Mafy be ny coco
Rehefa ho avy ilay andro ka ho lasa diktatera ah any aoriana any dia mba ampatsahivo ahy kely hoe izao ilay nolazaiko hoe: andramo ny maty fa tsy hita ny torana eee!! sokafy ny sofina rehefa ny miteny ny vahoaka hoe: aoka izay... rehefa ny olona tsy vahoaka no manampy miteny hoe aoka izay dia tena efa tara loatra izy izay. Ny nenina ao ariana hananatra fa tsy ao aloha handatsa.
Rehefa manao negociations dia izay ialana mazava sy ny hoe manaja tena no tokony hilofosana fa tsy ny hoe fanodikodinana resaka mandra-pahita fika hanapotehana ny fitokonana sy revolution ataon'ny olona. Ny olombelona tsy maintsy misy ambom-po fa ra toa ka hoe tena fitiavan-tanindrazana marina no hitondrana firenena dia tokony manaiky sy manaja tena raha ny firenena no tsy manaiky ny ho entina... satria izany no fahendrena fa ihany koa ny tantara no maneho fa tsy misy mpitondra miady amin'ny tolom-bahoaka ka nandresy izany, indrindra moa fa hoe miady @ fianakavimbe iraisam-pirenena izany.
Jereo tsara ingahy Laurent Gbagbo, mbola nanana hery matanjaka teo @ negociations izy no nomen'ny tandrefana hoe issue mazava, i obama mihintsy no niteny hoe mahazo mialokaloka ao @ bekitana izy ary itadiavana fika milay ra manaiky miala... fa eee mafiloha sy nieritreritra fa tsy maintsy handresy ary nivoady ny tsy hiala raha tsy ny aina no afaka... inona akory no izany eo, efa eo ambody trano ny vava-basy vao mitady hi-negocier, tara loatra eee
Io koa ingahy Gaddafi... rehefa t@ mbola natanjaka sy hoe tena lahilahy dia mafilohabe otran'ireny tsy mande ra ireny. Izao anefa efa manisa andro sy mitady firenena hialokalofana... Ra misy henjana anefa hoy aho, hisy henjana noho i Gaddafi ve? ka hoy aho hoe anatra hoan'ny apprenti diktatera rehetra izao, i Alassad izao ny next-in line... Sady ny vahoaka no efa tsy tia azy no koa ny firenena ivelany rehetra efa miantso azy hande. Raha hoe firenena "tsisy dikany" izany hoe tsy stratejika na tsisy harena akibon'ny tany firy otran'ny Zimbabwe no afaka hoe miziriziry eo dia mihenoheno fotsiny ny tandrefana fa rehefa ny olona no miantso hoe na eo enao na tsy eo dia mande foana ny rara dia mihevera vatana fa efa tara loatra izy izay.
Tsia an, tsy miteny aho hoe tsy maintsy milefitra @ fanjanahana na fanjakazakana ataon'ny Bekitana sy ny tandrefana foana akory fa raha ohatra ka misy na dia ampahany fotsiny aza @ vahoakanao no mitolona sy tsy mankasitraka ny fomba fitondranao dia tokony ho tonga saina ianao. Hoe voalohany indrindra hoe tsy hampiasa hery ary faharoa hoe avelao ny olona hitokona fa zony izany. Ra ny adolantsento no rarana tsy hanao sipa ve dia tsy vao misy hanaonao foana any izy ka efa misy zafikely vao ho saina tonga? tsy vitan'izany ihany fa mila ny hoe henoina ny lazain'ny mpitolona, eny fa na dia misy ny hoe fanararaotana sy ny hoe hihevitra ny hanongam-panjakana fotsiny aza no tena betsaka. Mora kokoa ny mifandamina sy ny hoe maka marimaritra iraisana noho ny hoe ho lasa fahavalom-pirenena. Eny, mila mandefitra be izany, eny fa na dia mahatsapa tena ho tsy diso aza enao. Araka ny efa voalaza hoe fahasoavana sy hoe hatsaram-panahy ny fitondrana firenena ka rehefa izy no tsy te ho entina intsony dia tokony manaja tena @ izay.
Tsy tokony miandry ho efa alohalika ny ranombary vao ho tonga saina ihany koa. Na i Mubarak na ny filohan'ny Yemen dia mizaka ny havesatr'izany daholo @ izao fa hoe vao hita fotsiny hoe tsy voantandrina ny fitsinjovana ny zon'olombelona dia efa tara loatra izay... ny mametra-pialana no tsotra indrindra ary mivavaka mba tsy ho hisy hanala hatr@ aina.
Tsy ho an'i dada irery ihany akory io, fa ho an'izay rehetra mieritreritra ny mbola hitondra ny firenena indray andro any... ary indrindra indrindra hoan'ny DJ, izay zavatra tena siora fa tsy maintsy ho handalovany raha tsy hoe hilatsahan'ny fanahy masina angaha izy.
Dia izay ee, ny vy tsy mikitrana irery... ra tsy hoe mianjera @ tany angah...
Atsipy ny teny eny antandroky ny omby, atsipy ny vilia vaky