My Name is Khan

Published on 02/13,2011

Mba nieritreritra ah izany hoe nda hijery bollywood kely alou mba hahazoana an'le hoe esprit an'le hoe andron'ny mpifankatia izany. Iarahamalala moa fa somary miavaka kely ry zala karana @ resaka tantaram-pitiavana sy romantika ireny... dia raikitra nijery an'io hoe My name is khan io. 

T@ 2010 izy io no nivoaka ary nalazalaza kely hoe mafinaritra fa za moa tsy dia tena mpijery an'le film ambevavy ireny ra tsy misy mi-recommend hoe jereo fa milay no sady hoe kamo be ah mijery an'le film mila mamaky an'le dikan-teny soratra eny ambany ireny... mais bon, aleo mba jerena izany sady mba maharaka ny resaky ny olona ra otran'zany ee. Refa nojerena tao @ imdb io izany dia hoe Shahrukh Khan sy Kajol no milalao an'le izy dia hoe tena milay ihany izany... misy an'zay hoe kuch kuch hota hai izay nolalaovin'zareo niaraka otran'ny nafinaritra ihany sady mba hoe 7.2 ny rating dia hoe tairo ary ee

Akory ny hagagana anefa fa kay tena film milay le izy. Enfin, tsy araka ny nieritreretako azy izany ee. I lery izany Rizwan Khan, bandy autista. Ilay olona otran'ny hafahafa ireny ee. Musulman izy ary naondran'ny zandriny any @ bekintana... nahita sipa manja efa manan-janaka izay, tara t@ le sipa dia nivady ry zareo... typical bollywood izany ee... ny zava-baovao anefa dia tsy hoe tsy mitovy harena/foko/firazanana ry zareo fa voalohany indrindra alou dia ilay bandy silamo moa ilay sipa hindu. Teo ah dia efa nanomboka nankafy kely hoe tena mety otran'le hoe partition ity.  Refa tena nojerena @ izay vao tena hita fa tsy dia ilay resam-pitiavana loatra no tena focus an'le tantara fa resaka hoe fanavakavahana ny silamo eo @ fiaraha-monina  tao arinan'ny 9/11 iny...

Izany hoe novonoin'ny jiolamboto ilay zanaky ry zareo dia niady izy sy ilay sipa dia nobetroan'le sipa lery hoe ndana teneno ny prezida hoe tsy terrorista ah. Refa tanteraka izany, zay vao mahazo mody... dia lasa tokoa ny adala lahy...

Ra manam-potoana sy patience nareo, jereo fa mahaliana... tantara contexte hoe karana ilay izy fa tsisy an'ireny hoe mandihindihy sy mihirahira manao clip eny ampovoany ireny... sady tena mety tsara mihintsy ny acting an'ilay hoe autista lery... ny somary tsy dia nety loatra fotsiny dia tsy maty lery any @ farany... nefa nety tena titanika ra ohatra ka .... tsssssssssss... 

mety tsy dia st valentin material loatra alou ra hoe hitondra sipa any @ sinema ny planina ee. Asa, miankina @ tsirairay ngambany... 

fa zao alou eee: tsy tokony ho andro tsy fiasana ve radem?
ka efa ny lalam-panorenana aza efa natao resam-pitiavana kou
alt 

 


Hevitra

  1. 02/13,2011 | 22:01

    toa mahaliana izy zany...melsi simp !
    Dia bon saint valentin na zany aza e ;)

  2. 02/13,2011 | 22:04

    wow!
    rapida kosa i toi izany an

  3. 02/13,2011 | 22:05

    oui joyeux saint valentin doly ee
    tsika rehetra

  4. 02/14,2011 | 05:21

    Lol koa le fanamarihana hoe tsy misy an'ilay hira karana sy mandihindihy eny afovoan'ny tantara ireny. Sao dia mba tsy Bollywood pur porc kosa aza izany?

    Fa za lou ngamba tsy hijery e, raha tsy hoe misy manatitra ato an-trano le DVD hoe io jereo. Tsy tiako le film hoe misy mi-spoil be loatra ny tena milay aminy. Ohatry ny hoe mahazaka sipa ianao dia misy miteny aminao hoe milay iny sipa iny rehefa ohatr'izao sy ohatr'izao dia manao ohatr'izao an!

  5. 02/14,2011 | 09:43

    Tsy tia film karana mihitsy fa miala tsiny (novokisana an'ireny izahay tany Nairobi)... loll
    Kitani tany Dago aza efa tsy fidiny tsss isanandro be zao.
    tratran'ny ravaloentin zany e

  6. 02/14,2011 | 16:45

    Doty,
    lol
    ie za koa tsy tia an'le film tonga dia misy manimba le fika fitantarana... fa tsy dia ilay tantara loatra no tena tiako t@ le izy fa ilay fomba nilalaovana an'le izy...
    oui tena bollywood fa zany hoe misy vazah manao figurant maromaro... tsy tany India koa ny tantara ka izay ngamba no tsy dia antony nasiana an'le manao clip eny ampovoany...

    Hery,
    lol
    nenah le voatery mamaky subtitle no tsy hireveko anazy... mila mi-concentre be...
    samy ny hotratra ny hoavy ee

  7. 02/14,2011 | 17:00

    Dia efa itako eto fa ho toy ny hamaly boky iray ao anatin'ny 1h30 indray izany mijery io film io, sady efa notantarain'i toi eto koa inona indray ary no ho maminy amin'izany ? En tout cas leo ireny films karana ireny aho fa toy ny handihy izany foana ry zareo, tsy ilaozan'ny mandihy² kely eny atsefatsefany io : mifankatia, mifanorokka dia mandihy² ... ! Autiste koa ve hanambady e ? ;) Ny ahy izao TAKON'ILI no mba tiako ho hita fa toa milay be hono izany izaho mbola tsy nahita mihitsy.

  8. 02/14,2011 | 17:24

    Happy Valentine's Day! So my fav topic, film review lol (you know me) and I have seen that one already, I am also a huge fan of bollywood :-) Toodles!

  9. 02/14,2011 | 20:52

    zah klou toa mbola tsy nahita film karana e...euh non toa nahita iray t@ télé aho kah...hihihi

    Hépi san vale-en-t'un

  10. 02/15,2011 | 18:53

    kdom,
    fa nga toi tsy tia mamaky boky?
    Harlequin aza handaniana andro otran'in kanou... mitovy ihany anie fa ny iray misy sary fotsiny ee...
    samihafa ny tantaraina sy ny mahita ka... oui somary mihena kely ny hitakitaka sy ny hoe surprizy fa na izany aza mafinaritra ihany refa hoe mafinaritra ilay tantara...

    "Autiste koa ve hanambady e"
    andray! mety offensive be izany teninao izany an... misy ny zavatra tsy safidiana anie ee... sady ny vody aza manan-tsobika kanou ^:^

    Mirana,
    my favourite part was... nuit de noces... namoaka boky razoky: intercourse for dumbos
    loooooooooollllll
    i was like, oh lord, have mercy ^:^

    ikalamako,
    ny tena tsara ilay manao film noho ilay mijery film ka... indrindra moa ra st valentin izany
    ;-)

  11. 02/16,2011 | 10:47

    de efa misy ihany tv koa mbola hoe hamaky boky ihany eo anoloany tsy efa tena vendrana be ve ? efa misy ny natao hanamorana fiainana mbola izany ihany ny atao, compliqué !!!!!

    "autiste" ve hanambady e, associable anie ireny e, inona no hi-associer-na aminy eo fa dia manana ny tandrifiny tokoa ny vodisobika knou ^^

Leave a Reply

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article