Kenya Vs Dago, Aia Ty Hombana

Published on 01/09,2008

 

Asa ianareo  fa mampatsiahy ahy be ny krizy 2002 tany amintsika ity gidragidra mitranga any Kenya ity. Ingahy Odinga moa izany no milalao ny toeran'i Ra8 t@ zany fotoana izany ary i Kibaki no manao Deba. Tena misy hitovizana be mintsy ny tantaran-tsika sy ry zareo kenyanina ary resa-dresaka ambanin'ny tany sy siosion-dresaka momba ny tena ao ambadik'ilay gidragidra,   izay mifandraika amintsika no holazaiko eto.

Fantatrareo ve fa nisy prezida antsoina hoe Daniel Arap Moi (vakiana hoe môy) nanjaka tao Kenya nandritra 25 taona? tsy nisy krizy be (toy ny antsika) ny nanalana an'i Moi teo @ fitondrana fa nande nilamina raha izay no azo hilazana azy. T@ zany fifandaminana izany moa dia nifanarahana fa hirotsaka in-1 fotsiny ingahy Kibaki dia tsy hanao fanindroany intsony fa hitarika ny demokrasia fotsiny, hanao Nelson Mandela kenyanina e (ra8 tampoka izany i Kibaki eto).  Ka nahoana aza no mbola nirotsaka ihany lery avy eo?  

Fantatrareo ihany koa ve fa misy foko antsoina hoe Kikuyu, somary mi-domine ara-kolotsaina ary indrindra ara-toe-karena ao Kenya? Ry zareo anisan'ny hoe nianatra ary ny ankamaroan'ny bizna mande dia azy avokoa, izy no deba ao @ ny tsenan'ny Stock Exchange... Mifamadika indray anefa eto fa i Kibaki no avy @ io foko io ary i Odinga avy @ ilay foko ambiny (misy maromaro izy ireo fa voaklasy ho 1 mifandanja @ kikuyu). Ny hevitra mande izanJungle boyy dia hoe ny antony tena hikifiran'i Kibaki eo @ fitondrana izany dia mba tsy hivadihan'ny fitantanan-draharaha eo @ firenena.

Mety hoe fika noketriketrehan'lery tany aloha izay ary zony ny mirotsaka na dia hoe efa nifanarahana aza satria izy mbola vao in-1 lany fotsiny e. Kanefa, kanefa nedala nge ka efa 76 taona e? ary tena tsy tahotra tsy henatra lery nangala-bato eo imasom-bahoaka. Io izany no tena nitarika ny adim-poko hoe efa misy lonilony @ olona hoe ity foko ity ve izany no tena miseho ho role eto no mbola vao mia nangalatra @ andro atoandro be nedala. Raikitra @ izay ny filanjana antsibe (jereo le sary). i Kibaki moa izany tsy te halala fa efa lany ony izy ary i Odinga koa tsy te halala fa hoe tsy lany i lery fa izy no lany dia samy miziriziry @ heviny eo kanefa ny iray vitsy an'isa fa manana miaramila, ny iray vahoaka be fa mampiasa antsibe.  Efa ho 250.000 mahery  izao no isan'ny olona tsy maintsy nandositra ary maherin'ny 600 be zao no jokotra. Zany hoe @ ity lafiny iray ity dia toa i Deba ihany i Kibaki kle Laughing.

Barack Obama, the Kenyan

Misy hevitra iray ihany koa hoe entina handatsahana an'i Obama @ fifidianana ambaratonga ambany (primaire) any @ Bekitana ity gidragidra any Kenya ity. Izany hoe misy olona manana interet, za tsy miteny hoe Hillary an, hampirehitra ny afo hampisy ny ady any Kenya, dia izay no mandoto an'i Obama.

Tsy hita mivantana aloha izay fifandraisan'i Obama @ ity resaka any Kenya ity e. Kanefa fantatsika rehetra ngambany fa ny Dadan'i Barack Obama dia Kenyanina, mainty izany mazava hoazy. Dia izao @ zay: io ady any Kenya io dia mandefa image negative an'ny mainty any @ mponina fotsy izay maro an'isa eo @ Bekitana. Hoe jereo tsara fa zao no mba hain'ny mainty, tsy manao afa tsy mifankahala iray trano. Te hifikitra mandra-maty eo @ fitondrana, izany ve no tinareo hatao eo @ Bekitana?  Tsy dia hevitra manandanja mankaiza izany a priori fa rehefa mande a la une @ tele isan'andro dia misy fiantraikany ihany... 

Ny Bekitana, tahaka ny Frantsay, aloha tsy hiditra mivantana @ ady any tany mahatra  izany e. Mitady olona manana ambition, na be fankahalana na te hiady fotsiny izy dia ireny no amporisihany. Izay dia raikitra tokoa ry adala isany. Avy eo anefa ny Tourisme Kenyanina no potika voalohany indrindra. Fitiavan-tena izany sa tsy fandinihana sa tsy fahaizana politika mintsy?

Mon Dago a moi

Ny tiako havoitra  ary ny antony hiresahako an'izao rehetra izao anefa dia hoe mety hivadika otr'zao ihany koa ny any amintsika raha tsy mitandrina dieny izao. i Ra8 moa izao efa nikozy hoe tsy hijanona ela eo @ fitondrana, dia efa betsaka mintsy no manatena fa tsy hirotsaka tsony lery @ 2012. Io zao dia efa mifandraika be @ le deal andr'i Moi hoe mirotsaka in-1. Tsy mino aho anefa fa tsy hilatsaka intsony i ra8 @ 2012. 

Isika ihany koa efa tena imminent be hoe hitrandraka solika @ manodidina an'izany 2012 izany. Dia hoavy @ zay bekintana sy sina ary i reny malala @ angady sy ny arona, hampirehitra ny afo. Ny raini-tete tsy maintsy hisy foana, vola kosa io kle. Sanatria anie ka sanatria ka hifarana toy ny any Kenya isika, na hoe Darfur Cry

Ny tokony ho izy izany dia na tsy milatsaka tsony ra8 @ 2012, auquel cas tokony manomana an'le handimby azy dieny zao, @ ity taona ity na @ herin-taona. Na raha toa ka hoe hilatsaka izy dia tsy maintsy ahitsy ny code electorale: bulletin unique sy financement de parti, reviser-na ny liste electorale, ireo rehetra ireo dia  hita fa mbola misy ny tsy fahafaliana eo @ mpanao politika gasy. Hialana @ hoe tsy mangaraharaha @ fifidianana eto. Ary indrindra indrindra avoaka ny code de la communication, izay manapitra ny monopole an'ny TVM eo @ couverture nationale sy hoe malalaka kokoa ny mpanao gazety.  Bref, tena demokrasia modely e.

Antsipy ny tady antandroky ny omby, atsipy ny vilia vaky Cool


Hevitra

Leave a Reply