Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
/join #cyberfety | rafozan-doza |

/join #cyberfety

Published on 06/22,2008

 

Ity zany ny rapport (firaisana) offisialy avy amiko ny fankalazana ny cyberfety. Tantara, fihetsem-po, vetsovetso apetraka ho fahatsiarovana sy mba hiainan'ny tsy nanatrika ny fotoana.

Manja be ny fiarahana,
toa tsisy fiarahana tampoka
nahafinaritra ihany ka.
tapitra 

Fanomanana

Ny cyberfety moa dia dingana farany ao @ ilay hetsika aza ampijaliana ny tenintsika. Efa t@ izany no fantatra, fa hisy izy io. T@ voalohandohan'ny volana Jona ary dia nivoaka ny,  sary manjabe, fanetanana voalohany. Resy lahatra tanteraka nahita  an'ilay kahieako t@ kilasy faha T3 fahiny.

Nanomboka teo dia nafotaka ny fandefasana mailaka teo @ ireo mpikarakara. Atao mivatana avy ao @ FBC sy Telomiova moa ilay resadresaka (chat). IRC izany no ampiasaina ary ilay widget-n'ny mibbit.com no manome interface ampiasaina @ ireo vohikala 2 ireo.

Novolavolaina ihany koa ny programa. Ao izany ny resaka aza ampijaliana, ao ny resaka FBC, toy izany koa ny telomiova. Efa misy mpiandraikitra mitokana ireo ka azo lazaina fa tsy misy olana. Ny tapany faha2 kosa dia lalao. Io no tena nila fanomanana be. Nosantarina mialoha ny tsaty tao @ FBC satria lasa tena spaoro be ny famakiana imailaka fa dia lasa lava dia lava isak'izay manoratra. Vonona soa aman-tsara ara-potoana ihany anefa ny ekipa na izany aza.

Cyberfety

T@ andro mialoha (A-1) dia efa nisy namana vitsivitsy nisantatra (fanin-3 iny ) ny trano fitsatiavana. Nametraka tsara an'i Botlives sy ny fifandraisana @ Radiovazogasy,  ahafahana mandahatra hira avy ao @ tsaty moa no tena tanjona. Fa nanararaotra naka fyany teo, indrindra fa makamo be ny bolina t@ iny.

Tonga ary ny fotoana nifanomezana.  Tsy dia nanatena olona betsaka satria somary tara ihany ny fampafantarana ny hetsika hoe tena raikitra, izay natao ny andro mialoha fotsiny. Maromaro ihany anefa no efa tao an-trano t@ za tonga tao ary efa manomboka tsy araka intsony ny mamaky ny soratra midina  Efa te hiteny mafy mintsy ah hoe sao dia tokony atao mande toro aza ny miteny haha fa tsy sahy noho ny hoe manimba revy be.

Fiasco
Afaka fotoana fohy aza, novalian'A/tra ny vavako. Efa hoe hanomboka ny fotoana. Tampotampoka teo niala voaraoka tao an-trano doly ny olona rehetra afa-tsy za sy hery sisa. Nikoropaka avy hatrany   i hery moa no tonga dia nanotany ny tompon'andraikitra an'ny epiknet. Teo ary vao fantatra fa voatambatra ho IP iray daholo izay niditra t@ ilay widget-n'ny mibbit, rehefa mihoatra ny 5 moa io dia voasakana avy hatrany ilay IP, zany hoe ny olona rehetra zany voan'ny Permission denied. Ary dia izay no nataony fa nikorotana ambony ambany ny fandehan-javatra.

Ny vahaolana azo natao moa dia hoe na re-route-na  hampiasa cgi-chat via karajia ny ankizy dia miandry izay valin'ilay mailaka nalefan'i hery na hoe ovaina tanteraka ny server. Ilay voalohany no noraisina satria tsy mande botlives ra tsy avy ao @ epiknet no koa hoe azo ovaina hiditra via karajia na epiknet ny olona. Moa koa hoe tsy misy garantia hoe tena tsy hitranga intsony ilay olana raha toa ka server hafa (tsy epiknet) no ampiasaina. Novaina araka izany ny pejy fandraisana tao @ FBC sy Telomiova. 

Eto dia mamerina ny fialan-tsiny amintsika voatohitohina rehetra. Ao ireo niandry elabe vao nahazo valina imailaka. Ao ireo tsy nety tafiditra intsony noho ny antony samihafa. Tsy hoe tena "negligence" ilay izy fa tsy nampoizina mintsy ny olana toy izany satria efa nanao fanandramana in-3 be izao zahay. Ny tsy nampety azy fotsiny dia ireo 2 voalohany tsy epiknet ny server nampiasaina no sady olona 4 fotsiny moa ilay farany via karajia daholo ny nidiran'ny ankamaroan'ny olona. Na izany aza, ekena, fahotako izany fahotako lehibe. Azafady indrindra re tompoko o. 

Mitohy ny tantara
Teo @ 10-20 minitra teo ho eo moa ny "black out". Afaka kelikely tafaverina ny ankamaroan'ny olona. Dia niverina tsy araka intsony indray ny mamaky ny soratra mitranga.  Tsy nanaraka ny programa namboarina intsony moa fa voatery tonga dia ny lalao no nalefa, sady mba miandry an'ireo izay somary tara niodidina noho ilay olana voalaza teo.

Natomboka t@ ankamatatra, jogany no mpampilalao ary nozaraina hoe lelah sy vevavy ny ekipa mpifaninana. Tsy hotantaraina ny fikorotanana fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe: mandresy lavitra dia lavitra ny lehilahy. i hery sy Avylavitra moa no tena ankamatatra master tao.  Notohizan'i lapino t@ tsora-bitsika. Fa eeeee, efa mitrisy fa dia mbola tsisy ilavana azy mintsy ny vevavy e  Soa fa nisy an'i sipagasy fa  raha tsy izany dia biskleta tsisy guidon no nentina nody

Rehefa hifarana aza ny lanonana dia nandray fitenenana i avylavitra nampafantatra ny momba ny telomiova ary i patie kosa nilaza ny momba an'ny FBC. Somary nikorotana kely ihany koa io, efa madiva hirava ka tsisy fotoana be intsony, fa nety ihany t@ farany.  Nofaranana t@ lalao ohabolana moa izany. Saingy hoe tsy dia mahay loatra ilay mpampilalao no sady hoe efa nisangojy nitady fodiana ny rehetra.

Efa vitsikely sisa ny olona, tonga tampoka avy any @ zay ary i bolivia. Tsy hay aloha lery na avy any Bolivia tokoa na ahoana fa te hianatra malagasy izy ary dia nomena cours rapida lery. Anisan'ny hainy t@ izany ny tsonjo  raikitra teo moa fa i lapino hanome lesona hoan'lery ao @ blaoginy, za kosa ampianatra anazy miteny ratsy, tsara foana rehefa teny gasy ka  koa aza gaga ianareo ry mpamaky hajaina fa hifantoka @ fampianarana an'i bolivia ny fialam-boly ato ho ato

Saika adino fa tara adiny 3 fotsiny i maintikely. Nilalao kely ihany izahay fa zany hoe tsapa fa tsy ampy ny kahie 300p nomena ny namana sasany ka dia hoe aleo aloha hanao entrainement (doty) izy

Famitinana  

Eto ampamaranana dia tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra. Ireo nandray anjara t@ kilalao aza ampijaliana ny tenintsika. Ireo izay namaky izany. Ireo izay nandray anjara t@ cyberfety. Ary indrindra indrindra ny ekipa solida nikarakara ny cyberfety. Ho tahian'A/tra daholo. Nafinaritra ny fiarahana, misaotra antsika rehetra.

Sitraka enti-matory, ho valiana raha mahatsiaro...

mpiala-voly,

-simp 

/part


Hevitra

Leave a Reply