Vetsovetsoko

Published on 02/06,2009

Ny hamisavisana ny ratsy hono mba hiavian'ny soa... Mivazivazy foana aho matetika t@ ny mikasika ity krizy eto @ firenentsika ity. Misy tena izy ary scenario marina mety hitranga ihany anefa izy ireny. Manahy mafy aho fa mety @ sabotsy tokoa ny fotoana hanombohan'ilay redirediko iny. Aza hitako, aza mahita ahy... Toa tsy hita be an'ny ihany anefa izay ho lazaina

Iza tokoa moa no nieritreritra fa resaka fahita lavitra no ho tonga @ fitondrana tetezamita? t@ voalohany aho izany dia liana tokoa ary tena feno fanatenana hoe miha-mandroso tsikelikely ihany ny demokrasiantsika. Ambonin'zay, lasa za foana no mibahana ny resa-dresaka rehefa tafaraka @ namana  Manazava ny zavatra mitranga. Na izaho koa aza tsy dia kopy fa mba hoe mahazo kokoa izany. Noho ny nihanandroso anefa ny toe-draharaha no maharatsy ny fandehan-javatra. Maro be ireo aina nafoy ary tena mankarary fo tokoa. Ny ankamaroan'ny namana moa dia eeee tsy ho any Madagasikara tampoka... kanefa tena efa niplanina be hoe Madagasikara tany tsy maintsy diavina ao anatin'ny 2 na 3 taona hoavy... "Hey simp, henoko t@ radio t@ za nde hiasa fa hoe mandoro olona velona hono nareo? dia sombaina doly ny magazay efa misy?" dia atao valy boraingina sisa "helllooo canibal nga  ny fahitanao ahy?" na dia efa fantatra aza ny tena marina fa habibiana no manjaka... dia inona moa fa dia manongo tena no azo atao hoe eeeee izao sisa e. Enao efa manatena hoe mba misy dialogue zany eo @ izy mitsam ka eeee toa vao mia koa miharatsy ny lalao. Aleo tsorina fa tena tsy mamaky gazety tsony mintsy ah, fa tsy te handre ny hadondronana sy fitiavan-tena avo lenta asehon'ireo mpitarika eto @ firenentsika. Tena marina e. Rehefa mieritreritra an'zany dia aleo mijery sary morontsiraka sy ireo toerana fizahan-tany malagasy hoe na dia sombaina sy hietraketrahana aza ilay tanindrazako any dia mino aho fa mbola tsara sy mafinaritra toy izao ihany....

Izaho anefa nanatena fatratra hoe tena mety poinsa ho tafa ihany le resaka bulletin unique,  commission electorale independante sy ny hoe code de la communication. Lainga lainga kosa  fa anisan'ny hoe manatsara ny firenentsika ireo. No-bloquer-n'i ra8 foana fa any no ananany avantage manko... indrisy anefa...

i tgv moa dia "retard" ngamba ny mpamaritoetra mahalaza azy tsara. Dia miheritreritra ve izy fa afaka hanongana an'i ra8 ka hoe tsisy gidraka izany? asa ra mba nanao evaluation an'ny couts d'opportunites tsara lery alohan'ny nitonatonana @ zavatra toy izao. Sady izay indray ny angle nidirany izany izy victime-an'ny haratsian-toetran'i ra8 kanefa lery ndray no misetrasetra avy eo... izay nge mahatonga an'ilay revers @ zao ee.  Lasa mazava be ilay kozy hoe tena resaka ady manokana (personnelle) sy ambition ilay izy fa tsy ny hoe fahasambaran'ny vahoaka laotra. Hevitro manokana ity, izay manohana an'ilay hoe jungle country tatsy ihany, fa ra izao ve i tgv no miditra eo @ fitondrana, @ zao toetrany sy fomba fisainany izao, dia hiezaka ny hijanona firy taona eo izy ra izany? 40 taona? poinsa tsy maintsy mbola hisy grevy indray izany ao ariana kely ao... we'rejungle , let's face it :) Ny tena maha retard an'lery dia lery mbola tsy ampy taona akory @ zany... hatao transition mihoatra noho ny mandat 1 ve zany ny halavany? seriouslyyyyyyyyyyyyyyyy!!!

i ra8 indray moa dia "idiot" no tena mety aminy. Dia naninona koa izao ra tsy nakatona izay tele kely tsy mahatonga any Moramanga iny akory. Tsy nisy nanery an'lery hanao reforme @ antoko politika izany fa lery ihany no mendimendy eo, dia rehefa mihetsiketsika ny olona dia lery ihany no mikoropaka pre.  Izao dia hita mazava fa  niha-faible lery... quoi q, toa otran'ny miha matanjaka indray noho ny havendranan'ny retards isany... izao raha misy fifidiana filohan'ny faritra ato ho ato poinsa tsy handresy be intsony ny Tim... dia hahazo vahana @ izay ny ratsy saina rehetra... quoi q, i ra8 koa aloha ratsy toetra eee. Enfin, raha novoizina tsara ary natao filamatra ny tolona 2002. Hoe isaky ny zavatra atao dia ampitsahivina hoe izao no antony nitokonana t@ 2002... mety hafa mintsy ny fandehan-javatra... eny e, mazava moa fa totohatra niakarana fotsiny koa ireny... ny fanotaniana fotsiny dia ny hoe tsy mahazo tombony kokoa ve izy ra mandroso ny firenena... bref, idiots!!!!

Tsy faran'izay tonga lafatra sy tsara toetra aho fa hoy aho hoe raha toa ka misy governemanta 2 eto manomboka @ sabotsy, dia hizara 2 avy hatrany ny foloalindahy... na dia tsy hazava be aza izany dia inevitablement tsy maintsy izay no hiafarany... hizara roa ny fon'ny vahoaka ary izay no nataony, Deba: the return II.

Tsy te hiteny aho hoe Gadrao @ izay TGV, tsy dia fanao loatra ny managadra ny mpanohitra raha tsy hoe nandika lalana izy (ra manao forcing any @ ministera ohatra na hoe manelingelina mi-force ny olona te hiasa tsy hiasa). i Mugabe aza tsy mangadra an'le rafilahiny iny...  Fa hoy aho hoe ry idiots and retards, aravony dieny zao fa ndrao tara loatra. En tt cas, efa tsy mijery ary tsy te hahalala ny hadalana ataonareo intsony aho satria tsy malagasy no fandraisako ny fitiavan-tena diso tafahoatra ary koa ny hambo-po diso toerana. Ka izay le izy, ny hendry ihany no anarina... manatena aho ary mivavaka fa ho diso ny fiheritreretako, indrindra fa ireo qualificatifs napetrako ireo. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny vilia vaky 

Misokatra ny fametrahana hevitra, fa tsy azo atao kosa ny manopa olona

simp

 


Hevitra

Leave a Reply