Kanto, Teny Malagasy
Efa tsy hizoviana amintsika intsony angamba ny hetsika aza ampijaliana ny tenintsika. Betsaka tokoa ny lahatsoratra fandraisana anjara, hampa-sambatra,
hanandratana ilay tenintsika. Araka ny tenin'i lapino moa dia
karazan-desona sy torolalana mba tsy hanaovana hadisoana be loatra
intsony @ fanoratana teny malagasy no niezahana avoaka bolongana. Ny
mahafinaritra eo @ teny malagasy indray no entina eto anio. Mba
hamporisihana antsika Malagasy hoe hay mba kanto ihany ange ity
tenintsika ity ry ireto e.
Efa elaela izay, nanao tatitra kely aho momba ny teny malagasy avy amin'ilay boky nosoratan'i Mbola-Namana mitondra ny lohateny hoe: "Malagasy Mikabary Mitahiry ny Soatoavina". Mbola avy ao @ io boky io ihany, ao @ sapitra faharoa, no manazava ny kanto eo @ literatiora izay azo handrafetana ny kabary. Ohatra ny teknika be, sy mamonamonaina be, ny fanenon'ilay literatiora fa izay sombiny tena mahaliana no havoaka eto. (ndlr: copyright Mbola-Namana)
Marihana entoana fa tsy hoe lasa "gay" akory ity blaogy ity an. Mba hampisehoana mihintsy aza fa azo ampiasaina @ mahamety azy ny KANTO malagasy.
Ny KANTO dia izay manaitra, manintona, miavaka ary manendrika.
- Voalohany
@ izany mazava hoazy dia ny tononkalo. Misy ny manara-drafitra izay
ahitana rima, figadona, andininy. Ao koa ny malala-drafitra, izay tsy
misy an'ireo, tsy hifankahitana hoy ny tanora. Kanto ihany koa io,
hoan'ny tena efa lasa lavitra @ tononkalo. Efa haintsika rehetra angamba
izay fa apetrako ihany ilay ohatra 1: Kidaombaramita, kidaomita (coup
de gueule kely hoan'le namana
)
Koa dia arabaina ary andriamatoa
Nahazo ny namana akaiky indrindra.
Manomboka izao, ianareo tsy roa
Fa tokam-pisaina miara mamindra.
Jereo eto. - Ny sarin-teny: filazana zavatra tsy mivantana fa aseho amin-javatra hafa. Fanehoan-kevitra miolaka izany e.
Ohatra:
Mioty voninkazo ilay voninkazo soa.
(Mba eritrereto kely ny effet-n'ny hoe: tsssssss tsssssst manao ahoana i Vonikazo
) - Ny Tsilalaon-teny: filazan-javatra @ fanononana mitovitovy. Tsy voatery misy hevitra manokana fa natao hahafinaritra ny sofiny ihany.
Ohatra 1:
Sambatra Raharefo, manan-kiefoefona
Sambatra Raherana, manan-kierana
Sambatra Razoro, manan-kijoroana.
(Ity angamba tsy azo ampiasana loatra fa sao mahazo an'le hoe t'as du style mais t'es debile
)
Ohatra 2:
Maniry izahay fa tsy manery; raha tsy manaiky anefa ianao, aoka tsy hanary
- Ny Ohabolana: Efa haintsika rehetra hoe teny misy fananarana na fanoharana nataon'ny Ntaolo taloha. Milay be ilay ohatra ka avoakako ihany:
Aza manao tahaka ny njola mangata-bady, ny zanany no angatahina ka ny renininy no hatao tsara tily
Jereo eto. - Metonymie: fanovana anarana.
Ohatra:
* Indray mihira -> mitovy taona (iray generation izany)
* Manano tena -> maty vady
* Matavin'ny ratsy ataony -> matavin'ny sakafo tsara sy betsaka azony avy @ ratsy ataony.
* Kely ray nahazo jiolahy, tano ity fa tratrako, vonjeo aho fa lasany -> iza no jiolahy eto? (ekena mba tsy hifandirana
) - Metaphore: fanovana endrin-javatra. Misy ohatra roa nomeny, ka mba azavao kely hoe ny mampitovy azy ireo:
Ohatra 1: tantely amam-bahona ny fiainana
Ohatra 2: Ny olona voatra ampangoro, ka mifandimby ambony sy ambany
- Parallelisme: Fehezan-teny roa na mihoatra mifanesy, na tsy mifanesy fa mitovy tsinjaran-toerana.
* sarin-teny mitovy hevitra lazaina mifanaraka
Ohatra: Vovonana iadian'ny lohany (@ lohan-trano no misy ny vovonana)
* mifanohitra lazaina miaraka
Ohatra:
- Ianao no vato, mafy fa tsy afa-miteny
- Izaho atody, malemy fa mbola hanana elatra
( mitsiky hoazy ny feminista
) - ...
Misy
eo @ 30 eo ho eo ilay lisitra fa ampy hankafizantsika ny teny malagasy
angamba ireo. (tsy azoko ny sasany moa tsy mampiomehy ny sasany
)
PS: Tratry ny fety daholo aloha izay efa neny rehetra eee ![]()
lolllllllll
tapaka ny tsinaiko mamaky an'ilay sapitra sy ny t'as du style mais t'es débile sy ny njola mangatabady!hahaha
Ilay indray mihira toa tsy mety kah! raha tia hira talohaloha ve dia génération talohaloha koa? Tokony novaina
Inona ilay ampangoro?
Misaotra aloha fa tena sady Nimeme no misy hianarana ihany koa :D
By maintikely on 05/12,2008, at 15:34
Tonokalo sa Tononkalo ? Ohatra ny hoe fa tonon' ny kalo izany ilay izy (Saika nataoko hoe fa tonony sy kalo hay tsy mety) hi hi hi.
Milay be le Njola mangata-bady ha ha ha. Misy koa hoe Aza manao fitono-mangahazon'ny gila, ny ilany masaka, ny ilany kila (Miala tsiny raha sendra misy gila fa fanadalana ny cousins anay io hi hi hi).
By pissoa on 05/12,2008, at 19:00
maintikely,
eny e, mety hoe tia hira taloha enao fa misy ihany ny hira @ iny zenerasion iny tsy hainao. Anotanio nge i ikalamako e :-P
dia izay le izy hoe indray mihira... ny fahazoako azy aloha fa tsy voatery marina :)
ampangoro??
euh... vary ampangoro zao vary maina.
Tsy haiko :)
pissoa,
tononkalo e
teny diso tsy mba kabary :b:b:b
By simp on 05/12,2008, at 23:46
Misaotra anao amin'ny fandraisana anjara e ;-)
-> Sambatra i simp manan-kisimpana
Ny aza kobon'i alicia ity kozy ity fa eo aloha misy azy amin'ilay tena Wii indray e :-P
By lap on 05/13,2008, at 11:37
looooooollll
lasa hoe gonna make you happy tonight babe :)
sambatra i lap fa mahay mandihy :b:b:b
By simp on 05/13,2008, at 17:52
Tena kanto mihitsy 'ka. Mandalo dia mametra-kafatra :-)
Misaotra simp a!
By Tokinao on 05/13,2008, at 21:48
Tsara be!
Lasa 'gay' ahoana ilay blaogy fa tsy azoko?
By Lalasoa on 05/13,2008, at 22:10
Toky,
ok ok
misaotra nitsidika e
Lalasoa,
aza tsiny fa resaky ny adala ee. hihi
By simp on 05/13,2008, at 23:19
Lalasoa, ka izany ange ho'ah e
lery no te hiangotingoty sy hiangolangola amin'ny kanto sy njola eo de za ndray no tedaviny hanao lap dihy hono :-D :-D
By lap on 05/13,2008, at 23:59
hay ve simp zay vao nandray anjara amin'ilay lalao e ? ary tsy nomarihiko loatra. Sady tena raitra izy ity !
Ie, marina ny an'i simp ry maintikely a, hahaha, antitra mampiady kalo akia, ny antitra antitra ihany a !
Dia mitovy @ zaza niara-nilalao vovoka ihany izy io izany, saingy ankehitriny toa tsy zaza niara-nilalao vovoka intsony no hiantsoana ny hoe iray génération fa angamba zaza niara-nilalao supermario ? sa niara-nilalao WII ?!
By ikalamako on 05/14,2008, at 20:39
ikalamako,
zao vao mandray anjara fa kamo be taloha ee :)
lap,
:-D:-D
tsy za loatra fa ny kanto no maniraka ka hahaha
By simp on 05/15,2008, at 17:49
na aminy tenyfrantsay aza io tsy haiko firy ka vao maika ilaiko be ny fampianarana aminy teny gasy. Manjaaaaaa beeeee
(efa feno ny cahier 500p ramose inona ny ataoko?)
By jogany on 05/19,2008, at 15:19
harena tokoa izy izany ry simplex, tohizo fa tsara. Mankasitraka re !
By tsikisariaka on 06/06,2008, at 12:25