Skycars, retour vers le futur...
Asa raha efa hitanareo ity lahatsoratra ity izay milaza fa hanomboka hivarotra "Flying saucer", tomobilina manidina irony, ny Moller International Inc.
Lasa ihany ny saiko hoe tena efa lasa andavitra ny fiainan'ny zanak'olombelona an? lasa hisy traffic eny @ lanitra indray zany zao afaka taona maromaro. Ny tena mapme ny mieritreritra ny bandy kely any @ tanana sahirana misafidy hoe raha hividy daba dia inona ny mafy nefa tsy lafo loatra raha mba fantany manko fa efa tsy hisy ilavana azy tsony ireny "atsy ho atsy".
Fa le vidiny @ zao koa aloha tena henjana kle. $90.000 ony, efa mahatsangana orinasa kely ny bandy @ zany . Kanefa io "prestige", ilay fiara "hummer", izay amidy mihoatra ny 2 miliara Ariary aza moa misy gasy mividy ihany. Azo heverina fa tsy maintsy hisy gasy hanana io afaka taona maromaro. Enganie mba ho za . Tsy hitanareo mitovy @ futur moi ve ny 1 @ reo bandy 2 eo @ io sary io reo?
Ny zavatra iray singanina manokana eto koa, asa raha tsikaritr'isika fa, efa ela no nieritreretan'ny olona hoe hisy any @ futur any ity karazana daba manidina ity. Raha tsy ilaza ny t@ androndr'i Cruchot aza, jereo fotsiny ireny film Judge Dredd sy ilay Zenon. Ireo moa no tena tadidiko fa otran'ny nahafinaritra ahy. Ka hoy aho hoe, tsindrimandry ve sa lalana tsy maintsy efa nizorana toy ny internet, ordinatera portable sy ny finday ihany ve?
ps: resaka skycars en general, jereo eto, jereo eto.