Efa fantatrareo ve ilay herin'andro ny teny malagasy ao @ fb? @ 28 volana Martsa ka hatr@ faha-4 volana Aprily hono dia mba asio teny malagasy tena malagasy eo @ rindrina. Hoe ohabolana na tonon-kalo na lahatsoratra na otran'izany ee ka hoe manasongadina ny kanto @ teny malagasy izany na tsy voatery kanto fa hoe tianao fotsiny izany ee...
Asa, tsy haiko na hampivoatra ny teny malagasy ilay hetsika na hoe hamporisika antsika hitia ny teny malagasy fa za moa dia mankasitra foana izay mety hoe hetsika atao mikasika ny fitiavana ny teny malagasy izany. Faly sy tena hoe mirehareha kely ery aho nahita an'ilay hoe "rango-pohy" hoe teny gasy vao noforonin'ny troupy gasy mpampita vaovao sy mpitafatafa tao @ twitter hilazana ny hoe"paraphe". Noraisin'ny gazety ilay izy. Jereo gazetiko androany 18 Martsa 2011. Tsy asiko rohy satria eo @ pejy fandraisana le izy dia mety miova hoazy rampitso... ny tiako hahatongavana dia ny hoe mety ho tena lasa teny offisialy tokotrany an!!
Dia lasa ny saiko hoe, dia manina tokoa moa ra asiana adihevitra mikasika ny hoe fananganana sy famoronana teny malagasy @ ireo zavatra misy any ivelany sy eto antoerana kanefa mbola tsy misy ny hoe teny malagasy iray hoe voambolana iray azo ilazana azy. Anisan'ny hoe problematika izay lasa hoe fialana bala ampiasantsika @ hoe tsy fampiasana teny gasy isak'izay mihetsika izao manko ilay hoe tsy ampy ny voambolana... ka hoy aho hoe ndao foronina ny voambolana ee... tsy vaotery hiandry krizy eto @ firenana sy hoe zavatra hitranga ka ho resahina any @ twitter (mba misy anarana gasy an'io ve?) vao hoafaka hanana voambolana malagasy isika...
i jentl moa izany efa mpanao an'izy ity hoe mamorona teny rehefa tsy misy fa izany hoe tonga dia lazainy sy ampiasainy ilay izy fa tsisy adihevitra ary hoe zara raha fehezan-teny iray na roa no mikasika an'izay fa hoe lahatsotra miresaka zavatra hafa no tena ifantohana. Dia mba izay no tiako lazaina eto hoe resa-dresaho rankizy an. Tena hoe manokana lahatsoratra iray mihintsy hoe ity no sosokevitra momba an'ity. @ izay mba tena mifantoka @ ilay voambolana ny lahatsoratra sy ny hoe mifantoka any ny saintsika ee...
Ka ho atomboko @ "ascenceur" ary izany, na koa hoe "elevator" na "lift" hoan'ny anglisy. Araka ny efa fantatsika moa dia izy ity dia karazana trano kely miaka-midina ampiasain'ny olona rehefa hoe avobe ny trano ka tsy vita antongotra ny dia fiakarana. Na koa vita fa kamo be tsotra izao ee... Ny tonga tany an-tsaiko voalohany dia ny hoe "solotohatra" izao kandida azo raisina. Kanefa refa nandika dia otran'ny tsy mety indray satria ny zavatra hoe "solo" rehetra dia hoe solona ratsam-batana izany na hoe misy ifandraisana @ vatan'olombelona ee. Ohatra hoe solomaso, izany manampy ny maso. Solosofina, manampy ny sofina hoe hihainoina. Solonify, manolo ny nify. Solosaina, dia manampy ny saina... ny tohatra anefa tsy @ vatana fa efa hoe zavatra namboarin'olombelona ka izay no tsy mampety azy.
Dia nieritreritra indray hoe "fiaramiakatra" na hoe "fiaramiakamidina" satria ny fiara izany dia ilay fitaovana vy mampiasa motera ary manampy ny olona hifindra. Otran'ny hoe fiarakodia na koa hoe fiaramanidina na hoe fiaran-dalamby. Otran'ny tsy dia mety loatra anefa ny fanenony any antsofiko fa asa ny fahenonareo azy. Satria fanenon'ilay izy otran'ilay fiara any @ futur ireny hoe miakatra ny building mande mafibe. Otran'ny tomobila ny endriny no tiako tenenina...
Ka inona no mety ary ee? refa tsy mahita manko dia mety hoatao hanaraka honomatope izy ity... lasa hoe asanisera na hoe elevatora na lifitra.
Mahita an'ilay trano bedabe zakan'ny rano any @ tena Japana ah izany dia lasa ny saiko hoe sao dia mba tokony ho atao afaka mitsingevana aza ny design an'ny trano any @ futur... indrindra misy an'le prospect an'le hoe ho ratsy toetra indray i A/tra miaraka @ le Noah Syndrome izany... hoe tondra-drano, part II...
Hevitr'akoho fotsiny ah. Atao beton armE ny faladian'ny trano. dia asiana karazana bouee ngozabe ao ambanin'izay. Atao otran'le karazana, hitanareo ilay cannoe aforitra anaty torosy ireny? vao sokafana le torosy dia mibrioka sy mibotsina wazy le cannoe. Ny tiako tenenina hoe tsy mila popiana izany. Eny fa na mila popiana aza. Asiana karazana hoe sensor fotsiny izany mekanisima kely hahafantarana fa misy tondra-drano eo an-toerana dia tonga misy paompy eletrika mipaompy rivotra rapidapida alohan'ny hoe tapaka ny jirama... dia mitsingevana wazy ny trano refa tonga ny tondra-drano... mety ho voafainty ihany i A/tra an... tsotra nefa otran'ny hoe tsy dia mandany vola mankaiza? government of Japan, hear me out!!
Siora siora alou fa toraka rapidapida fotsiny iny fa nda hiverina hifidy praiminisitra ny bandy eee... za mi-parie fa miala ny vital dia misosoka ny vital... ny tena tiako izao le sipa hoe Dina Jeanne Fotomanantena (manja sa tsy manja? pics pls), sady mba diplomatika kokoa no hoe aleo mba vevavy indray no mitarika refa hita fa fiasco doly ny lelah nandritra ny 50 taona lasa ee... en tt cas, i Vital alou tsy maintsy lasa Vpm en charge ny defense na tsy lasa praiministra aza ee... la nana aux yeux bleus dit: vital, il est vi-tal vi-a son image vi-rtuellement vi-ril remplace vi-brateur a vi-e. avec lui vi-lains et vi-oleurs vi-rent aux vi-naigres et tgv peut vi-sualiser vi-guoureusement la vi-ctoire de vi-va tres vi-te aux vi-llages vi-ctimes de Gadda-vi
ps: btw, what's up with the olona avy any atsimo doly no praiministrable? sao dia tokony manenjika sipa vezo ny bandy? haha
Alahady hariva ny andro izany dia nibata seza ity tovolahy hipetrapetraka eo an-davarangana hankafy ny hakanton'ny tanana sy zava-boary. Vao nanomboka nijery izy anefa dia ireto kirarom-behivavy avy nosasaina eo @ lavarangan'ny mpifanolo-bodo-rindrina no hitany. Maro dia maro dia maro tokoa izy ireo eo ho eo @ 14 isa ny hoe kiraro roa miaraka (pair of shoes). Ny mipetraka ao anefa dia tanora lehilahy iray sy vehivavy iray... dia lasa ny saina hoe mpivarotra kiraro ary ve izy ireto sa ahoana? nanotaniana ramatoa: kiraroko ireo ka... ra 14 no nosasana, mety firy eo ho eo izany ny isan'ny kirarony miaraka @ ireo tsy nosasana? eisy eee... vehivavy...
Nisy fotoana izany nisy vehivavy iray izay niangavy ilay namany lehilahy mba hamita vetivety ny asany fa misy fotoana tsy maintsy vonjeny. Ilay asa atao tsy nampoizina ho haka fotoana elabe... mba ho setrin'izany famonjena lehibe nataon'lery izany aza dia hoe alohany ny kaly. Dia hoe tsy koi izany e... refa nande nikaly @ izay ary dia samy nikomandy izay tiany teo... Dia refa hiala @ izay dia tonga dia nalainy ny faktira fa ho alohany satria izy no misaotra @ fanampiana. Dia hoe aleo alohako fa otran'ny hafahafa be sady manawain be le mampadoa vehivavy... odoie, tsy nanaiky mihintsy izy fa tsy maintsy nalohany... ny vola no maharangah hoy ianao? eisy eee... vehivavy...
Tao @ koloara iray, hoy ity lehilahy iray t@ ity ramatoa iray: kay le, hay ve enao ity manana ranjo e? otran'ny tsy mbola nahatadidy anao nanao zipo izany mihintsy ah. Dia raikitra teo ny fifanazavana nandritra ny adiny iray ary voatery niantsona olon-kafa mihintsy moa izany ary lasa debat nasionaly. Vokany noeken'ny be sy ny maro, decision inclusive et consuelle, fa t@ enim-bolana (6mois) lasa izy no nanao zipo farany... eisy eee... vehivavy...
Indraindray ah izany mieritreritra hoe tsy tokony ny diktatera sy ny hoe apprenti-diktatera no omena tsiny fa ireto vahoaka vendra-po ireto. Marina ihany alou le hoe izy no manao ny ataony ka ahoana ny vahoaka tsy manan-tsiny no endrikendrehana. Rehefa atao anefa ny fandihana dia otran'ny hoe ny vahoaka mintsy no mila an'ilay olona hitondra azy any ankady. Ao anatin'ny hoe filana eo @ fiainany izany io.
Sendra hitako t@ tele ity, asa ra fa fantatrareo ny hoe nanombohan'ny fiangonana advantista. Nisy razoky niketriketrika ny hoe daty hiverenan'i jesoa ony hoe t@ 1843 lery no hiverina. Dia nahazo kil bobaka be lery t@ izany satria tena kajy matotra be hoan'ny atidohan'ny olona t@ izany moa le izy sady otran'ny orijinaly be. Evidawazy fa tsy tonga i jesoa. Dia nikozy ndray razoky hoe: ah non, diso ny kajy satria tsisy taona 0, @ 1844 izany lery no ho avy. Dia mbola tonga indray ry vendrana hiandry an'ny tena jesoa. Mbola nomeny jesoa ny endraso eo Paoly fa eee in ozy nareo? tsy ny hoe nanawain an'razoky no nataon'zala fa vao mia izy nanangana secta dia io fiangonana adva hitantsika @ izao io no niafarany.
Tsy ny hoe fanasongadinana ny havendranana ny vahoaka nanomboka ny advantista akory no tiako hahatongavana eto an. En fait manja doly ny sipa adva ny tena marina, azo jerena doly ny hitako alou fa asa lisany... Fa ny tiako lazaina fotsiny hoe tena ao anatin'ny hoe besoins fondamentaux an'ny olona mitovitovy tadin-dokanga mihintsy ny hoe mino ny atsanga tsy aman'orana. Marina tena marina fa mila olona hoe manana leadership skills vao afaka mahavangona olona betsaka fa au fond izany ireny olona ireny dia efa otran'ny hoe niandry "mpamonjy" mihintsy. Jereo tsara anie fa na tsy lany prezida aza i Maihol @ 2013 dia mbola hiroborobo fatratratra ny secta an'lery e?
Eritrereto hoe i Gaddafi izany efa tena tsy ankinafinafina mihintsy fa atao fanta-poko fanta-pirenena ny hoe famonoany ny mpiray tanindrazana aminy. Dia enao mieritreritra hoe hoe tsy hivoaka velona ity. Kanefa jerena, hay tena misy olona mbola tena hoe mankafy sy fanclub an'lery ihany. Dia aleo tsorina ny marina fa na hisy ra mandriaka tahaka ny inona aza eo dia poinsa mety mbola hotafiditra 2eme toro ihany i Gaddafi ra asiana fifidianana hoe faran'izay mangarahara aza any Lybia ee. Tsy hoe tsy ratsy toetra i Gaddafi na otran'zany fa ny vahoaka mihintsy no mila azy ho ratsy toetra.
Idem eto amintsika. i Deba alou voalohany indrindra tsy mila tantaraina intsony angamba ny hoe havendranana tapitrohatra an'ny vahoaka izay tia azy, tena bobaka tokoa anefany io an. i ra8 indray, eritrereto anie ny hoe fivarotana sakabelou nataon'i lery e. Tsy hiditra @ le resaka hoe fampandrosoana haingana sy ny hoe resaka fitifirana teny @ Ambotsorohatra ah fa satria debatable be ireny. Fa ilay fikan'lery hatra@ voalohany hoe fahamasinana, fahamarinana ee, mangarahara ee, ireo zavatra tena azo lazaina hoe azo atao sy hoe faisable izany kanefa dia oppose an'zay no tena nataony... dia mbola misy mino ihany hoe tena "mpamonjy" nedala... i tgv moa dia tsy lazaina intsony. Vao manomboka @ hoe radio akatona no ahitana raison hanonganam-panjakana dia efa mampiaky ny razana ny hoe @ fomba ahoana no ahatokisana sy hoe hinoana bandy otran'zany. Ny filaza matetika moa hoe ny foza, tsy dia nianatra loatra sy hoe mitrongy vao homana dia mora manipuler-na. Kanefa hoy aho hoe, ny vahoaka mintsy no mila ny fampandriana adrisa sy fivarotana sakabelou eo @ fiainany.
Ny tena fototr'izany rehetra izany hoy aho hoan'ny Afrika manokana dia tsy hoe noho ny fanjanahatany loatra. Fa noho ny hoe t@ fanjanahan-tany isika dia nanaiky ny fitoriana an'A/tra. Otra'ny hoe be loatra ny fidiran'ny resaka A/tra eo @ fiainantsika. Jereo tsara anie fa ny hoe Eoropeana sy ny Amerikana ary ihany koa ny hoe sinoa dia tsy dia mirara an'zavatra otran'zany e. Hoe zavatra lojika sy hoe misy dikany ihany no tena miteny. Tsy hoe ny fisian'A/tra eo @ fiainana akory no mahatonga antsika hoe naive sy hoe vendrana fa ny tiako tenenina hoe izay no lasa nanamboatra ny kolontsaintsika le hoe mora matoky sy hoe minomino foana ee. Lasa otran'ny hoe olon'ny fo be loatra... lasa tsy misaina be intsony fa ny fo no mibaiko ze atao rehetra, indrindra moa fa ra misy olona maromaro mitovy fo otran'zany koa...
dia izay ee, vendra-po: vendrana + fo
Ny tena tanjon'ity lahatsoratra ity moa dia ny hamohahako an'ity faminaniana iray ity: mbola hoe diktatera ihany ny filohantsika manaraka!! Izay mino ahy, aoka izy hanaraka ny teniko