Joburg I

Published on 04/19,2010

 

Tonga dia asiana laharana moa ity kozy ity satria poinsa mety hisy ny II sy ny III zandriny avy eo... mba tsy hisian'zay mintsy no tena tanjona @ ity lahatsoratra ity. Hoe inona no fomba tsotsotra tokony hataon'ny mediateurs lesoka hita t@ Maputo sy ny Adis Abeba teo aloha.

* Voalohany @ izany ary dia ny fandrindrana ny fotoana. Marina fa tsy mora ny manao zavatra ary matetika ny vondrona 4 no samy mafiloha ka mampikatso ny dinika. Vokany lany andro be @ zavatra iray, avy eo tsisy fotoana handinihana ny rara ambiny tsony. 

Marina daholo izany fa zany hoe ny programa mihintsy no tokony efa au prealable nasiana negociation tany an-toerana hoe aiza ny position an'ny atsy sy aroa mikasika ny andinin-kevitra iray. Rehefa hita fa hoe tsy mifanaraka mihintsy dia tokony efa atomboka dieny any an-toerana ny fifampidinihana. Ataoko fa izany no antony nandehanan'ny GIC matetika teto Dago kanefa otran'ny manao torisma fotsiny zala fa tsisy rara vanona mintsiny. 

Manaraka izany, rehefa hita fa hafana ny dinika mikasika ny hevitra iray tokony tonga dia omena fotoana malalaka avy hatrany ao @ programa. Izany no atao dia mba hahafahana mampiditra ny resaka hafa sy ny fotoana hanaovana ny pitsopitsony rehetra. 

Anisan'ny tena lesoka goavana t@ fifanarahana teo aloha manko ilay asiana vary mangatsiaka kely foana hoe atao any @ tanana ity fa tsy vita eto. Kanefa vao tsy eo ny GIC dia samy manao ze saim-patany doly avy eo... TSIA, TSY MANJARY INTSONY ZANY RY GIC a. Tsy mety ra tsy tantanana toy ny zazakely ny malagasy, yes offense!

** Ny tena tiako tenenina eto dia ny hoe tokony vitaina doly ny fifanarahana rehetra fa tsy asiana an'zany hoe atao any antoerana izany.  Imperatif be izay, aleo vitaina na hoe reraka tahaka ny inona aza... tsy koi na asiana pause 1 andro aza.

Tsy tokony ho radin mihintsy ny GIC ny @ hoe fijanonan'ny delegationina. Fivoriana tokony vita in-1 lasa atao in-15. Efa otrin'zay no lany t@ fivoriana izay?
Asa ra mbola ny GIC ihany no miantoka @ ity na ny governemanta Afrika Atsimo fa hoy aho hoe aza kahidy loatra ee. Tokony fivoriana iray ihany dia ampy, iafio na hoe ho lasa erinandro aza.

* Faharoa manarakaraka an'izany dia ny mikasika ny votoatin'ny fifanarahana. Tokony samy mitondra ny mpahay lalanany avy ny vondrona isan'isany. Ary izy ireo no miaraka manoratra ny andininy isan-karazany @ fifanarahana, atrehin'ny mpahay lalanan'y GIC. Tena soratana mazava ao daholo ny fifanarahana rehetra. Mazava hoe tsy afaka hanaovana "interpretation" 20 fa rehefa izao no voasoratra dia izao izany.

Ny tena loza manko dia ireo extremiste @ vondrona isan'isany avy tsy maintsy hitady andininy tsy mazava hahafahany manova ny fifanarahana foana. Tokony soratana tsara io zany ary tsy atao an-kamaizana ny fanoratana azy.

* Fahatelo, tokony asiana komity mpanara-maso ny fizotran'ny fifanarahana ihany koa. Avy ao @ vondrona 4, societe sivily, antoko ambiny  no mpikambana ao ary  indrindraindrindra asiana mpisolo-tena ny GIC ao @ izany. Eny mety hoe ingerence izany kanefa ny gasy mintsy no tsy afa-miaraka ra tsy atao an'zany. Tsy vaovao koa izany fa any Afghanistan ohatra ny CENI nisy avy @ UN... 

Io komity io irery izany no tokony mivory sy manao fanambarana offisialy ny @ hoe izao no voalazan'ny fifanarahana. Mba hialana @ hoe interpretation ataon'ny tsirairay izany.

* Farany, tokony asaina  manao fianianana na hoe manoratra garant personnelle ny mpanasonia rehetra fa tsy hiova hevitra na hiala @ fifanarahana nosoniavany... Mazava hoazy fa tsy hanakana ny be mokondoa hiala @ teny nomena izany fa mba au moins hoe manome lanja ny fanasoniavana ny fianianana sy fanomezana toky fa tsy hivadi-belirano... le otran'ny manala baraka-effect kely izany hoe miniana anefa miova hevitra no mety, asa, hanova zavatra kely eee...

* Tsy haiko, mety misy hafa adino,... ampiana miandalana eto ihany.

Tsy voatery ho fopla akory io fivoriana io fa ny hamisavisana ny ratsy ony mba hiavin'ny soa ka hoy aho hoe atsipy ny teny eny antandroky ny GIC, atsipy ny vilia vaky.

**Hiadana sy ho finaritra, e sambatra tokoa izahay**

Amen

 


Hevitra

Leave a Reply