We give, We share, We care
Resy lahatra tanteraka aho
fa tsy misy afa tsy ny fifanomezan-tanana ihany no tena vahaolana
hampandrosoana ny firenentsika, sy izao tontolo mintsy e. Iza tokoa moa
no hahavita tena irery ka hoe tsy mila ny hafa e. Izaho mila anao,
ianao koa mety mba misy ilanao ahy ihany na tsy androany sy izao aza,
indray andro any tsy fantatra. Iza tokoa no mahita, aza atositosika ny
ondry botry ozy fa tsy fantatra izay hanao kambana.
Ny fitiavan'Andriamanitra anie no nahatoy izao antsika ee (1Cor 15-10 ).
Ary tia antsika Andriamanitra. Rariny sy hitsiny ra mba mifampitsinjo
sy mifanohana isika mba fankatoavantsika izay fitiavan'A/tra izay. Ny
Ntaolo rahateo nilaza fa taon-trano tsy efan'irery ary asa vadi-drano
tsy vita raha tsy hifanakonana. Toy izany koa ny hoe toy ny mpirahalahy
mian'ala, izaho Tokinao, ianao tokiko
Indraindray ihany koa misy ny ihanjadian'ny tsy fidiny. Ireo tsy manantsiny, fa dia sompatry ny tany tsotra izao. Mba eritrereto hoe isika no eo @ toerana misy azy ireny. Olombelona mande ra daholo isika. Koa etsy babeko ary ry havako malala, ndao hifanotrona, hifanampy ary hanohana ireo izay mila izany. Resy lahatra aho hoy aho ary tena fahitana avy any an-danitra mintsy no nanambara ahy izany, fahasoavan'A/tra no fetra. Miangavy antsika tsara sitrapo rehetra ary hanohana ity fikambanana mpanao asa soa ity:
misaotra mialoha
ps: @ maintikely: moi aussi j'ai essayE facebook, j'ai adorE