Hetsika Anti-Cyclonique

Published on 02/27,2008

 

Somary nalaza ny resaka cyclone  tao aorinan'ny nandalovan'i Ivan teo @ firenentsika iny. Betsaka tokoa izay lahatsoratra mikasika ny cyclone nandende izay.  Singaniko manokana ity lahatsoratra mahaliana be nosoratan'i Marie Sophie  mampifandray ny fitomboan'ny hafanan'ny planeta tany sy ny hery sy tanjaky ny cyclone ity.

Resaka teknika no nazavainy tao, fitinina @ hoe fitomboan'ny hafanan'ny ranomasina @ toerana iray no mamorona cyclone.  Dia mba lasa ny saiko hoe  ahoana aza ny aspect politika mifandraika @ izay? Mikasika indrindra ity laxisme an'ny firenen-drehetra mijery ny niharan-doza, otran'ny hoe tsisy in in nitranga akory.  Rediredy ve ozy nareo ra milaza aho fa manana adidy hamonjy na hanao izay hahakely ny degat vokatry ny cyclone ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany?

Nahoana tokoa moa ny resaka fitomboan'ny hafanan'ny tany izay hoe danger lointain hoan'ny taranaka any aoriana be (afaka 100 taona any) no anaovana resabe kanefa ny kozy voretran'ny tontolo iainana @ zao fotoana izao, sady mampahatra faran'izay haingana indrindra, no tsy asiana resaka.  Ra ny tena izy, tokony hisy theme  manokana mintsy  ketriketrehan'ny  Nations Unis ohatra  @ resaka cyclones  sy Loza voajanahary rehetra e. Tokony misy organe/programme manokana mintsy  mijery  ny fanampiana ireo firenena iharan-doza. Tsy UNDP na hoe FAO fa tena hoe resaka olana ara-voajanahary mintsy hoe mandoa cotisation ao doly ny firenena rehetra anampiana izay iharan'izay. Otran'ny hoe karazana assurance zany e...

  •  Iza no tompon'Andraikitra?

Raha jerena @ fo tsy miangatra tokoa moa, tena tsy fidiny ho antsika anie ilay cyclone, tsy tahotra tsy henatra, mitsotsotso toy ny vinanto tsy mahare fosa e. Isika izany no ratsy vitana hoe tafapetraka taty @ Oseana Indianina. Karazana racisme ihany ny tsy fanampiana antsika raha izany satria tsy maintsy misy voa foana eo na hoe tsy isika aza no teo @ toerana. 

Jereo tsara anie e, isika no tena manavotra an'i Afrika @ izao karazana cyclone angonitsika isan-taona izao. Zany hoe tokony manao subvention aty amintsika ry zareo isan-taona hoe ity ny vidin'ny fiarovana anay @ cyclone @ ity taona ity. 

Ra toa ka ny fitomboan'ny hafanan'ny ranomasina @ toerana iray no mamorona cyclone. Ny fitomboan'ny hafanana @ ankapobeny eto @ planeta tany no mahatonga ny cyclone tena mihamatanjaka isan-taona isan-taona. Iza no tena tompon'andraikitra, tsy ny firenen-dehibe  izay nampandroso ny fireneny nandritra ny 50 taona lasa ve no tena tompon'andraikitra ra izany. 

  •  Solidarite Humaine

Ra jerena ireo millenium developement goals, tonga dia ilay point voalohany mintsy no voatifitra.   @ fomba ahoana tokoa moa no handrosoan'ny tany mahantra ra toa ka sady efa misy olana maro no mbola lany andro manao brouillon izao izy isan-taona? ekena fa anjaran'ny tsirairay no manampy ny tenany mba hanampian'ny hafa azy kanefa misy ny mizaka ny tsieran'ny aina e. 

Amin'ny lafiny iray ihany koa, tombony ho an'ny rehetra ny fisian'ny fond natokana hamonjena voina na hiarovana @ voina  ateraky ny loza voajanahary. Tsy misy ny mahavita tena ary mety ho tratran'ny tampoka doly. Na ny Bekitana aza niteny irery mintsy tratran'i kala katrina kanou. Ny tsunami sy horohoron-tany moa tsy lazaina intsony...

Tsara ra misy ny ezaka ara-diplomatika isaky ny firenena @ fifampizarana ny fahaiza-manao manavotra aina, miaro @ loza ary mampitandrina. Ny fifanomezana fitaovana isan-karazany... Fa tena tsara lavitra raha asiana fond manokana mintsy, ekipa manokana (otran'ny casque bleue)  an'ny firenena mikambana, iarahan'ny firenena rehetra (na izay akaiky) miara mientana manavotra ny sompatry ny tany sy ny lanitra. Terrorista ny cyclone!!

Atsipy ny teny any ampon'ny mahalala, atsipy ny vilia vaky Wink

 


Hevitra

Leave a Reply