WOMBs: Razzies Gasy

Published on 01/21,2008

 

Nalaza be mintsiny tato ho ato ny fizarana billeta sy ny BOMBsCool, Izay nanehoan'ny ol mpanaraka ny aterineto ny fankamamiany ny blaogy gasy. Arabaina daholo izay voafidy tao, tsara fa tohizo. Anisan'ny tanjona t@ ity fifaninana ity moa dia ny hamporisihana ny mpiblaogy @ sehatra mifanandrify azy. Toy ny karazana fanomezam-boninahitra ireo mendrika indrindra izany izy ity, awards eeee, sexy be le izy @ teny anglisy Laughing  mba otran'ireny Festival des Cannes na hoe Hollywood Film Festival ireny zany. 

Coincidence ou Joincidence androany, fa i Lindsay Lohan sy i Eddie Murphy no lohalaharana @ razzies any @ Bekitana, izany hoe voatendrin'ol ho mpilalao an-tsary faran'zay ratsy indrindra t@ iny taona iny. Any Los Angeles moa isan-taona no misy ny fizarana ny Golden Raspberry awards,  fanomezam-"boninahitra"   ireo  mpilalao an-tsary fopla indrindra. Trano-kala offisialy: jereo eto.

Ka mba lasa ny saiko hoe tokony asiana mifanaraka @ izay ihany koa ny BOMBs sa ahoana? dia mba WOMBs izy zany: worst of Malagasy Blog's. Eny eee, manawain be le fika fa poinsa mety nominee ao ny baby Fialam-boly-ko Sealed. Zany hoe tsara ihany koa ny fampisehoana ny tsy mendrika. Hevitra atsipy ny ahy fa asa raha sendra hitan'ny foko-madagasikara ity resako ity. Azo atao tsara mintsy ny hoe i simp no fopla indrindra ao @ rubrique blaogy jiolam-boto, t@ ilay lahatsoratra hoe: xxx, sady lava nefa tsy hita izay tena lazainy...

Gasy ah 

Asa ianareo raha mahatsapa fa ny gasy tsy dia miraika loatra @ ilay hoe tsara indrindra. Eny e, tsy hoe "indifferent" izy fa hoe tsy mampaninona azy loatra ny hoe olon-kafa no tsara indrindra eo. Fa mba ataovy hoe i xxx nge no ratsy indrindra e? Laughing  Tonga dia misy effet WOMBs be, sa hoe below  wombs Wink Ka raha hi-stimuler fiovana eo @ Malagasy izany dia tsara ny manao ilay BOMBs sy WOMBs indray miaraka.

Santionany fotsiny ny resaka blaogy fa ny fiainana andavan'andro, fiaraha-monina malagasy mintsy no tiako ho tenenina. Tsy misy ny te ho gisitra izany isika ary toetra Malagasy izany. Ka hoy aho hoe ndeha re isika hanao ny nominations an'ireo zavatra hitan-tsika fa tena gisitra eo @ tontolo Malagasy ankapobeny. Hatomboko fotsiny fa ianareo no manohy azy:

* Tele: TVM, tsy mila hazavaina ngambany, tsy misy fandaharana tsara mahaliana ny mpijery no sady tsy mba misy finesse sy esthetika mintsy @ kalitao an'ny sary avoaka

* gazety: Lagazette, sady efa malaza ho AREMA no mbola andoavam-bola indray ony ny version en ligne: aaa eee Yell

* Ministera: Communication & Telecomunication, t@ ilay nanajanona ny karajia an'ny RDB Laughing

* Toerana: Isotry, sady malotoloto no be mpangarom-paosy

* Taxi-be: 119, bobaka be rehefa tsisy olona fa manjavona rehefa avy ny orana  Frown

sns

Samy misy lafi-ratsiny sy lafi-tsarany doly ngambany ny zava-drehetra ka tsara ny mampiseho hoe t@ izao ny antony... 

alefaso ary, 

 


Hevitra

Leave a Reply