Proudly Malagasy: tag
Matoa ianao mahazo an'ity zavatra holazaiko ity dia na ianao malagasy na ianao tia an'i madagasikara, nianatra teny malagasy. Tsy izany hoaho fa asa ianareo raha toa ahy fa dia tonga saina tanteraka t@ namaky an'ilay lahatsoratr'i sitl iny. Mety hoe onjam-piainana nga sa inona loatra fa dia otran'ny iraisan'ny be sy ny maro ny hevitra hoe midika inona moa izay malagasy?
Inoako marimarina fa anisan'ny tsy mampandroso antsika io toe-tsaina, na andeha atao hoe tsy fahalalana ny maha-malagasy antsika io. Ekena fa tsy tonga lafatra isika ary tsy paradisa i Madagasikara, kanefa dia tsy mba misy zavatra mampirehareha antsika mihintsy ve? Jereo tsara ny ankamaroan'ny firenena mandroso rehetra fa efa ao anatiny mintsy ny mirehareha @ maha izy azy. Isika indray dia ny miezaka ny mifanaratsy. Mety hoe noho isika firenena mahantra koa angaha... lasa cercle vicieux wazy le izy...
Efa ela no nieritreretako hanoratana an'ity fa androany ah vao tena gaga be raha naharay mailaka mikasika an'i Madagasikara, t@ olona izay tsy malagasy akory. Mitantara ny dian'ol jiosy iray teto an-tanindrazana izy io. Betsaka tokoa ny mikasika an'i Madagasikara tsy fantako... sao dia mba tokony hifanentana hitia an'i Madagasikara aza isika? Sao dia izany no tsy ampy @ fandravonana izao krizy mianjady @ firenena izao?... maninona kay no manembona foana ah ozy ilay namana izay. Midika izany fa na aiza aleha na aiza aleha dia mamy foana ilay tanindrazana.
Ka izao ary ilay tagy. Enfin, tsy tagy per-se ity fa lalao tsotra fotsiny ihany mais bon, fun kokoa le izy refa tenenina hoe tag. Ianao izay mamaky io rehefa avy mamaky ny ahy ianao dia mandeha manoratra lahatsoratra iray, mikasika ny zavatra tinao, mampireharehanao @ i Madagasikara/Malagasy. Azonao ampiana zavatra iray tsy tinao ihany koa izany... tsara ny kritika hahafahana manintsy izay azo ahintsy... Raha mihoatra ny 1 moa ny tinao lazaina dia vao mia tena tsara... Tsy manina koa na asianao fanazavana kely na tsia araka izay tinao... Tsy asiana nominEe izany fa raha mahatsapa fa Malagasy, et fier de l'etre ny mpamaky dia efa nominEe izy zay... Tsy manin koa raha mitovy @ izay efa nolazain'ny olona no lazainao. Izay no mahamalagasy azy, tsy maintsy misy zavatra mitovy ao... ao anatin'ny 1 volana an. Mba izay no hankalazantsika miaraka ny fetin'ny fahaleovan-tena.
* Ny tsy tiako indray:
ny sakafo gasy, tena tsara dia tsy mba eny @ hotely mintsy. Na hotely gasy na hoe de luxe. Tsy mbola nahita an'zany hoe ravitoto sy henakisoa izany. Asa na za koa no tsy mpandeha any @ izay tokony aleha.
Malagasy aho, Malagasy koa ve ianao?
Mba lazao hoe,
ps: tokony asiana label hoe "proudly malagasy" mintsy wa eee... mba apetaka @ blaogy, na hoe entana amidy sy otr'zany... hevitr'akoho :)
Ou la la, rahariva manao azy ooo !
By pissoa on 05/27,2009, at 10:17
:)
lookin forward to it
;-)
By simp on 05/27,2009, at 18:08
Za njay mi-geste be mihitsy raha vo misy miteny oe njy manja kely :p, hahaha , avy aiza kay enao ? kinga be zah mamaly oe “ Malagasy aho , ny Gasy ihany no manana izao couleur izao “
Za hirara na hiteny ary elah oe njy kou v d mbo manja :b:b:b .Norma b fa elah Gasy fa ry zareo tsy Gasy mantsy mirarakivy mihitsy raha vao mahita Gasy surtout raha somary mijejojejo kely , na somary mirandrana kely izay hahaha
Dia rehefa misy be fanontaniana njay oe fa ny Malagasy v fohifohy kely ohatra anao doly, grrr, d hoy aho oe zaho ihany no tsy ampy metatra kah , :p hi!hi!hi!
By xxx on 05/27,2009, at 19:20
hahaha
za nga niteny hoe tsy manjakely njy??
ozy ah hoe mila fahasoavan'A/tra ny sakafon-jaza wa :-P
anisan'ny mampiavaka ny gasy koa io fa zany hoe tsy dia inoako loatra hoe maha-fier aloha eee :b:b:b
hey, t'es censEe ecrire un article sur ca dans ton blog!!
je veux un article en bonne et due forme 100 mots minimum 8)8)
By simp on 05/27,2009, at 23:46
finished !!!!!!!!!!!!!! a good idea.
By kdaombaramita on 05/28,2009, at 14:54
kdom,
misaotra betsaka lesy a
bisou
By simp on 05/28,2009, at 16:01
Eny Simp ! ataoko rahampitso ny tag raha mahafaka :-).
By mangamaso on 05/28,2009, at 17:57
Tsia Simp ! ataoko ny tag rehefa tanteraka ilay fahasoavan'A/tra :b:b:b
@ week-end lesy e ;-)
By xxx on 05/28,2009, at 18:53
merci global eeee
;-)
By simp on 05/28,2009, at 20:49
Vita ilay tagy Simp a!
Misaotra an'i toi nahatsiaro ahy :-).
By mangamaso on 05/29,2009, at 12:09
slt!hanao an'le lalao re zaho a!
de tongava aty antrano hanao ravitoto sy hena kisoa. rahefa tsy mazoto ho aty aminay de mankanesa ao @ Josiane andrefan' ambohijanahary. Ao ry reto de feno sakafo malagasy a!
-hen'omby ritra-ravitoto henakisoa.....
By tsambaratelo on 06/04,2009, at 14:35
Eny hoa ry Malagasy,...
Tena fantatry ny firenena maro tokoa isika;vato,volamena,toetr'andro,...@izao dia mbola misy petrole koa?nefa isika mbola mampiasa jiro_petrole??
Tsy fantatra hoe ovina no mba niraihina?misy foana ny tonga dé mihinana,misy koa ny mitrongy vao mihinana ary misy ny mitsindroka(tsy misy hoanina);ireo rehetra ireo tsy t@fanjanahantany ihany na talohan'izay fa mbola nitohy taty aoriana.Zanak'iza t@ ireo mpitondra ary no nianatra tany @EPP?fa any an-dafindriaka sady Tandrefana dia avy eo mitady ny sezan'i dada taloha dia ny eo ihany no eo.Taloha kely teo toa hoe nety fa hoz'lé fiteny hoe:
JE mange/TU manges/NOUS mangeons eny fa na izahay mpangaropaosy aza.Dé zao ts'isy tsony fa hamianarina hanodikodina aeroplanina indray ny gasy"malaza ka!"nga misy TGV koa any Dakar?"malaza k'ity".Eto Madagasikara ihany no misy"Tary Gasy V" fa tsy mbola nisy filoham-panajakana nanao izany eran'izao tontolo izao...reraka be zah fa ampianaro io zaza io ramatoa!mihinana ody kakana alohan'ny hatory!jereo 'ty izy mahia!
By sohitika on 06/05,2009, at 09:12