Mitady Olon-tiana

 

Eritrereto hoe tena eo ampanoratana an'ity lahatsoratra mikasika ny fetin'ny reny ity aho no niserana teo @ masoko ny fahasoavan'A/tra. Tsy izany fa mody atao interressant ny fehezan-teny voalohany satria iny no mitranga eo @ famitinana @ pejy fandraisan'ny blaogy.com. Siora mintsy ah fa tonga dia liana be doly zao lisany haha :b:b:b

Toy izao ary ilay tantara, niditra tao @ serasera ah ary indro hitako teo @ pejy fandraisana ity zavatra nanitona ny masoko. Alohan'ny hanohizako azy dia efa lazaiko sahady fa diso hevitra ianao. Tsy sarin'olona akory izany. Sady manampy teny ihany ah  fa otran'ny fohikely tsy mahatsako an'i jentl mihintsy ny lahatsoratro (manaja anao sefo). Ny zavatra hitako sy nanaitra ny masoko izany dia ity filazana  izay eo @ zoron-trano natokana hoan'ny bizina.serasera.org. Mbola tsisy rohy aloha fa izao vao ho lazaiko ilay izy: mitady olon-tiana!!

Inona koa ary zany rediredin'letia izany? 
Tsy izany manko fa ny takelaka bizina dia natao hoan'ny resaka asa sy ra hoe te hibizina enao ee. Gaga fotsiny aho hoe tena otran'ny bizina mihintsy izany ny resaka fitiavana? Rehefa tafiditra tao @ ilay rohy aho manko dia mbola nahita teo @ sisiny ankavia rohy hafa anakiray hoe: olontiana.  gné??(**)

Ny namana serasera manko raha ny fiheverako azy dia tena natokana hoe hitadiavana namana na hoe sipa na hoe vady araka izay hilain'ilay mpikambana. Ka mahagaga ihany raha mbola misy olona tena manao "annonce" bizina manokana mihintsy hoe mitady olon-tiana. Asa, otran'ny tsy dia mety loatra angaha ny ao @ namana na hoe manan-danja kokoa raha bizina no atao. Ny zavatra hitako nampitovy azy roa ireo rahateo koa moa dia ny hoe mila olona "serieux" izy.

Nahoana tokoa moa no tsy raisina ho toy ny bizina ny resam-pitiavana ee? Sarotra tokoa ny fitadiavana taolan-tehezana. Na ny isan'ny divorce hita etsy sy eroa fotsiny aza, aleo tena atao matihanina sy manara-penitra tsara ny fifidiana an'ilay "the one". Ka rehefa @ izao taon-jato faha 21 izao dia aleo ampiasaina ny teknolojia ary apetraka @ maha bizina azy ny fikatsahana ny "fasahambarana".

Tsy tokony mitovy @ tolotr'asa tokoa ve ozy nareo ny fitadiavana olon-tiana/vady? Rehefa manao "embauche"  ilay mpanolotra no mifidy azy tsara hoe tena tsara kokoa ny CV anao. Mifandefa "correspondances" vitsivitsy aloha ary avy eo dia tonga @ "interviews" maromaro zay voafantina. Refa voafidy ny kandidah irary dia omena "contrat provisoire", atao probation izany hoe tsapaina raha mahay ny asa tsara ve enao. Matetika io 2 taona eo ho eo,  zany hoe mampiaraka, ka rehefa mamokatra ary mety tsara @ asa ilay olona dia omena contrat lava lava kokoa... tsy izany ve no atao hoe misoratra??

Eo @ bizina anefa rehefa voaray permanent ianao dia matetika eo @ 5 taona eo ny contrat voalohany. Ka hoy aho hoe sao dia izay ary no tsy nety t@ fomba amam-panao hatrizay teo @ fanambadiana.  Tokony ho 5taona, azo avaozina ny soratra fa tsy hoe mandra-paha divorce. Raha tsy mifanaraka afaka 5 taona dia tsy tohizana tsony fotsiny... Mino marimarina aho fa hihena tanteraka ny isan'ny divorce. Ny ankamaroan'ireo mitady hi-divorce alohan'ny 5 taona aza hiteny hoe aleo hiafiana eto fa izay taona vitsivitsy io ve sisa... moa raha tsy mieritreritra ny hi-divorce moa enao dia tohizana fotsiny ny contrat...

Tena optimale io satria tsy izoviana amintsika kosa angamba fa betsaka ny diso fanatenana t@ fanambadiany e. Ao ny lasa mamolava le razoky, ao ny kamolahy... ao no tsy nahazo fyany araka ny nieritreretana azy, ao ny lasa matavy be rain'ze loza... ao ny hoe efa nanambady vao tena nahita olona tiany... ka dia omena 2nde chance izy ireny.  Mety hihena koa izany taux an'ny fiodinana raha ovaina an'zay le izy.  Plus, mivoatra tanteraka ny fitovian-jo hoan'ny lahy sy ny vavy fa tsy hisy hoe fanaka malemy intsony... Isaorana anie A/tra!

Ka hoy aho hoe @ izao isika mieritreritra ny hanova lalam-panorenana izao  aleo tonga dia ampidirina any ireto fanitsiana anaki-2 ireto:

* ny sipa manja (hot girls) dia mahazo zavatra maimaim-poana (free stuff)!!
* 5ans renouvelable ny contrat de mariage.

En fait, miangavy ny GIC mba hampiditra an'io @  negociations eny @ Carlton mihintsy ee. Tsy mivaha io krizy io raha tsy tafiditra ao ireo fangatahan'ny vahoaka ireo.

Ho ela velona anie Madagasikara tsy mandohalika!
Homba antsika A/tra!

amen

 

(**) raha tsy hainao ny dikany dia anotanio an'ny namana booboo 

 

ps: misaotra anao namaky an'ity 


«Mialoha   1 2 3 4