sense of malagasiness
mahita an'le fandaharana tele-realite hoe masterchef ah izany dia tadidiko tampoka hoe ity ny favorite show an'ny malagasy ary hoe size iraisana nifampiresahan'le rahaliko maromaro refa mba tafiaraka... hoe ra @ masterchef izao ity kalin'la ity dia tonga dia tsy poinsa... dia mba lasa nijery hoe in marina ary ity masterchef eee... dia refa nijery ah dia tena interessant be sy hoe addictive be le kozy fa ny tena nahatonga saina anah dia hoe misy resaka identitE be @ le kozy... hoe ny taranaka italianina dia tonga dia havanana @ resaka pasta ohatra. Otran'zany koa ny karana dia resaka spice, dia zay ee sinoa ee meksikana sy ny karazany...
dia mba lasa ny saiko hoe ary ny gasy moa izany mba ahoana??? nieritreritra ela be teto ah fa tsy hitako mihintsy hoe inona kay ny hoe kaly hoe tena azo lazaina hoe mamaritra ny gasy ee?? hiteny nareo hoe vary... tsia an... refa atao ny fandinihana dia minam-bary doly ny ol rehetra eto ambonin'ny tany. Sady resaka kaly koa no tena tiako fantatra e, ny vary tsin otran'ny hoe resistance zany sa in no filaza azy... dia in ozy nareo ny valiny: TSISY!!! nieritreritra ah hoe ravi-toto sy henan-kisoa ve?? tsy marina satria ny congolese ( sy cameroon??) koa dia mihinana ravi-toto tsara mintsiny... dia gaga fotsiny ah hoe aaah isika izany anisan'le firenena tsy malaza na @ in na in afa tsy ny coup d'etat!!
Efa noresahako ihany io hoe tsy fananan-tsika identitE io sy hoe ilay resaka patriotisma mihintsy no tsy mba misy sy tsy nampianarina antsika ny hoe hirehareha fa malagasy ary ihany koa hoe tsy misy voninahitra lehibe indrindra mihoatra ny hoe ho faty hoan'ny tanindrazana sy mpiray tanindrazana... bon, marina aloha fa za tsy expert @ malagasiness et encore moins @ resaka nahandro malagasy fa mba nieritreritra ah hoe @ izao vanin'andron'ny vaintisisy zoain izao dia tena joincidence milay hampidirana resaka ny hoe inona no hitako fa mampihavaka ny malagasy. Naika hataoko tagy tagy ity fa saingy hoe noho antony tsotra hoe efa tsisy mpiblaogy intsony izao dia raiketiko za rery nenah somary ironika sy hoe miampanga tena ihany koa fa dia tsikitsiky doly sy tsisy tezitra an!!
izao ary, ny malagasy an, dia:
* tia mitanisa ny razambe-any, 4 na 5 generations fara-fahakeliny io an. Ary rehefa miresaka dia tsy maintsy mampiditra ny fihavanana @ olona iray ra misy idirany ny resaka. Raha mandalo tanana moa ianao dia mazava hoazy fa tsy maintsy ampatsiahivina anao ny hoe i an sy i an no havantsika ato... asa, io ve ilay atao hoe fihavanana malagasy sa inona fa dia ny arabo ihany no hitako mpanao an'ity hoe tsy maintsy fantararina ny zafipaladian'ny cousin du cousin du cousin du cousin du cousin an'ny bebean'ny dadabean'ny zafin'ny mpirahalahy... isaorana manokana eto aloha ny findaymaranitsaina fantatra @ anarana hoe Smartphone fa dia azo apetaka tsara @ nedala ny tetiarana ary dia tonga afaka jerena rapidapida refa sendra ny laza adina tsy ampoizina
bizina vaovao hoan'i sefo: alefaso ny familytree.com malagasy!!
* tia manaja ny razana enao. Manala satroka eo anatrehan'ny faty. Raisinao ho toy ny tenin'A/tra mihintsy ny hafatry ny maty. Ohatry ny hoe tsy mba diso ary tena tonga lafatra izy ireny fahavelony. Ary ra misy zavatra mampiady sy hoe tsotsoro mamba isarahana dia matetika misy hifandraisana @ maty izany sy ny hoe "fanaovana tsinontsinona ny any ampasana".
* vary vary vary... minam-bary in-3 isan'andro... efa noteneniko teo io fa tsy dia tena malagasy be mankaiza... fa ny tena malagasy?? izay zavatra tsy vary rehetra (ankoatran'ny hanikotrana) dia lazaina fa loaka daholo eny fa na hoe pie azany na hoe ovy frity na ordeuvre, lasopy... fantatrao fa mbola tsy vita ny kaly ra tsy efa nivoaka ny vary...
* tia mamerina ny fehezan-teny vao avy nisy niteny ianao
> mandreraka mianika tendrombohitra
>> hitako, mandreraka mihintsy ny mianika tendrombohitra
ny niveau de sarcasm anao dia -3,, tsy manana humour fa dia raisina serieux be sy attaques personnelles doly izay zavatra lazain'ny olona.
* ra any ambanivohitra ianao dia tia mandray olona be ary raisinao ho toy ny "offense" ra ohatra ka tsy mihinan-kanina na hoe misotro kafe ao aminao ny vahiny eny fa na dia hoe vao avy nikaly tao @ havanao izay mipetraka ao @ trano 5 metatra miala ny tranonao aza izy...
* ra any andrenivohitra enao dia ny loisir sy passe-tps favori anao dia ny mijery dvd film karana sy ireny serie telenovela ireny, izay nofaina avy eny @ sisin'ny arabe...
* boundaries, privacy: those words mean nothing to you!!
* passive be enao ary manaiky ny zava-misy toy ny hoe izany ny sitrapon'Atra... tsy olana aminao izany hoe delestazy mandritra ny 3 andro tsy akijanona izany. "Tapaka ny jiro" izay no mba reaction-anao.
ra kilasy moyenne na riche moa ianao dia manana groupe electrogene kely. izay alefanao refa tapaka mihoatra ny iray andro ny jirama. Tsy hoe handefasana jiro anefa izany fa hoe hamahanana finday ary indrindraindrindra hijerenao ny dvd-anao izay tsy azo tapahina!!!
* tia "entertainment" ny malagasy.
tia mihirahitra sy mandihy... ra vao misy olona 2 na telo tafavory @ anaran'ny ray ka misy gitara eo anivony, dia tsy maintsy mirevirevy izy izay...
Any ambanivohitra, mety misy trano tsy dia zarizary loatra ary tena ilaina fandokoana maika dia maika, tafi-trano poinsa mety ho passoira be... fa na izany aza dia misy satellite-tv izay hitanao avy eny ivelany!!
* raisinao ho toy ny harena/fanana ny zanaka. voalohany indrindra dia ny obeissance coute que coute. Izany hoe tsy azonao atao ny manana hevitra tsy mitovy @ RAD. Dieny mbola kely ny zanakao dia efa omenao ny lavage de cerveau ary tsy hanana hevitra hoe independant sy hi-questioner ny fahendren'ny RAD!!
ny zafikely no tena harena ambony indrindra ary tsy lehilahy ianao ra mbola tsy nampitombo ny isan'ny zafikely!!!
ra mbola tsy manambady moa ianao ka sendra tafaresaka @ ol iray ka hoe hitan'ny RAD-nao... dia avy hatrany izy miantso ny inspection generale de l'etat!! hanadihady an'le ol, tsy hoe hahafantatra na virja izy na tsia an na hoe mahay manotra... hanadihady ny familytree.com-ny sy hoe secta sa tsy secta!!!
* stereotypes politika: ra ohatra enao ka tgv dia fatampoko fantam-pirenena izany. Soit enao foza, izany hoe tsy manana lojika @ in in fa tonga dia drindrangilo be fotsiny ary mety maivava indraindray. Soit manana villa milay be izay nitsangana tao anatin'ny fotoana fohy.
ra ohatra enao ka zanak'i dada dia... miezaka manadihady sy mitsapa hoe zanak'i dada ve sa tgv ity miresaka amiko ity!!
ra ohatra enao ka olp dia miteny any ampo hoe: i kotozafy ihany no lexus!!
* tsy maintsy tara ianao, indrindra fa ny makany ampiangonana.
tsy olana anefa izany fa ra tara 5minitra ianao dia mbola tara noho ianao ny antsasaky ny fiangonana!!
ianao kosa anefa dia tsy maintsy mande mivavaka indrindra fa ny any ambanivohitra izay mety ho diantongotra adiny 1 vao tonga any ampiangonana.
* a l'ouest be enao ra ohatra ka manao short sy kapa miditra biraom-panjakana. Eny fa na dia fahavaratra sy mafana tsara aza ny andro.
*...
izay eee
mety mbola misy adino...
isaky ny tonga ah dia tsy maintsy culture shock be foana hoe: what am i doin here!!... dia isaky ny hande indray dia malahelo be foana hoe: veloma ry tanana!!
bonne fety daholo oooo
East or west, home is best!!