Tagy- Tagy


 

Otran'ny misy mandondona varavarana izany ny fanenon'ilay titra Laughing

Araka ny fomban'ny mpiblaogy izay tsy hita izay maharatsy azy moa dia hiroso @ dinika impossible isika anio. Manjary cool mitokatokana sy rabat-joie raha manadino ny fitagevana nahazo. Eny ary e, sekire 7 ve moa dia mba ho aiza.  


  • Ny resolution 2007-ko dia misy hoe hianatra espanola. Teny sexy no fahitako ny espanola ka mba tiako hianarana na dia izay fotsiny ihany aza. Araka ny maha resolution azy moa dia tononina fotsiny fa tsy atao... ra misy mahay, vonona ny hampianatra moa dia efa vonona ah, ilaina ny cours de langue.
  • Rehefa matory ah @ alina dia ataoko ambany ondana ny lohako. Ny tanana moa izay maha mety azy.
  • Noho ny hoe tsy manaiky ho antitra moa dia indraindray mijery an'ireny dessins animes ireny. Anisan'ny nankafiziko ilay Ice age 2, milay be le voalavo kely anaki-2: Eddie sy Crash. Taloha Tom et Jerry fa izao otran'ny mafinaritra kokoa ilay 3D. Mampiseho ny fahaiza-manao an-tsary.
  • Tiako ny manao dihan-tongotra alavitra (> 4h), mitaingina bisikileta alavitra sy ny mihanika tendrom-bohitra sns... rehefa spaoro tsy mampiasa saina nefa ahazoana fahafaham-po e.
  • Mpanao peta-toko sy tsy matihanina no tena talentako. Zany hoe tsy dia  mieriteritra loatra fa midi-kizo. Efa eo ampanaovana foana vao mikaroka ny fomba hamitana azy tsara.
  • Tara lava ihany koa, gasy e. Zany hoe rehefa tonga aho dia tsy miandry zany fa na  tsy tonga aza ny sasany dia lasa izao. Izany hoe raha misy fotoana efa nifanarahana moa dia tsy afaka manao in in fa miandry ze ihafarany eo.
  • blind date gasy tonga dia ekeko? Francia Cool
    sa efa nisy nazaka? asa izany!

Ataoko fa mazava tsara doly ireo. Misaotra anao namaky ireo sekire saro-bidy amiko ireo. Marina doly ireo an, aza aparitaka.  Ampiako kely hoe mafinaritra ny teny gasy Wink

Toa efa tapitra notagevandry zalahy doly ny mpiblaogy rehetra ka tsy mahita tsony aho fa ireto angamba no tsy mbola nanao:

  • Dotmg:  what if... tagevako ialahy.
  • Jentl:  vavao eto an-toerana: re-tagevako ialahy.
  • lapino: rediredy fa possible ny hi-re-tagevako an'ialahy.
  • sitlo:  blaogy tsy hay tsy hay, tagevako ialahy.
  • Chryss: blaogy mampalahelo (@ filazana manjo), tagevako ialahy.
Izay aloha fa @ manaraka ny sasany. Raha misy tsara sitrapo na te ho tagevana, na fanindroany aza, aza misalasala milaza izany.

Leave a comment


Tena mianara espanola ary dia mba itantarao vaovao izahay é!

Tandremo anef ny tara an ! :-)



tena simplex araka ny pseudo kanefa tena malagasy fomba fomba fihetsika
mahafinaritra!
faly mhafantatra



Hi hi hi - mihomehy ny mpamaky, lol !

Angaha mbola tsy antitra foana e, nefa ny vidin'entana efa mitombo be - Jereo eto



Eo zao bitso dia mody hoe tsy handalo eto mitsy ... :-P



Msôtra simp a! ka oviana tsika no hianika ny Alpes zany e :-P, sa ho any Ankaratra hihihi

Ity re mba misy tsetsatsetsa tsy aritro a : asa mba manao ahona loatra izany simp izany refa ifanatrehana hihihi. Tena tsy azoko an-tsaina mihitsy :-).

Telo moa zareo eto no tena ampifamadihako matetika, ary heveriko ho olona iray ihany aza indraindray satria misy itovizany na ny fomba fanoratra : dia i simp, i lapino ary i sitlo :-).

zah mino fa nareo sasany koa angamba efa nanao ohatra ahy io : maminavina an'ireo namana tsy mampiseho sary :-).



DdRb,
poinsa hisy lahatsoratra @ teny espanola eto ra vao mahay ah ;-) news2dago, merci lesy eee faly mahafantatra an'la koa :)

pissoa,
efa annee 90 ndray ony ny jeune zao tssssssssssssssssss marary ny foko :'(

xxx,
ity aza offre special hoan'ny bitro e: omeko sekire anakiray avoaka en public eto, izay tiany izy, Angatahana any @ hafatra. En echange, tagy-tagy, sekire 7 izay tiany avoaka momba azy . Sahy sa tsy Sahy? :P

Toky,
tokana olona telo an hahaha
lasa hoe "simpino" zany refa zay telo mitsam no tafaraka sa ahoana? an3 ka, samihafa zahay. Samy jiolamboto ngambany, fa za no hendry indrindra :-P

Ny pozipoziko? misolomaso ah :)
efa sekire 1 koa zay lol

voatagy i sitl an!



ary za to efa nametraka coms teo fa tsy hita :-D


simplex

hi!hi!hi!,
tena tsy any lesy zany le.

Tsy azo averina soratana nga? sa lava be? :P



ito ny resumé fa ny ambiny tsy tadidiko fa bli bla hi!hi!hi!, efa antitsa eee, efa tsy ao anatin'ny annee90
" nampime anah fotsiny wa le sekiré n°2, tsy ho sempotra v :-D "

ary mahagaga fa in-2 nanoratra anie zah fa misy hadisoana fona hono, tssss



na tara lava aza dia soa fa tonga mialoha ny hiafaran'ny volana martsa ny tagy.
Ny important aloha elah mianika tendrombohitra fa tsy hazo e :-P
Ary za koa dia nanao toa an'i tokinao amin'ny fanasiana loha ny mpikambana (i news2dago ve zao lahy sa vavy ?) ; i sitlo indraindray lahy indraindray vavy ; i simp intello mananihany ; i lap sy simp mpirahalahy toa an' i pissoa sy rasazy mpirahavavy ;
Ary raha toa moa ka...sasa-miandry izahay ry Dotmg ?



Raha toa moa ka ... efa ela aho no niandry izay mba hahatsiaro ahy ka hi-tagy ahy ary efa vonona ny sekire fito fa ny hamoaka azy no sisa? Sarotra mantsy ny mamoaka tsiambaratelo raha tsy misy mi-tagy dia naleo aloha natao vakiraoka izy ireny. Ho avy tsy ho ela ny fanehoana azy. Fa ny olana izao efa tsy fito intsony ilay isany fa efa mihoatra aza dia ny hanivana azy no tena mahaelaela an'io fivoahany io.



tagged
ok im out



Io ary izy io e! Vao ny ampahafitony io fa, what if ... you stayed tuned?

http://dotmg.blaogy.org/2008/03/07/raha-toa-moa-ka-efa-ela-no-niandrasako-olona-hi-tag-ahy/



Andao tagevantsika koa ary i Francia e ? :-)



Tokinao> ny namana mametraka sary aza anefa indraindray no mitady hasiana anarana ohatra hoe: i Tokinao ity ary ve tsy i "What a wonderful world" ihany fa tsy niha-antitra ohatra an'i simp ? :-P hi!hi!hi! > mbola ho avy koa ny an-djy e! :-w



xxx> mandalo izy fa haingana be de tsy hita ko :-P



Lap , zah ngah manana blogy :-P
Efa hitako nge le atsy anefitra atsy fa modiko fanina e hi!hi!hi!

elah an



oeeeeeeeeeeeeeeeeee efa nivaly sahady ny voeux-tagiko, jereo kely ny sekire an'i dotMG sy lapino ao @ blaogy.org

ikalamako,
zany an? :)

jogany,
what did I do? :)
is it the V day already? :-P

xxxb,
efa io izy ka
sady milay be ny sekire-ny :b:b:b

hi!hi!hi!,
zay tsy mirara, voatagy ndriko fa avoay ny blaogy haingana.
Tsy hitako tany @ spam le hevitra fa tsy haiko. Zafady indrindra.

dotMG,
mangetaheta ambony lakana ndray za kle :)

lap,
mitovy @ Ratsimamanga nihantanora lery ka :b:b



lelah dôly zany le tagen'elah a?



lol
ka efa tapitra voatagy doly ny vevavy e.

lap no mpitagy vevavy ny tena marina e. Division du travail oblige hahaha

d mety rahoviana zany no hitranga ny sekire lesy? :P


simplex

miampy iray ndray,

voatagy istraky!

tsy haiko lery na vevavy na lelah alou e :)



k'z , bandy istraky ka, na malahelohelo foana aza. Inoako fa zavatra mahafaly foana @ zay zao. Misôtra simp ; taggé zany zay e! miandry kely fa mbol ieritreritra kely an'lé secret ! (tsy maintsy hivoaka iany zany...)



"Tiako ny manao dihan-tongotra alavitra" tsy simp intony izany fa Rapeto !



Hay ve i Simp sy Lap mpirahalahy e ! hitako no mitovitovy ... lol



Jentl > lery manko otran'ny saro-kenatra mitagy joba :-P

pissoa > aiza koa? za aza tsy manana solomaso :-P



taraiky be vao nahitan'i tagin'i simpl
Milay be...tena tonga d azoko sary an-tsaina ny mandany andro miaraka aminao eny an-tendrombohitra eny na manao dia an-tongotra, tsy lany resaka saingy mety handao ny akama ve? raha tara koa ohatra aho



Rajiosy,
lol
ilay tohiny miresaka spaoro vakiana tsara ;-)

pissoa,
ra misy mpirahavavy ve moa any ho any tsy mba ho mpirahalahy ihany zay :b:b

lap,
kiiiiiii navoakan'la ny sekire-ko nefa za mba efa miezaka ny tsy ho saro-kenatra :)

ikalakely,
ra miantso enao hoe mety tara 15 min ah d teneniko hoe 5 min ah miandry anao, kanefa za tara 20 min.
Ra tsy miantso enao fa tonga tara fotsiny, mbola tsy tonga ah fa enao tonga d lasa, mieritreritra hoe efa lasa ah. D lasa fotsiny koa za avy eo...
Ra mihoatra ny 2 ny mifanao fotoana d matetika efa samy kopy doly hoe eo @ 15min eo ho eo ny fahatarana. Ra mihoatra an'zay d tokony miantso. Ra vao tsy miantso enao d efa lasa ny kil. :)



gravy koa ilay hanangona fito e



jentl,

indrindra @ zao andron'ny vehivavy izao esssssssssssy eee



oadray ra-simpl : azoko ilay hevitra. ka ahoana ozy LSNT ? "mamaky lohasaha/havoana marobe/zay vao tonga e" :-)

tena karilahy mihitsy ( (fa tsy Carla araky ny filazanay aty Frantsa)



lol
ozy ra8 hoe tonga miaraka no fahombiazana :)



lap, simp > mampme dôly nareo fa msôtra e :-)


sitlo

okay eh, hahaha

tsy hay tsy hay an

lol



tonga saina t@ ilay fitoriana fitiavana ara-matematika aho dia nahita an'ity famantarana ity (enga anie ka tsy hisy hilaza hoe misy 666 miafina io)

:-



sitl,
blaogy dessin animes ndray ary e :)

rajiosy,
:D
hendre tsara anaka ;-)