aaaaaaaaaaaaaaaaa
Tompoko lahy sy tompoko vavy,
Mpitoraka sy mpamaky bolongana sy mpametraka hevitra,
Araka ny maha blaogy tsisy dikany an'ity fialambolintsika ity moa dia ankafaliana hatrany ny hiresahana an'ireo hevitra mahasoa ny zanak'olombelona. Ny tanjona offisialy eto ho an'izay mbola tsy mahalala dia ny hisian'ny fandria-pahalemana eran-tany sy ny fahasambaran'ny mponina eto ambonin'ny tany.
Akory ary ny hagagana ry havana fa dia tsy ho ampy intsony hono ny ranon'aina an-dehilahy omen'ny anglisy. CNN: jereo eto.
Izany hoe mihavitsy ny isan'ny lehilahy manome azy io na dia hoe adidy
sy voninahitra sy fahafinaretana aza ny fanaovana izany. Voambara moa
fa noho ny antony hoe manana zo hahalala ny dadany ilay zaza rehefa 18
taona, ka voatery tsy maintsy mitonona ny anarany ilay mpanome no tena
nahatonga izao toe-javatra izao. Izaho anefa mino marimarina fa tsy dia
izany loatra ny antony fa noho ny hoe mitady tsy hila lehilahy tsony
ireto taranak'i Eva ireto ka dia mba mametraka ny toerany ny fanaka
mafy fa hoe A/tra ange ka lehilahy e
Efa
miresaka A/tra ihany isika. Sitrak'A/tra tokoa moa ny hampifaly sy
hahasambatra ny zanany, indrindra moa fa ireo mpianany sy mpanompo azy.
Ory tokoa ny fo raha namaky ny gazety tribune anio
fa dia tsy avelan'ny sinoa hanao volan-tantely ny apostoly. Efa
fantatra ihany moa no tsy fifankahazoan'ny sinoa sy A/tra fa izany kosa
ve dia antony handrarana azy ny volan-tantely? ry zalahy kely maso
ireto moa izay mihamatanjaka andro aman'alina ihany ka izay angaha no
antony hasahiany manao izany, izy rahateo koa moa no tena tompon'ny
sivilaziona fahiny. Rehefa nojerena anefa tao @ wikipedia dia toa mba nisy maromaro ihany taloha, ankehitriny moa dia eee tsy hisy intsony angamba. Noho ny sinoa daholo no mahatonga izao.
Tsy
dia misy hifandraisana @ zavatra tiako ho resahina eto mihitsy moa
izany rehetra izany fa mba te hampiasa an'ilay effet jentlisa (fanajana
atolotra anao ) fotsiny aho.
Tsy
izany wa fa efa manomboka miha-zaloux an'ingahy Obama** mihitsy ny
tenako. Aiza ve rangahy ka efa herin'andro be izao no nampaha-nalaza
an'lery dia mbola tsy misy anton-dresaka ankoatry ny hoe Obama** sy yes
we can erak'izao vodi-mototra rehetra izao. Ny hiafarany dia tsy
maintsy ho hasiana Obama** isaky ny fehezan-teny izy ity (izay en
passant mety hilay tokoa, otran'ny ilay smurf ireny tsy maintsy asiana
Schtroumpfs daholo izay tenenina ).
Eraky
ny forum sy izay resaka atao dia mifarana @ lery foana ve rangahy. Kanefa
anie lery dia tsy mbola nanao sary miboridana na hoe horonan-tsary
mamoafady ee (na efa fa mbola tsy hitako ). Dia tsy azoko mihitsy e!! izao manjary tsy arako hatr@
tantaram-piainan'i Briteny Spears
ka izany no nahatonga ahy hanotra teny ambony hoe:
Tompoko lahy sy tompoko vavy,
Raha mbola mahita olona miresaka Obama**/yes we can aho ao anatin'ny 10 segondra manomboka izao dia hikiakiaka hoe:
aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa
Raiso tompoko ny haja amam-boninahitra avo atolotro anareo.
Ny mpitoraka,
simp
**aaaaaaaaaaaaaaa
ps: ity lahatsoratra ity dia nahitsy t@ tsipelina.