Wednesday 13 August 2008

/join #cyberfety

 

Ity zany ny rapport (firaisana) offisialy avy amiko ny fankalazana ny cyberfety. Tantara, fihetsem-po, vetsovetso apetraka ho fahatsiarovana sy mba hiainan'ny tsy nanatrika ny fotoana.

Manja be ny fiarahana,
toa tsisy fiarahana tampoka
nahafinaritra ihany ka.
tapitra 

Fanomanana

Ny cyberfety moa dia dingana farany ao @ ilay hetsika aza ampijaliana ny tenintsika. Efa t@ izany no fantatra, fa hisy izy io. T@ voalohandohan'ny volana Jona ary dia nivoaka ny,  sary manjabe, fanetanana voalohany. Resy lahatra tanteraka nahita  an'ilay kahieako t@ kilasy faha T3 fahiny.

Nanomboka teo dia nafotaka ny fandefasana mailaka teo @ ireo mpikarakara. Atao mivatana avy ao @ FBC sy Telomiova moa ilay resadresaka (chat). IRC izany no ampiasaina ary ilay widget-n'ny mibbit.com no manome interface ampiasaina @ ireo vohikala 2 ireo.

Novolavolaina ihany koa ny programa. Ao izany ny resaka aza ampijaliana, ao ny resaka FBC, toy izany koa ny telomiova. Efa misy mpiandraikitra mitokana ireo ka azo lazaina fa tsy misy olana. Ny tapany faha2 kosa dia lalao. Io no tena nila fanomanana be. Nosantarina mialoha ny tsaty tao @ FBC satria lasa tena spaoro be ny famakiana imailaka fa dia lasa lava dia lava isak'izay manoratra. Vonona soa aman-tsara ara-potoana ihany anefa ny ekipa na izany aza.

Cyberfety

T@ andro mialoha (A-1) dia efa nisy namana vitsivitsy nisantatra (fanin-3 iny ) ny trano fitsatiavana. Nametraka tsara an'i Botlives sy ny fifandraisana @ Radiovazogasy,  ahafahana mandahatra hira avy ao @ tsaty moa no tena tanjona. Fa nanararaotra naka fyany teo, indrindra fa makamo be ny bolina t@ iny.

Tonga ary ny fotoana nifanomezana.  Tsy dia nanatena olona betsaka satria somary tara ihany ny fampafantarana ny hetsika hoe tena raikitra, izay natao ny andro mialoha fotsiny. Maromaro ihany anefa no efa tao an-trano t@ za tonga tao ary efa manomboka tsy araka intsony ny mamaky ny soratra midina  Efa te hiteny mafy mintsy ah hoe sao dia tokony atao mande toro aza ny miteny haha fa tsy sahy noho ny hoe manimba revy be.

Fiasco
Afaka fotoana fohy aza, novalian'A/tra ny vavako. Efa hoe hanomboka ny fotoana. Tampotampoka teo niala voaraoka tao an-trano doly ny olona rehetra afa-tsy za sy hery sisa. Nikoropaka avy hatrany   i hery moa no tonga dia nanotany ny tompon'andraikitra an'ny epiknet. Teo ary vao fantatra fa voatambatra ho IP iray daholo izay niditra t@ ilay widget-n'ny mibbit, rehefa mihoatra ny 5 moa io dia voasakana avy hatrany ilay IP, zany hoe ny olona rehetra zany voan'ny Permission denied. Ary dia izay no nataony fa nikorotana ambony ambany ny fandehan-javatra.

Ny vahaolana azo natao moa dia hoe na re-route-na  hampiasa cgi-chat via karajia ny ankizy dia miandry izay valin'ilay mailaka nalefan'i hery na hoe ovaina tanteraka ny server. Ilay voalohany no noraisina satria tsy mande botlives ra tsy avy ao @ epiknet no koa hoe azo ovaina hiditra via karajia na epiknet ny olona. Moa koa hoe tsy misy garantia hoe tena tsy hitranga intsony ilay olana raha toa ka server hafa (tsy epiknet) no ampiasaina. Novaina araka izany ny pejy fandraisana tao @ FBC sy Telomiova. 

Eto dia mamerina ny fialan-tsiny amintsika voatohitohina rehetra. Ao ireo niandry elabe vao nahazo valina imailaka. Ao ireo tsy nety tafiditra intsony noho ny antony samihafa. Tsy hoe tena "negligence" ilay izy fa tsy nampoizina mintsy ny olana toy izany satria efa nanao fanandramana in-3 be izao zahay. Ny tsy nampety azy fotsiny dia ireo 2 voalohany tsy epiknet ny server nampiasaina no sady olona 4 fotsiny moa ilay farany via karajia daholo ny nidiran'ny ankamaroan'ny olona. Na izany aza, ekena, fahotako izany fahotako lehibe. Azafady indrindra re tompoko o. 

Mitohy ny tantara
Teo @ 10-20 minitra teo ho eo moa ny "black out". Afaka kelikely tafaverina ny ankamaroan'ny olona. Dia niverina tsy araka intsony indray ny mamaky ny soratra mitranga.  Tsy nanaraka ny programa namboarina intsony moa fa voatery tonga dia ny lalao no nalefa, sady mba miandry an'ireo izay somary tara niodidina noho ilay olana voalaza teo.

Natomboka t@ ankamatatra, jogany no mpampilalao ary nozaraina hoe lelah sy vevavy ny ekipa mpifaninana. Tsy hotantaraina ny fikorotanana fa ny tena zava-dehibe dia ny hoe: mandresy lavitra dia lavitra ny lehilahy. i hery sy Avylavitra moa no tena ankamatatra master tao.  Notohizan'i lapino t@ tsora-bitsika. Fa eeeee, efa mitrisy fa dia mbola tsisy ilavana azy mintsy ny vevavy e  Soa fa nisy an'i sipagasy fa  raha tsy izany dia biskleta tsisy guidon no nentina nody

Rehefa hifarana aza ny lanonana dia nandray fitenenana i avylavitra nampafantatra ny momba ny telomiova ary i patie kosa nilaza ny momba an'ny FBC. Somary nikorotana kely ihany koa io, efa madiva hirava ka tsisy fotoana be intsony, fa nety ihany t@ farany.  Nofaranana t@ lalao ohabolana moa izany. Saingy hoe tsy dia mahay loatra ilay mpampilalao no sady hoe efa nisangojy nitady fodiana ny rehetra.

Efa vitsikely sisa ny olona, tonga tampoka avy any @ zay ary i bolivia. Tsy hay aloha lery na avy any Bolivia tokoa na ahoana fa te hianatra malagasy izy ary dia nomena cours rapida lery. Anisan'ny hainy t@ izany ny tsonjo  raikitra teo moa fa i lapino hanome lesona hoan'lery ao @ blaoginy, za kosa ampianatra anazy miteny ratsy, tsara foana rehefa teny gasy ka  koa aza gaga ianareo ry mpamaky hajaina fa hifantoka @ fampianarana an'i bolivia ny fialam-boly ato ho ato

Saika adino fa tara adiny 3 fotsiny i maintikely. Nilalao kely ihany izahay fa zany hoe tsapa fa tsy ampy ny kahie 300p nomena ny namana sasany ka dia hoe aleo aloha hanao entrainement (doty) izy

Famitinana  

Eto ampamaranana dia tsy hay ny tsy hisaotra antsika rehetra. Ireo nandray anjara t@ kilalao aza ampijaliana ny tenintsika. Ireo izay namaky izany. Ireo izay nandray anjara t@ cyberfety. Ary indrindra indrindra ny ekipa solida nikarakara ny cyberfety. Ho tahian'A/tra daholo. Nafinaritra ny fiarahana, misaotra antsika rehetra.

Sitraka enti-matory, ho valiana raha mahatsiaro...

mpiala-voly,

-simp 

/part


Hevitra

  1. 0simp 06/22,2008 | 21:13

    jereo koa: lapino



  2. 1pissoa 06/22,2008 | 21:31

    (Dika petaka ity lol)

    Fa tsy naharesy izany ny lehilahy e … izahay anie mbola nilalao tabou ihany ry lap tamin’ialahy lasa iny e. Jogany&Pissoa nandresy an’i Simp&Maintikely hi hi hi. Nefa ry zalahy amin’izany efa midinika ela be ery hampijaly ny ekipanay tssssss lol !

    Anyway … nilay be ilay cyberfety … fa tena nilay koa ny fanomanana azy niaraka taminareo mpitoraka blaogy namana. Les spammings … les (zombies’) chat after midnight et surtout la “petite” panique due la Permission Denied a la derniere minute loool.

    Efa niakatra be ny notin’i Jogany hatramin’ny nanombohan’ny lalao Aza ampijaliana ny tenintsika :)



  3. 2ikalamako 06/22,2008 | 21:40

    hono hoa, le (doty : ilay) soratra enjehina va re midina sa miakatra e ? Hadinon'i simp le (re-doty) DadaRabe nanao kabary fangataham-bady. Mba jereo any amin'ny arsiva any ilay izy dia mba avoahy hianaran'ny tanora fa mbola be ianareo no hangatam-bady ato ho ato. Izay no nahatonga ilay ohabolana momba ny menatra sy ny rafozana ... Nahafinaritra e ary maromaroa ny toa ireny, izay no azo ambara iray andro aty aoriana. I lalasoa no tena nampalahelo nitaraina mafy tao amin'ny blaogin'i hery tsisy nahita dia tavela tao ambavahady nony voaraoka daholo ny pokona (doty : mponina) tao amin'ny mibbit. Tsara dia tsara ny fahaizan'ny vehivavy nanaja ny taranak'i Adama, fa efa hain'izy ireo tsara fa hitroatra rizareo raha resy teo dia naleon'izy ireo tsy nolazaina mihitsy ny valiny marina tamin'ny ankamantatra (ry avylavitra sy ry pakysse izany efa tsy sasatra notolarana mosoara sy notondrahan'i Botlives rano). Na izany aza ny vehivavy vehivavy ihany, mbola ilaozana miresaka zavatra hafa (ikalamako expert amin'io - doty indray) fa efa any amin'ny "akoholinala" ny ankamantatra izy mbola any amin'ny "biby mampinono" tsss. Nisy doty be manadala nony tonga i bolivia dia nangata-dàlana nigodogodona ny tenanay fa teny tsa hainay ro kabary tao. Bango tokana : manja be iny tolakandro iny, raha tsy teo izahay vehivavy ni s'am tokoa rizareo lehilahy, izay no tsy nahasahian'i simp nangataka tamin'ny avo hoe aleo handeha pary toro ilay miteny - oups manoratra manko e. Misaotra manokana an'i Botlives ( !bakely ) fa niangarana manokana mihitsy ny #cyberfetista tamin'ny hira fa tonga dia mandeha izay hira nangatahana tao amin'ny RVG - avereno kely indray mandeha !!! - Ny !ohabolana ihany no tsy arak'i lery e (i Ra-Bôty io), "tsy nampianarina an'izany aho" hozy (doty : hoy) lery. Misaotra fa katrin' ny bex zahay niala tao, leo ny sambos-n'i sipagasy, ary dia manantena fa hanindroany sy hanitelony izao hetsika izao. Misaotra misaotra.


  4. 3Tokinao 06/22,2008 | 21:40

    Tsara tokoa re izy izany. MaromarO ny toy io e! Zah moa dia tsy afaka ve rangah :-(. Misaotra nitatitra simp a ;-)


  5. 4Vao 06/22,2008 | 21:45

    Resinay 3#1 nareo t@ tsorabitsika koa!!


  6. 5lap 06/23,2008 | 03:19

    Milay e !
    Ilay fanomanana koa tena masaka tsara, ao amin'ny ara-dalàna mihitsy.

    fa hono hoa, misy arsiva angaha moa izy ireny ?



  7. 6ikalamako 06/23,2008 | 09:25

    indro kely : tsss zah natahotra ihany fa toa nisy matoatoa tao an ! Nisy an'izay "ikalamenavolo" izay tao tsy niteny tsy nivolana tsy hay na nanao inona tao na nanao inona :-P
    Efa io ary ny arsiva fa misaotra jogany.



  8. 7simp 06/23,2008 | 14:59

    mampaleho ndray ny fanaka malemy zany tsonane eee
    !oroka ikalamako
    !oroka pissoa
    !oroka vao

    Toky,
    diavolan-kolava eee :)

    lap,
    jereo eto



  9. 8pissoa 06/23,2008 | 17:28

    Haiko ny nahatonga ny lehilahy naharesy tamin'ny lalao : mody anokon'i resaka Hery daholo ny vehivavy tao kay ... ankoatra ilay fantany hoe nanomana ny lalao dia tsy mahazo mamaly tsssss



  10. 9jogany 06/24,2008 | 07:08

    ahhh la va be ry ikalamako ann avelao amizay ilay manoratra roma am blaogy fa efa éé ny andro (!doty maxi)
    Ilay imailaka tamin io mbola tsy mandresy nen'ny zaza vavy....!oty degany be rehefa sipa no manoratra k'le
    Misaotra avy any FBC rehetra akoha fa i Patie dia nankafy ny ambiance tao mihistiny ary manome azy courage mitohy blog. Ny namana havany Bolivie dia efa miandry ny lesona ao aminy Lapino ("what does lahatsoratra mean!?" man.....we're screwed...)
    TTPT TTPT TTPT tamin ilay prolongations iny nainga lasa adala nitady teny fohy kely (aiza ve nama totozy....)

    bisxxxxx daholo (kamo be mamaky spam ikalamako, aleko antsoiko am tel !)



  11. 10jogany 06/24,2008 | 07:12

    geez im tired désolée fa feno faute be...mila dodo kely ny marathonienne



  12. 11jogany 06/24,2008 | 07:20

    izao ilay hoe manenina fa tsy naintsy niverina fa tsy mety kosa ve rehefa vita ny examen (doty) dia miverina manao fanitany ny mpianatra nefa ny mpampianatra efa mibedy be.
    Misaotra betsaka ikalamako fa efa vao vaky ihany ilay roman (fa tsy roma), ary izay vao tadidiko ilay resaka ohabolana. pfff. (doty) soa ihany fa nisy an'i sipagasy (tara lalan-dava, hihih).
    Tikinao sy Rajiosy raminy manaraka tokiny maka rendez-vous mialoha (doty-xxl) ka nefa lasa be bandy be lotra ilay chat na dia efa viariana aza ny sasany. Fahitako azy izao dia samy lasa mitady an ireny mpitoraka bloagy mahay be ireny daholo izao tsika, aty amiko aloha efa misy lisitra fa mbola mila manitany an 'i Pissoa kely raha toa ka mety ny anarana ao.

    biz'orooka daholo dia aza mi-spam lotra fa tsy maharaka o!!



  13. 12ikalamako 06/24,2008 | 10:30

    i jogany t@ 7h08 dia t@ 7h12 dia t@ 7h20 rehefa atambatra dia lasa roman (doty tsisy kadou) mbola lava be noho ny an'ikalamako t@ 21h40.
    Sady nisy nidina an-dalana toa izao io - nanamora ny famakiana azy - saingy tratran'ny (s)pams dia lasa bambaray, tsssss (ikalamenavolo angamba no mpams tao) hihihi



  14. 13Lalasoa 06/24,2008 | 10:48

    Na vetivety ihany aza aho no teo dia finaritra ka!
    Rahoviana indray ny manaraka?



  15. 14maintikely 06/24,2008 | 13:39

    adin'ny telo ve dia mba ho aiza ok ok ok
    adin'ny telo ve dia mba ho aiza ok o ry sakaiza :D

    nahafinaritra ny fiarahana kah!
    soa ny fiarahantsika :)



  16. 15simp 06/24,2008 | 14:26

    pissoa,
    zany ny atao hoe sarma andehilahy ra tsy fantatrao... useful ;-)

    jogany,
    aza matahoatra fa atao drag queen ze lelah tsy mahavoa eee (free tranfert haha)

    ikalamako,
    ary tsy matin'i toi lolo mintsy i ikalamenavolo an hum hum

    lalasoa,
    Ny aza ampijaliana aloha tena tsy haiko eee refa taitaitra ndray ny lohan'ny sasany ;-)
    Fa ny FBC mitsaty isam-bolana, aza malahelo :)

    maintikely,
    !bex
    alicia io ;)




Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra









 authimage

Copyright © 2005 Fialam-boly - Atolotry ny Blaogy.com
Imhotep theme designed by Chris Lin
XHTML | CSS | RSS