c'est la galaxy!!
Tany @ folo taona maherihery tany... nahita telescope optika ngozangoza. Tao anatin'ny 1 segondra monja rehefa nijery dia nipotsaka tanteraka ny voamasoko. Izany hoe ni-zoom ngozabe ny lanitra le izy ary dia tena feno planeta sy kitana bedabe... teo no nahatsapako fa tsisy dikany ary tena faran'izay rikiki indrindra ny fisiantsika, otran'ny hoe sila-pasika anaki-1 eny plazy ny tany...
Efa ela ihany ah no tia an'ireny resaka planeta ireny. Ary tena nanatrika cours-na kosmolojia kely mintsy aza moa. Ao anaty baiboly koa misy resaka hoe Abrahama nokozin' i A/tra hoe ataoko otran'ny isan'ny kitana eny an-danitra na koa isan'ny fasika eny amoron-dranomasina ny taranakao. Efa nisy izany ilay analojia fa tena teo ampijerena an'ilay izy aho vao tena tonga saina tanteraka hoe tsy misy zavatra ho ataoko na ho ataon'olona iray ka hampiova an'izao tontolo izao.
Taty aoriana ihany koa anefa izay hevitra izay ihany no nahalasa eritreritra hoe ra samy tsy misy dikany ihany ary, nahoana no mitaraina ny tany? raha fantatry ny be sy ny maro ve fa bitika faran'izay bitika izy dia tsy hieritreritra ny hifanohina sy hifankatia? sa izay ihany koa ny hoe: mihangatra lahy ny tany?
C'est la universe!!