No Sir, I Do Not Need Viagra
Efa mitovy daholo izao ny any an'eritreritra an
Ankoatran'le hoe inona indray ary izao no rediredin'lety ato, inona no any an-tsainao? Mety fantako manko... teneniko an? ok ok aleo atao secret ary ee, @ zay nareo mba mamaky an'ze voasoratra eo ambany.
Niandry imailaka avy @ olona iray zay ah izany efa hatr@ alatsinainy fa tsy mety tonga le izy. Otran'ny le hoe irinko faty vao ela velona ee... za anefa tsy mitsahatra ny mijery fa isaky ny 5 minitra dia forcer-na hanao refresh ny gmail... ny hany zavatra mba hitako dia mitombo hatrany hatrany ny... viagra
Mahagaga ny fivoaran'ny teknaolojia an?
Raha t@ 10 taona lasa tany enao no mahita an'io lohateny io dia tonga dia hitsiky avy hatrany fa hoe hummmmm ao tsara izany ny basin'lery... na hoe kely endaka matahotra effet secondaire i leity. Ankehitriny anefa raha vao mahita izany teny hoe viagra* izany dia resaka spam, hafatra tonga tsy nantsoina fa nasesiky ny razana, no any antsain'ny maro.
Tsy tena misy fitsipika mazava ny momba azy ity fa ny ao @ boatiko aloha dia eo @ spam 2 isaky ny 5 minitra eo ho eo no tonga. Asa na misy olona tsy manao afa tsy mandefa spam na hoe misy masinina mizara azy io de facon aleatoire any ho any fa na dia asiana filtre aza ny kaontinao dia mbola io ihany ry letonaka... ary izany no tena systematika mintsy ah. Otran'ny hoe ny fanokafana ny boaty no mandefa signal any @ mpandefa spam hoe alefaso ilay comandy.
Leo be ah no farany moa fa tsy nety tonga mintsy ilay imailaka, ny viagra mitombo isan-tsegondra. Farany navelako tao fa hoy aho hoe ssssssssssssshhhh ity koa dia atao mankarary andoha eto... dia niangona tao lery... miova indray ny pozipoziny rehefa tsy sokafana matetika izy. Eo @ 60 ka hatr@ 100 eo ho eo no azo raha ohatra ka hoe mihoatra ny adiny 2 na 3 eo ho eo ianao tsy mijery. Mihena tsikelikely io sahan'ny fiovana io arakaraky ny hahaelan'ny tsy fijerena. Ra indray andro (24 ora) dia mety eo @ 150- 200 eo ho eo... raha arahina izany dia ny fanafodiny dia ny hoe tsy jerena elabe ny mailaka fa avela hiangona be ny viagra hoe mihoatra ny arivo mahery any izay dia mety hoe tsy hihetsika firy intsony...
Honnetement aloha tsy haiko fa raha izay no izy dia hoy ah hoe izay no marina dia ny hoe tsy mahazo mijery imailaka intsony zany raha tsy te hampitombo ny viagra... zany hoe ra jerena @ lafiny iray dia hoe fanafody hamerana ny olona tsy ho accro sy addict @ fijerena imailaka ny viagra... fahasoavan'A/tra.
Tonga ihany ilay imailaka androany maraina... tsy dia araky ny noeritreretiko ny voalaza tao. Tsy nahafapo izany e, nandiso fanantenana. Ny hany mba tena nampitsiky ahy dia ny fahitana an'ny isan'ny viagra tsy dia mihetsika firy na dia efa betsabetsaka ihany aza ny isany. Zary lasa namako sy mitondra tsiky eo fiainako indray i viagra.
Dia nisalasala teo aho hoe fafako elah ry viagra sa tsy fafako. Ny saiko manao hoe fafao, ny foko tsy manaiky fa zary lasa zatra ny mahita azy mavesabesatra an'isa, isan'andro. sssssshhhhhh aleo ampiana tosika elah ry bandy akama a. Natao forward directa any @ gmail ny mailaka yahoo. Satria sady efa tsy mandalo any tsony ah kanefa misy olona sasany mbola manoratra any ihany... ny any an-tsaiko anefa secretement manatena fa hampitombo an'ingahy viagra izany kirakira izany... eny nampitombo tokoa fa tsy dia mankaiza loatra ny fandehany... voabaikon'ny efa tao @ gmail angamba hoe aleo hilamina fa ny tany indramina.
Dia izay indray ary aloha ny anio. Hariva ny andro, efa miantso ireo voron-dolo. Ny fasana efa miandry. Nda hiosotra menaka raim alou. Avelako ialahy ry viagra. Rahampitso indray hitohy ny tantaram-pitiavantsika... sy ny fikarakarana lasopy voalavo ary mofo concombre. Stay tuned!
Miara mirona ry ikala alikaaaaaaaaaaaa