Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Proudly Malagasy: tag | rafozan-doza |

Proudly Malagasy: tag

Published on 05/26,2009

 

Matoa ianao mahazo an'ity zavatra holazaiko ity dia na ianao malagasy na ianao tia an'i madagasikara, nianatra teny malagasy. Tsy izany hoaho fa asa ianareo raha toa ahy fa dia tonga saina tanteraka t@ namaky an'ilay lahatsoratr'i sitl iny.  Mety hoe onjam-piainana nga sa inona loatra fa dia otran'ny iraisan'ny be sy ny maro ny hevitra hoe midika inona moa izay malagasy? 

Inoako marimarina fa anisan'ny tsy mampandroso antsika io toe-tsaina, na andeha atao hoe tsy fahalalana ny maha-malagasy antsika io. Ekena fa tsy tonga lafatra isika ary tsy paradisa i Madagasikara, kanefa dia tsy mba misy zavatra mampirehareha antsika mihintsy ve? Jereo tsara ny ankamaroan'ny firenena mandroso rehetra fa efa ao anatiny mintsy ny mirehareha @ maha izy azy. Isika indray dia ny miezaka ny mifanaratsy. Mety hoe noho isika firenena mahantra koa angaha... lasa cercle vicieux wazy le izy...

Efa ela no nieritreretako hanoratana an'ity fa androany ah vao tena gaga be raha naharay mailaka mikasika an'i Madagasikara, t@ olona izay tsy malagasy akory. Mitantara ny dian'ol jiosy iray teto an-tanindrazana izy io. Betsaka tokoa ny mikasika an'i Madagasikara tsy fantako... sao dia mba tokony hifanentana hitia an'i Madagasikara aza isika?  Sao dia izany no tsy ampy @ fandravonana izao krizy mianjady @ firenena izao?... maninona kay no manembona foana ah ozy ilay namana izay. Midika izany fa na aiza aleha na aiza aleha dia mamy foana ilay tanindrazana.

Ka izao ary ilay tagy. Enfin, tsy tagy per-se ity fa lalao tsotra fotsiny ihany mais bon, fun kokoa le izy refa tenenina hoe tag.   Ianao izay mamaky io rehefa avy mamaky ny ahy ianao dia mandeha manoratra lahatsoratra iray, mikasika ny zavatra tinao, mampireharehanao @ i Madagasikara/Malagasy. Azonao ampiana zavatra iray tsy tinao ihany koa izany... tsara ny kritika hahafahana manintsy izay azo ahintsy... Raha mihoatra ny 1 moa ny tinao lazaina dia vao mia tena tsara...  Tsy manina koa na asianao fanazavana kely na  tsia araka izay tinao... Tsy asiana nominEe izany fa  raha mahatsapa fa Malagasy, et fier de l'etre ny mpamaky dia efa nominEe izy zay... Tsy manin koa raha mitovy @ izay  efa nolazain'ny olona no lazainao. Izay no mahamalagasy azy, tsy maintsy misy zavatra mitovy ao... ao anatin'ny 1 volana an. Mba izay no hankalazantsika miaraka ny fetin'ny fahaleovan-tena.

 


* Bedabe  ny mampirehareha ahy hoe Malagasy fa hosinganiko fotsiny ity: ny anarana malagasy dia somary lava be mintsiny raha oharina @ anarana hafa... na faran'izay ratsy vintana indrindra aza enao ka mahita ny anaranao ny olona dia toran'ny hehy (na mitsiky), dia tsy maintsy hiteny hoe avy aiza enao?

* Ny tsy tiako indray:
ny sakafo gasy, tena tsara dia tsy mba eny @ hotely mintsy. Na hotely gasy na hoe de luxe. Tsy mbola nahita an'zany hoe ravitoto sy henakisoa izany. Asa na za koa no tsy mpandeha any @ izay tokony aleha.



Malagasy aho, Malagasy koa ve ianao?

Mba lazao  hoe,

 

ps: tokony asiana label hoe "proudly malagasy" mintsy wa eee... mba apetaka @ blaogy, na hoe entana amidy sy otr'zany... hevitr'akoho :)


Hevitra

Leave a Reply