We give, We share, We care
Resy lahatra tanteraka aho
fa tsy misy afa tsy ny fifanomezan-tanana ihany no tena vahaolana
hampandrosoana ny firenentsika, sy izao tontolo mintsy e. Iza tokoa moa
no hahavita tena irery ka hoe tsy mila ny hafa e. Izaho mila anao,
ianao koa mety mba misy ilanao ahy ihany na tsy androany sy izao aza,
indray andro any tsy fantatra. Iza tokoa no mahita, aza atositosika ny
ondry botry ozy fa tsy fantatra izay hanao kambana.