Raha toa moa ka ... ampio aho Jesosy

Published on 04/08,2011

 

Nanokatra bizna iray vaovao izay aho, vao volana vitsivitsy izay. Dia naka assistante mba hanampy ahy amin'ilay izy fa ny asa fanao mahazatra mantsy tsy navela fa mba mitsikaraka manao asa roa mirazotra eo. Afa-po amin'ny fiasan'ity sipa iray ity aho fa tena sérieuse izy, sady tsy mihambahamba manontany mihitsy fa tena izay rehetra manjavozavo dia anontaniany ahy, ka tena tsy nisy olana mihitsy ny fiaraha-miasa. Na dia vehivavy koa aza izy dia tsy saro-tahotra sy kanosa fa nisy in-2 na in-3 sendra tratra harivariva noho ny fampianarana nomena azy dia tsy nametraka olana mihitsy nateriteriko kely tamin'ny moto. Rafotsy no nanao sangisangy zary tenany tamin'ny voalohany hoe sao diso manja hono io sipakely io ka tsy asa no hataonay mianadahy eo fa zavatra hafa, fa saingy rehefa nahita ny fahamatorany rafotsy dia resy lahatra ihany hoe milamina io.

Samy manana ny solosainanay moa izahay, ary samy misy ôparlera, ka dia mifandimbindimby mandefa izay hira tiany amin'ny ordinatera eo. Zavatra iray tiako aminy koa dia ny gout musical tsy mahasosotra, tsy ilay karazana sipa mpankafy Justin Bieber na Lorie ireny fa mba irony mozika cool mba tiako ihany koa irony.

Nisy hiran'i Enrique Iglesias ity, vao 2 herinandro teo no nandrenesako azy ary tena reveko ilay izy, ary rehefa sendra tsy eo kely ikala dia indraindray alefako in-2 in-3 tsy mety mankaleo ahy. Izaho moa ho an'izay mahafantatra dia mankafy itony tononkira mivantambantana itony.



Fa nanomboka tamin'ny alatsinainy, mba nisy hira iray naverimberiny koa, ary niniany rehefa eo aho vao tena alefa ilay hira. Vao nandeha voalohany anefa dia efa nirehitra menamena ny led sy temoin rehetra taty amiko hoe tena azoko ny hevitra ampitainao amiko amin'izay tononkira izany.



Ho anareo izay efa nahita ahy mivantana na nahita ny sariko dia mahalala fa bandy latsitalé kely aho, mahia kely be voamaso ranga sofina, ary olona faran'izay tsotra na fitafy na fihetsika (fa somary manitsaka kely zay kosa klou rehefa dokafana e). Tena tsy tao anaty eritreritro mihitsy hoe mety misy olona ankoatra an'i vadiko (izay nahalala ny toetrako efa hoe 4 taona vao nitia ahy, ary tsy noho ny physique no tena itiavany ahy fa ny toetrako hono) no mety hamaly an'iry hirako iry amin'ity hira iray ity. Koa na dia tsy mieritreritra ny hanitsakitsaka tokantrano velively aza aho, toa lasa tsapako mihena izany ny modestie ary lasa jejojejo, ary efa in-6 aho izao no namerina mamaky an'ity tantara ity hoe sao mihatra amiko ary izy amin'izao.

http://malagasymiray.net/2007/02/08/bandy-iray-sipa-iray/

-- Raha toa moa ka ... Misaotra an'i Simp nampiantrano sy nanaiky hivahinianana.

DotMG


Hevitra

Leave a Reply

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article