7 pounds

Published on 06/28,2009

 

Nanatrika ny fandevenana ny olona iray izay (tsy Michael Jackson ka) aho omaly. Tsy dia hoe hanao resaka perso na hoe "tribute" hoazy loatra no tena tiako atao eto na dia hoe asiako kely an'izay ihany aza.

Mpifanolo-bodirindrina tamiko izy, sympa dia mba mifampiresaka...  dia izay no nahafantarako zavatra vitsivitsy momba azy... ary rehefa nifindra trano ah dia nifindra tany @ le building nalehako koa izy afaka fotoana fohy... dia otr'zay... somary ironique ity fa fijanonan'ny fo (arret cardiaque) otran'ny mpanjakan'ny pop koa no nahafaty azy. Ka mitandrema isika (ireo olona fantako) fa mety jamais 2 sans 3... sinon, c'etait un homme bien. Izay angamba ny amin'iny fa ny tena tiako resahina dia ny zavatra nitranga nandritra ny fandevenana.

Ny dingana voalohan'le  izy moa izany dia nasiana fivavahana kely, dia avy eo vao tonga ilay razana, dia izay vao mamonjy mijery azy tsirairay ny olona... vao nanomboka ary aloha ilay fivavahana dia efa @ le "non"  be. Miala tsiny raha misy voatohina fa ilay fomba manao amen sy aleluia, isaky ny 1 minitra no tena tsy mahazatra be anah ee. Tsy dia olana iny fa teo @ ilay tori-teny no tena anton'ity lahatsoratra ity.

Tsy tahotra tsy henatra le razoky  miteny: rehefa maty enao dia maty fa tsy misy an'zany fiainana ao arinan'ny fahafatesana izany na inona na inona ataonao dia ho faty enao ary rehefa maty enao dia tsy misy tohiny intsony ny vahoaka @ izany: Amen bon, tsy mametra-panotaniana @ heviny aho afatsy ny hoe pasitera ve ity razoky ity sa in? sa fiangonan'i satana ary ity lelika ee  

Tsy tampotampoka eo mivadika resaka HIV/AIDS ny resaka... somary HS ihany aloha izay mais bon misy idiran'ny hoe fahafatesana ka tsy dia koi fa ny tena nampiteny ny moana dia ozy lery: tsy misy an'zany SIDA SIDA anareo izany. Zavatra noforon'ny vazah (fotsy)  izany... jereo anie ra mijery @ internet nareo raha mahita fotsy voan'ny SIDA izany e... fanambaniana ny mainty fotsiny no bedabe... ny vahoaka: Amen  tena kely fotsiny sisa dia naika hitsangana aho hamaly an'lery fa zany hoe izaho irery moa no  niavaka  somary "fotsy" tao @ ilay toerana ka aleo milamina kle... Teo @ adiny 1 sy sasany na adiny 2 latsaka kely teo ngamba lery no ni-wawawa an'zany... izaho @ io mime irery any antsaiko any, wtf??  Ny fitatiavana rakitra tsy adino tonga dia nandrotsaka moa za fa neveriko hoe ity izany ilay rambon-damba...

Refa avy nijery (sy nitomany)  an'ilay razana ary ny vahoaka dia nande tany @ semietera @ izay handevina azy. Noho ny hoe somary ngoza kokoa noho ilay lavaka ny vatam-paty dia voatery niandry elaela teo aloha nanangoza ilay lavaka. Avy eo @ izay dia nisy pasitera anakiray hafa indray nitory teny. I leiry indray dia nitory ny mifanohitra @ ilay pasitera voalohany.  Mivavaka ary manao asa tsara sy ny sitrapon'A/tra rehefa eto an-tany satria i kristy no tonga namonjy antsika ka rehefa maty isika dia izy no handray antsika any @ tena paradisa... sns sns e, lavalava koa io aloha fa ny tena tiako tenenina dia ny vahoaka mbola manao hoe: Amen ihany   fa inona no tena dikan'le amen e??? nisy olona moa dia tena nitomany nandritra izany fotoana rehetra izany... misotro rano kely dia raikitra indray ny tomany... tsy manome tsiny azy mitomany aho, ary fahoriana tokoa fa ilay izy mifangaro @ tori-teny no tena naha  be ahy.

Rehefa voalevina ary ilay razana dia niditra @ dingana farany. Zany  hoe niandrasana ho  voasarona tanteraka ary nasiana tsangam-bato kely misy ny anarany sy ny vonikazo rehetra, fa ndrao hono angalarin'ny olona ilay vatam-paty milay be   Hamaranana azy ary dia   nasiana fiaraha-misakafo kely. Izay hitako tena hevitra milay tokoa fa tena ramaka tanteraka  ny pokona... ny tena nahagaga ahy fotsiny dia nasiana mozika ilay izy ary tsy hoe hira fiandrasam-paty fa hira fatao @ alim-pandihizana ireny, tsy tena nihetsika be kosa aloha fa hira tena tsy misy hoe malahelo na hoe misy resaka fahafatesana miintsy e ny olona moa tsy dia nisy nahatsikaritra loatra fa ny sasany variana mikarakara sakafo sy mandroso, moa ny sasany variana manoko resaka... rehefa nisy nikabary nisaotra ny pokona aza dia nofaranany t@ hoe izaho no mandray ny fanampiana avy aminareo raha misy te hanao t@ fikarakarana izao rehetra izao zay aho vao kopy hoe eto zany vao tena rambon-damba lelika e

Dia izay le izy. Nieritreretiko hoe eo @ adiny 2 eo ity ra be indrindra fa tena lasa adiny 5 na 6 tany ho any angamba vao nirava... tsy dia olana loatra aloha satria fanaovam-beloma farany azy iny e... Veloma @ mandrakizay...

 


Tag 7: my biggest weakness: tsy mahatanty vevavy mitomany...

Na misy fahoriana na hoe misy olana hafa, nisaraka t@ sipany na tsy haiko ee... mieritreritra foana ah hoe misy zavatra tokony ataoko... na dia tsy misy akory aza...


 

 

 

ps: tsy misy ifandraisany @ lahatsoratra ny lohateny (coup de gueule @ Dotmg ) film hitako nafinaritra, misy mamono tena fotsiny...


Hevitra

Leave a Reply