Namana...

Published on 04/14,2009

 

Efa ela ihany no nanitikitika ahy ity fanotaniana ity hoe inona marina moa no atao hoe namana?

Isika rehetra angamba samy manana namana daholo, ohatra hoe namana serasera.org, tsy fantatra mazava anefa ny atao hoe namana. Olona hiresahana ve? ekena. Raha tsy miresaka tokoa ve moa dia azo lazaina hoe mpinamana.  Indraindray ihany koa anefa ny tsy firesahan'ny namana no vao mia mampitombo ny fifankatiavan'ny mpinamana, rehefa miresaka izy avy eo.

Olona natao ho andry sy itokisana, hanampy ary koa hangataka fanampiana raha misy ny ilana izany?  ekena.  Izy no olona azonao ilazana ny olanao sy ny fahorianao. Izy ihany koa no hiantso anao sy hilaza aminao ny olany. Indraindray ihany koa anefa  ny namanao no tena mampitombo be dia be ny olanao, eny fa na dia tsy fanahiniany aza izany matetika.

Olona tsy handao anao ary tia anao, hisafidy ny misy anao raha misy fifandirana @ olon-kafa? ekena. Izy no hanohina anao ra misaraka @ sipanao enao. Izy ihany koa no hi-couvrer anao any ampiasana raha misy maha-tsy eo anao. Indraindray ihany koa anefa izy no hitarika ny ady misy eo aminao sy ny manodidina anao, eny fa na dia tsy fanahiniana aza izany matetika.

Olona feno fahendrena, hananatra ary hanampy handray fanapahan-kevitra? ekena. Izy tokoa no tsy hatahotra ny hiteny aminao fa diso ianao. Izy ihany koa no hamporisika anao rehefa osaosa enao. Indraindray ihany koa anefa dia izy no hitarika anao @ ratsy, eny fa na dia tsy fanahiniana aza izany mantetika.

Mbola lava ny lisitra: jereo eto sy eto. Mazava fa ilaina ny namana, na dia misy ny tsy mahatonga lafatra azy aza. Ny fanotaniana fotsiny dia ny hoe rahoviana vao azo lazaina fa namana ny olona iray? Hatraiza no mety ho fetrany hoe atreto no azo leferina @ ataon'ny namana?  Namana firy vao ampy? Asa, miankina @ tsirairay angamba izany. Ny hany azo lazaina dia ny hoe rehefa raisinao ho toy ny namana ny olona iray dia hanome lesona anao eo @ fiainana izy izay. Na izy feno fahendrena ka hampita izany aminao. Na ny zavatra ataony no hanome lesona anao. Eny, misy tokoa ireo "fake-namana".

Misy ny mieritreritra hoe karma izany raha manao ny tsara aho dia hahazo valisoa tsara. Raha manao ny ratsy dia ho voadaroka arak'izay ihany koa. Diso izy ireo. Satria raha izany no misy dia mino aho fa efa betsaka ny paradisa sy afo-be eto an-tany... dia izay no ilana namana e. Satria izay voa manodidina, tsara kokoa ny manodidina miaraka @ namana... raha tsy hoe anga ka hoe resy @ champions league ny namana sasany (in your face, losers!!) :b:b:b

Dia zay e, araka ilay fitenana hoe lazao ahy  hoe iza no namanao dia  ho lazaiko anao hoe iza ianao. Aleo kely tsaratsara tokoa, toy izay be tsy handraofana. Sa tsy izany ry namako?

 


Tag 6: Reservoir...
Tena mpanao reserva be mintsy ah.  Tsy miteny firy rehefa misy manao ny tsy mety, mandra-paha feno ny kapoaka.  Ny fanafodiny fotsiny rehefa tena tezitra aho dia henoina sisa, izay ihany. Fa plus enao mamaly, plus mivoaka doly io rehetra io, ra vao tsy izay. Dia rehefa afaka ny foko dia lasa tsara fanah be indray

Tag 6b: VIP tag -- blog exlusive
tsy mbola nahatsiaro tezitra (sy decu) tamina olona otran'ny androany aho, tao anatin'ny 5 taona lasa izay.  Ca fait du bien, voatsindry ny reset button... Apr 14, 2009.



Hevitra

Leave a Reply