Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
My Favourite Worst Day | rafozan-doza |

My Favourite Worst Day

Published on 10/11,2007

 

Alakamisy,

Efa hatrany @ lycee mintsy no efa tsy noreveko ity andro alakamisy ity. Mety hatrany @ secondaire mintsy aza fa tsy tadidiko loatra. Rehefa Alakamisy ny andro dia tsy maintsy be dia be foana ny zavatra atao any an-dakilasy. Tsy maintsy bedabe foana ny kahie entina. Ny tena moa t@ zany mbola boay kely, ka dia ny manisa taona no nilofosana mafy. 3 taona aho sisa no manao an'zao t@ kilasy seconde,..., 1 taona t@ terminale.

Nony afaka baka inona akory no zany eo Frown. Vao mia koa pira fa alakamisy ny tena kotrana indrindra teny Ankatso. Tsy nanao fanomezan-toky handiso fanantenana intsony moa aho fa dia arak'ilay teny malaza hoe "tomorrow koa day" Laughing. Isan-taona dia ny manamarina ity theorie kely ity no ataoko voalohany vao mivoaka ny emploi du tps. Nihevitra ihany koa aho @ ilay filaza t@ mbola kely hoe refa eritreretina ny zavatra iray dia tsy mitranga, refa tantaraina ny nofy dia tsy mitranga. Izany hoe ny avenir izany tsy hanome izay zavatra eritreretinao mintsy e. Dia mba hoe tairo omena ny fika ity tonga dia eritreretina dia tsy hitranga. Ountsssssss, odie, saka manatody e, eritreritr'akoho zany Cool.

Herin'andro vitsivitsy izay dia tena zary nofy ratsy mintsy ny fandehan-draharaha ka izay no tena hitantarako azy kely:

Alakamisy 20 Septambra:
Somary tara vao tafafoha. Nande nandro. Eo ampovoan'ny fandroana iny tonga d tapaka hoazy ny ranomafana, dia rano mangatsiaka irery no nitatatata mafy. Niteny ratsy sisa tsy nataoko. Niafiana moa fa ny tena efa tara.  Kelikely teo maty hatr@ le rano mangatsiaka Innocent renjekaky o!!!! niandrasana ka niandrasana, ka niandrasana ka eeeeee. Aleo tsorina aloha fa tsy maintsy niteny ratsy @ zay za teo Sealed Hay ony nisy zavatra namboarina tany ambany tany dia voatery nidiana aloha ny conduite mankaty aminay. Tsisy fampandrenesana @ io an. Adiny 2 fotsiny dia vita Laughing Nifafa tsy fidiny dia nande nikafiry dosy tany @ dezera be, izay nilaharana ihany koa fa tao no hany sisa nandeha. Soa ihany fa mba cool ilay olona ka navelany nandeha mialoha aho... Tsy nisy nande @ ze lahoriny moa ny ambin'ny andro...


Alakamisy 27 Septambra:
Somary nandeha tsy nisy olana ny andro tontolo. Gaga aho hoe, anhan, mba hafa koa ity. Nony tonga tany antrano, vaky ny varavaran-kely, teo @ fandriana mintsy izany. Naika hafindrako ihany ny fandrinako fa kamo be za fa efa te hatory fa tonga dia hoe aleo atao adina commando... Zara raha nahita tory aho ny alin'iny, fa zany hoe nitady raharaha ihany ny tena marina. Tongue out

Soa ihany fa mba voavoatra ny andro zoma iny ihany ilay izy. 

 Alakamisy 04 Oktobra:
Nisy asa efa nangatahin'i sefo efa nanomboka ny alatsinainy fa nahemotro foana... tantara lava be tsy atao eto... Ny alakamisy izay no hihaona mbola tsy vitako anefa ilay izy ny alarobia. Ny alakamisy izany no mba hoe atao rapida ity. Odoie, nisy tabataba be tao ivelany ary nataony heno tsara tao @ 1ere etage izany Laughing Ary ny tena manome lagy ahy dia isaky ny manomboka mi-concentre kely no raikitra ny tabataba tsisy otr'zany. Namono tena sisa tsy nataoko. Nahemotra ny zoma indray moa ilay fihaonana fa na i sefo aza krizy be. Nitsiky tampoka ny bandy LaughingCoolWink

Alakamisy 11 Oktobra:
Tara indray vao taitra. Efa mailomailo aloha tao @ douche fa tsy nisy inoninona. Vao niditra birao dia nisy taratasy avy any @ sefo milaza fa niroso alohabe ny daty farany tokony hahavitako asa iray. Izay tokony ho @ volana Janoary anefany raha ny tokony ho izy. Kivy tanteraka aho, fa ilay asa @ io efa ho 1 volana mbola tsisy tokotaniny ihany. Efa mba miezaka ihany aho fa tena arakaraky ny ahitako lalana no tsy mampety an'ilay izy Laughing Tonga i sefo ny hariva ary dia niresaka. Plan d'urgence no atao fa tsy hanaraka ilay noheverina taloha. Lery koa moa politisianina be ka tsy hita izay hamaliana azy. Nanaiky tsy sazoka fotsiny ah. Nanao izay ho takatry ny saiko teo fa eee tsisy vokany. 

Nony afaka kelikely anefa, nisy zavatra nataoko elabe izay fa tsy notohizako intsony satria tsy namoaka ilay zavatra notadiavina no naveriko nandramana. Asa na fahasoavan'A/tra na resaka fanahy masina fa otran'ny nety tampoka izany nedala. Aleo tsy asiana kozy betsaka fa sao dia mivadika eo indray ingahy destin. 

Tady ho tiako be tampoka ity andro alakamisy ity raha toa ka tsisy zavatra bizarroide mitranga mandrapaharainan'ny andro.

Amen

 

 


Hevitra

Leave a Reply