Billionaire Wannabe
Iza avy no te ho mpanefoefo o?
Atsangano ny tanana haingana
Somary tara ihany ngamba ity resako ity fa androany vao hitako ity kozy
milay be ity. Namoaka vola, sokafy tsara ny maso, 10.000.000 dollar ony
ny Banky Foiben'i Zimbabwe. Zany hoe vola taratasy iray
mitentina 10.000.000 Zimbabwe dollar. Eo aloha mbola tsy dia
manina loatra fa ity no tena milay, ohatrina ozy nareo io? eo @ $4
(USD) eo ho eo izy io, A7.200 na koa Fmg 36.000 Zany hoe ra manana eo ho eo @ Fmg 36m eo hoe eo dia "miliaridera" enao izay, milay an
Izay zany e, tsy mila nerd... and sexy
tampoka ra te hitsako an'i ra-Bill Gates. Ka ndao raha hiaraka
aminay, ho aiza ee, hiaraka hoany Zimbabwe, fifaliany fifaliana
Tandremo sao tonga dia faly be eo anefa an. Hamburger iray ihany no azon'io
vokatry ny fidanganan'ny vidim-piainana faran'ny izay tsy izy (~
50.000%) moa no mahatonga ny tarehimari-bola ngozabe nefa tsy
manan-danja toy io. Dia mba lasa ihany ny saiko hoe mananjara ihany
isika tsy tratran'ny fahoriana toy izao. Nieritreritra hoe firenena
fadiranovana, kay mbola misy firenena manana vola tsisy valera noho ny
Ariary... Gasy ka manja wa
Dia aleo faranana @ ity hiran'i lolo hoe Benoro ity e, miresaka tapaka sy Zimbabwe
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro, aiz’i Benoro o!
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro mba handihy
Mampalahelo anie ny tapaka e, amin’ity taona ity...
Mahereza e,