Pork Burger

Published on 12/03,2010

 

Mitondra ny mafilotra aho androany.

Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatra ny tsy misy manao ny hoe henan-kisoa no atao @ borgera. Na tsy haiko, mety izaho koa no vendrana sy tsy maharaka... kanefa @ teorana sasany tsy eto Madagasikara dia ny henan-kisoa no mora kokoa noho ny henan'omby... ka hoy aho hoe, sao dia bizina ity haha...  Androany ary dia atolotra antsika  ny henan-kisoa borgera tsotsotra, vita simp,  azonao atao any an-trano. Mazava ho azy fa azo soloina henan'omby na akoho ilay hena fa ireny moa efa misy efa vita diska boribory tsara , mety kokoa raha tonga dia ireny no vidiana toy izay mbola hanao zymnastika ohatra an'ity. Indro ary:

* Voalohany aloha dia mila mividy henan-kisoa ianao, ilay mikambana (chops) fatao anaty lafaoro ireny fa tsy ilay voatetika an. Dia ilay manifinify ireny no tena tsara fa mety ela vao masaka sady mety mafy be manaikitra anazy avy eo ka mandrovita mofo no mandoto tanana...


* Esorina ny taviny sy ny taolana dia asiana sira sy antsakavironkazo (na izay episy tianao) ary atono anaty lafaoro avy eo.


 

* Mandritra an' iny ao am-patana dia alaina ny mofo (azo atao mofodipaina raha tsy mahita mofo boribory fanaovana borgera). Raha ohatra moa ka noana be ianao na koa tenda-kanina ohatra ahy dia tsy didiana eo ampovoany ny mofo fa tonga dia mofo anakiroa no ampiasana. Izany hoe atao ambony ambany ireo.  Tsara kokoa ity satria afaka atao bedabe ny ampiarahina aminy noho ilay didiana (teritery ny toerana). Somary polesina kely @ tanana ahafahany mipetraka tsara. Dia asiana mayonezy @ iray ary voatabia masaka @ iray.


 

* Avy eo asiana salady laittue. Raha ohatra ka bitrobitro toetra ianao dia izy anakiroa indray asiana daholo.  Aza adino ny mamadika an'ilay hena an (na raha hoe grill dia ilay afo any ambany indray no atao). Ilay mofo teo izany asiana voatabia manta eo amboniny. 


* Dia asiana fromazy manify eo ambonin'ilay voatabia teo. Izay vao asiana an'ilay hena efa masaka. Ilay mbola somary mamay iny izy no tsara, @ izay somary mitsonika kely ilay fromazy...

 



* Raha ohatra ka tendan-kanina dia mbola asiana fromazy iray eo amboniny. Apetraka eo ambon'izany rehetra izany ilay mofo anakiray. Ary dia vita ny henan-kisoa borgera.

 


 
**miam miam**

Tsara raha aroso dia ny mbola mafana.
Tsara ampiarahana @ rafivavin'i alicia ihany koa.

Mazotoa homana ooo


Hevitra

Leave a Reply