Leo Be
Nareo ve tsy leo be an'le resaka krizy?
Efa ela ihany aho no nikasa ny hanoratra ny hevitra tena tohanako @ ity krizy mitranga eto @ firenentsika ity. Somary tsy dia nety foana anefa ny fotoana fa na otran'ny mitady hiravona ilay krizy na tena mamaivay be ny krizy. Ra tapitra moa ny krizy dia tsy ilaina intsony ny be resaka momba izany. Ra mbola mangotraka be indray dia tsy tsara ihany koa satria tsy hisy hahazo ny zavatra lazaina fa dia ny hevitra efa any antsain'ny mpamaky foana no hiezahany tandrovina ra mamaky ny hevitrao izy... Angamba fotoana tsara kosa izao ny hilazana izany hoy aho.
Ra ny hevitro manokana aloha dia samy tsy manana ny rariny na i tgv na i ra8 e. Ny teny hoe "rariny" mintsy ihany koa no tsy tokony horesahina akory @ ity resaka ity ny fahitako azy. Na inona antony na iza no diso dia mazava fa misy krizy eto @ tanana. Ny tokony hatao sy ny zavatra tsara azo tsoahina @ ity krizy ity no manan-danja amintsika @ izao.
Efa noteneniko ihany ity hoe isika dia lany andro manao brouillon foana fa tsy mba mahavita manao zavatra hoe serieux izany. Tsy mba mandray anatra @ tantara fa dia mamerin-desona lava. Izay tolona rehetra natao teto @ firenena dia mba ho fanatsarana ny firenena ny tanjona kanefa dia miafara @ tolona foana ihany koa izany. Sady ny tena mampiomehy dia misy olona natao hitolona mandra-maty... rahoviana indray zao ny tolona manaraka rehefa tapitra ny @ ity? Ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsy aleo ve ity no atao tolona farany e?
Ny tena fototry olana manko dia adino ny tolona rehefa miravona ilay disadisa nampisy ny tolona. Hany ka adino hatr@ ilay firehin-kevitra nitolomana. Na tsy aisiana resaka toe-karena aza fa hoe ny resaka demokrasia, fototry ny fandriam-pahalemana ara-politika. Jereo anie e, i ra8 otran'ny mesia ery t@ 2002, ary izany "liberte de presse" izany dia tena niadiana mafy ery t@ izany. Jereo anefa ny nataony refa tonga teo izy. Dia eritrereto toy izany koa ny mety hitranga rehefa afaka fotoana fohy @ i tgv, ra i lery irery indray no ho tompon'ny tanana.
Asa ianareo fa anisan'ny zavatra mba tiako t@ propagandin'ny baraka dia lery miteny hoe ao anatin'ny zao andro/volana/taona dia tsy maintsy vitako ity. Akatona ny Gitmo ohatra. Izay manko no tena olana be @ i ra8, lery tsy manda an'ny zavatra nitolomana t@ 2002 ireny fa ozy fotsiny hoe mbola tsy fotoanany izao... en attendant izy manao didin'ny be sandry eraky ny tanana. Tokony atao mangarahara izany ny tanjona @ tolona eo @ 13mai fa tsy atao hoe transition ny tanjona dia izay. Tsy fantatra mintsy hoe transition @ in? Tokony asiana planina mazava hoe in no hatao @ liberte de presse, miaraka @ fandaharam-potoana hoe alohan'ny faran'ny taona ity tsy maintsy vita fa ra tsy izany dia mametra-pialana aho...
Bon, tsy hoe manohana an'i tgv ah ra miteny an'zany aloha fa na iza na iza mitondra eo aorinan'ny tolona no tiako tenenina. Ny tena tiako aza ra za manokana dia tokony samy eo @ fitondrana i r8 sy tgv eny fa na ireo mpanohitra dinaozoro aza. Enfin, solo-tena zany satria be loatra ry zalah e. Rehefa olona mpi-fahavalo no miaraka mitondra manko dia poinsa tsy misy afaka maka tombony ary manjaka manokana @'ny firenena. Eny e, mety tsy hisy rara vanona ary poinsa tsy hande ny resaka toe-karena @ izany. Fa ny tena tanjona dia ny hametrahana ny rafitra matotra mifandraika @ ilay hevi-dehibe niadiana t@ tolona. Ohatra hoe "liberte de presse", comission electorale independante, haute court de justice, agence anti-corruption tsy miankina @ executif, plafond @ financement campagne electorale, ny reforme ny antoko politika (tsy tokony asiana an'izany hoe antoko politika otran'ny fananam-pianakaviana izany.. tim and-ra8, tgv an'i tgv tssssssssssss)... apetraka ary atao matotra tsara ao anatin'ny fotoana voafetra ireo dia izay @ izay vao asiana fifidianana.
Soratako ity satria tsy hiresaka krizy intsony aho manomboka anio. Tena marina kosa fa mankaleo be le izy kle. Mandritra ny 1 volana ve ranga tsy mahita afa-tsy resaka krizy lelika e . Dia tsy mahita zavatra ho torahana ankoatry ny resaka krizy ve isika? mifohaza ry mpitoraka blaogy isany oo. Tonga dia mazoto be ah mamaky ra misy manao resaka tsy krizy eo, sady hitehaka mintsy ah ny tena marina ee :b:b:b