Kalou hangalatra audimat
kely manararaotra ny tsy maha-eto an'ingah jentl fa tssssssss. Efa
henotsika/hitantsika/novakiantsika rehetra ngamba fa ny coup farany
nataon'i tgv dia hoe tsy hirotsaka ho filoha lery @ fifidianana hoavy
izao. Eto kosa aho alou dia hidera tanteraka ny ingeniositE
an'lery/mpanolo-tsaina-ny e. Tena kozy ee, mandohalika fa tena tsisy
nakobo iny.
TGV is the man, isn't he?
Eritrereto
hoe raha tsy mirotsaka tokoa lery dia madio tanteraka ny passipaoriny
satria lasa otran'ny hoe tsisy interet personelle tsony ao zany.
Voalohany indrindra alou dia afaka mitaky ny tsy hilatsahan'izay efa
nitondra teo aloha izy, tout en sachant hoe tsy hanaiky ry zalah. Du
coup, il passe pour le messie. Hoe tena izy irery no mahatsapa ny atao
hoe interet superieur de la nation, tena izy. Et franchement, on peut
pas lui en vouloir.
Manaraka izany, mitombona
tanteraka ny hoe tsy izy no hanome amnistie fa ny solombavambahoaka
izay ho voafidy. Normale be izany satria izy anie mpitantana ny
tetezamita fotsiny ee. Du coup, afaka miteny mintsy izy hoe ande hoany
Pretoria ah ra izany no mahasoa ny firenena, kanefa aoka tsy ho raisina
hoe mpiova hevitra fa miniana eto imasonareo ah fa tsy hirotsaka izany.
Noho ny tombotsoam-pirenena no andehanako any. Fainty doly zany satria
ny point tokony azominy any fotsiny dia ny hoe tsy manome amnistie izy,
ra8 tsin garanti 100% fa tsy hanaiky an'zany mintsy. Dia afaka adidy
izy avy hoe za nge tonga ee, nareo no tsy azo anaovana rara.
Encore
mieux, rehefa tsy manao amnistie izy, voafainty doly ry deba sy ry
pierrot sy ireo voapanga 2002 rehetra. Pierrot no tena probleme eto
satria lery efa any @ tanana. Zao izy tsy afaka mirotsaka wazy. Cerise
sur le gateaux: Voninahitra sy Pety, tsy afaka mirotsaka koa satria
nomena grace fotsiny fa tsisy amnistie mikasika andrizareo. Tsy dia
tena hoe olana be moa izy mitsam ireto fa le apres tetezamita izy no
olana satria somary lomboto sy manao izay saim-patany be izany ka
mandoto ny fitondrana matetika au lieu de hoe manampy. Izao izy
disqualifier en bonne et due forme sady tsy afaka migiaka fa izay
adin'ny parlement vaovao eo izany.
Calcul politika:
Ny
adin'lery izany zao dia ny hoe ovaina rezima parlmantera ny eto
amintsika. Izaho manokana alou tia an'zay kokoa noho ilay hoe rezima
prezidansiela e. Ny tena lesoka t@ andron'i Zafy dia ilay homme fort
(zafy) natao teo @ prezidansa izay tsy manana pouvoir akoriny. Ka ra
ohatra ka hoe i TGV (homme fort) no atao praiministra dia tsy koi na
hoe rezima parlemantera ary isika. Ny tiako tenenina hoe mety hande
tokoa, qui sait? En plus-n'izay an, tapona doly ny vavan'ze te
hianakihana rehetra hoe tsy ampy taona. Satria Ny praminisitra
normalement rehefa ampy taona ho hirotsaka depiote dia afaka atao
praminisitra wazy... ingenieux an?
Ny prezida izany tsy koi ze
lany eo satria efa tsy hanana pouvoir rahateo. Na i Ratsirahonana an
na Lahiniriko na iza, eny fa na i Zafy aza tsy mampiova zavatra betsaka
izany.
Tokony mande zoli zoli doly ny zavatra
rehetra du moment hoe manao geste ala asa fay lery hoe manao ouverture.
Efa notenoko teo moa le hoe mody mande makany Pretoria ohatra, sachant
tsisy zavatra vanona any. Ra misy zavatra vanona moa, encore mieux.
Tena hoe tena lery no mpamonjy... Sinon, afaka manangana governemanta @
izay izy satria hoe efa tsisy interet personnelle tsony ao fa ry zala
mouvance 3 ambiny no manao fitiavan-tena be diso tafahoatra... azony
atao ihany koa ny miverina miantso ny miaramila indray satria efa
miova izao ny donnes hoe tena fitiavan-tanindrazana ity lehiretsy
eee...
i Reny malala moa efa manome toky hoe
tsy maintsy hanohana... ny tena important eto dia atao mitranga tsara
ny caractere hoe niezaka mafy nanao ouverture sy ni-inclure ny
olon-drehetra... raha vao misy firenen-dehibe manaiky anakiray dia
mivadika wazy doly ny zava-drehetra. Jereo fotsiny ireny tany Honduras
ireny nanao ala asa fay kely ry zalah, dia aveo noeken'ny bekintana
satria ny lakana efa mby andalana dia naleony nanaiky sao dia ho very
interets. Vao nanaiky ny bekitana dia niravona wazy ny zava-drehetra.
Na dia hoe nanao be mokona aza ny Brazil sy ry Argentina dia voan'ny
lehibe noho izy dia mangina wazy... Eto koa dia izay effet izay no
endrasana, ra vao azo fotsiny i Frantsa sy i China na hoe Bekitana dia
rava hoazy ny tsena na dia hoe tsy hanaiky aza ny Afrika Atsimo sy ny
Sadc... eritrereto le t@ 2002 ireny hoe vao nanaiky i betina dia tsy
afaka nidrikina intsony i Frantsa ee... zavatra otran'zany. I bekitana
@ zao tsy dia be teny firy fa mi-observe fotsiny hoe tena free and fair
le election ho avy eo. Ra izay no izy dia bye bye wazy ny mouvance 3
ambiny satria izy koa mila miaro ny interets-ny ka...
Really?
Milay
be doly izany hevitra izany satria lasa hoe eo @ AVI, ry Lahiniriko,
Leader Fanilo, ry Rolland Ratsiraka ary i Monja Roindefo izany ny
baolina sisa... Ny AVI sy ry lahiniriko poinsa hanao alliance @ i tgv.
Ny tena fanotaniana dia ny hoe hahazo majorite ve i lery ao @
parlemanta sa tsia?
Ny tena defaut an'i tgv hatr@
zao izany dia ny tsy mba nandanian'lery fotoana kely na dia hoe kely
fotsiny aza niezaka nanaparitaka ny antoko tgv. Ny olana t@ andron'i
Zafy manko dia noho izy tsy mba nanana antoko matanjaka fa dia
niantehatra @ alliance @ antoko hafa foana. Ny eto amitsika anefa tsy
misy mpanao politika hoe tena tia tanindrazana izany, fa mpamadika
palitao no tena betsaka... mety tsy haharitra 3 taona eo akory izany i
tgv raha tsy mahay mi-jongle tsara...
Mazava
angamba fa raha vao milamina ny tanana dia tsy maintsy hoe samy maka ho
azy doly @ izay ee. Matsiro be anie le fitondrana ee. Samy te ho lohany
daholo. Ka raha tsy manana ampahany betsaka hoe minimum afaka manohitra
motion de censure i lery dia herim-po very maina... Na dia hoe ny
resaka cause cotiere fotsiny aza dia efa voa be lery.
What if... (!doty)
ary
raha ohatra ka mifainty indray moa lery ity ee? Efa nolazaiko hatrany
amboalohany moa ity fa tsisy nihaino ah hoe ny tena fikan'i tgv dia ny
mifainty. Hatr@ nanombohan'lery teo @ 13mai ka hatr@ zao dia mifainty
foana lery. Hoe mitaky ny fanokanana ny onjapeo viva... tampotampoka
lasa hoe mametra-pialana ny fitondram-panjakana... zavatra innocent
foana no anombohany azy... jereo mody manasonia Maputo sy ny sisa izy,
avy eoavoakany @ zay le tena kozy hoe: za hirara??
Tany Pretoria
mody hoe hiverina @ le 15 Mai, dia faly ery ny pokona. Tonga aty @
tanana @ izay vao omen'ny lery ny tena hafatra... mitaraina hatr@ deba.
Mbola aiza no hanaovany an'i toi anefa ee haha
Nareo
ve dia hino hoe na ny be mokon-dohan'lery fotsiny aza dia hoe tena tsy
hilatsaka izy fa hoe hiala maimaim-poana fotsiny @ zao? ra izay manko
tena vao mia ingenieux azany mais bon somary aleatoire alou izay,
indrindra fa mety hoe ho lasa dictateur koa izay mandimby azy eo e...
Ka hoy aho hoe, bandy mahery lery fa tsy
arakaraky ny fisoziavan'ny maro azy. Ny atahorako fotsiny dia ny hoe ho
lany andro manao diversion fa avy eo ho lanin'ny saka ihany ny trondro.
En tt cas, tena coup tsara be ilay androany iny. Asa raha manana avaly
izany ny mouvansa 3 ambiny.
Ra hendry i ra8 izao
dia mamonjy tonga dia miroso @ hoe tsy mametraka condition tsony ah
raha izany fa raiketo ny gouvernemanta consensuel sy inclusif. Aleo
hilamina hoan'ny parlemanta izay resaka amnistia any... raha vao tsy
izay fa ny mbola hi-korotana sy hizizo ny hoe aministia ihany dia eee
veloma lava... asa anefa... wait and see.
simp, anio May 13 2010-- ho ho ho