Tuesday 12 August 2008

Fantatrao ve?

 

Nanomboka namaky ity boky fianarana kabary nosoratan'i  Andriamiarana Mbolatiana, fantatra @ anarana hoe  Mbola-Namana, mitondra ny lohateny hoe "Malagasy Mikabary Mitahiry ny Soatoavina" aho. Mafinaritra be ilay izy ary mahaliana tokoa. Ao @ pejy faha-9 no hoentiko eto.Proudly Malagasy

Karazana fitaritana (preambule), ihany ilay izy manitsy ny hadisoana @ teny gasy fampiasantsika andavan'andro kanefa misarika ny saina tokoa hoe toy izao ny teny gasy tena izy. Tsy hataoko eto daholo fa izay mahazendana hoe izany tokoa moa no tena izy no apetrako.

Fantatrao ve fa:

1)  Manahoana ianao?

Manotany fahasalamana io teny io, noho izany izao no setriny tsara:

- Tsara fa misaotra tompoko (raha salama ianao), fa ianao no manakory? 

 => tsy mety izany ilay hoe manahona eeeeeee Laughing

 2) Misaotra betsaka tompoko:

Mari-pisaorana avy @ hoe: "merci beaucoup" , fa misy izay mahadika azy tsara dia ny hoe:

- Misaotra indrindra tompoko.

=> Anhan!! ary ilay "tompoko" otran'ny tsy ao anaty kaonty e ?

4)  Mazava ve tompoko? 

Milaza fanekena na fanamarinan-javatra na fankatoavana.

- Koa rehefa mazava dia mazava, fa tsy tokony hisy FA na ZAVATRA HAFA indray

ohatra: Mazava aloha FA... (tsy mazava izany).

=> vakio tsara io ry mpiforum isany a Wink

5) Olona efa napetrako teo ilay izy.

Raha nandray entana na fitaovana ianao, ka nametraka izany t@ toerana tokony hisy azy dia zavatra no napetrakao fa tsy olona.

- Zavatra efa napetrako teo ilay izy.

6) Inona no tianao: hiaraka amin'ahy sa hiarak'amin'azy?

fantaro fa AMIKO sy AMINY no fiteny.

- Inona no tianao hiaraka AMIKO sa AMINY?

8) Ny fanoratra ny RAY AMAN-DRENY

Raha ireo niteraka, ilay maosandro aman-bolana, nahitan masoandro dia toy izao no fanoratana azy:

- ray aman-dreny (misaraka)

Raha eo anivon'ny fiaraha-monina, toy ny loholona izy dia:

- raiamandreny (mitambatra)

11) Ny GAIGY sy ny GAGY

- Ny GAIGY dia ilazana ny olona manam-pahaizana manokana na havanana @ zavatra iray.

Ohatra: Gaigilahy tokoa i Joda raha hamily fiarakodia.

- Ny GAGY koa dia entina hilazana ny adala, tsy dia ampy saina.

Ohatra: Jereo ny loton'ity gagy mitsindroka fako.

=> Izay aho  vao naheno an'izany GAGY izany Embarassed

16)  Tsy toko, tsy forohana

Ny toko aza tsy nisy, ahoana no hisian'ny forohana?

Mitovy hevitra @ hoe: tsy kitay, tsy vary maina.

Ny kitay aza tsy misy, ka aiza no hisian'ny vary maina?

- Entina hilazana tsy fiasiana, fa tsy hamaroana ny tsy toko, tsy forohana.

=> Ny mifanohitra foana no niheverako azy hatrizay.  Inona moa izany ilay forohana e? Laughing

 17) Firy metatra moa ny elanelan'ny TOKOA sy ny ANGAMBA?

- TOKOA: hoy ny maso nahita.

ohatra: Tena maty teo no eo TOKOA, ilay olona tra-boina. (nanatrika ianao ka nahita) 

 - ANGAMBA:  hoy ny sofina nandreha.

ohatra: nandalo toe ANGAMBA izy fa tsy hitako. (tsy nahita maso ianao, fa mety notantaraina, na naheno tsy nahy)

- Ny elanelan'ny sofina sy maso izany no halaviran'ny TOKOA sy ny ANGAMBA (irain-jehy)

Tandremo ary ny hoe:-Tena tia ahy ve ianao?

-ANGAMBA matoa tonga eto dia noho ny fitiavana (ANGAMBA ve, sa tena tia TOKOA?) 

=> izay tinao mety daholo e Cool

20) HOZY IZY ZA HOE

- Ny fomba fiteny dia hoe: HOY AHO HOE

 

Vokatry ny fahamaihana angamba ny nahatonga antsika nanadino ny teny marina @ ireny teny fampiasa andavan'andro ireny. Izaho manokana mahita fa tena tsara ny teny gasy. Ary vao mia tena tsara kokoa raha ilay tena izy no ampiasaina. Ohatra ny "raffine"  somary "classy" izany. Manambony tena ve raha mampiasa ny teny gasy araka ny tokony ho izy? jejo/mizesta Cool sa tsy liam-pivoarana Laughing sa toy ny fitiavan-tanindrazana ihany koa? 


Hevitra

  1. 0ikalamako 10/31,2007 | 10:24

    Manakory ianao ? hozy aho hoe angamba efa mazava ilay izy ka dia misaotra indrindra: Raha izao no mitohy dia ho lasa gaigy angamba aho fa olona tsy toko tsy forohana ny zavatra ianarako eto amin'ny aterineto. hihihi lol fa mbola tsy gagy aloha ny tena hatrizao.


  2. 1ikalamako 10/31,2007 | 10:24

    Manakory ianao ? hozy aho hoe angamba efa mazava ilay izy ka dia misaotra indrindra: Raha izao no mitohy dia ho lasa gaigy angamba aho fa olona tsy toko tsy forohana ny zavatra ianarako eto amin'ny aterineto. hihihi lol fa mbola tsy gagy aloha ny tena hatrizao.


  3. 2pissoa 10/31,2007 | 10:33

    Forohana : misy an'ilay fiteny hoe "Tapa-porohana sisa tsy may". Rehefa manao charbon dia ilay tapatapa-kazo tsy lasa charbon ireny no lazaina amin'io raha tsy diso aho. Mety ho ilay tapa-kazo tsy may ireny koa izany no lazaina amin'io rehefa mahandro kaly amin'ny afo kitay. Ilay hoe Tsy kitay tsy vary maina, ny nahafantarako azy io indray dia hilazana olona "tsy mitsinjo vody andro ho merika." Izany hoe manantena ny andro hihiratra eo foana, ka tsy mba nanahy vary sy kitay. Kinanjo avy tampoka ny erika dia sady tsisy kitay maina, no tsisy vary maina ao an-trano. Ilay vary maina izany vary mbola manta, saingy tsy azo totoina akory. hi hi.


  4. 3simplex 10/31,2007 | 14:12

    ikalamako,
    hoy aho hoe, angamba gagy ianao :)

    pissoa,
    tsy maso misokatra, tsy vaki-teny
    voarakitra @ io voalaza io ny andro avy erika. Satria refa tsisy kitay tsy hisy vary maina mintsy hehehehe.

    ps: miala tsiny fa somary matanjaka be ilay anti-spam k voatery novahana tanana ny comments e



  5. 4Kwasi 10/31,2007 | 15:06

    Ary izao aho vao mahalala io GAGY io koa.

    ==> Tempo Gaigy sa Tempo Gagy zany no tokony ho izy? lol



  6. 5ikalamako 10/31,2007 | 15:24

    simplex ==> angamba tokoa
    :-D



  7. 6simp 10/31,2007 | 16:08

    Kwassi,
    Tempo Gegy

    ikalamako,
    !daka ikalamako



  8. 7ikalamako 10/31,2007 | 20:45

    kay, tsy rariny kosa ! :-)
    Izaho ange efa mihagaigy fa milofo mianatra e, hihihi



  9. 8lap 10/31,2007 | 23:37

    I love Mada e ! wéééé :-)
    TIM nga ela ? ;-)



  10. 9simp 11/01,2007 | 13:43

    ikalamako,
    gagy mihagaigy njiko ka tsy gaga ny gogo :)

    lap,
    tssssssssssssssssssssss
    TIM 10 taona sisa ve, tsy ho maty pasipaoro @ zany fotsiny ah ;-)
    hiditra @ antokon'i Maihlol za ra toa ka mitranga ny faminaniany ;-)




Hametraka hevitra

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS