cyclone  tao aorinan'ny nandalovan'i Ivan teo @ firenentsika iny. Betsaka tokoa izay lahatsoratra mikasika ny cyclone nandende izay.  Singaniko manokana ity lahatsoratra mahaliana be nosoratan'i Marie Sophie  mampifandray ny fitomboan'ny hafanan'ny planeta tany sy ny hery sy tanjaky ny cyclone ity(tohiny)


Ny Fitiavako Azy

 

(Mba alefaso kely ilay hira hoe "what a wonderful world" rehefa eo ampamakiana ianao Wink). 

Tadiom-pitiavana... 

 (tohiny)


Billionaire Wannabe

 

Iza avy no te ho mpanefoefo o?

Atsangano ny tanana haingana Laughing

 (tohiny)


WOMBs: Razzies Gasy

 

Nalaza be mintsiny tato ho ato ny fizarana billeta sy ny BOMBsCool, Izay nanehoan'ny ol mpanaraka ny aterineto ny fankamamiany ny blaogy gasy. Arabaina daholo izay voafidy tao, tsara fa tohizo. Anisan'ny tanjona t@ ity fifaninana ity moa dia ny hamporisihana ny mpiblaogy @ sehatra mifanandrify azy. Toy ny karazana fanomezam-boninahitra ireo mendrika indrindra izany izy ity, awards eeee, sexy be le izy @ teny anglisy Laughing  mba otran'ireny Festival des Cannes na hoe Hollywood Film Festival ireny zany. 

 (tohiny)


Kenya Vs Dago, Aia Ty Hombana

 

Asa ianareo  fa mampatsiahy ahy be ny krizy 2002 tany amintsika ity gidragidra mitranga any Kenya ity. Ingahy Odinga moa izany no milalao ny toeran'i Ra8 t@ zany fotoana izany ary i Kibaki no manao Deba. Tena misy hitovizana be mintsy ny tantaran-tsika sy ry zareo kenyanina ary resa-dresaka ambanin'ny tany sy siosion-dresaka momba ny tena ao ambadik'ilay gidragidra,   izay mifandraika amintsika no holazaiko eto.

 (tohiny)


Sarin-Dahy Tena Izy

 

hairy Lindsay

  (tohiny)


test


2008, Two Thousand and Cake

 

Tratry ny taona eeeeeeeee
  (tohiny)


Kitra, Nofinofy Malagasy

 

Tsy vitsy, hoy aho, ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an'ny Malagasy ity. Siora aho fa raha anaovana sondage io tena poinsa 80% isan-jaton'ny Malagasy no tsy manisy sirany izay vokatra mitranga @ lalao hifanaovan-tsika any intsony fa samy miara mionona hoe tsy haka "lesona" indray ve e Laughing.  (tohiny)


Madagasikara Manohana Ny Fanamelohana Ho Faty

 

 (tohiny)


Now We Are Free

 

The Gladiator Soundtrack(tohiny)


Fantatrao ve?

 

Nanomboka namaky ity boky fianarana kabary nosoratan'i  Andriamiarana Mbolatiana, fantatra @ anarana hoe  Mbola-Namana, mitondra ny lohateny hoe "Malagasy Mikabary Mitahiry ny Soatoavina" aho. Mafinaritra be ilay izy ary mahaliana tokoa. Ao @ pejy faha-9 no hoentiko eto.Proudly Malagasy (tohiny)


My Favourite Worst Day

 

Alakamisy,

 (tohiny)


Skycars, retour vers le futur...

 

vam @ futur :)

Asa raha efa hitanareo ity lahatsoratra ity izay milaza fa hanomboka hivarotra "Flying saucer", tomobilina manidina irony, ny Moller International Inc. 

 (tohiny)


Conquerir le Monde!

 

Minus & Cortex

Pinky: Gee, Brain, what are we going to do tonight?
Brain: The same thing we do every night, Pinky. Try to take over the world!

 (tohiny)


Miala any, miala any

 

Eny e,

Tsy haiko na za somary mpiandry ora farany foana nga  fa feno herin-taona tokoa izay no nidirako teto @ sehatra blaogy. Ny vokatra moa, tena mahaEmbarassed faran'izay mahamenatra fa tena tsy nisy nivoaka aram-pomba offisialy hoe iny eny fa mba nisy zavatra nosoratan'le adala be iny tato.

 (tohiny)


404 Error

 

Not Found
 

The requested URL / was not found on this server.


Playlist

 

Apetrako ato ity fa hadinoko foana refa mitady hira henoina, indrindra  fa @ RVG. Tsy milahatra fa izay tonga ao an-tsaina na heno tonga de ampidirina ato.

 (tohiny)


Fialam-boly

 
Tongasoa eto amin'ny fialam-boly. Blaogy iray, andraiketana ny tontoloko sy ny adalako,  anasana antsika  namana tsy ankanavaka. Misaotra anao be dia be nandalo sy nitsidika teto.  Tongasoa, ankafiizo  ary  Laughing

Hita etsy @ "menu" (karazan-tsakafo atolotra) etsy ankavanana ny rohy maromaro Isan-karazany. Singanina manokana amin'izany ny  lahatsoratra nampidirana farany:

"; echo " "; echo " "; echo " "; echo " "; echo " "; ?>
this is the first line
this is the second line

Mizara efatra  ny sokajin-dahatsoratra mahaliana hitanao ato. Ao amin'ny  Rediredy   no ahitana ireo lahatsoratra resabe, vinavina sy zava-mahaliana ary tsetsatsetsa tsy aritra. Diary no misy ireo zavatra manamarika ny andavan'androko ary iozifol no ametrahana ireo zavatra ilaina na mety misy ilana azy maika. Ao @ praivety kosa no asiana ireo zavatra ahy sy momba ahy manokana.

 (tohiny)