Taloha izany ilay banky fampiasako mi-text isaky ny misy "fihetsehana" vola ao @ kaontiko. Nataoko hira (ringtone) hafa mihintsy moa rehefa text avy @ banky no tonga @ finday. Dia rehefa manakaiky ny faran'ny volana dia tena anisan'ny hoe tena fahafinaretana kely ho ahy mihintsy ny maheno an'ilay "Rainay oh" an'i tselatra iny dia efa kopy hoe tonga ny famonjena avy any an-danitra: time to manatavi-tena and get drunk!!
Indrisy anefa fa novainy ho isaky ny misy vola mivoaka sy hoe fidirana en ligne @ internet sisa le izy no mi-text izy @ izao. Enfin, tsy gratuit intsony zany le option taloha eee... dia voatery maminavina foana hoe efa misy sosy mitotona ve ary ao zay sa ahoana... Tsy dia hoe hakamoana loatra @ le hoe jerena impolo kely fa hoe tena hafa ihany le feeling enao variana miresaka serieux be iny no maneno le hira dia mitsiky wazy... indrindra moa fa ilay hoe mauvaise journee iny no maneno izy dia tena mivadika bonne humeur wazy...
Eto ampanoratana an'ity ah vao saina tonga be hoe ary za koa bandy kahidy an... tsy aleo mandoa an'le optiona iray dia milamina ny rara?? kanefa en fait tsy dia ilaina akoriny le izy en fin de compte kanefa be taraina ery looooooooooolllll c'est moi!! c'est la vie!!
roses are red violets are blue ity ilay rediredy tsy manam-paharoa
Kivy tanteraka ah nahita an'ilay proposal tao anaty voromby iny... hoe tena tsssssssssssssssss otran'ny havadiky ny fanatontoloana ve ny fieritreritry ny olona sa hoe ahoana... za mahita hoe pathetika moa ny vahoaka mitehaka hoe romantika (sy orizinale)... jereo fotsiny ilay hoe best marriage proposal (19 million viewers) hoe tena nampiady coco be mintsiny lery mba hangataka an'le sipa izay marihina fa poinsa na tsy nangatahana aza efa siora fa azo.
Voalohany indrindra aloha, iza no bandy vendrana nanova ny fombafomba t@ vady atolotra?? sady tsotra no tsy mandany vola sy andro no tonga dia poinsa. Eny e, ny vady atolotra kosa alou tsy ho poinsa mintsy fa le procedure no tiako tenenina hoe tonga dia miresaka ny RAD dia hoe siora siora ee... @ izao anefa dia voatery mandohalika ny bandy ary atao @ fomba romantika arahina fihetsika orijinaly izany... zavatra tokony vita tslem any sisiny tsisy mpahita lasa voatery hanaovana rehearsal sy entrainnement goavana. Dia io le efa teneniko hoe izay foana no mahatsara ny fanasiana fitsipika eo @ fiainana fa ra ohatra ka avelanao hande ny zavatra iray dia lasa iny indray no norma vaovao... minoa aho fa @ taona 2100 mety ho haharitra 3 andro ny marriage proposal.
Faharoa, zavatra tena tsisy dikany sy hoe "pointless" le izy satria ra ohatra ka hoe niaraka ny olona roa ka hoe tsy mba nieritreritra ny hivady izany dia poinsa fa tsy maintsy hisaraka izany. Noho izany ra mbola miaraka ny olona roa dia mazava hoazy fa efa misy ny tanjona. Izany hoe tsy ilaina intsony ny fangatahana satria efa nifanarahana le izy hoe indray andro any tsy maintsy asiana peratra ity kozy ity... Eny ee, ekeko hoe mety izay no mafinaritra an'le sipa dia manao an'zay le bandy sns kanefa tsy tokony atao norma le izy hoe tsy maintsy hi-propose doly ny bandy rehetra eran'ny tanana.
Ny hany hitako fa tena hoe bon cotE an'le kozy kosany anefa noho le izy hoe tena mapisento ny vahoaka rehetra dia hoy aho hoe afaka hi-tirer-na avantazy kely izany... ohatra hoe t@ le tao anaty roplanina iny izao refa avy ni-propozy lery dia nanaiky le sipa dia ozy ny pokona hoe: oooooooooo so romantic... dia tokony manohy kely le bandy hoe: misaotra eee, hono wa tsy mba azonay ampiasaina kely ve ny toilet mba hi-celebrer-na an'ity kozy ity??
Dia izay eee, aza gaga ianareo ra ohatra ka misy bandy hi-propose ao rez de chausee dia avy eo izy hangataka hampiasa ny fanonga... na hoe ao @ salony an'ny hotely malaza be tsy takatry ny vola, salle de conference internationale Ivato... eny @ rova izao no tena milay oo?? mbola ao ve ny fandrian'ny mpanjaka? ho ho ho
Fa @ izao andron'ny fanatontoloana izao ihany sy hoe lasa digital daholo ny zava-drehetra dia hoy aho hoe... tsy mba azo eritreretina ve hoe indray andro any mety ho hivadika en ligne ny fanambadiana?? ny proposal izany dia alefa par email na hoe youtube ary ny peratra tonga dia Amazon gift cards na hoe voucher @ magazay firavaka... ny fisehoana moa dia azo atao teleconference na hoe misy agence mandray ny CV an'ny fianakams roa tonta dia mandamina ny rara... ny vodiondry dia ao @ twitter ny mpikabary no mifanindry ary @ site web: get a wife, two for a price of one no mandoa vodiondry razazalahy: io izany le hoe "add to cart", you've got one wife in your cart ho ho ho ny soratra sy mariazy dia azo atao video conference na hoe conference call @ iphone... efa any @ lune de miel vao mila presence physique!!
Mino ah fa mpankafy mijery sarimihetsika daholo isika rehetra an. Na tantara indray miseho io na hoe tantara mitohy (seria) dia samy manana ny favoriany daholo. Ny sarimihetsika no anisan'ny hoe zavatra azo resahina @ olon-drehetra eny fa na dia hoe tsy mpifankafantatra akoriny aza. Ie, ny resaka toetr'andro no be mpampiasa indrindra fa ny resaka sarimihetsika no anisan'ny mampifandray vetivety indrindra.
Ny azo resahina voalohany alou dia ny hoe milay ve ilay film sa tsy milay. Hoe ny momba an'ilay tantara, mampiasa saina sa mampisento sns... ny montage sy ny effet ary ny fahaizan'ny mpilalao... Fa ny tena hoe mampifandray indrindra dia rehefa hoe mitovitovy ny fomba andraisana sy "iainana" an'ilay tantara @ le sarimihetsika.
Nanatrika karazana seminera kely momba ny hoe "emotional intelligence" ah izany t@ herin'andro. Resaka hoe fahatsapanao ny emotion sy sentima anao @ fiainana andavan'andro ary ny fahaizana mihefy izany. Dia lasa ny saiko hoe: an han!! ary izany kay no mampamora mi-connect be @ olona @ alalan'ny resaka hoe mozika sy sarimihetsika hoe tsy vitan'ny hoe fitovian'ny tadin-dokanga @ resaka gout fa @ hoe fomba mety hifandraisan'izany @ fiainanao le izy...
Rehefa mpijery sarimihetsika be loatra moa enao dia lasa hoe tsy voatery zavatra niainana intsony le izy fa lasa nivadika hoe maka tahaka ny sarimihetsika jerenao indray ny toetoetranao. Firifiry izao no maka "line" sy hoe "catchphrase" avy @ film?? @ voalou le izy otran'ny hoe mi-citer film enao fa au fur et a mesure mampiasa an'le izy dia lasa otran'ny hoe partie integrale an'ny toetoetranao sy momba anao.
Ny tena loza dia rehefa lasa mivadika hoe tsapanao hoe @ film izao @ izao le misy mozika mande any ambadika... hoe rehefa manina olona enao na otran'zany dia misy karazana mozika rocka rocka slow mande any ambadika. Rehefa miditra toerana maizimaizina somary maty-mirehitra ny jiro dia mande le mozika @ horera ireny. Rehefa mifamaly @ namana ka tsy mifampiresaka dia mande ny mozika otran'ny hoe samy tsy te hanao premier pas kanefa samy mahatsapa guilty kely...
Dia arak'ilay blagin'i RaFrancis Turbo iny mihintsy hoe rehefa avy mijery action dia tena otran'ny hoe za no tena mafibe. Za zao isaky ny miditra fanonga dia mieritreritra foana hoe mety misy camera sy mahita ny zavatra ataonao. Isaky ny miditra banky dia mijery hoe ra ho tafiako ity dia aiza ny fika... Ny tena loza le film tsy dia tena hoe horera be fa le karazana horera realista ireny, genre final destination... lasa kaodikaody be foana hoe mifandray daholo ny zava-drehetra ary zavatra kely balitika iray no diso toerana dia mety jokotra eto ah...
Dia izay ee Raha ohatra ka tsy mba misy influence aminao na kely akoriny aza ny sarimihetsika jerenao dia... atsangano ny tanana
Fa misy karazana sarimihetsika iray izay tsy dia mi-influencer ny toetoetranao loatra... noho ny antony hoe tena tsy mety mitranga @ fiainana andavan'andro le izy... inona ary izany?
Otran'ny tsy dia nisy resaka firy teto @ media malagasy ny momba an'ny loka Mo Ibrahim. Nozaraina t@ alatsinainy io ary azon'ny filohan'ny Cape Verde teo aloha Pedro Pires.
Ny loka Mo Ibrahim moa dia atolotra an'ny mpitondra fanjakana Afrikanina izay voafidy ara-demokratika, nampiseho fomba fitondrana mendri-piderana ary indrindraindrindra nijanona t@ isa nomen'ny lalam-panorenana azy hahafahany milatsaka ho fidiana. Ny loka izany dia $5millions omena ao anatin'ny folo taona ary ihany koa $200.000 isan-taona mandra-pahafatiny. Afaka mangataka $200.000 isan-taona mandritra ny 10 taona ihany koa izy hoan'ny asa fanasoavana izay nofidiany hotohanana.
Dia hoy aho hoe tsara ampahafantarina ny mpanao politika malagasy angambany io. Satria tokoa ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy dia ny hoe hitadiavam-bola ny antony hanaovany politika. Dia io izany ny hoe safidy omena azy hoe ataovy tena mention tres bien ny fitondrana ny firenena ary aza manahy ny @ hoavinao fa io ny garanti fa tsy ho hahantra ianao.
Mazava hoazy fa fomba fitondrana tena exemplaire no mila tratrarina eto fa tsy ny ala safay, fomba malagasy tsy hita izay maharatsy azy akory. Raisiko ho ohatra hoe ny filoha Botswanais teo aloha: Festus Gontebanye Mogae. Betsaka ny zavatra azo handokafana azy fa ny tena nahakirana ahy indrindra dia ny hoe ny azy tena nataony mihintsy izay hanasoavana ny vahoaka avy @ vokatra ara-mineralin'ny fireneny. Maro ny firenena Afrikanina hoe manana harena ankibon'ny tany fa ny ankamaroan'izy ireny dia ny mpitondra ihany no mahazo tombony. Ny azy kosa tena nataony mangarahara mihintsy hoe ny vahoaka no mahatsapa ny tena vokany...
Dia izay ee, ambava homana ampo mieritreritra. @ izao hoe fotoana hanombohan'ny hoe fifidianana sy hoe fotoana hanombohan'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany massive eto amintsika izao, asa ra mba tsapan'izay hirotsaka rehetra ny tena vokatsoa rehefa hoe ny vahoaka no mahatsapa ny fandrosoana. Izany no atao hoe fitiavana tanindrazana. Za aloha efa ela mihintsy no nametra-panotaniana hoe fa mba ahoana marina aza ny raisonnement an'ny mpitondra malagasy/afrikanina hoe tsy ngeza lavitra dia lavitra ve ny voninahitra sy rehareha raha ohatra ka hoe ho tsaroana @ hoe nitondra fandrosoana sy fivoarana @ firenena iray ianao noho ny hoe mambotry firenena, mahazo harena manokana goavana fa ho tsaroana @ fampahantrana ny vahoaka sy ny hoe voaongana... asa, tsy safidy tsotra sy mora ve izany?
Efa fantam-poko fantam-pirenena moa fa hoe lasa omaly i steve jobs, mpamorina ny orinasa paoma. Efa betsaka ny hoe tribute sy hoe fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra bedabe eraky ny aterineto ho anazy. Tena olo-manga tokoa ny lehilahy. Za moa tsy manana hoe vokatra paoma na iray aza (hitako lafo be @ tsinapa le izy), izany hoe tsy dia fanclub be otran'ny hoe ankamaroan'ny be sy ny maro, fa na izany aza mba mijery izay voasoratra momba azy. Otran'ny hoe Michael Jackson ihany ee. Tsy te ho tavela ivelan'ny resaka enao refa mifankahita @ namana hoe tena lasa i lery dia mba mahita ho tenenina...
Akory ary ny hagagako nahita an'ity kabarin'lery ity tao @ Stanford. Otran'ny hoe nanana talenta hoe "motivational speaker" koa lery an. Lava be le izy fa samia mamaky ze liana (azo adika @ GooGle ra ohatra ka...) fa ireto ny isan'ny mba nanohina kely ah hoe... tena marina tokoa.
Voalohany ary dia ny hoe:
Again, you can't connect the dots looking forward; you can only connect them looking backwards. So you have to trust that the dots will somehow connect in your future. You have to trust in something — your gut, destiny, life, karma, whatever. This approach has never let me down, and it has made all the difference in my life.
Hoe, tsy ho hitanao mihintsy ny fifandraisan'ny lalana nizoranao eo @ fiainana raha tsy efa any aoriana any. Hoe ra tsy nisy an'izao mety tsy ho izao ny fiainako. Noho izany dia manana finoana @ zavatra ataonao fa indray andro any hitondra zava-tsoa eny fa na dia tsy mazava aza @ izao fotoana izao.
Faharoa,
Sometimes life hits you in the head with a brick. Don't lose faith. I'm convinced that the only thing that kept me going was that I loved what I did. You've got to find what you love. And that is as true for your work as it is for your lovers. Your work is going to fill a large part of your life, and the only way to be truly satisfied is to do what you believe is great work. And the only way to do great work is to love what you do. If you haven't found it yet, keep looking. Don't settle. As with all matters of the heart, you'll know when you find it. And, like any great relationship, it just gets better and better as the years roll on. So keep looking until you find it. Don't settle.
Indraindray mety mitoraka briky eo @ lohanao ny fiainana. Aza kivy. Inoako marimarina fa ny hany zavatra tsy nampijanona ahy teo @ asako dia noho izaho tena tia ny zavatra nataoko. Mila mitady ny zavatra tiana eo @ fiainana, na eo @ asa io na eo fiainana aram-pitiavana. Ny asanao no hameno ny ankabeazan'ny fiainanao. Ny hany lalana hampasambatra/faly anao dia ny finoana fa ny zavatra ataonao dia asa manezinezina, tsara tsy misy toy izany. Ary hany hahafahanao manao asa manezinezina dia ny fitiavana ilay asanao. Raha ohatra ka mbola tsy hitanao ilay tinao hatao dia aza mora mionona. Mitadiava. Toy ny zavatra hidiran'ny fo rehetra, ho fantatrao eo ihany rehefa hitanao ilay tena izy. Ary toy ny fifankatiavana rehetra dia mitombo sy mihatsara araka ny mahaela azy. Noho izany, aza mionona fa tadiavo foana mandra-pahitanao azy.
Fahatelo,
Remembering that I'll be dead soon is the most important tool I've ever encountered to help me make the big choices in life. Because almost everything — all external expectations, all pride, all fear of embarrassment or failure - these things just fall away in the face of death, leaving only what is truly important. Remembering that you are going to die is the best way I know to avoid the trap of thinking you have something to lose. You are already naked. There is no reason not to follow your heart.
Ny fahalalako fa ho faty tsy ho ela aho no zavatra nanampy ahy be indrindra t@ fandraisako fanampahankevitra lehibe eo @ fiainako. Satria, ny zavatra hatahorana toy ny hoe hambo-po, fahafaham-baraka, fanatenan'ny olona amiko, faharesena, ireny rehetra ireny dia zava-poana ary kely dia kely mihoatra @ fahafatesana. Tsy misy zavatra ambony noho ny miaina. Ny fahafantarana sy fahatsiahivana fa ho faty ianao no hery lehibe indrindra hampatsiaro anao fa tsy misy zavatra hafa ratsy kokoa noho izany mety hitranga aminao ka anjaranao ny mandray an-tanana ny hoe hanaraka izay tinao, izay tondroin'ny fonao hatao.
Farany,
Your time is limited, so don't waste it living someone else's life. Don't be trapped by dogma — which is living with the results of other people's thinking. Don't let the noise of others' opinions drown out your own inner voice. And most important, have the courage to follow your heart and intuition. They somehow already know what you truly want to become. Everything else is secondary.
Voafetra ny fotoana ananao koa aza mandany andro miaina ny fiainan'ny hafa. Aza manaiky ho voafingan'ny dogma, izany hoe miaina @ vokatry ny hoe fieritreretan'ny hafa ny hoe tokony ho fomba fiainana. Aza manaiky ho totofan'ny hafa @ feony sy ny heviny ny feonao sy hevitrao. Ary ny tena ambony indrindra dia ny heo manana korazy sy ambom-po hanaraka ny ao amponao sy ny tsindrimandry ananao. Ireo no mahafantatra ny tena mety ho anjara sy lahatra ho anao. Ny ambiny manaraka ho azy.
Dia izay ee, olon'ny fo izy ary fatany izay ataony.