Tonga indray ary ilay ora farany... hanaovana an'ity devoira mafinaritra ity hihi ilay post fanaovana flashback @ faran'ny taona otran'zao no tena anisan'ny faran'izay mahafinaritra ahy ny manoratra azy... otran'ny hoe misy pejy mivadika izany... c'est la vie!!
2010 ve?
Bedabe ny zavatra azo lazaina fa ny hamitinana azy angamba dia ny
hoe ny ankamaroan'ny zavatra tian'ny olona dia otran'ny hoe "overrated" hoe tsy tena milay akoriny amiko... hatr@ zay ah izany niezaka ny hoe ho normale manaraka ny be sy ny maro foana fa otran'ny hoe 2010 no nahitako fa aleo za ihany za fa tsy za hafa ^:^ Zavatra tsotra sy milamina ary voaplanina no mety amiko, zavatra tsy be mpankafy ihany koa... fa ra vao tsy izany dia tsy mety... Tsy hary ho hazavaina be eto moa izany le izy fa atao diary fotsiny hoe nafinaritra ny 2010... kanefa tsy dia nahafinaritra be araka ny nantenaina...
Ny blaogy moa dia manja be foana toy ny isan-taona. Na dia hoe somary mampalahelo ihany ny hoe somary matory ny ankamaroan'ny mpitoraka rehetra. Tsy atao mahakivy izany, samy sahirana rahateo. Za manokana anisan'ny zavatra tena manala stress sy hoe mitondra tsikitsiky mitafotafo nandritra ny 2010 ny fanoratsoratana teto... Ny lahatsoratra nataoko tiako indrindra: rano miboiboika. Ny lahatsoratra teto @ blaogasifera nafinaritra indrindra: rajakom-bazaha.
Bedabe
ihany koa ny fikasana sy hoe fanatenana tsy tanteraka fa ny tena nampalahelo indrindrindra dia ilay tena tiako naleha indray no tsy tongako... sa va, sa va... i will
be back to love you again...
2011?
Mino sy manatena fa mba ho matotra @ izay aho, asa, tsy haiko... mety ho ampaniriko ny volom-bavako @ erin-taona ^:^
Miandrandra mafy ny fivoahan'ny hangover II ihany koa... sy ny hoe malokila, sa inona moa?
Mino sy manatena fa hivaha @ izay ny krizy eto @ firenentsika. Faly ery aho nahita an'ity lahatsoratra ity hoe mba tsy adilahy politika kosa no mivoaka momba antsika androany fa zava-boary mampiseho ny hakanto sy mahatokana an'i Madagasikara eto @ izao ntontolo izao.
Mirary dia mirary ihany koa ny taona zina, feno fahombiazana hoantsika mpamaky sy mpitoraka rehetra eto @ blaogasifera.
Teraka jesosy gobaka ny sosy izy tsisy sosy nefa dia bogosy matosy voaplosy
araka ny fomba mahazatra hoe rehefa kamo be hamaly ny joyeux noel an'ny olona rehetra @ blaoginy dia aleo manoratra lahatsoratra manokana miteny hoe: *joyeux noel*
za moa efa tena tsara fikasana mihintsy hoe niezaka ny namonjy lamesa omaly hariva hoe @ ity taona ity kosa aleo mba hihaino ny tena tenin'A/tra dridrangilo... kanefa dia teo ampiomanana mihintsy no nisy devoly niantso... eee fikasana moa an'olombelona fa A/tra no tompon'ny teny farany ka akory atao... voatery nande nirevy tampoka sady hoe tomorrow koa krisimasy ee... kay tena tssssss ny tampoka tsy mahalelah... waaaaaaaaaaaaaaaaaaasted... tsy nigobs kosany alou za ee sady mbola navita nibrosy nify sy nisolo akanjo... ny olana kely fotsiny t@ 11 sy sasany vao taitra le... sady tena vazomboany tain'alika be... tsy koi anefa fa tena matoky fa kopy i A/tra hoe ny hevitra sy hetaheta no tena zava-dehibe, fo manolotra eee... sady efa manaiky tanteraka ny punitions rahateo ny foko sy fanahiko... na dia nanao headphone sy solomaso masoandro ao an-trano aza dia tena tsisy effet-ny mihintsy... ekeko ry tompo maheryyyy.... @ herin-taona indray eee
Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako ho tenenina teto fa ny hoe yayyy nivavaka hoan'i Madagasikara ny papa benedict XVI. Dikan-teny tsotsotra, hoy izy:
"enganie ny fahaterahan'ny mpamonjy hitondra ny filaminana ara-politika sy sosialy eto Madagasikara"
dia io no hitenenako hoe kiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii tsy hoe te hanakivy ny papa ah alou an, satria otran'ny antitra be ihany lery iny fa hoe ny fahitako sy ny fahatsapako ny zava-misy dia rehefa misy zavatra hivavahan'ny papa izay dia tsy ho tanteraka mihintsy izy izay. Asa na i lery no tsy tian'i A/tra loatra na hoe zavatra tsisy fanatenana daholo no mba hany hivavan'lery fa dia efa izay no zava-misy alou.... ka hoy ah hoe eeee veloma lava letsy ry Gasikarako aaa... atao ahoana fa dia ny papa mihintsy no efa tsy tia antsika eee... ka inona moa izany fa dia mivavaka sy manatena isika hoe enganie mba tsy ho ny tavan'iny olona nanao an'iny vavaka iny no ho jeren'i A/tra fa mba hoe ilay vavaka nataony. Sady mba hanaporofoana koa fa indraindray mety manatanteraka ihany izy... ra za izy alou tanterahiko iny ee
Efa
manakaiky moa ny fahatongavan'ny tompo ka nieritreritra ah hoe aleo
mba hafatra hoan'ny famonjena ihany koa no atolotro ho fanomezana
antsika @ ity noely ity. Tsy inona izany fa ny hoe *tsara ry mampirafy*
Ny antony voalohany dia ny hoe ny
ara-boajanahary moa dia hoe tsisy partnera fiksa izany. Tsy haiko hoe
iza no namorona an'zany hoe tokony mijanona @ olona anakiray ihany ny olona iray mandrapahafatin'iny olona iray iarahany iny fa dia tena nandika ny
lalana natoralin'ny zava-boary. Eny e, isika moa izany tsy biby fa
manan-tsaina ka azo ekena ihany ny hoe olona iray miaraka @ olona iray
satria mety hoe izany no atao hoe tena fitiavana angaha, asa, tsy
haiko. Ny tiako hahatongavana fotsiny dia ny hoe izay hoe safidy
hiaraka @ olona iray izay no atao hoe exceptions sy safidin'olon-droa
manokana fa tsy ilay hoe miaraka @ olona mihoatra ny iray akory.
Ny
tena olana dia hoe teo anivon'ny fivoaran'ny fiainan'ny
zanak'olombelona dia lasa noraisiny ho soatoavina sy hoe tokony hoe izy
eo anivon'ny fiaraha-monina ny hoe lehilahy iray miaraka @ vehivavy
iray. Ny hoe A/tra sy ny fivavahana rahateo nanampy trotraka an'izany
implicitement. Ilay teny mampirafy izany dia lasa ohatra ny hoe ratsy sy
hoe fahotana. Kanefa ny tsy nino an'A/tra ny voajanahary fa tsy ny hoe
nino tsy akory. Ny ao @ didin'A/tra koa dia nolazainy mazava hoe aza
mijangajanga na hoe aza mangala-badin'olona. Eto ary anefa dia efa misy
vice de forme azo jerena sahady. Satria hoe inona marina moa izany no
tena atao hoe mpivady ee? raha nivady tany @ katolika ve dia mpivady any
@ protestant izay? eo mbola azo ekena satria hoe kato sy prostestant
moa atsimo sy avaratra fa raha hoe silamo na hindu na budhist mbola hoe
mpivady ihany ve?
Ny hoe mangalatra koa dia hoe
maka zavatra iray tsy mahazo alalana avy @ tompony. Iza moa izany no
tena tompon'ny olona, ny tenany ve? ny vadiny ve? sa A/tra? Zany hoe ra
mahazo alalana @ ireo izany dia tsy tokony ho olana velively. Tena azo antoka manko fa nahazo alalana @ ilay olona matoa ry zareo miaraka. Ny
fiaraha-monina izany tsy tokony hanaratsy an'ny hoe "mampirafy" raha tsy
mahalala ny tena marina hoe nahazo alalana izy io... vokatry ny hevitry
ny fiaraha-monina koa anefa dia lasa ny lalana @ firenena mihitsy no
lasa nandrara ny hoe mampirafy. Eto koa dia misy adihevitra iray indray
hoe ny mpivady nisoratra tany @ firenena iray ve mbola mpivady ihany
any @ firenena hafa? @ ankapobeny aloha dia marina io satria mitovy
fijery ny fiarahamonina ka lasa miampita @ firenena 2 samihafa ihany koa
izany... ny tiako hahatongavana anefa dia ny hoe ny natoraly dia ny tsy
miampita, izany hoe tokony afaka manana zo ho tsy mpivady ny olona roa
any @ firenena hafa na dia hoe mpivady aza any firenana hafa...
Somary
vendrana ihany moa izany hevitra rehetra izany satria hoe rehefa niova ho izay
ny firehan-kevitra eo @ fiaraha-monina dia efa izay izany no atao hoe
tsara sy mety ary tokony ho izy. Ny olana @ izay anefa dia ny hoe ety
ivelany fotsiny ny fiaraha-monina no tsy tia ny hoe mampirafy fa ny tena
marina dia zavatra mitranga ary ianana andavan'andro izany hoe olona
iray miaraka @ olona mihoatra ny iray izany. Marina fa betsaka tokoa ny
tsy miodina ary mendri-piderana izy ireny fa betsaka ihany koa ny
mpiodina. Tokony malalaka izany ny safidin'ny tsirairay hoe aiza ho aiza
ao @ fiaraha-monina no misy azy.
Ny tena olana
kosa anefa dia ny hoe ahoana kosa no toerana misy an'ilay vady/partnera
raha hoe misafidy ny hampirafy ilay iray. Hoe tokony mieritreritra ilay
iray hoe ho zakanao ve raha ianao no atao an'izany. Eo ihany koa ny hoe
efa nivoady sy nifanome toky, teo anatrehan'A/tra sy ny vahoaka. Ny
tokony tsy hadinoana anefa dia fitiavana no anisan'ny antony hivadian'ny
mpivady ary i A/tra koa dia fitiavana. Tsy tiako ho tenenina ity kanefa
zava-misy eo @ fiainana ka akory atao: ny lehilahy anie ka vitsy an'isa
mihoatra @ vehivavy e. Izany hoe raha mijanona @ olona iray daholo ny
tsirairay dia misy olona tsy mba misy mpitia izany. Manginy fotsiny ny
hoe sipa tsy manja dia tsy poinsa hoe hanan-tsafidy be loatra ka raha
toa ka misy lehilahy vonona ny hanome fitiavana azy ve dia ho tohaina
izany? Eo koa ny hoe ny isan'ny masera betsaka lavitra noho ny
mopera...
Ndeha atao hevitra antehaka sy tsisy
ilana azy daholo izany ee. Ny tena antony iray tena tokony hampirafesana
hoy aho dia ny hoe satria misy ireo vehivavy tsy mety raha tsy miaraka @
lehilahy efa manam-bady. Misy tovovavy izay izany. Tena tafita
ara-pianarana sy ara-bola ary manana ny ampy sy hoe mahaizy azy tokoa
ary mbola tanora... kanefa dia miaraka @ lehilahy manambady
aman-janaka... fatany tsara fa tsy tokony hanao izany izy fa mety
handrava ny tokatranon'olona ary ihany koa tena marary ny fony rehefa
makany @ vady aman-janany ilay rangah... dia nolazaiko hoe ka inona no
mbola hiarahana aminy, bandy milay bedabe eraky ny tanana... dia hoy
izy: satria tiko izy... asa na za no fo vato na ahoana fa dia tena tsy
azoko mihintsy... dia izay ee izany angaha no atao hoe tena fitiavana
marina, mahazaka manao ny adalana rehetra... miaraka aminy no
mahasambatra azy, tsy manana adidy tokony hampirafy ve ilay rangah
satria izay no mba anjara birikiny mitondra hazavana eo @ fianan'olona
iray?
Mateti-pitranga ihany koa ny hoe fitiavana
nitsiry taloha fa noho ny sompatry ny tany dia tsy tafaraka fa nivady t@
olon-kafa. Eo ihany koa ny hoe efa nivady vao tojo ny tena silaka
fanahy... Ny fitiavana anefa tsy hary ho tohaina fa arakaraka ny
hanaovana izany vao mia mitroatra bebe kokoa. Ny fitiavana koa tsy
mitovy hoe ny fitiavana an'i xxx tsy hitovy @ fitiavana an'i yyy
mihintsy na dia hoe samy fitiavana izao ihany aza. Tsy ho feno mihintsy
ny fiainana rehefa hoe tojo ny fitiavana ianao kanefa hikipy sy
hodian-tsy hita. Ny fizarana ny tena fitiavana dia zavatra tsara, tsy azo ampitovizina @ hoe mpangalatra. Hoe satria ve misy mpangalatra eto @ fiaraha-monina, malalaka ny olona hisafidy ny misy azy @ hoe mpangalatra na tsia, dia azo lazaina fa tsara ny mpangalatra? tsia tsy mitovy satria ny fitiavana mamiratra kokoa rehefa zaraina.
Dia hoe hahazaka ve izy ra ny
vadiny koa manao toy izany? atao tsinontsinona ve ny voady? Dia hoy aho
hoe tsia an, mety manova ny dikany sy ny lanjan'ny mariazy izany kanefa
kosa tsy tokony ho atao tsy hita ny zava-misy sy tena izy. Tsara ny
mampirafy, efa izany no voajanahary. Tsy ovaina ihany koa ny voady
sy ny fototra lehiben'ny mariazy dia ny fitiavana izany ary tena atao
ny hoe manome toky aho fa tsy hiova ny fitiavako anao na inon-kidona na
inon-kihantra. Fa kosa hoe vakiana @ tokony ho izy izany hoe azo
ampidirana fizarana fitiavana hoan'ireo izay mila ihany koa. Hoe tsy
hohahenako ary ho atao vaidohan-draraha foana ny fitiavako anao eny fa
na dia mizara any @ hafa aza aho... Tsara ny mampirafy rehefa hoe tena
fitiavana no zaraina sy hifanomezana @ hafa. Fitiavana, tena fitiavana
fa tsy hoe filana na zavatra hafa... raha fitiavana avy @ hafa ihany koa
no mety mahafeno ny fiainan'olona iray, tsy fanehoam-pitiavana azy
ihany koa ve ny fanekena azy hameno ny fiainany?
Dia izay ee, tsara ny mampirafy! Ndeha
ary ho faranana @ ity hira hoe hanaraka anao ity, hiram-pitiavana,
hira fitoriana fitiavana ary hira an'ny mpamonjy ihany koa. Atolotra ho
firarian-tsoa an'ny noely antsika rehetra,
Otran'ny hoe herin'andro feno fahadisoam-panantenana be izany iny herin'andro iny. Satria dia lany tanteraka izany ilay lalampanorenana. Za anefa tena mba maniry mafy dia mafy ny hoe lalam-panorenana mitovitovy @ an'ny britanika no ampiasaintsika. Izany hoe asiana kabinetra an'ny mpanohitra ihany koa. "Governemanta" tsy manana fahefana mpanatanteraka kanefa misy @ fomba offisialy, miandraikitra ny fanakihanana (sy fanomezana soso-kevitra) @ ny fitantanana ataon'ny governemanta tena izy. Lalam-panorenana atao mitovitovy @ an'ny amerikana ihany koa. Hoe tena atao misy dikany sy manan-danja be ny Lohaolona. Izany hoe azon'ny Loholona hametrahana fanotaniana sy bedesina izay olona mitana andraikitra ambony ao @ Governemanta sy Komisiona isan'isany... ary indrindraindrindra hoe mahazo fankatoavana avy any amin'izy ireo vao mahazo mandray an'izay toerana ambony izany. Hialana @ hoe didin'ny filoha ny manendry an'zao olona rehetra izao...
Lany ilay lalam-panorenana hoy aho satria eo @ lafiny ara-pifidianana aloha voalohany indrindra dia tena lany ilay izy. Satria sady lany ny Eny, no mbola nihoatra ny 50% ny tahan'ny isan'ny tonga nifidy. Ra mba latsaka manko io dia mbola afaka niady hevitra hoe ny TSIA sy ny WHATEVER no mitambatra tsy mampalany azy kanefa moa dia samy nandresy daholo ireo. Ny hoe fangalarana sy ny sisa, rehefa tsy nisy profo moa dia naman'ny tsisy ihany izany na dia fantatra ny zava-misy... Eny e, mety hiteny isika hoe mbola mitohy ny krizy fa tsy mbola izao no farany ka aza kivy... kanefa minoa ah marimarina fa tsy hiova io. Tsy noho ny hoe handresy i tgv na ny otran'izany fa ny tena marina tia an'io lalam-panorenana io daholo ireto mpanao politika antsika. Satria aleo tsorina ny marina, tia seza sy apprenti diktatera daholo. Na ny 3 mouvances izany na i Monja na ny HAT sy izay manana ambitions hirotsaka ho prezida rehetra eto @ tsika dia tsy mihevitra ny hoe tena hampandroso izany fa dia ny hanjaka tokana sy maso-mandidy no tena tanjona. Izay no antony hoe tena mana avy any an-danitra hoan'izay ho lasa filoha eo io lalam-panorenana io. Dia izay eee...
Inona moa izany fa dia miandry ny krizy manaraka indray... homba antsika A/tra!!
Tsy izany rehetra izany anefa no tena tiako horesahina eto fa ny hoe: kiiiiiiiiiiiiiiiii tsy lesbian ve ranga i Oprah le tsssssssssssssssss. Tsy hoe noho ny fitiavako manokana ny lesbians akory fa noho ny hoe tena mba nieritreritra ah hoe izy no anisan'ny olona hoe tena tafita eo @ fiainana kay tssssssssssssssss manamarina an'ilay teoriako (mbola holazaiko eto) ihany izany hoe ny vehivavy manana ny mahaizy azy, tafita ara-bola/fianarana/social status, ny ankamaroany dia diso safidy be daholo @ resam-pitiavana...
Dia andeha ary ho faranana @ F. U, hira nalaza be t@ herin-taona hoe fiadiana ny zon'ny lesbians... Fako io...
Asa ianareo raha mahatsikaritra fa ohatra ny tsy misy manao ny hoe henan-kisoa no atao @ borgera. Na tsy haiko, mety izaho koa no vendrana sy tsy maharaka... kanefa @ teorana sasany tsy eto Madagasikara dia ny henan-kisoa no mora kokoa noho ny henan'omby... ka hoy aho hoe, sao dia bizina ity haha... Androany ary dia atolotra antsika ny henan-kisoa borgera tsotsotra, vita simp, azonao atao any an-trano. Mazava ho azy fa azo soloina henan'omby na akoho ilay hena fa ireny moa efa misy efa vita diska boribory tsara , mety kokoa raha tonga dia ireny no vidiana toy izay mbola hanao zymnastika ohatra an'ity. Indro ary:
* Voalohany aloha dia mila mividy henan-kisoa ianao, ilay mikambana (chops) fatao anaty lafaoro ireny fa tsy ilay voatetika an. Dia ilay manifinify ireny no tena tsara fa mety ela vao masaka sady mety mafy be manaikitra anazy avy eo ka mandrovita mofo no mandoto tanana...
* Esorina ny taviny sy ny taolana dia asiana sira sy antsakavironkazo (na izay episy tianao) ary atono anaty lafaoro avy eo.
* Mandritra an' iny ao am-patana dia alaina ny mofo (azo atao mofodipaina raha tsy mahita mofo boribory fanaovana borgera). Raha ohatra moa ka noana be ianao na koa tenda-kanina ohatra ahy dia tsy didiana eo ampovoany ny mofo fa tonga dia mofo anakiroa no ampiasana. Izany hoe atao ambony ambany ireo. Tsara kokoa ity satria afaka atao bedabe ny ampiarahina aminy noho ilay didiana (teritery ny toerana). Somary polesina kely @ tanana ahafahany mipetraka tsara. Dia asiana mayonezy @ iray ary voatabia masaka @ iray.
* Avy eo asiana salady laittue. Raha ohatra ka bitrobitro toetra ianao dia izy anakiroa indray asiana daholo. Aza adino ny mamadika an'ilay hena an (na raha hoe grill dia ilay afo any ambany indray no atao). Ilay mofo teo izany asiana voatabia manta eo amboniny.
* Raha ohatra ka tendan-kanina dia mbola asiana fromazy iray eo amboniny. Apetraka eo ambon'izany rehetra izany ilay mofo anakiray. Ary dia vita ny henan-kisoa borgera.
**miam miam**
Tsara raha aroso dia ny mbola mafana. Tsara ampiarahana @ rafivavin'i alicia ihany koa.