Amour... quand tu nous tiens!!

Published on 07/26,2010

 

Tadidinareo ve ilay tantaran'i Rabeniomby sy Ravolahanta iny?
Tantara indray miseho, Romeo et juliette nosoran'ny ntaolo malagasy. Nifankatia ry zalah, kanefa tsy noeken'ny RAD (sa fiaraha-monina?) dia farany namono tena tao tritriva (mangamaso re). Dia hoe misy hazo maniry ao ho mariky ny hoe fitiavan'zareo tsy ho maty mandrakizay. Rehefa tsongoina ony io hazo io dia mande ra...

T@ za naheno an'i tantara io voalohany dia honena kely ny foko hoe wow tena mendrika omena "hero"  kosa izany hoe miady hoan'ny fahasambarany sy ny fitiavany izy ireo... rehefa avy nahita an'le tena Romeo et juliet t@ tele @ zay ah dia ozy ah hoe bandy vendrana tsisy otran'la... tsssssssssssssss mamy ny miaina klelika ee. Tsy haiko alou ee,  mety hoe maditra ah fa ny minimum ve tsy tokony mba hoe mandositra alavitra be any @ tsisy mpahita any,, mba manao Robinson Crusoe kely

Ny tena lojika dia ny hoe tokony cool fotsiny lery, sipa bedabe rofina @ sobika eraky ny tanana ity ve dia ho anaovana zistoira ra iray no tsy mety... tena tsy norma kosa izany ee. Ilay hoe "ny fitiavana no lehibe indrindra"  alou tsy haiko ee, otran'le hoe "il n'y a que la beaute interieure qui compte"... utopika be,, natokana ho an'ny vehivavy. Tsy dia mety loatra @ taranaky i adama.

Tsy izany fa sendra namaky gazetiko ah dia nahita an'ity lahatsotra ity. Hoe nisy bandy niaraka t@ zandrin'ny vadiny, dia bikina le sipa dia avy eo namono tena ry zalah. Seriouslyyyy??? Tsy hiomehy fahoriana ah fa le kozy otran'zao mintsy no tena manimba revy ee. Fitiavana ve izao sa hoe fahakelezana endaka/fitiavan-tena?...  Ny fiainana kosa tsy film kle, tena marina ee... mampatsiaro be an'le hiran'i levelo hoe rasoanantenaina... dia nasiany soratra teo andohan'ny farafara...

Sarotra be ny ho eo @ toeran'ny le olona fa dia hoe "love is blind" ve no ilazana azy?

C'est la vie!!

 

ps: Ho asiako lahatsoratra mikasika ny fomba fampirafesana tena mahomby eto.  Ho antsika ningitrika an'ireny kilasy ireny, ka mahatonga an'le tantara mampalahelo otran'zao.


Hevitra

  1. 07/27,2010 | 00:28

    mouhahahahaha - avoahy haingana lé article mba misy hatao devoar de vakansy klé !!!!

  2. 07/27,2010 | 02:39

    Efa tsindrian-daona izahay miandry an'ilay lahatsoratra mikasika ny fampirafesana e!! hihi...

  3. 07/27,2010 | 06:00

    Matiko anao raha atorotoronao an'i vady malalako izany lesona izany fa izy iny mantsy izao tena hendry be mitsy.

  4. 07/27,2010 | 20:54

    lol
    HS doly lisany, ravolahanta sy rabeniomby no lahatsoratra :)

    efa misy lahatsoratra maromaro milahatra alohan'ny resaka fampirafesana ao fa asa mety ovaina ny priorite ngambany... ho avy tsy ho ela ee.
    en attendant, efa hoe aza tenitenina an'i aziew hoe mambra actif an'ny blaogasifera ianao sy 50%n'ny fiainanao en ligne ^:^

  5. 07/27,2010 | 21:13

    Film ny fiainana. Ialahy fotsiny no aktera/direktera. Rehefa izay no hitany fa mety dia tsofin-drano kosa izy hadry ampianadanana. Tsy dia hitako loatra hoe, rehefa tsy tia ho velona ny olona, nahoana no omena tsiny raha mamono tena.
    Ohatra ny hoe, misy tsy tia kafe, nefa misy miondana.

  6. 07/27,2010 | 23:01

    ie
    marina izany fa safidiny io ary tsy voatery hoe hi-se justifier izy... kanefa tsy dia tena azo ampitahaina @ resaka kafe kosany satria aina no resahina eto. Misy miteny hoe ny fitiavana no lehibe indrindra, dia hoy aho hoe aina/fiainana no lehibe indrindra. Satria ra mbola velon'aina na dia sarotra tahaka ny inona aza ny olana mianjady dia tsy maintsy hotafavoaka sy ho tafarina foana enao. Ce qui fait que ny famonoana tena dia tokony @ hoe antony lehibe faran'izay lehibe indrindra.
    Ohatra hoe: Terorrista manapoaka ny tenany, izany izao zavatra antony mazava sy lehibe ny antony hamonoany tena (aminy fa tsy amiko an).

    Rehefa hoe zavatra lehibe noho ny aina dia izay vao tokony hafoy ny aina e, lojika angamba izany.
    Ohatra hoe mba tsy hahafaty olona 50 ao anaty taxibe anaki-2 mifanena dia tsara kokoa ra mamono an'le mpande antongotra anaki-1 eny @ sisiny... izany ary mbola misy jurisprudence be...

    Ny tena mampakrizy @ ity kozy ity manko dia hita mintsy hoe kamo hisarihana le razoky e. Tsy mba afaka nijery radoko hafa ve hijery an'le hoe afaka tokoa ve le zaza sa ahoana?
    na hoe navela niteraka teo le sipa...

  7. 07/29,2010 | 06:59

    Raha fitiavana azo zaraina no ilazana azy dia mba mampilamindamina kokoa ny saina e!

  8. 08/01,2010 | 14:59

    Dia efa betsaka no adala ! dia izay ve dia namonoana tena ? nnntsssss, tsy naleo nanao ny hoe " heloka ibaboana mody rariny ? ". Misy foana ny vahaolana rehefa mitady. Aza mba malemy eo amin'ny fiainana ihany raha tsy izany dia ho resin'ny fiainana. Izao maty ny zazakely, maty ny tena maty ny olon-tiana, mijaly ny fianakaviana sy ny zanaka navela ... tsy misy vahaolana mihitsy amin'ny fiapangàna olona alohan'ny hamonoana tena e !

  9. 08/01,2010 | 16:37

    io fitiavana io ihanyyyy
    no mahatonga izanyyyyyy

  10. 08/03,2010 | 01:38

    C'est l'amour fou ouuuuu ouuuuuuuu lol....

Leave a Reply